TEMOIGNAGE

1. RBNIR ( 31/01/2012 13:24)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Inty mba nisy témoignage nataoko tamin'ny vazaha anankiray nandalo tao amin'ny fiangonana misy ahy mba hozaraiko amin-tsika namana rehetra eto:
Zava-nisy izay marihiko fa ny fahamarinany dia mbola hatramin'izao anoratako an'ity eto izao.
Mamakia finaritra ary ary manantena aho mba hitondra famonjena ho an-tsika sy ny ankohonan-tsika izy ity,

Bonjour,
Si tu permets, j’aimerais faire un petit témoignage pour toi,
Je suis Directeur Administratif et Financier dans une des rares Sociétés qui résiste encore malgré la crise.
Ceci, juste pour te dire que je suis un homme parfaitement sain d’esprit. Et crois moi gérer une Entreprise tell que je dirige en ce moment très difficile n’est pas chose facile,
J’ai vu l’émission du Pasteur à la télé, il y environ 2 ans. Et à vraie dire, j’ai déjà vu cette émission auparavant mais je n’étais pas du tout intéressé.
Comme tout le monde, je menais « la belle vie » si j’ose le prononcer ainsi, je jouais (casino ect…), je sortais (presque chaque semaine) avec des amis et collègues de travail. Je dansais, buvais…..
La conséquence directe de ceci, je n’arrivais méme plus à trouver sommeil, et je dormais sur le canapé, et regardais la télé, juste pour essayer de dormir un peu. C’est là que par hasard je suis tombé sur la chaine de télé où cette émission apparait (il était presque 5 heur du matin).
Avant, je connaissais un petit peu la bible, et le peu de connaissance biblique que j’ai retenue est qu’il faut se méfier des faux prophètes.
J’ai alors vérifié tous ce qu’il préchait en lisant la bible en méme temps que lui.
Ci- dessous les points importants qui m’ont amené à accepter et à croire à l’enseignement du Pasteur :
- Il préchait exactement ce qui est écrit dans la bible toute en évitant d’ajouter ou enlever ou transformer chaque verset biblique,
- Il osait précher ce que d’autres n’osaient pas faire (tout en sachant qu’il risquerait de ne pas étre écouter ou méme pire d’étre persécuter pour ses paroles). Ce qui lui importe c’était uniquement transmettre ce que Dieu commande à toute homme de faire afin que chaque homme soit sauvé et aie sa part de VIE ETERNELLE.
- Ce qui lui importe c’était de transmettre ce qui est VERITE quelque soit les conséquences,
Je ne trouvais que de la sincérité dans sa parole et en plus j’ai pu vérifier car j’avais la Sainte Bible en main.
Je pourrais te citer les nombres de bonnes choses que Dieu m’a offert à moi et ma famille depuis la date où j’ai offert ma vie au Seigneur, mais la chose la plus concrète que je peux dire est que depuis cette date moi, ma femme et mes enfants n’était plus allé voir un médecin et ne touchait plus de médicaments, alors qu’auparavant, moi et surtout mes enfants étaient habitués aux médicaments.
J’avais un maux d’estomac (de sorte que je ne pouvais plus manger certains aliments).
J’avais également un problème de grippe (à l’époque je croyais méme avoir attrapé la fameuse grippe aviaire du fait que cette maladie ne me quittait pas malgré les soins intensifs et répétés effectués).
Actuellement, le médecin qui est d’ailleurs un ami, devra se demander pourquoi, nous n’étions plus venus faire une consultation chez lui. Et actuellement, je ne suis plus enrhumé comme avant et arrive désormais à manger toutes les nourritures.
Je t’invite vraiment à croire en ces paroles, voici ce que dit la sainte écriture concernant les menteurs « Mais pour les lâches, les incrédules, les abominables, les meurtriers, les impudiques, les enchanteurs, les idolâtres, et tous les menteurs, leur part sera dans l'étang ardent de feu et de soufre, ce qui est la seconde mort. » apocalypse.21 :8
Pour rien au monde, je ne risquerai jamais ma vie eternel afin de te mentir et de t’entrainer dans des choses absurdes et sans fondement, Dieu m’est témoin de la véracité de ces dires.
Actuellement, je suis malgré moi devenue un des trésoriers de l’assemblé, et crois moi, cela m’a encore fait découvrir que finalement, le Pasteur « sortait de sa poche de l’argent pour pouvoir précher à la télé , à la radio et autres… ». Il a fait cela par amour aux autres pour que d’autres aussi puisse connaitre la VERITE que le Seigneur Jesus Christ lui a enseigné.
Crois , ne rate pas ta part de VIE ETERNELLE car je suis convaincu que Dieu t’aime comme il nous a aimé et comme il aime tous les hommes de cette terre.
La Sainte Ecriture dit « Cherchez premièrement le royaume et la justice de Dieu; et toutes ces choses vous seront données par-dessus » (Mathieu.6 :33). La recherche du Royaume et de la justice de Dieu doit passer avant toute chose.
Je t’invite à demander à notre Seigneur Dieu ce qu’il faudra faire.
Que notre Seigneur te bénisse.
Tahin’i Jesosy


