Mitahy ve ny razana?

21. ikaretsaka ( 08/10/2009 12:21)
Le hoe kamboty sns... de izay ko zany no tsy mety mahasambatra ireo mpivavaka satria lasa kamboty izy na niteny hoe tsy hamela anareo ho kamboty izy?
De mahatonga ny tsy fahampiana @ samy olombelona..adiady isankarazany..satria ze namorona le fivavahana (afa tsy ny hoe sekta taty afara angaha) toa efa dila aby!
Eny e..na sekta aza nony dila le olona de.... jereo ry daouda ohatra!
22. Mirananirina ( 08/10/2009 12:42)
Ka izay no antony ny satria isika gasy dia manaja sy mino tokoa fa ny razana dia mitahy.Fa efa namonjy fandevenana aho tany mada indray mandeha,ka lhl izy io.Ambanivohitra lavitra.Dia lavaka ny fasana,dia hoe tsy mahazo makeny ny vhv fa lhl ihany.Tsy aritro anefa fa dia nanaraka ihany aho tany aoriana.Kay inona ???Tsy mino ianareo fa natsipy ny faty natao tao andavaka!Nanontany aho hoe nahoana no atsipy hoa???Dia hoe feno razana ao anaty lavaka ka tsy hisy hanitsaka razana ao ve fa atsipy dia vita.Ambanivohitry i Manakara izy io.
23. xxx ( 08/10/2009 13:09)
rakaroka:

8O 8O :roll: :roll: :roll: :-w :-w :-$
:-D :-D :-D Toa teren'ny sain'ny velona hitahy 'zareo knou! D'izany no mahatonga ilay wé "raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga!" :wink:
'ngefa raha tena ifohazany eo tokoa mety misy "rifatra" mandositra angamba!
:-D :-D :-D



Miombo-kevitra aminao aho

Hoy ilay olona izay hoe raha ny razana no mitahy dia ny kamboty no miadana indrindra, nefa toa tsy izay no miseho !!!
24. rakapy ( 08/10/2009 13:15)
Hoy Djhamhal

ny fanontaniako ary de we : ny apôstôly nanaradia an'i jesosy ve azo antsoina we razana ? i Josefa sy Maria ve azo antsoina we razana ????

Razana daholo ny fiantso an'ireny @ Gasy.
25. ravonjison ( 08/10/2009 13:35)
Razan' iza aloha aloha ilay lazaina eto e . Razan'olona ve ? Razan'alika ve? Razana Rajako ve ? razana elefanta ve ? Ireo mantsy samy zavamananaina daholo, ka raha mitahy ny razan' olona , dia tokony hitahy koa ny razana saka ( ohatra ).
26. ikaretsaka ( 08/10/2009 13:45)
Io hoa arakarak izay hinoanao... na kadradraka io na voninkazo na alika na olona ..rehefa hozlenao hoe mitahy de mitahy..rehefa hoz'enao hoe tsary mitahy de tsary mitahy
De raha mpino ianao de ze tranga rehetra izay miseho de justifienao @ iny aby
Raha tsy mpino ianao de hitadiavanao contre porofo aby le tranga...
27. soanja ( 08/10/2009 13:55)
Rajim:

Koa raha mitahy ny razana dia ny kamboty no sambatra indd,amiko misy hery roa eto amboni\'ny tany Atra sy ny Devoly ary samy mampiasa ny zavatra rehetra ireo hanaraka azy,ny hoe fitahiana dia avy @ Atra fa sari-tsariny ny an\'ny Devoly ,avy eo aoriana misy tambiny,fa ny an\'Atra maimai-poana toan\'ny fanomezana io masoandro mibaliaka io hoan\'ny olona tsy an-kanavaka.
Amen



Ny Razana dia ireo rehetra izay efa lasana any ankoatra ary heverina fa nanaovana fomba fanajana azy araky ny kolotsaina misy amin\'ilay toerana teo amin\'ny fikarakarana ny vatany mangatsiaka.

