Hiditra sekta hono :-)

61. RBNIR ( 07/01/2015 11:44)
hery:

Ao amin'ny Asa 4, 32 etc mantsy misy tahaka izao:
"Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra. Tamin-kery lehibe no nanamarinan'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesoa Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana be no teo amin'izy rehetra. Tsy nisy mahantra teo amin'izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin'izay lafo, ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apostoly, ka nozarazaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. Nisy levita anankiray atao hoe Josefa izay nomen'ny Apostoly anarana hoe Barnabe (izany hoe zanaky ny fanalana alahelo), teraka tany Sipra: nanan-tany izy, ka namidiny, dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apostoly."

Izany hoe hatramin'ny Levita dia nanome manontolo ny fananany (fa tsy 10% intsony)

Aiza indray no mbola hakàna 10% raha efa nomena iombonana daholo?

Fetra farany takiana amin'ny krisitianina io nefa mitaky firaisan-tsaina sy fitiavana tsy misy fiatsaram-belatsihy,

(f'angah moa aho nilaza fa tsy tokony handoa 10% ny levita?

Mandoa ilay ampahafolon'ny ampahafoliny izy ka.....
« Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany. » (Nom.18:26)

Samia ho tahin'ny Tompo namana

62. RBNIR ( 07/01/2015 11:57)

RBNIR:

« Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany. » (Nom.18:26)

Vakio tsara nge io teny io e! "....ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy,.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA......
63. bor2lais ( 07/01/2015 11:58)
RBNIR:

Averiko hatrany tsy anjaran'ny olona no mitsara izay mpanompony fa manana ny mpampiasa azy izy hanitsy azy...

Mariky ny firaisana tsikombakomba amin'ny ratsy ny ataonao raha izany ! Izay ilay hoe fanatisma sy/na fatahorana ny gourou ! :-)
64. bor2lais ( 07/01/2015 11:58)
RBNIR:

Averiko hatrany tsy anjaran'ny olona no mitsara izay mpanompony fa manana ny mpampiasa azy izy hanitsy azy...

Mariky ny firaisana tsikombakomba amin'ny ratsy ny ataonao raha izany ! Izay ilay hoe fanatisma sy/na fatahorana ny gourou ! :-)
65. RBNIR ( 07/01/2015 12:02)
RBNIR:

« Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany. » (Nom.18:26)

Vakio tsara nge io teny io e! "....ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy,.....
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA......
[/quote]

Nefa dia ambarako eto fa tena misy olona any na dia nomena azy ho fananany aza ilay izy dia mbola foiny hanombinana betsaka hampiroborobo ny asan'Andriamanitra....

Jesosy tsy mifidy olona fahatany e! « Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko. » (Jer.11:20)

IZY MARINA TOKOA NO MAMANTATRA NY VOA SY NY FO RY NAMANA ISANY.

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA, IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA......
66. hery ( 07/01/2015 12:06)
Fa toa tsy misy fitakiana 10% intsony anie ho'aho ao amin'ny Testamenta Vaovao e.

Ny hany notakiana tamin'ireo mpianatra dia ny hamondrona ny fananany MANONTOLO mba ho afaka maka IZAY ILAINY.

Ny tena tiana havoitra eto dia hoe MAKA IZAY ILAINY mba hivelarany. Fa tsy hoe ny Levita ihany no maka izay ilainy.

Sa misy resaka hafa fa tsy haiko ao amin'ny Testamenta Vaovao? Izany hoe nataon'ny Kristianina?
67. RBNIR ( 07/01/2015 12:11)

hery:

Fa toa tsy misy fitakiana 10% intsony anie ho'aho ao amin'ny Testamenta Vaovao e.
Sa misy resaka hafa fa tsy haiko ao amin'ny Testamenta Vaovao? Izany hoe nataon'ny Kristianina?

Izay ilay zava-miafina namana a! raha takatrao ilay hoe mbola takian'Andriamanitra ny hitandremana ireo lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (mahatoky amin'ny takona indrindra eo anatrehan'Andriamanitra) dia ho fantatrao fa tokony hotandremana ny fanaovana fahafolon-karena.....
68. RBNIR ( 07/01/2015 12:12)

bor2lais:

Izay ilay hoe fanatisma sy/na fatahorana ny gourou ! :-)

« Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. » (Heb.13:17)

Fanatisma, fatahorana sa fanajana sy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra?

Anjaran'ny tsi111 no mandinika e!
69. RBNIR ( 07/01/2015 12:18)
Izay manaiky 100% ireo fampianarana tamin'ny andron'ny apostoly...Izay irery ihany no afaka milaza fa mandeha araka ny fampianarana tsy misy kilema....
Fampianarana avy tamin'Andriamanitra, nomeny an'i Jesosy izay nampianatra azy mivantana indray kosa tamin'ireo apostoly fahiny....

