Mitahy ve ny razana?

61. soanja ( 09/10/2009 06:30)
LazaDaddy:

soanja:
Firy ny isan'i Xtianina ary firy ny isan'ny manompo ny razana ao Madagasikara raha izao isika miteny izao?
raha mandinika i Soanja dia ahita fa tsy ampy 2% ny kristianina


Samihafa izany ny fandraisantsika ny atao hoe Xtianina raha izay. Amiko tsy misy afaka hitsara ny hafa hoe tsy Xtianina ianao fa zah ihany no Xtianina na izahay ihany. Samihafa amiko ny fifohazam-panahy ao anatintsika tsirairay na dia samy milaza azy ho Xtianina aza. Ny tenako rahateo moa tsy manompo anaram-piangonana koa aoka tsy ahita hodinihina lavabe momba izany.




62. LazaDaddy ( 09/10/2009 07:09)
soanja:
Samihafa izany ny fandraisantsika ny atao hoe Xtianina raha izay.
ka tsy isika anie no mamaritra ny atao hoe Kristianina fa i Kristy irery ihany e :) ... dia dinidiniho anie ireo famaritana nomeny ireo e! :)
63. xxx ( 09/10/2009 07:53)
LazaDaddy:

ka tsy isika anie no mamaritra ny atao hoe Kristianina fa i Kristy irery ihany e :) ... dia dinidiniho anie ireo famaritana nomeny ireo e! :)


Eka ozy
64. xxx ( 09/10/2009 08:11)
Eny mitahy ny razana raha mino ianao


Trivial be izy izany :-D
65. Djhamhal ( 09/10/2009 08:26)
Zao ary é! ndao ary somary itarina kely ndray ity ady hevitra ity : ka izao ary : ny Kristianina ary ve mino ny fitahian'ny razana ? ra tsia ! dia oh :i Victoire Rasoamanarivo ;azo antsoina we razana ve ?? sa tsia ?? ary mitahy ny kristianina ve izy sa tsia ? ary matetika aza ny mpitondra fivavahana dia manonona ireo olona efa maty !
66. ni81 ( 09/10/2009 08:58)
Zao ary é! ndao ary somary itarina kely ndray ity ady hevitra ity : ka izao ary : ny Kristianina ary ve mino ny fitahian'ny razana ?
ka ireo Kristianina aza eto misy karazany maro koa! :D
67. majesty ( 09/10/2009 08:59)
Ika :
Isika izany kamboty fa lasa niakatra any an-danitra i Jesoa.. de tsy mitahy Izy ve satria mbola tsy sambatra foana ilay nosin"drazantsika" ity?


ni influencén'ny mpitsimpona koa ngah isé dia lasa nitsimpona :)
1) t@ Jesoa mbola velona no nanafatra an'io ho an'ny mpianany, talohan'ny niakarany tany an-danitra.
2) mbola misy tohiny io hoe " haniraka ny mpananatra izy hanambara aminareo ny marina rehetra sns "
3) ny resaka eto razana : olona maty tsy misy aina intsony ilay mampitovy ranjo ao am-pasana sy ilay mitsikitsiky be iny foana ny nifiny sns

cutie :
ho anao samirery zany


ié, sady azo tsapain-tanana sy azo porofoina mintsy ny mahamarina an'io an,sao dia lasa miombon-kevitra amiko eo :)
68. majesty ( 09/10/2009 09:03)
indramiko ny tenin'i Tsimiandravola zay hoe, mba betsaka ihany ireo avara-pi fa dia mbola voarebirebin'ity fampianarana maro samihafa ity amin'izao andro efa mandroso sy mazava be zao.
Ahoana ny fitak'i satana t@ eva, tsy ho faty tsy akory ianareo sns nefa avy eo maty Abela, dia hatramin'zao mbola mitohy ihany ny fisian'ny fahafatesana.
Dia mbola io fitaka teny amboalohany io ihany no mitohy indray ankehitriny hoe tsy tena maty ny maty e! fa mbola afaka mitahy ntsssss n'importe koi!

Mampahonena mihitsy ilay malagasy ka ;)
69. ravonjison ( 09/10/2009 09:15)
LazaDaddy:

raha mitahy ny razana dia ny firenena \"anemist\" toa an\'i Madagasikara no tokony mandroso indrindra maneran-tany



Marina dia marina ilay voalazano. Fa somary ampiako ilay hevitra satria afangaron\' ny sasany ilay izy.


