NY AMPAHAFOLONKARENA

1. vonynive ( 08/08/2013 12:46)
natao ho an'iza ny ampahafolonkarena ?
mampanankarena an'iza ny ampahafolonkarena?
novalian'i RBNIR ny 10/09/2013 02:51
2. Nehemiah ( 08/08/2013 13:19)
Version courte : natao ho an'ny pretra sy levita t@ andron'ny Testamenta Taloha ilay izy mba hampandeha ny fanompoam-pivavahana.

N.B. : "t@ andron'ny Testamenta Taloha" hoy aho : efa lany daty izay fitsipika izay fa ny tenanao sy ny fiainanao 1 manontolo no atolotra @ Mpisoronabe melkizedekita, izany hoe Jesoa Kristy, @ Fanekena Vaovao.
3. bor2lais ( 08/08/2013 14:10)
version mety H.S : ilaina ny anetsehana ny ankihikelinao (ampahafolon'ny rantsan-tanana) mba hampandeha ny Fiangonana ! :-)
4. Nehemiah ( 08/08/2013 15:03)
Hihihi !
5. vonynive ( 09/08/2013 07:45)

Nehemiah:

Version courte : natao ho an'ny pretra sy levita t@ andron'ny Testamenta Taloha ilay izy mba hampandeha ny fanompoam-pivavahana.

N.B. : "t@ andron'ny Testamenta Taloha" hoy aho : efa lany daty izay fitsipika izay fa ny tenanao sy ny fiainanao 1 manontolo no atolotra @ Mpisoronabe melkizedekita, izany hoe Jesoa Kristy, @ Fanekena Vaovao.

koa nahoana ary no mbola misy fiangonana mampandoa ny 1/10 ankehitriny
6. Nehemiah ( 09/08/2013 08:18)
Satria tsy mahalala ny Fanekena Vaovao mifototra @ Fahasoavana. Ny hitarozaka vola @ mpanara-dia azy ireo angamba no mahamay azy ireo.
7. bor2lais ( 09/08/2013 09:36)
Nehemiah:

Satria tsy mahalala ny Fanekena Vaovao mifototra @ Fahasoavana.

Mahatsikaritra tokoa aho aloha fa toa tsy misy famporisihina handoa fahafolonkarena intsony ao amin'io Fanekena Vaovao io e. Fa ny voamarika aza dia ny famporisihina ny kristiana hanao izay heveriny fa tokony aloany ho an'ny Fiangonana (araka izay inian'ny fony, tsy amin'alahelo na faneriterena fa amin'ny fifaliana) ! :-)
8. RBNIR ( 09/08/2013 09:56)
bor2lais:

Nehemiah:

Satria tsy mahalala ny Fanekena Vaovao mifototra @ Fahasoavana.

Mahatsikaritra tokoa aho aloha fa toa tsy misy famporisihina handoa fahafolonkarena intsony ao amin'io Fanekena Vaovao io e. Fa ny voamarika aza dia ny famporisihina ny kristiana hanao izay heveriny fa tokony aloany ho an'ny Fiangonana (araka izay inian'ny fony, tsy amin'alahelo na faneriterena fa amin'ny fifaliana) ! :-)

Faly miarahaba namana,

Tena misy ao fa mety takona tamin'ny namana angamba,
MANGATAHA....... DIA OMENA IANAREO.

Samia ho tahin'ny Tompo e,
9. pisoonja ( 09/08/2013 10:44)
Amiko , ny Soratra Masina dia nametraka defis mahakasika ny fahafolon-karena noho izany tokony na tsy maintsy hatao ny ampahafolon-karena fa tsy voatery omena ny pretra na fiangonana fa omeo ny mahantra, malahelo. Tsy misy fitsipika lany andro ara-Soratra Masina satria Jeso tsy tonga teto an-tany handrava lalàna fa hanatanteraka lalàna
10. bor2lais ( 09/08/2013 11:40)
RBNIR:

Tena misy ao fa mety takona tamin'ny namana angamba,
MANGATAHA....... DIA OMENA IANAREO.

