ny sampy no voarara fa tsy ny sary sy sarivongana akory (3)
81. ikaretsaka
(
26/03/2008 16:02)
Ny fampianarana natsofoka tao anatin'ny fivavahana izay tsy mifanaraka @ S.M ihany koa dia itadiavana izao fomba rehetra izao mba aharesy lahatra ny mpino
aiza no tsy mifanaraka sy tsy voalazan'ny SM amin'ilay izy kay ry majesty?.
raha efa niakatra tery @ hôtely tery isé,dia misy fomba atao rehefa manoloana an'ilay lakroa iny,na i môpera aza manao an'izay indrindra rehefa hanokatra ny evanjely masina.(ah,hay tsy mandohalika kay ny anaran'iny fa mampilefitra ny lohalika fotsiny,dia somary miankohoka kely fotsiny.
eo @ le "venerer" sy "louer" mihitsy kay i majesty iznay no mifangaro ko!
ianaro ny manavaka ireo aloha!
dia ahoana ko ilay avy amaky tenin'Atra ka manoroka ilay boky? maninona iny no tsy ataonao kao hoe mivavaka @ taratasy? Aiza ilay lojikanao?
ny momban'i hoe nanao komandy sarin'i Maria sy Paoly sns... iny tsy idirako lalina satria ianao tsy mamaky sy mino apocryphes... ohatra hoe tsy ho azonao mihitsy ny taratasin'i Md Ambroise ohatra satria nofefena (na nofefenao) ny sainao tsy hahazo azy
82. tommykyle
(
26/03/2008 16:23)
Tahian'Andriamaitro ianareo rehetra,
Vakio ny bible
Déo 5:7-9
"aza manana Andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony amin'ny tany, na izay any ambany rano ambany tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy fa Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanka hatramin'ny zafiafy sy zafin-ohaik dia amin'izay mankahala Ahy"
ataoko fa mazava ary marina ny tenin'Andriamanitra ary tsy azo hamarinina amin'izay tian-tsika ampiasana azy. Nanao kisarisary parabole Jesosy fa tsy namolavola sarin-javatra akory! isika manao anjely @choco&platre ireny aza dia efa tsy izy satria raha tena Andriamani-tsika tokoa Andriamanitra dia hanaja Azy, hanaja ny teniny rehetra isika! voalaza fa "Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy " baiko sy didyno nomen'Andriamanitra, kanefa isika miankohoka amina sari-vongana indraindray...mitahiry sy manasina amin'ny bougies ndray ndray...inona ary ity! volazan'Andriamanitra teo fa "mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanka hatramin'ny zafiafy sy zafin-ohaik dia amin'izay mankahala Ahy" ka asakasakao ary tompoko fa Jehovah efa niteny.
Momba ny sari-vongana tsy ankanavaka io an!
na sari-vongana Jesosy aza...maika moa fa ny sary hafa...veloma tompoko da God bless you

83. ikaretsaka
(
26/03/2008 16:47)
tahin'andriamanitra aby.
ity tsimpona ity e
vakio ny bible momban'ny komandin'ny fiaran'ny fanekena sy ny kerobima sy ny serafima sy ny ephode sy ny tempoly sns hoe izao hanaovana azy...
(Mpitsara 8:27; 17:5; 1 Samoela 19:13, Mpitsara 17:5)
ataoko fa mazava sy marina ny Tenin'andriamanitra...
ka ia @ ireo teniny ireo no metimety kokoa? Izy rehetrra sa ilay azoazon'ny saina ihany???
:-D:-D:-D eo isika izao!

84. Fody
(
26/03/2008 22:00)
Ady hevitra moa no atao ka dia misaotra anao amin'ny famalianao ny fanontaniana apetraka aminao.
Dia mba lazao eto ary hoe inona no tsy mampitovy ny hafatra ampitain'ireto:
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ASA&toko=2&andininy=36-36&dika=
http://www1.istockphoto.com/file_thumbview_approve/4163883/2/istockphoto_4163883_jesus_hanging_on_the_cross.jpg
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=22&andininy=1-14&dika=
http://www.godsplan-today.com/0_Images/Abraham3Isaac.jpg
http://www.ibiblio.org/wm/paint/auth/rembrandt/1630/abraham.jpg
Lazao izay zavatra mifanohitra ao!
Dia inona no natsofoka hoy ianao?
Misy an'i Kristy eo anoloanay matoa ny Pretra sy izahay kristiana Katolika mitsaoka rehefa miditra ny Fiangonana. I Kristy izay tsy inoanareo hoe izy, na dia niteny aza izy hoe: "Vatako ity, Ràko ity". Iny moa resaka hafa nefa ataoko fa mety ihany ny hanazavana azy. Jereo ato ny fanazavana: http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47c6c7afb706e .
