Mitahy ve ny razana?

181. ravonjison ( 15/10/2009 08:27)
[quote=ikaretsaka]

Ianao izany tsy mahalala ny zava-misy ( realité , izaho anefa mahalala). Rehefa tsy fantatrao ny zava-misy dia ampidirinao @ izay ilay finoana. Dia lazainao fa miankina @ finoana ilay

fantatra ny zava misy eto ravonjison a
:tsy fantatra ny razana raha mitahy na tsy mitahy!
182. ni81 ( 15/10/2009 09:16)
Tsara angaha raha hazavaina aloha le. Fahitan'ny tsi 11 ny hevitry ny hoe "mitahy ... fa samy manana ny fandraisany azy
azavao ary hoe
183. ndenn ( 15/10/2009 10:21)
Anecdote kely mety ahafahana mandinika ny hery tsy hita maso angamba ny manao synthese ny fisian\' ny zava-manan\'aina eto an-tany ( ny olombelona ).
Raha toa ka vatana organika (assemblages de cellules souches ) fotsiny no misy ao @ olombelona ,toy ny kankana , na ny virus , ny microbes ,ny acariens , ets , dia sûr fa tsy hanana éléments moteurs hanana créativités externes ,tsy hisy activités physiques , ary sur koa fa tsy nahalalàna ny projection\' ny activités cérébraux ahitana ireo vokatry ny asa-tànana sy ireo zavatra vitan\' ny zanak\'olombelona hatramin\' izao .
Ny fitahian\' ny razana eran-tany no nampisy ny pérenitén\' ireny zavatra vita ireny .Misy ny fomba maro hitazoman\' ny karazan\'olona eto an-tany ireny fitahian\' ny razana ireny .Ohatra ny any amin\' iny asie du sud iny dia mba tsy hahavery ny fitahian\' ny razana dia hanina ny fatin \'ireo razana efa lasana @ vanim-potoana voafidin\' ny mpanandro .Ny sasany indray dia dorana ny razana mba hanadiovana ny fanahy @ maloto netin\' ny fandalovana teto an-tany ka ahafahan\' izy ireny miditra @ vatana hafa hitohizan\' ny fitahiany .
Ny fitahian\' ny razana malagasy dia miankina @ lalànam-piaraha-monina nifandimby nisy hatramin\' izay , ary Zanahary no tompon\' ny safidy ny @ firiarian\' izy ireny eto an-tany sy any andanitra .
Misy ny razana mitahy ho ela velona, ary misy koa ny razana miantso sy mandidy ny fahafatesana na fahavelomana .

:idea: :idea:
184. soanja ( 15/10/2009 11:38)
majesty:

2) tsy mitovy satria ny anankiray nolaniana hanohanana ny asan'Atra raha io andininy nomenao io,fa azo itarina ihany koa hoe nolainana hanasoavana sy hanampiana ny mpiara-belona.Fa ny anankiray nolaniana hanamboarana ny maty....sns (azonao itarina io)

Ka hazavao ary hoe raha hanohana ny asan'Andriamanitra ianao inona avy ny zavatra azonao na vokatra azo ao anatin'io asan'Andriamanitra io?

Ny tenako moa tsy mamadika satria tsy mba mamadika ny razanay fa mamono lamba no atao fa raha ny famadihana izay natrehiko dia fanasoavana ny mpiara-belona mihitsy no fototr'ilay fihaonana ny fahitako azy. Mihaona, mifandray, mifanampy, mifanasoa izay azo avy amin'ny alalan'ny firaisan-kina. Io hetsika rehetra io dia mitondra matetika amin'ny fifaliana sy firavoravoana ary fiombonana ao am-po izay ilaina tokoa amin'ity fiainana ity.

185. soanja ( 15/10/2009 11:55)
majesty:

soanja :
hanampiako an'ireo ohatra voalazako tery ambony.T@ herin'andro teo nisy mpiasa noroahana tato ampiasana, dia nitantara tamiko ny namany avy eo hoe, ilay karama farany noraisin'lery (solde de tout compte) ka nentin'lery namadika e! kanefa izy amin'io vao avy very asa, ny vady aman-janany etsy ankilany tsisy tokotaniny.