novalian'i rhaj0 ny 10/12/2015 12:20
2. RBNIR ( 31/01/2012 14:29)
Mba asiko dikany amin'ny teny Malagasy ihany ho an'ireo izay mety tsy havanana amin'ny tenin-drizareo Frantsay:


Miarahaba anao,
Raha sitrakao dia mba hijoro vavolombelona kely aminao ny tenako,
Izaho dia Direktera momba ny fintantana ara-bola amin’ny orin’asa iray izay an’isan’ireo vitsy an’isa mbola tafajoro tsara na eo aza ny krizy.
Ny antony hilazako izany dia ny mba hanambarako anao fa olona salama saina (sy fanahy) tsara aho. Ary minoa ianao ahy satria ny fitantanana orin’asa amin’izao fotoana izao dia sarotra dia sarotra tokoa fa tsy mora velively.
2 taona teo ho eo izao no nahitako ny fandaharan’i pasteur. Ary raha ny marina dia efa hitako izy io taloha fa saingy tsy nampiraika aho mihitsy.
Toy ny ankamaroan’ny olona dia mba nanao ny «belle vie» ihany koa ny tenako (raha azo lazaina hoe izay marina ilay izy). Niloka (casino sns…), nivoaka amin’ny alina (saika isan-kerin’andro mihitsy) niaraka tamin’ireo namana sy ireo mpiara-miasa. Nandihy, nisotro….
Vokatr’izany dia nanomboka tsy nahita torimaso intsony ny tenako. Natory teo ambony « canapé » aho nijery télé mba hahafahako mazaho torimaso kely. Teo indrindra noho ny kisendrasendra no tafiditra tao amin’ilay télé nandefa an’io fandaharana io ny tenako (tokotony tany amin’ny dimy maraina tany ho any).
Talohan’io fotoana io dia efa mba nahalala zavatra kely tao amin’ny baiboly ihany aho. Ny zavatra kely mba fantatro dia hoe «mitandrema amin’ireo mpaminany sandoka».
Nohamariniko araka izany ireo zavatra rehetra notoriany tamin’ny famakiana ny baiboly miaraka aminy.
Ireto avy ny teboka manandanja izay nitarika ahy hanaiky sy hino ny fampianaran’i pasteur :
- Notoriany marina tokoa araka izay voasoratra ny Baiboly. Ary notandremany fatratra ny hanampy na hanala na koa hanamboamboatra ireo toko sy andininy ao.
- Sahiny ny nitory ireo zavatra rehetra izay tsy sahin’ireo mpitory teny sasany hotoriana (na dia fantany aza fa mety tsy hisy hihaino izy na koa aza zava-doza ho azy mety hisy hanenjika izy noho ireo zavatra lazainy). Aminy dia tokana ihany no tanjony mampita amin’ny olona rehetra ireo zavatra rehetra takian’Andriamanitra atao amin’ny olona rehetra mba hahavoavonjy ny olona ary koa mba hananan’ny olona ny anjara amin’ny FIAINANA MANDRAKIZAY.
- Ny zava-dehibe taminy dia ny hizara ny MARINA na inona na inona mety ho vokany.
Tsy nahatsapa afatsy fahatsoram-po aho tamin’ny fanambarany ary afaka nanamarina tsara aho satria ny Baiboly Masina dia tety an-tanako.
Azoko tanisaina aminao tokoa ireo zava-tsoa rehetra azoko tamin’Andriamanitra nandritra io fotoana nanolorako ny fiainako ho an’Andriamanitra io, fa ny zavatra tena mivaingana sy azoko lazaina dia izao : nanomboka tamin’io fotoana io izaho sy ny ankohonako dia tsy nandeha dokotera intsony ary tsy nihinam-panafody intsony, nefa izao sy ireo zanako dia tena zatra fanafody mihitsy.
Narary vavony aho (efa nihombo be ka nahavoatery ahy nifady karazan-kanina vitsivitsy).
Nanana olana gripa koa aho (tamin’izany fotoana izany dia noheveriko fa tratran’ilay gripan’akoho nalaza mihitsy aza aho satria dia tsy afaka mihitsy na dia efa nitsabo tena mafy sy matetika aza ny tenako).
Amin’izao fotoana izao angamba ilay dokotera falehanay izay sady namana ihany koa, mety mametra-panontaniana mihitsy hoe naninona ary izahay no tsy nankao aminy intsony nitsabo tena.
Ary amin’izao fotoana izao dia tsy voan’ny sery tahaka ny taloha intsony aho ary afaka mihinana ireo sakafo rehetra.
Tena manasa anao aho mba hino ireo lazaiko ireo fa izao no lazain’ny Soratra Masina mikasika ireo mpandainga. « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)

