Mahaiza mamafy

21. ikaretsaka ( 09/04/2010 14:17)
Bord 13> ao amintsika Atra fa mila fohazina fotsiny ka... de tsy ny fanaovana\"boloky\" sy ny famerenana ny efa voalaza sy voateny loatra (io le lazaiko hoe bolokim-baiboly). No hoe \"mifoha\" amiko. Fa ny fahatsapana ny andraikitrao sy ny fanaovana ny lahasa mifandraika @ izay. Dia ny fanampiana ny hafa @ izay koa. Ny fitoriana tsotra sy mahomby indrindra amiko dia ny fahatsapako sy ny hafa mahavaky vava azy hoe \"olon\'Atra tokoa rangahy na ramatoa iny\" sy ny fitenenana tsotra hoe. \" araho ny ohatra nataony\"
22. bor2lais ( 09/04/2010 14:22)
rakapy:

Ka izay mihintsy no fahitako azy ity. Tsy hiisy adilahy, sy korontana intsony any, ary filaminana tanteraka no any

-> mitovy tanteraka ny fijery izany hatreto (mba efa nisy an'izay aloha !) :D

rakapy:

satria MATY IANAO dia tsy afaka ny hiady sy hikorontana intsony. Tony ary hilamina toy ilay fotoana talohan'ny niavianao tety an-tany indray ianao.

-> miankina amin'ny finoan'ny tsi11 indray manomboka eto (fanazavana izay mahaliana tokoa na tsy iombonako aza !) :D
23. bor2lais ( 09/04/2010 14:29)
ika:

ao amintsika Atra fa mila fohazina fotsiny ka...

-> iny indray aloha no mbola tsy henoko an ! :D
24. soanja ( 09/04/2010 15:23)
bor2lais:

ika:

ao amintsika Atra fa mila fohazina fotsiny ka...

-> iny indray aloha no mbola tsy henoko an ! :D

Ka raha tsy izay ve hisy ny teny hoe FIFOHAZANA amin'ny ireo mpino Xana.

Ny zaza no tonga eto an-tany dia feno fitiavana. Tsy mahalala izay fahakalana na hevi-dratsy sns sns ny zaza . Tokana ny azy no tanjony dia ny mba itiavanao azy satria izay ilay fitiavana mameno azy. Io dia tena Andriamanitra tokoa no manjaka ao anatin'io zaza io amin'izany raha ny finoako.

Ny Fitaizana sy ny fanabeazana ary ny manodidina iainany kosa no hampandrobona izany Andriamanitra izany sy hampivoitra ny fisiany fa raha tsy izay dia hiverina hatory lalina izy any anatintsika any miandry ilay fotoana FIFOHAZANA!

Ny finoako:

Ny olombelona sy Andriamanitra dia mifampitohy manomboka any ambohoka na tamin'ny fotoana nanamboarana azy aza satria mariky ny fitiavana izany ka mandrapahafatiny (eo ilay vavahady ahitany indray ilay tena endrik'Andriamanitra nanamboatra) ary ny any ankoatra miankina amin'izay tokony mbola atao araka ny fandaharaNY na ahita avy hatrany ny paradisa na mbola misy lalana hafa aleha hanatsarana ny dia.

25. bor2lais ( 09/04/2010 16:51)
soanja:

Ka raha tsy izay ve hisy ny teny hoe FIFOHAZANA amin'ny ireo mpino Xana.

-> Raha ny fahalalako azy dia ny fanahy no fohazina eto fa tsy Andriamanitra an ! Sa io lazaiko fanahy io no antsoinareo eto hoe Andriamanitra ? :D
26. ikaretsaka ( 09/04/2010 17:45)
Tsy le fifohazana l (miakanjo fotsy sns....) loatra angamba no tian'i soanja lazaina eto satria tsy hoe "mifoha" ara panahy dia mamosavy ny hafa @ fanaovana "bolokim-baiboly". Fa ny fi conscientisena olona 1 hahatsapa ny tenany sy ny manodidina azy ka hifanasoa @ fizarana fitiavana ....
Fa tsy hoe zahay namaky an zao de nareo tsia donc zahay mifoha... fa hoe hey sao adinonareo fa mist fanahin'Atra ao aminareo..ampiasao. ho hita sy tsapan'ny hafa dia ampianaro azy rehefa mahaliana azy
27. soanja ( 09/04/2010 22:35)
ikaretsaka:

Namaste!

