Hiditra sekta hono :-)

101. hery ( 08/01/2015 09:20)
Tsy ho nisy nahalala an'ireny Hummer ireny anie raha tsy nasiana soratra hoe "APOKALIPSY" sy isehosehoana etsy sy eroa e.
Raha samy hiseho ihany tsy aleo atao mifanaraka amin'izay koa ny asa fiantrana?

Sa ve we tsisy?
102. hery ( 08/01/2015 09:23)
Sady tsy voatery haderadera izany fa hita ho azy.

Raha nanangana hopitaly na sekoly (dia land cruiser no novidiana fa tsy Hummer), ka na tsy nasiana hoe Apokalipsy aza ny hopitaly na sekoly dia hita ho azy eny ihany fa tsy aderadera.

Fa ny zavatra hita aloha izao dia ny olona mijalin'ny VOATERY mandoa 10% nefa anaty fahantrana. Io koa tsy aderadera fa hita ho azy.
103. RBNIR ( 08/01/2015 09:25)
hery:

Ny asa fiantrana tsy aderadera fa ny harena azo aderadera :-)
Tsy azoko ihany...

Jesosy no niteny ilay hoe asa fiantrana tsy aderadera fa tsy izaho an! mikasika ny harena indray...miankina amin'ny tsi11 iny fa na izany aza inona moa no tokony hahasarotiny amin'izany e, efa voasortra hoe hahazo zato heny koa raha tanteraka izany inona no olana???....
104. hery ( 08/01/2015 09:35)
Hita ho azy ihany ho'aho ny olona tena manao asa fiantrana na tsy mideradera aza.

Ny mahazo zato heny dia tsy olana... fa ny mitazona ilay zato heny ho an'ny tena manokana no olana. Indrindra raha misy rahalahinao, mpiara-mivavaka aminao, na andevonao koa aza, mijaly sy madinika.

Io no mahasamihafa antsika e. Ny 100 heny azo dia lasa fananan'i levita manokana.
105. RBNIR ( 08/01/2015 09:38)
hery:

Fa ny zavatra hita aloha izao dia ny olona mijalin'ny VOATERY mandoa 10% nefa anaty fahantrana. Io koa tsy aderadera fa hita ho azy.

Tsy misy olona VOATERY izany (fa izay ilay hoe fahatahorana an'Andriamanitra e!) raha matahotra Azy any amin'ny takona ianao (lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina) lois pour les infidélités morales) dia mandrotsaka, tsy matahotra ianao dia anao sy Andriamanitra izay e!
106. RBNIR ( 08/01/2015 09:40)

hery:

Ny mahazo zato heny dia tsy olana... fa ny mitazona ilay zato heny ho an'ny tena manokana no olana. Indrindra raha misy rahalahinao, mpiara-mivavaka aminao, na andevonao koa aza, mijaly sy madinika.

Fomba fijerin-tsika azy iny fa iza moa no mahita izay ataony any amin'ny mangigina any?
107. RBNIR ( 08/01/2015 10:01)
RBNIR:

[quote=hery]
Fa ny zavatra hita aloha izao dia ny olona mijalin'ny VOATERY mandoa 10% nefa anaty fahantrana. Io koa tsy aderadera fa hita ho azy.

Porofo fa tsy voatery: iza moa no mahalala ny fidiram-bolan'ny tsi11 avy?? iza no mahalala raha iny marina no izy na tsia??? Tsy hisy hanamarina izany mihitsy eo akory, Fa dia izay ilay hoe raha mandainga ianao dia amin'ny Fanahin'Andriamanitra fa tsy amin'ny olona e (ilay tantaran'i Ananiasy sy Safira e)
108. hery ( 08/01/2015 10:28)
Fahatahorana ny lalàna, plus ou moins misy fanasàna atidoha kely hoe raha tsy manaraka ny lalàna dia maty, nefa tsy tantaraina ireo olona tsy nanaraka an'io lalàna manokana io izay tsy maty (ireo kristianina voalohany tsy nanaraka an'io lalàna 10% io nefa tsy maty)

Voatery ihany izany.
109. RBNIR ( 08/01/2015 10:55)
hery:

(ireo kristianina voalohany tsy nanaraka an'io lalàna 10% io nefa tsy maty)

Ahoana moa no hanamarinanao fa tsy nanao 10% ireo kristianina tany amboalohany?
Hoy Jesosy hoe « Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Mat.23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)

Ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ange mitaona ny olona hitandrina ny lalàna no nataony e!