Tsy izaho mihitsy no handeha hanao kitoatoa amin’ny fiainako mandrakizay ka handeha handainga aminao na koa hitarika anao ho any amin’ny zavatra tsy misy fotony sy antony mazava hijoroany. Andriamanitra vavolombelona amin’ny fahamarinan’ireo teny nolazaiko ireo.
Amin’izao fotoana izao dia lasa mpitantam-bola tsy fidiny ao amin’ny fikambanana ny tenako ary minoa ahy ianao fa dia izao no zavatra hafa mbola fantatro tao koa. Ilay pasteur dia «namoaka vola ampaosy mba ahafahany mitory amin’ny télé sy ny radio sy ny sisa». Nataony izany noho ny fitiavany ny hafa mba hahafantaran’ny hafa ny MARINA izay nampianarin’I JESOSY KRISTY TOMPO azy.
Minoa, aza avelanao andalo ny anjara FIAINANA MANDRAKIZAINAO satria matoky aho fa Andriamanitra dia tianao tahakan’ny nitiavany anay sy tahaka ny fitiavany an’ny olona rehetra eto an-tany.
Ny Soratra Masina dia milaza hoe « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33). Ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia tokony handeha mialoha ny zavatra rehetra.
Manasa anao aho hangataka amin’ny Tompo Andriamanitra ny zavatra tokony atao.
Hitahy anao anie ny Tompo.
Tahin’i Jesosy
3. didi10 ( 02/02/2012 10:45)
Misaotra rahalahy amin'ny fijoroana vavolombelona, mifalia fa Andriamanitra Ray mihitsy no efa niantso anao mba ho mpanompony fa tsy ho mpanompon'izao tontolo izao intsony, ho tonga zanaka mpandova ny fiainana mandrakizay ary mandeha araka ny fahamarinana sy fahamasinana.

Maro tokoa rahalahy ny olona no mihevitra rehefa mahafantatra sy manonona ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo dia ankasitrahany avokoa.
TSIA !!!!!!
ANTSO AVY AMIN'ANDRIAMANITRA NY FANATONANA AN'I JESOSY KRISTY FA TSY LOVA AVY AMIN'NY RAY AMANDRENY NA AVY AMIN-DRAZAMBE.

iN-3 Averin'i Jesosy io antson'Andriamanitra io ao amin'ny filazantsaran'i Jaona

Jaona 6,37
37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
Jaona 6,44
Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany
Jaona 6;65
65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.

