Hiditra sekta hono :-)

121. rhaj0 ( 08/01/2015 14:55)
Dia ilay zaza TSY afaky ny atao batisa/batemy satria TSY nandoa ilay "valopy" ny lehibe, dia ny sofiko no nahare.
122. gasy1zay ( 08/01/2015 15:00)
Mba tantarao aloha rhaj0 hoe inona ilay antony tsy nanaovana batisa an'ilay zaza mba hahitantsika hoe mitombina ve ilay izy sa tsia, raha fantatrao. Io resaka batisa io manko tena tsy mampitovy hevitra olona maro mintsy toy ilay 10% harena ihany.
123. hery ( 08/01/2015 15:01)
Azafady fa tsy aty amin'ny Fiangonanay Katolika ilay hoe rehefa tsy mandoa "valopy" dia tsy atao batemy :-)

Ka na ny mpanao gazety no mampiesona na ny sofina no mandainga
124. hery ( 08/01/2015 15:05)

rhaj0:

Ny @ ilay zaza voaavakavaka fa TSY vita batemy aloha dia ny masoko no nahita. Fa niresaka t@ ankizy mandeha sekoly katolika aho in-1 mandeha ahatakarako raha hoe exception iny ve sa tena regle. Dia hoe.. rahefa manao lamesakely hono i damopra ao an-tsekoly, dia mizara ilay mofokely, dia misimisy ny ankizy TSY mitsangana, TSY mahazo mofokely.. dia misimisy koa ny ankizy mijerijery an'ireo TSY mihinana. Dia ... miala any ny intimidation/bullying.


Dia raha nomena ilay "mofokely" araka ny filazanao ireo ankizy ireo dia hiala any ny Ray amandreniny (izay mety tsy mpivavaka, mety sekta, etc...) dia hanome tsiny sy hitory mihitsy an'i mompra dia ahoan indray?

Izay tsy vita batemy (na mety tsy tian'ny Ray amandreniny hatao batemy) dia tsy omena komonio satria choix-n'ny ray amandreniny izany.
125. bor2lais ( 08/01/2015 15:18)
Amin'i rhaj0 dia endrika fanavakavahana ny tsy fanomezana kominio ny rehetra. Tsy te-ahalala izay mety antony izy fa ny fitaizana "How can I help you ?" no masaka : maka ny toeran'ny zaza izy ! :-)

[size=8]Io fa sirika ianao ramose a ! :-)[/size]
126. hery ( 08/01/2015 15:40)
Fa mahagaga ho'aho mivoana foana ilay resaka e. Sao dia mba havan'i Pastera Hummer ary Rahaja? :-)

Dia tsy mba hitanao mibaribary ve hoe misy "injustice" sociale ao? Ry dadapasy misonanika amin'ny hummer azy manokana sy fiara marobe azy manokana (hanaovany fitoriana hono) nefa ny kristianina tsy mikapa nefa terena ankolaka handoa 10% (Tsy maintsy 10% fa tsy mba hoe izay foy)

Toa rava daholo indray ny blabla-ndraHaja raha injustice tahaka izany tsy sahy helohina. Noheveriko fa principe mihitsy ilay bla bla hatramin'izay.

127. rhaj0 ( 08/01/2015 16:03)
gasy1zay:
Mba tantarao aloha rhaj0 hoe inona ilay antony tsy nanaovana batisa

.. batemy. Ilay zaza TSY katolika. fa mba mandeha Leglizy katolika. Dia rahefa TSY vita batemy dia TSY mirevy ilay kominio (tapamofo sy divay). Sahala @ hoe rahefa tsy mandoa 10%, dia TSY mirevy.

Hery:
satria choix-n'ny ray amandreniny izany.

Ieee.. dia rahefa mba mandeha Leglizy katolika izany ilay zaza (TSY katolika) dia ... voaavakavaka: TSY miaraka @ hafa mba mahazo ilay kominio. Ny vaha-olana izany dia TSY mandeha Leglizy katolika fotsiny e... Ilazako izany ilay zaza sy ny r-a-d-ny fa manjary mitanatana ny zaza rahefa ao.

bor2lais:
Amin'i rhaj0 dia endrika fanavakavahana ny tsy fanomezana kominio..

Ny kominio dia izay revenareo azy ao. Fa ny vokany no lasa mifanavakavaka ... ny ankizy: itsy "tena" katolika vita batemy sy vaksiny, itsy TSY vita vaksiny (ngo dia mamindra aretina)

Fa mahagaga ho'aho mivoana foana ilay resaka e. Sao dia mba havan'i Pastera Hummer ary Rahaja?