110. rhaj0 ( 08/01/2015 11:44)
hery:
Fa ny zavatra hita aloha izao dia ny olona mijalin'ny VOATERY mandoa 10% nefa anaty fahantrana. Io koa tsy aderadera fa hita ho azy.

Ka raha tsotsorina anie dia heveriny (na resy lahatra izy) fa hoe voavidy vola (10%) ilay mankany mankany e... Misy koa mahantra fa mividy tombola.. Dia "mijaly" ve izy ??

Ary raha ny fahitako azy, tsy hoe "voatery" ilay olona ho'a fa ... "resy lahatra". Sahala @ tomboliste resy lahatra fa raha 0.0010% ny lasantsy dia ho izy mihintsy no ho "voafidy".

Fa ilay "mijaly" koa anie... "vatana" noana no mijaly fa tsisy vola azahoana sakafo e... Fa ny "sakafom-panahiny" azony eo anie ka dia tena cholesterol be... f'angaha moa tsy izay indray ilay filamatra Kristiana, na Katolika ry Hery ??

hery:
Fahatahorana ny lalàna, plus ou moins misy fanasàna atidoha kely hoe raha tsy manaraka ny lalàna dia maty, nefa tsy tantaraina ireo olona tsy nanaraka an'io lalàna manokana io izay tsy maty (ireo kristianina voalohany tsy nanaraka an'io lalàna 10% io nefa tsy maty)...

Io ho'a rahefa 10% dia "fanasana ati-doha", hoz'nareo. Fa inona daholo ireny "lalàna" sy "fombafomba" ao @ Leglizy Katolika ohatra, ka "raha tsy manaraka izany dia "maty" ? ilay "maty" anie mety ara-panahy na ara-tsaina na ara-po koa e...

Ataon'i Hery fa tsy nifertr'aina angaha i Mamabe fa tsy azo atao batisa/batemy ny zafikeliny raha toa ka tsy nandoa ilay "valopy" izy ? Narary ny fony. Na koa ory tanteraka izy fa mba tsy vita batemy ity zafikeliny, ary dia akipilipilin'i Mopera, mba TSY ho sahala @ ankizy namany, ka TSY avelany handray ilay mofokely iny ? discrimination BE anie izany eo imason'ny ankizy e...

miombo-kevitra @ RBNIR aho @ ity...
RBNIR:
Misy fomba fijery mila hahitsy e, rehefa rakoto no manao ny ataony dia masina fa rehefa rabe no manao an'iny na dia kely fotsiny aza dia mainty.....

111. bor2lais ( 08/01/2015 11:57)
RBNIR:

Ahoana moa no hanamarinanao fa tsy nanao 10% ireo kristianina tany amboalohany?
...
Ny mpanora-dalàna sy ny fariseo ange mitaona ny olona hitandrina ny lalàna no nataony e!

Angaha moa Kristiana ny mpanora-dalana sy ny fariseo ? :-)
112. rhaj0 ( 08/01/2015 12:01)
bor2lais:
Angaha moa Kristiana ny mpanora-dalana sy ny fariseo ? :-)

Dia marobe tokoany izany ny TSY Kristiana.. ny Jiosy tsy izy, ny Jentilisa izy teo, tsy izy, ny mpanora-dalana sy ny fariseo koa izany TSY Kristiana, ny Ejiptiana TSY izy, tsy lazaina akoriny ny Amerindiana sy ny Sinoa ary ny Vazimba...

