Mitahy ve ny razana?

81. soanja ( 09/10/2009 14:48)
ravonjison:


Izany koa dia tsy miankina velively @ hevitrao na ny hevitro, ny fombanao na ny fombako, experience-nao na ny experience-na
o. Donc tsy miankina amiko na aminao velively izany, na @ izay zavatra lazaiko eto.Tsy misy hidiran\' ny experience personelle @ izany koa.




Tena miankina TOKOA amin'ny hevitro sy ny experience-ko ary ny fombako ny zavatra inoako.


82. Veloo ( 09/10/2009 14:50)
Hoy i soanja


Mbola tsy nahita an'i Kristy niteny/ nilaza na nametraka teny tao anaty baiboly ka nanonona ny teny hoe "Kristianina" ka voafaritra mazava


here we go back to the Bible??? how come?????
83. Veloo ( 09/10/2009 14:52)
11. Mpandefa : Rajim [ Valio ] 08-10-2009 07:27:14
Lohateny : Re : Mitahy ve ny razana?
Koa raha mitahy ny razana dia ny kamboty no sambatra indd,amiko misy hery roa eto amboni'ny tany Atra sy ny Devoly ary samy mampiasa ny zavatra rehetra ireo hanaraka azy,ny hoe fitahiana dia avy @ Atra fa sari-tsariny ny an'ny Devoly ,avy eo aoriana misy tambiny,fa ny an'Atra maimai-poana toan'ny fanomezana io masoandro mibaliaka io hoan'ny olona tsy an-kanavaka.
Amen


Amen Rajim a
84. xxx ( 09/10/2009 14:58)
Djhamhal:

Zao ary é! ndao ary somary itarina kely ndray ity ady hevitra ity : ka izao ary : ny Kristianina ary ve mino ny fitahian'ny razana ? ra tsia ! dia oh :i Victoire Rasoamanarivo ;azo antsoina we razana ve ?? sa tsia ?? ary mitahy ny kristianina ve izy sa tsia ? ary matetika aza ny mpitondra fivavahana dia manonona ireo olona efa maty !



Izay no saika holazaiko , mety katolika no hino io fa tsy kristiana hafa
85. soanja ( 09/10/2009 15:04)
ravonjison:


Ianareo milaza fa mitahy ny razana, mba omeo porofo mazava aho eto mikasika izany....@ fomba ahoana ny fisehoan\' ilay fitahianana ?




Tsara petraka ny fanontaniana? Ahoana tokoa ny fisehon'ny fitahiana?

Ndeha ho raisiko ny zavamisy A ary ny zavamisy B. Te hiala amin'ny A aho ary ho ary amin'i B

Ny fisehon'ny fitahiana dia ny fialana ami'ny teboka A mankeo amin'ny teboka B ary ny elanelana eo dia ny FINOANA ny razana sy ny asa atao mifandraika fialana amin'ny A ary ny fizorana mankany amin'ny B. Misy hery mila anananao amin'ny fanaovana izany avy amin'ny tenanao; herin-tsaina, herim-batana ary ny finoana fa ho tafita. Raha tsy misy ny zavatra manentana anao hiatrika ny asa izay mamoaka hery dia ho sasapoana izany. Io zavatra manentana io no FINOANA izay miteraka FANANTENANA. Ny fanantenana dia zavatra tsy azo tsapain-tanana. Ny fanantenana dia miteraka FITONIANA. Azo refesina ny fisian'ny fitoniana ao anatin'ny olombelona. Ny fitoniana dia mitondra amin'ny fahombiazana satria ao anatin'io koa dia tokony hisy ny fifantohana, ny asan'ny atidoha, ary ny fahavitrihana. Ary ny fahombiazana dia ny zavamisy B.

Io dia azo ampiharina avokoa na amin'ny finoana an'Andriamanitra, na ny finoana ny razana na ny biby na ny finoana ny tenananao.

Mbola betsaka ny zavatra tsy voazavantsika olombelona eo amin'ny fiainantsika. Saingy ny zavatra manentana anao kosa hahavita zavatra iray dia zava-dehibe izany raha toa ka hataonao ka hanatsarana ny fiainanao sy ny hafa ary ny tontolo iainana misy.




