Hiditra sekta hono :-)

201. bor2lais ( 22/01/2015 17:49)
:-)
Aza mba mampihomehy RBNIR a !
Raha tohizana mantsy io "raisonnement"-na(re)o io dia afaka miteny ohatra hoe "Jesoa na ny apôstôly ange tsy nitory tamin'ny internet na TV e" : noho izany diso ny filazana(re)o fa fampianarana tsy misy kilema no torin'ilay milaza tena ho apôstôly ao amina(re)o ao io (sady feno kilema koa ny internet sy ny TV ! :-)
202. RBNIR ( 22/01/2015 22:48)

bor2lais:

Mahaiza kosa mandray teny tsara e, izao no voalaza « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Mar;7:7)

Ny noely anie dia efa lasa tafatoetra ho didim-piangonana e! ary efa lasa fampianarana ho an'ny olon'Andriamanitra...

Ny TV, internet kosa fitaovana hahafahana miasa.....

Mahaiza mandray teny namana a!
203. gasy1zay ( 23/01/2015 15:29)
RBNIR > miala tsiny raha hiverenako kely fa ohatrany tadidiko tampoka ilay resaka hoe mandray ny Fanahy Masina iny, dia hilaza koa ve ianao hoe miteny @ fiteny tsy fantatra ny olona vao azo atao hoe nahazo ny Fanahy Masina? Sa tsy ao aminareo no misy io fampianarana io?
204. RBNIR ( 24/01/2015 03:24)

gasy1zay:

RBNIR > miala tsiny raha hiverenako kely fa ohatrany tadidiko tampoka ilay resaka hoe mandray ny Fanahy Masina iny, dia hilaza koa ve ianao hoe miteny @ fiteny tsy fantatra ny olona vao azo atao hoe nahazo ny Fanahy Masina? Sa tsy ao aminareo no misy io fampianarana io?

Faly miarahaba namana,
Tsara raha tohizanao ny fanarahana ny fandaharana namana,
Ny lohahevitra Fanahy Masina tsy tsara loatra raha iadiana hevitra eto fa sao misy hiteniteny foana ry namana.
Efa napetrak'Andriamanitra mantsy ny teny : « fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Mar.3:29)
Fitiavana izany namana...;
Samia ho tahin'ny Tompo namana
205. bor2lais ( 24/01/2015 09:41)
RBNIR:

Mahaiza kosa mandray teny tsara e, izao no voalaza « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Mar;7:7)

Ny noely anie dia efa lasa tafatoetra ho didim-piangonana e! ary efa lasa fampianarana ho an'ny olon'Andriamanitra...

Ny TV, internet kosa fitaovana hahafahana miasa...

Hay takatrao ihany fa FITAOVANA hahafahana miasa ny TV sy internet !

Ka ahoana no tsy mba ahatakaranao fa ny olombelona koa anie mba mety FITAOVANA ahafahan'ny Fanahy Masina miasa e !

Ary eo no ampifandraisiko amin'ny fanontanian'i gasy1zay : voatery tsy maintsy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra angaha vao azo lazaina hoe iasan'ny Fanahy Masina ilay olona ?

Miala tsiny aminao ry RBNIR fa (amiko) rehefa niakatra any an-danitra Jesoa dia ny Fanahy Masina no nirahina ary mbola miasa hatramin'izao fa tsy nijanona tamin'ny andron'ny apôstôly sy ny Fiangonana voalohany akory : izay no maha Andriamanitra velona Azy fa tsy maty tsy akory sanatria tahaka ny maty nanoratra "testament".

Amin'ny maha Andriamanitra Azy dia tsy azonao ferana ny fomba fiasaNY ka ilazanao fa rehefa tsy tahaka ity na ity dia tsy Izy izay na didin'olombelona ohatra !

Ary ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina ry RBNIR dia ny tsy finoana (na tsy fihainoana) Azy ! Tsy hiverina hanao asa famonjena intsony Jesoa satria efa vita ny asaNY ! Ny Fanahy Masina no miasa (farany) amin'izao fotoana izao ! Ka raha tsy mbola hino ny lazaiNY ianao dia tsy misy azo atao aminao intsony ! Izay ilay tsy ahazo famelan-keloka intsony ! :-)
206. RBNIR ( 24/01/2015 17:45)

Faly misera hatrany namana bor2lais

Afaka miasa amin'ny olona ny Fanahy Masina ka (na dia mbola tsy nandray ny Fanahy Masina aza ilay olona) fa izany tsy midika fa nandray ilay Fanahy Masina ilay olona.