Tsy mandeha tokana ny fitahian\'i razana fa miaraka lalandava amin\'ny fombafomba na fanompoana izay mifandraika amin\'ny zavamisy (olombelona, natiora, zavabitan\'olombelona: toy ny fasana, ny tanimbary sns sns ...) ary indrindra ny fady tsy maintsy arahina akaiky. Raha tsorina dia ny fikarakaran\'olombelona ny fiainany eo ka ifandraisany sy iresahany amin\'ireo any ankoatra no finoana heverina fa atao hoe fitahian\'ny razana.

Toy ny finoana an\'Andriamanitra ihany mantsy io, ka raha tena mitahy tokoa Andriamanitra ohatra ny heveriko satria efa tafakatra 65% izao ny isan\'ny Xtianina fotsiny ao Madagasikara , tsy resahina ny eran-tany dia efa tokony tafita i Madagasikara na sambatra i Madagasikara. Sa ve tia tena ireo Xtina ka ny fiainany ihany no ivavahany fa tsy ny fireneny?

Toy izay ny fifandraisan\'ny razana sy ny kamboty. Betsaka tokoa ny kamboty mahazo fitahiana amin\'ny razana satria nahoana satria mifikitra sy mahalala izy inona no tokony ataony ary aiza ny alehany amin\'ny fiainana. Manana ireo razana sy ny fifandraisana/fanasoavana ny manodidina azy ho fiainany. Saingy tsy izay no zava-misy matetika ho an\'ireo kamboty lazaina fa ory, fa zary ovaovan\'ny fiainany ny zavamisy atrehany ka na hino aza izy ireo fa mitahy ny razana dia lasa mipetrapetra-potsiny sy miraviravy tanana ary indrindra variana maka tsirony amin\'ny tsetsetry ny hafa amin\'ny mahakamboty azy.

Misy toerana any ankoatra izay dingana manaraka afaka ity fiainana ity ivoarian\'ireo fanahin\'ny razana. Ny razan\'i Gasy dia betsaka any no mitoetra satria ry zareo natao hitahy akaiky ny velona. Io toerana io ihany no ahafahan\'olombelona mifandray akaiky amin\'ny izay efa maty. Ireo olona teo ambavahaonan\'i fahafatesana nefa tafaverina ihany eto an-tany zany hoe velona ihany ka sitrana dia betsaka no efa nanazava sy mitantara io toerana io.
Raha misy fisalasalana ny fitahian\'i razana ianao ary tsy mino ireo fahendrena napetrany ho antsika dia tsy hitahy anao izy ireo. Izay mino azy sy manaraka ny fahendreny ihany no tahiany.

Betsaka koa ny fanahin\'ireo razana tavela ao anatin\'ny tontolontsika misy aina ka mahatonga ny angatra sns sns... ireny dia vokatry ny tsy fahampian\'ny fifandraisana teo amin\'ny samy velona ka zary tsy afapo ilay fanahy fa mbola mifikitra ny zavatry tany. Ireto farany ireto tsy mbola afaka hitahy satria izy aza mbola mifikitra ny zavatry ny tany.

Tsy vitan\'ny hoe samy miala ny fahafatesana fa mitohy ny fiainana na dia potika aza ilay vatana.

Tsy mba mahalala izay Devoly sy Helo ny razantsika Malagasy. Ny azy dia na ianao hiditra ny toeran\'ny razana mpitahy na hieloelo ety an-tany tsy amim-pilaminana, tsy tafiditra ny vavahady ny fitahiana, ka ho fanahy mijaly sy voeteritery eto an-tany izay tsy natokana ho anao intsony. Ireo no tahotry ny Malagasy rehetra tany aloha: ny tsy ho mba isain\'ny mpitahy. Ny mba hiditra amin\'io vondron-drazana any ankoatra izay milamina sy mikarakara ireo velona ety an-tany.

Mifandray ampo amintsika ireo razantsika raha toa ka mikarakara sy mino ary mahatoky ny fitahiany ianao. Saingy tsy voarey hino koa ianao satria betsaka ny fomba azo inoana eto an-tany. Afaka tonga dia hino ianao fa ho any amin\'ilay fiainan-tsy hita ary hiandry ny fitsarana farany. Miankina amin\'ny tsirairay ny finoany.

