Mahaiza mamafy

61. ikaretsaka ( 13/04/2010 16:48)
Izay no mahatonga anay milaza anie hoe asao aloha ny tany...de hajao ny hasin'ny voa afafy e
62. xxx ( 13/04/2010 20:28)
Asa ahoana ny traduction n'ity ao @ Baiboly katolika ra-Ikaretsaka na ahoana ny fanazavan'i mompera azy ?

IITimoty 4:2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
63. ikaretsaka ( 13/04/2010 23:36)
de aoka hazava ra xxx fa ny hoe mitoria ny Teny tsy midika hoe ze efa voalaza (na ny sombiny @ iny no itsimpony kely ze metimety aminao) de ndeha iny avereno foana @ olona

fa ny mitory de hoe: iaino sy ampiasao ny voalaza taminao mba ahitanao sy ny olona taratra ny fiasan'ilay Atra (=teny) ao aminao sy ao anatinao.. de rehefa liana izy de tamy ho azy dia asaivo manao toy izany koa
64. ikaretsaka ( 13/04/2010 23:52)
porofo 1: i Timoty rehefa voa hafatra an'io, tsy io taratasy io mihitsy no nentiny nandehandeha sy nanombonany kely t@ izay olona nitoriany tany
65. soanja ( 14/04/2010 00:40)
xxx:

Aleo ho an'ny hafa fa mety ho izy no interessé



Io dia manaiky tokoa aho. Aoka isika tsy hanakana izay te hihaino kosa ny toriteny. Izay vonona amin'izay zavamisy dia aoka izy hanatanteraka izany. Tsy tokony hisy hisakana ary tsy tokony hisy handrebireby ireo izay vonona hifandray.

Fa ny hany kosa mba azoko lazaina amin'izay dia aoko koa hanaja sy hahalala izay tsy vonona ny hihaino ilay teny izay mpitory satria izay ilay safidy. Hajao ny hafa, hajao izay heverinao fa tianao. Aoka koa aza hanaja na ireo izay tsy mety aminao aza fa izay ilay tena fitiavana.

Raha indray andro izay ka hankalaza ny anniversaire-ko aho tao Itaosy dia isany nalahelo tokoa aho satria nitata tsy lavitra ny nisy anay ny loud speaker nefa izahay tena te hankafy mafy an'i Tovo Jhay. Raha ohatra ve i Rakoto mba te hanana ny fahanginany ao anaty saha ao na hoe i Rabe manjono ka mitaky fahanginana nefa ianao hitabataba hanakotaba ny trondrony izay tiany ho azy dia hoy aho hoe aoka ho fantarina ny fotoana noho izany. Aoka hanontany izay vonona hihaino. Aoka hanaja ny hafa fa izay no fanombohan'ny fitiavana.





66. niryna ( 14/04/2010 04:01)
rakapy:

Ventesina ombieny ombieny ity resaka famafazana sy fizarana ity. Maro ireo xana no manao izany toy ny" robot" ary indraindray aza dia toa alasafay sy fiatsaram-belatsihy no anaovany izany vokatr'ilay teny ao @ baiboly sy fatahorana ny tsy ahazo toherana any am-paradisa angaha?.

A/tra akory tsy mila publicite. Ary ny fitoriana sy fitadiavana azy dia mila fahaizana fa tsy ataotao foana. Mila qualite izy fa tsy quantite araka ny fihevitry ny sasany azy akory.

Raha hitory baiboly eny an-tsena ianao @ olona 100 ianao dia tsy hitovy velively @ fitoriana baiboly ao am-piangonana @ olona 100. Ny eny an-tsena dia ho vitsy no handray ny teny ara-pahamarinana nohon'ny ao am-piangonana.
Koa mahaiza mamafy sy mitory fa aza manao toy ny robot



:roll: =))
67. ravonjison ( 14/04/2010 07:54)
xxx:

Asa ahoana ny traduction n'ity ao @ Baiboly katolika ra-Ikaretsaka na ahoana ny fanazavan'i mompera azy ?

IITimoty 4:2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.



Ka io ange ilay tsy mety ra xxx e, mila fahaizana ilay mitady sy mampifandrindra ilay fotoana , fa tsy hoe na @ fotoana, na tsy @ fotoana dia hamafy foana. Izay ilay lazaiko hoe " qualité " no tadiavina .