Petera ohatra raha mbola tsy nandray ny Fanahy Masina dia efa nahafantatra fa Jesosy no Kristy (vakio Mat.16:16,17)

Samia ho tahin'ny Tompo namana

207. gasy1zay ( 26/01/2015 14:22)
RBNIR > izaho tsy afaka manaraka ilay fandaharana mivantana fa @ internet ihany rehefa misy fotoana malalaka no mba mitazana izay lazain'ny hafa, toa tsy misy video an'ilay ranamana iny firy anefa mba tazako. izaho anefa mba curieux @ itony fivavahana zandriny itony, mba tiko ho fantatra ny antony hananganana fiangonana vaovao sy ny fomba fijeriny @ fivavahana kristianina sy ny tenin'Andriamanitra.
208. RBNIR ( 26/01/2015 15:45)

Mampalahelo izany, raha any amin'ny province ianao ka misy canal sat tokony hahita ihany...

Ny anton'ny vitao ny asan'ny Fahamarinana dia ho hitanao ato amin'ity rohy ity.

http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe

Ny tenako manokana tsy nahita azy nisehoan'i Jesosy fa ny hijoroako vavolombelona dia efa nohamariniko araka ny baiboly ny fampianarany fa 100% mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy,

Ireo zavatra rehetra nampianarin'i Jesosy sy niainan'ireo apostoly fahiny no hijoroany sy hampianariny ny olona.

Fanampin'izany dia izy irery no mbola mampianatra ny lalàna (chemin) hahatongavana any amin'ny fanesorana ny ota raha ny eto Madagascar....

Misy point de départ ary misy fiafarana (efa nahavita ny hazakazako aho hoy paoly) ny fanarahana dia an'i Kristy,
Ny olona tsi11 dia tokony hahafantatra mazava tsara he taiza izy no niainga ary tonga marina tokoa v fa tsy sanatria mandeha anjambany akory ny fikatsahana ilay fanjakan'Andriamanitra.

Mazotoa mivavaka ry namana, raha sitapon'ny Tompo tsy maintsy ho hitanao ny tohin'ny fandaharana rehatra.....
Samia ho tahin'ny Tompo namana
209. gasy1zay ( 26/01/2015 16:22)
RBNIR > efa nojereko hoy aho ilay video nalefanao iny, fa ilay fanontaniana mbola mipetraka hoe nahazo hafatra avy any @ Tompo ianao ka maninona tsy miditra pasitera ohatra na katekista na makany @ fikambanana mampiely baiboly raha te hitory teny fa maninona no tsy maintsy manangana fiangonana vaovao nefa ny fiangonana kristianina eto Madagasikara efa misy ary zay hitako sy henoko hatreto aloha tsy misy mahasamy hafa @ izay nambarany ny fampianarana.
210. RBNIR ( 26/01/2015 18:00)

Misy olona efa voatokan'Andriamanitra ho amin'izany ry namana,

Ny mahatonga ny fampianaran-diso miely erak'izao tontolo izao dia ny tsy fahafantaran'ny olona izany.

Ny olona nomena alalana hitarika dia ny apostoly irery ihany (olona voafidy mivantana ary koa nampianariny mivantana).

Amiko manokana dia efa naverimberiko teo (tsy miheritreritra ny amin'izany aho) ny ataoko dia ny mijoro vavolombelona amin'ny fahamarinan'izany fampianarana izany ary mihezaka manaporofo eto fa tena marina ny fampianarany.....

Tsy kilalao izany mitory ny filazan-tsara izany (raha mampianatra zavatra diso na iza na iza dia handray ny valin'izany any aoriana any).

Mahandrasa ny fifidianan'ny Tompo fa aleo tsy mampianatra toy izay mampianatra zavatra diso.....

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana
211. gasy1zay ( 26/01/2015 18:45)
RBNIR >Ny kristianina eto an-tany efa amina milliard no isany ka dia ho olona 1 fotsiny ve no safidian'Andriamanitra hitondra fampianarana marina? Olona voafidin'iza mivantana izany no afaka mitarika raha io filazanao io? Voafidin'Andriamanitra ve sa voafidin'olombelona ny mpitarika? Ireo mpianatry ny apostoly manko nirahiny koa hitory teny ka ireny koa ve nisehon'Andriamanitra nivantana fa toa tsy nisy nilaza izany ao @ filazantsara?
Mba afaka manome ohatra ary ve ianao hoe inona ny fampianarana diso misy eo @ ireo fiangonana zokiny ka tena voaporofo anaty baiboly hoe diso?
212. RBNIR ( 27/01/2015 02:59)

Faly misera namana,
Noa tokana, Mosesy tokana, ny apostoly 12 lahy,
Tsy misy tokony hahagaga izany, izay no rafitra napetrany mba ho "fampianarana tsy misy kilema" no voazara.
Manetre tena fa izay no fahamarinana namana.....
Samia ho tahin'ny Tompo
213. RBNIR ( 27/01/2015 05:56)
gasy1zay:

Ireo mpianatry ny apostoly manko nirahiny koa hitory teny ka ireny koa ve nisehon'Andriamanitra nivantana fa toa tsy nisy nilaza izany ao @ filazantsara?
Mba afaka manome ohatra ary ve ianao hoe inona ny fampianarana diso misy eo @ ireo fiangonana zokiny ka tena voaporofo anaty baiboly hoe diso?

