Hiditra sekta hono :-)

81. hery ( 07/01/2015 15:50)
Asesik'i RBNIR fotsiny hoe tokony hotandremana. Dia rehefa tsy voaporofony ara-baiboly intsony dia lazainy hoe zava-miafina. Izany indray angaha no fomba fiasa amin'izao? Tsy ara-baiboly intsony fa ara-zavamiafina?

Hitako fotsiny hoe contradictoire ilay fitakiana fanomezana ny manontolo 100% hiombonana sy ny fakàna 10%. Ny fanomezana ny 100% hiombonana no nolazaina fa nataon'ny kristianina voalohany. Koa inoana fa tsy nanao 10% intsony izy ireo... satria tsy nisy fitakiana an'izany intsony.

Fitaovana taty aoriana hampanakarena ny levita sandoka sisa izany ilay 10%... indrindra raha mampahantra ny efa mahantra ilay izy.

RBNIR:

hery:

Fa toa tsy misy fitakiana 10% intsony anie ho'aho ao amin'ny Testamenta Vaovao e.
Sa misy resaka hafa fa tsy haiko ao amin'ny Testamenta Vaovao? Izany hoe nataon'ny Kristianina?

Izay ilay zava-miafina namana a! raha takatrao ilay hoe mbola takian'Andriamanitra ny hitandremana ireo lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (mahatoky amin'ny takona indrindra eo anatrehan'Andriamanitra) dia ho fantatrao fa tokony hotandremana ny fanaovana fahafolon-karena.....
82. hery ( 07/01/2015 15:52)
Izaho tsy manenjika ny mpitarika raha mila mivelona izy, mila vola hahafahany manao ny asany... fa tokony hijanona amin'izay hoe hahafahany manao ny asany izay ilay izy. Tsy tokony hoe ho lasa mpanan-karena mihitsy izy nefa ny hafa mahantra.

Afaka manao ny asany amin'ny fiara 4x4 tsotra iray ny mpitarika raha mila mandeha any ambanivohitra... fa ataony inona fiara 4x4 faran'izay lafo vitsy mpanana sy fiara maro?

83. rhaj0 ( 07/01/2015 16:04)
Raha mandeha 4x4 ny "mpitarika", dia tsy hitako hoe, inona no mampasarotiny an'i Hery an'izany.

Ny Papa any Vatican izao mipetraka amina tranobe ankoso-bolamena.. raha ny fananambe an'i Vatican, ohatra eto, dia tena hoe, raha kely indrindra, dia hoe
"Vatican's wealth put it at $10 billion to $15 billion"
84. rhaj0 ( 07/01/2015 16:11)
Hery:
Ilay izy atao fitaka no olana rhaj0 a...

Iio indray dia arakaraka ny fijerinao ihany. Averiko indray fa...

rhaj0:
Be dia be anie no tokony "ampahalalana" ny olona, izay "asaina manao izao sy izao"satria nambara taminy hoe tsy ho voavonjy izy ireo raha tsy manao izany"...

"Fitaka" daholo ireo.. ka ahoana: azo atomboka dia tanisaina eto ?

Raha ny fahantran'ny olona ohatra no mampaontsa an'i Hery, dia hoe, vao mainka izy very "vola"... ary ny "fotoana" angaha tsy vola, ohatra ?

Izao dia vaka.. ny fahantrana, ohatra, efa an-tenda, kanefa ny andro sabata ilay olona dia mbola TSY miasa indray fa ilaozany "manipy ny tanany any an-danitra"... nefany ny olona hafa izao lasa manao asa faharoa.
85. RBNIR ( 07/01/2015 16:22)

rhaj0:

Raha mandeha 4x4 ny "mpitarika", dia tsy hitako hoe, inona no mampasarotiny an'i Hery an'izany.

Ny Papa any Vatican izao mipetraka amina tranobe ankoso-bolamena.. raha ny fananambe an'i Vatican, ohatra eto, dia tena hoe, raha kely indrindra, dia hoe
"Vatican's wealth put it at $10 billion to $15 billion"

Izany v tsy efa mihoatra lavitra ny fahafolokarena ry namana? Misy fomba fijery mila hahitsy e, rehefa rakoto no manao ny ataony dia masina fa rehefa rabe no manao an'iny na dia kely fotsiny aza dia mainty.....
86. RBNIR ( 07/01/2015 16:27)

hery:

Asesik'i RBNIR fotsiny hoe tokony hotandremana. Dia rehefa tsy voaporofony ara-baiboly intsony dia lazainy hoe zava-miafina. Izany indray angaha no fomba fiasa amin'izao? Tsy ara-baiboly intsony fa ara-zavamiafina?

