Mitahy ve ny razana?

161. ravonjison ( 13/10/2009 16:32)
soanja:

ravonjison:

ikaretsaka:

le izy ry Rakapy rehefa vita matetika le tranga vao miteny @ zay an

cas 1: raha tsy naninon-tsy naninona ianao ka Mino Atra, Razana , St Christophe.. de mazava ho azy fa tsy maintsy hiteny foana hoe notahian'Atra sy ny Razana sy ze olona na zavatra inoanao no tsy nampaninon-tsy naninona anao!

Cas 2: raha tsy mino :wink: ianao ka tsy naninon-tsy naninona dia mazava ho azy fa tsy handeha any ny sainao fa hoe fiooooo saika maty kle!

fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany!
fa le sain'ny olombelona no tsy manaiky fa tsy maintsy mitady antony foana hoe fa maninona sy fa nahoana...rehefa tsyu takany de ankininy @ finoana @ zay yyyy




Ika a . Eto ianao izao dia milaza : " fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany! "
Ianao izany tsy mahalala ny zava-misy ( realité , izaho anefa mahalala). Rehefa tsy fantatrao ny zava-misy dia ampidirinao @ izay ilay finoana. Dia lazainao fa miankina @ finoana ilay .



Amiko Ravonjison dia tokony hamaky lalindalina ny atao hoe " FINOANA" ianao. Fa raha mbola tsy voa grab-nao io dia sasa-poana ny resaka eto.






Soanja , ny finoana dia fantatro tsara, fa ianareo ny tsy te-hijery ilay zava-misy. Ampidirinareo ao @ zava-misy ilay finoana izay tokony tsy hiditra ao. Dia avy eo andramanareo hazavaina @ alalan' ny finoana ny zava-misy. Samihafa ireo.

Efa voalazako fa ny politiciens no miezaka mampifangaro ireo zavatra roa ireo mba ahazoany manipuler- vahoaka.
162. soanja ( 13/10/2009 19:12)
ravonjison:

soanja:

ravonjison:

ikaretsaka:

le izy ry Rakapy rehefa vita matetika le tranga vao miteny @ zay an

cas 1: raha tsy naninon-tsy naninona ianao ka Mino Atra, Razana , St Christophe.. de mazava ho azy fa tsy maintsy hiteny foana hoe notahian'Atra sy ny Razana sy ze olona na zavatra inoanao no tsy nampaninon-tsy naninona anao!

Cas 2: raha tsy mino :wink: ianao ka tsy naninon-tsy naninona dia mazava ho azy fa tsy handeha any ny sainao fa hoe fiooooo saika maty kle!

fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany!
fa le sain'ny olombelona no tsy manaiky fa tsy maintsy mitady antony foana hoe fa maninona sy fa nahoana...rehefa tsyu takany de ankininy @ finoana @ zay yyyy




Ika a . Eto ianao izao dia milaza : " fa ny hoe na tena nitahy ve ry zareo na tsia... tsy haiko! rehefa inoanao fa nitahy ry zareo.. de zay zany... raha tsia.. de zay koa izany! "
Ianao izany tsy mahalala ny zava-misy ( realité , izaho anefa mahalala). Rehefa tsy fantatrao ny zava-misy dia ampidirinao @ izay ilay finoana. Dia lazainao fa miankina @ finoana ilay .



Amiko Ravonjison dia tokony hamaky lalindalina ny atao hoe " FINOANA" ianao. Fa raha mbola tsy voa grab-nao io dia sasa-poana ny resaka eto.






Soanja , ny finoana dia fantatro tsara, fa ianareo ny tsy te-hijery ilay zava-misy. Ampidirinareo ao @ zava-misy ilay finoana izay tokony tsy hiditra ao. Dia avy eo andramanareo hazavaina @ alalan' ny finoana ny zava-misy. Samihafa ireo.

Efa voalazako fa ny politiciens no miezaka mampifangaro ireo zavatra roa ireo mba ahazoany manipuler- vahoaka.



Ka iny politika azo ampidirina amin'izay zavatra rehetra mahakasika ny fiainantsika olombelona ka tsy mahagaga raha misy mampiditra azy amin'io resaka io.

Manao politika ny tenako saingy mbola tsy nisy tarigetra hanambaka olona aloha hatramin'izao.

