Hiditra sekta hono :-)

141. RBNIR ( 09/01/2015 02:01)
gasy1zay:

RBNIR:

Avereno vakiana tsara ilay hoy i Jesosy Tompo hoe "izay rehetra lazainy"???? ka inona ary hoy ianao ry gasy1zay???? mba valio raha mety...

RBNIR > Inona no tokony ho hajaina? Ny didy folo voarakitra t@ vato fisaka nentin'i Mosesy/Moizy

Jereo tsara ireo ohatra 2 nambarako ireo fa nisy olona 2 ao nanontany an'i Jesoa hoe inona no tokony ho ataonay mba hahazoanay fanjakan'Andriamanitra

Ireo navalin'i Jesoa azy dia ao anaty didy folo daoly.

Mba avereno vakiana azafady fa efa namaly mazava ny Tompo hoe inona no tokony atao raha te hahazo famonjena ianao, tena tsy misy resaka fahafolon-karena aloha ilay izy ry namana saingy tsy manakana anao handrotsaka izany raha tena vokatry ny fonao :)

Faly misera hatrany namana, ny didy folo aloha dia tena marina,
Fa "IZAY REHETRA LAZAINY" hoy i Jesosy Tompo ny didy folo ihany v no lazain'izireo rehefa mampianatra didy izireo?????

Samia ho tahin'ny Tompo namana
142. RBNIR ( 09/01/2015 02:12)
Mba tsy hampifangaro azy namana gasi1zay ity teny ity no tena tiako ambara (fa tsy ilay navalin'i Jesosy Tompo akory)
Hoy Jesosy hoe « Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Mat.23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)
143. RBNIR ( 09/01/2015 03:33)
Hofitiniko ny hafatra teto ry namana isany,

"Hiditra secte hono" izay no lohahevitr'i ny namana teto,
Nambarako voalohany fa tsy ratsy ny teny hoe secte raha ny famaritana no jerena, ary nambarako koa fa raha aratantara dia i Jeosys Tompo no nanangana ny secte voalohany,

Tsy ny hidiran'ny olona amin'ny secte anefa hoy aho no tanjon'Andriamanitra fa ny fampodiana ny olona hiverina amin'ilay fampianarana tsy nisy kilema nentin'i Jesosy Tompo 2000 taona lasa izay,

Ny naman-tsika moa dia niezaka naneho ny lafiratsin'ny secte tamin'ny tsikerany momba ny fahafolokarena sy momba ny tsy fanaovana asa fiantrana.

Izaho koa dia nanambara fa "sitrapon'Andriamanitra ny fanaovana fahafolokarena (izay nataony ho karaman'ireo olona efa natokany manokana ho amin'ny asan'Andriamanitra) ary ny resaka asa fiantrana kosa dia nambarako fa Jesosy no nilaza hoe tsy tokony aderadera ka izay angamba no tsy hahitan'ny mason'ny olona azy.

Nambarako tamin'izany ary fa tokony "hadio fo" isika ka tsy hijery sy tsy hitsikera izay mety heverin'ny sain-tsika ho lafiratsiny satria sakana ho an-tsika izany tsy hahatanterahantsika ny Sitrapon'Andriamanitra izay takiany hotanterahana.

Nisy moa ny namana izay nanambara fa tsy miantoka ny hidirana amin'ny fiainana mandrakizay ny fanaovana fahafolokarena ary nitady porofo izireo hoe aiza amin'ny testameta vaovao no misy izany.

Dia nambarako fa noho ilay fahafolokarena tafiditra ho isan'ny lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaiana dia mbola takin'Andriamanitra tokoa ny fanaovana azy satria ilainy ny olona ankehitriny hatoky ara-tsaina (hatoky amin'ny takona ka tsy handainga Aminy) ka ny tantaran'i Ananiasy sy Safira no nentiny nananarana ny taranaka aty aoriana.

Ny porofo nentiko nanamariana fa takiana ny fanaovana ny 1/10 ao amin'ny testameta vaovao moa dia 2 raha tena marina :
1- Fisoronana tahaka ny fanaon'i Melkizedeka ny fisoronan'i Jesosy Tompo (i Melkizedeka anefa dia nandray ny 1/10 tamin'i Abrahama)
2- Jesosy dia niteny hoe, "izay rehetra lazain'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo dia mila hatao sy tandremana (mazava ho azy fa anisan'ny lazain'izireo ny 1/10)

Enga anie ka ho tany lonaka mahavokatra avokoa no hilatsahany....