Izay hinoany ihany no hihatra aminintsika raha toa ka manaraka antsakany sy andavany ny baikon\'ny sainy izy ary mahalala ny fetran\'ny fahafahany ka mamela izany finoany izany hoe eo an-tanan\'ireo izay heverina fa manana fahefana mihoatra aminy amin\'ny tontolon\'ny tsy hita.
28. xxx ( 08/10/2009 14:02)
Dia ahoana hoy ny Kristiana @ izany ? Tsy karazana finoanoam-poana ve izany

Soanja >>> miala tsiny fa lava loatra dia tsy mampazoto mamaky
29. soanja ( 08/10/2009 14:04)
majesty:

Amiko raha mitahy ny razana ny kamboty no sambatra indrindra.

Vita tompoko! :)


Ny tenako izao dia kamboty ary hilaza aho fa izay nivavahako hisy sy noresahiko tamin'ny razana ka tiako ho hita eo amin'ny fiainako dia mitranga avokoa. Ny fitahiana dia misy ifandraisany lalandava amin'ny fanasoavana ny tenanao sy ny hafa ary ny asa manodidina amin'izany,iIzay dia tsy azoko odiantsy hita eo amin'ny fiainako. Iderako ireo izay mitahy ahy izany rehetra izany ary ny haleheben'ny fitiavany ahy sy ny hafa dia tsy azoko noanoa.

Ny fisalasalana no manimba ny finoana voalohany indrindra. Io dia isan'ny tahotra amin-dRaolombelona.


30. soanja ( 08/10/2009 14:09)
xxx:

Dia ahoana hoy ny Kristiana @ izany ? Tsy karazana finoanoam-poana ve izany

Soanja >>> miala tsiny fa lava loatra dia tsy mampazoto mamaky


Inona moa no antsoina hoe : " Finoanoam-poana"? Moa ve efa nisy nahita ny mason'Andriamanitra isika eto milaza fa mino an'Andriamanitra io?

Tsy misy ny foana. Ny zavatra misy no hitantsika fa ny foana dia tsy misy. Ao anatin'" lazaintsika fa foana" io no misy ny zavatra rehetra mirakitra ny mahaolom-panahy antsika. Tsy ho azontsika tsapain-tanana io fa tsapantsika kosa amin'ny filaminan'ny fiainantsika sy ny fizotrany mifandraika amin'ny takian'ny saintsika.


31. soanja ( 08/10/2009 14:16)
rakaroka:

8O 8O :roll: :roll: :roll: :-w :-w :-$
:-D :-D :-D Toa teren'ny sain'ny velona hitahy 'zareo knou! D'izany no mahatonga ilay wé "raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga!" :wink:
'ngefa raha tena ifohazany eo tokoa mety misy "rifatra" mandositra angamba!
:-D :-D :-D


Ka matoa misy io fiteny io dia satria nahatsapa ny olombelona izay mino ny razana eo fa mitahy izy ireo. Ny exception eo amin'ny fianana dia misy tokoa. Izay no hisian'ny finoana ny razana satria sady mahatsapa izy ireo no mahalala ny ataony koa mifandraika amin'izany.

Toy ny finoana Xtianina ihany ny finoana ny razana. Misy lalana arahina ary misy fisainana tsy maintsy ampifandraisina amin'izany ka vokatry ny fo ilay fisainana fa tsy ankaterana satria io no voasoratra na voalaza.


32. soanja ( 08/10/2009 14:32)
Omeko manaraka ny fombafombanay, izay mino ny razana fa mitahy, izay antsoina hoe " Ny fandrazanana" mba ho isan'ny mpitahy ilay olona nandao ny velona.
33. ikaretsaka ( 08/10/2009 15:23)
Inona moa no antsoina hoe : " Finoanoam-poana"? Moa ve efa nisy nahita ny mason'Andriamanitra isika eto milaza fa mino an'Andriamanitra io?

Tsy misy ny foana. Ny zavatra misy no hitantsika fa ny foana dia tsy misy. Ao anatin'" lazaintsika fa foana" io no misy ny zavatra rehetra mirakitra ny mahaolom-panahy antsika. Tsy ho azontsika tsapain-tanana io fa tsapantsika kosa amin'ny filaminan'ny fiainantsika sy ny fizotrany mifandraika amin'ny takian'ny saintsika.