Raha ny zavamisy dia samy efa mahita isika ary samy efa mivandravandra tokoa raha indrindra ny fahatrana. Inona avy no ataontsika isanisany avy no zavadehibe fa tsy hifanome tsiny ny hafa momba izany. Ny zavamisy atrehantsika dia azo afangaro koa amin'ny zavamisy any anaty tsapa fa tsy azo tsapain-tanana. Io dia misy olona manana an'io ary betsaka koa ny tsy manaiky an'io. Isan'ireo mampifangaro ny zavamisy amin'ny finoako aho koa tsy hitako izay olana satria sady afaka mivoatra aho no mbola tsapako fa mampivoatra ny hafa.

Ny fanompoana ny razany isan-karazany tsapanao dia isan'ny vokatry fanandevozan-tsaina toy ny hafa maro tsy azo odiantsy hita eto antany raha toa ka atao tsy anaty fisainana fa entiny fanarahana ambokony sy tsy fahalalana. Tsy izay no avoitro eto fa ny fitahian'ny razana amin'ny alalan'ny fihoaran'ny tena tsirairay manoloana ny fiainana ary mampihatra azy amin'ny zavamisy mifandray amin'ny fahafahan'ny natiora fa tsy handoa danitra akory na hoe handrovin-tsihy ka hiteraka fa tsy maintsy mananina aloha ianao raha te hiteraka fa ny razana kosa etsy andaniny manome anao toky fa ny ezakao dia tsapany ary izy hanohana anao amin'ilay ezaka.


163. cutie ( 13/10/2009 22:37)
ravonjison
ka efa we mitahy ny razana de zay, refatsy hitanao eo @ fiainanao ny porofo we mitahy ny razana, zahay tsy afaka ny hanome anao fa samihafa ny experience -ny tsirairay. Efa voalazan'i soanja ny sombisombiny raha mahaliana anao :)
164. cutie ( 13/10/2009 23:39)
Eritrereto ry Cutie fa ireny finoana ireny dia anisn'ny vato misakana ny ankizy malagasy @ fibvoarany rehefa mifaninana @ ankizy iraisam-pirenena izy ireo. Matetika tara ny ankizy gasy noho ireny finoana ireny.
Noho izany tokony asiana fieritreretana ihany ilay resaka finoana sy fomban.drazana

omeo ohatra we fa tsy azoko zany :roll:
165. klitika ( 14/10/2009 01:18)
Ilay ody havandra tsy misy manoro fa ilay resaka razana nitsipika an-joro. Mba omeo valiny ry reto a

tsy ny fitahian'ny razana no naha-botry ny gasy fa ny fanambotriana ataon'ny antokom-pinoana kristianina aminy. Izay no Marina ravonjison a

Jereo ny fiangonana miorina sy ny fikambanana mopera, vondrom-piangonana, fa saika manankarena noho ny fihariana azo avy amin'ilay hoe finoana kristianina, nefa jereo ny mpiangona sy ny laika toa mbola mitrongy vao homana foana. Tamin'ny andron'Andrianampoinimerina dia efa nanomboka nomena tany ho volena ny andevo, ary ny rehetra afaka nivarotra ny vokany. Saingy iza no mpitondra fiangonana hanome tany volenao eo? Ny anao aza alaina aminao hananganana fiangonana sy tanana be ho an-dry zareo.
166. soanja ( 14/10/2009 05:16)
Vinavina sy faniriana ny antsika olombelona ry Klitika fa an'Andriamanitra ny fandaharana. Rehefa hirotsaka ny havandra dia ho avy tokoa izy. Tsy misy resaka Andriamanitra aza iny fa ny natiora no manao ny ataony amin'ny mahanatiora azy. Isika olombelona kosa dia mampiasa ny razana na ny fanahy izay hinoantsika mba handamina ny saintsika manoloana izany zavamisy izany ka tsy ho isan'ireo hoe velona mba ho faty isika fa hoe fanahy nomena fahavelomana ara-batana. Nite nite!
167. ni81 ( 14/10/2009 06:52)
Ilay ody havandra tsy misy manoro fa ilay resaka razana nitsipika an-joro
ary i klitika aza toa nampiady rima indray koa! :-D :-D :-D
168. fidinirina ( 14/10/2009 07:51)
Mandray hevitra roa ny teny hoe razana raha ny fahalalako azy @ malagasy. Ny voalohany dia fomba hitenenana ny nihavian’ny tsirairay, izany hoe miresaka ny taranaka izay niandohana. Ny fomba hilazana azy matetika dia hoe ny razam-benay dia avy any ananona. (simple appelation)