Mivoana @ ... "famelezana an'i Pastera" tokoany ny resaka.
Ny fahitako azy, dia "mitovy" ihany ny ataon'i Pasitera sy Mopera... samy "fitaka".

- Pasitera mitaingina Hummer.
- Mopera, na ny Papa, anaty trano ankoso-bolamena

- Ny volan'i Pasitera avy @ 10%-n'ny mpino azy.
- Ny harenan'i Vatican... misitery izany zanako. (ankoatry ny TSY fandoavany impots)

- i Pasitera mampitahotra "tsy mankany an-danitra" raha TSY mandoa 10%
- i Mopera milaza fa TSY mi-kominio raha tsy manao batemy (ilay kominio anefa, raha ny fahazoako azy, dia ... mba mizara sy miray amin'Azy.. hotry ny "any an-danitra" ny sasany rahefa mahazo an'io)

128. RBNIR ( 08/01/2015 16:40)

bor2lais:

RBNIR:

Ahoana moa no hanamarinanao fa tsy nanao 10% ireo kristianina tany amboalohany?
...
Ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ange mitaona ny olona hitandrina ny lalàna no nataony e!

Angaha moa Kristiana ny mpanora-dalana sy ny fariseo ? :-)

Vakio tsara hoy i Jesosy Tompo hoe : « koa amin'izany, izay rehetra lazainy (mpanoradalana sy fariseo no milaza eto) dia ataovy ka tandremo (ny kristianina kosa no asainy manao sy mitandrina izay lazain'ireo eto); fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)

Miala-tsiny voatery mampianatra "grammaire" kely fa tsy maninona e (izay hampahazava azy no tanjona namana).

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
129. gasy1zay ( 08/01/2015 16:46)
Izaho aloha dia protestanta nianatra t@ sekoly katolika ary nisy lamesa ao @ fianarana nefa tsy nandray kominio izahay tsy katolika ary tsy mba nisy nanenjika t@ izany izahay.

Ny kominio aloha hoan'ny olona mino dia zavatra manandanja fa tsy raisiraisina toy ny mihinana mofo na "revy" araky ny fandraisan'i rhaj0 azy, misy fiofanana atao vao raisina iny zavatra iny mba ho fantatrao hoe inona ny antony, inona ny dikany, inona ny lanjany. Mba tokony hajaina ihany ny zavatra masina @ fiangonana raha tena manaraka ilay fivavahana ianao fa tsy hoe mba hi s'intégrena dia hanao toy ny fanaon'ny be sy ny maro aho na dia tsy fantatro aza ny antony sy ny dikany.

Aleo aloha ho marihina fa ny fiangonana protestanta ( tarihina pasitera ) tsy mitaky 10% haren'ny mpino ao aminy satria tsy mifanaraka amin'ny fampianarana ao @ baiboly izany fa izay foin'ny mpiangona amin-kitsimpo no alohany ho fanatitra na rakitra. Io no antony ilay adihevitra eto hoe mba jereo kely ry namana fa misy diso ny fampianaran'ny pasiteranareo raha milaza izy hoe tokony handoa 10% ny hareny mpiangona raha te ho voavonjy, afaka mandoa izay foinao ianao na 100% aza fa tsy mahavonjy na mahavery ny fanahinao izany, na mandoa 10-25% ianao nefa mbola mijangajanga dia tsy ho voavonjy ihany, na tsy nandoa aza ianao nefa niala t@ fahotanao ary nino an'i Jesoa dia voavonjy.
130. rhaj0 ( 08/01/2015 16:53)
hery:
Azafady fa tsy aty amin'ny Fiangonanay Katolika ilay hoe rehefa tsy mandoa "valopy" dia tsy atao batemy :-)

hi hi hi.. tena ny sofiko no nahare ary ny masoko no nahita an'i damopra.. Fa nanao ilay batemy ihany ilay damopra avy eo, satria izany ny "accomodement raisonnable" fataon'ny aty, fa nanipika tsara mihintsy i damopra hoe, asio valopy ihany rahefa tonga ny alahady.

Fa hitako ny pression morale-n'i damopra @ ilay valopy e.. t@ izaho nandalo tatsy @ basilika dia matavy tsara mihintsy ny resaka atao peta-drindrina @ io e... Mety i Pasitera no tsy mahay miolankolana fa ny ataon'i Pasitera sy Mopera dia mitovy ihany amiko


Ilay tsy nety nanao batisa indray dia tena havako no nitantara. Any Mada. Propespanpa.


