Mahaiza mamafy

1. rakapy ( 08/04/2010 09:53)
Ventesina ombieny ombieny ity resaka famafazana sy fizarana ity. Maro ireo xana no manao izany toy ny" robot" ary indraindray aza dia toa alasafay sy fiatsaram-belatsihy no anaovany izany vokatr'ilay teny ao @ baiboly sy fatahorana ny tsy ahazo toherana any am-paradisa angaha?.

A/tra akory tsy mila publicite. Ary ny fitoriana sy fitadiavana azy dia mila fahaizana fa tsy ataotao foana. Mila qualite izy fa tsy quantite araka ny fihevitry ny sasany azy akory.

Raha hitory baiboly eny an-tsena ianao @ olona 100 ianao dia tsy hitovy velively @ fitoriana baiboly ao am-piangonana @ olona 100. Ny eny an-tsena dia ho vitsy no handray ny teny ara-pahamarinana nohon'ny ao am-piangonana.
Koa mahaiza mamafy sy mitory fa aza manao toy ny robot
répondu par rakapy le 25/04/2010 09:19
2. xxx ( 08/04/2010 10:40)
Marina zany rakapy, tsy zay rehetra mahay mamaky teny sy manoratra akory dia mpampianatra daholo.
3. ikaretsaka ( 08/04/2010 11:42)
Marina tanteraka...Ny ahy moa rakapy antitranteriko foana de ny hoe asao aloha ny tanimboly... izay vao mamafy. Fa ny voalaza koa ange dia hoe ny Ray no mpamafy e...fa misy miseho ho mitovy toerana @ Ray de "hamafy" koa hono
4. soanja ( 08/04/2010 11:52)
rakapy:


Ventesina ombieny ombieny ity resaka famafazana sy fizarana ity. Maro ireo xana no manao izany toy ny" robot" ary indraindray aza dia toa alasafay sy fiatsaram-belatsihy no anaovany izany vokatr'ilay teny ao @ baiboly sy fatahorana ny tsy ahazo toherana any am-paradisa angaha?.




Masiaka vao maraina ao indray Rakapy


:)

Ekeko mihitsy hoe tsy ny habetsany akory no zava-dehibe. Na olona iray aza no hotorianao ka nampiova azy izany dia fahatsapana fahafaham-po ho anao, ho an'ny tenanao no tena zavadehibe.
Nefa amin'izao fotoana dia aiza no ahitako na izay olona iray izay ihany.... io no mampandaitra ny fitoriana teny any am-ponja. Ry zareo tsinona tsy afaka mankaiza fa eo ihany ka zarany aza ianao mba manala sorisory azy eo, avy eo moa le izy mety lasa ho voasasa ihany ny atidohany satria ianao no tsapany hany fahafahany.
Aiza no ahitako ilay olona???? Mety tsy ahita aho satria efa maro izao ny zavamanahirana ny olona. Tsy hanam-potoana aminao eo izy. Mety tsy ny toriteny intsony no hampijanona azy hiatrika anao fa mety mila zavatra lalin-dalina kokoa. Tsy inona moa izany fa ny asa ampisehoanao fa ny momba anao dia ho azy sy ho anao ary ho an'ny taranakareo... tsy ankifidy! Io ny ahy no fehizoroko!
5. rakapy ( 08/04/2010 12:41)
Hoy i Soanja

Masiaka vao maraina ao indray Rakapy

Izany ve dia masiaka?
Hoy i Soanja
Na olona iray aza no hotorianao ka nampiova azy izany dia fahatsapana fahafaham-po ho anao, ho an'ny tenanao no tena zavadehibe.

Midika ve izany fa fanomezana fahafaham-po ny tenanao sy fitiavan-tena ny fitoriana??? Raha izany tsy aleo ve mamaky boky dia samy vita fa tsy mandany andro sy manakorotana ny fiainan'ny hafa izay heverinao fa mila fiovana nefa ny fifaliana ho an'ny tenanao no tena tanjonao?
6. soanja ( 08/04/2010 13:22)
rakapy:

Hoy i Soanja

Masiaka vao maraina ao indray Rakapy

Izany ve dia masiaka?
Hoy i Soanja
Na olona iray aza no hotorianao ka nampiova azy izany dia fahatsapana fahafaham-po ho anao, ho an'ny tenanao no tena zavadehibe.

Midika ve izany fa fanomezana fahafaham-po ny tenanao sy fitiavan-tena ny fitoriana??? Raha izany tsy aleo ve mamaky boky dia samy vita fa tsy mandany andro sy manakorotana ny fiainan'ny hafa izay heverinao fa mila fiovana nefa ny fifaliana ho an'ny tenanao no tena tanjonao?


ilay masiaka ery ambony dia ilay hoe "miahatsaravelatsihy" amiko tsy miatsara velatsihy izy fa izay no fantany dia ataony. Miala tsiny indray aho ra tezitra eo ianao!

Fifaliana ho ahy no tanjoko! Eny, inona moa ity fiainana ity no dikany raha alahelo ho an'ny tenanao no katsahinao?