86. ni81 ( 09/10/2009 15:10)
T@ mbola kely manara-drian-drano fotsiny izay lazain'ny RAD dia nino fa hoe tsy maintsy atao ny famadihana fa @ izany no ahazoana ny fitahian'ny razana ary indrindra koa fa fanajana azy ireo ka tsy maintsy atao foana io isaky ny 5 taona (tao @ fianakavianay). Dia misy mozika be, ary tsy maintsy asaina daholo ny fianakaviana izay mety ho tratra antso, ary ireo mpiara-monina.
Dia mandeha tokoa ary faly ery t@ zany manao fety sady mihaona @ havana maro efa tsy nihaona elabe no sady mihinana vary be menaka :lol:
Taty aoriana vao nahatsapa rehefa mba nianatra nandinika tsikelikely ny tao anaty baiboly, fa hay ity izy fandaniam-bola tsy misy dikany ihany fotsiny...
87. soanja ( 09/10/2009 15:17)
ravonjison:


Manarak\'izany mba omeo malinteny mazava aho mikasika itý tranaga itý. Izaho mantsy olona pratique, ka ny vokany @ fiainana andavanadro ihany no tena mahalianan sy mampieritrritra ahy :
Atý aminay rehefa manao famadihana dia mifarombaka maka ilay vorotsihy namonosana ilay razana ny olona izay mbola tsy manana zaza ( ny olona izay mitady fitahiana @ ankapobeny moa izany),atao ao ambany ondala ilay izy @ alina, satria hono mitahy sy manome zaza @ alalán\'iny ny razana.
Izao ary ilay tranga:
Misy mpivady vao mikasa ny hiteraka, mitady zaza. Natoron\'ny ray amn-dReny hevitra izy ireo hoe , hanao famadihana atsy ho atsy ka tsara raha mangataka fitahiana @ razana , ka haka ilay vorotsihy, @ izay hiteraka tsy ho ela.
Nandá anefa ilay ramatoa, hoy izy: izaho tsy mino izany , satria tsy mitahy izany ny razana. Ka tsy hitako izay hanadaniana andro @ izany.
Ilay rangahy kosa anefa nidrikina, fa hoe tsy maintsy maka ilay vorotsihy hono ranmatoa, satria efa te hananjanaka rangahy.
Noteren\'ny fianakavian-dRalehilahy ary ramatoa ka nanaiky fa haka ilay vorotsihy , eny fa na dia tsy mino izany aza.
Natao tokoa ny famadihana, ary dia nifarombaka naka ilay vorotsiky toy ny adala ramatoa na dia tsy antsitrapony aza.

Afaka 2taona nitoe-jaza ramatoa ary niteraka soamantsara ireo.
Dia valio ary ilay fanontaniana : nitahy azy ireo ary ve ny razana ka nahazo zaza izy ireo sa tsia ?
Satria ramatoa tsy nino, dia tsy nitahy izany ilay razana !!!
Rangahy kosa nino dia fitahiana avy @ razana izany ilay zaza !!!

Dia omeo ary ny valintenionareo. Nitahy azy ireo ny razana sa tsia ?

Ny ahy ny valinteniko dia mazava : tsy nitahy ny razana . Toy ny rehetra ihany izy ireo, tsy nanana olana ara-pahasalamana ka niteraka.
Izany dia tsy miankina veliively @ finoan\' izy roa @ fitahian\' ny razana.



Ny vorontsihy aloha tsy hampiteraka fa tsy maintsy ny firaisan'izy mivady ka misy ny fahatanjahan'ny fananahan'ilay rangahy mitondra tsirinaina feno ary ny fahavokaran'ilay ramatoa ao amin'ny fivaviany no hanome ny fiforonan'ny zaza. Ny hoe hino na tsy hino ilay ramatoa dia miankina aminy izany. Ilay rangahy izao nino dia tanteraka ny azy. Ny fiforonan-jaza tsy mandeha irery tsinona raha resaka fiterahana mahazatra no resahina.

Ny fitahian'ny razana eto dia ny fahafahandry zareo manana ny aina (hery velona) hahafahany miteraka ary ny firoboroboana nahatongavana amin'izany. Raha toa ka tezitra ilay ramatoa ohatra hoe zah tsy hiteraka amin'ny olona minomino foana dia hoy aho hoe tsy nitahy ilay razany izany satria tsy hiteraka ireto satria tsy hisy ny firaisana.