Voalazan'ny namana RBNIR eto tsara fa efa nahita ny fandaharana ihany izy taloha fa tsy noraharahiny satria tsy mbola tonga taminy ny antson'Andriamanitra.
Mahereza rahalahy, mirosoa hatrany amin'ny finoana, aza kivy amin'ny fitoriana ny fahamarinana, ny fampianarana tsy misy kilema ary mbola mangataka aminao aho mba hivavahantsika mafy amin'Andriamanitra hikasika ireto rahalahy sy ranabavy maro izay mbola manda ny famonjena ireto.
AMENA.
4. Miharena ( 05/02/2012 05:11)
Didi10:

Maro tokoa rahalahy ny olona no mihevitra rehefa mahafantatra sy manonona ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo dia ankasitrahany avokoa.
TSIA !!!!!!
ANTSO AVY AMIN'ANDRIAMANITRA NY FANATONANA AN'I JESOSY KRISTY FA TSY LOVA AVY AMIN'NY RAY AMANDRENY NA AVY AMIN-DRAZAMBE.

iN-3 Averin'i Jesosy io antson'Andriamanitra io ao amin'ny filazantsaran'i Jaona

Jaona 6,37
37 Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
Jaona 6,44
Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany
Jaona 6;65
65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.

Voalazan'ny namana RBNIR eto tsara fa efa nahita ny fandaharana ihany izy taloha fa tsy noraharahiny satria tsy mbola tonga taminy ny antson'Andriamanitra.
Mahereza rahalahy, mirosoa hatrany amin'ny finoana, aza kivy amin'ny fitoriana ny fahamarinana, ny fampianarana tsy misy kilema ary mbola mangataka aminao aho mba hivavahantsika mafy amin'Andriamanitra hikasika ireto rahalahy sy ranabavy maro izay mbola manda ny famonjena ireto.
AMENA.


Eto aloha ida isaorana manokana ny amin'y fijoroan vavolombelona ataon'i RBNIR fa ny hany mba tiana hisongadina dia ny fahafahana mizara tokoa ireo fahamarinana azo.

Izay no isan'ny tiana hisarihana ny saina amin'ny fanamarihana ataon'i Didi10 izay lafiny iray tiana roritina ihany amin'ny maha-voafetra ny fandalinana angamba satria raha milaza izy fa tsy izay manonona ny anarani' Kristy dia ankasitrahany avokoa dia misy fahamarinana izay tsy dia tafita loatra fa avy hatrany dia mamefy AZY sy ny fahefan'ny RAY izay namorona izao rehetra izao ilay fomba fisaina izay, izay ataoko fa olombelona ihany no manao azy fa tsy Andriamanitra velively amiko.

Eo amin'ny fahafantarana ilay RAY lazain'i Kristy mihitsy no mandringa rehefa manao famelabelarna ny momba ny tian'i Krisity lazaina amin'ny andinin-tSoratra Masina voatanisa eo ambony.

Ilay RAY lazaina manko dia Ilay manome fofonaina hatramin'ny razambe ka hatramin'izao ary ho mandrakizay raha mbola misy ny miaina. Ary io hatrany no vontoatin'ny hafatra nomen'i Kristy ary ny teny hoe Ho iray ihany anie izy rehetra dia tsy hoe ho an'ny Kristiana ihany fa ho an'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ary Kristy no manjaka sy manana ny fahefana ary mampanana fahefana ny olombelona tsirairay hampiseho ny RAY ao anatiny avy. Nefa IZY tsy manery saingy efa fantany avokoa ny fo sy ny voan'ny tsirairay. Izay no nilazany ny maha-namana ireo izay tsy niantso ny anarany akory ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy.

Eto isika no mila mandinika tsara satria ireo izay miasa ho an'i Krsity izay diso fiheverana dia lavitra Azy kokoa noho ny olombelona mahantra na manam-pahendrena tsy mahalala AZY akory.

