Mitahy ve ny razana?

141. xxx ( 12/10/2009 09:39)
Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty.
Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao
142. xxx ( 12/10/2009 09:53)

=)) =)) =)) =)) =)) =)
143. ikaretsaka ( 12/10/2009 11:38)
Io ndray le tsimpona diso fitsimpona... razana no resaka de dadarabe sy odigasy no tsimponina...
144. rakapy ( 12/10/2009 12:28)
Hoy Ika
Io ndray le tsimpona diso fitsimpona... razana no resaka de dadarabe sy odigasy no tsimponina...

Ka tsy maintsy ho izay ihany no fantany raha vao miresaka razana ko!
145. cutie ( 12/10/2009 13:43)
146. ikaretsaka ( 12/10/2009 15:32)
io "forcena hifanaraka @ trsimpona io ny raha tsy mifanaraka" ..io hoa mbola hahavery anareo...kozy e
147. soanja ( 12/10/2009 16:40)
ikaretsaka:

io "forcena hifanaraka @ trsimpona io ny raha tsy mifanaraka" ..io hoa mbola hahavery anareo...kozy e

Efa hatramin'izay aho dia nanamboatra saina aho hoe ny tsimpona tsy maintsy hisy eto satria izay ny momba azy ireo. Ny tsy hitsaharan'ny faharetantsika mamaky azy eto no mba hivavako mafy satria enga anie mba ho tsimpona hitondra fitiavana no hovoasoratra matetika!

:-* :-* :-*
148. ikaretsaka ( 12/10/2009 18:28)
De namboarinao hitolila ny sainao izany ... efa hita mazava ohatra fa gana no resaka de ny akoho foana no taronina satria tsary nisy gana tao anatin saham-pianarana sy fitsimponana...
De izany ve de hitombona? Nomena "talenta" tokony hampitomboina ianao fa tsy hianona izay "voalevina ihany"

Mampatsiaro ahy ilay hatsikana hoe nisy bandy nadinina biology dia tsy mahalala sy tsary nianatra raha hafa tsy ny vitsika... kanjomomban'ny elefanta tampoka no azony t@ ankitsapaka tokony hanaovany dissertation..
Lany haika razoky de ho'zy hoe "eo akaikin ny tanin'ny elefanta misy vitsika..ny vitsika de blablabla sady notanisaiy aby izay hainy momban'ny vitsika......

Avy eo ratsy naoty de nitomany...an'iza ny tsiny?
149. soanja ( 13/10/2009 00:18)

Ka tsy maintsy zay le zavamisy koo! Misy an'izay namako bogosy be zay zany dia efa miteny foana lery hoe zah Gay de mbola misy sipa tsalo aminy foana. Toy izay ny fahitako an'io. Na hizesta tahak'inn aza ny sipa lery ilay rambo ihany no tiany. Bon! Mazava anie zany e. Ny sipa tsy maintsy taitra foana satria iny be detanty sy be mpitandroka moa ilay bandy tsy maintsy handa satria izay ny momba azy. De revena manja eo le banja!

:-D :-D :-D
150. majesty ( 13/10/2009 04:23)
anisan'ny antony anankiray mampitotongana ny fari-piainan'ny gasy ny finoana fa mitahy ny razana. Raha raisina ny zava-misy ankehitriny,olona efa sahirana,azo lazaina hoe efa mitrongy vao homana,ny hohanina anio tadiavina rahampitso kanefa mbola atao izay antony rehetra hitadiavana vola mba hanaovana vary be menaka, hanofàna mpitsoka mozika sns.
Nisy olona izay teny ambanivohitray nanao famadihana dia nanangona 1.000.000fmg sy vary 50kg isam-pianakaviana ho fandraisana anjara dia misy teo @ 18 teo ho eo ireo fianakaviana nandray anjara ireo.Rehefa vita ny famadihana ny harivan'iny dia nivory avokoa ireo fianakaviana ireo, ary mba nihainohaino izay nivorian-ndry zareo teo aho ary nisy fotoana nandraisako fitenenana nanao hoe : ireo 1.000.000 fmg x 18 = 18.000.000 fmg nolaniana t@ iny famadihana iny izao ho aho no nampidirana jiro sy rano fisotro madio tety an-tanàna mba mandroso ny tanànan-tsika na dia ambanivohitra aza; teo vao kepoka daholo izy mianakavy :)

