Mahaiza mamafy

81. ikaretsaka ( 14/04/2010 21:03)
mamafy ny resaka fa tsy manjono

fa raha resaka manjono... ny trondro natavezina tao anaty dovo no milay noho ny trondron'anosy :wink:
82. ikaretsaka ( 14/04/2010 21:18)
valin'ny fanontaniana:
tsy mitarika sy tsy manao mazii mazi amzao fotsiny ny Teny fa nila Mpiara miasa lalandava hatr@ izay ka hatr@ izao!...... izay no antony sy mbola antony nanirahany antsika hikarakara sy hiaraka miasa fa tsy nandeha t@ izao fotsiny ny Teny, izany no mbola nanaovany Dokotera hanampy hanasitrana, mpikaroka , olona tsotra ,nanomezan'ilay nahary asantsika hahafahantsika hamelona antsika..., ary tadidio fa na ilay tompon'ny Teny aza anie ka nampiasa zavatra hafa toy ny Rano sy fotaka sns fa tsy teny fotsiny.... (tsy niteny Izy izao ohatra hoe hoe Divay de nisy ny divay tany cana , fa nasainy nantsaka ireo mpiasa aloha, tsy niteny izy hoe misia ny olona fa mbola nahary zavatra bedebe aloha, ary mbola nasainy nikofokofoka kely i dada sy neninareo, nisafo, nandeha tany @ Hopitaly fa tsy niteny fotsiny de nisy i RD! :wink:

Ovay dieny izao le fisainana sao maniditsindina misavomboana any anivon-danitra any fa sy tsy en contact @ realite sy ny zava misy intsony!
83. rijadolly ( 14/04/2010 21:19)
http://www.youtube.com/watch?v=-GZ4iGHD6XE
84. ikaretsaka ( 14/04/2010 21:21)
ok de ho setriny
http://www.youtube.com/watch?v=Bb6TvpNvJPk
85. rijadolly ( 14/04/2010 22:10)
Misaotra an' se; NOMENAO OHATRA ILAY ZANAKAO, MISAOTRA EEE!, Ny manjono ny trondro ao Anosy tompoko, Fa ho an' izay mitady tany malemy hanorenam- pangady dia aza mivoaka ao Jerosalema intsony fa tsy natokana ho an' Jentilisa ny famonjena :cry:
86. ikaretsaka ( 14/04/2010 22:21)
Miaraka miasa ho'zy manomana tany sy lanitra vao...ary nomena ho ohatra ilay Zanaka...

Fa tsy hoe ny efa voalazany no ndeha avereno..eo le nuance... azon'i RD,

Miverina @ le tsakotsakoy ny enyl asao ny tanimbary, omeo hasina ny voa

Fa aza manao toy ny haut parleur an'ny mpivarotra aegile verte eny analakely
87. ikaretsaka ( 14/04/2010 22:22)
Miaraka miasa ho'zy manomana tany sy lanitra vao...ary nomena ho ohatra ilay Zanaka...