Ny tiako ambara dia:

Ny fahafaham-po tsapa dia tsy ny fahafahako nitory teny akory fa ny fahafahako mahalala fa niova ilay olona. Izany fiovana izany dia tsy hoe lasa nitory teny amin'olon-kafa izy na hoe akory lasa mpivavaka be fa nihanilamina ny fiainana fa tsy nisafotofoto intsony ka afapo izy amin'izay ataony izy. Mahalala izay alehany sy tanjony koa. Ny fahitako ny fahafaham-pony no ho fahafaham-poko. Marina tokoa izany fitiavan-tena ny ahy. Saingy fitiavan-tena tsy mitranga raha tsy efa niasa ho an'ny hafa. Tiako ny tenako satria mitia ny hafa!
7. soanja ( 08/04/2010 13:26)
Amiko ny mitory dia tsy avy amin'ny teny fotsiny fa avy amin'ny asa arahim-panazavana.
8. ikaretsaka ( 08/04/2010 13:37)
Izay nge le hoe "asao ny tany" ry soanja e
9. soanja ( 08/04/2010 13:40)
ikaretsaka:

Izay nge le hoe "asao ny tany" ry soanja e

Namaste ka! Tsy misy kianiko ny hevitrao raha ny momba ahy.

10. bor2lais ( 08/04/2010 14:04)
Mahafaly hatrany ny mandre toriteny avy amin-drakapy ! :D

Izany no antsoina hoe anatra feno fitiavana ! Misaotra indrindra ! :D
11. rakapy ( 08/04/2010 14:23)
Hoy i Soanja
Fifaliana ho ahy no tanjoko! Eny, inona moa ity fiainana ity no dikany raha alahelo ho an'ny tenanao no katsahinao?

Dia hoy i Bor2lais
Mahafaly hatrany ny mandre toriteny avy amin-drakapy !

Izany no antsoina hoe anatra feno fitiavana ! Misaotra indrindra


Misaotra anao koa!

Soanja> Eto izao dia faly i Bor2lais namaky ny toriteniko :-D nefa ny tanjoko dia tsy hoe ahafaly ny tenako fa kosa mampita sy milaza izay mba fantatro @ hafa. Ka ny fifaliany no mahafaly ahy fa tsy ny hafaliako no mahafaly ahy.
Hoy iKaretsaka
Marina tanteraka...Ny ahy moa rakapy antitranteriko foana de ny hoe asao aloha ny tanimboly... izay vao mamafy. Fa ny voalaza koa ange dia hoe ny Ray no mpamafy e...fa misy miseho ho mitovy toerana @ Ray de "hamafy" koa hono

Izay mihintsy ilay tiako ambara.

12. bor2lais ( 09/04/2010 09:40)
ikaretsaka:

Fa ny voalaza koa ange dia hoe ny Ray no mpamafy e...fa misy miseho ho mitovy toerana @ Ray de "hamafy" koa hono

----
Sao dia mba diso mandray vilana loatra koa ary ity Ika ity !
Ny mpamafy ny Teny ve tsy mba isan'ny antsoina hoe mpamafy koa ? :D
13. soanja ( 09/04/2010 12:15)
bor2lais:

ikaretsaka:

Fa ny voalaza koa ange dia hoe ny Ray no mpamafy e...fa misy miseho ho mitovy toerana @ Ray de "hamafy" koa hono

----
Sao dia mba diso mandray vilana loatra koa ary ity Ika ity !
Ny mpamafy ny Teny ve tsy mba isan'ny antsoina hoe mpamafy koa ? :D



Ny an'Ika indray no tena hitako fa mitombina. Efa ao anatintsika Andriamanitra ary tsy hisy intsony ny famafazana fa ny fanondrahana sy fanasiana zezika ary fikolokoloana ampitiavana no atao be dia mba hampitsimoka ilay voatsimoka ao anaty. Vao teraka ny zaza iray dia efa ao aminy Andriamanitra satria iny no isany mahaolona azy.

Fa matetika anefa ataon;olona maty tondraka ilay tsimoka dia lasa maty indray ilay saika mba hanantena masoandro sy orana iny.


14. bor2lais ( 09/04/2010 12:37)
soanja:

Efa ao anatintsika Andriamanitra ary tsy hisy intsony ny famafazana fa ny fanondrahana sy fanasiana zezika ary fikolokoloana ampitiavana no atao be dia mba hampitsimoka ilay voatsimoka ao anaty. Vao teraka ny zaza iray dia efa ao aminy Andriamanitra satria iny no isany mahaolona azy.

--------
Amiko indray anefa raha efa ao amintsika tsi11 Izy dia "impossible" ny tsy hifankatiavan'ny olombelona ! Matoa mbola tsy paradisa ny eto an-tany dia mbola tsy ao amin'ny tsi11 Izy raha ny fijeriko azy ! :D

soanja:

Fa matetika anefa ataon;olona maty tondraka ilay tsimoka dia lasa maty indray ilay saika mba hanantena masoandro sy orana iny.