Ka efa noporofoiko izy io amin'ilay fanompoana tahakan'ny fanaon'i Melkizedeka ho an'ireo tsy manaiky raha tsy mahita porofo ka inona indray no olana namana?
87. gasy1zay ( 07/01/2015 16:56)
RBNIR > Mba miangavy anao hamaky ity rohy ity mba ahitanao hevitra "neutre" mikasika ny fahafolon-karena sy ny voalazan'ny baiboly : http://www.gotquestions.org/Francais/dime-Chretienne.html

rhaj0 > raha ny fahitako azy dia ianao efa tsy mahalala ny zava-misy hiainan'ny gasy mahantra fa maro aza ny tsy mahita asa andavan'andro koa asa faharoa aona moa no ho atao?

Raha ny resaka fivavahana ny andro alahady indray dia finoana io ka tsy ho voavidy vola araky ny eritreretinao. Tsy hitady vola akory ny antompisian'ny olona sasany ety an-tany fa hikatsaka ny fiainana mandrakizay. Raha vola ihany no tadiavinao na andro alahady aza dia mahazotoa fa aleo izay hidera ny Andriamanitray :)
88. rhaj0 ( 07/01/2015 17:06)
Ieee.. ny anay aty na Pasaka na Pentekoty na Noely dia misy olona miasa (na miasa tany io na etsetra...). Avy eo tsy mimenomenona fa hoe mahantra...

Ohatra koa. Ny fitaizana ny ankizy efa tsy ampy ny fotoana iarahana aminy, fa miasa, manampy ny fiaraha-monina sy ny vilazy, dia mikarakara tokatrano etsetra... Dia inona fa ny andro sabata ny sasany, dia tontolo andro dia lasa mimenomenona manipy tanana any an-danitra foana fotsiny ho'a... Dia avy eo ganga rahefa ratsy taiza ny ankizy...

89. RBNIR ( 07/01/2015 17:07)

gasy1zay:

Ilay izy ange namana tsy tokony hisy ady hevitra be e,
1- Eken'ny olona v fa sitrapon'Andriamanitra ny fahafolokarena? Izaho manao hoe eny satria izay no voalazan'ny baiboly,
2 Ny ady hevitra teto miantoka ny fiainana mandrakizay marina v? ary aiza ny porofo,
Izaho nanao hoe eny satria hoy aho anisan'ny lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina izay noporofoin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny tantaran'i Ananiasy sy Safira fa tena mbola takiany ankehitriny,
Nentiko ny porofo ho an'izay nitaky an'izany tamin'ny filazana fa ny fanompoana ankehitriny dia "tahaka ny fanaon'i Melkizedeka (izay nandray ny ampahafolony tamin'i Abrahama)

Hafatra kely fotsiny : tena misy ny zava-miafina ary tena misy ireo navelany hahalala izany.

Raha tsy izay dia tsy mitombina ireto tenin'i Jesosy ireto (ary dia ho mpandainga Izy):
« Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana; » (Mar.4:11)
« Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena] » (Lio. 8:10)

.Na izany aza dia efa nohezahina mba hazava araka izay azo atao ilay izy fa dia anjaran'ny tsi11 sisa mandinika namana.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
90. gasy1zay ( 07/01/2015 17:47)

Tandremo fa ohatrany diso fandray ianao izany RBNIR mikasika ilay hoe "navela hahalala ny zavamiafina" an! Ny tena tokony andraisana io dia ny mpianatry i Jesoa Kristy ihany no nampahalalana hoe izy no kristy t@ fahavelony satria izy ireo no ho lasa vavolombelona hanoratra ny filazantsara fa ny Jiosy tsy nampahafantarina satria raha fantany hoe i Jesoa no ilay Mesia dia tsy ho nohombony t@ hazo fijaliana ary raha izay no nitranga dia tsy tanteraka ny faminaniana, izay no anton'ilay zavamiafina ry RBNIR fa vao vita ny famonjena rehefa nitsangana t@ maty ny Tompo dia nambara t@ olona rehetra ny filazantsara ary nampahafantarina daoly fa tsy misy hoe afenina ny hafa izany intsony fa tao ny nandray sy nino ary tao ny tsy mety mino mandrak'ankehitrio.

