Hiditra sekta hono :-)

21. gasy1zay ( 05/01/2015 14:53)
Tratry ny taona daoly isika mpisera :)

Mikasika ireo fiangonana zandriny dia ito ny voalazan'ny baiboly
"Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika"

rehefa tsy manohitra ny fampianarana kristianina dia tsy misy olana, rehefa tsy mivoana @ voalazan'ny baiboly ny fampianarana dia tsy misy olana, fa ny tena manahirana ankehitriny dia toa mitovy @ voalazan'ny baiboly ny 90% fampianarana @ ireto fiangonana vaovao ireto ka raha tsy mahafantatra tsara ny baiboly dia mety ho voafitaka. Ohatra fotsiny no raisiko, TSY FEPETRA AHAFAHANA MIDITRA ANY ANDANITRA NY FAHAFOLON-KARENA, ka raha fiangonana milaza fa tokony handoha fahafolon-karena ianao vao miditra any an-danitra dia ...hialao fa tsy mifanaraka @ fampianarana ao @ baiboly izany.
22. rhaj0 ( 05/01/2015 17:34)
gasy1zay:
"Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika"

mba ampazahoy an'ilay andininy hoe raha mety e..

Ny reko matetika mantsy, dia TSY toa io lazainao io, fa toatoa ny hoe, rahefa TSY momba antsika dia Fahavalontsika.

Izany no lazain'olo fa ambenti-kiran'i G W Bush ohatra, ka nanondroany ho Fahavalo izay rehetra TSY miombo-kevitra aminy.
23. gasy1zay ( 05/01/2015 17:47)

rhaj0:

Marka 9: 40 "Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika."
24. rhaj0 ( 05/01/2015 21:33)
You're either with us, or against us.

"Na ianao miaraka aminay, na ianao miady aminay." Toatoa izay foana no ambeti-tenin'i G.W. Bush t@ ireny 911 ireny. Ary ilay "tsy miaraka aminy" dia tondroiny hoe "evil"...

I G. W. Bush dia ireny ilay hoe "born again Christian" ireny, ary tena "mino" aho fa "inspiration"-ny avy @ Baiboly ireo nodradradrainy ireo.

Ka aleoko manontany kely ihany: sao misy toko aman'andininy koa milaza ireo "inspiration" an'i G.W. Bush ireo ?
25. rhaj0 ( 06/01/2015 11:15)
gasy1zay:
"Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika."

Mampome ihany ilay fantsy, fa raha resaka politika io izany, dia rahefa raikitra ny fifidianana, dia tonga dia samy milaza-tena fa mandroaka ny vato fotsy daholo na ny andaniny na ny ankilany...

Aiza moa no tsy hitaritarika lonilony sy adiady foana ny ao @ fiaraha-monina ao... tsy mahay resy ny sasany ... (mi-s'inspirer @ io fantsy io)
26. RBNIR ( 06/01/2015 13:09)
gasy1zay:

Ohatra fotsiny no raisiko, TSY FEPETRA AHAFAHANA MIDITRA ANY ANDANITRA NY FAHAFOLON-KARENA, ka raha fiangonana milaza fa tokony handoha fahafolon-karena ianao vao miditra any an-danitra dia ...hialao fa tsy mifanaraka @ fampianarana ao @ baiboly izany.