131. RBNIR ( 08/01/2015 16:59)

gasy1zay:

Mitady porofo ianao RBNIR? Ireto misy teny avy tao @ Baiboly :

1- Ilay jiolahy niara-niombona t@ Jesoa teo @ hazo fijaliana: "Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa."

2- hoy Jesoa raha naniraka ny mpianany : "Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina"

3- Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga

Hitanao @ ireo voasoratra ireo ry namana RBNIR fa tsy misy milaza mintsy hoe tsy ho vonjena izay tsy mandoa fahafolon-karena. Ny famonjena dia finoana an'i Jesoa Kristy ary ny fanaovana batisa izay midika fibebahana sy famelankeloka, ny tsy manana anjara amin'ny toerana namboarin'i Jesoa ho antsika dia ireo voatanisa ireo fa tsy ao mintsy ny hoe "ireo tsy nandoa fahafolon-karena"

Mikasika ilay Melkizedeka indray dia miangavy anao hamaky sy handinika tsara ny Hebreo 7 fa rehefa vita ny asa famonjen'i Jesoa Kristy dia tsy ny levita intsony no mpanalalana antsika amin'Andriamanitra fa i Jesoa Kristy :
Hebreo 7 : 11-12
Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.


Araky ny nambaran'ilay mpitarika ao aminareo ry RBNIR aoka izay voalazan'ny Baiboly no ekena ho marina :)

Faly misera hatrany ry namana,
Hoy Jesosy tamin'ireo kristianina hoe (ataovy izay lazain'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo dia tandremo.
Inona avy no lazain'ny mpanora-dalàana sy ny fariseo ka hitaoman'izireo ny olona mba hataon'ny olona????

Tsy inona akory fa izay rehetra SITRAPON'ANDRIAMANITRA (anisany ny fanaovana ny fahafolon-karena sy fitandremana ireo didy isan-karazany).

Izany dia namafisin'i Jesosy Tompo raha nanontany azy ny anankiray ny amin'ny tsara ataony mba hahazoana ny fiainana mandrak'izay.
«........*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

Rehefa nanontany ilay olona hoe didy inona moa dia vakio tsara fa ireo didy rehetra izay nampianarin'ireo mpanora-dalàna sy ny fariseo ihany no naverin'i JEsosy Tompo.

Koa dia amafisiko fa tena miantoka ny fidirana any amin'ny fiainana ny fitandremana "ireo didy nampianarin'ireo mpanora-dalàna sy ireo fariseo" (anisany ny fahafolokarena)

Samia ho tahin'ny Tompo namana
132. RBNIR ( 08/01/2015 17:59)
gasy1izay>>>
1- iny no "dernière occasion" ho an'ilay jiolahy (tsy ny olona rehetra akory mitovy "cas" amin'iny jiolahy iny.
2- Marina fa izay mino sy atao batisa no hovonjena " saingy izany tsy midika fa tsy ilaina ny mitandrina ireo didy «
Hoy ny teny ao amin'ny bokin'ny apokalipsy : "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12) Vakio tsara izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy
3- marina ny voalazanao hoe any ivelany ........ny "mpandainga". Misy karazana mpandainga iray tokony ho fantarin'ny rehetra : « Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jao. 2:4)

Samia ho tahin'ny Tompo namana....


133. gasy1zay ( 08/01/2015 18:13)

RBNIR:


gasy1zay:

Mitady porofo ianao RBNIR? Ireto misy teny avy tao @ Baiboly :

1- Ilay jiolahy niara-niombona t@ Jesoa teo @ hazo fijaliana: "Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa."

2- hoy Jesoa raha naniraka ny mpianany : "Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina"

3- Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga

Hitanao @ ireo voasoratra ireo ry namana RBNIR fa tsy misy milaza mintsy hoe tsy ho vonjena izay tsy mandoa fahafolon-karena. Ny famonjena dia finoana an'i Jesoa Kristy ary ny fanaovana batisa izay midika fibebahana sy famelankeloka, ny tsy manana anjara amin'ny toerana namboarin'i Jesoa ho antsika dia ireo voatanisa ireo fa tsy ao mintsy ny hoe "ireo tsy nandoa fahafolon-karena"

Mikasika ilay Melkizedeka indray dia miangavy anao hamaky sy handinika tsara ny Hebreo 7 fa rehefa vita ny asa famonjen'i Jesoa Kristy dia tsy ny levita intsony no mpanalalana antsika amin'Andriamanitra fa i Jesoa Kristy :
Hebreo 7 : 11-12
Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.