Izany hoe misy Eokaristia ao anaty Tabernakla, ary ny Eokaristia ao amin’ny tabernakla no tsahonay, fa tsy ny lakroa akory. Ny lakroa dia mari-panajana no atao aminy.
Ary ny Vato (otely) no orohan'ny Pretra mari-panajana io. Ary fanarahana ny tenin'ny SM manao hoe: i Kristy no sorona sy vato hanaovan-tsorona, no mpisorona koa.
Izany rehetra izany moa dia voasoratra ao anaty Baiboly aby nefa mahagaga ny tsy hahalalanareo azy.
Ianareo moa milaza fa manaraka ny Tenin'Andriamanitra sy mamaky ary mandalina ny Baiboly kanefa toa tsy arahinareo sy tsy inoanareo akory izay voalazany, avy eo izahay no lazainareo fa mampiditra zavatra tsy mifanaraka amin'ny SM.
Aiza ao amin'ny Evanjely no milaza fa ny anaran'ireo olona ireo no nosoratan'i Jesoa? Mba lazao hoe aiza ao?
Tsy misy milaza mihitsy ao amin’ny Evanjely fa nanoratra ny anaran’ireo olona ireo i Jesoa.
Ahoana moa no asahinao milaza fa ny sarin'ny Bibilava varahina dia tandidon'ny hanombohana an'i Kristy amin'ny hazofijaliana? Ny Bibilava izay nampiseho ny endriky ny Demony namitaka an'i Adama sy Eva. Ary ao amin'ity tantara ity dia mbola manamafy fa ny bibilava dia endrik'ilay ratsy, mamono olona.
Ny asehon'ny sarin'i Masina Maria dia Masina Marina fa tsy misy hafa akory, toy izany koa ireo hafa.
Fa nahoana no atao any am-piangonana izy? Misy antony roa mazava tsara ireto, izay avy amin’ny Evanjely ihany no nakana azy:
1 - Isany nanaiky ho fitaovana teo an-tanan'Andriamanitra izy ireo, ary mampiseho mòdely soa tsara arahina teo amin’ny fitiavany manokana an’i Kristy. Noho izany, toy ilay Vehivavy nanosotra zava-manitra ny tongotr’i Jesoa sady nanasa azy tamin’ny ranomasony dia tsara raha ampahafatarina ny taraka mifandimby izay nataon’izy ireo. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=26&andininy=6-13&dika=
Ny sary dia fitaovana manampy mba hitadidina sy hahatsiarovana ary hampahalalana ny momba an’ireny olona ireny amin’ny taranaka mifandimby.
2 - Ny nibaiko hoe ataovy dia izy Kristy ihany: Ampiasao ny talenta hoy izy (efa nohazavaiko tery ambony io).
Mba mahavariana ahy ny valin-teninao.
Ianao milaza fa manaraka izay voasoratra, nefa ny dikan’izay voasoratra aza tsy fantatrao akory, ary tsy mahagaga raha manendrikendrika ny hafa ho tsy manaja ny Soratra Masina ianao, satria izay voalazany aza tsy hainao akory. Azafady fa mahitsy be aho, satria izay no marina hita eto izao. Ahitsio raha diso!
Tsy haiko hoe: efa isan’ny kristiana Katolika ve ny namana sa tsia?
Fa fony anay mbola mpianatra katesizy dia nampafatarina anay tokoa ny antony ilaina sy ampiasana ny sary sy ny sarivongana.
Ary ny mikasika ny fahatsorana nolazainao dia ity teny sy fihetsik’i Jesoa ity no diniho: “Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.
Ny fampianarana natsofoka tao anatin'ny fivavahana izay tsy mifanaraka @ S.M ihany koa dia itadiavana izao fomba rehetra izao mba aharesy lahatra ny mpino.
Dia mba lazao eto ary hoe inona no tsy mampitovy ny hafatra ampitain'ireto:
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ASA&toko=2&andininy=36-36&dika=
http://www1.istockphoto.com/file_thumbview_approve/4163883/2/istockphoto_4163883_jesus_hanging_on_the_cross.jpg
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=22&andininy=1-14&dika=
http://www.godsplan-today.com/0_Images/Abraham3Isaac.jpg
http://www.ibiblio.org/wm/paint/auth/rembrandt/1630/abraham.jpg
Lazao izay zavatra mifanohitra ao!
