Hiditra sekta hono :-)

161. gasy1zay ( 13/01/2015 16:23)
RBNIR > Tadidio fa ny devoly anie ry namana t@ naka fanahy an'i Jesoa dia mba niteny ny tenin'Andriamanitra koa e! Tsy izay mamafy tenin'andriamanitra dia hoe ankasitrahan'Andriamanitra, tadidio ireo fariseo sy mpanoradalàna voatenin'i Jesoa foana hoe tsy mety ny ataony (mpihatsara ivelatsihy no voalaza matetika).

Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia [Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] tamin’ ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?
Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.

Mila mitandrina hoy aho isika fa tsy mora ny manavaka an'io amin'izao fa dia ny baiboly foana atao fototra izay vao ny voalazan'ny olombelona nofo sy ra izay mety manana ny fahalemeny @ mahaolombelona azy.
162. RBNIR ( 13/01/2015 16:46)
Tsy misy mahay mampianatra an'io fampianarana tsy misy kilema io afats'izay tena nampianariny mivantana ihany namana....
163. gasy1zay ( 13/01/2015 17:03)
RBNIR > Andriamanitra ry namana tsy hamela ny olony ho havilivilin'ny fampianarana diso mandritry ny 2000 taona, dia ho very maina ve hoy ianao ny famonjena nandritra ny taona arivo nifandimby izay satria izao vao misy fampianarana tsisy kilema? Ny fampianarana tsisy kilema dia efa io voarakitry ny baiboly io, tokony ho takatry ny mpino tsirairay io raha tena vonona ny hamaky sy handalina izy fa tsy mila miandry mpaminany na apostoly hafa intsony.

Aiza @ baiboly indray ianao ry RBNIR no mahita hoe tsy maintsy Jesoa Kristy no mampianatra olona mivantana vao hisy hahay hampianatra ny fampianarana tsisy kilema? I Paoly izay nisehon'i Tompo aza tsy nampianariny mivantana nefa nanoratra epistily firy ho mpino rehetra.
164. RBNIR ( 13/01/2015 17:17)

gasy1zay:

Nampianariny mivantana i paoly ka....

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Fa i Matia (Asa.1:23-26) no tsy nofidiny mivantana fa ny olona no nifidy an'i Matia tamin'ny alalan'ny :filokana,

Ary izay mihitsy no antony nifidianany an'i paoly mba hampahafantarana amin'ny olona fa Izy irery no mifidy ny apostoly fa tsy ny olona akory namana-

Samia ho tahin'ny Tompo namana
165. RBNIR ( 13/01/2015 17:20)
« Or je vous fais savoir, frères, que l'évangile qui a été annoncé par moi n'est pas selon l'homme. » (Gal.1:11)
« Car moi, je ne l'ai pas reçu de l'homme non plus, ni appris, mais par la révélation de Jésus Christ. » (Gal.1:12)
166. RBNIR ( 13/01/2015 17:29)
gasy1zay:

RBNIR > Andriamanitra ry namana tsy hamela ny olony ho havilivilin'ny fampianarana diso mandritry ny 2000 taona, dia ho very maina ve hoy ianao ny famonjena nandritra ny taona arivo nifandimby izay satria izao vao misy fampianarana tsisy kilema? Ny fampianarana tsisy kilema dia efa io voarakitry ny baiboly io, tokony ho takatry ny mpino tsirairay io raha tena vonona ny hamaky sy handalina izy fa tsy mila miandry mpaminany na apostoly hafa intsony.

Tsy nasehon'Andriamanitra izao fampianarana izao raha tsy izao isika miteny izao (mahazo mikaroka ianao) tokana ihany raha ny eto Madagascar no mahay izao fampianarana izao.

« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)

Izay no mahazavamiafina azy ary izahay tsy mirehareha satria "nomena" fa tsy tompony.

Ho azy irery anie ny voninahitra mandrakizay

Samia ho tahin'ny Tompo namana
167. gasy1zay ( 13/01/2015 18:18)
RBNIR > koa inona moa izany ny zavamiafina ambaranareo ka tsy mbola hain'ny olona namaky baiboly? Izany mibebaka izany anie efa hatrany @ testamenta taloha no fantatra e!
168. RBNIR ( 13/01/2015 22:55)

gasy1zay:

RBNIR > koa inona moa izany ny zavamiafina ambaranareo ka tsy mbola hain'ny olona namaky baiboly? Izany mibebaka izany anie efa hatrany @ testamenta taloha no fantatra e!

Na ny atao hoe mibebaka aza dia mbola betsaka ny mahafantatra akory ny tena dikany ry namana......
169. RBNIR ( 13/01/2015 23:14)

gasy1zay:

RBNIR > koa inona moa izany ny zavamiafina ambaranareo ka tsy mbola hain'ny olona namaky baiboly? Izany mibebaka izany anie efa hatrany @ testamenta taloha no fantatra e!