Tena diso kosa izany lazain'ny namana izany an:
Ny lalàna dia nosokajian’Andriamanitra maromaro :
Ohatra : nisy tamin’izy ireny ny atao hoe lalàna nateraky ny fandikan-dalàna : Raha nandika lalàna iray ianao dia misy lalàna iray hafa nomen’Andriamanitra hampiarina aminao (ohatra : raha mijaganjanga ny olona iray izany hoe nandika ny lalàna hoe aza mijangajanga dia tratran’ilay lalàna atao hoe fitorahambato).
Ny fahafolokarena dia anisan’ny tafiditra ao amin’ny sokajin-dalàna atao hoe : lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (lois pour l'infidélité morale).
Ity sokajin-dalàna ity dia nentin’Andriamanitra hizahana toetra ny olona raha mahatoky any amin’ny takona ilay olona na tsia. « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon’ny loha ».
Ianao sy Andriamanitra irery tokoa mantsy no mahita amin’izay fotoana izay. Tafiditra amin’ireny lalàna ireny ny fahafolokarena (ianao sy Izy irery ihany no mahafantatra raha tena nandoa ny ampahafolony marina ianao na tsia).
Misy ny sokajin-dalàna efa nofoanan’I Jesosy Kristy Tompo (ohatra ny fitorahambato voalaza ery ambony. Vakio ato ny tantaran’ilay vehivavy janga tratra ambody omby.
Nofoanan’I Jesosy Kristy Tompo teo araka izany ny lalàna rehetra ateraky ny fandikan-dalàna.
Ny fahafolon-karena hoy aho dia tafiditra ao amin’ amin’ny sokajin-dalàna atao hoe: lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (lois pour l'infidélité morale).
Mbola mahasarotiny an’Andriamanitra v io sokajin-dalàna iray io sa tsia? Vakio ato ny tantaran’I Ananaiasy sy Safira vadiny.
Tena mbola takian’Andriamanitra tokoa ilay atao hoe fidélité morale na fahatokiana ara-tsaina (matoky any amin’ny takona) Tsy mijery ny lohasaha mangina fa Andriamanitra an-tampon’ny loha no jerena.
Mbola mitoetra tsara araka izany ny lalàna momba ny fahafolon-karena.
Ho an’iza moa ny fahafolokarena?
« Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hœ: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. » (Nom.18:24)
1- Aterina ho fanatitra (tsy entina any amin’ny toerana hafa fa ao an-tranon’I Jehovah atao fanatitra)
2- Ho an’ny taranak’I Levy (ho an’ny taranaka efa voatokana ho mpisorona ho an’Andriamanitra fa tsy atao amin’ny zavatra hafa akory). Toy ireo Pasteur sy pretra ankehitriny.
Ireny olona ireny dia tsy mba manana anjara intsony amin’ny fitadiavana misy eto amin’izao tontolo fa efa natokan’Andriamanitra ho mpisorony izy ireny.
Ary Jesosy mihitsy aza dia nilaza nandidy hoe. « Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)

Koa diovy ny fontsika ry namana malala isany, aza malady mitsara fa diniho raha sitrapon’Andriamanitra marina ny zavatra iray na tsia vao mitsara isika.

Ny Tompo anie hanazava ny sain-tsika rehetra,

Samia ho tahin’ny Tompo daholo.
27. gasy1zay ( 06/01/2015 15:01)
RBNR > Izaho tsy miteny hoe tsy azo atao ny manome fahafolonkarena na hoe sanatria fahotana ny fanomezana fahafolokarena saingy averiko indray TSY FEPETRA HAHAZOANA FAMONJENA NY FANDOHAVANA FAHAFOLOKARENA. Ny voalazan'ny baiboly dia izay mandrotsaka ny apahafolokareny hoan'Andriamanitra dia ho tahiny ary hovaliany araky ny voalaza ao @ Malakia 3:10 :"Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo"

Ny andrasan'Andriamanitra amintsika dia ny hanao toy ity mpamory hetra ao @ Lioka 18:13 "Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota."

Vakio tsara io fanoharana io rahalahy RBNR fa ho hitanao hoe iza no ankasitrahan'Andriamanitra fa nisy anakiray nitandrina didy sy nanome fahafolon-karena niaraka tamin'io mpanota nanetry tena io.
28. gasy1zay ( 06/01/2015 15:08)

rhaj0:

You're either with us, or against us.

"Na ianao miaraka aminay, na ianao miady aminay." Toatoa izay foana no ambeti-tenin'i G.W. Bush t@ ireny 911 ireny. Ary ilay "tsy miaraka aminy" dia tondroiny hoe "evil"...