Dia inona no natsofoka hoy ianao?
raha efa niakatra tery @ hôtely tery isé,dia misy fomba atao rehefa manoloana an'ilay lakroa iny,na i môpera aza manao an'izay indrindra rehefa hanokatra ny evanjely masina.(ah,hay tsy mandohalika kay ny anaran'iny fa mampilefitra ny lohalika fotsiny,dia somary miankohoka kely fotsiny.
Misy an'i Kristy eo anoloanay matoa ny Pretra sy izahay kristiana Katolika mitsaoka rehefa miditra ny Fiangonana. I Kristy izay tsy inoanareo hoe izy, na dia niteny aza izy hoe: "Vatako ity, Ràko ity". Iny moa resaka hafa nefa ataoko fa mety ihany ny hanazavana azy. Jereo ato ny fanazavana: http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47c6c7afb706e .
Izany hoe misy Eokaristia ao anaty Tabernakla, ary ny Eokaristia ao amin’ny tabernakla no tsahonay, fa tsy ny lakroa akory. Ny lakroa dia mari-panajana no atao aminy.
Ary ny Vato (otely) no orohan'ny Pretra mari-panajana io. Ary fanarahana ny tenin'ny SM manao hoe: i Kristy no sorona sy vato hanaovan-tsorona, no mpisorona koa.
Izany rehetra izany moa dia voasoratra ao anaty Baiboly aby nefa mahagaga ny tsy hahalalanareo azy.
Ianareo moa milaza fa manaraka ny Tenin'Andriamanitra sy mamaky ary mandalina ny Baiboly kanefa toa tsy arahinareo sy tsy inoanareo akory izay voalazany, avy eo izahay no lazainareo fa mampiditra zavatra tsy mifanaraka amin'ny SM.
Rehefa netina teo @ Jesoa ilay vehivavy azo nijangajanga dia nanomboka nanoratra t@ ny tany izy,ny anaran'ireo olona nitondra azy teo @ Jesoa no nosoratan'i Jesoa t@ tany (izay olona efa nijangajanga t@ io vehivavy io ihany)ary rehefa nahita ny anarany voasoratra ry zareo dia nanomboka niala tsikelikely(izay ilay hoe manao fialan'ny Jiosy)ary farany dia tsy nisy nahajanona teo ka hoy Jesoa taminy,moa misy manameloka anao va eo,izaho koa dia tsy manameloka anao fa @ zao sisa izao aza manota intsony.Afa-po ve isé?
Aiza ao amin'ny Evanjely no milaza fa ny anaran'ireo olona ireo no nosoratan'i Jesoa? Mba lazao hoe aiza ao?
Tsy misy milaza mihitsy ao amin’ny Evanjely fa nanoratra ny anaran’ireo olona ireo i Jesoa.
***Atra no nibaiko an'i Moizy hoe manaova sary bibilava varahina,(tandindon'ny hanombohana an'i Jesoa @ hazo-fijaliana)
Ahoana moa no asahinao milaza fa ny sarin'ny Bibilava varahina dia tandidon'ny hanombohana an'i Kristy amin'ny hazofijaliana? Ny Bibilava izay nampiseho ny endriky ny Demony namitaka an'i Adama sy Eva. Ary ao amin'ity tantara ity dia mbola manamafy fa ny bibilava dia endrik'ilay ratsy, mamono olona.
fa nibaiko ny fiangonana ve izy hoe manaova sarin'i Mb Maria,Josefa,Paoly...ary tandindon'iza no asehon'ireo "tsy i Jesoa kosa aloha e
Ny asehon'ny sarin'i Masina Maria dia Masina Marina fa tsy misy hafa akory, toy izany koa ireo hafa.
Fa nahoana no atao any am-piangonana izy? Misy antony roa mazava tsara ireto, izay avy amin’ny Evanjely ihany no nakana azy:
1 - Isany nanaiky ho fitaovana teo an-tanan'Andriamanitra izy ireo, ary mampiseho mòdely soa tsara arahina teo amin’ny fitiavany manokana an’i Kristy. Noho izany, toy ilay Vehivavy nanosotra zava-manitra ny tongotr’i Jesoa sady nanasa azy tamin’ny ranomasony dia tsara raha ampahafatarina ny taraka mifandimby izay nataon’izy ireo. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=26&andininy=6-13&dika=
Ny sary dia fitaovana manampy mba hitadidina sy hahatsiarovana ary hampahalalana ny momba an’ireny olona ireny amin’ny taranaka mifandimby.
2 - Ny nibaiko hoe ataovy dia izy Kristy ihany: Ampiasao ny talenta hoy izy (efa nohazavaiko tery ambony io).