Niverina indray Izy ankehitriny mampianatra ilay nampianariny 2000 taona lasa izay Jereo ato

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!
70. vahiny2004 ( 07/01/2015 12:46)

vahiny2004:

1- izaho manokana aloha dia tsy tia mivoy ilay resaka "tahotra an'Andriamanitra" @ resaka finoana fa ilay "Fitiavan'Andriamanitra" no tiako kokoa. Tsy mampitahotra anie lery e :-P

RBNIR:

Ka izay mihitsy ange ilay izy namana e, rehefa tsy hatahorana IZY dia ny hafarany vitan-tsika ny milaza Azy hoe "lery"?? nefa dia IZY ilay nahary izao tontolo izao ny anjely any amin'ny apokalipsy anefa dia milaza amin'ny feo mahery manao hoe :« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!

"Lery" satria akaiky ahy izy
"Tahotra" no matetika hitako lazainao, "respect" ny ahy fa tsy tahotra , "respect" vokatry ny fahatsapàna ny fitiavany
71. RBNIR ( 07/01/2015 13:02)
vahiny2004:

"Lery" satria akaiky ahy izy

Fahendrena v izany namana? miaraka aminy ianao dia ahoana ry lery? izaho ihany ity? ilay akaiky an'????

AOKA HAHITA MIHARIHARY IZAY MANANA MASO HOY AHO ARY AOKA HANDINIKA TSARA IZAY MANANTSAINA!!!!!!
72. bor2lais ( 07/01/2015 13:29)
RBNIR:

« Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany. » (Heb.13:17)

Ny olana RBNIR dia "tsy miambina ny fanahy araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina" ny "levita sandoka" a ! Ny fanatika indray moa dia ny tapany voalohany "maneke ny mpitondra anareo" no tena asesiny (mba ampitahorana ny hafa) ! :-)

Noho izany (amiko) dia mahasoa anareo ny tsy manaiky ny "levita sandoka" ! :-)
73. gasy1zay ( 07/01/2015 14:33)
RBNIR > tsy ny tsy fandohavana fahafolon-karena no nahafaty an'i Ananiasy sy Safira fa izy ireo nandainga t@ vola nentiny hoan'ny fananana iombonana.

Ianao rahalahy milaza fa ny fampianarana apostoly no tena fampianarana marina nefa efa hamafisinay eto fa ny testamenta vaovao tsy misy manambara mintsy hoe izay mino an'Andriamanitra dia asaivo mandoha fahafolonkarena, tany @ testamenta taloha milaza ny fahafolon-karen'ny Israely ve efa nisy apostoly ry RBNIR?

tahafon'ny toetran'ny mpino tao Beria : "Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia."

Raha milaza zavatra aminao ny mpitory teny dia mba vakio ny baiboly hoe tena marina ve izany lazainy izany fa misy hoy aho fampianarana diso.

Izaho manaiky hoe tokony ho tohanana ny asan'Andriamanitra ary tena zavatra tsara izany fa tsy mitaky ny fandohavanao fahafolon-karena ny hamonjena anao, i Jesoa Kristy maty ho antsika tsisy tambiny ka hoe mila mandoha fahafolon-karena ianao vao afaka ho vonjena koa raha mpitandrina no milaza fa tsy maintsy mandoa fahafolon-karena ny mpiangona dia mitandrema fa tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Jesoa Kristy/apostoly/kristianina izany.

Mino aho fa manana Baiboly ianao RBNIR ka afaka hanamarina tsara izay voalaza eto, vakio ny testamenta vaovao fa tsy misy milaza mintsy aho hoe :izay tsy mandoa ny fahafolon-kareny dia tsy handova ny fiainana mandrakizay.

Raha mahita teny milaza izany ianao dia zarao eto RBNIR.
74. rhaj0 ( 07/01/2015 14:40)
ifotony mihintsy anie ny olana e ..
DEMOKRASIA ve ny Finoana/Fivavahana ? TSIA.

Ny taxation dia mifototra @ representation: no taxation without representation
@ Demokrasia, afaka manangona taxe ianao raha ohatra ka voafidy.

Ary "taxe" io afenina @ teny hoe "ampahafolon-karena" io.

Ka io safidinao ao anaty Finoana/Fivavahana ao. Rahefa hozy ny "mpitarika" anareo ao hoe, satria ny Baiboly, na koa izay demonstralation ataony ao, dia rahefa TSY manaiky dia mandehana mahazo. Ireo izay manaiky dia sitrapony, safidiny: olon-dehibe izy.

75. rhaj0 ( 07/01/2015 14:44)
Marihiko fa ilay "valopy" any @ Fiangonana reniny koa dia ... safidy, ary taxe ankolaka.

Taxe no ampiasaina ampandeha ny raharaha iombonana.

Nisy olona nitantara ahy, fa mba te-hanao batisa an-janany hono izy. Dia hoe, efa nandoa "valopy" ve k'lou...
76. rhaj0 ( 07/01/2015 14:55)
Ka tsy haiko hoe inona ny olana aminareo izay milaza fa "sandoka" izay mitaky 1/10-karena.