Tsy azonao mihitsy ilay izy ry Majesty. Ny fitahian'ny razana dia tsy zavatra mitranga eo no ho eo akory fa ny firoboroboana maharitra eo amin'ny samy mpiarabelona. Fa raha toa ka na nolaniako narotsaka tany ampiangonana aza izany vola izany ka avy ny fotoana handroahana ahy ao ampiasana dia tsy manana asa aloha aho ary tsy hanambola koa. Toy io ramatoa eo ambony mahantra io. Tsy misy tokotaniny hoy ianao izay. Fa ny ho aviko kosa dia mahalala aho ao anaty fitoniana fa mitahy ny razako ka ny varavarankely mihidy eo amiko izao dia varavaran-kely hafa hisokatra ho ahy amin'ny ho aviko. Ny anareo ve izany ny androany ihany no itanareo amin'io finoana an'Andriamanitra io ka raha tsy mandaitra androany eo aminareo ve dia hilavo lefona?

majesty:

Faharoa : nisy tantara izay ,mahantra ery izy mianaka,ka nanapa'kevitra ity zanany lahy mbola tanora fa hamono tena,satria hoy ny eritreriny hoe raha i dadabe sy bebe izay efa antitra ireny ary afaka hitahy maika fa izaho tanora kely ity,aleoko mamono tena dia ho faty ary hitahy an'i Neny za avy eo amin'izay i Neny mba ho sambatra. Dia anjaran'tsika ny manohy ny tantara avy eo ...

Ka araka ny voalazako hoe tsy hoe akory ka izay atao rehetra heverina fa atao dia hitahy ny razana fa tena ilaina ny fampiasana ny saina amin'ny finoana rehetra mba hampandaitra azy. Misy aza zavatra atao tsy mifanaraka amin'ny razana tokoa ary ho tezitra ny razana dia tsy mitahy koa. Io ny manota fady sns sns...

Betsaka ny tsy mahalala hoe rehefa hino ny fitahian'ny razana dia inona avy no atao. Io ilay fandrazanana saingy mbola tsy manam-potoana aho hanoratana azy eto fa lavabe. Fa tsy izay fe maty dia hitahy avokoa. Araka ny finoako aloha dia izay mamono tena dia tsy tafiditra amin'io toerana fivondronana ny razana mitahy io fa mbola hieloelo eto an-tany ny fanahiny (eo ny lolo, ny angatra sns sns) mandrapisian'ny fomba hampiakarana azy ho amin'izay dingana manaraka hamonjeny ny razana maro miahy. Aza heverina anefa fa raha maty izy ka nanao ny fomba ny olona dia tsy hitahy izy. Mety hitahy tokoa izy raha mino ny fitahiany ny fianakaviany. Tsy ho eo no ho eo ny fitahiana. Ny resaka fitahiana dia zavatra maharitra sy mampiroborobo amin'ny taranaka mifandimby.

Ny fitahian'ny razana koa dia tsy voatery ho fananam-bola sy harena akory fa betsaka ny mahantra fantatro fa sambatra lavitra noho ireo manana ny volabe miavovona.

186. soanja ( 15/10/2009 11:57)
ndenn:

Anecdote kely mety ahafahana mandinika ny hery tsy hita maso angamba ny manao synthese ny fisian\' ny zava-manan\'aina eto an-tany ( ny olombelona ).
Raha toa ka vatana organika (assemblages de cellules souches ) fotsiny no misy ao @ olombelona ,toy ny kankana , na ny virus , ny microbes ,ny acariens , ets , dia sûr fa tsy hanana éléments moteurs hanana créativités externes ,tsy hisy activités physiques , ary sur koa fa tsy nahalalàna ny projection\' ny activités cérébraux ahitana ireo vokatry ny asa-tànana sy ireo zavatra vitan\' ny zanak\'olombelona hatramin\' izao .
Ny fitahian\' ny razana eran-tany no nampisy ny pérenitén\' ireny zavatra vita ireny .Misy ny fomba maro hitazoman\' ny karazan\'olona eto an-tany ireny fitahian\' ny razana ireny .Ohatra ny any amin\' iny asie du sud iny dia mba tsy hahavery ny fitahian\' ny razana dia hanina ny fatin \'ireo razana efa lasana @ vanim-potoana voafidin\' ny mpanandro .Ny sasany indray dia dorana ny razana mba hanadiovana ny fanahy @ maloto netin\' ny fandalovana teto an-tany ka ahafahan\' izy ireny miditra @ vatana hafa hitohizan\' ny fitahiany .
Ny fitahian\' ny razana malagasy dia miankina @ lalànam-piaraha-monina nifandimby nisy hatramin\' izay , ary Zanahary no tompon\' ny safidy ny @ firiarian\' izy ireny eto an-tany sy any andanitra .
Misy ny razana mitahy ho ela velona, ary misy koa ny razana miantso sy mandidy ny fahafatesana na fahavelomana .