Ny faharoa kosa dia tena mandray ny dikany ara-bakiteny hoe razana na faty. Raha tsy asiana resaka finoana na tsy finoana fa tonga dia omena ny valin’ny fanontaniana dia « Tsy mitahy ny razana »

Ny razana dia ny nofon’ny olombelona (fa tsy biby) sisa izay niala ny ainy. Io nofo io dia tsy mahavita na inona na inona intsony mandrakizay ary lö sy mihalevona tsikelikely. Ataon’ny vovoka ahoana tokoa moa no handre na hiteny na hihetsika intsony ? Noho izany tsy mitahy izy. Tsy manana fahefana @ velona koa ny maty.

Entiko hanampy ny ohatra efa nentin’ny hafa tetsy ambony, ankoatr’ireo kamboty, raha nisy tokoa ve izany fitahian’ny razana izany, ireo rehetra maty t@ fiarovana ny tanindrazantsika t@ andron’ny fanjanahan-tany, na isaky ny misy ireny maty @ tolom-bahoaka ireny, tokony mbola hoatr’izao ve ity firenena ity ?
169. irihat ( 14/10/2009 07:52)
Zay le tena tsy tiako mipetraka ankoatry an'i Gasikara MALALA. Rehefa any @ tany mandroso manko ny olona de tsy mahalala an'Atra intsony fa ny hanao création tahaka an'Atra no tiany. Ohatra : fanamboarana olona avy @ olona (any Gde Bretagne), ny saika hanovana tanteraka an'i Michael Jakson (USA). Tsisy fatahorana an'Atra ntsony ka lasa miteny2 foana. Ohabolana ohabolana ihany fa @ zao fotoana iainantsika izao ve de mbola hieritreritra izany fitahian'ny razana izany ihany!!! Raha izany no masaka ao an-tsaina de tsy tokony hatolotra ho an'Atra aloha ny zaza vao hatao batisa ; zany zao defa tsy fantatrareo any an-dafy ; de tsy tokony hianatra katekomena koa ary tsy tokony hatao mariage koa. Tadidio fa tsy azo hatao mariage intsony @ izao raha tsy Mpandray an! Ka raha fitahian'ny razana no atao masaka an-doha de veloma e.
1. Aza manana andriamanikafa afa tsy Izaho ihany ;
2. Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao ka miankohoka eo aminy ;
--> Ireo didy 2 ireo defa tokony hotsarovana
3. FA SAMBATRA IZAY MINO NEFA TSY MAHITA : tsy midika izany fa izao rehetra izao de inoana avokoa. Teny nataon'ni Jesosy t@ mpianany io ny momba Azy. Ny finoana an'i Jesoa Kristy no lehibe indrindra.

Ny Sekoly Alahady nianarana t@ mbola kely anie ka miasa fa tsy hoe manao Sekoly Alahady i Anona de zah koa mba anao e !

Ka raha mipetraka any an-dafy ianao izay nanontany io lohahevitra io de tsy omena tsiny fa ianareo any tsy mba mivavaka hany ka rehefa tonga aty dago de migesta be mankany am-piangonana, ho eny ambanivohitra e.

T@ mois de Septembre zao ny lohahevitra nodinihin'ny Fiangonana dia hoe MARINA AMIN'NY FINOANY NY MPINO. Ny finoany an'Atra io fa tsy ny finoany ny fitahian'ny razana ary nazavaina nandritra io mois de Septembre io ny vokatr'izany finoana an'i Jesoa Kristy izany.

Fa enao ngamba ry Soanja de mpijery film horreur na exorcisme ireny fa ny zavatra anontanianao de zvtr hfhf daholo tsy misy Atra zany an.
170. xxx ( 14/10/2009 08:40)
xxx:

Mba omeo "ohatra concret" @ hoe razana mitahy hoe ho anareo mino azy ?



Miandry aho h@ izao fa ilay bla bla tsy nandresy lahatra ?