Fa matoa mbola nanohy ny fanambadiana izy roa ka niteraka dia nitahy ny razana izany.

Ny fitahiana dia tsy resaka zavatra azo tsapain-tanana fa ny fitoniana ao amin'ny tsirairay manome hafaliana, fanantenana ary ny fahafahana manantanteraka izay zavatra tiana hatao.

Tsy hoe akory raha lasa ampanarivo aho dia nitahy ny razana satria misy vola be ao amin'ny bankiko fa nitahy ny razana satria afaka faly aho ary afaka miroborobo noho ny fananako azy ireo fantatro fa mitsinjo ahy.


88. soanja ( 09/10/2009 15:27)
ni81:

T@ mbola kely manara-drian-drano fotsiny izay lazain'ny RAD


Eo zany ny olana koa. Manara-drenirano fotsiny. Firifiry moa amintsika no tena mpanara-drenirano. Misimisy tokoa raha ny eto amin'ny finoana sy fivavahana no tazako saingy akory atao izay no mahaolombelona ny olombelona samihafa avokoa; be ny tsy misaina ary be ny mora fitahina.

Taoko firifiry ny olona fantatro lany vola sy harena mandoa ny adidy any ampiangonana sy ny 1/3 ny fananana sns sns.... nefa galabonan-dry zareo mpitarika amin'ny 4x4 ny herin'ny madinika tsy manantsina fa noho ny finoany.

Ny fanarahana ny netin-drazana dia ilaina lalandava atao amin'ny fo sy ny fahafahana amiko. Ampiasaina ny saina fa tsy manaradrenirano hoe hampiteraka anao ny vorontsihy dia hiteraka ianao. Hano ny vary be menaka fa izay no atao amin'ny famadihana nefa ny tena mety alerjika ny henakisoa. Raha tsy mampiasa saina dia voambaka foana n'aiza n'aiza io na any ampiangonana na ny eny ampasana e!


89. soanja ( 09/10/2009 15:34)
ni81:


rehefa mba nianatra nandinika tsikelikely ny tao anaty baiboly



Misy ankizy fantatro izay tamin'ny mbolakely dia tia manao herisetra be mihisty. Taty aoriana dia nivadika namonjy ireny toeram-pivavahana ireny fa nisy nitondra tany, avy eo manakana olona eny an-dalana hitory teny, tsy misaraka amin'ny baiboly. Gaga aho taty afara fa nipotsoka ny niafarany: fa sady nivazavaza teo amin'ny rivotra amin'ny toerana tsy misy mpihaino, tsy nisakafo ary tsy nisotro rano dia nivalloharika nampatahotra tazaninay avy lavitra. Nisy naka teo izy ny farany ary nalefa tany amin'ny tranonadala tany Lazaret. Mampahonena ihany.

Inona moa no tiako hambara fa dia io fandinihina baiboly io aza mampitapy ihany koa na tsy ho fandaniam-potoana fotsiny aza!


90. soanja ( 09/10/2009 15:59)
soanja:

Omeko manaraka ny fombafombanay, izay mino ny razana fa mitahy, izay antsoina hoe " Ny fandrazanana" mba ho isan'ny mpitahy ilay olona nandao ny velona.


Ireto voalazan'ny hira ireto dia isan'ny zavatra tokony atao sy hananana ary hinoana dia hisy ny fitahiana.


Raha ho avy Ralala- Noventsoin'i Mahaleo

Raha ho avy Ralala ny taona hodiako
Ao ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy
Ka ny vato hisolo ny kidoro hatoriako
Izao no mba zavatra hataovinao ahy

Voleo voninkazo eo an-dohan'ny fasako
Fotsy sy mavo ary manga sy mena
Ka avelao haniry eo mandram-pifohako
Mba hatsiarovako ilay fanekena

Ny fotsy ho marik'ilay fahadiovana
Misy aminao tsy mba azo lotoina
Soratra velona tsy azo vonoina
Io no horim-bato izay nifanaovana

Ny endriny mavo,ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Mba hitsinjovany anao tsy ho irery
Ombany raha sendra tsy misy mpijery