28. soanja ( 09/04/2010 22:36)
bor2lais:

soanja:

Ka raha tsy izay ve hisy ny teny hoe FIFOHAZANA amin'ny ireo mpino Xana.

-> Raha ny fahalalako azy dia ny fanahy no fohazina eto fa tsy Andriamanitra an ! Sa io lazaiko fanahy io no antsoinareo eto hoe Andriamanitra ? :D

Inona loatra Andriamanitra io aminareo. Ny teny no Andriamanitra fa ilay Fanahy tsy izy! Mahavariana tokoa ilay finoana.

29. ikaretsaka ( 09/04/2010 23:16)
bor2lais:

Fa ny voalaza koa ange dia hoe ny Ray no mpamafy e...fa misy miseho ho mitovy toerana @ Ray de "hamafy" koa hono

----
Sao dia mba diso mandray vilana loatra koa ary ity Ika ity !
Ny mpamafy ny Teny ve tsy mba isan'ny antsoina hoe mpamafy koa ? :D

Amiko izany tsy mpamafy intsony fa mpamerindesona fotsiny=boloky=diska goaka= haut parleur an'ny mpivarotra argile verte eny analakely...
Raha zavatra efa voalaza no averimberina fahatany eo dia tsy misy dikany... fa raha maka lesona avy @ efa voalaza ka mampihatra an'iny @ fiainana. Ka iny ohatra iny no hitan'ny manodidina sy mahaliana azy dia ianarany... izay amiko no lafatra sy idealy...fa tsy ny mi forcer olona hoe avia aloha. De mipetraha ho toriana de zavatra efa hain'ilay olona foana... (maty ho antsika I jesoa ohatra na I jesoa de tompo...) no averina eo tapak'andro... efa fantatry ny olona na tsy kristianina aza fa izay no finoan'ny kristianina. Fa tsy izay no averina injato @ olona efa naheno sy nahafantatra an'izay ...

30. ikaretsaka ( 09/04/2010 23:25)
soanja:

-> Raha ny fahalalako azy dia ny fanahy no fohazina eto fa tsy Andriamanitra an ! Sa io lazaiko fanahy io no antsoinareo eto hoe Andriamanitra ? :D

Inona loatra Andriamanitra io aminareo. Ny teny no Andriamanitra fa ilay Fanahy tsy izy! Mahavariana tokoa ilay finoana.

Raha ny fandraisako an le lojikany araka ny namaliany azy de ny azy angamba tavela eo @ le Teny fotsiny
Fa zary adino sy nodinganina na nohamaivanina ilay "Teny tonga nofo, sy niara nonina tamintsika, sy le hoe eo amintsika foana"

31. bor2lais ( 10/04/2010 11:54)
soanja:

bor2lais:

soanja:

Ka raha tsy izay ve hisy ny teny hoe FIFOHAZANA amin'ny ireo mpino Xana.

-> Raha ny fahalalako azy dia ny fanahy no fohazina eto fa tsy Andriamanitra an ! Sa io lazaiko fanahy io no antsoinareo eto hoe Andriamanitra ? :D

Inona loatra Andriamanitra io aminareo. Ny teny no Andriamanitra fa ilay Fanahy tsy izy! Mahavariana tokoa ilay finoana.

--------
Izay vao tsapako ny mahatonga ny tsy fitovian'ny tadin-dokanga. Ny fototra (momba ny finoana) mihitsy no tsy itovina.

Raha azoko tsara izany dia tokana ny fanahy aminareo dia Andriamanitra !

Ahitan-javatra tokoa ny serasera a ... :D
32. soanja ( 10/04/2010 13:31)

Tsy azonao zany ilay izy. Ilay Fanahy resahinay eto dia Andriamanitra fa tsy midika izany hoe tokana ny fanahy.