Hoan¨i Soanja, Cutie, Ika :

Afangaronareo tokoa ilay izy. Ny valinteny ilaina dia ny hoe : mitahy ve sa tsia ? Fa tsy hoe mino ve ianao sa tsia ?

Ny razana na izy mitahy sa tsia. Tsy misy hidiran\' ny finoana ao. Izany koa dia tsy miankina velively @ hevitrao na ny hevitro, ny fombanao na ny fombako, experience-nao na ny experience-nao. Donc tsy miankina amiko na aminao velively izany, na @ izay zavatra lazaiko eto.Tsy misy hidiran\' ny experience personelle @ izany koa.
Izay maty dia maty ,ary tsy mahavita inon\'inona intsony.
Ny gasy no mampiditra sy mampifanandrify ny fiainany @ izany.

I Ika moa nanao ohatra mikasika ilay cancetr-na uterus. Ny cancer-na uterus dia misy , ary tsy miankina @ finoanao , na ny finoan\' i Niryny ny fisiany.Ny fisiany dia azo porofoina mazava : maka tissu avy @ uterus ( biopsie), dia jerena @ microscope. Izany no hilazana fa misy ilay izy. Fa tsy hoe rehefa mino ianao diy misy io, raha tsy mino kosa dia tsy misy ilay izy.

Ianareo milaza fa mitahy ny razana, mba omeo porofo mazava aho eto mikasika izany....@ fomba ahoana ny fisehoan\' ilay fitahianana ?

Manarak\'izany mba omeo malinteny mazava aho mikasika itý tranaga itý. Izaho mantsy olona pratique, ka ny vokany @ fiainana andavanadro ihany no tena mahalianan sy mampieritrritra ahy :
Atý aminay rehefa manao famadihana dia mifarombaka maka ilay vorotsihy namonosana ilay razana ny olona izay mbola tsy manana zaza ( ny olona izay mitady fitahiana @ ankapobeny moa izany),atao ao ambany ondala ilay izy @ alina, satria hono mitahy sy manome zaza @ alalán\'iny ny razana.
Izao ary ilay tranga:
Misy mpivady vao mikasa ny hiteraka, mitady zaza. Natoron\'ny ray amn-dReny hevitra izy ireo hoe , hanao famadihana atsy ho atsy ka tsara raha mangataka fitahiana @ razana , ka haka ilay vorotsihy, @ izay hiteraka tsy ho ela.
Nandá anefa ilay ramatoa, hoy izy: izaho tsy mino izany , satria tsy mitahy izany ny razana. Ka tsy hitako izay hanadaniana andro @ izany.
Ilay rangahy kosa anefa nidrikina, fa hoe tsy maintsy maka ilay vorotsihy hono ranmatoa, satria efa te hananjanaka rangahy.
Noteren\'ny fianakavian-dRalehilahy ary ramatoa ka nanaiky fa haka ilay vorotsihy , eny fa na dia tsy mino izany aza.
Natao tokoa ny famadihana, ary dia nifarombaka naka ilay vorotsiky toy ny adala ramatoa na dia tsy antsitrapony aza.

Afaka 2taona nitoe-jaza ramatoa ary niteraka soamantsara ireo.
Dia valio ary ilay fanontaniana : nitahy azy ireo ary ve ny razana ka nahazo zaza izy ireo sa tsia ?
Satria ramatoa tsy nino, dia tsy nitahy izany ilay razana !!!
Rangahy kosa nino dia fitahiana avy @ razana izany ilay zaza !!!

Dia omeo ary ny valintenionareo. Nitahy azy ireo ny razana sa tsia ?