1- Raha misy olona hafa ankoatran'ireo apostoly mampianatra, dia voalohany mila mianatra tsara izy aloha ary rehefa mahay tsara dia tsy mitory zavatra hafa afats'izay noraisiny ihany,

2- N'inona n'inona fampianarana niala avy tamin'ilay fampianarana nomen'i Jesosy 2000 taona lasa dia ireny no misy kilema (na izy manatombo fampianarana, na izy manaisotra fampianarana)

Mora fantatra e! vakio ny baiboly hanamarinana azy,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
214. gasy1zay ( 27/01/2015 14:50)

Ka izay anie ohatra naverimberiko taminao hoe ao anaty filazan-tsara 4 (Matio-Marka -Lioka-Jaona) i Jesoa tsy nilaza mintsy na indray mandeha monja aza hoe aza adinonareo ny fahafolon-karena.
215. RBNIR ( 27/01/2015 18:14)
gasy1zay:

Ka izay anie ohatra naverimberiko taminao hoe ao anaty filazan-tsara 4 (Matio-Marka -Lioka-Jaona) i Jesoa tsy nilaza mintsy na indray mandeha monja aza hoe aza adinonareo ny fahafolon-karena.

Faly misera namana,

Fa nilaza Izy fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no miditra amin'ny fanjakan'ny lanitra.....
Ka raha ekenao fa sitrapon'Andriamanitra ny fanaovana fahafolon-karena dia anjaranao ny mamantatra ny tokony ataonao namana.....

Raha tsy hoe ngah aminao tsy sitrapon'Andriamanitra ny fanaovana fahafolonkarena.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana
216. gasy1zay ( 27/01/2015 19:25)

Marina izany ry rahalahy RBNIR saingy izay rehetra kristianina nahatsiaro tena fa nivavaka sy nanakim-po t@ Andriamanitra ary resy lahatra fa namaly vavaka azy ny Tompo dia samy efa nanao ny sitrapon'Andriamanitra avokoa satria voalaza fa :" Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny."

Rehefa mahatsapa ianao izany fa mihaino anao Andriamanitra ka namaly ny fivavakao dia efa nanao ny sitrapony ianao izay :)
217. RBNIR ( 28/01/2015 04:36)
gasy1zay:

" Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny."

Izay mihitsy ry namana "sy manao ny sitrapony"...

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
218. rhaj0 ( 29/01/2015 17:19)
Mety "tsy mihaino" Izy... fa "mahita"... Dia raha ny fahitako azy, dia rahefa "mahita" Izy dia "hihaino"... iza koa eto @ ity tany ity no "mahita" nefa "hanao bemarenina" ?? :-)

Ny fahitako azy, dia tianao ho ianao irery ihany no henoiNY, na tsy tianao ho avy Aminy irtsy tsy tianao iretsy... dia mody hanaovanao feon-na mopera eto hoe...

(io ve tsy hotry ny hoe, rahefa ao an-tsekoly, dia hozy ny mpaka 19 hoe, ny mpampianatra dia "tsy mihaino" izay maditra sy tsy mahay... esy e ... aoka ho'a...)
219. RBNIR ( 29/01/2015 20:40)
Ity ny fanalahidin'ny fiainana mandrakizay ry namana. N'iza n'iza mahafantatra an'ity teny ity ka mitandrina azy dia izy no nomena ny fanalahidy ary manana ny varavarana misokatra ho ao amin'ny fiainana.....
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
Tsy otran'ny fiainana amin'izao tontolo izao ka hoe azo atao ny mamitaka "patron", REhefa eo izy dia "bonjour patron" que vous êtes gentil patron" sns....mandeha daholo ny louange sy ny sns.....

Fa IZY mahafantatra "ny voa" sy "ny fo".

Izay manao ihany no tiany, ka na dia androany aza no misy tapakevitra ka hanaiky hanao ny sitrapony rehetra dia horaisiny ary tena hoekeny....

Izay no dikan'ity fanoharana ity....
« Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio. » (Mat.21:28)
« Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. » (Mat.21:29)
« Dia nankeo amin'ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. » (Mat.21:30)
« Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra. » (Mat.21:31)

Aleon'Andriamanitra lavitra mahita olona iray mandà nefa avy eo manaiky ka manantanteraka ny sitrapony, toy izay olona mody manaiky nefa tsy manao akory.....

Ary rehefa manaiky dia engagement éternel no atao......
« Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Mat.24:13)
Ireto ny teny izay manamarina ireo:

« Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. » (Eze.18:21)
« Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony. » (Eze.18:22)
« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Eze.18:23)
« Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy. » (Eze.18:24)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!

Samia ho tahi'ny Tompo ry namana isany......

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3268