Ary Andriamanitra no resahina eto fa tsy fanahy hafa. Tokana Andriamanitra ao anatintsika, eo amintsika ary manerana.

33. ikaretsaka ( 10/04/2010 15:00)
Rabord> sady tsy teny natao haparitaka ange Atra e.
Ny momba Azy no misy teny kely natao ho fantatra ... fa tsy Izy
34. rijadolly ( 11/04/2010 17:35)
Somary mijapy Train kely za aloha,
Nanaraka hatrany amboalohany aho fa aty amin\' farany no raisiko voalohany
Eo amin\' ilay fanahy, ohatra tsaroako tamin\' adihevitra iray izay fa misy fanahy samy hafa amin\' teny vahiny, sao dia izay ny tsy hifanarahana eto, Raha ny FANAHY = ANDRIAMANITRA dia mazava fa afaka miala aminao io ary afaka miverina aminao indray. Dia toy izay ihany koa ny fanahy ratsy ho an \'izay mino fa misy io.
Fa raha ilay fanahy iray dia tsy olona intsony ianao raha miala aminao io.
Raha diso aho dia ahitsio fa raha misy fahamarinana dia ampio aho anazava azy fa mbola tsy voafehiko tsara ilay izy.
Dia eo no hitovizako hevitra an\' bor2lais
Raha ny fahalalako azy dia ny fanahy no fohazina eto fa tsy Andriamanitra an ! Sa io lazaiko fanahy io no antsoinareo eto hoe Andriamanitra ?
Andriamanitra mantsy tsy mila fohazina izany fa ny maha ianao anao no mila fohazina sao sondrian- tory.
35. rijadolly ( 11/04/2010 18:07)
ika:20:
Bord 13> ao amintsika Atra fa mila fohazina fotsiny ka...
efa voavali ao ambony ao iny fa miandry fanampim- panazavana fotsiny aho sao diso ny hevitro,Nefa izaho mino fa io hevitro io ny tian' Bor2lais ho lazaina fa tsy nanazava izy.
ika:20:
de tsy ny fanaovana"boloky" sy ny famerenana ny efa voalaza sy voateny loatra (io le lazaiko hoe bolokim-baiboly). No hoe "mifoha" amiko. Fa ny fahatsapana ny andraikitrao sy ny fanaovana ny lahasa mifandraika @ izay. Dia ny fanampiana ny hafa @ izay koa. Ny fitoriana tsotra sy mahomby indrindra amiko dia ny fahatsapako sy ny hafa mahavaky vava azy hoe "olon'Atra tokoa rangahy na ramatoa iny" sy ny fitenenana tsotra hoe. " araho ny ohatra nataony"
Io dia ady hevitra tsy mety vita eto mihitsy raha vao misy manome tenin' Andriamanitra avy ao anaty Baiboly indrindraindrindra.Tsy voatery ahalala an' Andriamanitra daholo ry ika ny olon- drehetra a! Ilaina ny mampafantatra AZY amin' alalan' vava misokatra, izay inoana tokoa fa tsy maintsy vonona hamaly fanontanian' ireo izay torianao ny fihetsikao.Tsy azonao atao ny tsy mamaly ka anao hoe jereo fotsiny izay ataoko.Ary io firesahana io dia anisany asa iray TSY MAINTSY ataon' Mpino Kristianina, fa kosa azo tsy ataon' tsy Kristianina.Jesoa Kristy aza tena Parfait mbola nitory ny tenaNy fa IZY no IZY. Maika fa izay ianao tsinotsinona ery miseho manao ny tsara sy mety, nefa dia mahadiso fanantenanan' Mpino ny adalana ataonao, no tsy hitory an 'Kristy? fa dia hiziriziry hoe jereo ny ataoko?
36. rijadolly ( 11/04/2010 18:33)
rakapy:18:
Ny tiako ambara @ ilay hoe "MAHAIZA MAMAFY" dia ity:

Raha hamafy ianao dia VOKATRA izany no tanjonao fa tsy hoe nahavita namafy voa maro be aho androany. Hatreny antendrobohitra ka hatrany anaty rano sy tsilo sns...