I G. W. Bush dia ireny ilay hoe "born again Christian" ireny, ary tena "mino" aho fa "inspiration"-ny avy @ Baiboly ireo nodradradrainy ireo.

Ka aleoko manontany kely ihany: sao misy toko aman'andininy koa milaza ireo "inspiration" an'i G.W. Bush ireo ?

Fa ianao ve rhaj0 mieritreritra fa mamaky baiboly kristianina ingahy Bush? Tsy hitsara aho fa raha ny fomba fitondratenany aloha dia tsy mifanaraka loatra amin'ny voalazan'ny baiboly an!
29. rhaj0 ( 06/01/2015 15:15)
Sao dia "tsy mifanaraka @ eritreritrao manokana" fotsiny ilay izy.. Raha misy "born again Christian" malaza dia I G.W. Bush no anisany. Ireo Christian evangelist be dia be ao zamerika ao k'lou dia ... Kristiana ("tena izy" raha ny filazany ny tenany) izy e... Ianao indray ve no hitora-bato azy voalohany ? :-)
30. gasy1zay ( 06/01/2015 16:06)
rhaj0 > hay ka dia teneno izy hoe tsy mifanaka amin'ny baiboly hono hoe izany "You're either with us, or against us" izany fa ny tokony ho izy dia hoe :" whoever is not against us is for us"
31. rhaj0 ( 06/01/2015 16:32)
gasy1zay:
"Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika."
rhaj0:
Mampome ihany ilay fantsy, fa raha resaka politika io izany, dia rahefa raikitra ny fifidianana, dia tonga dia samy milaza-tena fa mandroaka ny vato fotsy daholo na ny andaniny na ny ankilany...

Aiza moa no tsy hitaritarika lonilony sy adiady foana ny ao @ fiaraha-monina ao... tsy mahay resy ny sasany ... (mi-s'inspirer @ io fantsy io)

Fa ity izany mifanaraka @ eritreritrao manokana ao...
Amiko dia mitovitovy fa tsy sahala ihany ianareo roaroa :-)
32. RBNIR ( 06/01/2015 16:59)
gasy1zay:

TSY FEPETRA HAHAZOANA FAMONJENA NY FANDOHAVANA FAHAFOLOKARENA.

Misy ny sokajin-dalana :

1-Tokony atao (ireo lalàna eo anatrehan'ny fiarahamonina)
2-Tsy maintsy atao (ireo lalàna eo anatrehan'Andriamanitra)
3- Lalàna ateraky ny fandikan-dalàna

Ireo sokajy 2 voalohany ireo no atao hoe lalàna fototra ary mbola tsy maintsy atao ankehitriny.
Ilay fahatelo kosa ilay efa nofoanan'i Jesosy (vehivavy tratra nijangajanga).

Ireo lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (anisany ny fahafolon-karena) (fatahorana an'Andriamanitra any amin'ny mangigina dia tena mbola takin'Andriamanitra amin'izao fanekena vaovao izao) noho izany "tsy maintsy atao".
Io sokajindalàna io no nodikain'i Ananiasy sy Safira vadiny ka nahafaty azireo.

Izay ilay izy namana, mila mianatra isika e....
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

Doton'ny devoly amin'ireo fananana azon'ireo "levita" isika ny tanjony anefa dia ny andikana ilay didin'Andriamanitra tsy hahazoan-tsika famonjena.
Jesosy anefa dia nilaza hoe:
« Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Mar.10:29)
« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Mar.10:30)

Ka inona ny fahadisoan'izireo raha mahazo zato heny izireo??????

Ary Jesosy mihitsy aza dia "nandidy" hoe. « Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)

Diovy ny fon-tsika fa ny tanjon'ny devoly dia ny hanotana (tsy hanajana ilay didin'Andriamanitra) mba ho very isika.

« Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, » (Mat.5:8)

Aza diso hevitra isika fa tena mbola takian'Andriamanitra amin'izao fanekena vaovao izao fitandremana ireo lalàana momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (anisany ny fahafolokarena).

Tena mila mianatra isika mba tsy ho diso hevitra namana....

Samia ho tahin'ny Tompo

33. hery ( 06/01/2015 17:56)
Mahafoy dia mahazo

Tsy tokony miara-mahafoy sy miara-mahazo ve? Na farahafaratsiny mba tsy samihafa be ny fahazoana?

Tena tsy tantiko ny mahita pasitera na mompera manana fiara lafo vidy be (Hummer, 4x4, sns) kanefa ny olona mandeha tsy mikapa mamonjy fiangonana ary asaina mandoa ny ampahafolon-karena.

Dia miverina ilay resaka asa fiantrana nolazaiko.

Tsy voatery asehoseho ilay asa fiantrana fa hita ho azy raha misy e. Raha manomboka milamina ara-toekarena ny mpivavaka ao aminao (izay hita maso amin'ny fampianaran-janaka, amin'ny fivelaran'ny maha olona sns), dia hitan'ny olona ihany. Fa raha miha bokan'ny ampahafolon-karena (harena izay efa zara raha misy) dia hafahafa ihany.
34. gasy1zay ( 06/01/2015 17:56)
rhaj0 > raha ilay resahan'ny baiboly amin'io aloha dia hoe afaka manao ny asa nataon'i Jesoa sy ny mpianany ve ny olona rehetra na dia tsy isan'ny ireo nanaraka ny fampianarany aza.

Tsy misy idiran'ny fanisana mpifidy aloha ilay resaka fa i rhaj0 tsy mamaky ilay contexte anaty baiboly
35. rhaj0 ( 06/01/2015 18:28)
Marihina aloha fa "inspiration" ho an'ny fiainana andavanandro (sy ny politika) ny Baiboly... raha tsy hoe, raisina ho angano, dia mijanona ho angano revirevy ao fotsiny... asanao io... Ka io izany rahefa raikitra ny fifidianana ho'a, ka 35% ny anao, ny andaniny 45% ary vato fotsy 20%, dia tonga dia akapoy hoe 20% izay TSY nanohitra anao dia momba anao e... 55% nandresy ianao.. (ao @ monde imaginaire-nao ao)

Fa namaky fanin-2 azany aho.. dia ny fahazoako azy, dia ilay olona namoaka demonia nefa TSY nanaraka an-drizareo, dia hozy Izy toatoa ny hoe, aza rarana, fa rehefa tsy manohitra antsika dia momba antsika...

Toa mety indray izy izany, raha raisina hoe, TSY voatery ho ilay tena mahay "maka 19" ka "nanara-body" teny foana (toa anareo) izay vao "tena izy"... fa rahefa manao ao, ka atokisany IZY fa "hanao asa lehibe", dia TSY ahavita manao ratsy...

cool... Ka dia aza mifampitsaratsara izany, fa IZY azany mametraka fahatokisana... fa samia manao ny ataony ("asa lehibe") fotsiny dia izay ee... na "nanaraka" na TSY nanaraka... IZY no hitsara..
36. rhaj0 ( 06/01/2015 18:32)
Dia io izao raha ampifandraisana @ ilay sekta, fa rahefa mamoaka demonia izy (ilay namonjy sekta), dia "asa lehibe @ anaraNY" izany, f'aza rebirebenareo izany intsony izy e... sa ahoana ry Hery :-)
37. gasy1zay ( 06/01/2015 18:36)

RBNIR:

gasy1zay:

TSY FEPETRA HAHAZOANA FAMONJENA NY FANDOHAVANA FAHAFOLOKARENA.