Ny manga ho marik'ilay fihafiana
Niaraha-niaritra zava-mangidy
Dia ilay andro namoizana ilay fifaliana
Niaraha-niaritra zava-tsy fidiny

Ny mena ho taratry ny afo tsy maty
Mirehitra lava ao anaty ny foko
Io ilay fitia fitia tena anaty
Fitia vokase sy voatomboka loko


Ny fasako ataovy eo an-drefan-tanana
Ataovy mikasika ny ila-kamory
Soraty eo ny tenin'ny fanantenana
Tsy maty aho akory fa mbola matory

Ny moron'ny rano voleo volotara
Ka jerijereo aza avela ho maina
Tarafo eo aho fa tsinjonao tsara
Tsy hiala eo aho raha tsy efa maraina

Na dia maty aza anie izany tenako be
Ka hiraraka an-tany ny rà ao am-poko
Ny fitiavako anao ka betsaka anie
Tsy mba ho maty tsy mba ho lo



91. ni81 ( 09/10/2009 16:22)
Hoy i ni81:rehefa mba nianatra nandinika tsikelikely ny tao anaty baiboly
Inona moa no tiako hambara fa dia io fandinihina baiboly io aza mampitapy ihany koa na tsy ho fandaniam-potoana fotsiny aza!
Hay moa! Fa ny ahy tsy toy ireny fianarana ataon'ny teolojiana isan-karazany ireny ka! Fa mba mamaky, dia manadihady, dia mamakafaka kely sy bitika monja:)
Ka raha toa mahalasa adala izany ilay fianarana lasa lavitra ataon-dry mopera sy ny tariny rehetra ireo tsy ho feno ve ny toeram-pitsaboana marary saina? :roll: aza hitako moa!!!
92. soanja ( 09/10/2009 16:35)
ni81:

Fa ny ahy tsy toy ireny fianarana ataon'ny teolojiana isan-karazany ireny ka! Fa mba mamaky, dia manadihady, dia mamakafaka kely sy bitika monja:)



Ka iza moa no tsy manao izany na mino ny razana aza raha olona misaina izy. Efa namaky ary nanadihady ary mamakafaka toy ny nataonao amin'ny baiboly koa ny tenako momba ny finoana ny razana. Koa aza tsintsinoaviny any an'olona fa ny anao no ataovy tsara sy hahabotrabotra anao!

ni81:


Ka raha toa mahalasa adala izany ilay fianarana lasa lavitra ataon-dry mopera sy ny tariny rehetra ireo tsy ho feno ve ny toeram-pitsaboana marary saina?



Raha misy olona mpandalina finoana dia ny tenako. Ny andaniako ny 1/4 ny ron-dohako dia ny teolojia. Noho izany tsy mahalasa adala ny fianarana teolojia raha halalalinina fa raha hanao dogma kosa ianao dia ho lasa adala tokoa.

Miankina amin'ny fahavitrihan'ny tsirairay sy ny fahatakarany ny fiasan'ny fiainana no iantefan'ny zavamisy eo aminy. Tsarao ny hafa raha tianao. Fa raha fandaniam-potsiny aminao ny fanarahana fomban-drazana sy ny finoana ny razana dia tazomy ho anao izany fa tsy mahatsara ny fanabatiana ny finoan'ny hafa.


93. ravonjison ( 09/10/2009 16:48)
Hoan\' i Soanja :


Afangaronao tanteraka ireto zavatra roa ireto : ny zava-misy , ny fanazavana na ny fandraisanao azy .

1-ny zava-misy : ohatra : maty Rasoa, tondra-drano , ny cancer -ny uterus, ny dia lasa vovoka ary tsy mitahy, sns... Ireo dia zavatra efa voaporofo , fantatra, ary tsy miankina velively @ finoanao, na ny eritreritrao, na ny fanirianao.

2- Ny fandraisanao na ny fanazavano ny zava-misy : ny fanazavanao na ny fandraisanao ilay zava-misy kosa dia miankina tanteraka @ finoanao, ny hevitrao, ny fahalalanao, ny fandrosoanao, ny toe-pahasalamanao sns...Eto dia azonao atao ny miteny izay tianao lazaina, mety ho diso tanteraka anefa ianao raha tsy ampy ny fahalalanao, na mivadika ny atidonhanao.
Ny finoana izany eto dia fitaovana iray ahazoanao miatrika, na manazava ny zava-misy. Fa tsy milaza velively ny zava-misy , ary tsy voatery mifanaraka @ marina.