Ka dia mahasoava aminao manava-tena ao zany e...
113. bor2lais ( 08/01/2015 12:47)
rhaj0 > mba vakio manontolo ny zavatra soratako fa aza tsaingohana araka izay tiana tahaka io fa lasa HS ny zavatra lazaina : mpampianatra moa ramose rhaj0 ity ? :-)
114. rhaj0 ( 08/01/2015 13:24)
hi hi hi .. mpampianatra aho, fa mipetraka eo @ toeran'ny mpianatra foana... ka rahefa misy resaka tsy mandeha @ laoniny, dia izay indrindra no tavela any an-tsain'ny mpianatra, ka dia tsy maintsy tsongolohiko.

Sady ilay "vava latsaka" antsefatsefany ireny koa no tena ahitana ny tena ati-laliny... Ka dia io sirika io ianao ry Bor2lais fa m(p)anao hoe.. izahay Kristiana, izareo TSY Kristiana.. :-)
115. rhaj0 ( 08/01/2015 13:35)
rhaj0:
Ataon'i Hery fa tsy nifertr'aina angaha i Mamabe fa tsy azo atao batisa/batemy ny zafikeliny raha toa ka tsy nandoa ilay "valopy" izy ? Narary ny fony. Na koa ory tanteraka izy fa mba tsy vita batemy ity zafikeliny, ary dia akipilipilin'i Mopera, mba TSY ho sahala @ ankizy namany, ka TSY avelany handray ilay mofokely iny ? discrimination BE anie izany eo imason'ny ankizy e...

Efa nilaza moa i Hery in-1 mandeha fa misy bla-bla lalina rahefa tsy mandray kominio, ka dia rariny, izany hoe mirary (tissage) tsara @ fiarahana, ny TSY handraisana kominio.

Dia hoy aho hoe, dia "voasasa ati-doha" ao marina koa ianao ry Hery (bornE).. Mba meteza, 1 minitra monja, eo @ toeran'ilay ankizy 8 taona ohatra. Mba mandeha any @ Leglizy fa teren'ny r-a-d.

Dia miaraka @ namany eo. Dia raikitra ny fizarana ilay mofokely. Dia misy ilay Katolika (mety i Damopra akoriny azany) milaza an'ilay zaza fa TSY mahazo mandray mofokely izy. Dia ahoana hozy ilay zaza, mahita ny namany mahazo, dia nefa izy mitanatana fotsiny etsy? dia ahoana hozy ny namany eo, hoe, ... dain... 'ty tsy mahazo mihinana mofo... na na na 'ty n'enay iii... dia ahoana hozy ny renin'iretsy ankizy rahefa any an-tranony, hoe ilay zaza anie ka tsy vita batisa/batemy (ohatra) ary TSY mitovy aminao Kristiana.. dia ahoana hoz'ireto ankizy kristiana aoriana... kintana be anie ny bullying/intimidation @ io e...

Ka dia ivereno tsara ny teninao re ry Hery ...

hery:
Fahatahorana ny lalàna, plus ou moins misy fanasàna atidoha kely hoe raha tsy manaraka ny lalàna dia maty...

"maty" ara-piaraha-monina miaraka @ namany ao ilay zaza...

Aiza ilay hoe fitserana, compassion, Kristiana ? toa pli-vava fotsiny....
116. hery ( 08/01/2015 14:25)
Tsy azoko intsony ilay fanangaroan'i rhaj0 ilay resaka eto. Sa ve niha donto aho tamin'ity 2015 ity?

Ampitovian-dRahaja amin'ny ankizy kely 8 taona ve ny Sekta ka manaraka fotsiny izay lazain'i Dadapasy? Angamba kosa matotra kokoa noho izany izy ireo.

40 taona mahery no naha katolika ahy fa tsy mbola hitako sy henoko n'aiza n'aiza ilay hoe "'ty nenay iiii" :-) Fa hitako kosa ireo olona mandeha tongotra sy maranidranitra tarehy mivavaka kanefa ingahy Pasy misonanika amin'ny Hummer. Anazy hono iny e.

