Hiditra sekta hono :-)

181. RBNIR ( 15/01/2015 00:55)
RBNIR:

Tsy maintsy mba henoina anie ny ambaran'ny olona hafa raha mikasika ny fivavahanao, ny tsara tazomina fa izay tsy mifanaraka @ heveriko ho marina araky ny baiboly aloha dia laviko.

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24)

Raha "marina" ny filazan'ilay olona dia raisina, fa raha diso kosa dia tsy azo atao ny mandray azy,

Satria araka io teny io dia izay mivavaka amin'Andriamanitra dia tsy maintsy amin'ny Fahamarinana.
182. gasy1zay ( 15/01/2015 14:25)

RBNIR:

gasy1zay:

RBNIR : io ry namana samy manana ny fandraisany azy raha ny hevitro satria ny mpanoratra ny baiboly dia voalaza fa voatsindrin'ny Fanahy na notarihin'ny Fanahy Masina t@ nanoratra ny baiboly na epistily io na ny filazantsara ka izay ve amiko ny tian'i Paoly ambara amin'ilay hoe fampianarana avy @ Jesoa Kristy no ambarany, fa raha ny voalaza mazava anaty baiboly aloha dia ilay niseho taminy teny @ lalan'i Damskosy ihany i Paoly no nilaza hoe nisehon'i Jesoa fa maninona tsy mba notantarainy t@ fampianarany ny fomba nampianarana na nisehon'i Jesoa taminy raha izay tokoa no nitranga.
Tsy maintsy mba henoina anie ny ambaran'ny olona hafa raha mikasika ny fivavahanao, ny tsara tazomina fa izay tsy mifanaraka @ heveriko ho marina araky ny baiboly aloha dia laviko.

« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)
Vakio tsara
1- Tsy noraisiny tamin'ny olona
2- Tsy nisy nampianatra izy (ho an'izay mety ho diso fiheverana fa ireo namany ihany no nampianatra azy)
3- Fanambarana : mivoaka avy amin'ny vava ny atao hoe ny fanambarana

Raha niseho taminy tao Damasy IZY . Inona no mahasaka Azy tsy hiseho indray taty aoriana ka hampianatra?????

Samia ho tahi'ny Tompo namana

RBNIR > aleo ary ataontsika hoe marina ny voalazanao mikasika ny fampianarana an'i Paoly, dia ny fanontaniana mipetraka dia ito ry namana, raha efa nampianarin'i Jesoa Kristy mivantana i Paoly izay vavolombelony hanoratra ny baiboly dia naninona no nisy zavamiafina tsy nambarany na nampianariny nefa ilay baiboly no testamenta hoan'ny mpanaradia ny Tompo ? Sa ilay zavamiafina nambara t@ Pasitera Hery Nirina dia hoe tena fampianarana mivantana avy @ Tompo no azon'i Paoly ka tokony ho harahina? Nefa amiko na avy amin'ny Tompo ny fampianarana dia mitovy ny avy @ Fanahy Masina ihany satria Andriamanitra telo izay iray no ivavahantsika.
Raha nitory teny hampibebaka toy ireo mpanompon'Andriamanitra maro ity Pasitera Hery Nirina ity dia tsy nametraka olana amiko, fa ilay fanambarana hoe fampianarana mivantana avy amin'Andriamanitra no tsy azoko hoe fa maninona no mila ampianarina mivantana izy nefa efa misy ny baiboly? Inona no tsy ampy @ baiboly tokony ampianariny ary inona ilay zavamiafina lazainao?
Tsy manakatona varavarana mintsy aho raha tena mitombina ny fanazavan'ilay ranamana fa ny video nojereko hatreto aloha ohatrany tsy mbola mahavaly ny fanontaniko ry RBNIR.
183. rhaj0 ( 15/01/2015 17:58)
raha mi-google etoy ianao dia hahita ny @ Jesus sy Paul... betsaka ny resaky ny mpandalina (Baiboly) fa dia... mazotoa sy mahasoava ao...
184. RBNIR ( 15/01/2015 23:44)
gasy1zay:

RBNIR > aleo ary ataontsika hoe marina ny voalazanao mikasika ny fampianarana an'i Paoly, dia ny fanontaniana mipetraka dia ito ry namana, raha efa nampianarin'i Jesoa Kristy mivantana i Paoly izay vavolombelony hanoratra ny baiboly dia naninona no nisy zavamiafina tsy nambarany na nampianariny nefa ilay baiboly no testamenta hoan'ny mpanaradia ny Tompo ? Sa ilay zavamiafina nambara t@ Pasitera Hery Nirina dia hoe tena fampianarana mivantana avy @ Tompo no azon'i Paoly ka tokony ho harahina? Nefa amiko na avy amin'ny Tompo ny fampianarana dia mitovy ny avy @ Fanahy Masina ihany satria Andriamanitra telo izay iray no ivavahantsika.
Raha nitory teny hampibebaka toy ireo mpanompon'Andriamanitra maro ity Pasitera Hery Nirina ity dia tsy nametraka olana amiko, fa ilay fanambarana hoe fampianarana mivantana avy amin'Andriamanitra no tsy azoko hoe fa maninona no mila ampianarina mivantana izy nefa efa misy ny baiboly? Inona no tsy ampy @ baiboly tokony ampianariny ary inona ilay zavamiafina lazainao?
Tsy manakatona varavarana mintsy aho raha tena mitombina ny fanazavan'ilay ranamana fa ny video nojereko hatreto aloha ohatrany tsy mbola mahavaly ny fanontaniko ry RBNIR.

Faly misera hatrany namana,
II Pet.3:15,16
15 Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
16 tahaka ny ataony ao amin’ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy ; ary amin’ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.

Misy zavatra saro-pantarina ao amin'ny Soratra Masina ry namana, izay no antony niverenany indray.
Betsaka no efa "nanolana" an'izy ireny ka dia nahatonga fahaverezana ho an'ny tenany sy ireo mpanaraka azy.

Fanampiny, ny fampianarana tsy misy kilema hoy aho dia miainga avy amin'Andriamanitra omena an'i Jesosy Kristy Tompo (« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)),
Jesosy Tompo indray avy eo no mampianatra azy mivantana amin'izay olona tiany ampianarina (toy ireo apostoly fahiny).

Ny ankohatran'izay dia fampianarana avy ety an-tany ihany......

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao. 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jao. 3:33)

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
185. bor2lais ( 16/01/2015 09:42)
RBNIR:

Misy zavatra saro-pantarina ao amin'ny Soratra Masina ry namana, izay no antony niverenany indray.
...
Ny ankohatran'izay dia fampianarana avy ety an-tany ihany....

???
:-)
Ny Fanahy Masina no mampianatra ny zavatra saro-pantarina ry RBNIR raha ny Soratra Masina no jerena a ! :-)

Hay moa ianao efa tsy mino ny asan'ny Fanahy Masina intsony e ! :-)
186. RBNIR ( 16/01/2015 11:05)
bor2lais:

Tandremo ary sao dia handeha amin'ny saina fa tsy ampianarin'ny Fanahy ka dia "hanolana" ao koa ianao namana bor2lais,

Averiko hatrany tsy misy mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'ny tena heviny MARINA izany afats'izay ampianarin'i Jesosy Kristy Tompo mivantana toy ireo apostoly ihany....

Samia ho tahin'ny Tompo namanan
187. rhaj0 ( 16/01/2015 11:36)
bor2lais:
Ny Fanahy Masina no mampianatra ny zavatra saro-pantarina ry RBNIR raha ny Soratra Masina no jerena a !

Ny tian'i Bor2lais lazaina ve dia hoe.. direkta ny komionikasio @ ny any ho any ?
Miombo-kevitra aho... koa zavatra maheribe anie ny teknoloziany eeee...