Araky ny nambaran'ilay mpitarika ao aminareo ry RBNIR aoka izay voalazan'ny Baiboly no ekena ho marina :)

Faly misera hatrany ry namana,
Hoy Jesosy tamin'ireo kristianina hoe (ataovy izay lazain'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo dia tandremo.
Inona avy no lazain'ny mpanora-dalàana sy ny fariseo ka hitaoman'izireo ny olona mba hataon'ny olona????

Tsy inona akory fa izay rehetra SITRAPON'ANDRIAMANITRA (anisany ny fanaovana ny fahafolon-karena sy fitandremana ireo didy isan-karazany).

Izany dia namafisin'i Jesosy Tompo raha nanontany azy ny anankiray ny amin'ny tsara ataony mba hahazoana ny fiainana mandrak'izay.
«........*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Matio 19:17)

Rehefa nanontany ilay olona hoe didy inona moa dia vakio tsara fa ireo didy rehetra izay nampianarin'ireo mpanora-dalàna sy ny fariseo ihany no naverin'i JEsosy Tompo.

Koa dia amafisiko fa tena miantoka ny fidirana any amin'ny fiainana ny fitandremana "ireo didy nampianarin'ireo mpanora-dalàna sy ireo fariseo" (anisany ny fahafolokarena)

Samia ho tahin'ny Tompo namana



Marina izany ry namana RBNIR, mahafinaritra ny mifanakalo hevitra, averiko ihany anefa sao dia diso ny fandraisanao ilay fanehoko hevitra, tsy manakana anao handoa 10% harena ny tenako sanatria, fa mba handresy lahatra anao na ny hafa izay misalasala fa tsy misy tokony hifanerena ny fandoavana izany raha ny baiboly no jerena, tena nitombina izany teo @ zanak'Israely fahiny fa efa niova hoy aho ny lalàna noho ny vita ny famonjena.

Mikasika ilay ohatra noresahinao ambony io dia izao ny voalaza :

"inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao [Eks. 20. 12-17] .
20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha hianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy
."

Nanontany ity ranamana mpanankarena ity hoe inona no tokony ho ataony hahazony famonjena, dia ny navalin'i Jesoa azy dia : Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao

Teo no nijanona ny valitenin'i Jesoa raha te hahazo famonjena izy, raha nanao io izy izany dia efa tokony ho voavonjy fa ity ranamana ity RBNIR dia ohatra hoe te hanamaritena, na te hiseho ho masina ka namaly hoe : "izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely"

Dia nampian'ny Tompo hoe "mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao"

Raha mandinika tsara ianao ry namana RBNIR dia jereo fa ny fepetra voalohany notanisain'i Jesoa eto mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy misy mihintsy hoe efao ny fahafolon-karenao, ny fepetra faharoa io hoan'izay te hanao mihoatra noho ny hafa dia tsy mbola resaka fahafolon-karena fa ilay nolaizan'ny namana Hery hoe : fananana iombonana teo @ kristianina tany ampiandohana.

Ka averiko aminao ny teninao ry RBNIR : mila mianatra isika, ary koa hoy ilay mpitarika ao aminareo hoe : Aleo izay voalaza ao @ baiboly no ekena ho marina, tena ao @ baiboly io ry RBNIR fa tsy hoe pasitera na mompera no nilaza izany ka dia samy ho tahian'Andriamanitra namana.
134. RBNIR ( 08/01/2015 18:38)
gasy1zay:

Ka averiko aminao ny teninao ry RBNIR : mila mianatra isika, ary koa hoy ilay mpitarika ao aminareo hoe : Aleo izay voalaza ao @ baiboly no ekena ho marina, tena ao @ baiboly io ry RBNIR fa tsy hoe pasitera na mompera no nilaza izany ka dia samy ho tahian'Andriamanitra namana.

Izaho ange efa niteny e, tsy voatery ho voasoratra mazava io fa misy zava-miafina ao amin'ny Soratra Masina.
Inona avy ary hoy inao ireo nolazain'i Jesosy fa rehefa lazain'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo dia mila atao sy tandremana?????