Ahoana ho hanavahana fa hoe i Andriamanitra no nitahy teto NA ny razana :?: :?: :?:
171. Hinagasy ( 14/10/2009 09:41)
Hoy Soanja: "Omeko manaraka ny fombafombanay, izay mino ny razana fa mitahy, izay antsoina hoe " Ny fandrazanana" mba ho isan'ny mpitahy ilay olona nandao ny velona"

Izaho tena liana te hahalala ilay fombafomba ataonareo amin'ilay "Fandrazanana", satria izay aho vao nahare izany? dia hoe misy fombafomba?
Mitovy daholo ve ilay fombafomba ataonareo? na avy any atsimo, na avaratra, atsinanana etc???, ny tiako tenenina ohatra ny kristianina misy baiboly, dia manaraka an'iny ny kristianina na dia samy manana ny fampiantrany azy sy ny fandraisany azy aza, dia ianareo manao ilay fandrazanana koa ve misy fitsipika ngezabe iraisana?
Tsy sanatria mananihany na mandrabiraby fa tena fitiavana te hahafantatra.
172. ndenn ( 14/10/2009 12:40)
Ny fitahian\'ny Razana dia hita taratra @ ny fomba amam-panao eo @ fiaraha-monina hatramin\' izay ho an\'ireo izay nahazo fitahiana t@ fanajana ireny fahendren\' ny ntaolo ireny. Porofo tsy azo lavina ireto!
Rehefa misy fihaonana , na fahoriana , na fifaliana teo @ FM malagasy, dia fomba fanaon\' ny mpikabary matetika ny mandefa hafatra sy filazana @ ny mpiara-manotrona eo, ny @ fifananterana miainga avy any @ Razambe ,mandalo ny fianankaviana tratra antso, ny zafikely ,ny zafiafy ,hatrany @ zafikitrokely ary ny zafimpaladia , etsetra .
Ny @ izay dia azo lazaina tsy misy fiambahambana fa mitahy ara- kabary ny razana eo @ fiainam-pirenena \"socialement parlant\".
Raha tsy nisy ireny fomban-drazana ireny dia nety ho tsy nisy akory ny fisiantsika @ izao fotoana izao.Nety efa ho ripaky ny areti- mandoza na ny ady navaivay nifanaovana t@ ireo tsy nitovy finoana tamintsika isika hatramin\' izay nisian\' ity tany ity .
Mitahy ny razana ravonjison , fa ny fandraisanao ilay fitahiany no misy zavatra kely esorinao ,dia ny fahalalàn\'ireo zokiolona ny @ fizarana ireny lova masina ireny .
Araky ny fahalalako dia efa hatramin\' fahagolan-tany no nino an\' A/tra sy ny Razana ny malagasy ary maro² ny finoana eran-tany mitovy fototra @ izany finoana izany , ohatra ny finoana hindouiste , ny Inca , ny Parsisme ,ny shintoiste ,ny Taoiste ,...,diso be ilay teny teo ambony hoe ,finoana animiste ny finoana Malagasy ,ny animiste dia tsy mino an\' A/tra en general.









173. LibrePenseur ( 14/10/2009 12:46)
174. cutie ( 14/10/2009 13:01)
[quote]Araky ny fahalalako dia efa hatramin' fahagolan-tany no nino an' A/tra sy ny Razana ny malagasy ary maro² ny finoana eran-tany mitovy fototra @ izany finoana izany , ohatra ny finoana hindouiste , ny Inca , ny Parsisme ,ny shintoiste ,ny Taoiste ,...,diso be ilay teny teo ambony hoe ,finoana animiste ny finoana Malagasy ,ny animiste dia tsy mino an' A/tra en general.



miampy 1









:) :) :)
175. ikaretsaka ( 14/10/2009 21:15)

Ianao izany tsy mahalala ny zava-misy ( realité , izaho anefa mahalala). Rehefa tsy fantatrao ny zava-misy dia ampidirinao @ izay ilay finoana. Dia lazainao fa miankina @ finoana ilay


fantatra ny zava misy eto ravonjison a
:tsy fantatra ny razana raha mitahy na tsy mitahy!
176. majesty ( 15/10/2009 04:43)
Soanja:
Inona moa no mahasamihafa ny fandraisana anjara amin'ny raharaha toy izao sy ny finoany tahak'ity ambany ity.

Lioka 21: 4
4 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany ao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.

Ny hahakepoka azy mianakavy angamba dia ianao milaza fa mahalala zavatra nefa tsy nilaza izany mialoha amiko. Fandatsana ve izany sa ahoana?


