ny sampy no voarara fa tsy ny sary sy sarivongana akory (3)

61. pissoa ( 24/03/2008 18:58)
Ary i cutie hoa tsy mba mety afa-po mihitsy rehefa mamaly ahy fa toa mamaly im-betsaka foana e ! :-D:-D:-D:-D:-D
62. Rasiligaoma ( 24/03/2008 19:19)
namaky tsara ilay resaka aho dia izao ilay filahatr'iulat hevitra ry fa nataoko bold mihitsy

raha ekena ilay fisainana hoe fitaovana manampy ilay fivavahana hifantoka amin'Atra no iantsoana ny hoe sampy: (io definition io no novoizina t@ nanontany hoe inona ny dikan'ny sampy amin'ny fijery sasany)

dia maninona no tsy ekena sy tsy atao hoe "manompo sampy" ny mamaky baiboly nefa iny baiboly iny koa anie ka fitaovana ampiasaina hifantoka amin'atra. ohatry ny sary rehetra ihany e

io ilay fanontaniana
63. majesty ( 25/03/2008 05:19)
Fody:mahafinaritra fa efa manomboka mikaroka argument hanohanana ny religion arahan'isé isé,kanefa izao:
1)fa Jesoa ve nandohalika sa niantso ny anaran'ilay voatsinapy rehefa nivavaka?
2)ilay soratsoratra nataon'i Jesoa iny v t@ ilay vehivavy azo nijangajanga nampiasainy t@ fivavahany
3)ilay sary tsondro nampiasain'ireo Kristiana fahiny ve,niankohofany sy nantsoiny rehefa hanonona tonom-bavaka izy?
Tsy rehefa sary vongana akory dia sampy fa na tsy sary vongana aza mety ho lasa sampy.:D
Hoy ilay mopera nampianatra anay fahiny izay hoe:tsy mivavaka amin'ny sampy isika anaka fa entintsika ho fitaovana ahatsiarovana azy ireo (olo-masina) fotsiny izany d hoy aho anakampo hoe na d andohalihana sy anaterana emboka manitra sy atao misaona rehefa alakamisy masina ary v?
64. Fody ( 25/03/2008 10:30)
Fody:mahafinaritra fa efa manomboka mikaroka argument hanohanana ny religion arahan'isé isé

Ny zavatra efa hidoboka no mila tohanana ry namana.
Nefa ny Finoana arahiko dia Izy Kristy no Andry iankinany sy Fototra ijoroany ka tsy izaho mihitsy no hitady zavatra hanohanana azy.
1)fa Jesoa ve nandohalika sa niantso ny anaran'ilay voatsinapy rehefa nivavaka?
3)ilay sary tsondro nampiasain'ireo Kristiana fahiny ve,niankohofany sy nantsoiny rehefa hanonona tonom-bavaka izy?

Ary ny Katolika angaha hono miantso ny anaran'ilay sarivongana rehefa mivavaka?
Angaha koa hono ny Kristiana Katolika mandohalika amin'ny sary?

Jereo fa ity ambany ity misy vavaka iray fanaon'ny Kristiana Katolika manoloana ny sarin'i Jesoa mifanjika. Ary mattika mandohalika izy manao azy. Dia mba asehoy hoe: aiza ao no milaza fa ilay sary no ivavahanay sy andoalihanay.

Ry Jesoa tsara fo sy mamiko indrindra,
inty aho mandohalika sy miankohoka eto anatrehanao,
ary milelaka ny faladihanao sy mitalaho mafy aminao : mba velomy sy ahomboy mafy ao am-poko ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, ary ny fanenenana marina amin'ny ratsy rehetra nataoko sy ny fikasana mafy tsy hanao azy intsony, fa mitsetra sy malahelo tokoa aho izao mieritreritra sy mibanjina ny fery diminao sady mahatsiaro ireto teny naloakan'ny vavan'i Davida mpaminany ireto hoe: "Voaloakan'izy ireo ny tanako sy ny tongotro ary voaisany ny taolako rehetra"

2)ilay soratsoratra nataon'i Jesoa iny v t@ ilay vehivavy azo nijangajanga nampiasainy t@ fivavahany

Inona àry aloha ilay soratsoratra nataony?
Valio io dia hovaliako ianao!

Hoy ilay mopera nampianatra anay fahiny izay hoe:tsy mivavaka amin'ny sampy isika anaka fa entintsika ho fitaovana ahatsiarovana azy ireo (olo-masina) fotsiny izany d hoy aho anakampo hoe na d andohalihana sy anaterana emboka manitra sy atao misaona rehefa alakamisy masina ary v?