Inona no tena nampahalaza ny fampianaran'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo???? ianao ihany angeh no efa nilaza azy tany amboalohany e, hoy Jesosy hoe ATAOVY KA TANDREMO.

135. RBNIR ( 08/01/2015 18:40)
gasy1za>> izay rehetra notenenin'i Jesosy fa mila atao sy tandremana no tafiditra ao amin'ilay Sitrapon'Andriamanitra tiany ambara ao amin'ny Mat.7:21 (tena miantoka ny fidirana ao amin'ilay fanjakan'Andriamanitra ny fanaovana azy...
136. gasy1zay ( 08/01/2015 19:10)

RBNIR:

gasy1za>> izay rehetra notenenin'i Jesosy fa mila atao sy tandremana no tafiditra ao amin'ilay Sitrapon'Andriamanitra tiany ambara ao amin'ny Mat.7:21 (tena miantoka ny fidirana ao amin'ilay fanjakan'Andriamanitra ny fanaovana azy...


Ka taiza ao amin'ny baiboly ary ianao ry RBNIR no nahita an'i Jesoa niteny hoe efao ny fahafolon-karena? ny hetra aloha amin'i Kaisara no nasainy naloha.

Ny mpanora-dalàna raha nanontany an'i Jesoa koa dia tahak'izao :

Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
26 Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
27 Ary izy namaly ka nanao hoe:Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra [Deo. 6. 5] ; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao [Lev. 19. 18] .
28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona hianao.

Hitanao @ io ohatra hafa io fa tsy misy resaka fahafolon-karena eo nefa i Jesoa niteny hoe ataovy izany dia ho velona ianao, ohatran'ilay mpanankarena nanamaritena ihany.
137. rhaj0 ( 08/01/2015 19:33)
bor2lais:
[size=8]Io fa sirika ianao ramose a ! :-)[/size]
[size=8]sirika @ inona aho dokotera a ! :-)
mila maka ny toeran'ny zaza aho vao mahita ny ati-lalinareo kouh...[/size]
138. RBNIR ( 08/01/2015 19:39)
gasy1zay:


RBNIR:

gasy1za>> izay rehetra notenenin'i Jesosy fa mila atao sy tandremana no tafiditra ao amin'ilay Sitrapon'Andriamanitra tiany ambara ao amin'ny Mat.7:21 (tena miantoka ny fidirana ao amin'ilay fanjakan'Andriamanitra ny fanaovana azy...


Ka taiza ao amin'ny baiboly ary ianao ry RBNIR no nahita an'i Jesoa niteny hoe efao ny fahafolon-karena? ny hetra aloha amin'i Kaisara no nasainy naloha.

Ny mpanora-dalàna raha nanontany an'i Jesoa koa dia tahak'izao :

Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
26 Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
27 Ary izy namaly ka nanao hoe:Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra [Deo. 6. 5] ; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao [Lev. 19. 18] .
28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona hianao.

Hitanao @ io ohatra hafa io fa tsy misy resaka fahafolon-karena eo nefa i Jesoa niteny hoe ataovy izany dia ho velona ianao, ohatran'ilay mpanankarena nanamaritena ihany.

Ka inona ary hoy aho ireo nolazain'i Jesosy Tompo fa tokony atao sy tandremana rehefa lazain'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo???
139. RBNIR ( 08/01/2015 19:42)
Avereno vakiana tsara ilay hoy i Jesosy Tompo hoe "izay rehetra lazainy"???? ka inona ary hoy ianao ry gasy1zay???? mba valio raha mety...
140. gasy1zay ( 08/01/2015 20:28)

RBNIR:

Avereno vakiana tsara ilay hoy i Jesosy Tompo hoe "izay rehetra lazainy"???? ka inona ary hoy ianao ry gasy1zay???? mba valio raha mety...


RBNIR > Inona no tokony ho hajaina? Ny didy folo voarakitra t@ vato fisaka nentin'i Mosesy/Moizy

Jereo tsara ireo ohatra 2 nambarako ireo fa nisy olona 2 ao nanontany an'i Jesoa hoe inona no tokony ho ataonay mba hahazoanay fanjakan'Andriamanitra

Ireo navalin'i Jesoa azy dia ao anaty didy folo daoly.

Mba avereno vakiana azafady fa efa namaly mazava ny Tompo hoe inona no tokony atao raha te hahazo famonjena ianao, tena tsy misy resaka fahafolon-karena aloha ilay izy ry namana saingy tsy manakana anao handrotsaka izany raha tena vokatry ny fonao :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.176