Raha miala @ point A makany @ point b izany ianao dia ny finoana ny fitahian¨ny razana no entinao miatrika izany, entinao hanamboarana ny sainanao. Izany anefa tsy milaza velively fa mitahy tokoa ny razana. Eritreretinao fotsiny hoe miatahy izy , mba hahazoanao herin-tsaina , fanantenana ary finoana fa ho tafita.

Azoko ekena fa fanamboaran-tsaina ( miankina @ finoanao sy ny fahaizanao sns...) ilay finoana ny fitahian\' ny razana , fa kosa tsy misy hifandraisany @ zava-misy. Ny zava-misy dia : ny maty dia efa maty ,ary tsy mahavita inona intsony ( tsy miankina velively @ iza n\'iza izany).
94. ni81 ( 09/10/2009 17:28)
Miankina amin'ny fahavitrihan'ny tsirairay sy ny fahatakarany ny fiasan'ny fiainana no iantefan'ny zavamisy eo aminy. Tsarao ny hafa raha tianao. Fa raha fandaniam-potsiny aminao ny fanarahana fomban-drazana sy ny finoana ny razana dia tazomy ho anao izany fa tsy mahatsara ny fanabatiana ny finoan'ny hafa.
Ady hevitra no atao eto ary ny niseho tamiko no nolazaiko sy notantaraiko.
Hoy ianao hoe: mampitapy sns dia izay koa no nanazavako teo aloha teo hoe
Ka raha toa mahalasa adala izany ilay fianarana lasa lavitra ataon-dry mopera sy ny tariny rehetra ireo tsy ho feno ve ny toeram-pitsaboana marary saina? aza hitako moa!!!
95. cutie ( 09/10/2009 18:16)
cutie :

Voalaza teo :
ho anao samirery zany


ié, sady azo tsapain-tanana sy azo porofoina mintsy ny mahamarina an'io an,sao dia lasa miombon-kevitra amiko eo

mitahy ny razana amiko fa aminao zany izy tsy mitahy de zay zany koa lol
96. cutie ( 09/10/2009 18:22)
Mpandefa : ravonjison [ Valio ] 09-10-2009 11:15:49
Lohateny : Re : Mitahy ve ny razana?
Hoy i LazaDaddy:

raha mitahy ny razana dia ny firenena "anemist" toa an'i Madagasikara no tokony mandroso indrindra maneran-tany




Marina dia marina ilay voalazano. Fa somary ampiako ilay hevitra satria afangaron' ny sasany ilay izy.


Hoan¨i Soanja, Cutie, Ika :

Afangaronareo tokoa ilay izy. Ny valinteny ilaina dia ny hoe : mitahy ve sa tsia ? Fa tsy hoe mino ve ianao sa tsia ?

Ny razana na izy mitahy sa tsia. Tsy misy hidiran' ny finoana ao. Izany koa dia tsy miankina velively @ hevitrao na ny hevitro, ny fombanao na ny fombako, experience-nao na ny experience-nao. Donc tsy miankina amiko na aminao velively izany, na @ izay zavatra lazaiko eto.Tsy misy hidiran' ny experience personelle @ izany koa.
Izay maty dia maty ,ary tsy mahavita inon'inona intsony.
Ny gasy no mampiditra sy mampifanandrify ny fiainany @ izany.

I Ika moa nanao ohatra mikasika ilay cancetr-na uterus. Ny cancer-na uterus dia misy , ary tsy miankina @ finoanao , na ny finoan' i Niryny ny fisiany.Ny fisiany dia azo porofoina mazava : maka tissu avy @ uterus ( biopsie), dia jerena @ microscope. Izany no hilazana fa misy ilay izy. Fa tsy hoe rehefa mino ianao diy misy io, raha tsy mino kosa dia tsy misy ilay izy.

Ianareo milaza fa mitahy ny razana, mba omeo porofo mazava aho eto mikasika izany....@ fomba ahoana ny fisehoan' ilay fitahianana ?