Koa dia samia hotahin'ny Tompo ry namana isany
144. bor2lais ( 09/01/2015 09:08)
RBNIR:

bor2lais:

RBNIR:

Ahoana moa no hanamarinanao fa tsy nanao 10% ireo kristianina tany amboalohany?
...
Ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ange mitaona ny olona hitandrina ny lalàna no nataony e!

Angaha moa Kristiana ny mpanora-dalana sy ny fariseo ?

Vakio tsara hoy i Jesosy Tompo hoe : « koa amin'izany, izay rehetra lazainy (mpanoradalana sy fariseo no milaza eto) dia ataovy ka tandremo (ny kristianina kosa no asainy manao sy mitandrina izay lazain'ireo eto); fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)

Miala-tsiny voatery mampianatra "grammaire" kely fa tsy maninona e (izay hampahazava azy no tanjona namana).

Tsy ny fanontaniako ange no valianao ry RBNIR e !

Efa aty amin'ny asan'ny apostoly ange vao nisy ny antsoina hoe Kristiana raha ny Baiboly no jerena e ! Izay no nahatonga ahy nametraka ilay fanontaniana.

Fampitandremana amin'ny fomba amam-panaon'ny mpanora-dalàna sy ny fariseo no nataon'i Jesoa ho an'ireo mpihaino Azy (izay mbola mpandeha any amin'ny Synagoga ka tezain'iretsy voalohany fatra-panaja ny lalàn'i Mosesy) eo amin'io Matio 23 lazainao io ! :-)

Izay no nahatonga ilay fanontaniana hoe "angaha moa Kristiana ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ?"

Tsy resaka "grammaire" izany ilay izy ry RBNIR fa "histoire" angamba no metimety kokoa ! :-)
145. RBNIR ( 09/01/2015 09:20)

Efa vita ny famintinako namana bor2lais anjaran'ny tsi11 sisa mandinika
Enga anie mba ho tany lonaka daholo hoy aho,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
146. bor2lais ( 09/01/2015 09:48)
Ny ahy indray ity ny famintinako azy satria resaka sekta moa izy ity :
hery:

Rehefa tapa-kevitra ny ho fanatika dia miezaka tsy mijery ilay "tsy mamely" fa atao "mamely" daholo izay hita

Ampiako hoe : zava-miafina (amin'ny fanatika) io lazain'i Hery io ! :-)

Vita koa ny ahy ny famintinako ! :-)
147. gasy1zay ( 09/01/2015 11:27)
RBNIR > mba afaka lazainao eto ve ny nolazain'ilay mpitarika ao aminareo momba ny fahafolon-karena fa izahay moa tsy mahafantatra izay nambarany. Tsy manakana anao hanefa ny fahafolon-karena hoy aho ny tanjona eto fa mba handinika hoe tena mifanaraka @ baiboly tokoa ve ny ambaran'ireny mpitarika fiangonana zandriny ireny satria izy ireo dia matetika milaza fa Jesoa Kristy mintsy no nihaona taminy sy nampianatra azy ny zavatra tokony ho toriany.

Ny ahy dia tsotra ny fomba fijeriko, hoy ny baiboly : Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao

Ka dia tsy maintsy fantariko hoe tena mifanaraka @ baiboly tokoa ve ny fampianarany, izaho aloha dia tsy resy lahatra hoe mitaky 10% harena izany ny fampianaran'ny Tompo ary efa nalefako ireny ny toko sy andininy hanamarinako izany fa dia raha hoy ianao hoe ny ahy no marina dia tsy maninona fa raha izay no hitanao fa hahazoanao famonjena dia hiverina any @ ilay hoe rehefa tsy manohitra antsika dia momba antsika.

Samy ho tahian'Andriamanitra
148. Strong3 ( 09/01/2015 11:37)

[Ho famaranana dia averiko hamafisina fotsiny ilay hoe "aza matahotra ny hiverina raha toa ka 'tsy mamely' koa ny any". ]

Miarahaba! :-)

___ hihihi ngamba miresaka amin'ireo zaza sy marivo salosana tokoa ny tompon'ny sujet ka tsy mahatsinjo fa misy olona te hitombo fahalalana , finoana, fahasoavana...sns . Tsy hitanao nga ireo Olona manana tanjona; tsy miverina ilalana izy fa fantany ny antom-pisiany ka tsy matahotra ny anton'ny fanampahan-keviny izy na ho tohin'ny ahoana ao aloha ao.