Manarak' izany, ny tian ' i Ika asongadina eo dia : ilay mpitory mihitsy tokony ho hanao " exemple " ny tenany , izy mihitsy no tokony hiaina araka ilay voalaza, ary tokony hitan' ny olona taratra eo aminy izany, ary izay no tokony hahavoasarika ireo olona.
Izay koa ilay " qualité " voalazako " etsy ambony
Misy tokoa mantsy ireo izay ( araka ny filazainay azy atý ) : mitory rano ho an ' ny olona, izy anefa misotro divay.
68. rakapy ( 14/04/2010 09:44)
Hoy i xxx 61
IITimoty 4:2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra

Ka eto indrindra no tiako ilazana fa ilay boky dia nosoratana efa ela be. Mety nety t@ olona izany t@ izany fotoana satria hafa ny fomba fiainan'ny olona t@ izany. Amin'izao fotoana kosa dia efa hafa koa ny fiainan'ny olombelona . Noho izany dia mila manaraka ny toetr'andro ilay fitoriana raha te- hamokatra.
Hoy i Soanja


Io dia manaiky tokoa aho. Aoka isika tsy hanakana izay te hihaino kosa ny toriteny. Izay vonona amin'izay zavamisy dia aoka izy hanatanteraka izany. Tsy tokony hisy hisakana ary tsy tokony hisy handrebireby ireo izay vonona hifandray

Marina tokoa ny voalazanao nefa kosa mila toeherina sy azavaina raha toa ka
Hoy Ravonjison
mitory rano ho an ' ny olona, izy anefa misotro divay.

Hoy i Soanja
Raha indray andro izay ka hankalaza ny anniversaire-ko aho tao Itaosy dia isany nalahelo tokoa aho satria nitata tsy lavitra ny nisy anay ny loud speaker nefa izahay tena te hankafy mafy an'i Tovo Jhay. Raha ohatra ve i Rakoto mba te hanana ny fahanginany ao anaty saha ao na hoe i Rabe manjono ka mitaky fahanginana nefa ianao hitabataba hanakotaba ny trondrony izay tiany ho azy dia hoy aho hoe aoka ho fantarina ny fotoana noho izany. Aoka hanontany izay vonona hihaino. Aoka hanaja ny hafa fa izay no fanombohan'ny fitiavana

Ka toy izao mihintsy no mahagaga.
Raha mitatatata sy mivazavaza ireo fiangonana rehefa manala devoly ( andro aman'alina) dia tsy azo sakanana satria lazainy fa maniratsira an'A/tra ianao raha manao izany. Nefa ve mba nosaininy sy noheveriny fa ny olona manodidina azy dia mila fialan-tsasatra @ alina??? Fialan-tsasatra izay voajanahary?
Hoy i Ravonjison
- mamafaza voa
-ka aza mba malaina
-fa ty fantatra re izay ho vanona
- na @ hariva , na @ maraina
-mamafaza voa tsy mijanona
Ref: matokia re, matokia re
hisy amboara ho anao anie, 2 fois


Io hira io indray Ravonjison dia hira noforonin'olombelona ary ny tanjony dia ny hanakiana sy hametraka ary handatsa anao ho tsy miraharaha an/Atra raha toa ka tsy manaraka ara-bakiteny ilay voalaza ianao.
69. bor2lais ( 14/04/2010 10:58)
Amiko, ilay \"qualité\" n\'ny vokatra dia tsy an\'ny mpamafy fa an\'Andriamanitra.
Ny mpamafy dia natao hamafy \"en quantité\" raha ny fahazoako azy koa. Mazava ho azy fa maro ny endriky ny famafazana.
Ny voa afafy amiko dia inoako fa \"de qualité\" daholo.

Ka amiko, ny hoe \"mahaiza mamafy\" dia toa milaza fa mila \"qualité\" ny mpamafy.

Io \"qualité\" io amiko no antsoina hoe fanomezam-pahasoavana na talenta (avy amin\'Andriamanitra). Heveriko fa samy manana an\'io daholo ny Kristiana (satria izy moa no resahina eto) tsi11 saingy mila fantarina angamba mba tsy hanenjika ny randrana manendrika ny hafa hoy ny fitenenana !

