NY AMPAHAFOLONKARENA

41. RBNIR ( 13/08/2013 17:46)

vonynive:

natao ho an'iza ny ampahafolonkarena ?
mampanankarena an'iza ny ampahafolonkarena?

Ho an’iza moa ny fahafolokarena? Efa voavaly:
« Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hœ: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. » (Nom.18:24)
Natokana ho an'ireo olona izay efa natokan'Andriamanitra ho mpisorony.

Mampanakarena an'iza ny ampahafolonkarena?
« Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. » (Mal.3:10)
« Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Mal.3:11)
« Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Mal.3:12)

NO COMMENT IO.

Samia ho tahin'ny Tompo ary
42. Miharena ( 14/08/2013 08:04)
RBNIR:

NO COMMENT IO.

Ny fahatanterahany sisa andrasana izany. Ary efa misy ve fiomanana ny amin'io fizahan-toetra ani' Jehovah io namana? Ny tiana lazaina dia ilay ara-bakiteny mihitsy. Ohatra hoe : i Madagasikara dia ho lasa tany mamokatra be.
43. bor2lais ( 14/08/2013 12:07)
RBNIR > mba afaka manome valinteny mazava tahaka ny nataonao tamin'ilay fanontaniana voalohany ve ianao azafady raha azo atao ? :-)
RBNIR:

Ho an’iza moa ny fahafolokarena?
valiny : Natokana ho an'ireo olona izay efa natokan'Andriamanitra ho mpisorony.

Mampanakarena an'iza ny ampahafolonkarena?
valiny : NO COMMENT IO.

:-)
Miharena:

Ny fahatanterahany sisa andrasana izany. Ary efa misy ve fiomanana ny amin'io fizahan-toetra ani' Jehovah io namana? Ny tiana lazaina dia ilay ara-bakiteny mihitsy. Ohatra hoe : i Madagasikara dia ho lasa tany mamokatra be.

Raha azoko tsara ny lazain'i Miharena dia tokony i Madagasikara no manankarena rehefa ny ao amin-dry RBNIR no manome ny fahafolonkarena ho an'ny mpitandriny ! :-)

Izay tokoa ve no tian'i RBNIR lazaina amin'ny hoe "NO COMMENT IO" ? ;-)
44. RBNIR ( 14/08/2013 12:20)
bor2lais:

Mampanakarena an'iza ny ampahafolonkarena?

Faly miarahaba namana a, tsy efa MAZAVA B kosa v ilay tian'ny Mal.3:10-12 holazaina namana bor2lais a,
« Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. » (Mal.3:10)
« Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.  » (Mal.3:11)
« Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Mal.3:12)

Izay manao ny fahafolon-karena no hahazo fitahiana avy amin'izany (ireo voalazan'i Jehovah Andriamanitra ireo e).

Mazava tsara amin'izay kosa ngamba izy izay.

Samia ho tahin'ny Tompo ary e,
45. bor2lais ( 14/08/2013 13:30)
RBNIR:

Mampanakarena an'iza ny ampahafolonkarena ?
valiny : zay manao ny fahafolon-karena no hahazo fitahiana avy amin'izany (ireo voalazan'i Jehovah Andriamanitra ireo e).

Misaotra anao amin'ny valinteny ! :-)
RBNIR:

Mazava tsara amin'izay kosa ngamba izy izay.

Asa i vonynive tompon'ny lohahevitra raha afa-po amin'io valinteny nomenao io na tsia fa raha izaho manokana mahita fa tsy dia mamaly (feno) ilay fanontaniana ilay izy. :-)
Sa ny tianao tsoahina avy amin'ilay Mal.3:10-12 dia hoe mampanankarena (izay manao izany) ny fanaovana fahafolonkarena : izay tokoa anefa ve no izy ? :-)
Entre pa ... toa diso fandray ihany ny namana Miharena raha izany a ! :-)
46. pisoonja ( 14/08/2013 13:47)
« Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. » (Mal.3:10).
Voalazan'ny Soratra Masina eto namana RBNIR fa".. hoentinareo ny 1/10 ho ao @ trano firaiketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko..". fa tsy niteny mihitsy izy hoe hividiano fiara sy hanaovy zay mahafinaritra ny mpitandrina ny 1/10 karenako , ne fa ny trano firaiketako aza tsy tafatsangana akory !! Iza no manankarena ? Voazaha toetra tokoa ve ? satria tsy any @ lalany no nandehan'ilay 1/10 , terre à terre ny resako eto ah !