NB: Misy faritra eto M/car raha vao misy maty dia tsy maintsy mamono omby ilay fianakaviana tompo-manjo fara-faha-keliny omby ray: inona fa tsy indroa mahita ny maizina, ny fahoriana efa tsy ho zaka ny omby tsy maintsy tadiavina (tsetsatsetra tsy aritra io )
151. ikaretsaka ( 13/10/2009 10:52)
Tsy mitombina ny lojikan-dra majesty @ le hoe nohon'ny finoana razana no mampitotongana ny fari-piainan'ny gasy...Hatr@ fahagola sy faha panjaka ny gasy no nino an Atra sy ny Razana. Tsary nisy naninona...
Fa resaka toe tsaina sy toe panahy niova no nahatonga an'io...
Naforetaky ny sainy hoy ilay prof nay izay
152. xxx ( 13/10/2009 11:54)
Mba omeo "ohatra concret" @ hoe razana mitahy hoe ho anareo mino azy ?
153. ravonjison ( 13/10/2009 14:29)
majesty:

anisan'ny antony anankiray mampitotongana ny fari-piainan'ny gasy ny finoana fa mitahy ny razana. Raha raisina ny zava-misy ankehitriny,olona efa sahirana,azo lazaina hoe efa mitrongy vao homana,ny hohanina anio tadiavina rahampitso kanefa mbola atao izay antony rehetra hitadiavana vola mba hanaovana vary be menaka, hanofàna mpitsoka mozika sns.
Nisy olona izay teny ambanivohitray nanao famadihana dia nanangona 1.000.000fmg sy vary 50kg isam-pianakaviana ho fandraisana anjara dia misy teo @ 18 teo ho eo ireo fianakaviana nandray anjara ireo.Rehefa vita ny famadihana ny harivan'iny dia nivory avokoa ireo fianakaviana ireo, ary mba nihainohaino izay nivorian-ndry zareo teo aho ary nisy fotoana nandraisako fitenenana nanao hoe : ireo 1.000.000 fmg x 18 = 18.000.000 fmg nolaniana t@ iny famadihana iny izao ho aho no nampidirana jiro sy rano fisotro madio tety an-tanàna mba mandroso ny tanànan-tsika na dia ambanivohitra aza; teo vao kepoka daholo izy mianakavy :)

NB: Misy faritra eto M/car raha vao misy maty dia tsy maintsy mamono omby ilay fianakaviana tompo-manjo fara-faha-keliny omby ray: inona fa tsy indroa mahita ny maizina, ny fahoriana efa tsy ho zaka ny omby tsy maintsy tadiavina (tsetsatsetra tsy aritra io )

Marina dia marina ny voalazano ry Majesty a. Efa hita mazava fa manimba ny fiainan' ny gasy ilay finoan' ny fitahian' ny razana dia mbola hamarinina foana.
Betsaka ny tranga efa hitako.

Mba efa nitady porofo mazava avy @ izy ireo koa aho teto fa mbola tsy nazaho. Ny averimberin' ireo dia ny hoe raha mino dia mitahy, raha tsy mino dia tsy mitahy. Tsy " raison " mihitsy izany amiko.
Mampalahelo ihany isika malagasy.

Ny vokatr' izany finoana izany dia mbola hiverenako atsy aoriana kely.
154. Veloo ( 13/10/2009 14:32)
152. Mpandefa : ravonjison [ Valio ] 13-10-2009 16:29:29
Lohateny : Re : Mitahy ve ny razana?
Hoy i majesty:

anisan'ny antony anankiray mampitotongana ny fari-piainan'ny gasy ny finoana fa mitahy ny razana. Raha raisina ny zava-misy ankehitriny,olona efa sahirana,azo lazaina hoe efa mitrongy vao homana,ny hohanina anio tadiavina rahampitso kanefa mbola atao izay antony rehetra hitadiavana vola mba hanaovana vary be menaka, hanofàna mpitsoka mozika sns.
Nisy olona izay teny ambanivohitray nanao famadihana dia nanangona 1.000.000fmg sy vary 50kg isam-pianakaviana ho fandraisana anjara dia misy teo @ 18 teo ho eo ireo fianakaviana nandray anjara ireo.Rehefa vita ny famadihana ny harivan'iny dia nivory avokoa ireo fianakaviana ireo, ary mba nihainohaino izay nivorian-ndry zareo teo aho ary nisy fotoana nandraisako fitenenana nanao hoe : ireo 1.000.000 fmg x 18 = 18.000.000 fmg nolaniana t@ iny famadihana iny izao ho aho no nampidirana jiro sy rano fisotro madio tety an-tanàna mba mandroso ny tanànan-tsika na dia ambanivohitra aza; teo vao kepoka daholo izy mianakavy

