Mahaiza mamafy

141. bor2lais ( 20/04/2010 16:09)
Ika > misaotra anao nandika fa tena teny latina loatra amiko tokoa ilay izy !
Fa andininy fahafiry ao amin'io 1 Kor 7 io anefa io nadikanao io azafady ? :D
142. ikaretsaka ( 20/04/2010 16:12)
jereo ao @ telopolo ao .. fa za tsy mahay le andininy loatra rehefa io fa le passage 1 manontolo (na ny votoatiny) no itadidiavako anazy
143. bor2lais ( 20/04/2010 16:36)
Ity ilay 1 Kor 7 manontolo, tsara ny anarahana azy hatramin'ny voalohany angamba :

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=7&andininy=1-40&dika=

Ny andininy 32 sy 33 angamba no tianao tsindrina eto ! :D
144. ikaretsaka ( 20/04/2010 18:46)
tsy le hamaky !kor loatra ny tanjona fa le voalaza ary ambony ary hoe

Hoy i ravonjison:

Tsotra dia tsotra ilay hevitra : raha misy olona iray milaza na mitory ny ao anaty baiboly fa tsy tokony hangalatra , dia aoka aloha izy no tsy hangalatra. Ary tokony ho hitan' ny rehetra sy ny olona toriany fa tsy mangalatra izy , ary izany toetrany izany dia mifanaraka @ lazainy sy izay voalaza ao anaty baiboly
145. Mandefitra ( 21/04/2010 06:02)
Ka raha misy mitory hoe sakramenta ny mariazy nefa ny mampanao azy aza tsy manao azy de ahoana ra Ika?
146. rakapy ( 21/04/2010 06:51)
Hoy i Mandefitra
Ka raha misy mitory hoe sakramenta ny mariazy nefa ny mampanao azy aza tsy manao azy de ahoana


Dia ahoana tokony ry Mandefitra???

Raha ny voalaza ao @ ilay 1 kor 7 izay lazainareo fa tenin'A/tra mantsy dia
"Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo"

"Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy"

Ka raha io no jererena dia nanohitra ny tenin' A/tra anie izany i rapasy sy ireo mpanaraka azy e??? Sa rehefa eto dia lazaina indray fa hevitr'olombelona ilay teny???
Ataovy serieu ilay resaka.
147. bor2lais ( 21/04/2010 09:36)
ika:

sy le hamaky !kor loatra ny tanjona fa le voalaza ary ambony ary hoe

Hoy i ravonjison:

Tsotra dia tsotra ilay hevitra : raha misy olona iray milaza na mitory ny ao anaty baiboly fa tsy tokony hangalatra , dia aoka aloha izy no tsy hangalatra. Ary tokony ho hitan\' ny rehetra sy ny olona toriany fa tsy mangalatra izy , ary izany toetrany izany dia mifanaraka @ lazainy sy izay voalaza ao anaty baiboly

----------
-> Ny nanitikitika ahy mantsy dia ity resakao ity :

ika:

Valintenin-drabord--------
-> Raha mpangalatra AM-PERINASA tokoa aloha mety ho sarotra ihany ny ahazo izay lazainy e ! Ka io ny ahy no antsoiko hoe misalovana ny randrana manendrika ny hafa !

Fanamarihan\'i Ika :
\"io le nolazaiko hoe atao ahoana ny hinoana ny toritenin\'i pasitera manazava ny 1Kor 7 nefa izy aza manambady?\"

---------
1. Ny tiako lazaina amin\'io lazainao \"Valintenin-drabord\" io dia ny hoe raha olona hitam-poko hitam-pirenena (hoy ny fitenenana) fa MIAINA (io ilay lazaiko hoe AM-PERINASA) amin\'ny ota (halatra no resahina eto) dia ho sarotra ihany ny ahatakatra ny zavatra lazainy !

2. Amiko raha ny fanamarihan\'i Ika no jerena dia toa milaza izy fa fahotana ny an\'ny pasitera manambady satria nampifandraisiny amin\'io voalazako ambony io izany, ary dia nanonona ny 1 Kor 7 io izy tamin\'izany! Izay no nahatonga ahy nanontany fanazavana misimisy tamin\'i Ika.

3. Amiko manokana anefa dia toa \"réducteur\" ihany ny mamintina ny 1 Kor 7 amin\'io andininy 32 sy 33 tsindrin\'i Ika io ka nahatonga ahy nilaza hoe tsara raha vakina daholo hatramin\'ny voalohany ka hatramin\'ny farany ilay toko ... Voalaza ao ohatra ny maha fanomezam-pahasoavana ny tsi-fanambadiana (don de célibat), firifiry anefa (indrindra ankehitriny) no hita fa tsy nahafantatra tsara io akory ka lasa nanenjika ny randrana manendrika ny hafa ... :D