Averiko fa maro ny endriky ny famafazana : izay rehetra atao ka manome voninahitra Azy amiko dia ao anatiny daholo !

Izay ny ahy no mba fandraisako ity lohahevitrao ity rakapy a ! :D
70. rakapy ( 14/04/2010 11:19)
Hoy i Bor2lais
Ka amiko, ny hoe "mahaiza mamafy" dia toa milaza fa mila "qualité" ny mpamafy.

Diso fandray angamba i Bor2lais na tsy azonao ny tiana ampitaina.
Tsy hoe " mamafaza voa tsara" no adi-hevitra fa hoe " Mahaiza mamafy". Noho izany dia tsy miresaka ny momba ny "voa" isika eto satria resaka hafa iny, fa ny tiana resahina dia fahaizana mamafy.
Efa nisy resaka momba ilay famafazana eny ambony godirao sy esansy sy tsilo sns...angamba tery ambony mba natao ho fanomezana ohatra.
71. xxx ( 14/04/2010 11:28)
rakapy:

Ka eto indrindra no tiako ilazana fa ilay boky dia nosoratana efa ela be. Mety nety t@ olona izany t@ izany fotoana satria hafa ny fomba fiainan'ny olona t@ izany. Amin'izao fotoana kosa dia efa hafa koa ny fiainan'ny olombelona . Noho izany dia mila manaraka ny toetr'andro ilay fitoriana raha te- hamokatra.


Ka tsy ny Baiboly ve izany no efa tokony tsy ho vakiana intsony ? Efa elabe koah :-)

Hafa ny resaka manelingelina ny hafa ( tabataba ohatra ) , fa raha ny eto @ forum dia mazava fa ny toritenin'i niryna no tsy zakanareo, aza jerena fotsiny ilay sujet sokafany dia milamina daholo e , aleo ho an'izay mbola liana ilay izy

Tsarà avy rankizy ô
72. rakapy ( 14/04/2010 11:36)
Ka araka ny maha forum azy ve tsy malalaka ny fanehoana hevitra sa???
Afaka miditra na tsy hiditra ny tsy 1/1??? sa voafehy izy ity??? Matetika ny olona rehefa tsy tiany ny hidiran'ny hafa ao @ size-ny dia ataony mibaribary be hoe" Ho an'ny kristianina ihany" na ohatra izany...?
73. bor2lais ( 14/04/2010 11:53)
rakapy:

ny tiana resahina dia fahaizana mamafy

-----
Azoko ka ! Ny tiako lazaina dia hoe ny "fahaizana mamafy" dia mahakasika ny mpamafy : io no antsoiko hoe "qualité" n'ny mpamafy (fa tsy ny voa akory) ! :D
74. rakapy ( 14/04/2010 12:11)
Hoy Bor2lais
Azoko ka ! Ny tiako lazaina dia hoe ny "fahaizana mamafy" dia mahakasika ny mpamafy : io no antsoiko hoe "qualité" n'ny mpamafy (fa tsy ny voa akory) !

Hay ve! mazava izany ka. Ataoko fa ilaina ihany koa ny qualite-ny mpamafy satria izy ireny dia fitaratra sy ohatra mba hahatsara ny vokatra.
Ohatra ny zavatra rehetra ihany e! mba ilaina olona manana traik'efa sy avanana ihany koa ny famafazana, indrindra moa raha tiana ahomby ny atao. Raha ala-safay indray moa dia tsy mahagaga raha mamafy daholo izay te hamafy.
75. ikaretsaka ( 14/04/2010 12:16)
Izay le izy rabord.. nahatonga ahy niteny hoe asao ny tany mba hanomezana hasiny ny voa afafy raha inoanao fa masina iny voa iny.... ankoatran'ny ohatra nolazain I rakapy sy soanja.
76. rijadolly ( 14/04/2010 16:48)
Hamafy vary ve za re olona dia teny ratsy no andeha afafiko a? Ra avy any amin\' Andriamanitra no hafafiko dia hatsoiko daholo ny boka 10, tsy haiko izay hiverina hisaotra, fa ny zavatra fantatro dia tsara no omeko azy ireo, dia ny Filazantsaran\' KRISTY. Amin\' maha Filazantsara ny Kristy ilay toriana dia mazava fa olona efa nidio tena no afaka mamafy, fa raha tsy izany dia tsy misy afaka mitory na iray akory aza.Izay raha qualité. Fanampiny ho an\' Ravonjison; ilay Hira tohizo hatramin\' farany dia hitanao ny tiany ambara na dia olombelona araky ny tenin\' Rakapy aza, IZAY MARINA ILAY HOE TORITENY RAKAPY A ? Tsy maintsy misy olona voatsindrony ao miampy ny fandinihatenan\' tsirairay.
77. ikaretsaka ( 14/04/2010 16:57)
Hamafy vary ve za re olona dia teny ratsy no andeha afafiko a