RBNIR:
Averiko hatrany tsy misy mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'ny tena heviny MARINA izany afats'izay ampianarin'i Jesosy Kristy Tompo mivantana toy ireo apostoly ihany....

Ny tian'i RBNIR lazaina ve dia hoe ... misy "mpanera" (koa) ny mifandray @ ny any ho any ?
Miombo-kevitra aho... koa zavatra maheribe anie ny fandraharahana (management/gestion/business) eeee...

[size=8](mahery ny biziness sy teknolozia taloha an... ngo dia ataonao fa tchin-tchin... h@ izao mbola misy ny roboka aminy...)[/size]
188. RBNIR ( 16/01/2015 11:51)

rhaj0:

Ny tian'i RBNIR lazaina ve dia hoe ... misy "mpanera" (koa) ny mifandray @ ny any ho any ?
Miombo-kevitra aho... koa zavatra maheribe anie ny fandraharahana (management/gestion/business) eeee...

Tsy izany mihitsy namana,
Vakio tsara ny fomba nifidianan'i Jesosy Kristy an'ireo apostoly 12 lahy (ireo no nofidiny ampianarina sy hampianatra indray kosa ilay fampianarana tsy misy kilema)

Dia vakio tsara fa ny olona nihevitra fa azo soloina moramora ny apostoly rehefa misy banga (vakio ny fomba nifidianan'ny olona an'i Matia)

Fa noporofoin'i Jesosy tamin'ny fifidianany an'i paoly apostoly fa IZY ihany no mifidy mivantana ny atao hoe apostoly (ireo olona nomeny didy fahiny hampianatra ny fampianarana tsy misy kilema) ary koa IZY ihany no mampianatra an'izy ireo mivantana. (Io tantaran'i paoly notantaraiko eo ambony io e!)

Tsy resaka bizina (izay tsy hahazoako tombotsoa na Ariary aza fa izao manana asa tsara izay tsy eritreretiko ialana mihitsy) fa milaza ny fahamarinana no ataoko namana,

Anjaran'ny tsi11 sisa e! enga anie ka ny eto amin'ny serasera no isan'ireo vitsy an'isa nambaran'i Jesosy Tompo
189. rhaj0 ( 16/01/2015 15:24)
ilay bizna ange ry RBNIR dia hoe, mahita "tombony" ianao e... Ary TSY voatery hoe "Vola sy Harena" foana izany "tombony" izany... Fa mety hoe Voninahitra... Mety hoe Vahafam-po satria manaraka izay rehetra teneninao ny olona, ka hoe manajanaja anao... Mety hoe ilay Valy misonanina eo ambony trone koa ianao (mainka moa fa Hummer)... Mety hoe Valy ianao fa mba manao zavatra, izay nampinoanao ny hafa fa hoe tena important... etsetra...
190. RBNIR ( 16/01/2015 17:31)

Ity ngamba no tena marina ry namana!

“ Ary Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka Ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ny olona, ka dia nafeniny; ary noho Ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. Ary koa, Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy”.
Mat.13.44-46

Samia ho tahin'ny Tompo e!
191. bor2lais ( 17/01/2015 07:58)
RBNIR:

Tandremo ary sao dia handeha amin'ny saina fa tsy ampianarin'ny Fanahy ka dia "hanolana" ao koa ianao namana bor2lais,

Asa na iza no tokony hitandrina isika aloha e ! :-)
RBNIR:

Averiko hatrany tsy misy mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'ny tena heviny MARINA izany afats'izay ampianarin'i Jesosy Kristy Tompo mivantana toy ireo apostoly ihany....

