Mitahy ve ny razana?
201. ni81
(
16/10/2009 13:43)
ni81 > @ finoana malagasy @ ankapobeny dia, gli ---- > Razana ----- > andriamanitra lahy / vavy. araka² ny hasina homena. Izay ilay hoe miakatra grady teneniko. ( ningitrika malagasy zay ni81 t@ terminale dia tsy nahay an'io hihihihi ):lol: Tsy dia mpingitra aho afa-tsy matematika tsindraindray e! :^)
202. ndenn
(
16/10/2009 21:07)
R sy r ? marina izany fa nety nampiova zavatra ny fahazarana tsy manao sora-baventy indraindray .
203. xxx
(
19/10/2009 19:05)
Ka iza moa no tsy manao izany na mino ny razana aza raha olona misaina izy. Efa namaky ary nanadihady ary mamakafaka toy ny nataonao amin'ny baiboly koa ny tenako momba ny finoana ny razana. Koa aza tsintsinoaviny any an'olona fa ny anao no ataovy tsara sy hahabotrabotra anaomanaova ôbezy ouny e! =)) =)) =)) =)) =)) =))
hoy i veloo
hehehehhehe:-D :-D
204. soanja
(
20/10/2009 08:44)
majesty:
Soanja:
Ka hazavao ary hoe raha hanohana ny asan'Andriamanitra ianao inona avy ny zavatra azonao na vokatra azo ao anatin'io asan'Andriamanitra io?
Azoko ny tian'i Soanja hatongavana fa ny tiako anontaniana dia izao :
asan'iza ilay mitahy ? ny razana ve sa Atra ?
*misy finoana iray izay mantsy, mino aho fa mifamatotra amin'ny foto-kevitrao ihany koa angamba dia ilay hoe : autodéification izany hoe inoana fa ho lasa Atra ny olona iray rehefa maty, dia nampilaharin'ny razantsika mihitsy ary moa ilay izy hoe Atra sy ny razana :(
Azoko aroso amin'ny manaraka tokoa ny hijerevan'i Ntaolo ny atao hoe ZANAHARY. Mino aho fa efa nosoratako teto izay. Ny Zanahary sy ny Razana dia tena mifandraika tokoa amin'ny foko isanisany. Misy manao ny Razana ho Zanahary ary misy ny manavaka an'io ho karazany. Saingy samy manana ny hasiny ireo.
Raha hamaly ny fanontanianao etsy ambony>
Na ny Razana na Andriamanitra dia samy mitahy avokoa ireo amiko. Samy manana ny anjara andraikiny eo amin'ny fiainako. Tsy hitovy velively ny kilasin'ireo amiko saingy miatrika ny fisian'ireo amin'ny fiainako aho.
Ny fanontaniana tsy novalianao hoe ahoana ny fisehon'ilay asan'Andriamanitra?
Ny tenako moa tsy mamadika satria tsy mba mamadika ny razanay fa mamono lamba no atao fa raha ny famadihana izay natrehiko dia fanasoavana ny mpiara-belona mihitsy no fototr'ilay fihaonana ny fahitako azy. Mihaona, mifandray, mifanampy, mifanasoa izay azo avy amin'ny alalan'ny firaisan-kina. Io hetsika rehetra io dia mitondra matetika amin'ny fifaliana sy firavoravoana ary fiombonana ao am-po izay ilaina tokoa amin'ity fiainana ity.
Tsy ilay mamono lamba ny razana ange ry Soanja no ratsy e, fa ilay finoana mihitsy hoe mangatsiaka ny razana ka ilaina fonosina, aleo hamadika mba handray fitahiana avy amin'ny razana, fa azo ataon'ny mpianakavy foana ihany koa ny mifaly, milanonana fa tsy voatery hamono lamba ny razana mangatsiaka
Marihiko fa vitsy amintsika Malagasy angamba ny tsy manatitra voninkazo any amin'ny fasana rehefa tonga ny fetin'ny maty e! Na rehefa tonga ilay fotoana irya ka tafavory ny fianakaviana dia mamangy fasana. Inona moa no anaterana an'iny fehim-boninkazo iny any. Ary inona no ijanona manoloana ilay vatom-pasana ary somary asiana vavaka ho an'izay mivavaka? Inona moa no mahasamihafa izany amin'ny hamonosako lambamena ny razana ao am-pasana.
Mino aho fa raha maty i Jesoa dia nisy tokoa fomba natao tamin'ny fikarakarana ny vatany. Mino aho fa tsy natsipy tany ivelan'ny tanana ny fatiny! Nahoana ny apostoly sy ny hafa no mbola maika hamangy ny fasana?
205. ravonjison
(
20/10/2009 16:49)
Hararaotiko itý ady hevitra itý mba hilazako fohifohy ny mikasika ny famadihana sy ny tombotsoa azo avy aminy, satria mifandray avy hatrany @ ilay loha-hevitra etsy ambony.