:-)
11. Nehemiah ( 09/08/2013 12:37)

pisoonja:

Tsy misy fitsipika lany andro ara-Soratra Masina satria Jeso tsy tonga teto an-tany handrava lalàna fa hanatanteraka lalàna

I Pisoonja angaha fady foza orana sy bitro ary henankisoa ? Milaza azy ireo ho fahavetavetàna mantsy ny Lev 11
12. RBNIR ( 09/08/2013 12:58)
Ny lalàna dia nosokajian’Andriamanitra maromaro :
Ohatra : nisy tamin’izy ireny ny atao hoe lalàna nateraky ny fandikan-dalàna : Raha nandika lalàna iray ianao dia misy lalàna iray hafa nomen’Andriamanitra hampiarina aminao (ohatra : raha mijaganjanga ny olona iray izany hoe nandika ny lalàna hoe aza mijangajanga dia tratran’ilay lalàna atao hoe fitorahambato).
Ny fahafolokarena dia anisan’ny tafiditra ao amin’ny sokajin-dalàna atao hoe : lalàna momba ny fahatokiana ara-tsaina (loi pour la fidélité morale).
Ity sokajin-dalàna ity dia nentin’Andriamanitra hizahana toetra ny olona raha mahatoky any amin’ny takona ilay olona na tsia. « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon’ny loha ».
Ianao sy Andriamanitra irery tokoa mantsy no mahita amin’izay fotoana izay. Tafiditra amin’ireny lalàna ireny ny fahafolokarena (ianao sy Izy irery ihany no mahafantatra raha tena nandoa ny ampahafolony marina ianao na tsia).
Misy ny sokajin-dalàna efa nofoanan’I Jesosy Kristy Tompo (ohatra ny fitorahambato voalaza ery ambony. Vakio ato ny tantaran’ilay vehivavy janga tratra ambody omby.
Nofoanan’I Jesosy Kristy Tompo teo araka izany ny lalàna rehetra ateraky ny fandikan-dalàna.
Ny fahafolon-karena hoy aho dia tafiditra ao amin’ amin’ny sokajin-dalàna atao hoe: lalàna momba ny fahatokiana ara-tsaina (loi pour la fidélité morale).
Mbola mahasarotiny an’Andriamanitra v io sokajin-dalàna iray io sa tsia? Vakio ato ny tantaran’I Ananaiasy sy Safira vadiny.
Tena mbola takian’Andriamanitra tokoa ilay atao hoe fidélité morale na fahatokiana ara-tsaina (matoky any amin’ny takona) Tsy mijery ny lohasaha mangina fa Andriamanitra an-tampon’ny loha no jerena.
Mbola mitoetra tsara araka izany ny lalàna momba ny fahafolon-karena.
Ho an’iza moa ny fahafolokarena?
« Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hœ: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. » (Nom.18:24)
1- Aterina ho fanatitra (tsy entina any amin’ny toerana hafa fa ao an-tranon’I Jehovah atao fanatitra)
2- Ho an’ny taranak’I Levy (ho an’ny taranaka efa voatokana ho mpisorona ho an’Andriamanitra fa tsy atao amin’ny zavatra hafa akory). Toy ireo Pasteur sy pretra ankehitriny.
Ireny olona ireny dia tsy mba manana anjara intsony amin’ny fitadiavana misy eto amin’izao tontolo fa efa natokan’Andriamanitra ho mpisorony izy ireny.
Ary Jesosy mihitsy aza dia nilaza nandidy hoe. « Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. » (1 Kor.9:14)

Koa diovy ny fontsika ry namana malala isany, aza malady mitsara fa diniho raha sitrapon’Andriamanitra marina ny zavatra iray na tsia vao mitsara isika.