Ary raha nisy izany zaza 8 taona izany dia aza manahy fa tsy "maty" ara-piarahamonina izy. Ary raha maty aza izy dia ny mpitaiza azy no namono azy... na tsy nanome azy ilay sakafo tokony ho azy. Theorique be izany cas izany fa tsy mety hisy hoe zaza hatramin'ny 8 taona tsy nentin'ny Ray amandreniny nivavaka dia mbola ho tonga any am-piangonana hatrany. Raha izany no misy dia sahy aho miteny aminao fa hataon'ny pretra batemy izany zaza izany satria ny Fanahy Masina tokoa no miasa ao aminy.

117. bor2lais ( 08/01/2015 14:43)
rhaj0:

Sady ilay "vava latsaka" antsefatsefany ireny koa no tena ahitana ny tena ati-laliny... Ka dia io sirika io ianao ry Bor2lais fa m(p)anao hoe.. izahay Kristiana, izareo TSY Kristiana..

??
:-)
O boy ... How can I help you ? :-)
118. rhaj0 ( 08/01/2015 14:44)
you wouldn't understand :-)
119. gasy1zay ( 08/01/2015 14:50)
RBNIR > Raha resy lahatra ianao ry rahalahy fa tena hahavonjy anao ny fandoavana 10% harena dia tsy maninona fa ataovy izany, tsara anie ny manohana ny asan'Andriamanitra e! Fa ny anton'ilay resaka natsipiko dia hamafisiko fa hoan'ireo olona misalasala hoe ho very ve izany izahay raha tsy mandrotsaka 10% hoan'ny fiangonana? Tsia ny valiny, tsy very akory ny olona na tsy mandrotsaka 10% ny hareny azy fa tsy ny 10% harenao no zava-dehibe hoan'Andriamanitra fa ny fibebahanao, ny hinoanao an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy anao, tsy vidiam-bola tompoko ny asa famonjena nataon'i Kristy.

Mitady porofo ianao RBNIR? Ireto misy teny avy tao @ Baiboly :

1- Ilay jiolahy niara-niombona t@ Jesoa teo @ hazo fijaliana: "Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa."

2- hoy Jesoa raha naniraka ny mpianany : "Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina"

3- Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga

Hitanao @ ireo voasoratra ireo ry namana RBNIR fa tsy misy milaza mintsy hoe tsy ho vonjena izay tsy mandoa fahafolon-karena. Ny famonjena dia finoana an'i Jesoa Kristy ary ny fanaovana batisa izay midika fibebahana sy famelankeloka, ny tsy manana anjara amin'ny toerana namboarin'i Jesoa ho antsika dia ireo voatanisa ireo fa tsy ao mintsy ny hoe "ireo tsy nandoa fahafolon-karena"

Mikasika ilay Melkizedeka indray dia miangavy anao hamaky sy handinika tsara ny Hebreo 7 fa rehefa vita ny asa famonjen'i Jesoa Kristy dia tsy ny levita intsony no mpanalalana antsika amin'Andriamanitra fa i Jesoa Kristy :
Hebreo 7 : 11-12
Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.


Araky ny nambaran'ilay mpitarika ao aminareo ry RBNIR aoka izay voalazan'ny Baiboly no ekena ho marina :)
120. rhaj0 ( 08/01/2015 14:54)
Ny @ ilay zaza voaavakavaka fa TSY vita batemy aloha dia ny masoko no nahita. Fa niresaka t@ ankizy mandeha sekoly katolika aho in-1 mandeha ahatakarako raha hoe exception iny ve sa tena regle. Dia hoe.. rahefa manao lamesakely hono i damopra ao an-tsekoly, dia mizara ilay mofokely, dia misimisy ny ankizy TSY mitsangana, TSY mahazo mofokely.. dia misimisy koa ny ankizy mijerijery an'ireo TSY mihinana. Dia ... miala any ny intimidation/bullying.

hery:
Ampitovian-dRahaja amin'ny ankizy kely 8 taona ve ny Sekta ka manaraka fotsiny izay lazain'i Dadapasy?

TSY mampitovy olona @ zaza aho.

Ny tiako ahatongavana dia ny vokatr'ilay "lalAna" sy "fombafomba", izay nanasana ny ati-dohan'ny mpino tsi11 ao, dia mitovy


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0975