Fehiny : ny tiako lazaina dia toa tsy misy ifandraisany amin\'ny resakay sy ravonjison raha ny fahitako azy ny fanamarihana nataon\'i Ika ... ! :D
148. ikaretsaka ( 21/04/2010 21:00)
Misy ao rabory hoe "ny mpanao raharahan'Atra dia tsara tsy manambady". De ny tiako hahatongavana raha mbola fanina ianao de complementaire an'ilay mahaiza mamafy sy ohatra vrak be ao hoe mpangalatra sns..
Ny tiako lazaina de hoe raha pasitera izay olon'Atra..no milaza an'io nefa izy manambady.... sarotra inoana. Ihany an...
Sa lasa @ le hoe "aza ny ataoko ro atao fa ze lazaiko tanteraho" le toriteny eto?
149. Mandefitra ( 22/04/2010 05:52)
o ra Ika, efa mba novakianao ve ireto?
1 - tsy tsara raha irery ralehilahy
2 - Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja
3 - aleo manambady toy zay ho maimay
4 - notsaboin'i Jesoa ny rafozam bavin 'i Piera zay nanavy ... kanefa ny papa dimbin i Piera
5 Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin'ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demony, 2 izay haelin'ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany; 3 handrara tsy hanambady izy

Ankoatr ilay nolazain i bor2lais hoe fanomezam pahasoavana ange ny ilay mahatokatena (don de celiba). fa raha tena don tokoa le izy mantsy, tsy tokony ho nisy akory ny scandale pedophile tao @ ekar...

Ka mahaiza mamafy fa aza mitsimpona :D
150. rakapy ( 22/04/2010 06:32)
Tena mifanilaka marina ny samy xana!
Io no vokatr'ilay famafazana be fahatany. Samy manao ny saim-patany ny rehetra, mifanenjika sy mifanaratsy ary mifanasoketa.

Maty hasina ilay baiboly e! i rajesosy angamba efa voan'ny depression sy stress mihintsy any @ izay misy azy any.
151. ikaretsaka ( 22/04/2010 14:37)
Mandefitra> ka tsy lehilahy nge ny resaka eto fa ny. [B]voatokana hanao asan'Atra e[/b]

Efa tsinjoko fa hitsimpona zavatra tsy hifandraika any ho any indray hanatailanina ilay miharihary mazava be mba hety @ le revirevesana
152. Mandefitra ( 23/04/2010 05:57)
:D

ika>moa ny pretra sy ny papa ve tsy voatokana hanao ny asan' Atra va? ary tsy lehilahy ve ireo?
Fa mba manitikitika ny saiko hoe avy aiza ilay don de celiba? fanomezam-pahasoavana avy @ Andriamanitra ve sa nahim-pon'ny olombelona tsotra zao, sa lalam-piangonana?

rakapy>ny filazana ny zava marina tsy resaka mifanilaka. ny fanafenana izany aza no toa firaisana tsikombakomba @ ratsy.

ARy na Jesosy aza tety an-tany tsy nikoso-maso nanitsy ireo zay heverina ho olon dehiben ny fiangonana mihitsy ... ny fariseo sy ny sadoseo.





153. rakapy ( 23/04/2010 08:35)
Hoy i Mandefitra
rakapy>ny filazana ny zava marina tsy resaka mifanilaka. ny fanafenana izany aza no toa firaisana tsikombakomba @ ratsy.

ARy na Jesosy aza tety an-tany tsy nikoso-maso nanitsy ireo zay heverina ho olon dehiben ny fiangonana mihitsy ... ny fariseo sy ny sadose


Marina ny teninao ary izay filazana sy firesahana ny zavatra hita sy tsapa ary marina izay indrindra no ahitana voka-tsoa. Somary nataoko sangy miaro fanairana mantsy ilay teny nolazaiko tery ambony tery kay takatrao tsara ilay tiako lazaina.

Fa amiko aloha dia tsy tokony ny maha lhl na vhv na selibatera na manam-bady no olana. Io manko dia tsy fifankazaoana naterak'ilay baiboly. Ny zava-dehibe amiko dia ny hoe:
-Tafita sy nahavokatra tokoa ve ilay voa nafafy?
-Raha tsy namokatra tsara, inona no lesoka sy tsy nety?
-Inona no tokony hatao hanarenana izany?

Raha ny fahitako sy fijeriko azy mantsy dia ny teny ao anaty baiboly irery ihany no mamehy ireo xana, ka matahotra izy ireo ny hanova sy hankato zava-baovao eny fa na dia hita sy tsapa aza fa misy ny tokony hamboarina sy havaozina izy ireny mba hifanaraka @ vanim-potona iainantsika izao.
154. bor2lais ( 23/04/2010 09:23)
rakapy:

Raha ny fahitako sy fijeriko azy mantsy dia ny teny ao anaty baiboly irery ihany no mamehy ireo xana,

-> Tsy hoe mamehy angamba no izy fa hoe fototra no metimety kokoa ... Izany hoe avy ao no miainga izay rehetra atao. Misy zavatra azo atao tsara na dia tsy voasoratra mivantana ao aza ... :D

rakapy:

ka matahotra izy ireo ny hanova sy hankato zava-baovao eny fa na dia hita sy tsapa aza fa misy ny tokony hamboarina sy havaozina izy ireny mba hifanaraka @ vanim-potona iainantsika izao.