Koa mila ravana ny fefy aorin'ny fahadisoam-piheverana mba hadio eo anatrehan'ny fahendrena tian'i Krsity lazaina izay mangarahara tsy misy pentina satria ny fontska hitobian'Andriamanitra sy mahalala AZY no tanjon'i Kristy.

Fehiny: raha manao fanamarihana iray avy amin'ny tenin"Andriamanitra dia mila manana fijery toa AZY ahafahana mahafantatra ny tena sitrapoNY marina ary mila mahay manavaka ny hoe fitaizana ara-tsosialy sa fitaizana ara-panahy ny teny tsirairay ao anaty Baiboly mba tsy ho tafalatsaka ao amin'ny fitsarana ny hafa ny kristiana araka ny teny hoe : aza mitsara mba tsy ho tsaraina. Tsara ho fantatra fa ny fitaizana ara-tsosialy no tena mahatonga ny olona hitsara ny hafa.Io ilay atao hoe fombafomba tsy mitovy ka ilazana fa isika ihany no marina fa ny hafa dia tsy izy. Tsy FOTORA izany ireo mampiady hevitra ireo fa vokatry ny saina avokoa ka maro no tsy mifanaraka araka ny tenin'ny Malagasy hoe ny omby indray mandry tsy indray mifoha.

Irina ny hampifoha ny daholobe malaky hahatanteraka ny teny hoe : atao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra dia mba ho ao AMINY avokoa ny rehetra ary mahalala AZY tsara.
5. niryna ( 06/02/2012 04:22)

didi10:


Mahereza rahalahy, mirosoa hatrany amin'ny finoana, aza kivy amin'ny fitoriana ny fahamarinana, ny fampianarana tsy misy kilema ary mbola mangataka aminao aho mba hivavahantsika mafy amin'Andriamanitra hikasika ireto rahalahy sy ranabavy maro izay mbola manda ny famonjena ireto.
AMENA.
Aza mitompo teny fatratra amin'ny fampianarana izay hita fa kilemaina (tsy nomen'i Jesosy sy ny Apostoly):
- Ny Batisan'ny zaza atete amin'ny loha tsy atao amin'ny anaran'i Jesosy
- Ny andron'ny Tompo izay lazaina fa alahady
- Ny fampianarana ny tsy fisian'ny afobe
- Ny noely sy ny dadabenoely sy ny hazonoely sy ny halloween sy ny fivavahana amin'ny olo-masina sy ny sary sikotra.
- Ny fanafoanana ny didy10
- Ny fandrarana sakafo sy fanambadiana
- Ny fanamasinana mariazy samy lehilahy sy samy vehivavy
- Ny famporisihina ny mpino hangoron-karena [/quote] mila mitandrina isika fa mitady haka ny toeran'Atra an
Ataovy foana ny fanontaniana: manentana ny olona hiverina sy hitodidoha amin'Atra ve izao resahiko izao e. Raha toa mantsy ka miteny isika hoe vakio ny baiboly,afaka mandalina izany tokoa isika fa ao any fanalahidin'ny fiainana rehetra ka ahafantarantsika ny sitrapon'Atra dia mba zavatra hafa indray iny
Toa manao ny antsika ho marina lalandava isika na dia tsy marina aza ka mila mitandrina kely an
misaotra tompoko
6. niryna ( 06/02/2012 04:37)
Miharena:


Eo amin'ny fahafantarana ilay RAY lazain'i Kristy mihitsy no mandringa rehefa manao famelabelarna ny momba ny tian'i Krisity lazaina amin'ny andinin-tSoratra Masina voatanisa eo ambony.