Misy fanontaniana roa tiako mba hovalianao àry ireto:
1 - Ahoana no nasain'Andriamanitra nanao sary bibilava varahina i Moizy tany an'efitra? Inona no antony? Nanompo sampy ve ny vahoaka Jody tamin'izay fotoana izay sa tsia? Moa nivavaka sy niandradra famonjena tamin'ilay sary ve izy sa tsia?

2 - Nahoana no nasain'Andrimanitra nalana ny kapan'i Moizy raha izy handeha hanatona an'ilay zavatra nirehitra nefa tsy levona?

Misaotra anao!


65. ikaretsaka ( 25/03/2008 11:39)
Efa ankametraka fanontaniana ihany moa ity ka miala tsiny fa maha be raharaha an'i majesty fa mbola hametraka fanontaniana koa:wink:

3- Maninona no niteny nikomandy mihitsy Andriamanitra momban'ny kerobima sy ny serafima heo izao aby no materiels ampiasao dia sokiro ohatran'izao? (Jereo ao @ boky voalohan'ny Mpanjaka ao) (1 mpanjaka 10:19-20) Ezekiela

4-Ahoana ny momban'ny Ephode sy ny Theraphim ? sary vongana anie ireny e (Mpitsara 8:27; 17:5; 1 Samoela 19:13, Mpitsara 17:5)

Tsy hidirako ny tantaran-dry Md Ambroise nahita an'i Md paoly sy i jesoa sns... hoe t@ alalan'ny sarivongana no nahalalany hoe i paoly io sy i jesoa..
fa iny raha iny moa tsary vakianareo
66. cutie ( 25/03/2008 13:09)
62. Mpandefa : majesty [ Valio ] 25-03-2008 06:19:22
Lohateny : Re : ny sampy no voarara fa tsy ny sary sy sarivongana akory (3)
Fody:mahafinaritra fa efa manomboka mikaroka argument hanohanana ny religion

zay indrindra manko ry majesty a
tsy aleo ve ry zareo samy katolika no hifanazava eo @ zay mitombona ihany le we ny katolika tsy mivavaka @ sary=))=))=))=))=))=))=))
67. ikaretsaka ( 25/03/2008 13:16)
ary i cutie ity tsy manana saina tia narokaroka kay izany fa dia hoe satria ho'zy pasitera na satria ho'zy ny boky dia izay o?
68. cutie ( 25/03/2008 13:22)
o ry Ika mpandray antendrony a
ndana koa vakio ny zavatra nolazaiko any ambony any=))=))=))=))=))=))=))=))
69. ikaretsaka ( 25/03/2008 13:26)
ovaiko ilay fiteny ary e.. raha ny fahitako azy dia "mametra tena tsy hikaroka " ianao!
milaza ny marina hitany indray ika e
70. cutie ( 25/03/2008 13:34)
mbola mandray antendrony ihany
fa za tsy hamerina tsony ny voasoratro any ambony any =))=))=))=))=))=))=)) refa tsy hamaky
71. ikaretsaka ( 25/03/2008 13:39)
which part of my last observation is wrong aza... diniho ny tenanao dia omeo ny porofo!
72. ikaretsaka ( 25/03/2008 13:40)
rehefa mi argue de omeo ny porofo sy ny arguments fa tsy kakakaka zato kalesa akory
73. cutie ( 25/03/2008 14:40)
fa za wa nanana namana katolika zay de hoy izy we hay ve zahay ty tokoa ka tena mivavaka @ sary e :-D::-D:-D:-D
de nariany daholo ny sary tao aminy tao, sarin'ny masindahy zao e, sarin'ny masimbavy ry..............
Tetsatsetra tsy aritra fotsiny ny ahy sao ho avy ndray ny sasany @ angady sy ny harona hanapepo sy hanakiana=))=))=))=))=))
74. cutie ( 25/03/2008 14:41)
Ika
calme toi de avereno vakiana ndray ny nosoratako any ambony any :-D:-D:-D:-D:-D:-D
75. ikaretsaka ( 25/03/2008 15:00)

za koa izao afaka miteny hoe fa za hoa manana namana tsy katolika de hoy izy hoe kay veee izany ny antony fa tsy heo mivavaka @ sary araka ny niheverako azy ny kato eeee..
dia nividy sary masina bedebe izy.. misy masindahy tsy haiko aza:-D:-D:-D:-D
76. fijo ( 25/03/2008 22:08)
hoy i fody:"
Ny mahasamihafa ny mpanompo sampy Malagasy sy ny Kristiana Katolika rafijo dia izao:

1 - Ny mpanompo sampy dia miantso mivantana ny sarivongana ao aminy hoe: sampiny. Ny sasany dia miteny hoe: ireo no andriamaniny. Ny sasany indray miantso azy hoe: Ny Masina.
Ny Kristiana kosa dia tsy toy izany: ho anay dia sary iny, fitaovana.