Ny zavatra nafenina ny jiosy t@ fahavelony dia hoe i Jesoa no Kristy na ilay Mesia fa fanoharana no nampiasana hahatakarany hoe izy no ilay Mesia.

Rehefa nitsangana t@ maty ny Tompo dia nampafantarina an'ireo Jiosy ireo koa fa i Jesoa ilay nombony t@ hazo fijaliana iny no ilay Mesia voalazan'ny mpaminany. Tsy misy hoe zavamiafina izany intsony fa io epistily hoan'ny Hebreo io no mampafantatra azy.
91. gasy1zay ( 07/01/2015 17:52)

rhaj0:

Ieee.. ny anay aty na Pasaka na Pentekoty na Noely dia misy olona miasa (na miasa tany io na etsetra...). Avy eo tsy mimenomenona fa hoe mahantra...

Ohatra koa. Ny fitaizana ny ankizy efa tsy ampy ny fotoana iarahana aminy, fa miasa, manampy ny fiaraha-monina sy ny vilazy, dia mikarakara tokatrano etsetra... Dia inona fa ny andro sabata ny sasany, dia tontolo andro dia lasa mimenomenona manipy tanana any an-danitra foana fotsiny ho'a... Dia avy eo ganga rahefa ratsy taiza ny ankizy...

Eny ary e! Tsara taiza sy tsy mahantra izany ny any aminareo, tsisy mpangataka, tsisy ankizy miteny ratsy, tsisy ankizy misotro toaka sy mifoka rongony, tsisy mpivarotena , tsisy mpangalatra, tsisy mpanao kolikoly, tsisy olona mimenomenona, tsisy mpamono olona , tsy misy mpanolana, tsy misy mpigrevy .....
92. rhaj0 ( 07/01/2015 18:08)
nope.. "mpino" daholo ny ankabeazan'ireo lazainao ireo :-)
93. rhaj0 ( 07/01/2015 19:01)
ok ok.. rangitra kely fotsiny iny e..

Fa ny tiako lazaina dia, rahefa vola ho'a no laniana (1/10) dia "fitaka" hoz'nareo, fa rahefa "fotoana" sy "hery" na koa "ressources" hafa, dia "tsisy vidiny" indray...
94. rhaj0 ( 07/01/2015 20:54)
gasy1zay:
Ny tena tokony andraisana io dia ny mpianatry i Jesoa Kristy ihany no nampahalalana hoe izy no kristy t@ fahavelony satria izy ireo no ho lasa vavolombelona hanoratra ny filazantsara fa ny Jiosy tsy nampahafantarina satria raha fantany hoe i Jesoa no ilay Mesia dia tsy ho nohombony t@ hazo fijaliana ary raha izay no nitranga dia tsy tanteraka ny faminaniana

an an... dia giravibe ilay (interpretation an'ilay) plot e... ahatsiarovako ilay bilagy iray ity...

[size=8]Dieu parle à Moïse sur le mont Sinaï...
Dieu : - Et souviens-toi Moïse, en ce qui concerne les lois kasher, ne cuisine jamais un veau dans le lait de sa mère. C'est cruel.
Moïse : - Ohhhhhh! Alors on ne doit jamais manger de lait et de viande en même temps ?
Dieu : - Non, ce que je veux dire, c'est que tu ne dois jamais cuisiner le veau dans le lait de sa mère.
Moïse : - Mon Dieu, pardonne mon ignorance mais, ce que tu veux dire, c'est que l'on doit attendre 6 heures après avoir mangé de la viande si l'on veut manger quelque chose fait avec du lait, de telle manière que les deux ne se retrouvent pas dans l'estomac en même temps ?
Dieu : - Non Moïse, c'est tout simple ce que je veux dire : ne cuisine pas le veau dans le lait de sa mère, et c'est tout !!!
Moïse : - Oh, Mon Dieu! Je t'en prie, ne me blâme pas pour ma stupidité ! Mais dis-moi plutôt : Tu veux dire que l'on doit avoir un jeu de couverts pour le lait, et un jeu de couverts pour la viande, et que si un jour on se trompe de couverts, on devra enterrer ces couverts à jamais et ne plus les utiliser ?
Dieu : - Ahhhh Moïse... Fais comme tu veux...[/size]

Fais comme tu veux... Gasy1zay...
95. RBNIR ( 08/01/2015 02:57)

gasy1zay:

Tandremo fa ohatrany diso fandray ianao izany RBNIR mikasika ilay hoe "navela hahalala ny zavamiafina" an!