:idea: :idea:

Namaste!

187. ikaretsaka ( 15/10/2009 11:59)
Ika a .Fantatra tokoa fa tsy mitahy ny razana. Ianao no tsy mahafantatra na mbola mihazohazo. Fa izaho dia mahalala fa tsy mitahy velively.

satria izay no "ahafantaranao" azy
tahakan'ny "ahafantaran'ny tsy mpino" koa hoe tsy mitahy izay heverinao fa mitahy aminao
188. cutie ( 15/10/2009 12:09)
yes indeed :)
189. soanja ( 15/10/2009 12:16)
:D :D :D :-* :-* :-* :*
190. ravonjison ( 15/10/2009 14:29)
OK ! Mazava ny hevitry ny tsirairay e.
191. majesty ( 16/10/2009 04:52)
Soanja:
Ka hazavao ary hoe raha hanohana ny asan'Andriamanitra ianao inona avy ny zavatra azonao na vokatra azo ao anatin'io asan'Andriamanitra io?

Azoko ny tian'i Soanja hatongavana fa ny tiako anontaniana dia izao :
asan'iza ilay mitahy ? ny razana ve sa Atra ?
*misy finoana iray izay mantsy, mino aho fa mifamatotra amin'ny foto-kevitrao ihany koa angamba dia ilay hoe : autodéification izany hoe inoana fa ho lasa Atra ny olona iray rehefa maty, dia nampilaharin'ny razantsika mihitsy ary moa ilay izy hoe Atra sy ny razana :(

Ny tenako moa tsy mamadika satria tsy mba mamadika ny razanay fa mamono lamba no atao fa raha ny famadihana izay natrehiko dia fanasoavana ny mpiara-belona mihitsy no fototr'ilay fihaonana ny fahitako azy. Mihaona, mifandray, mifanampy, mifanasoa izay azo avy amin'ny alalan'ny firaisan-kina. Io hetsika rehetra io dia mitondra matetika amin'ny fifaliana sy firavoravoana ary fiombonana ao am-po izay ilaina tokoa amin'ity fiainana ity.

Tsy ilay mamono lamba ny razana ange ry Soanja no ratsy e, fa ilay finoana mihitsy hoe mangatsiaka ny razana ka ilaina fonosina, aleo hamadika mba handray fitahiana avy amin'ny razana, fa azo ataon'ny mpianakavy foana ihany koa ny mifaly, milanonana fa tsy voatery hamono lamba ny razana mangatsiaka
192. ravonjison ( 16/10/2009 08:21)

Tena toy ny nalaina avy ao antsaiko mihitsy ilay hevitrao ry Majesty, fa tohizo.
Izaho tena mbola mamaha olana ara-panambadiana atsy ambadika atsy.
193. xxx ( 16/10/2009 08:37)
Mpitoriteny 9:5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
Raha toa ka mpanara-dia an'i Kristy dia io no lazain'ny baiboly.
194. ravonjison ( 16/10/2009 08:53)
klitika:

Ilay ody havandra tsy misy manoro fa ilay resaka razana nitsipika an-joro. Mba omeo valiny ry reto a

tsy ny fitahian'ny razana no naha-botry ny gasy fa ny fanambotriana ataon'ny antokom-pinoana kristianina aminy. Izay no Marina ravonjison a

Jereo ny fiangonana miorina sy ny fikambanana mopera, vondrom-piangonana, fa saika manankarena noho ny fihariana azo avy amin'ilay hoe finoana kristianina, nefa jereo ny mpiangona sy ny laika toa mbola mitrongy vao homana foana. Tamin'ny andron'Andrianampoinimerina dia efa nanomboka nomena tany ho volena ny andevo, ary ny rehetra afaka nivarotra ny vokany. Saingy iza no mpitondra fiangonana hanome tany volenao eo? Ny anao aza alaina aminao hananganana fiangonana sy tanana be ho an-dry zareo.

Klitika a . Ny gasy dia firenena mametraka ambony loatra ny finoana eo @ fiainany. Eny fa na dia efa tsy misy hidiran' ny finoana intsony aza @ domaine sasany.
Izany dia mahatonga ny gasy ho mora exploiter-na sy manipuler-na.

Ka ireo zavatra ROA voalaznao ireo : ny fitahian'ny razana, sy ny fivavahana ( samy finoana daholo ireo) dia samy naha-botry ny gasy daholo rehefa nampiasaina diso tafahoatra any @ domaine tsy tokony hidirany intsony.
195. booboo ( 16/10/2009 12:06)
Hadinoko foana ( na zaho aza diso tsipelina t@ namaly tany aloha tany ) fa :
razana = faty, ilay vatabe tsisy aina iny intsony.
Razana : ireo nodimandry manana hasina manokana niakatra grady ho Razana. Ireo bla² lazain'i Soanja sy Ndenn ireo ny momba² azy.