Araho amin'izay ilay fandaharana ry namana! Any no hahitanao ireo zava-miafina maro
Samia ho tahin'ny Tompo
170. mpisotrtoaka ( 14/01/2015 05:25)
Ny mamely sy tsy mamely eto ny hitany dia tsy mandinika ny finoana ho subjectif izy fa objectif ! Izay hatrany koa no hita any am'reo sekta ! Eny fa na dia ny fiangonana zokiny maro aza ! Hampanantenaina ny zava-mandalo ny olona dia roboka satria vahaolana vetivety angamba izany ary rehefa tsy tanteraka nny nofinofiny dia Tsy mamely hoy izy ! indrisy ! Ny fampianarana momba ny fandeferana sy ny fifanajana ary ny fitiavana ny hafa kosa dia lazaina fa fampahantran-tena ka tsy mamely ! Ao ny hoe tsy nataon'Atra ho 4mi isika fa zanany ve tsy ho ataony izay hampanan-karena sns ....Bye2 daholo
171. bor2lais ( 14/01/2015 13:25)
RBNIR:

Na ny atao hoe mibebaka aza dia mbola betsaka ny mahafantatra akory ny tena dikany ry namana......

???
:-)
Mba tonio ny fo rehefa miresaka fa lasa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ! :-)
Sa amin'izay lazaina fa zavamiafina ilay izy ! :-)
172. gasy1zay ( 14/01/2015 14:34)

RBNIR:

gasy1zay:

RBNIR > koa inona moa izany ny zavamiafina ambaranareo ka tsy mbola hain'ny olona namaky baiboly? Izany mibebaka izany anie efa hatrany @ testamenta taloha no fantatra e!

Araho amin'izay ilay fandaharana ry namana! Any no hahitanao ireo zava-miafina maro
Samia ho tahin'ny Tompo

Video 3 izay ry RBNIR no efa nojereko tao @ youtube fa tsy mbola nahita zavatra vaovao aloha na hoe zavamiafina na tsiambaratelo ka tsy mbola fantatro talohan'ny nijereko ilay fandaharana ka izay no ohatrany mahagaga ahy amin'ilay lazainao hoe misy zavamiafina izy irery ihany no nampianarina azy, sa mila manaraka fandarana maromaro vao hisy révelation na fanambarana? Ianao izao mety efa ela no nanaraka ny fandaharany koa raha efa misy zavamiafina fantatrao dia mba zarao aminay hahalalanay hoe tena zava-baovao tokoa ve sa efa voasoratra tanaty baiboly sy efa fantatra hatrizay ihany.
173. hery ( 14/01/2015 14:46)
mbola hisy zava-miafina be hivoaka ao ka... Rehefa manomboka mandoa fahafolon-karena ianao dia mahita azy :-)
174. RBNIR ( 14/01/2015 15:52)
gasy1zay:

Video 3 izay ry RBNIR no efa nojereko tao @ youtube fa tsy mbola nahita zavatra vaovao aloha na hoe zavamiafina na tsiambaratelo ka tsy mbola fantatro talohan'ny nijereko ilay fandaharana ka izay no ohatrany mahagaga ahy amin'ilay lazainao hoe misy zavamiafina izy irery ihany no nampianarina azy, sa mila manaraka fandarana maromaro vao hisy révelation na fanambarana? Ianao izao mety efa ela no nanaraka ny fandaharany koa raha efa misy zavamiafina fantatrao dia mba zarao aminay hahalalanay hoe tena zava-baovao tokoa ve sa efa voasoratra tanaty baiboly sy efa fantatra hatrizay ihany.

F'angah moa tsy niafina tamin'i gasy1zay fa i paoly ange ka nampianarin'i Jesosy mivantana tahaka an'ireo apostoly sisa.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana
175. rhaj0 ( 14/01/2015 16:20)
... "misitery izany zanako"... hozy ny mopera taloha..
(mitovy ihany fa ny saosiny fotsiny no miova) :-)
176. RBNIR ( 14/01/2015 16:26)
RBNIR:

gasy1zay:

Video 3 izay ry RBNIR no efa nojereko tao @ youtube fa tsy mbola nahita zavatra vaovao aloha na hoe zavamiafina na tsiambaratelo ka tsy mbola fantatro talohan'ny nijereko ilay fandaharana ka izay no ohatrany mahagaga ahy amin'ilay lazainao hoe misy zavamiafina izy irery ihany no nampianarina azy, sa mila manaraka fandarana maromaro vao hisy révelation na fanambarana? Ianao izao mety efa ela no nanaraka ny fandaharany koa raha efa misy zavamiafina fantatrao dia mba zarao aminay hahalalanay hoe tena zava-baovao tokoa ve sa efa voasoratra tanaty baiboly sy efa fantatra hatrizay ihany.