2 - Ny mpanompo sampy dia manantena famonjena avy amin'ny sampiny, izay no antony anasivany tantely, taoka, bonbon, sns eo anoloan'ireny sampiny ireny. Ary raha manao sorona izy dia atolony an'iny sampiny iny ny ràn'ny biby (na olona) nataony sorona.
Ny Kristiana kosa dia tsy mba manantena famonjena avy amin'ny sary na ovina na ovina, eny fa na dia manisy voninkazo eo anoloan'ireny sary ireny aza, izay mariky ny fitiavana manokana an'ilay olona asehon'ilay sary. Ary tsy mbola nisy Kristiana nanao sorona ho an' ny sary na sarivongana mihitsy.

3 - Ny vavaka sy fangatahana ataon'ny mpanompo sampy dia mivantana amin'ilay sampiny. Izany hoe iny no hivavahany.
Ho an'ny Kristiana katolika kosa dia fitaovana ny sary sy sarivongana, ary tsy ivavahana mihitsy. Ny vavaka ataony dia miantefa mivantana amin'Andriamanitra.

rah aio no jerena dia tsy mahalala ny mpino ny finoan 'ny razana tokoa i fody.na marimarina kokoa,nodisoana nyfahalalana nomena an'i fody momba ny finonan'ny razana.

ny nanpiasa io teny hoe sampy io tamin'ny gays dia satria io zavatra io asampy amin'ny tena.toa io splet ampiasainareo eo.asampy amin'ny tena koa io.

ary raha ny filazana hoe "masina"ny mpino katolika koa dia mampiasa io teny io raha milaza ny maty sasany.masindahy zozefa sns.
raha miresaka amin'ireny olona ireny ianao,dia ahalala,fa tsy ireny tandroka kely asiana tany snsn ireny no andriamaniny fa zavatra tsy hita maso.

raha milaza i fody fa ny mpanompo sampy ,dia miandry famonjena avy amin'ny sampiny dia diso.
ianareo katolika rah amangataka amin'i masina maria ,ngah amiandry valimbavaka avy aminy??????tsy lalana fotsinyve izy hangataha zavatra avy amin'ilay tsy hita?toa izay koa io "sampy" io.tetzana io fa tsy io ilay tanjona.
ar rahamamonjy fitampoa ianao di aahita ,fa tsy ilay taolan aakory no zanahary.fa iny dia hangatahana hampita ny vavaka amin'i zanahary.

raha manao sorona izy hoy i fody dia atolony an'ilay sampy.io amiko dia toa ny kristianina hoe mametraka lamba kely ao lourde.hoan'i ilay sary vongan aao ve io lamba io???ngamba tsia ny valiny.dia to aizay koa ny an'ny razana.fanajana io fa tsy hoe fanolorana.
77. cutie ( 25/03/2008 22:35)
fijo
tonga soa ndray e
ohtran'ny elabe zany za tsy nahita an'i fijo teto:-D
78. cutie ( 25/03/2008 22:37)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 25-03-2008 16:00:42
Lohateny : Re : ny sampy no voarara fa tsy ny sary sy sarivongana akory

za koa izao afaka miteny hoe fa za hoa manana namana tsy katolika de hoy izy hoe kay veee izany ny antony fa tsy heo mivavaka @ sary araka ny niheverako azy ny kato eeee..
dia nividy sary masina bedebe izy.. misy masindahy tsy haiko aza

=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))
79. majesty ( 26/03/2008 06:33)
Hoy Fody!

1)
Ny zavatra efa hidoboka no mila tohanana ry namana.
Nefa ny Finoana arahiko dia Izy Kristy no Andry iankinany sy Fototra ijoroany ka tsy izaho mihitsy no hitady zavatra hanohanana azy.


Ny fampianarana natsofoka tao anatin\'ny fivavahana izay tsy mifanaraka @ S.M ihany koa dia itadiavana izao fomba rehetra izao mba aharesy lahatra ny mpino.