47. Miharena ( 14/08/2013 15:17)
Tsy dia hoe diso fandray aho namana Bor2lais fa resaka ara-bakiteny no lazaiko eto.

Ny olana fotsiny izao dia tsy mba vola io fahafolon-karena lazaini' Jehovah io fa voaloham-bokatry ny tany.

Raha ny fandraisako azy manko izao dia ilay hoe asian-kanina ao an-tranon'i Jehovah no dikan'ilay fahafolon-karena mba hihinanan'ny vahoakaNY izay madinika. Eo koa ny hoe tsy manan-katolotra raha tsy mamokatra ny tsirairay. Anisan'ny mamporisika ny olona hiasa izany ilay fahafolon-karena eto. Ary koa fandrindram-piarahamonina napetraka raha misy ny fahantrana izay tokony hotsinjovina.

Rehefa ts ymiantefa amin'izay ireo tolotra atao dia anisan'ny manaotao foana ihany isika Kristianina.
48. moustaraf ( 15/08/2013 04:38)
Salama namana,
lasa adihevitra lava be ity resaka ity ka lasa toa mifanohitra izany ve ny baiboly?
1°Tsara marihina fa ny 1/10 na ny ma'aser dia misy telo karazana araka ny Torah; ary izy telo miaraka no mahafeno ny antsoina hoe 1/10
Dikany: ampahafolony 1 monja no tanterahin'ny mpivavaka romana REHETRA fa ny ambiny 2 tsy fantany, hany ka mibirioka be ilay izy!

Fanazavana tsotsotra:
-Ampahafolony 1°: alaina avy @ vokatra rehetra, ary azo avadika vola ; aterina eo anatrehan'i Tsitoha; ary efa natolony ny Levita (Apostoly aty @ fanekena vaovao)
-Ampahafolony faha 2°: Tehirizina ao an-trano entina manomana ireo fety voatendry isan-taona; ary ohanina mandritra ny fety eo anatrehan'i Tsitoha (budget des fêtes)
-Ny fahatelo 3°: alaina isan-telo taona; aterina eo @ levita mba homena ny mahatra sy ny malahelo izay eo aminareo.

Mazava be ny fanazava an'ireo ao @ Torah, sy ny fanatanterahana an'ireo aty @ andron'ny Apostoly!
Misy iray @ ireo fiangonana milaza fa Krsitiana ireo ve no manao an'ireo 1/10 ireo, sa fa hoany fa hoany fotsiny??? Hain'ny mpitarika ao ampiangonana ve ny manazava an'ireo???

-Raha fiangonana na zana-piangoanana romana aloha dia tsy afaka ny hanazava an'ireo mihitsy e! satria tsy natao ho azy ireo zava-masina ireo!

MAHEREZA DAHOLO

49. RBNIR ( 16/08/2013 09:18)
pisoonja:

« Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. » (Mal.3:10).
Voalazan'ny Soratra Masina eto namana RBNIR fa".. hoentinareo ny 1/10 ho ao @ trano firaiketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko..". fa tsy niteny mihitsy izy hoe hividiano fiara sy hanaovy zay mahafinaritra ny mpitandrina ny 1/10 karenako , ne fa ny trano firaiketako aza tsy tafatsangana akory !! Iza no manankarena ? Voazaha toetra tokoa ve ? satria tsy any @ lalany no nandehan'ilay 1/10 , terre à terre ny resako eto ah !