Sekta ! nga izay misaraka ihany no atao hoe sekta; Mino izaho fa mba takatrareo koa ireo tena atao hoe sekta: dia ireo izay maizin-tsaina vokatrin'ny fanampepoana ara-moraly nataon'ny mpitarika azy.
Na mba te hivelatra izy dia matahotra; ka any heriny dia mamitsaka na ho faty na hovelona eo amin'io toerana misy azy io.

Ngamba i Mr Hery isan'ireo miandry izay igadonany fotsiny ... sa ahoana marina no tena hevin'ity resaka ity?
149. RBNIR ( 09/01/2015 12:01)
gasy1zay:

RBNIR > mba afaka lazainao eto ve ny nolazain'ilay mpitarika ao aminareo momba ny fahafolon-karena fa izahay moa tsy mahafantatra izay nambarany. Tsy manakana anao hanefa ny fahafolon-karena hoy aho ny tanjona eto fa mba handinika hoe tena mifanaraka @ baiboly tokoa ve ny ambaran'ireny mpitarika fiangonana zandriny ireny satria izy ireo dia matetika milaza fa Jesoa Kristy mintsy no nihaona taminy sy nampianatra azy ny zavatra tokony ho toriany.

Ny ahy dia tsotra ny fomba fijeriko, hoy ny baiboly : Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao

Ka dia tsy maintsy fantariko hoe tena mifanaraka @ baiboly tokoa ve ny fampianarany, izaho aloha dia tsy resy lahatra hoe mitaky 10% harena izany ny fampianaran'ny Tompo ary efa nalefako ireny ny toko sy andininy hanamarinako izany fa dia raha hoy ianao hoe ny ahy no marina dia tsy maninona fa raha izay no hitanao fa hahazoanao famonjena dia hiverina any @ ilay hoe rehefa tsy manohitra antsika dia momba antsika.

Samy ho tahian'Andriamanitra

Efa vita ny famintinana nataoko namana,
Raha izay indray dia omeko rohy avy hatrany mihitsy ianao dia mba araho ilay fandaharana e!

Tsindrio eto fa ato ilay rohy

Tena mety ho hafa ihany marina raha izy no andrenesanao azy mivantana (sady izy rahateo no nampianarin'i Jesosy mivantana namana).

Koa dia samia ho tahin'ny Tompo e,
150. gasy1zay ( 09/01/2015 14:14)

efa nojereko io video nalefanao io fa tsy niresaka fahafolon-karena aloha izy tao fa mba tiko ho fantatra hoe inona no tena nambarany mikasika an'io raha asainy mandoa fahafolon-karena ianareo mpiangona zavatra tsara raha atao ve sa tokony atao sa tsy maintsy atao ary raha tsy manao dia aona? Izay no mba tiko fantarina satria izaho moa tsy miangona ao aminareo dia tsy haiko zay voalazan'ingahy Hery Nirina :)
151. RBNIR ( 09/01/2015 15:39)

Mahafinaritra namana raha efa nahafohy fotoana ianao hijerevana an'io (sava ranon'ando io)
Mahafoiza fotoana isa-maraina fa tsy hanenina ianao e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
152. gasy1zay ( 09/01/2015 15:53)

Dia aona izany ny hevitrao ry RBNIR mikasika an'ingahy Rodolphe (pastera ao @ HVKLM) fa toa milaza koa izy io hoe nisehoan'i Jesoa Kristy ary toa nomeny mission mitovitovy @ Hery Nirina? Dia iza no marina sa samy nahazo mission mitovy? Tsy mba nisy ve hoe nitenenan'ny Tompo hoe ndana mba miara miasa @ fiangonana izao fa tsy maintsy manangana fiangonana vaovao?

Raha misy mpivavaka ao @ HVKLM koa mba iangavina hitondra fanazavana azafady.
153. RBNIR ( 10/01/2015 03:22)
gasy1zay:

RBNIR:

gasy1zay:

efa nojereko io video nalefanao io fa tsy niresaka fahafolon-karena aloha izy tao fa mba tiko ho fantatra hoe inona no tena nambarany mikasika an'io raha asainy mandoa ahafolon-karena ianareo mpiangona zavatra tsara raha atao ve sa tokony atao sa tsy maintsy atao ary raha tsy manao dia aona? Izay no mba tiko fantarina satria izaho moa tsy miangona ao aminareo dia tsy haiko zay voalazan'ingahy Hery Nirina :)

Faly misera namana,

Izaho aloha tsy afaka ny hilaza avy hatrany hoe marina na tsia fa nisehoan'i Jesosy marina ny olona iray na tsia e!