Izaho dia mba manana Q.I ambonimbony ihany (efa nambarako tato ny mombamboma ahy) ary sahiko ny manambara amintsika fa any amin’ireny heverin-tsika fa tsinotsinona, mahamenatra sns…… ireny no tena misy ny fahamarinana marina avy amin’Andriamanitra.
Vavolombelon’izany ny tenako ary tsy menatra aho satria MARINA no lazaiko.

Ny Tompo anie hanazava ny sain-tsika rehetra,

Samia ho tahin’ny Tompo daholo.
13. RBNIR ( 09/08/2013 13:14)
Ampiko kely ny fanazavana momba ny tantaran'i Ananiasy sy Safira vadiny,
Nifanaiky ny rehetra samy hivarotra ny fananany nefa izy mivady nanao fetsifetsy ka nisy nanafenany ho azy ny vola izay vidin'ny fananany (nihevitra izy ireo fa tsy ho fantatra izany).
Vakio hatrato dia ho azon-tsika ny fandehan'ny tantara

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany,
14. pisoonja ( 09/08/2013 14:02)
Tena marina tsy misy diso ny voalazanao namana RBNIR, fa ny olana mantsy dia ny toy izao
Tsy firifiry ankehitriny ny pasitera, sy milaza ho mpanompon'Andriamanitra manangom-bola @ fahafolon-karena izay hita miharihary izany, aza hadino fa Jeso dia miteny rehefa nifidy olona fa omeo ny malahelo ny malahelo dia avia hanaraka ahy. Koa ny ampahafolon-karena moa inona no maharatsy azy raha omena ny mahantra, misy fiangonana iray izay eto Tana , io fiangonana io dia mizara vary ho an'ny mahatra isan-kerinandro amin'ny alalan'ny fahafolonkarena, dia tsy mety ve izany no ataon'io fiangonana io ?
15. bor2lais ( 09/08/2013 14:13)
RBNIR >
Misaotra amin'ilay fizarana momba ny "loi pour la fidélité morale" sy ilay Q.I. ambonimbony ! :-)

Voalazanao fa tafiditra ao amin'io sokajin-dalàna io ny fahafolonkarena ary mbola mitoetra hoy ianao.

Amiko raha marina ny fanasokajianao dia tsy voatery ho io fahafolonkarena io irery no ao anatiny fa mety misy hafa koa.

Hiverina amin'ny zavatra nosoratako ery ambony aho :
izaho:

Mahatsikaritra tokoa aho aloha fa toa tsy misy famporisihina handoa fahafolonkarena intsony ao amin'io Fanekena Vaovao io e. Fa ny voamarika aza dia ny famporisihina ny kristiana hanao izay heveriny fa tokony aloany ho an'ny Fiangonana (araka izay inian'ny fony, tsy amin'alahelo na faneriterena fa amin'ny fifaliana) !

izay novalianao hoe :
RBNIR:

Tena misy ao fa mety takona tamin'ny namana angamba,
MANGATAHA....... DIA OMENA IANAREO.

Raha ny zavatra nosoratako manokana aloha dia tsy milaza velively fa tsy azo atao intsony ny manome fanatitra ? Ny tiako ambara (miala tsiny fa tsy dia manana Q.I. ambony loatra angamba ny tena ;-)) dia eo amin'ilay 1/10 harena : raisina ara-bakiteny 1/10 ve io sa tsia ao amin'ny Fanekena Vaovao ? (Hiteny indray angamba ianao izao hoe "eny" :-))

- Milaza ohatra momba ny tantaran'i Ananiasy sy Safira ianao : moa ve 1/10 fananany no notakiana taminy ?
- Ireo jiosy lasa kristiana sy/na ny tsy jiosy lasa kristiana (ao amin'ny Testamenta Vaovao) : moa ve mbola nandoa ihany ny 1/10 (ara-bakiteny) ?

Izay no tiako ambara ry namana RBNIR ô ! :-)

P.S Elaela tsy nifanasa ... tongotra indray ange isika izany e ! :-)
16. Nehemiah ( 09/08/2013 14:18)
Mba anampiako an'izay, tsara averina eto ny Rom. 12:1 :
Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy [Na: fanompoam-pivavahana] mety hataonareo izany.