NB: Misy faritra eto M/car raha vao misy maty dia tsy maintsy mamono omby ilay fianakaviana tompo-manjo fara-faha-keliny omby ray: inona fa tsy indroa mahita ny maizina, ny fahoriana efa tsy ho zaka ny omby tsy maintsy tadiavina (tsetsatsetra tsy aritra io )

Marina dia marina ny voalazano ry Majesty a. Efa hita mazava fa manimba ny fiainan' ny gasy ilay finoan' ny fitahian' ny razana dia mbola hamarinina foana.
Betsaka ny tranga efa hitako.

Mba efa nitady porofo mazava avy @ izy ireo koa aho teto fa mbola tsy nazaho. Ny averimberin' ireo dia ny hoe raha mino dia mitahy, raha tsy mino dia tsy mitahy. Tsy " raison " mihitsy izany amiko.
Mampalahelo ihany isika malagasy.

majesty, ravonjison ^:^ ^:^
155. ravonjison ( 13/10/2009 15:33)

Hoan \' i Soanja , Cutie, Ika :

Averiko ihany ilay efa voalazako : afangaronareo ny atao hoe zava-misy (realité) sy ny fitaovana fanamboaran-tsaina na fanazavana.

1- ny zava-misy ( realité) : tsy azo hiadian-kevitra, tsy miankina @ hevitra na finoana, na fitaizana, na fahalalana.
Ohatra : miodina ny tany, manidina ny vorona, ny maty dia tsy mahavita n\'inon\'inona intsony. Izany rehetra izany dia tsy miankina velively @ finoana.
Ka tsy hitako mihitsy izay hampidiranareo ny finoana eto.
Eto no ilazako fa tsy misy hidiran\' ny finoana velively ao. Ny tany dia mihodina, izany dia tsy miankina @ finoanao na ny finoako velively.Tsy azo hiadiankevitra.

2- Fitaovana hanamboarana saina eo @ fiainana, fanazavana ny zavatra tsy fantatra: eto rehefa tsy zaka ny fiainanao na tsy manana fanazavana @ zava-misy ny olona dia mamorona izao zavatra rehetra izao: finoana, sns..
Ny fanamboaran-tsaina sy ny fanazavana hatao dia miankina tokoa @ finoana, ny fahaizana, ny fahalalána, @ hevitra sns....

Zavatra roa samihafa ireo ka tsy tokony afangaro.
Ny fialazanareo fa mitahy ny razana dia fomba entinareo miatrika ny fiainana, finoana sy eritreritra izany , fa tsy zava-misy velively.

Ny politiciens no matetika no manafangaro ireo zavatra roa ireo mba ahazoany manipuler- vahoaka.

Manarak¨izany tsy mbola voavaly ilay fanontaniako tetsy ambony , izay ampiako hafa. Ianareo mantsy milaza fa miankina @ finoana izy io:

- mitahy ny zazakely ary ve ny razana? Ny zazakely mantsy tsy mbola misy finoana ary tsy mahalala velively ny fisian\' ny razana.
- mitahy koa ve ny razan\'alika ? Raha mitahy, miankina @ finoan\'iza ?

156. ravonjison ( 13/10/2009 15:59)
ikaretsaka:

le izy ry Rakapy rehefa vita matetika le tranga vao miteny @ zay an

cas 1: raha tsy naninon-tsy naninona ianao ka Mino Atra, Razana , St Christophe.. de mazava ho azy fa tsy maintsy hiteny foana hoe notahian'Atra sy ny Razana sy ze olona na zavatra inoanao no tsy nampaninon-tsy naninona anao!