Manarak'izany mba omeo malinteny mazava aho mikasika itý tranaga itý. Izaho mantsy olona pratique, ka ny vokany @ fiainana andavanadro ihany no tena mahalianan sy mampieritrritra ahy :
Atý aminay rehefa manao famadihana dia mifarombaka maka ilay vorotsihy namonosana ilay razana ny olona izay mbola tsy manana zaza ( ny olona izay mitady fitahiana @ ankapobeny moa izany),atao ao ambany ondala ilay izy @ alina, satria hono mitahy sy manome zaza @ alalán'iny ny razana.
Izao ary ilay tranga:
Misy mpivady vao mikasa ny hiteraka, mitady zaza. Natoron'ny ray amn-dReny hevitra izy ireo hoe , hanao famadihana atsy ho atsy ka tsara raha mangataka fitahiana @ razana , ka haka ilay vorotsihy, @ izay hiteraka tsy ho ela.
Nandá anefa ilay ramatoa, hoy izy: izaho tsy mino izany , satria tsy mitahy izany ny razana. Ka tsy hitako izay hanadaniana andro @ izany.
Ilay rangahy kosa anefa nidrikina, fa hoe tsy maintsy maka ilay vorotsihy hono ranmatoa, satria efa te hananjanaka rangahy.
Noteren'ny fianakavian-dRalehilahy ary ramatoa ka nanaiky fa haka ilay vorotsihy , eny fa na dia tsy mino izany aza.
Natao tokoa ny famadihana, ary dia nifarombaka naka ilay vorotsiky toy ny adala ramatoa na dia tsy antsitrapony aza.

Afaka 2taona nitoe-jaza ramatoa ary niteraka soamantsara ireo.
Dia valio ary ilay fanontaniana : nitahy azy ireo ary ve ny razana ka nahazo zaza izy ireo sa tsia ?
Satria ramatoa tsy nino, dia tsy nitahy izany ilay razana !!!
Rangahy kosa nino dia fitahiana avy @ razana izany ilay zaza !!!

Dia omeo ary ny valintenionareo. Nitahy azy ireo ny razana sa tsia ?

Ny ahy ny valinteniko dia mazava : tsy nitahy ny razana . Toy ny rehetra ihany izy ireo, tsy nanana olana ara-pahasalamana ka niteraka.
Izany dia tsy miankina veliively @ finoan' izy roa @ fitahian' ny razana.

hevitrao mankokana zay, fa ny hevitray efa nambaranay ka manin no terena we omeo porofo sy ny tariny, ny finoana tsy mila ady hevitra lava be, mino enao tsara tsy mino enao tsara.
97. cutie ( 09/10/2009 19:19)
so de hiverina hilaza eo ndray ravonjison we tsy misy idiran'ny resaka finoana io, amiko misy idirany de zay :)
98. soanja ( 09/10/2009 20:16)
ravonjison:

Hoan\' i Soanja :


Afangaronao tanteraka ireto zavatra roa ireto : ny zava-misy , ny fanazavana na ny fandraisanao azy .
1-ny zava-misy : ohatra : maty Rasoa, tondra-drano , ny cancer -ny uterus, ny dia lasa vovoka
2- Ny fandraisanao na ny fanazavano ny zava-misy : ny fanazavanao na ny fandraisanao ilay zava-misy kosa dia miankina tanteraka @ finoanao, ny hevitrao, ny fahalalanao, ny fandrosoanao, ny toe-pahasalamanao sns...Eto dia azonao atao ny miteny izay tianao lazaina. Ny finoana izany eto dia fitaovana iray ahazoanao miatrika, na manazava ny zava-misy. Fa tsy milaza velively ny zava-misy , ary tsy voatery mifanaraka @ marina.

Raha miala @ point A makany @ point b izany ianao dia ny finoana ny fitahian¨ny razana no entinao miatrika izany, entinao hanamboarana ny sainanao. Izany anefa tsy milaza velively fa mitahy tokoa ny razana. Eritreretinao fotsiny hoe miatahy izy , mba hahazoanao herin-tsaina , fanantenana ary finoana fa ho tafita.