Satria ianao tsy mino an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina intsony ! :-)
192. RBNIR ( 17/01/2015 18:16)

bor2lais:

Satria ianao tsy mino an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina intsony ! :-)

Otran'ny tsy tsaroako niteny aho hoe tsy mino an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina an (Trinité).
Diso fandray b ianao izany ,
193. rhaj0 ( 18/01/2015 14:30)
hi hi hi... Ka i Bor2lais anie mahalala ny ao @ "imagination"-n'i RBNIR ao e : TSY mino intsony hono i RBNIR... :-)
194. Strong3 ( 19/01/2015 09:22)
Raha tsy mahalala ny fampianarana tsy misy kilema daholo araka ny filazan'i RBNIR tokoa moa izany ny mpivavaka dia inona no "MARINA" hifotoran'ny fivavahany?
195. bor2lais ( 19/01/2015 09:39)
RBNIR:

Otran'ny tsy tsaroako niteny aho hoe tsy mino an'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina an (Trinité).

Ny zavatra soratanao no manambara fa tsy mino ny Trinité ianao ka ! :-)
RBNIR:

Averiko hatrany tsy misy mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'ny tena heviny MARINA izany afats'izay ampianarin'i Jesosy Kristy Tompo mivantana toy ireo apostoly ihany...

RBNIR:

Misy zavatra saro-pantarina ao amin'ny Soratra Masina ry namana, izay no antony niverenany indray.
...
Ny ankohatran'izay dia fampianarana avy ety an-tany ihany...

Ireo santionany ireo midika fa tsy ekenao na, aminao, tsy mitovy lanja amin'ny fampianaraNY ny fampianaran'ny Fanahy Masina ! :-)
Ary sahinao aza milaza (azo karohina ao aloha ao) fa tsy dia niasa tahaka ny tany amboalohany intsony ny Fanahy Masina ! :-)
Raha ny fanekem-pinoana arahinao ankehitriny dia mety hoe : "avy any no hiaviaNY indray hampianatra ny zavatra saro-pantarina ao amin'ny Soratra Masina" ! :-)
196. RBNIR ( 19/01/2015 10:33)

Izay ilay lazaiko hoe tsy azonao ilay resaka, izaho mihezaka ny manazava fa tsy mitovy ny hoe tonga i Jesosy Tompo mifidy olona iray sy mampianatra ilay olona mivantana (ilay nataony tamin'ny paoly)

Sy ny hoe Fanahy Masina izay "hampianatra ny sy hampahatsiaro ny zavatra rehetra",

Ary tsy ny rehetra no afaka hilaza fa tena nandray "ilay fanomezana marina" tokoa satria
misy fomba famantarana ny olona tena "nahazo ny Fanahy" marina tokoa.
« Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. » (Asa.10:45)
« Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe: » (Asa.10:46)

Efa mba tonga taminao "ilay milaza ho ampianariny marina v izany namana?" zavatra "ren'ny sofin'i Petera sy ny olona niaraka taminy no resahina eto?

Am-pitiavana Be: tandremo sao miteniteny foana (avadiho in-jato aloha ny lela fa aza malady mamaly « fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Mar.3:29)

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
197. bor2lais ( 22/01/2015 08:48)
Averiko aminao indray ny sombiny tamin'ny resatsika ity ry RBNIR :
RBNIR:

Voakilema avokoa hoy aho satria nandray ny avy ety an-tany avokoa namana (ary marina io satria ireo mpitondra fivavahana amin'ny fiangonana rehetra nifandimby teto amin'izao tontolo izao dia jereo fa saika niofana avy amin'ny fampianarana tety an-tany avokoa (collège pastoral sns....) nisy koa niala tamina fiangonana dia nanao ho azy manokana saingy ny fampianarana azony dia niainga tao amin'ilay fiangonana ihany fa novainy kely fotsiny na nampiany fampianarana hitany tany amin'ny fiangonana hafa

Ilay fampianarana avy any ambony no tsy nisy kilema dia ilay avy amin'Andriamanitra iny tsy nanandratena fa nofidiana, nampianarina ary nasaina nanangana!

bor2lais:

Raha azoko tsara dia ny fampianarana noraisina tahaka ny an'i Paoly sy ireo apostoly ihany no tsy misy kilema amina(re)o ?