Cas 2: raha tsy mino :wink: ianao ka tsy naninon-tsy naninona dia mazava ho azy fa tsy handeha any ny sainao fa hoe fiooooo saika maty kle!

fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany!
fa le sain'ny olombelona no tsy manaiky fa tsy maintsy mitady antony foana hoe fa maninona sy fa nahoana...rehefa tsyu takany de ankininy @ finoana @ zay yyyy

Ika a . Eto ianao izao dia milaza : " fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany! "
Ianao izany tsy mahalala ny zava-misy ( realité , izaho anefa mahalala). Rehefa tsy fantatrao ny zava-misy dia ampidirinao @ izay ilay finoana. Dia lazainao fa miankina @ finoana ilay .
157. ravonjison ( 13/10/2009 16:19)
cutie:

Mpandefa : ravonjison [ Valio ] 09-10-2009 11:15:49
Lohateny : Re : Mitahy ve ny razana?
Hoy i LazaDaddy:

raha mitahy ny razana dia ny firenena "anemist" toa an'i Madagasikara no tokony mandroso indrindra maneran-tany

Marina dia marina ilay voalazano. Fa somary ampiako ilay hevitra satria afangaron' ny sasany ilay izy.

Hoan¨i Soanja, Cutie, Ika :

Afangaronareo tokoa ilay izy. Ny valinteny ilaina dia ny hoe : mitahy ve sa tsia ? Fa tsy hoe mino ve ianao sa tsia ?

Ny razana na izy mitahy sa tsia. Tsy misy hidiran' ny finoana ao. Izany koa dia tsy miankina velively @ hevitrao na ny hevitro, ny fombanao na ny fombako, experience-nao na ny experience-nao. Donc tsy miankina amiko na aminao velively izany, na @ izay zavatra lazaiko eto.Tsy misy hidiran' ny experience personelle @ izany koa.
Izay maty dia maty ,ary tsy mahavita inon'inona intsony.
Ny gasy no mampiditra sy mampifanandrify ny fiainany @ izany.

I Ika moa nanao ohatra mikasika ilay cancetr-na uterus. Ny cancer-na uterus dia misy , ary tsy miankina @ finoanao , na ny finoan' i Niryny ny fisiany.Ny fisiany dia azo porofoina mazava : maka tissu avy @ uterus ( biopsie), dia jerena @ microscope. Izany no hilazana fa misy ilay izy. Fa tsy hoe rehefa mino ianao diy misy io, raha tsy mino kosa dia tsy misy ilay izy.

Ianareo milaza fa mitahy ny razana, mba omeo porofo mazava aho eto mikasika izany....@ fomba ahoana ny fisehoan' ilay fitahianana ?

Manarak'izany mba omeo malinteny mazava aho mikasika itý tranaga itý. Izaho mantsy olona pratique, ka ny vokany @ fiainana andavanadro ihany no tena mahalianan sy mampieritrritra ahy :
Atý aminay rehefa manao famadihana dia mifarombaka maka ilay vorotsihy namonosana ilay razana ny olona izay mbola tsy manana zaza ( ny olona izay mitady fitahiana @ ankapobeny moa izany),atao ao ambany ondala ilay izy @ alina, satria hono mitahy sy manome zaza @ alalán'iny ny razana.
Izao ary ilay tranga:
Misy mpivady vao mikasa ny hiteraka, mitady zaza. Natoron'ny ray amn-dReny hevitra izy ireo hoe , hanao famadihana atsy ho atsy ka tsara raha mangataka fitahiana @ razana , ka haka ilay vorotsihy, @ izay hiteraka tsy ho ela.
Nandá anefa ilay ramatoa, hoy izy: izaho tsy mino izany , satria tsy mitahy izany ny razana. Ka tsy hitako izay hanadaniana andro @ izany.
Ilay rangahy kosa anefa nidrikina, fa hoe tsy maintsy maka ilay vorotsihy hono ranmatoa, satria efa te hananjanaka rangahy.
Noteren'ny fianakavian-dRalehilahy ary ramatoa ka nanaiky fa haka ilay vorotsihy , eny fa na dia tsy mino izany aza.
Natao tokoa ny famadihana, ary dia nifarombaka naka ilay vorotsiky toy ny adala ramatoa na dia tsy antsitrapony aza.