Faly miarahaba namana,
Izay no nahatonga ahy hiteny hoe dia sanatria ho ataon-tsika maritiora v izy ireo,
Ny tenin'Andriamanitra dia milaza hoe "nomeko ny levita ho fananany".
Isika raha mihary, dia satria te hanana fananana, ary tsy misy afaka handidy na hibaiko an-tsika amin'ny fananantsika,
Dia toy izay koa tokony hadio fijery isika,

Ny tenin'Andriamanitra aza anie milaza hoe "hahazo zato heny e" dia raha tanteraka izany dia ho diso v ny mpandray azy???
« Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Mar.10:29)
« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Mar.10:30)
« Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. » (Mar.10:31)

Diovy ny fisainantsika ry namana, Tanteraho ny sitrapon'Andriamanitra satria Vakio atohoy ny teny hoe izay manao ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra.

Hotahin'ny Tompo anie isika rehetra
50. moustaraf ( 16/08/2013 11:50)
Salama,
Tsotra io resaka io raha tena mazava ny fo sy ny saina @ fandraisana azy:
-Raha ekentsika fa i Melkitsedek ilay mpisoron'ny Avo indrindra no tandindon'Ysehu'a izay tonga t@ taona fanavotana dia mariho tsara fa io fisoronana io ihany no mampiasa ny MOFO sy DIVAY.
-Ary i Melkitsedek dia NANDRAY NY 1/10 avy t@ Avrham

Ny baiboly dia faminaniana, koa aoka hadio ny saintsika fa raha tonga Ilay Mesia izay miasa araka ny fisoronan'i Melkitsedek dia tsy handrava ny 1/10 akory satria iray ihany ireo.
Eny fa na ny fomba nahafatesan' IZY ireo aza dia mitovy tsy misy ialana (aiza indray no misy an'io ô?)

Ny olana ho an'ny maro dia ilay 1/10 mivily lalana sy mandeha @ tsy izy, ka lasa ny amboadia mitafy hodi-janak'ondry no matavy sy bolangina aminy.

Tadidio anefa fa ianao izay manaraka fanompoana diso sy mibirioka dia meloka miaraka @ mpampianatra ihany koa! Mitovy ihany ny tsy mahay sy ny manao diso

51. RBNIR ( 16/08/2013 12:59)
moustaraf:

Ny olana ho an'ny maro dia ilay 1/10 mivily lalana sy mandeha @ tsy izy, ka lasa ny amboadia mitafy hodi-janak'ondry no matavy sy bolangina aminy.

Tadidio anefa fa ianao izay manaraka fanompoana diso sy mibirioka dia meloka miaraka @ mpampianatra ihany koa! Mitovy ihany ny tsy mahay sy ny manao diso

« Ary, indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. » (Nom.18:21)

Mazava io ry namako : "ho fananany noho ny fanompoana izay ataony"

Tohizany :

« Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy. » (Nom.18:24)

Tsy misy filazana mihitsy hoe tsy maintsy atao an'izao na izao fa ny antony nanomezana an'iny dia hoe :
1- hofananany
2- satria ry zareo no mikarakara ny tranolay (tambiny noho ny asa fisoronana izay ataony ny 1/10 izany hoe karamany avy amin'Andriamanitra noho ny fisoronana izay ataony)
3- tsy nomena zavatra hafa afatsy izay izy (tsy hanana lova). Ny tena mpisoron'Andriamanitra dia mivelona 100% amin'ny 1/10 satria Jehovah Andriamanitra mihitsy no mandidy azy hanao toy izany.

Te hampandroso ny asan'Andriamanitra v ianao? tsy tianao ho rava ny fiangonan'i Jehovah?
Fantaro ary ny tokony atao: raha tsy asian-kaninina ao antranon'i Jehovah: Inona no mety hitranga?
Dia hilaza v isika fa tena mampandroso ny asany???

Izay manana maso aoka hahita, izay manana saina aoka hisaina

Mahereza, ny Tompo anie hitahy an-tsika,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
52. endriny ( 16/08/2013 13:22)

vonynive:

natao ho an'iza ny ampahafolonkarena ?
mampanankarena an'iza ny ampahafolonkarena?