Fa tsy hoe ny efa voalazany no ndeha avereno..eo le nuance... azon'i RD,

Miverina @ le tsakotsakoy ny enyl asao ny tanimbary, omeo hasina ny voa

Fa aza manao toy ny haut parleur an'ny mpivarotra aegile verte eny analakely
88. rijadolly ( 14/04/2010 22:27)
tsy mitarika sy tsy manao mazii mazi amzao fotsiny ny Teny fa nila Mpiara miasa lalandava hatr@ izay ka hatr@ izao!...... izay no antony sy mbola antony nanirahany antsika hikarakara sy hiaraka miasa fa tsy nandeha t@ izao fotsiny ny Teny, izany no mbola nanaovany Dokotera hanampy hanasitrana, mpikaroka , olona tsotra ,nanomezan'ilay nahary asantsika hahafahantsika hamelona antsika..., ary tadidio fa na ilay tompon'ny Teny aza anie ka nampiasa zavatra hafa toy ny Rano sy fotaka sns fa tsy teny fotsiny.... (tsy niteny Izy izao ohatra hoe hoe Divay de nisy ny divay tany cana , fa nasainy nantsaka ireo mpiasa aloha, tsy niteny izy hoe misia ny olona fa mbola nahary zavatra bedebe aloha, ary mbola nasainy nikofokofoka kely i dada sy neninareo, nisafo, nandeha tany @ Hopitaly fa tsy niteny fotsiny de nisy i RD!
Aza ovaina ny lohahevitr' Rakapy; ny mamafy ny Teny tsy tokony ho an' amin'ilay heritreretiny ho manambany ilay Teny ho tsy manankasina ny eto.
89. ikaretsaka ( 14/04/2010 23:33)
Ao anatin lohahevitr'i rakapy aby izany ka..voafintina ao @ le hoe "asao aloha ny tany' sy le hoe " aza manao robot" sy hoe " aza afafy fahatany fa mila asa avy @ olona koa io fa tsy amzao fotsiny"
90. ikaretsaka ( 14/04/2010 23:37)
Sady valim-panontanianao rahateo io... raha. Izany dia ny fanontanianao no namilana voalohany :wink:
91. rijadolly ( 15/04/2010 03:03)
Jonoy ny ao anaty bocal dia aza mivoaka ao Jerosalema, ary tehirizo ao tsara ny 99 sao lasa, ary farany, aza sitranina ny marary fa ny salama arovana tsara sao marary indray...Dia avereno tehirizina ao ambany latabatra indray ny Baiboly fa ho an' Pretra ihany no atokana hamaky azy.
92. ikaretsaka ( 15/04/2010 04:02)
Mampalahelo ahy ianona rehefa tampi-daomy ra RD. Famafazana no resaka de jono no ovaina.. de iny no averina eo foana... bocale zao e...
Ekena ary de Jouer-na jono ny resaka de ianona no mimenomenona fa hs sy mamadi dresaka I ika
Hivoaka an'i jerosalema ary nareo fa tsy hiara hizotra ho any Jerosalema vaova intsony (ianona ihany no nilaza izany teo a...aleo zahay hizotra ho any)
Ka ho aiza nareo? Anosy sa Maree Masay?
93. ikaretsaka ( 15/04/2010 04:48)
Dia aoka hazava @ ianona fa nyy \"miasa tany\" indrindra aza no tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady...nohon\'ny mamafimafy fahatany eo ambony goudron... izay manao ala safay fotsiny hoe..ka efa namafy ka....
94. ravonjison ( 15/04/2010 11:04)

Voalazan¨' i Ravonjison :

" Tsy mampaninona mihitsy izany na manao propagande aza e, samy afaka maneho hevitra daholo.... Mety ireo mpivarotra bononoka ny mangahazo anefa no mety azony adalaina eo, ka eny andalam-be angamba no tsaratsara hanaovana ilay propagande.

Itý site d' inernet itý manko toa sivana ihany koa no fahitako azy. Ireo mpivarotra bononoka sy mangahazo matetika tsy tonga eto.... :



Io voalazako io aloha dia hazavaiko kely fa tena mifandray @ ilay famafazana. Izy io mantsy dia natokana hoan' ireo izay mamafy eto...

Nandalo tany Dago aho vao haingana ary mba niditra Cyber café mba handefa email. Loza anefa fa 10 min aho no teo, mbola tsy nisokatra foana anefa ilay adresse nilaiko, ny compteur anefa masisa ny vola haloa foana. Miadana be ny net, ary mila fotoana sy vola ny fidirana @ net.
Ka matoa ny olona iray mahavita mandany andro manoratra eto, na miady hevitra eto, dia mazava fa olona manankatao izy, manana possilbilité izy, manana informations betsaka izy, afaka mijery ny zava-misy any ivelany izy, afaka mampitaha izy, na mipetraka any ivelany izy...( izay ilay sivana voalazako etsy ambony, ny mpiarotra bononoka dia tsy afaka hanao izany velively).
Ka raha hiezaka hamafy ny tenin' Andriamanitra eto ianareo ( izay mantsy no fahitako azy io), dia diniho tsara ilay resaka " qualité " voaresaka etsy ambony.
Ireo mpiserasera eto mantsy dia olona somary ampy " informations " ny ankamaroany, ka tsy azo fahanana fotsiny tsotra izao. Mila fanazavana izy ireo, mila ady hevitra izy ireo...
Izy ireo dia tsy toy ireo olona sasany ( mpivarotra bononoka ny mangahazo eny andalam-be moa hoy aho), izay rehefa ato hoe andao hanongam-panjakana ( mars 2009) dia nirodana lasa tany daholo tokoa.

Noho izany mila miezaka sy mitady fahaizana tokoa ianareo @ ilay famafazana eto...fa raha tsy izany lany andro eto ianareo.
Raha ny mikasika ny tenako manokana no resahiko dia sarotra aminareo tokoa ny handresy lahatra ahy.
95. rakapy ( 15/04/2010 11:57)
Misaotra anao Ravonjison ni-cadrer ny adi-hevitra, ary marina dia marina ny teninao raha nanome fanoharana momba ny mpivarotra mangahazo sy bononoka ianao.