Fa izao no hafatra napetrak'i Jesosy Tompo momba an'iny,
« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Mat.7:16)
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Mat.7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Mat.7:18)

Ny voany dia ilay tenin'Andriamanitra toriany « Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lio.8:11)

Lojika be ity : Raha Jesosy marina no nampianariny dia tokony hitovy 100% amin'ilay fampianaran'i Jesosy 2000 taona lasa ny zavatra nampianarina azy sy nasain'ilay Jesosy niseho taminy hotoriana amin'ny olona,

Dia izay fotsiny e, tsara amin'ny fampianarany izy ka raha hitanao fa 100% mitovy amin'ny nampianariny 2000 taona no ampianariny tsy hitako izay hisalasalanao, raha manatombo kosa na manaisotra izy tena miteny aminao aho hoe aza mino fa tsy izy izay e.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
154. RBNIR ( 10/01/2015 03:24)
Azafady fanitsiana kely raha Jesosy marina no nampianatra azy (fa tsy hoe raha Jesosy marina no nampianariny)...mino aho fa efa nahitsinao avy hatrany namana
155. RBNIR ( 10/01/2015 03:33)
dia torak'izany koa tsarao amin'ny fampianarany izy (fa tsy hoe tsara amin'ny fampianarany izy)
156. RBNIR ( 10/01/2015 03:47)
gasy1zay:

efa nojereko io video nalefanao io fa tsy niresaka fahafolon-karena aloha izy tao fa mba tiko ho fantatra hoe inona no tena nambarany mikasika an'io raha asainy mandoa fahafolon-karena ianareo mpiangona zavatra tsara raha atao ve sa tokony atao sa tsy maintsy atao ary raha tsy manao dia aona? Izay no mba tiko fantarina satria izaho moa tsy miangona ao aminareo dia tsy haiko zay voalazan'ingahy Hery Nirina :)

Hofintiniko angamba namana ny fampianarany,
Noporofoiny araka ny baiboly fa tena sitrapon'Andriamnitra ny fanaovana fahafolon-karena (araka ireo toko sy andininy efa nentiko teto e!).
Dia avy eo dia nampianatra izy (araka ny nampianaran'i Jesosy azy), fa na inona na inona sitrapon'Andriamanitra fantatrao dia mila hatao izany satria miantoka ny fidirana any amin'ny fanjakan'ny lanitra. « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Izay no fampianarany namana, dia anjaran'ny tsi11 sisa satria ilay izy hoy aho tsy hisy hangataka ny bulletin de paienao na hitsikilo izay any an-tranonao izany (tsy hisy mihitsy izany) Fa raha tsy manao ianao dia anao sy ny Rainy izay....(tsy mandainga amin'ny olona, fa mandainga amin'ny Fanahin'Andriamanitra toa an'i Ananiasy sy Safira e!).

Izay fa dia samia ho tahin'ny Tompo namana,

157. gasy1zay ( 12/01/2015 14:48)
RBNIR > izaho aloha tsy resy lahatra hoe mifanaraka @ fampianaran'i Jesoa 2000 tao lasa izay ity resaka fahafolon-karena ity, efa nolazaiko anao ireny koa ny tenin'Andriamanitra manamafy ny hevitro fa raha tsy maharesy lahatra anao ilay izy dia tsy maninona fa tohizo izay hitanao fa mety @ finoanao.
158. RBNIR ( 12/01/2015 16:14)

Mampalahelo izany namana,

Manasa anao hanaraka ny fandaharana ary e, izaho mino fa hisy soa lehibe ho azonao amin'ny fanarahana izany namana (fahasoavana ara-panahy indrindra indrindra namana).