Azoko ekena fa fanamboaran-tsaina ( miankina @ finoanao sy ny fahaizanao sns...) ilay finoana ny fitahian\' ny razana , fa kosa tsy misy hifandraisany @ zava-misy.


Tena afangaroko mihitsy ireo roa ireo ka. Izay ny momba ahy. Afaka manafangaro zavamisy sy ny tsapako ao anaty aho. Izay no mahafinoana iainana ilay finoana fa tsy hoe resaka ambony latabatra.

Ianao tsy afaka hilaza ahy hoe diso na marina na mivadika atidoha na tsia fa ny tenanao ihany no fantatrao na marina aminao io na tsia ary mivadika ny atidohanao na tsia rehefa mahita an'io dia olanao koa izay.

Raha manopy taratra-doko mahafinaritra be ny volon'ny natiora manoloana ahy ka mahatsapa aho fa tsara sy mampitony ahy izany any anatiko any. Dia hoy aho hoe mitahy ny natiora satria mamelombelon'aina ahy. Ny fiantefan'izany amin'ny fanahiko no ilazako fa mitahy izy na dia tsy mikasika ahy aza ireo zavatra hitako ireo fa manao ny mahanatiora azy. Ny fidirany lalina any anatiko mety tsy hitovy amin'y fidiran'izany amin'i Lita manakaiky ahy eo.

Ny fitahian-drazana amiko dia ny fahatsapan'ny tsirairay fa tsy irery izy ireo eto amin'ity tany fandalovana ity fa misy fanahy be dia be miahy sy mikarakara ary io fifandraisana io dia atao ampitiavana fa tsy antery setra na hoa adidy ka tsy maintsy vitaina.

N'inona n'inona atao ka mihevitra ianao fa adidy no anaovana izany fa tsy vokatry ny fo mitempo fitiavana dia sasapoana avokoa.

99. cutie ( 09/10/2009 20:23)
Tena afangaroko mihitsy ireo roa ireo ka. Izay ny momba ahy. Afaka manafangaro zavamisy sy ny tsapako ao anaty aho. Izay no mahafinoana iainana ilay finoana fa tsy hoe resaka ambony latabatra.

Ianao tsy afaka hilaza ahy hoe diso na marina na mivadika atidoha na tsia fa ny tenanao ihany no fantatrao na marina aminao io na tsia ary mivadika ny atidohanao na tsia rehefa mahita an'io dia olanao koa izay.

Raha manopy taratra-doko mahafinaritra be ny volon'ny natiora manoloana ahy ka mahatsapa aho fa tsara sy mampitony ahy izany any anatiko any. Dia hoy aho hoe mitahy ny natiora satria mamelombelon'aina ahy. Ny fiantefan'izany amin'ny fanahiko no ilazako fa mitahy izy na dia tsy mikasika ahy aza ireo zavatra hitako ireo fa manao ny mahanatiora azy. Ny fidirany lalina any anatiko mety tsy hitovy amin'y fidiran'izany amin'i Lita manakaiky ahy eo.

Ny fitahian-drazana amiko dia ny fahatsapan'ny tsirairay fa tsy irery izy ireo eto amin'ity tany fandalovana ity fa misy fanahy be dia be miahy sy mikarakara ary io fifandraisana io dia atao ampitiavana fa tsy antery setra na hoa adidy ka tsy maintsy vitaina.

N'inona n'inona atao ka mihevitra ianao fa adidy no anaovana izany fa tsy vokatry ny fo mitempo fitiavana dia sasapoana avokoa.

namaste :)
100. soanja ( 09/10/2009 20:24)
ravonjison:

Azoko ekena fa fanamboaran-tsaina ( miankina @ finoanao sy ny fahaizanao sns...) ilay finoana ny fitahian\' ny razana , fa kosa tsy misy hifandraisany @ zava-misy. Ny zava-misy dia : ny maty dia efa maty ,ary tsy mahavita inona intsony ( tsy miankina velively @ iza n\'iza izany).


Ny vatana no managatsiaka sy lo fa ny fanahy kosa mitohy hatrany ny diany. Io dia finoana. Ka raha hangataka zavatra azo tsapain-tanana amiko ianao momba ny finoana dia hoy aho hoe tsy hisy izany fa ny zavamisy vokatry ny finoana no misy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0093