Misy ny sokajin-dalana :

1-Tokony atao (ireo lalàna eo anatrehan'ny fiarahamonina)
2-Tsy maintsy atao (ireo lalàna eo anatrehan'Andriamanitra)
3- Lalàna ateraky ny fandikan-dalàna

Ireo sokajy 2 voalohany ireo no atao hoe lalàna fototra ary mbola tsy maintsy atao ankehitriny.
Ilay fahatelo kosa ilay efa nofoanan'i Jesosy (vehivavy tratra nijangajanga).

Ireo lalàna momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (anisany ny fahafolon-karena) (fatahorana an'Andriamanitra any amin'ny mangigina dia tena mbola takin'Andriamanitra amin'izao fanekena vaovao izao) noho izany "tsy maintsy atao".
Io sokajindalàna io no nodikain'i Ananiasy sy Safira vadiny ka nahafaty azireo.

Izay ilay izy namana, mila mianatra isika e....
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

Doton'ny devoly amin'ireo fananana azon'ireo "levita" isika ny tanjony anefa dia ny andikana ilay didin'Andriamanitra tsy hahazoan-tsika famonjena.
Jesosy anefa dia nilaza hoe:
« Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Mar.10:29)
« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Mar.10:30)

Ka inona ny fahadisoan'izireo raha mahazo zato heny izireo??????

Ary Jesosy mihitsy aza dia "nandidy" hoe. « Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)

Diovy ny fon-tsika fa ny tanjon'ny devoly dia ny hanotana (tsy hanajana ilay didin'Andriamanitra) mba ho very isika.

« Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, » (Mat.5:8)

Aza diso hevitra isika fa tena mbola takian'Andriamanitra amin'izao fanekena vaovao izao fitandremana ireo lalàana momba ny tsy fahatokiana ara-tsaina (anisany ny fahafolokarena).

Tena mila mianatra isika mba tsy ho diso hevitra namana....

Samia ho tahin'ny Tompo

Tsy manakana anao hanome fahafolonkarena aho na hanampy ny mpitandrina na pastera na mompera, tsy izay no tiako hahatongavana fa averiko hoe TSY FEPETRA AHAZOANA FAMONJENA NY FAHAFOLONKARENA raha mahita teny ianao rahalahy RBNIR ao anaty baiboly ka milaza hoe tsy tafiditra any an-danitra na tsy hahazo famelankeloka na ho very any amin'ny helo izay tsy nanome fahafolon-karena dia zarao eto fa averiko hoe manaiky aho fa tena amporisihan'Andriamanitra isika hanohana ny asany, hitsinjo ny mpitarika antsika, hahafoy harena, vady, zanaka sns amin'ny fanarahana ny Tompo saingy tsy fepetra velively ahazoana famonjena izany.

Izaho dia tsy miandany amin'ny fiangonana iza na iza raha milaza izany fa mifototra amin'ny voalazan'ny baiboly satria misy manao fampianarana diso, tsy ny harenanao no mahamaika ny Tompo fa ny hamonjy ny fanahinao, ny fibebahanao, ny fialanao amin'ny fahazarandratsy. Misy manko mihevitra fa nanao fahafolon-karena dia hahazo famonjena nefa tsy afaka @ fahotany. Misy indray manome nefa tsy manome @ fony satria noterena fa nolazaina hoe raha tsy mandoha fahafolonkarena dia tsy ho voavonjy. Vakio ny baiboly fa ao ihany no tena ahitana ny fampianarana marina.

Dia averiko farany raha ny baiboly no jerena dia : TSY FEPETRA AHAZOANA FAMONJENA NY FAHAFOLON-KARENA
38. gasy1zay ( 06/01/2015 18:56)

rhaj0:

Marihina aloha fa "inspiration" ho an'ny fiainana andavanandro (sy ny politika) ny Baiboly... raha tsy hoe, raisina ho angano, dia mijanona ho angano revirevy ao fotsiny... asanao io... Ka io izany rahefa raikitra ny fifidianana ho'a, ka 35% ny anao, ny andaniny 45% ary vato fotsy 20%, dia tonga dia akapoy hoe 20% izay TSY nanohitra anao dia momba anao e... 55% nandresy ianao.. (ao @ monde imaginaire-nao ao)

Fa namaky fanin-2 azany aho.. dia ny fahazoako azy, dia ilay olona namoaka demonia nefa TSY nanaraka an-drizareo, dia hozy Izy toatoa ny hoe, aza rarana, fa rehefa tsy manohitra antsika dia momba antsika...