-> Amin'ny maha-fototra azy (baiboly no resahiko eto) dia tsy mety ny hanovana azy raha ny fijeriko, saingy azo atao tsara kosa ny mamboatra na mandoko ny rindrina eo amboniny hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainantsika ... Izany hoe ny fanamboarana rehetra dia tokony hifanaraka amin'ny fototra hatrany ... fa tsy ny fototra akory no ovana mba hifanaraka amin'ny fanamboarana tiana atao !

Fomba fijeriko ihany anefa io ! :D
155. rakapy ( 23/04/2010 09:55)
Hoy i Bor2lais
Tsy hoe mamehy angamba no izy fa hoe fototra no metimety kokoa ... Izany hoe avy ao no miainga izay rehetra atao. Misy zavatra azo atao tsara na dia tsy voasoratra mivantana ao aza ..

Izay mihintsy anie no tokony ho izy e! Fototra io. Nefa dia misy dia misy tokoa ny mipetraka sy miaina eo ambony fototra ary tsy te hanangana rindrina na hanafo na handoko araka ny voalazanao.

Raha oharinao @ trano ilay baiboly, dia toy izao no fijeriko azy.
-Ny fototra dia efa vita, ary ataoko fa nahorin'ny mpanorina azy izy io mba haharitra sy hateza ary koa hifandraika @ vanim-potoana rehetra.
-Ny rihana voalohany sy faha2 na 3 na ... efa norafetin-dry razambe isany
-Tonga izao ny zafin-kitrokely sns...ka mila mampiakatra rihina satria izay no takian'ny fiainany @ zao fotoana izao.
Eo isika amin'izao!
156. ikaretsaka ( 23/04/2010 12:03)
Mandefitra:

:D

ika>moa ny pretra sy ny papa ve tsy voatokana hanao ny asan' Atra va? ary tsy lehilahy ve ireo?
Fa mba manitikitika ny saiko hoe avy aiza ilay don de celiba? fanomezam-pahasoavana avy @ Andriamanitra ve sa nahim-pon'ny olombelona tsotra zao, sa lalam-piangonana?

rakapy>ny filazana ny zava marina tsy resaka mifanilaka. ny fanafenana izany aza no toa firaisana tsikombakomba @ ratsy.

ARy na Jesosy aza tety an-tany tsy nikoso-maso nanitsy ireo zay heverina ho olon dehiben ny fiangonana mihitsy ... ny fariseo sy ny sadoseo.


1) ry Masera kao ange voatokana hanao asan'Atra e.. sa lehilahy ireo?

2)Avy @ vocation sy avy @ Atra, ary @ fahalalanao ny tenanao ka nahatonga ny lalana nirafitra ho azy ny don de celibat ka... ary misy antony io matoa nomeny (antony izay efa nolazain'i paoly io)
NB: amiko ny lalana manko na mipetraka aza dia miankina aminao sy ny fahafantaranao ny tenanao ihany ary ny fanasoavana ny hafa no nipoirany: ohatra hoe zavatra 1 hainao fa tsy vitan'ny tenanao sy fantatry ny vatanao ny vokany sy concsient @ vokatr'iny @ hafa dia izay no lalana...dia ianao no manapa kevitra hoe bon hataoko sa tsy hajaiko... ny sisa (le hitsivolana be iny sous forme fotsiny amiko)

3) Momba ilay filazana ny zavatra marina: tsy hoe mifanilaka angamba no filaza izany fa hevero tahaky ny hoe raha nipetraka teo @ na roram-paraky ohatra i mandefitra ka naloto ny malabarinao, ka miteny rakapty hoe maloto ny malabarinao... tsy manilaka kosa izay, ka na noteneniny ho henon'ny olona rehetra iny ka lasa akoralava na nobitsihiny... naloto le izy de naloto


157. bor2lais ( 23/04/2010 12:49)
HS
ika:

ka na noteneniny ho henon'ny olona rehetra iny ka lasa akoralava na nobitsihiny... naloto le izy de naloto

---
Mety samy hafa ny vokatry ny hoe "nobitsihina" sy ny hoe "noteneniny ho henon'ny olona rehetra" ho an'ilay naloto an !
mikatona ny HS ! :D
158. ikaretsaka ( 23/04/2010 13:23)
fa ny hampahafantatra ny hoe misy loto no tanjona eto ka

ka na rentany ren-danitra io na natao bitsika .. de tafita foana ilay tanjona hoe nampafantarina ny tompony hoe naloto le izy
Hs out!
159. bor2lais ( 23/04/2010 13:31)
HS in
Mitovy ihany izany ny "miteny am-pitiavana" sy ny "manala baraka" amin'i Ika an ?
HS out :D
160. rakapy ( 23/04/2010 13:51)
HS :arrow:
Amiko raha io fisehon-jazavatra resahinareo mitsam io dia mety angamba ny mandinika vao miteny @ ilay olona. Raha akama daholo y manodidina dia mety tsisy koi, fa raha ao anaty taxi-be na eo imason'olona tsy dia fantatra loatra kosa no hitabataba, dia mety mana waiaka an'ilay voatondro iahany indraindray. Arakaraky ny fomba fiteninao sy ny fandraisany azy koa io e!
HS :arrow:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0759