Matetika ny olombelona rehefa sahirana dia tsy afaka ny hieritreritra afatsy ny hanina sy izay ahavelona azy sy fanantenana sisa no ao an-tsainy. Tsy misy anomezana tsiny azy mihintsy izany satria izay no maha-olombelona ny olombelona voalohany.

Ao anatin\'io tsy fahampiana io anefa dia maro ireo milaza azy fa olon\'A/tra no manararaotra mampiditra ilay \"fanantenana\" ( izay tsy hitako ny maha-ratsy azy). Nefa ny mampalahelo dia toa resaka tsy misy lojikany no asesika ao an-tsain\'ilay olona tsy manana ny ampy ka lazaina fa tenin\'A/tra.

Noho izy ireo tsy manana ny ampy ( ara-pihainana sy ara-pahalalana) anefa dia voatery mino tsy satry izy ireo satria tsy manana fahalalana hafa hilazana fa tsy mitombina ilay nolazaina taminy.

Ny ankamaroantsika eto anefa (Hoy Ravonjison) dia olona manana mihoatra ny ampy sy nandalina misimisy kokoa matoa afaka ny handany andro sy vola eto. Midika koa izany fa olona afaka ny hikaroka sy hiheritreritra lavidavitra kokoa nohon\' ny olona sahirana.


Raha iverenako ilay loha-hevitra\" Mahaiza mamafy\" dia izao:

Angamba tokony hiisy ambaratongany ny famafazana. Tokony hiisy ambaratongany hoy aho satria misy karazany koa angamba ny olombelona na fiaviana izany na fahaizana izany na fananana sns...

1-Raha hamafy @ ireo tsy dia ampy fahalalana sy tsy ampy ara-piainana ianao dia mety tokony zavatra tsotra nefa mazava no afafinao.

2- Raha hamafy ho an\'ireo izay mba manana fahalalana ianao dia arakarak\'izay no afafinao

3- Raha hamafy ho an\'ireo izay tsy mbola mahafantatra ny kristianisma ianao dia arakarak\'izay no afafinao. sns...

Ny zavatra tsapa mantsy dia toa tsy manisy hasiny ilay voa afafy ireo mpamafy ka dia mamafimafy fahatany.
Ohatra iray azo jerena dia ilay loha-hevitra ao ambony ao hoe\" Vaovao farany avy @ losofera\"

Ataoko angamba fa tsy ny olona mahalala ,eny fa na ny tsy mahalala aza no tokony ilazana zavatra toy itony. \"Vaovao avy @ losifera ahoana?\"?? ahoana no hanaporofonao fa i losifera no nanome ny vaovao??? ary iza moa ianao no ahazo vaovao avy any aminy??? Raha tsy hoe mpikambana ao angaha :-D




96. xxx ( 15/04/2010 12:18)
Mahavariana izany !

Amiko forum ity, raha tsy mendrika ny hivoaka eto ny resaka iray dia anjaran'ny mpandrindra, ny ambiny dia loha-kisoa misy sira io ka tokinao hihinana azy . Tsy an-tery ny famakiana na tsia sujet iray, anjaranao no maka raha tandrify anao , mamela azy raha tsy tianao ilay izy

Mety misy tia hahalala vaovao momba an'i Losifera , mety misy tsy tia (ny fahafantarana ny ratsy mety hahafahana manavaka ny tsara oahtra) . Koa samia maka ny tandrify fa tsy misy ny fomba fijery tokana

97. bor2lais ( 15/04/2010 13:01)
rakapy:

Hay ve! mazava izany ka. Ataoko fa ilaina ihany koa ny qualite-ny mpamafy satria izy ireny dia fitaratra sy ohatra mba hahatsara ny vokatra.
Ohatra ny zavatra rehetra ihany e! mba ilaina olona manana traik\'efa sy avanana ihany koa ny famafazana, indrindra moa raha tiana ahomby ny atao. Raha ala-safay indray moa dia tsy mahagaga raha mamafy daholo izay te hamafy.

-----------
Amiko indray anefa dia qualité tokony \"mandeha ho azy\" ho an\'ny mpamafy ireo lazainao ireo.

Hazavaiko ny tiako hambara.

Araka ny voalazako ery ambony dia endrika maro no azo hanaovana ny famafazana arakaraky ny fanomezam-pahasoavana na talenta nomeNY anao. Ny olana (hoy aho) dia ny tsi-fahalalàna io talenta (na anjara asa mifanentana) io ka mety ny tsy mifanandrify aminao no ataonao. Izay no mety mahatonga ihany koa ny ala safay voalazanao.