1) mitovy satria samy mandany vola
2) tsy mitovy satria ny anankiray nolaniana hanohanana ny asan'Atra raha io andininy nomenao io,fa azo itarina ihany koa hoe nolainana hanasoavana sy hanampiana ny mpiara-belona.Fa ny anankiray nolaniana hanamboarana ny maty....sns (azonao itarina io)


Efa fantatr'izy ireo aho fa tsy miombon-kevitra amin'ndry zareo mikasika ny famadihana,fa milaza hoe raha misy vola ahafahana manao izany tsy aleo ve ampiasaina hanaovana zavatra hafa, fa rehefa tonga ny fotoana nivorian'ndry zareo taorian'ilay famadihana nakotrokotroka,dia tonga tao an'tsaiko io ohatra io rehefa nanao kajikajy tsotsotra t@ ireo fandaniana rehetra aho.Tsy nandatsa aho fa nanokatra ny sain'izy ireo fotsiny ihany.
177. majesty ( 15/10/2009 04:48)
soanja :
hanampiako an'ireo ohatra voalazako tery ambony.T@ herin'andro teo nisy mpiasa noroahana tato ampiasana, dia nitantara tamiko ny namany avy eo hoe, ilay karama farany noraisin'lery (solde de tout compte) ka nentin'lery namadika e! kanefa izy amin'io vao avy very asa, ny vady aman-janany etsy ankilany tsisy tokotaniny.
Faharoa : nisy tantara izay ,mahantra ery izy mianaka,ka nanapa'kevitra ity zanany lahy mbola tanora fa hamono tena,satria hoy ny eritreriny hoe raha i dadabe sy bebe izay efa antitra ireny ary afaka hitahy maika fa izaho tanora kely ity,aleoko mamono tena dia ho faty ary hitahy an'i Neny za avy eo amin'izay i Neny mba ho sambatra. Dia anjaran'tsika ny manohy ny tantara avy eo ...
178. xxx ( 15/10/2009 06:12)
ndenn:

Ny fitahian'ny Razana dia hita taratra @ ny fomba amam-panao eo @ fiaraha-monina hatramin' izay ho an'ireo izay nahazo fitahiana t@ fanajana ireny fahendren' ny ntaolo ireny. Porofo tsy azo lavina ireto!
Rehefa misy fihaonana , na fahoriana , na fifaliana teo @ FM malagasy, dia fomba fanaon' ny mpikabary matetika ny mandefa hafatra sy filazana @ ny mpiara-manotrona eo, ny @ fifananterana miainga avy any @ Razambe ,mandalo ny fianankaviana tratra antso, ny zafikely ,ny zafiafy ,hatrany @ zafikitrokely ary ny zafimpaladia , etsetra .
Ny @ izay dia azo lazaina tsy misy fiambahambana fa mitahy ara- kabary ny razana eo @ fiainam-pirenena "socialement parlant".
Raha tsy nisy ireny fomban-drazana ireny dia nety ho tsy nisy akory ny fisiantsika @ izao fotoana izao.Nety efa ho ripaky ny areti- mandoza na ny ady navaivay nifanaovana t@ ireo tsy nitovy finoana tamintsika isika hatramin' izay nisian' ity tany ity .
Mitahy ny razana ravonjison , fa ny fandraisanao ilay fitahiany no misy zavatra kely esorinao ,dia ny fahalalàn'ireo zokiolona ny @ fizarana ireny lova masina ireny .
Araky ny fahalalako dia efa hatramin' fahagolan-tany no nino an' A/tra sy ny Razana ny malagasy ary maro² ny finoana eran-tany mitovy fototra @ izany finoana izany , ohatra ny finoana hindouiste , ny Inca , ny Parsisme ,ny shintoiste ,ny Taoiste ,...,diso be ilay teny teo ambony hoe ,finoana animiste ny finoana Malagasy ,ny animiste dia tsy mino an' A/tra en general.


mitahy ara-kabary ???? Tsy azoko

Izaho tsy mandà ny finoan'ny malagasy ny Zanahary velively , fa ny razana indray ve izany no nivadika Zanahary satria izay no sujet eto : razana mitahy
179. ikaretsaka ( 15/10/2009 07:52)
Tsara angaha raha hazavaina aloha le. Fahitan'ny tsi 11 ny hevitry ny hoe "mitahy ... fa samy manana ny fandraisany azy
180. fahamarinana ( 15/10/2009 08:06)
ikaretsaka:

Tsara angaha raha hazavaina aloha le. Fahitan'ny tsi 11 ny hevitry ny hoe "mitahy ... fa samy manana ny fandraisany azy

:arrow: marina tanteraka !Tena samy manana ny fandraisany azy sy famaritany azy marina ! :) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0604