Raha io faray io no tanjonao dia, io ilay lazaiko hoe alasafay na mety ho fiatsaram-belatsihy koa aza.

Dia mitovy @ izany ny eo @ ara-pinoana. Tsy hoe nahavita nitory baiboly lava be aho tao anay bus sy teny an-tsena na teto @ serasera sns.... androany ka dia vita izay ny anjarako sy ny andraikitro ka tsara iny na ratsy na nisy nadray iny na tsia dia efa nahavita aho androany.

Ary io farany io no matetika fanaon'ireo milaza azy fa mpitory.
Mitovy fijery tahakan' se aho eo amin' ilay tanjona dia ny vokatra izany.
Ny Mpitory dia tsy ahalala velively izay tian' Andriamanitra antsoina. hoe itsy lahimatoa itsy angamba na iry lahihevo, fa raha izay dia tsy ho lasa Mpanjaka mihitsy Davida fa izay tiatian' Samoela tao fotsiny no nosorany.Ny tiako lazaina dia izao, tsy mahazo mifidy olona hitoriana ianao, fa raha vao tsapanao fa eto ianao no tokony hitory dia afafazo, izay ny anjaranao, an 'Andriamanitra ny mapitsimoka iny voa iny raha tsara ny afafanao. Ary dia ny tany sisa no mandray, mitahiry azy na tsy ilay efa nitsimoka noho izy manana fahafahana.
37. ikaretsaka ( 11/04/2010 19:17)
RD34> AZO ATAO TOKOA NY TSY MAMAKY KA.. jereo le resak'i soanja ao ambadika ao momba ilay silamo nandeha tany an tanin'ny tsy mpino..azo ovaina hoe kristianina mandeha any @ tsy mino koa io ohatra io raha tianao ary azo raisina ho zava miseho mihitsy....
Voajapy tsara ny train?
38. rijadolly ( 11/04/2010 20:11)
Marina, ary araho tsara ny train' Soanja fa NANAMBARA tamin' ilay namany Silamo izy fa Andriamanitra ny tao anatiny, satria fantatsika fa ny silamo dia saropiaro ny azy fa hoe ny Coran sy Allah no marina aminy, ary tsy misy mananan' izany afa tsy izy
Soanja tao:
Imam tadidio fa ao anatin'ireo olona rehetra ireo i Allah na dia tsy mino ny fisiany aza izy ireo.
sy
Soanja:
Ka izay ny olombelona ry Imam hoy aho taminy, ezaka daholo ny antsika hoy aho fa tsy misy tonga lafatra. I Allah irery ihany no lafatra. Ianao izao efa mba nahita ny taty dia mba lazao/ zarao any amin-dry zareo any izay hitanao taty, asa mety mba hanandrana hanao izany ziy. Satria na ianao mahita izany aty aza dia efa marika fa miasa i Allah.
Ahoana ny fahitan' se izany ataon' Soanja izany, mbola fihetsika ve no nataony sa nitory an' Andriamanitra izy, ary dia inona koa no nasainy nataon' Imam rehefa tonga any aminy, mbola fihetsika koa ve, sa manambara izay naha resilahatra azy fa manana an 'Andriamanitra ry Soanja na dia tsy manana Coran sy Allah izay heveriny ho hafa amin' Andriamanitra aza.Fitoriana koa izany.
39. ikaretsaka ( 11/04/2010 20:58)
Le namany(silamo) no namaky fa tsy ireo nanisy soa azy..ka nampivelatra ny sain'ilay imam sy ny fomba fijeriny hoe ny tsy mamaky aza ity no nahay sy nampiatra ny voalazan'ny hafatra nohon'ny namaky..
Sao diso zotra aza ianona izany..aty ny sens fa tsy any
40. bor2lais ( 12/04/2010 10:29)
RD33syRD34:

Nefa izaho mino fa io hevitro io ny tian' Bor2lais ho lazaina fa tsy nanazava izy.

-------
Misaotra anao fa io tokoa no tiako lazaina ! :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0095