Nasaina nalàna ny kapan'i Moizy fa inona ary ny antony,toa niteny nivantana taminy mantsy Atra t@ io fotoana io,ka Atra no mahalala ny antony,fa ny finoana Silamo dia manaja an'io fomba io tanteraka rehefa hiditra moské,manala kiraro,fa izany akory tsy midika hoe hanala kiraro koa i Fody rehefa hiditra any ampiangonana.
Mba mahavariana ahy ny valin-teninao.
Ianao milaza fa manaraka izay voasoratra, nefa ny dikan’izay voasoratra aza tsy fantatrao akory, ary tsy mahagaga raha manendrikendrika ny hafa ho tsy manaja ny Soratra Masina ianao, satria izay voalazany aza tsy hainao akory. Azafady fa mahitsy be aho, satria izay no marina hita eto izao. Ahitsio raha diso!
Nb:Ny zava-misy matetika dia mandeha @ fahatsorana ny mpino,tsy manontany izay antony fa satria izay no nianarana tany @ katesizy dia arahana,indrisy ny fahatsorana anie tsy mahavoavonjy e,fa ny finoana an'i Jesoa ihany.
Dia misaotra an'isé manokana!
Tsy haiko hoe: efa isan’ny kristiana Katolika ve ny namana sa tsia?
Fa fony anay mbola mpianatra katesizy dia nampafatarina anay tokoa ny antony ilaina sy ampiasana ny sary sy ny sarivongana.
Ary ny mikasika ny fahatsorana nolazainao dia ity teny sy fihetsik’i Jesoa ity no diniho: “Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.
85. fijo
(
26/03/2008 22:00)
ika an,tandremo ,fa ny mpino koa rehefa mijery ny mpino ny fomban drazana dia manafangaro ny "venerer" sy"louer"
86. fijo
(
26/03/2008 22:02)
cutie,efa nolazaiko andry marina dia marina tokoa ,fa vetivety aho dia ho itandry,ary vetivety aho dia tsy ho itandry.
87. Fody
(
26/03/2008 22:23)
tommykely: mba vakio io hafatra ho an'i veloo io.
Ho an'i Veloo
De mba valio koa tommykely ilay fanontaniana.
Misaotra e!
Ho an'i Veloo
Hoy veloo:ita fa tena interpretana ny rehetra hafa mihitsy izay
lazain'ny baiboly. Ny ahy dia mbola mitazona ny momban'ny DIDY FOLO aho io. ka amiko na inn na inn sampy sy sarivongana dia mitody ireo ao @ didy folo...
Veloo:
Aoka havahana tsara aloha ny atao hoe: sampy, fa tsy hoe rehefa sarivongana akory dia sampy.
Ary ny sampy no halan'Andriamanitra hatramin'izay ka hatramin'izao, fa tsy ny sarivongana akory.
Ny fanaovana sarivongana sy ny sary dia talenta, ka ataoko fa fantatrao fa ny tsy fampiasana ny talenta dia hadisoana eo imason'Andriamanitra.
Ary ny talenta dia avy amin'Andriamanitra. Ary ny zavatra rehetra avy amin'Andriamanitra dia nomeny antsika mba hanasoavana antsika. Ka raha talenta tsy hahasoa ny olona ve homen'Andriamanitra?
Hoy veloo:
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
Marina ny filazanao, ary tsy misy fahamarinana akoatra an'io. Ary tiako ny milaza aminao, fa tsy manana Andriamanitra hafa akoatra an'andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina izahay.
Hoy veloo:
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;
Misaotra anao mamerina an'ity andalana soratra masina ity. Ny iangaviko anao dia ny hamakianao azy io tsara in-77. Mba ho azonao tsara izay hafatra tiany hampitaina fa tsy hanao interpretation diso.
Hoy veloo:
na sampy na sary sy sarivongana dia voarara ary mitovy daholo ireo. i ra-olombelona dia manamora izay didy nomen'Antra ary manao izay itany fa tsara ho azy fa tsy manaraka an;izay lazain'ny didy folon'Andriamanitra. Izay ilay afetsena ataon'ny satana, ary maro no vofitaka sy vorebireby.
Vakio tsara ry veloo ilay andalan-tsoratra masina noraisinao io. Hoy izy: Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.Fa tsy izay ihany anefa no nolazainy, fa mbola misy tohiny. Izay mampiavaka ny atao hoe: sampy amin'ny sarivongana sy sary. Hoy koa izy manohy azy: Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy.