Ilay fiangonana mitovy daholo eh, ny sasany mody hoe tsy manao fahafolon-karena fa manao karazana vokatra sy fanatitra', hasina, seminera etsetra ao anatin'ny taona iray... Farany ny totalin'ny vola mivoaka aminao mitovy amin'ny fahafolon-kareana ihany...
53. vonynive ( 16/08/2013 13:28)

bor2lais:

Ary ahoana no mba hevitry vonynive tompon'ity lohahevitra ity aloha e ! :-)
Matoa napetraka mantsy ny fanontaniana hoe
vonynive:

mampanankarena an'iza ny ampahafolonkarena?

dia mety misy antony ao ? :-)
misaotra antsika
toa ny tolorana no manankarena aloha hatramizao fa tsy ny mpanolotra sa ny finoana no tsy ampy, io moa izany dia araka ilay hoe tongava aminao arak'izay inoanao e,

Entre pa... Nisy dinika mitovitovy amin'ity efa nandeha teto, ity ilay rohy ho an'izay mety ho liana :
tsindrio eto
:-)
54. vonynive ( 16/08/2013 13:31)

ny zavatra mibaribary koa dia tena miroborobo ny fanorenana fiangoanana eto Madagasikara raha mitaha @ fananganana orinasa a
55. bor2lais ( 21/08/2013 09:54)
Fehiny :
vonynive:

mampanankarena an'iza ny ampahafolonkarena?

RBNIR:

zay manao ny fahafolon-karena no hahazo fitahiana avy amin'izany

voninyve:

- toa ny tolorana no manankarena aloha hatramizao fa tsy ny mpanolotra sa ny finoana no tsy ampy, io moa izany dia araka ilay hoe tongava aminao arak'izay inoanao e
- ny zavatra mibaribary koa dia tena miroborobo ny fanorenana fiangoanana eto Madagasikara raha mitaha @ fananganana orinasa a

:-)
56. RBNIR ( 21/08/2013 10:01)

Ny tolorana araka ny fanazavako raha manana noho ny fahafolokarena dia tsara izany satria karamany avy amin'Andriamanitra iny noho ny asa fanompoana izay ataony (Jesosy Tompo efa nampanantena avo zato heny).

Ny mpanome kosa raha tsy "mbola" tanteraka aminy ny teny fikasan'Andriamanitra dia afaka mindrana ny tenin'ny habakoaka izy « Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, » (Hab.3:17)

Samia ho tahin'ny Tompo namana

57. RBNIR ( 21/08/2013 10:03)
« Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy. » (Hab.3:18)
58. bor2lais ( 21/08/2013 11:21)
RBNIR:

Ny tolorana araka ny fanazavako raha manana noho ny fahafolokarena dia tsara izany satria karamany avy amin'Andriamanitra iny noho ny asa fanompoana izay ataony (Jesosy Tompo efa nampanantena avo zato heny).

Ny olana dia toa misy ny "levita" sandoka sy/na tsy manaja ny "cahier de charges" (miambina ny fanahy) nifanarahana raha ny voalazan'i pisoonja no jerena akaiky ! ;-)
RBNIR:

Ny mpanome kosa raha tsy "mbola" tanteraka aminy ny teny fikasan'Andriamanitra dia afaka mindrana ny tenin'ny habakoaka izy

hihihi ... izany hono ry pisoonja sy vonynive a ! :-)
59. RBNIR ( 21/08/2013 12:32)
Fa tsy tianao ngaha namana bor2lais ny toetran'i habakoaka?
Toetra izay tena nankasitrahan'Andriamanitra tokoa (tsy ny soa ihany......fa ny ratsy koa....)

Hotahin'ny Tompo anie ianao namana
60. bor2lais ( 21/08/2013 13:09)
RBNIR:

Fa tsy tianao ngaha namana bor2lais ny toetran'i habakoaka?

Niteny an'izay kosa angaha moa aho ?
Ilay izy ampifandraisinao amin'ny resaka 1/10 no mahatsikaiky ahy ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2087