Mba afaka hazavaina misymisy ve? (indrindra ireo nataoko bold ireo)?

raha @ izao fotsiny manko de karaha hoe "inona no ifandraisan'ny vitsika @ petrole"!
Azafady an...misaotra

HS: satria raha ny fahita manko rehefa eny an-taninketsa de ho'zy le "mpamafy" hoe eto ati-tena iny sobika misy masomboly iny ry le !@#@% ty a... fa tsara preciser-na fa ny vart no maniry eo antaninketsa eo fa tsy ny....
(somary nasira fa inoako fa azon'i RD ny tiako lazaina)
misaotra!
78. rijadolly ( 14/04/2010 17:58)
Azon' se tsara ny tiako lazaina ka, ny tiako lazaina raha ohatra ka tsy azon' se marina dia mbola azon' se hanotaniana ihany fa tsy hamaly intsony aho na dia tsy azon' se aza dia ny Fitenenan- dratsy an' Andriamanitra
79. ikaretsaka ( 14/04/2010 18:15)
rijadolly:

Azon' se tsara ny tiako lazaina ka, ny tiako lazaina raha ohatra ka tsy azon' se marina dia mbola azon' se hanotaniana ihany fa tsy hamaly intsony aho na dia tsy azon' se aza dia ny Fitenenan- dratsy an' Andriamanitra


ny fanontaniako farany ary na hamaly ahy ianona na tsy hamaly de hoe iza no miteny ratsy an'andriamanitra sy mahatezitra azy:

-ilay mamafimafy fahatany ve sy tsy manisy haja ny maha masina ny zavatra hafafy fa de nahazo masomboly aman-tanonina ka manipy azy etsy sy aroa (ala safay hoy ilay akama ao ambony ao, robot mahazo baiko koa hoy ny hafa ka "tsy maintsy" no tafiditra ao anaty microchip de izay ihany) ?

-sa le manisy haja ilay voa sy miteny ny namany sy ireo heveriny fa manaonao foana hoe misy hajany ange io voa io ry le anona ireto fa aza afafifafy fahatany tahak'io fa mba asao ny tany hamafazana azy e!

Diniho ihany!

80. rijadolly ( 14/04/2010 20:41)
Hamaly indray aho satria azon\' se tsara ilay itovizan\' teny sy ilay voa, tsy anotany an\'Andriamanitra aho fa isika Mpino,IZA NO TIANTSIKA?

- Ny manjono ao anaty bocal ve? ( izay ao am-Piangonana, efa lonaka, mora asaina, 99 ...)
SA
- Ny manjono eo amin\' vinany be izay tsy an- dranomamy no tsy an- dranomasina ( fo karakaina mila ranon\' aina Tenin\' Andriamanitra, tany manapaka angady, marary tsy mahalala ny fanafody mahasitrana azy, Tsy manana ny fahamarinana, 1 ...)

Fanontaniana farany, Ny tenin\' Andriamanitra ve tsy mitarika ny tany ho lonaka? Ny tenin\' Andriamanitra ve tsy mahavonto rano ny tany karakaina? Ny tenin\' Andriamanitra ve tsy fanafody ho an\' marary? Ny tenin\' Andriamanitra ve tsy aina ho an\' izay mandray azy? Ny tenin\' Andriamanitra ve tsy afaka mitarika am- pitiavana ny nanihy hody ao an-trano?( tsy izay ao an- trano no asaina mody)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0751