Raha hoy ianao hoe: voarara daholo ireo, na sampy na sarisarin-javatra, dia hoy aho hoe: ahoana ny roapilana izay sarim-borona, ny fiara sarin-tsokovoka sns, ny sambo sarin-trondro sns... no tangenanareo, ampiasainareo??? Nefa ny tenin'Andriamanitra milaza aminareo hoe: Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
Hoy veloo:
Rehefa oy Antra oe aza atao dia aoka isika tsy hanao na inn na inn, izay ilay atao oe fitiavana an'Antra dia manaraka ny didiny. Ny fo sy ny sain'ny tsirairay dia afaka mampatsiaro ny hivavaka @ Antra izay any an-danitra.
Fa rehefa miteny koa izy hoe: Ataovy dia aoka isika hanaiky koa. Raha milaza izy fa ampiasao ny talentanao, dia ampiasao, ary ampiasao hampandrosoana ny Fanjakany dia eto an-tany. Ka raha ampiasaiko hitoriana ny anaran'i Kristy ve ny sary sy sarivongana inona no olona?
Raha ampiasaiko hanampiana ny hafa, hahalala sy hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra ve ny sary sy ny sarivongana, inona ny olana?
Raha ampiasaiko hanampiana ny hafa hanatona an'i Kristy ny sary sy sarivongana, inona no olana?
Mba valio azafady indrindra ireo fanontaniana ireo!
Misaotra mialoha amin'ny valin-teny!
De mba valio koa tommykely ilay fanontaniana.
Misaotra e!
90. ikaretsaka
(
27/03/2008 01:21)
Fody:
Ady hevitra moa no atao ka dia misaotra anao amin'ny famalianao ny fanontaniana apetraka aminao.
Dia mba lazao eto ary hoe inona no tsy mampitovy ny hafatra ampitain'ireto:
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ASA&toko=2&andininy=36-36&dika=
sy
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=22&andininy=1-14&dika=
sy
raha za manokana aleoko tokao mijery an le sary toy izay handeha hi klik ary sy ary le
93. caprio
(
27/03/2008 20:22)
de azavao tsara ra -fody we inona marina zany ny atao we sampy,fa raha samy hiaro tena sy ahita lazaina tahaka nareo daholy de tsy tokony hisy intsony zany ny resaka sampy
95. ikaretsaka
(
27/03/2008 21:41)
efa voalaza any @ saison 1 sy 3 sy ny saison 3 tapany voalohany izany ry caprio a
97. ikaretsaka
(
27/03/2008 23:40)
dia diska loakan'ny sovaly de bois ity koa.. ny teo ihany no miverina
98. Rasiligaoma
(
28/03/2008 05:09)
ary mipetraka teo akaikin'ireny mpivarotra argile verte any Tana ireny angaha ianareo fa tena ... tia manao resaka aller retour.
ny zavatra efa voalaza ary no afindra arokatra dia anontaniana indray atsy dia ekena ato dia toherina indray atsy ambadika dia averina eto dia ...
miverina indray...

99. majesty
(
28/03/2008 08:15)
Ika: :D
fody: :D
Tsaroako ny zava-nanjo an'i Lotera rehefa mahita an'ireo valin-teninareo ireo aho satria izy dia anisan'ireo pretra ary anisan'ny nanovo fahalalana t@ soratra masina izay noràràna tsy azo vakian'ny be sy ny maro t@ izany fotoana izany,rehefa nanazava ny tena hevitry ny soratra masina t@ ireo pretra namany izy dia nolazaina fa heretika (anisan'ireo zavatra notoherin'i Lotera mantsy ireo nambarako eo ambony ireo momba ny finoana katolika),fa samy manana ny fandresehan-dahatrany angamba ny tsirairay.
Fony aho tao anatin'ny finoana katolika dia resy lahatra fa maro ny zvt tsy araky ny S.M natao tao,kanefa ianareo indray toa tsy mahita sy tsy mahatsikaritra an'izany akory,raha tsy hiteny afa tsy ny antony mahatonga ny fiangonana iray hitondra ny anaran'i Md Misely ohatra.
Ika,aza matahotra isé fa za tsy borné @ resaka fivavahana izany ,anisan'ny mamaky ireo boky hafa izay tsy misy ao @ baiboly protestanta ihany koa manko ny tenanay.
Fody:mba omeo ahy hoe raha tsy mahadiso,inona no nosoratan'i Jesoa t@ ratsan-tanany ary tamin'iny fotoana iny dia omeo ahy ny porofo fa ho porofoiko amin'isé io valin-teniko eo ambony io.

100. hery
(
28/03/2008 09:38)
http://katolika.org/index.php?option=com_content&task=view&id=286&Itemid=36 :-)
Ao daholo ny hevitro