Ny tenako dia avy @ fianakaviana sy faritra izay tena mbola manao ilay fomba. Noho ny fahafantarako ilay fomba @ antsipirihany sy izay olana matetika mitranga mandritra izany no nahatonga ahy nametraka ny fanontaniana hoe : inona moa no tombotsoa azo avy @ famadihana @ izao fotoana izao ?
FAMADIHANA( famonosan-damba ) :
Fety atokan\' ny malagasy hahatsiarovana ireo efa maty. Anehoana ny fifandraisana mbola misy eo @ velona sy maty: fanajana sy fanomezana hasina ny razana. Atao @ izany koa ny fangataham-pitahiana @ razana !!!!!!!!!.
IREO FOMBA ATAO MANDRITRA NY FAMADIHANA :
- famerenana ny famonosana ireo maty
-fampidirana anaty fasana ireo faty nalevina anirotra
- fotoana ahazoan\' ny fianakaviana mifankahita
-fanasana ny mpiray tanana sy ny manodidina rehetra @ sakafo
NY VOTOATIN\' NY FAMADIHANA:
1- Ny mampiavaka ny famadihana :
-mozika : manakarana manao mozika mihitsy
-ny sakafo : vary be menaka na vary be saosy
- kaho-drazana : vola omen\'ny olona nasaina hoan\'ny tompom-pety
FOTOANA FAMADIHANA:
@ ankapobeny ny volana jolay ka hatramin\'ny septambra.
Matetika dia ny iray @ ireo Ray aman-dReny no milaza hoe : nanonofy an-dranona aho alina, ka niteny izy hoe mangatsiaka izahay, noho izany hamadika isika.
FANAKIANANA:
@ izao fotoana izao dia sarotra ny mandresy lahatra sy manazava @ olona fa tsy tombotsoa velively azo avy @ famadihana, ny fatiantoka mihoapapanana no misy.
1- Lafiny ara-toekarena:
Ny fihariana rehetra mandritry ny dimy taona dia lany ao anatin\'ny telo andro monja fanatanterahana ilay famadihana. Ny sasany aza moa mbola voatery mivarotra tany , omby , kisoa sns..rehefa vita na famadihana.
Vokany dia tsy misy zavatra mitambatra mihitsy izany ho an\' ny tantsaha, ary mihamahantra izy ireo noho izany.
2- Ny lafiny ara-pihavanana:Matetika ny olona milaza fa manamafy fihavanana ny famadihana. Mifanohitra @ izay anefa ny zava-misy hitako.
Rehefa tonga ny fotoam-pamadihana dia terena handoha anjara mitovy @ manana ny tsy manana ( ireo mpiray tampo ).Rehefa tsy mahaloa dia alaina aminy ny anjara lova ananany, na esorina tsy ho mpiara-mandova satria tsy mahavita adidy @ maty.Noho izany dia mitranga ny ady sy lonolony ao @ mpiray tampo. Ny esoseso isan-karazany indrindra eo @ vinantovavy, izany dia mitarika ady eo @ mpirahalahy satria samy mihaino ny vadiny.
Vokany: ady no hita rehefa tonga ny famadihana. Ny sasany aza moa dia miandry ny famadihana mihitsy izy mba hamoahany ny ao ampo, na dia olana efa nisy tany aloha tsy mikasika famadihana aza.
Izany rehetra izany rehefa ampiarahana @ toaka mandritra ny famadihana, dia mahatonga saina tokoa !!!
Matetika ny famadihana dia fisehosehoana eo @ samy mpirai-tampo
3- Mitahy ny razana :
Ady hevitra efa vita tetsy ambony. Diso tanteraka ilay fieirtreretana.
Ny maty dia toy ny vatan-kazo , tsy manana hery mitahy ny velona intsony. Raha misy maty miseho @ velona dia hery hafa sy maizina ihany izany.
4- Lafiny ara-pahasalamana :
Manimba fahasalamana ny famadihana. Ny fasana misokatra madritra ny famadihana dia mamoaka mikraoba ( virosy ). Tsikarintsika izany fa rehefa manomboka misokatra ny fasana mandritra ny famadihana dia misy aretina mirongatra izay mitovy ny fisehony.
Ny antony dia aparitaky ny rivotra ilay aretrina izay avy @ faty ihany.
Ny sasany moa miezaka manazava izany : tsy afapo angamba ny razana matoa nandefa ilay aretina.
FEHINY :
Ny maty dia tokony hajaina, ny mpianakavy dia tokony hihaona sy hifaly miaraka, ny finoana sy ny fombafomba dia samy manana ny azy....
Fa raha hiteraka olana , tsy hampandroso, ary hampahatra hatrany... dia tsy hitako izay andaniana andro @ izany.
....ambava homana , ampo mieritreritra....