Rahefa misafidy ny handoa an'io I RBNIR, olon-dehibe izy, an'azy ny azy. Raha izy mieritreritra fa izany no mampandeha ny raharaha iombonany ao @ Fiangonany ao, sady "mahazo voany" tsara izy no mahatoky fa "tsara voany" ilay Mpitarika azy ao, dia miampy koa fa tena mahazo karoty (hoe ho any am-paradisa), dia rahefa izay no mahafinaritra azy, dia raha izaho aloha, dia mahasoava ao azany ho'a ee...
77. gasy1zay ( 07/01/2015 15:08)

rhaj0:

Tsy i RBNIR handrotsaka ny 1/10 ny fananany no olana fa ny tsy fahalalan'ny olona sasany asaina mandoa 1/10 ny fananany satria nambara taminy hoe tsy ho voavonjy izy ireo raha tsy manao izany nefa tsy voalaza mintsy anaty baiboly hoe tokony hanao 1/10 ny olona vao ho voavonjy. Ny tanjona dia ny mampahafantatra ireo tsy mahalala fa tsy mifanaraka amin'ny baiboly izany fampianarana izany fa raha mazoto handrotsaka antsitram-po moa izy ireo dia arahaba soa arahaba tsara fa vokatry ny hantsembohany iny ka raha tiany omena ny fiangonana dia mahasoava azy tokoa.

78. rhaj0 ( 07/01/2015 15:42)
RBNIR:
...tsy fahalalan'ny olona sasany asaina mandoa 1/10 ny fananany satria nambara taminy hoe tsy ho voavonjy izy ireo raha tsy manao izany ...

Be dia be anie no tokony "ampahalalana" ny olona, izay "asaina manao izao sy izao", "satria nambara taminy hoe tsy ho voavonjy izy ireo raha tsy manao izany"...
79. hery ( 07/01/2015 15:44)
Ilay izy atao fitaka no olana rhaj0 a

Raha tenenina hoe mandoava kely ho an'i Rapasy dia azy ny azy raha handoa. Na raha mbola atao takalo aza tsy maninona raha ifanarahana.

Ny fiangonana rehetra anie manao rakitra e, fa ny rakitra tsy ferana araka ny lalàn'ny baiboly hoe tsy maintsy 10% na manana ianao na mahantra.

80. RBNIR ( 07/01/2015 15:47)
gasy1zay:

RBNIR > tsy ny tsy fandohavana fahafolon-karena no nahafaty an'i Ananiasy sy Safira fa izy ireo nandainga t@ vola nentiny hoan'ny fananana iombonana.

Ianao rahalahy milaza fa ny fampianarana apostoly no tena fampianarana marina nefa efa hamafisinay eto fa ny testamenta vaovao tsy misy manambara mintsy hoe izay mino an'Andriamanitra dia asaivo mandoha fahafolonkarena, tany @ testamenta taloha milaza ny fahafolon-karen'ny Israely ve efa nisy apostoly ry RBNIR?

tahafon'ny toetran'ny mpino tao Beria : "Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia."

Raha milaza zavatra aminao ny mpitory teny dia mba vakio ny baiboly hoe tena marina ve izany lazainy izany fa misy hoy aho fampianarana diso.

Izaho manaiky hoe tokony ho tohanana ny asan'Andriamanitra ary tena zavatra tsara izany fa tsy mitaky ny fandohavanao fahafolon-karena ny hamonjena anao, i Jesoa Kristy maty ho antsika tsisy tambiny ka hoe mila mandoha fahafolon-karena ianao vao afaka ho vonjena koa raha mpitandrina no milaza fa tsy maintsy mandoa fahafolon-karena ny mpiangona dia mitandrema fa tsy mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Jesoa Kristy/apostoly/kristianina izany.

Mino aho fa manana Baiboly ianao RBNIR ka afaka hanamarina tsara izay voalaza eto, vakio ny testamenta vaovao fa tsy misy milaza mintsy aho hoe :izay tsy mandoa ny fahafolon-kareny dia tsy handova ny fiainana mandrakizay.

Raha mahita teny milaza izany ianao dia zarao eto RBNIR.

Izay ilay zava-miafina fonosin'ilay tantaran'i Ananiasy sy Safira,
Tian'Andriamanitra hampafatarina ny olona aty aoriana fa takiny ny olona hatoky amin'ny takona (rehefa iano sy Izy irery sisa no mifanatrika).
Misy karazan-dalàna atao hoe lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (lois pour l'infidélité morale) napetrak'Andriamanitra mba hizahana toetra ny olona raha matoky amin'ny takona ny olona na tsia (anisany hoy aho ny fahafolokarena).
Ireny lalàna ireny dia nitaizana ny olona mba hihanatra hatahotra an'Andriamanitra na dia any amin'ny mangigina aza.
Izay ilay lesona tokony hotsohahina amin'ny tantaran'i Ananiasy sy Safira,
Lazainareo fa tsy misy amintny testameta vaovao nefa voalaza fa Jesosy Kristy Tompo dia voalaza nisorona araka ny fanaon'i Melkizedeka.« Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » (Heb.7:17)

Melkizedeka nefa nandray ny ampahafolony avy tamin'i Abrahama (vakio ny Gen.14:1-20)....

Mila mianatra isika hoy aho....

No tahin'ny Tompo anie isika rehetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3461