Fa ny mivoaka avy amin'ny sekoly pastoraly, sns tsy tahaka izany ! Izany hoe tsy mba tao Andriamanitra nampianatra azy ireo !

Izany hoe tsy mino ny (asan'ny) Fanahy Masina iana(re)o e !

Dia nipoitra ny "apôstôlina(re)o" (sy ny namany hafa) tato ho ato milaza tena fa nandray mivantana tahaka i Paoly, nilaza fa nitondra "zava-miafina" hoe ampio "averina hotorina indray" ny ao amin'ny Matio 24.14 satria tsy izy ny zavatra notorina hatramin'izay ! Alaiko an-tsaina ny (mety) fiantraikany ho an'ireo malemy sy osa ara-panahy : tsy izy ny batisanareo fa avereno, sns

Gravy ny mahazo ana(re)o e ! Mbola tsy tara fa mifohaza !

RBNIR:

Tsy misy ifandraisany izany namana! Ny resaka eto dia ny fampianarana tsy misy kilema dia tsy maintsy avy amin'Andriamanitra aloha dia mankao amin'i Jesosy Kristy izay mampita azy indray kosa amin'ny olona fidiny mivantana sy ampianariny mivantana.

Izany tsy midika fa tsy mino ny fiasan'ny Fanahy Masina aho (tsy hitako mihitsy koa izay ifandraisany sy ny tianao hahatongavana).

bor2lais:

Raha mino an'Andriamanitra telo izay Iray ianao dia tokony hino fa raha misy asan'ny Fanahy Masina dia asan'Andriamanitra izay, izany hoe "tsy misy kilema" ihany koa no tiako ahatongavana ka ...

Sao ianao RBNIR no tokony hitandrina amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ! Am-pitiavana be ! :-)
198. RBNIR ( 22/01/2015 09:01)
bor2lais:

Sao ianao RBNIR no tokony hitandrina amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ! Am-pitiavana be ! :-)

Faly misera hatrany ry namana,
Izaho tsy niteny hoe ao aminay irery no misy ny Fanahy Masina fa ny hafa tsy misy, saingy misy famantarana hoy aho ny fandraisana ny Fanahy Masina (io ny teny nozaraiko teo e!).

Ka ny olona nandray izany famantarana izany (na ao aminay io na any an-kafa) no afaka manambara fa efa nandray ilay mpampianatra marina.

Izaho tsy mahafantatra fa dia anao sy Izy ihany indray io e!

Koa dia samia ho tahin'ny Tompo namana

199. bor2lais ( 22/01/2015 11:49)
RBNIR:

Izaho tsy niteny hoe ao aminay irery no misy ny Fanahy Masina fa ny hafa tsy misy, saingy misy famantarana hoy aho ny fandraisana ny Fanahy Masina (io ny teny nozaraiko teo e!).

Ka ny olona nandray izany famantarana izany (na ao aminay io na any an-kafa) no afaka manambara fa efa nandray ilay mpampianatra marina.

Izaho tsy mahafantatra fa dia anao sy Izy ihany indray io e!

Ka ahoana no ahazoanao milaza ohatra fa avy amin'i satana fa tsy mba avy amin'ny Fanahy Masina ny fampianarana momba ny fankalazana ny Noely (araka ny voalazanao) fa ny fampianaran'olona milaza fa Noely = "tsy misy Andriamanitra" no lazaina fa fampianarana tsy misy kilema ? :-)

Am-pitiavana no amerenako indray :

Gravy ny mahazo ana(re)o e ! Mbola tsy tara fa mifohaza ! :-)
200. RBNIR ( 22/01/2015 17:17)
Jesosy ange ry namana bor2lais tsy nampianatra ny fankalazana ny fahaterahany ary ireo mpianany voalohany tsy nankalaza izany e (tsy fampianarana tsy misy kilema izany ry namana).
Ary Fanahy Masina raha tonga dia ny fampianaran'i Jesosy no ampianariny sy hamafisiny fa tsy fampianaran'olombelona........
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.346