Toa mety indray izy izany, raha raisina hoe, TSY voatery ho ilay tena mahay "maka 19" ka "nanara-body" teny foana (toa anareo) izay vao "tena izy"... fa rahefa manao ao, ka atokisany IZY fa "hanao asa lehibe", dia TSY ahavita manao ratsy...

cool... Ka dia aza mifampitsaratsara izany, fa IZY azany mametraka fahatokisana... fa samia manao ny ataony ("asa lehibe") fotsiny dia izay ee... na "nanaraka" na TSY nanaraka... IZY no hitsara..

Ilay resaka fanisambato aloha dia mila ahitsy kely ianao fa ny vato manankery ihany no zaraina @ kandida fa tsy mikaoty velively ny vato fotsy ka raha 20% vato fotsy dia 80 % no isaina hoe firy % @ io no lasan'ny kandida 1 sns...

Mikasika ireo izay tsy nanaraka ny Tompo indray dia io ilay ampitahaina amin'ny fiangonana aty aoriana, efa naveriko hoe tsy misy olana hoy aho ny fananganana fiangonana raha toa ka tsy mifanohitra amin'ny fampianaran'i Jesoa Kristy ny ampianarina any, raha tena manaraka ny baiboly ny voalaza any, fa saingy .... tsy voatery izany no mitranga amintsika miteny izao satria misy fiangonana milaza fa manaraka ny fivavahana kristianina nefa tsy mino hoe Jesoa dia zanak'Andriamanitra fa lazainy ho mpaminany , misy fiangonana milaza fa manaraka an'Andriamanitra nefa manao poligamie, misy fiangonana milaza fa tsy maintsy mandoha fahafolon-karena ny mpiangona raha te ho voavonjy.

Fehiny dia tsotra : raha mbola manaraka ny voalazan'ny baiboly sy ny fampianarana nataon'i Jesoa izy dia aleo izy hanao ny asa fitoriana fa momba ny fivavahana kristianina izy izany fa raha tsy izany dia mampianatra olona fampianarana diso izy ka tsy tokony ho hankatoavina.
39. rhaj0 ( 06/01/2015 19:22)
Ka dia efa io ambany io izany e... Na hanitrikitrika sy be demonstralation be eo azany I Gasy1zay, ka hoe, TSY FEPETRA izany, satria I Gasy1zay "nanaraka" (ny fampianarana), dia ... araka ny fitenin'ny tanora, dia hoe "iny ny an'i Tony dia lasa I Tony..." :-)

Marka 9:39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
40. gasy1zay ( 06/01/2015 19:45)

Eny hoy aho, fa misy antony anie ny nitanisako ireo ohatra ireo e! :)

satria ny TJ sy ny Mormons dia tsy mbola nahita aho an'izy ireny nanao asa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy mihintsy fa raha nahita moa ianao rhaj0 dia mba zarao eto hoe taiza no nahitanao izany.

Ny antony nilazako ilay fahafolon-karena indray dia fandresendahatra ny mpiangona amin'ireny fiangonana ireny hoe tsy mifanaraka amin'ny baiboly ny voalazan'ny mpitondra fivavahana sasany milaza fa raha tsy manao fahafolon-karena ny olona dia tsy ho voavonjy fa lasa any amin'ny helo.

Fa raha fivavahana mifanaraka @ baiboly na ianao aza rhaj0 no hanangana izao anio izao tsy hanakana izany velively aho fa tsara tson-drano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3487