Ny ahy ny valinteniko dia mazava : tsy nitahy ny razana . Toy ny rehetra ihany izy ireo, tsy nanana olana ara-pahasalamana ka niteraka.
Izany dia tsy miankina veliively @ finoan\' izy roa @ fitahian\' ny razana.
70. ni81 ( 09/10/2009 09:35)
indramiko ny tenin'i Tsimiandravola zay hoe, mba betsaka ihany ireo avara-pi fa dia mbola voarebirebin'ity fampianarana maro samihafa ity amin'izao andro efa mandroso sy mazava be zao.
Ahoana ny fitak'i satana t@ eva, tsy ho faty tsy akory ianareo sns nefa avy eo maty Abela, dia hatramin'zao mbola mitohy ihany ny fisian'ny fahafatesana
:D
71. Rajim ( 09/10/2009 09:53)
Salama daholo e! somary iverenako kely ilay hoe raha mitahy ny razana dia ny kamboty no sambatra indrindra.
Programan\'Atra @ fiainan\'olona tsiray² avy ny hananany fiadanana sy fitahiana raha mino sy mihaino ary manaraka Azy ny olona,izany hoe ny fitahiana izany dia avy amin\'Atra irery ihany
Hatrany am-boalohany satana no namily ny sain\'ny olona fa izy koa afaka mitahy ary mampiasa ny zavatra rehetra hana-porofoana izany ohatra ilay bibilava.
Hoy ny soratra masina hoe ny velona no misy antenaina fa ny maty dia hadino ny momba azy,izany hoe dieny mbola velona dia afaka manao soa sy manampy ny hafa fa rehefa maty dia vita hatreo.
Ny fitahiana dia pouvoir n\'Atra fa isolokian\'i satana,fantany ny olona fa manaja ny lehibe sy ny RAD koa rehefa maty ireo olona ireo dia ataony fitaovana hamiliana ny olona hiala @ Atra,izay no mahatonga ny didy hoe Aza manana Atra hafa afa-tsy Izaho Jehovah Atrao.

Koa tandremo sao voafitaka, fantaro ihany hoe misy tambiny/sandany ve ilay heverina fa hoe fitahiana,averiko ihany fa ny tena fitahiana tsy misy sandany.
Nisy olona mpino ny fitahian\'ny razana izay dia nandeha hamadika fa tsy maintsy hono satria tsy mahazo miditra ao @ fasan-drazana, tsy mahazo lova raha tsy manao io fomba io @ izay koa dia hotahian\'ny razana @ izay rehetra atao ,fambolena, fiarovana, fiompiana ,fianaran\'ny ankizy fahasalamana... kinanjo zavatra hafa no niseho niverina avy namadika fa nisy namaky ny trano ka very tao ny fananana,ny tohiny dia miankina amin\'azy ireo ihany .
Ny azo lazaina dia mamela lova ny razana mety ho tsara mety ho ratsy ohatra aretina,toetra,fomba.
*[Ny hoe Kristiana dia ireo izay mino sy manaraka an\'i Kristy ary miezaka mianatra sy manohy izay nataony ohatra nanaiky an\'Atra t@ izay rehetra nataony.]
*]Te hilaza koa aho hoe idiran\'i Jesosy[=Andriamanitra manatrika](mat.1.18) daholo ny fiainan\'ny olona rehetra (zanany sy asan\'ny tanany isika)[
72. rakapy ( 09/10/2009 10:15)
Hoy Ranjivason
Ny razana na izy mitahy sa tsia. Tsy misy hidiran' ny finoana ao.
Nandá anefa ilay ramatoa, hoy izy: izaho tsy mino izany[quote][quote]Noteren'ny fianakavian-dRalehilahy ary ramatoa ka nanaiky fa haka ilay vorotsihy , eny fa na dia tsy mino izany aza

Eto izao dia anao ihany no namaly fa TSY MINO ilay ramatoa. Io ilay FINOANA fa mipoitra tao ihany!
73. ravonjison ( 09/10/2009 11:10)
[quote=rakapy]
Hoy Ranjivason
Ny razana na izy mitahy sa tsia. Tsy misy hidiran' ny finoana ao.
Nandá anefa ilay ramatoa, hoy izy: izaho tsy mino izany
[quote]Noteren'ny fianakavian-dRalehilahy ary ramatoa ka nanaiky fa haka ilay vorotsihy , eny fa na dia tsy mino izany aza

Eto izao dia anao ihany no namaly fa TSY MINO ilay ramatoa. Io ilay FINOANA fa mipoitra tao ihany!



Rakapy a , ny finoana dia misy @ olombelona, fa ny tiana ho lazaina eto dia ny hoe : raha mino ianao dia mitahy ny razana, raha tsy mino kosa dia tsy mitahy.
Rehefa tsy mino izy dia tsy misy finoana izany ao.
Io ramatoa io dia tsy nino nefa niteraka izy avy eo. Ny olona dia milaza fa fitahian¨ny razana no nahatonga izany, kanefa izy tsy nino , dia aiza ary ilay hypothese ?
74. rakapy ( 09/10/2009 12:25)
Ranjivason> Ny TSY FINOANA dia finoana ihany koa. Ary ny hoe niteraka izy nefa tsy nino fa ilay tsihy no nampiteraka azy dia zavatra roa samihafa be.
Na mino na tsy mino dia samy mety hiteraka daholo ny olombelona satria dia natioran-tsika biby ny fiterahana.
Raha finoana ve no tsy mampiteraka ko tsy ho afaka madiodio ireo vhv izay nilaozan'ny vadiny na sipany nefa bevohoka? na koa ireo vhv izay voaolana ka bevohoka noho izany.
Izay ilay hypothese eto.
75. rakapy ( 09/10/2009 12:28)
Azafady fa diso fanoratra aho "Ravonjison" kay! :wink:
76. ravonjison ( 09/10/2009 12:47)
rakapy:

Ranjivason> Ny TSY FINOANA dia finoana ihany koa. Ary ny hoe niteraka izy nefa tsy nino fa ilay tsihy no nampiteraka azy dia zavatra roa samihafa be.
Na mino na tsy mino dia samy mety hiteraka daholo ny olombelona satria dia natioran-tsika biby ny fiterahana.
Raha finoana ve no tsy mampiteraka ko tsy ho afaka madiodio ireo vhv izay nilaozan'ny vadiny na sipany nefa bevohoka? na koa ireo vhv izay voaolana ka bevohoka noho izany.
Izay ilay hypothese eto.



Nivadika zavatra hafa ilay ady hevitra.
Ny resaka eto dia : misy milaza fa raha hinoanano ilay izy dia misy , raha tsy hinoanao kosa dia tsy misy.
Rehefa misy zavatra hamafisina kanefa tsy ahitana porofo ( ara-koltora, ara-pomba..sns..), dia izay finoana izay foana no asesy, au lieu de mitsotra : tsy misy ilay izy.


Ao aloha fa izaho mbola miandry an' i Soanja , na Cutie , na Ika @ ilay ady hevitra
77. ravonjison ( 09/10/2009 12:50)
majesty:

indramiko ny tenin'i Tsimiandravola zay hoe, mba betsaka ihany ireo avara-pi fa dia mbola voarebirebin'ity fampianarana maro samihafa ity amin'izao andro efa mandroso sy mazava be zao.
Ahoana ny fitak'i satana t@ eva, tsy ho faty tsy akory ianareo sns nefa avy eo maty Abela, dia hatramin'zao mbola mitohy ihany ny fisian'ny fahafatesana.
Dia mbola io fitaka teny amboalohany io ihany no mitohy indray ankehitriny hoe tsy tena maty ny maty e! fa mbola afaka mitahy ntsssss n'importe koi!

Mampahonena mihitsy ilay malagasy ka ;)



Ny gasy ny Majesty minomino foana , izay no mahamora ambakaina azy a.
78. soanja ( 09/10/2009 14:37)
xxx:

LazaDaddy:

ka tsy isika anie no mamaritra ny atao hoe Kristianina fa i Kristy irery ihany e :) ... dia dinidiniho anie ireo famaritana nomeny ireo e! :)


Eka ozy



Mbola tsy nahita an'i Kristy niteny/ nilaza na nametraka teny tao anaty baiboly ka nanonona ny teny hoe "Kristianina" ka voafaritra mazava.


79. soanja ( 09/10/2009 14:40)
Djhamhal:

Zao ary é! ndao ary somary itarina kely ndray ity ady hevitra ity : ka izao ary : ny Kristianina ary ve mino ny fitahian'ny razana ? ra tsia ! dia oh :i Victoire Rasoamanarivo ;azo antsoina we razana ve ?? sa tsia ?? ary mitahy ny kristianina ve izy sa tsia ? ary matetika aza ny mpitondra fivavahana dia manonona ireo olona efa maty !


Ie ry Victoire Rasoamanarivo dia mitahy tokoa rehefa mino ny fitahiany ianao. Ireo olomasina sy olontsambatra dia samby mitahy avy rehefa mino ianao. Ny finoana anefa tsy vitan'ny mipetra-potsiny fa dia tsy maintsy arahin'asa izay!


80. soanja ( 09/10/2009 14:43)
majesty:


Ahoana ny fitak'i satana t@ eva, tsy ho faty tsy akory ianareo sns nefa avy eo maty Abela, dia hatramin'zao mbola mitohy ihany ny fisian'ny fahafatesana.
Dia mbola io fitaka teny amboalohany io ihany no mitohy indray ankehitriny hoe tsy tena maty ny maty e!

Mampahonena mihitsy ilay malagasy ka ;)




Ianao no mampahonena fa mino ny fitaky ny satana!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.067