Afaka 2taona nitoe-jaza ramatoa ary niteraka soamantsara ireo.
Dia valio ary ilay fanontaniana : nitahy azy ireo ary ve ny razana ka nahazo zaza izy ireo sa tsia ?
Satria ramatoa tsy nino, dia tsy nitahy izany ilay razana !!!
Rangahy kosa nino dia fitahiana avy @ razana izany ilay zaza !!!

Dia omeo ary ny valintenionareo. Nitahy azy ireo ny razana sa tsia ?

Ny ahy ny valinteniko dia mazava : tsy nitahy ny razana . Toy ny rehetra ihany izy ireo, tsy nanana olana ara-pahasalamana ka niteraka.
Izany dia tsy miankina veliively @ finoan' izy roa @ fitahian' ny razana.

hevitrao mankokana zay, fa ny hevitray efa nambaranay ka manin no terena we omeo porofo sy ny tariny, ny finoana tsy mila ady hevitra lava be, mino enao tsara tsy mino enao tsara.

Efa voalazako fa afangaronareo ny zav-misy ( relité, azo porofoina) sy ny fanamboarantsaina izay ilaina eo @ fiainana ( inoana fotsiny ihany).
Manarak'izany, raha mitady porofo aho dia mazava ho azy satria tsy hanaiky fotsiny izay finonanoampoana lazaina etsy ry eroa. Tsy mpivarotra mangahazo akory aho ka izay lazain' ny politiciens etsy sy eroa , dia ho raisiko avy hatrany. Mody ampiany hoe : inoy fotsiny ilay izy dia misy.

Eritrereto ry Cutie fa ireny finoana ireny dia anisn'ny vato misakana ny ankizy malagasy @ fibvoarany rehefa mifaninana @ ankizy iraisam-pirenena izy ireo. Matetika tara ny ankizy gasy noho ireny finoana ireny.
Noho izany tokony asiana fieritreretana ihany ilay resaka finoana sy fomban.drazana.
158. soanja ( 13/10/2009 16:19)
majesty:

anisan'ny antony anankiray mampitotongana ny fari-piainan'ny gasy ny finoana fa mitahy ny razana. Raha raisina ny zava-misy ankehitriny,olona efa sahirana,azo lazaina hoe efa mitrongy vao homana,ny hohanina anio tadiavina rahampitso kanefa mbola atao izay antony rehetra hitadiavana vola mba hanaovana vary be menaka, hanofàna mpitsoka mozika sns.
Nisy olona izay teny ambanivohitray nanao famadihana dia nanangona 1.000.000fmg sy vary 50kg isam-pianakaviana ho fandraisana anjara dia misy teo @ 18 teo ho eo ireo fianakaviana nandray anjara ireo.Rehefa vita ny famadihana ny harivan'iny dia nivory avokoa ireo fianakaviana ireo, ary mba nihainohaino izay nivorian-ndry zareo teo aho ary nisy fotoana nandraisako fitenenana nanao hoe : ireo 1.000.000 fmg x 18 = 18.000.000 fmg nolaniana t@ iny famadihana iny izao ho aho no nampidirana jiro sy rano fisotro madio tety an-tanàna mba mandroso ny tanànan-tsika na dia ambanivohitra aza; teo vao kepoka daholo izy mianakavy :)

NB: Misy faritra eto M/car raha vao misy maty dia tsy maintsy mamono omby ilay fianakaviana tompo-manjo fara-faha-keliny omby ray: inona fa tsy indroa mahita ny maizina, ny fahoriana efa tsy ho zaka ny omby tsy maintsy tadiavina (tsetsatsetra tsy aritra io )

Inona moa no mahasamihafa ny fandraisana anjara amin'ny raharaha toy izao sy ny finoany tahak'ity ambany ity.

Lioka 21: 4
4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany ao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.

Ny hahakepoka azy mianakavy angamba dia ianao milaza fa mahalala zavatra nefa tsy nilaza izany mialoha amiko. Fandatsana ve izany sa ahoana?