F'angah moa tsy niafina tamin'i gasy1zay fa i paoly ange ka nampianarin'i Jesosy mivantana tahaka an'ireo apostoly sisa.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana

Fa ny mahafinaritra namana dia ny maheno fa tenana nanana fandavan-tena ianao nanaraka ny fandaharana...mahereza e, ny Tompo anie homba anao....
177. gasy1zay ( 14/01/2015 18:47)

RBNIR:

gasy1zay:

Video 3 izay ry RBNIR no efa nojereko tao @ youtube fa tsy mbola nahita zavatra vaovao aloha na hoe zavamiafina na tsiambaratelo ka tsy mbola fantatro talohan'ny nijereko ilay fandaharana ka izay no ohatrany mahagaga ahy amin'ilay lazainao hoe misy zavamiafina izy irery ihany no nampianarina azy, sa mila manaraka fandarana maromaro vao hisy révelation na fanambarana? Ianao izao mety efa ela no nanaraka ny fandaharany koa raha efa misy zavamiafina fantatrao dia mba zarao aminay hahalalanay hoe tena zava-baovao tokoa ve sa efa voasoratra tanaty baiboly sy efa fantatra hatrizay ihany.

F'angah moa tsy niafina tamin'i gasy1zay fa i paoly ange ka nampianarin'i Jesosy mivantana tahaka an'ireo apostoly sisa.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana

RBNIR : io ry namana samy manana ny fandraisany azy raha ny hevitro satria ny mpanoratra ny baiboly dia voalaza fa voatsindrin'ny Fanahy na notarihin'ny Fanahy Masina t@ nanoratra ny baiboly na epistily io na ny filazantsara ka izay ve amiko ny tian'i Paoly ambara amin'ilay hoe fampianarana avy @ Jesoa Kristy no ambarany, fa raha ny voalaza mazava anaty baiboly aloha dia ilay niseho taminy teny @ lalan'i Damskosy ihany i Paoly no nilaza hoe nisehon'i Jesoa fa maninona tsy mba notantarainy t@ fampianarany ny fomba nampianarana na nisehon'i Jesoa taminy raha izay tokoa no nitranga.

Tsy maintsy mba henoina anie ny ambaran'ny olona hafa raha mikasika ny fivavahanao, ny tsara tazomina fa izay tsy mifanaraka @ heveriko ho marina araky ny baiboly aloha dia laviko.
178. rhaj0 ( 14/01/2015 19:27)
I Jesosy (hono) TSY nametraka an-tsoratra ny Fampianarany... Misy antony io...

- ao ny manadrohadro hoe, TSY mahay manoratra angambany Izy..
- ao ny mandrevirevy hoe, sao dia TSY ilaina soratana izany fa ny komionikasio no efa directe...

Izao izao efa iaraha-mahalala (fa betsaka no mody tsy mahalala) fa... tsy ireo soratra anaty Baiboly ireo ihany no soratra nitantara ny Fiainany (sy Fampianarany) fa misy hafa koa raki-tsoratra hafa any. Ny kaonsily taty aoriana no nisafidifidy izay voapetraka tao.

Ka raha "mino" ianao hoe "voatsindrin'ny Fanahy na notarihin'ny Fanahy" izay "nanoratra ny baiboly", dia ...

... I Jesosy (nefany hono) TSY nametraka an-tsoratra ny Fampianarany... Misy antony io...
179. RBNIR ( 15/01/2015 00:32)
rhaj0:

Faly misera namana,

Tsy nametraka an-tsoratra IZY fa nifidy "vavolombelo maro"
Ireny "vavolombelona" maro ireny no nanoratra.
Ny tena hanamarinana fa "Marina" ny voalaza dia mitovy ny fanambaran'ireny "vavolombelona" ireny......
Lio. 21:13 Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Asa.1:8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
180. RBNIR ( 15/01/2015 00:48)
gasy1zay:

RBNIR : io ry namana samy manana ny fandraisany azy raha ny hevitro satria ny mpanoratra ny baiboly dia voalaza fa voatsindrin'ny Fanahy na notarihin'ny Fanahy Masina t@ nanoratra ny baiboly na epistily io na ny filazantsara ka izay ve amiko ny tian'i Paoly ambara amin'ilay hoe fampianarana avy @ Jesoa Kristy no ambarany, fa raha ny voalaza mazava anaty baiboly aloha dia ilay niseho taminy teny @ lalan'i Damskosy ihany i Paoly no nilaza hoe nisehon'i Jesoa fa maninona tsy mba notantarainy t@ fampianarany ny fomba nampianarana na nisehon'i Jesoa taminy raha izay tokoa no nitranga.
Tsy maintsy mba henoina anie ny ambaran'ny olona hafa raha mikasika ny fivavahanao, ny tsara tazomina fa izay tsy mifanaraka @ heveriko ho marina araky ny baiboly aloha dia laviko.

« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)
Vakio tsara
1- Tsy noraisiny tamin'ny olona
2- Tsy nisy nampianatra izy (ho an'izay mety ho diso fiheverana fa ireo namany ihany no nampianatra azy)
3- Fanambarana : mivoaka avy amin'ny vava ny atao hoe ny fanambarana

Raha niseho taminy tao Damasy IZY . Inona no mahasaka Azy tsy hiseho indray taty aoriana ka hampianatra?????

Samia ho tahi'ny Tompo namana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1582