Ilay RAY lazaina manko dia Ilay manome fofonaina hatramin'ny razambe ka hatramin'izao ary ho mandrakizay raha mbola misy ny miaina. Ary io hatrany no vontoatin'ny hafatra nomen'i Kristy ary ny teny hoe Ho iray ihany anie izy rehetra dia tsy hoe ho an'ny Kristiana ihany fa ho an'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ary Kristy no manjaka sy manana ny fahefana ary mampanana fahefana ny olombelona tsirairay hampiseho ny RAY ao anatiny avy. Nefa IZY tsy manery saingy efa fantany avokoa ny fo sy ny voan'ny tsirairay. Izay no nilazany ny maha-namana ireo izay tsy niantso ny anarany akory ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy.
misaotra anao fa mazava

Eto isika no mila mandinika tsara satria ireo izay miasa ho an'i Krsity izay diso fiheverana dia lavitra Azy kokoa noho ny olombelona mahantra na manam-pahendrena tsy mahalala AZY akory.
aleloia, ireo izay milaza fa mampianatra fampianarana tsy misy kilema ooops ka manao ny an'ny hafa ho diso ary dia mitsongolaka sy lany andro mitsikera ny an'ny hafa e

Koa mila ravana ny fefy aorin'ny fahadisoam-piheverana mba hadio eo anatrehan'ny fahendrena tian'i Krsity lazaina izay mangarahara tsy misy pentina satria ny fontska hitobian'Andriamanitra sy mahalala AZY no tanjon'i Kristy.
itakou !

Fehiny: raha manao fanamarihana iray avy amin'ny tenin"Andriamanitra dia mila manana fijery toa AZY ahafahana mahafantatra ny tena sitrapoNY marina ary mila mahay manavaka ny hoe fitaizana ara-tsosialy sa fitaizana ara-panahy ny teny tsirairay ao anaty Baiboly mba tsy ho tafalatsaka ao amin'ny fitsarana ny hafa ny kristiana araka ny teny hoe : aza mitsara mba tsy ho tsaraina.
marina izany sady tsy vitan'izany koa anie fa maka ny toeran'Atra ry zareo e
Tsara ho fantatra fa ny fitaizana ara-tsosialy no tena mahatonga ny olona hitsara ny hafa.Io ilay atao hoe fombafomba tsy mitovy ka ilazana fa isika ihany no marina fa ny hafa dia tsy izy.
e ,saingy indrisy mantsy , variana mitsikera sy midera tena ary manao ny azy ho marina foana ry zareo ka diso daholo izay tsy manaraka ny azy e(saika matetika manaraka ny levitikosy fa tsy sahy mizara ny teny nomen'i kristy.) dia izay tiana etsy sy eroa no hitsarana ny hafa .Tsy any mihitsy ny famonjena amiko,ny fifandraisana amin'i kristy(averiko foana io fa relationship with Christ) fa tsy fombafomba no tadiavina amintsika
Tsy FOTORA izany ireo mampiady hevitra ireo fa vokatry ny saina avokoa ka maro no tsy mifanaraka araka ny tenin'ny Malagasy hoe ny omby indray mandry tsy indray mifoha.
efa hoe fampianarana tsy misy kilema hono ka toi koa ve tsy lazain-javatra e ,ha,ha
Manjary mampisavoritaka ny olona mbola tsy tafiditra ny zavatra ataon-dry zareo.

Misaotra Miharena a

---------------------------------------------------------------------------------------------------------------
Asa lahy fa hivavaka ireo izay mbola tsy manaraka ny fampianarany hono izy ka dia aoka isika rehetra samy hifampivavaka mba ny tenin'Atra rehetra ao anatin'ny baiboly anie no ho zaraina ary araka ny hevitra izay tian'ny fanahy masina omena antsika fa tsy ny eritreritra izay tiantsika hilazana azy na ny fampianarana diso tanteraka.
Atra irery no mahalala ny marina ka aoka re izay ry mpizara fampianarana tsy misy kilema ,tazomy ho anareo any izany fa hihomehezan'ireo tsy mpino ny kristiana (izay rehetra mpanaraka an'i kristy sy manaiky azy ho Tompo sy Mpamonjiny)


Irina ny hampifoha ny daholobe malaky hahatanteraka ny teny hoe : atao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra dia mba ho ao AMINY avokoa ny rehetra ary mahalala AZY tsara.
Amena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9449