Dia raha ilay " mitahy ve ny razana ? " dia tondé mazava be ny valiny fa tsia !
Raha hoe " mitahy ve ny Razana ? " dia ny valiny, eka ouz.

Samy hafa ny razana sy ny Razana, resaka sora-baventy sy tsy sora-baventy dia mampiova be mihitsy ny dikan-draha...

196. ni81 ( 16/10/2009 12:17)
Razana : ireo nodimandry manana hasina manokana niakatra grady ho Razana. Ireo bla² lazain'i Soanja sy Ndenn ireo ny momba² azy
ho an'ny katokika angamba dia misy ny hoe miakatra grady fa tsy ho an'ny finoana hafa?
197. booboo ( 16/10/2009 12:36)
ni81 > @ finoana malagasy @ ankapobeny dia, gli ---- > Razana ----- > andriamanitra lahy / vavy. araka² ny hasina homena. Izay ilay hoe miakatra grady teneniko. ( ningitrika malagasy zay ni81 t@ terminale dia tsy nahay an'io hihihihi )
198. booboo ( 16/10/2009 12:38)
na izany na tsy izany, efa fitsipika raiki-tapisaka ilay hoe razana sy Razana samy hafa ( toy ny hoe samy hafa ny samy hafa sy samihafa, ray aman-dreny sy raiamandreny, sns. )
199. Veloo ( 16/10/2009 13:10)
190. Mpandefa : majesty [ Valio ] 16-10-2009 06:52:46
Lohateny : Re : Mitahy ve ny razana?
Soanja:

Voalaza teo :
Ka hazavao ary hoe raha hanohana ny asan'Andriamanitra ianao inona avy ny zavatra azonao na vokatra azo ao anatin'io asan'Andriamanitra io?

Azoko ny tian'i Soanja hatongavana fa ny tiako anontaniana dia izao :
asan'iza ilay mitahy ? ny razana ve sa Atra ?
*misy finoana iray izay mantsy, mino aho fa mifamatotra amin'ny foto-kevitrao ihany koa angamba dia ilay hoe : autodéification izany hoe inoana fa ho lasa Atra ny olona iray rehefa maty, dia nampilaharin'ny razantsika mihitsy ary moa ilay izy hoe Atra sy ny razana

Voalaza teo :
Ny tenako moa tsy mamadika satria tsy mba mamadika ny razanay fa mamono lamba no atao fa raha ny famadihana izay natrehiko dia fanasoavana ny mpiara-belona mihitsy no fototr'ilay fihaonana ny fahitako azy. Mihaona, mifandray, mifanampy, mifanasoa izay azo avy amin'ny alalan'ny firaisan-kina. Io hetsika rehetra io dia mitondra matetika amin'ny fifaliana sy firavoravoana ary fiombonana ao am-po izay ilaina tokoa amin'ity fiainana ity.

Tsy ilay mamono lamba ny razana ange ry Soanja no ratsy e, fa ilay finoana mihitsy hoe mangatsiaka ny razana ka ilaina fonosina, aleo hamadika mba handray fitahiana avy amin'ny razana, fa azo ataon'ny mpianakavy foana ihany koa ny mifaly, milanonana fa tsy voatery hamono lamba ny razana mangatsiaka

hehehehhehe :-* :-* :-*
200. ikaretsaka ( 16/10/2009 13:29)
booboo:

Hadinoko foana ( na zaho aza diso tsipelina t@ namaly tany aloha tany ) fa :
razana = faty, ilay vatabe tsisy aina iny intsony.
Razana : ireo nodimandry manana hasina manokana niakatra grady ho Razana. Ireo bla² lazain'i Soanja sy Ndenn ireo ny momba² azy.

Dia raha ilay " mitahy ve ny razana ? " dia tondé mazava be ny valiny fa tsia !
Raha hoe " mitahy ve ny Razana ? " dia ny valiny, eka ouz.

Samy hafa ny razana sy ny Razana, resaka sora-baventy sy tsy sora-baventy dia mampiova be mihitsy ny dikan-draha...

sssss io le lalana mivalana napetraky ny akademia... par concept andraisana azy fa tsy hoe hafa ny dikany rehefa R de r
Ohatran'ny hoe zipo foana io na mini na maxi r'ianona an...
:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0438