206. soanja
(
20/10/2009 19:32)
ravonjison:

Be ny zava-dratsy ateraky ny finoana isan-karazany na Andriamanitra io na hazo na baiby na tany n'inona n'inona. Be ka ny zava-dratsy ateraka ny tsy finoana mihitsy, satria isika olombelona dia tsy mitovy na dia mitovy lasitra aza ny nanamboarana antsika.
Izany rehetra lazainao dia hita amin'ny fomba hafa avokoa ny haratsiny fa tsy avy amin'ny finoana irery ihany.
Saingy matoa mbola misy ny mifototra amin'ny finoana dia satria ahitany fitahiana sy tombotsoa izany ary izay mino ihany no hahatsapa izany.
Ambava homana ampo mieritreritra.
207. ravonjison
(
21/10/2009 07:46)
Salut Soanja a ! Iny angamba dia mazava fa ny finoana dia ilain' ny olombelona tokoa , ary voajanahary izany.
Ny fanontanianan hoe : inona moa no tombotsoa azo avy @ finoana, sy inona no mahatonga ny olombelona mametraka ny finoana eo @ fiainany, dia ady hevitra hafa , ary mety mahaliana tokoa.

208. soanja
(
21/10/2009 15:07)
Salama Ravonjison, eny ary. Ianao no hametraka ny lohahevitra sa izaho?
209. Koditra
(
21/10/2009 18:41)
Nahaliana ahy ilay lohahevitra, efa lasa lavitra be sy gidany be mitsy a ka tsy nahavaky ny teny antenantenany rehetra tsony.
Hevitro ary :
@tsika malagasy dia manana ny lanjany sy hasiny tokoa ireny fianankaviana efa nody mandry ireny, tsy maintsy voalevina ampasandrazana sy antanindrazana fa tsy avela ho very faty satria hava-tiana sy mamy.
Ny famadihana, ny fanateram-boninkazo isaky ny fetin'ny maty, ny fanaovana lamesa na fotoam-pivavahana isaky ny mitsingerina ny taona nahafantesany sns... Ireny rehetra ireny dia samy fanehoana fa mbola ao ampon'ny velona ny fahatsiarovana sy fitiavana ireo hava-tiana efa lasana ireo, tsy afaka ny hiaraka ijery vidaka na hiara-itsangatsangana na hanao belòty intsony tsinona. Andao tsy ho asiana olana izany fandaniana izany rahatoa ka izany no ahamaivana ny alahelo sy ny ratra-po mbola tavela ao @ velona, aza raisina koa oe fanambatambazana ny razana sao dia tsy mitahy eo rizalah.
Mitahy ve ny razana sa tsia? D mety oe rizalah ve no nitahy anà t@ za lé afaka CEPE iny? Raha jerena @ fomba malalaka dia mampanontany tena oe raha tena mitahy ny razana dia tsy ho nisy manerana izao tontolo izao angamba izany lozam-piarakodia sy aretina izany ohatra satria ny razana dia mitahy sy tsy hamela ny fiankaviana ho tratran'ireo loza ireo, mety tsy hisy ihany koa ny vakitrano satri eo ny razana hitahy ny tokatranon'ny taranany ka vonona ny ampitahotra sy hanao daka tsy hitamaso an'ireo jiolahy bevinany ireo.
Fomba fijery akaiky kely fotsiny io voalazako io fa ny finoana an'izany na tsia dia miankina @ tsirairay ihany ka tsy anomezantsiny. Ny finoana rahateo ono mahafindra tendrombohitra.
Hamaranako azy : raha nahomby sy nizotra antsakany sy andavany ny tontolo andron'ny olona iray, nohon'ny fahasoavan'A/tra ve? sa nohon'ny fitahian'ny razana? sa nohon'ny fiaraha-miasan'izy roatonta? sa mifandimby mitahy rizareo? sa noho ilay olona be atidoha be fotsiny dia hainy sy voakajiny daholo izay nataony rehetra fa tsy mila izany fitahian'A/tra sy ny razana izany?
Dia samy mamaly an'eritreritra isika sy izay tandrifin'ny finoany.

210. soanja
(
21/10/2009 22:32)
Bozoro i Koditra,
Marina tokoa ny fihevitrao, aoka samy handinika sy hamakafaka izay mifandray aminy sy mety aminy.

211. ravonjison
(
22/10/2009 07:14)
soanja:
Salama Ravonjison, eny ary. Ianao no hametraka ny lohahevitra sa izaho?
Tsaratsara angamba raha apetrakao, izao mantsy ato somary sempotra kely @ asa. Somary ataovy manintona sy mampilendalenda kely, hohita eo ry Rakapy !!!, Rakaroka, Ratoa Simplex, Fidirirna, Majesty...sns....
212. soanja
(
22/10/2009 12:55)
Ok Ravinjoson. Raha vao manana fotoana aho dia tairiko ilay izy. Maztoa hatrany. :-* :-* :-*