--------
Amiko raha efa ao anatin'ny olona Izy dia tsy olana Aminy ny resaka tondraka satria Izy indray aza angamba no manondraka na mikolokolo anao ! :D

Fomba fijeriko ihany anefa io an ! :D
15. rakapy ( 09/04/2010 12:51)
Hoy i Bor2lais

Amiko indray anefa raha efa ao amintsika tsi11 Izy dia "impossible" ny tsy hifankatiavan'ny olombelona ! Matoa mbola tsy paradisa ny eto an-tany dia mbola tsy ao amin'ny tsi11 Izy

Ka ilay paradisa anie Ry Bor2lais toa tsy tena fantatra mazava be ihany satria izay lasa dia tsy niverina ary tsy nandefa hafatra akory e? Amiko dia resaka fampaherezana sy fampanantenana ihany ilay resaka paradisa fa mety hitovy @ hoe " Inona no zavatra tsaronao sy hitanao ary niainanao talohan'ny ho tonga teto an-tany ianao?"
VALINY: Tsy misy.
16. fidinirina ( 09/04/2010 12:52)
This is attitude :
"Why we have so many temples, if God is everywhere ?"
A wiseman said : Air is everywhere, but we still need a fan to feel it.

Voalohany, ny famafazana sy fizarana dia baiko napetrak'Andriamanitra ho an'ny olombelona : "Mandehana, ataovy mpianatra ny firenena rehetra..." Misy an'izao koa ao anaty Baiboly hoe "Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy"

Manarak'izany, tsy maintsy afafy ny tenin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra ambara-pahatonga ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fihavian'i Jesoa Kristy. Mbola misy ny tsy naheno, misy ny voagejan'izao tontolo izao sns.

Noho izany dia mitady mpiara-miasa aminy Andriamanitra, izay tsy iza fa ny olona, efa nofidiany hatr@ voalohany hanjaka sy hanorina ny fanjakan'Andriamanitra eto @ izao tontolo izao. Izay rehetra manaiky ny ho fitaovan'Andriamanitra anefa dia tsy ahatsiaro tena ho "robot" velively sanatria fa miaiana ny fahasambarana sy ny fitiavana miaraka amin'Andriamanitra eo am-panaovana ny asa.

17. rakapy ( 09/04/2010 12:59)
Hoy i Fidinirina
Izay rehetra manaiky ny ho fitaovan'Andriamanitra anefa dia tsy ahatsiaro tena ho "robot" velively

Ka marina anie izany e! ny robot tsy mahatsiaro tena ho robot velively na dia robot mandra-pahafatiny aza.

Manarak'izany, tsy maintsy afafy ny tenin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra ambara-pahatonga ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fihavian'i Jesoa Kristy. Mbola misy ny tsy naheno, misy ny voagejan'izao tontolo izao sns.

Angamba kosa tsy hoe "Tsy maintsy" fa fanirin'ny xana ihany io?
18. bor2lais ( 09/04/2010 13:17)
rakapy:

Ka ilay paradisa anie Ry Bor2lais toa tsy tena fantatra mazava

-------
Raha tsy dia voanao ilay teny hoe "paradisa" dia ovay hoe "filaminana" na "fifankatiavana" sns ary e ! Satria hinoako fa any amin'izany paradisa izany dia tsy misy korontana sy adilahy intsony farafaharatsiny ! :D
19. rakapy ( 09/04/2010 13:26)
Ny tiako ambara @ ilay hoe "MAHAIZA MAMAFY" dia ity:

Raha hamafy ianao dia VOKATRA izany no tanjonao fa tsy hoe nahavita namafy voa maro be aho androany. Hatreny antendrobohitra ka hatrany anaty rano sy tsilo sns...

Raha io faray io no tanjonao dia, io ilay lazaiko hoe alasafay na mety ho fiatsaram-belatsihy koa aza.

Dia mitovy @ izany ny eo @ ara-pinoana. Tsy hoe nahavita nitory baiboly lava be aho tao anay bus sy teny an-tsena na teto @ serasera sns.... androany ka dia vita izay ny anjarako sy ny andraikitro ka tsara iny na ratsy na nisy nadray iny na tsia dia efa nahavita aho androany.

Ary io farany io no matetika fanaon'ireo milaza azy fa mpitory.
20. rakapy ( 09/04/2010 13:34)
Hoy i Bor2lais
Raha tsy dia voanao ilay teny hoe "paradisa" dia ovay hoe "filaminana" na "fifankatiavana" sns ary e !

Tsy hoe tsy voako ilay teny hoe paradisa akory fa ilay hevitra fanambaran'ny mpilaza azy no tsy ahitako fahamarinany.
Hoy i Bor2lais
Satria hinoako fa any amin'izany paradisa izany dia tsy misy korontana sy adilahy intsony farafaharatsiny

Ka izay mihintsy no fahitako azy ity. Tsy hiisy adilahy, sy korontana intsony any, ary filaminana tanteraka no any satria MATY IANAO dia tsy afaka ny hiady sy hikorontana intsony. Tony ary hilamina toy ilay fotoana talohan'ny niavianao tety an-tany indray ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4629