Faly misera namana,
Tsy diso fandray mihitsy fa tena ao anatin'ny Soratra Masina no misy zava-miafina namana,
Izay no nahatonga an'i Jesosy nilaza hoe : « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

Ohatra akaiky fotsiny izao : ianao, namana hery sns marobe tsy nisy nahafantatra fa hay misy filazana ny fahafolonkarena ao amin'ny testameta vaovao .
Dia io noporofoiko io fa ny fomba fanompoan'i Jesosy Tompo anie dia tsy inona fa famerenana ilay efa rava ela tamin'ny andron'i Melkizedeka e! ary io Meklizedeka io dia nandray ny ampahafolony tamin'i Abrahama)......

Izay ilay izy namana izay mangetaheta dia araho ilay fandaharana fa zava-miafina tsy takatry ny saina no hohitanao ao,
Tsy ilay olona akory no inona fa IZY no niverina nampianatra e!

Azy irery anie no voninahitra mandrakizay!

Hotahiny anie isika rehetra!
96. RBNIR ( 08/01/2015 05:44)
rhaj0:

gasy1zay:
Ny tena tokony andraisana io dia ny mpianatry i Jesoa Kristy ihany no nampahalalana hoe izy no kristy t@ fahavelony satria izy ireo no ho lasa vavolombelona hanoratra ny filazantsara fa ny Jiosy tsy nampahafantarina satria raha fantany hoe i Jesoa no ilay Mesia dia tsy ho nohombony t@ hazo fijaliana ary raha izay no nitranga dia tsy tanteraka ny faminaniana

an an... dia giravibe ilay (interpretation an'ilay) plot e... ahatsiarovako ilay bilagy iray ity...

[size=8]Dieu parle à Moïse sur le mont Sinaï...
Dieu : - Et souviens-toi Moïse, en ce qui concerne les lois kasher, ne cuisine jamais un veau dans le lait de sa mère. C'est cruel.
Moïse : - Ohhhhhh! Alors on ne doit jamais manger de lait et de viande en même temps ?
Dieu : - Non, ce que je veux dire, c'est que tu ne dois jamais cuisiner le veau dans le lait de sa mère.
Moïse : - Mon Dieu, pardonne mon ignorance mais, ce que tu veux dire, c'est que l'on doit attendre 6 heures après avoir mangé de la viande si l'on veut manger quelque chose fait avec du lait, de telle manière que les deux ne se retrouvent pas dans l'estomac en même temps ?
Dieu : - Non Moïse, c'est tout simple ce que je veux dire : ne cuisine pas le veau dans le lait de sa mère, et c'est tout !!!
Moïse : - Oh, Mon Dieu! Je t'en prie, ne me blâme pas pour ma stupidité ! Mais dis-moi plutôt : Tu veux dire que l'on doit avoir un jeu de couverts pour le lait, et un jeu de couverts pour la viande, et que si un jour on se trompe de couverts, on devra enterrer ces couverts à jamais et ne plus les utiliser ?
Dieu : - Ahhhh Moïse... Fais comme tu veux...[/size]

Fais comme tu veux... Gasy1zay...

Salama namana,

Otran'ny hoe maivana amin-tsika tokoa ary toa mampihomehy mihitsy indraindray....
Izao anefa: ilay izy anie hoy aho Sitrapony fa tsy ny sitrapon-tsika e!
Misy afaka hanova izay tadiaviny sy takiny v afatsy ny Tenany ihany????

Zon'ny mpamorona (ary tena ananany fahefana tanteraka tokoa) no mitaky fanajana amin'izay noforoniny....
Ary adidin'ny noforonina ny manaja Izay namorona azy.

« Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, .....» (Rom. 9:21)

Marina fa FITIAVANA Andriamanitra nefa tsarovy ary AZA VOAFITAKA fa...
« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Gal.6:7)

Tsy nilaza mihitsy IZY hoe, azon-tsika atao daholo izay tian-tsika atao satria FITIAVANA IZY.

Ny tena marina dia ity « Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpit.8:11)

Maharipo sady Be fampindram-po IZY dia iny no mahavoafitaka ny sain'ny maro ka dia variana mifikitra amin'ny fanaovan-dratsy ny maro.