Ny tenantsika (izany hoe ny fiainantsika) 1 manontolo fa tsy ny ampahafolony. Fanefàna hetra ny ampahafolonkarena, fivelomana ny fiainana kristiana ny fanoloran-tena
17. RBNIR ( 09/08/2013 17:14)
bor2lais:

RBNIR >
Misaotra amin'ilay fizarana momba ny "loi pour la fidélité morale" sy ilay Q.I. ambonimbony ! :-)

Tsy azonao ilay hafatra tiana ampitaina amin'ny fanambarana ilay Q.I namana,
Tsy sanatria fanandratantena na fieboeboana fa nentiko ilazana hoe na dia izany aza ny toerana misy ahy dia tsy mba sahy nanambany na nanamaivana ireo fiaingonana lazaina fa tsinotsinona sy mahamenatra ny tenako,
Nihaino azy reo aho ary tao anatin'izany no nanehoan'Andriamanitra tamiko fa tao anatin'izy ireny no tena nisy ny manana ny fahendrena sy ny fahamarinana tsy araka izay ambara sy fanaratsiana etsy sy eroa.
Tamin'izany no nahafantarako fa tena marina ity nolazain'i Jesosy ity:« Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Mat.11:25)
Koa fanentanana no ataoko amin'ny namana tsy ho variana na sanatria hitapimaso, fa misy dia misy tokoa olona voafidin'Andriamanitra ankehitriny hanambarany ny marina rehetra.
Raha manetritena kely fotsiny isika hiaino azy ireny dia hofantatsika koa ilay tena marina nambaran'i Jesosy tamin'i Pilato fahiny.

N.B: aza matahotra ianao namana bor2lais fa efa tsy vonona ny hifanasa ... na amin'iza na amin'iza intsony ny tenako raha eto amin'ity forum ity.
Mizara no ataoko, ary manantena aho fa tsy ho very maina akory izany,
Azonao tsara namana bor2lais ilay loi de fidélité morale koa dia tandremo tsara ary manomboka izao (anisany ny fahafolokarena namana) entin'Andriamanitra hizahana ny toetran-tsika ireny raha tena matoky tokoa isika na tsia.

Samia hotahin'ny Tompo namana

18. Nehemiah ( 10/08/2013 06:11)
Eny e, aratsio @ fomba miafina tsara ny fiangonan-dehibe
19. bor2lais ( 10/08/2013 10:07)
RBNIR:

Tsy azonao ilay hafatra tiana ampitaina amin'ny fanambarana ilay Q.I namana,
Tsy sanatria fanandratantena na fieboeboana ...

Ianao ihany izao no mamoaka ireo teny ireo ! :-)
20. universal ( 10/08/2013 12:08)
Na dia tsy nieritreritra ny hiteny aho dia mba handray anjara ihany.
Ampahafolonkarena no resaka eto. Raha tsy diso aho dia resaka vola no tena tiana hambara amin'izany.

Satria moa kristianina daholo ny ankamaroan'ny be resaka eto, ny zavatra fantatro mikasika ny vola sy harena ary Kristy dia toy izao, hoy izy:

1/ Aza manompo Andriamanitra roa....

2/ Avereno any amin'i Kaisara izay an'i Kaisara ary avereno any amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra... NO COMMENT

3/raha naniraka ny mpianany Izy hiasa hanely ny fampianarany dia hoy izy:
10.8 Guérissez les malades, ressuscitez les morts, purifiez les lépreux, chassez les démons. Vous avez reçu gratuitement, donnez gratuitement.
10.9 Ne prenez ni or, ni argent, ni monnaie, dans vos ceintures;

Mazava ny voalazan’i Kristy, ary raha mitonona ho mpianatr’i Kristy ianao ka hanely ny fampianarany dia hajao ny foto-kevitra ijiroany. Aza mitaky ampahafolonkarena intsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2608