Rehefa fantatra ilay fanomezam-pahasoavana dia tsy hitombona mihitsy ilay hoe \"asao aloha ny tany\" fa mandeha ho azy izany (raha ilaina) satria ao amin\'ny anjara mifanandrify azy izy.

Ara-tsoratra masina ihany koa ilay hoe \"tsy fanao ny mandevin-talenta\". Ny dikan\'io amiko dia natao ampitomboina sy ampiasaina mandrakariva ny talenta. Ao anatin\'io fikolokoloina io talenta io ny fanaovana \"mise à jour\" azy. Ary adidy ny fanaovana azy io.

Fehiny : amiko dia tsy misy \"mpamafy\" tsy mahay izany, fa na izy mandevina ny talentany (ka lasa manao routine) fa tsy mampitombo na mikolokolo izany, na izy manenjika ny randrana manendrika ny hafa : manao zavatra tsy ao amin\'ny talentany ! :D

Farany : tsy dia miombon-kevitra amin\'ilay hoe \"fitaratra sy ohatra mba ahatsara ny vokatra izy ireny\" koa aloha aho eto.

Iray ihany mantsy amiko ny \"fitaratra sy ohatra\" raha ny finoako, dia Ilay mahay mampitombo ny vokatra ihany ! :D

Fomba fijery manokana ihany anefa ny ahy io an ! :D
98. rakapy ( 15/04/2010 13:44)
Hoy i xxx 95

Amiko forum ity, raha tsy mendrika ny hivoaka eto ny resaka iray dia anjaran'ny mpandrindra, ny ambiny dia loha-kisoa misy sira io ka tokinao hihinana azy . Tsy an-tery ny famakiana na tsia sujet iray, anjaranao no maka raha tandrify anao , mamela azy raha tsy tianao ilay izy

Mety misy tia hahalala vaovao momba an'i Losifera , mety misy tsy tia (ny fahafantarana ny ratsy mety hahafahana manavaka ny tsara oahtra) . Koa samia maka ny tandrify fa tsy misy ny fomba fijery tokana

Tena marina dia marina tokoa ny voalazanao fa forum ity ary toy ny vava-kisoa misy sira ka tokinao izay hihinana azy. Ary tsy an-tery koa ny handray anjara na tsia.
Ka araka ny maha forum azy izay indrindra no maha saro-pady azy indrindra moa ity (fivavahana sy finoana) ity . Satria raha toa ka hiiditra eto ny olona iray dia mihevitra ny hiresaka, hifampizara ,hifanoro ary hanovo zavatra mari-pototra izay tsy mbola fantany avy @ hafa.

Ilaina dia ilaina tokoa ny mahafantatra ny ratsy mba hanaovana ny tsara nefa raha resaka tsy dia mari-pototra dia vao maika hampisavorovoro ireo izay tsy mafy fototra. Angamba tsy izay no tanjon'ny ankamaroan-tsika miditra eto raha tsy diso aho?

Bor2lais> Itovizako fijery ny hevitra nosoratanao etsy ambony fa ity no mba ilako fanazavana misimisy raha toa ka tsy mahadiso
Farany : tsy dia miombon-kevitra amin'ilay hoe "fitaratra sy ohatra mba ahatsara ny vokatra izy ireny" koa aloha aho eto.

Iray ihany mantsy amiko ny "fitaratra sy ohatra" raha ny finoako, dia Ilay mahay mampitombo ny vokatra ihany !
99. rakapy ( 15/04/2010 13:51)
xxx 96> Adi-hevitra koa anie no eto ka matoa ianao manokatra lohahevitra dia tokony mba hanana hevitra hanonanao ilay hevitra arosonao fa tsy lazaina fa manohitra an'A/tra lava izao raha mba manotany sy manadihady ny olona. Ny toriteny tsy iadian-kevitra any am-piangonana aza efa tsy tambo. Sa ve diso izahay raha mba milaza ny fijerinay ???
100. ikaretsaka ( 15/04/2010 14:07)
rakapy:

xxx 96> Adi-hevitra koa anie no eto ka matoa ianao manokatra lohahevitra dia tokony mba hanana hevitra hanonanao ilay hevitra arosonao fa tsy lazaina fa manohitra an'A/tra lava izao raha mba manotany sy manadihady ny olona. Ny toriteny tsy iadian-kevitra any am-piangonana aza efa tsy tambo. Sa ve diso izahay raha mba milaza ny fijerinay ???

Izaho koa dia mba te hahazo ny valin'io fanamarihana miharo fanontaniana naroson-drakapy io..
Tsy voatery ho avy @ xxx96.

Ravonji> misaotra fa nazava


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0847