Ahoana tokoa moa no andrefesantsika fa tsy nisy fifaliana sy fionononam-po ary fahavitrihana nandritra izany fety natao izany. Io amiko no fitoniana dia ny fahalalana fa tsy mandeha irery ianao ety an-tany fa manana namana ary samy miasa mafy ho tody amin'izay irina. Tsy nila jiro sy rano ny razantsika tany aloha nefa dia niodina tsara ny fiain'izireo. Iza no mahalala fa ny fidiran'izany dia hitondra soa sy firaisan-kina ary fiombonana amin'izy mianakavy? Ny hitako amin'izao aloha dia ny fananana izany rehetra izany dia isany nadatsaka antsika amin'ny fiainana tsy mifandray amin'ny momba antsika. Gaga aho raha mamaky gazety izao dia mahita fa be ny Malagasy mamono tena? Inona hono no anton'io? Amiko ny anton'io dia ny tsy fahampiany fanohanana ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana ny tsiraidray ka zary milavo lefona ilay fanahy. Ny mamoy fo no hitany fa vahaolana.

Raha hijery isika hoe hatraiza ny fahaizan'ny Malagasy mikaroka ny fomba hampivoarany sy hampiroboroboany ny momba azy dia mahita aho fa mbola tsy ampy izany noho ny tsy fanampian'mu fanabeazana feno omena azy ireo amin'ny lafiny rehetra.
Mino aho fa raha nilaindry zareo ny jiro sy ny rano dia mikatsaka izany ry zareo amin'ny fomba hafa.

Tsy natao amin'ny fomba tokana ny ahitana firoboroboana. Ny fahavitrihana sy fiasan'ny saina manoloana ny zavatra rehetra atao no isan'ny isian'ny fitahiana na ny razana io na zavatra hafa. Koa hoy aho " Ny minoa fotsiny ihany" dia tsy handaitra fa mila lalan-dava arahin'asa sy fandinihana ny fangatam-pitahiana vao hamokatra eo aminao na ny taranakao any aoriana.

159. soanja ( 13/10/2009 16:21)
ravonjison:

ikaretsaka:

le izy ry Rakapy rehefa vita matetika le tranga vao miteny @ zay an

cas 1: raha tsy naninon-tsy naninona ianao ka Mino Atra, Razana , St Christophe.. de mazava ho azy fa tsy maintsy hiteny foana hoe notahian'Atra sy ny Razana sy ze olona na zavatra inoanao no tsy nampaninon-tsy naninona anao!

Cas 2: raha tsy mino :wink: ianao ka tsy naninon-tsy naninona dia mazava ho azy fa tsy handeha any ny sainao fa hoe fiooooo saika maty kle!

fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany!
fa le sain'ny olombelona no tsy manaiky fa tsy maintsy mitady antony foana hoe fa maninona sy fa nahoana...rehefa tsyu takany de ankininy @ finoana @ zay yyyy

Ika a . Eto ianao izao dia milaza : " fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany! "
Ianao izany tsy mahalala ny zava-misy ( realité , izaho anefa mahalala). Rehefa tsy fantatrao ny zava-misy dia ampidirinao @ izay ilay finoana. Dia lazainao fa miankina @ finoana ilay .

Amiko Ravonjison dia tokony hamaky lalindalina ny atao hoe " FINOANA" ianao. Fa raha mbola tsy voa grab-nao io dia sasa-poana ny resaka eto.

160. soanja ( 13/10/2009 16:28)
ravonjison:

Efa voalazako fa afangaronareo ny zav-misy ( relité, azo porofoina) sy ny fanamboarantsaina izay ilaina eo @ fiainana ( inoana fotsiny ihany).

Ka ilay izy aloha " ny mitahy ny razana " omeko eto dia tsy ilay manara-drenirano izay heverin'ny maro sy ataon'ny maro amin'ny finoana isan-karazany fa " mitahy ny razana" ao amin'ny tsiraidray sy fomba hanantanterahany izany.

Amiko raha manao zavatra ho an'ny tanana ambanivohitra iray aho dia mino ao fa sady nitahy an'ireo ny razan'ireo matoa zah sy ny asako tody any ary mitahy ny razako matoa misy ny fahafahako manao izany ka mahazo hafaliana sy fitomboana aho. Tsy vitan'ny resaka ampanidinana ny fitahiana fa miaraka lalandava amin'ny zavatra tsapa sy ny fioharana hampivoitra izany zavatra tsapa izany eo amin'ny fiainana.

Raha mino ianao ka arahin'asa ny finoanao dia hitahy izay tokony hitahy rehetra rehefa tonga ny mahamety azy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0094