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
159. gasy1zay ( 13/01/2015 14:49)

RBNIR:

gasy1zay:

RBNIR:

gasy1zay:

efa nojereko io video nalefanao io fa tsy niresaka fahafolon-karena aloha izy tao fa mba tiko ho fantatra hoe inona no tena nambarany mikasika an'io raha asainy mandoa ahafolon-karena ianareo mpiangona zavatra tsara raha atao ve sa tokony atao sa tsy maintsy atao ary raha tsy manao dia aona? Izay no mba tiko fantarina satria izaho moa tsy miangona ao aminareo dia tsy haiko zay voalazan'ingahy Hery Nirina :)

Mahafinaritra namana raha efa nahafohy fotoana ianao hijerevana an'io (sava ranon'ando io)
Mahafoiza fotoana isa-maraina fa tsy hanenina ianao e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Dia aona izany ny hevitrao ry RBNIR mikasika an'ingahy Rodolphe (pastera ao @ HVKLM) fa toa milaza koa izy io hoe nisehoan'i Jesoa Kristy ary toa nomeny mission mitovitovy @ Hery Nirina? Dia iza no marina sa samy nahazo mission mitovy? Tsy mba nisy ve hoe nitenenan'ny Tompo hoe ndana mba miara miasa @ fiangonana izao fa tsy maintsy manangana fiangonana vaovao?

Raha misy mpivavaka ao @ HVKLM koa mba iangavina hitondra fanazavana azafady.

Faly misera namana,

Izaho aloha tsy afaka ny hilaza avy hatrany hoe marina na tsia fa nisehoan'i Jesosy marina ny olona iray na tsia e!

Fa izao no hafatra napetrak'i Jesosy Tompo momba an'iny,
« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Mat.7:16)
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Mat.7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Mat.7:18)

Ny voany dia ilay tenin'Andriamanitra toriany « Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lio.8:11)

Lojika be ity : Raha Jesosy marina no nampianariny dia tokony hitovy 100% amin'ilay fampianaran'i Jesosy 2000 taona lasa ny zavatra nampianarina azy sy nasain'ilay Jesosy niseho taminy hotoriana amin'ny olona,

Dia izay fotsiny e, tsara amin'ny fampianarany izy ka raha hitanao fa 100% mitovy amin'ny nampianariny 2000 taona no ampianariny tsy hitako izay hisalasalanao, raha manatombo kosa na manaisotra izy tena miteny aminao aho hoe aza mino fa tsy izy izay e.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

Miarahaba anao ry namana RBNIR, somary hiverenako kely ity nosoratanao ity fa misy diso kely ilay voalazanao satria tsy mitovy ilay voa voalaza ao @ Lioka 8:11 sy ilay voany voalaza ao @ Matio 7: 16-18

Raha jerenao ny dikateny vahiny dia ny Lioka 8:11 dia voa afafy = masomboly no resahina
:"Voici ce que signifie cette parabole : la semence, c'est la parole de Dieu."
fa ilay Matio kosa : voany = voankazo no resahina
: "Vous les reconnaîtrez à leurs fruits"

Ny ao @ Matio ny tanjon'ilay fampianarana dia hoe ahoana ny ahafantarana hoe Mpaminany sandoka ny olona iray? Dia ny nampianarin'i Jesoa dia milaza fa ny voany no ahalalana ny hazo, inona no tiany ambara @ izany? Fanahin'Andriamanitra ve no miasa @ olona iray sa fanahy mamitaka? Mila jerena ny vokan'ny fiasan'ny Fanahy mba hahalalanao azy.

Raha tena ny Fanahin'Andriamanitra na ny Fanahy Masina izany no miasa @ Fiangonana na Mpitondra fivavahana iray dia tokony ho hitanao taratra ao @ fiangonana sy ny mpitarika ny vokatr' izany Fanahin'Andriamanitra miasa izany

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po;

ary toy izany dia tsy tokony ho tazana ao ireto toetra mifanohitra aminy ireto :

Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy

Dia tsy adino koa ilay teny hoe :"Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana hianareo"
"Produisez donc du fruit qui confirme votre changement d’attitude"

160. RBNIR ( 13/01/2015 15:32)

Salama namana,
Amin'ny maha voa afafy azy no resahiko eto ry namana: raha milaza ilay olona fa nampianarin'i Jesosy dia tokony mitovy ny voa afafiny (tenin'Andriamanitra entiny) ankehitriny sy ilay voa nafafin'i Jesosy 2000 taona lasa izay (tenin'Andriamanitra nentiny fahiny).

Raha tsy mitovy amin'ilay voa nafafy fahiny dia mazava ho azy fa tsy ilay Jesosy no nampianatra azy fa Jesosy hafa (efa voasoratra koa ny momba an'izay)....

Baiboly no référence e, ny fampianaran'i Jesosy dia ao avokoa, ary tsy sarotra ny mamantatra azy.

Koa dia ilay voa afafiny no hamantaro azy namana.......
Koa dia samia ho tahi'ny Tompo namana,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1321