Saingy na tian-tsika na tsy tian-tsika amin'ny farany dia efa nanendry andro iray IZY.« satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty. » (Asa.17:31)

N'iza n'iza tsy mino fa i Jesosy Tompo no ilay vavolombelon'ny fisian'Andriamanitra sy ny fananganana amin'ny maty ka tokony hatao izay nolazainy dia hizaka ny valin'ny tsy finoany izireo.
N'iza n'iza kosa mino ka manao izay nolazainy dia hovoavonjy avokoa izireo :
« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jao.3:36)

Inty ary misy hafatra iray napetrak'i Jesosy Tompo ry namana:
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
Tsy ampy ilay finoana Azy ho Tompo sy mpamonjy fa aza adino mila manantanteraka ny sitrapon'ny Rainy izay any an-danitra koa isika rehetra.

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!

Hotahiny anie isika rehetra

97. bor2lais ( 08/01/2015 08:54)
Mikasika ny fahafolonkarena dia efa dinika nandeha teto.

Ireto ny sombintsombiny raha mahaliana anao :
vonynive:

natao ho an'iza ny ampahafolonkarena ?
mampanankarena an'iza ny ampahafolonkarena?

nehemiah:

Version courte : natao ho an'ny pretra sy levita t@ andron'ny Testamenta Taloha ilay izy mba hampandeha ny fanompoam-pivavahana.

N.B. : "t@ andron'ny Testamenta Taloha" hoy aho : efa lany daty izay fitsipika izay fa ny tenanao sy ny fiainanao 1 manontolo no atolotra @ Mpisoronabe melkizedeka, izany hoe Jesoa Kristy, @ Fanekena Vaovao.

bor2lais:

version mety H.S : ilaina ny anetsehana ny ankihikelinao (ampahafolon'ny rantsan-tanana) mba hampandeha ny Fiangonana !

RBNIR:

bor2lais:

Nehemiah:

Satria tsy mahalala ny Fanekena Vaovao mifototra @ Fahasoavana.

Mahatsikaritra tokoa aho aloha fa toa tsy misy famporisihina handoa fahafolonkarena intsony ao amin'io Fanekena Vaovao io e. Fa ny voamarika aza dia ny famporisihina ny kristiana hanao izay heveriny fa tokony aloany ho an'ny Fiangonana (araka izay inian'ny fony, tsy amin'alahelo na faneriterena fa amin'ny fifaliana) !

Faly miarahaba namana,
Tena misy ao fa mety takona tamin'ny namana angamba,
MANGATAHA....... DIA OMENA IANAREO.
Samia ho tahin'ny Tompo e,

Ny tohiny dia io mi-boucle io ! :-)
98. hery ( 08/01/2015 09:01)
:-)

Izahay tsy misy lalàna mandoa 10% izany. Izay te hanome no manome, izay tsy te hanome tsy manota.

Ahodikodinareo anie izany resaka izany e. Sa ve dia sarotra be ny mijery hoe:

1. Ataon'i Pasitera inona Hummer 2, fiara milay be maromaro, sns, eo amin'ny fitoriana? Raha fitoriana tokoa no ilàny an'ireo?

2. Inona ny asa fiantrana ataon'i Pasitera ho an'ireo olona mandeha mivavaka bokaina amin'ny 10%?

Ireo ihany.

Dia mitampina ve ny maso sa miray tsikombakomba no tsy mba miteny hoe tsy mety anie ity ataonareo ity e. Sa izay tokoa no fomba "hamahana ny oloko?"

Raha hoe ao anatin'ny baiboly ilay hoe omena 10% ny levita, ka tsy sitrapony ny manan-karena, dia tsy ao anaty baiboly ve ny hoe "Noana aho tsy nomenareo sakafo?"

99. RBNIR ( 08/01/2015 09:08)

Faly misera hatrany namana,
Ary rehefa mandinika an'ity messagenao ity aho dia hitako hoe sabbattiste daholo no hiantefany an?
Hummer : pasteur maihol, hamahana ny oloko : pasteur heritiana,
Fanamariana kely fotsiny ny asa fiantrana hoy aho tsy aderadera, mety izay ngamba no tsy nahitanao azy mihitsy....
100. hery ( 08/01/2015 09:18)
Ny asa fiantrana tsy aderadera fa ny harena azo aderadera :-)

Tsy azoko ihany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3187