Izay mantsy.. namaste


34. cutie ( 08/10/2009 15:45)
Raha ilay Razana @ kolotsaina malagasy, dia eny ny valiny. Mitahy zareo. Ireo tany, ireo trano, ireo fahendrena , sns tsy haiko aby navelany ho an'ny taranany dia fitahiana aby aby.
Fomba fijery hafa ny atao hoe " fitahian'ny razana " io, fa tsy voatery ilay fijery tokana resaka Hery hafa² ihany no hamaritana azy hoy ilay mpampianatra malagasy teny Ankatso izay. Tsy mety hadinoko mihitsy io fanazavany io.

namaste akia booboo a :D
35. cutie ( 08/10/2009 15:46)
15. Mpandefa : majesty [ Valio ] 08-10-2009 12:13:52
Lohateny : Re : Mitahy ve ny razana?
Amiko raha mitahy ny razana ny kamboty no sambatra indrindra.

Vita tompoko!

ho anao samirery zany :D
36. ikaretsaka ( 08/10/2009 15:52)
Amiko raha mitahy ny razana ny kamboty no sambatra indrindra

Isika izany kamboty fa lasa niakatra any an-danitra i Jesoa.. de tsy mitahy Izy ve satria mbola tsy sambatra foana ilay nosin"drazantsika" ity?
37. cutie ( 08/10/2009 16:06)
38. ravonjison ( 08/10/2009 16:06)
Ilay resaka hoe mitahy ve ny razana sa tsia dia tsy misy hidiran' ny finoana mihitsy e. Ny gasy no mampiditra ny finoana ao, mba hampisavorovoro sy mba hanafenana ny zavamisy.
Satria ny zavamisy dia itý : tsy mitahy ny razana.
Na mino toy inona ary ianao , dia tsy mitahy izany ny razana.
Betsaka ny olona nino ny fitahian' ny razana taloha. @ izao fotoana izao dia milaza izy ireo fa fandaniampoana izany satria hatramin' zao dia mbola tsy nahazo fitahiana t@ razana ry zareo na dia nino tokoa aza.

Mi-comprendre aho hoe resaka fomba, finoana gasy, filozofie gasy sns....
Tsy mamaly ilay fanontaniana ilay valinteny hoe : raha mino ianao dia mitahy, raha tsy mino ianao dia tsy mitahy , resaka filozofie sy finoana izany.

Fa raha hamaly mazava ilay fanontaniana kosa dia : tsy mitahy ny razana.
Ary izany dia tsy miankina @ finoana velively.
39. cutie ( 08/10/2009 16:10)
Mpandefa : ravonjison [ Valio ] 08-10-2009 18:06:20
Lohateny : Re : Mitahy ve ny razana?
Ilay resaka hoe mitahy ve ny razana sa tsia dia tsy misy hidiran' ny finoana mihitsy e. Ny gasy no mampiditra ny finoana ao, mba hampisavorovoro sy mba hanafenana ny zavamisy.
Satria ny zavamisy dia itý : tsy mitahy ny razana.
Na mino toy inona ary ianao , dia tsy mitahy izany ny razana.
Betsaka ny olona nino ny fitahian' ny razana taloha. @ izao fotoana izao dia milaza izy ireo fa fandaniampoana izany satria hatramin' zao dia mbola tsy nahazo fitahiana t@ razana ry zareo na dia nino tokoa aza.

Mi-comprendre aho hoe resaka fomba, finoana gasy, filozofie gasy sns....
Tsy mamaly ilay fanontaniana ilay valinteny hoe : raha mino ianao dia mitahy, raha tsy mino ianao dia tsy mitahy , resaka filozofie sy finoana izany.

Fa raha hamaly mazava ilay fanontaniana kosa dia : tsy mitahy ny razana.
Ary izany dia tsy miankina @ finoana velively.

ka io nge samy manana ny finoany sy ny experience niainany, refa tsy hitanao t@ fiainanao ny fitahian'ny razana na Atra ze inoanao io de tsy mitahy izy zany, tsy votery hitovy daholo ny fiainan'ny oul akory, fa refa tsy mitahy aminao izy de aza lazaina babaraingo we tsy mitahy zany :wink:
40. ikaretsaka ( 08/10/2009 16:13)
izay mantsy.. izxay no tsy hinoako io mijoro vavolombelona patinareo io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1161