2)
Ary ny Katolika angaha hono miantso ny anaran\'ilay sarivongana rehefa mivavaka?
Angaha koa hono ny Kristiana Katolika mandohalika amin\'ny sary?


raha efa niakatra tery @ hôtely tery isé,dia misy fomba atao rehefa manoloana an\'ilay lakroa iny,na i môpera aza manao an\'izay indrindra rehefa hanokatra ny evanjely masina.(ah,hay tsy mandohalika kay ny anaran\'iny fa mampilefitra ny lohalika fotsiny,dia somary miankohoka kely fotsiny.

3)
Inona àry aloha ilay soratsoratra nataony?

Valio io dia hovaliako ianao!


Rehefa netina teo @ Jesoa ilay vehivavy azo nijangajanga dia nanomboka nanoratra t@ ny tany izy,ny anaran\'ireo olona nitondra azy teo @ Jesoa no nosoratan\'i Jesoa t@ tany (izay olona efa nijangajanga t@ io vehivavy io ihany)ary rehefa nahita ny anarany voasoratra ry zareo dia nanomboka niala tsikelikely(izay ilay hoe manao fialan\'ny Jiosy)ary farany dia tsy nisy nahajanona teo ka hoy Jesoa taminy,moa misy manameloka anao va eo,izaho koa dia tsy manameloka anao fa @ zao sisa izao aza manota intsony.Afa-po ve isé?:D


Misy fanontaniana roa tiako mba hovalianao àry ireto:
1 - Ahoana no nasain\'Andriamanitra nanao sary bibilava varahina i Moizy tany an\'efitra? Inona no antony? Nanompo sampy ve ny vahoaka Jody tamin\'izay fotoana izay sa tsia? Moa nivavaka sy niandradra famonjena tamin\'ilay sary ve izy sa tsia?

2 - Nahoana no nasain\'Andrimanitra nalana ny kapan\'i Moizy raha izy handeha hanatona an\'ilay zavatra nirehitra nefa tsy levona?


***Atra no nibaiko an\'i Moizy hoe manaova sary bibilava varahina,(tandindon\'ny hanombohana an\'i Jesoa @ hazo-fijaliana)fa nibaiko ny fiangonana ve izy hoe manaova sarin\'i Mb Maria,Josefa,Paoly...ary tandindon\'iza no asehon\'ireo \"tsy i Jesoa kosa aloha e:D\".Nasaina nijery an\'io sary varahina io izay voakaikitry ny menarana tena izy mba tsy ho faty,fa menarana inona kosa no nanaikitra ny mpino katolika ka nahatonga azy hanao sary ôtran\'ireny mba ho jerena,dia tena mitondra fanasitranana v?
Nasaina nalàna ny kapan\'i Moizy fa inona ary ny antony,toa niteny nivantana taminy mantsy Atra t@ io fotoana io,ka Atra no mahalala ny antony,fa ny finoana Silamo dia manaja an\'io fomba io tanteraka rehefa hiditra moské,manala kiraro,fa izany akory tsy midika hoe hanala kiraro koa i Fody rehefa hiditra any ampiangonana.

Nb:Ny zava-misy matetika dia mandeha @ fahatsorana ny mpino,tsy manontany izay antony fa satria izay no nianarana tany @ katesizy dia arahana,indrisy ny fahatsorana anie tsy mahavoavonjy e,fa ny finoana an\'i Jesoa ihany.
Dia misaotra an\'isé manokana!:D
80. majesty ( 26/03/2008 06:47)
Ikaretsaka:

Efa ankametraka fanontaniana ihany moa ity ka miala tsiny fa maha be raharaha an'i majesty fa mbola hametraka fanontaniana koa

3- Maninona no niteny nikomandy mihitsy Andriamanitra momban'ny kerobima sy ny serafima heo izao aby no materiels ampiasao dia sokiro ohatran'izao? (Jereo ao @ boky voalohan'ny Mpanjaka ao) (1 mpanjaka 10:19-20) Ezekiela

4-Ahoana ny momban'ny Ephode sy ny Theraphim ? sary vongana anie ireny e (Mpitsara 8:27; 17:5; 1 Samoela 19:13, Mpitsara 17:5)

Tsy hidirako ny tantaran-dry Md Ambroise nahita an'i Md paoly sy i jesoa sns... hoe t@ alalan'ny sarivongana no nahalalany hoe i paoly io sy i jesoa..
fa iny raha iny moa tsary vakianareo




Araka ny efa namaliako an'i Fody ihany:Atra no nikomandy ny hanaovana an'ireny,donc izy no mahalala ny antony,fa iza kosa no nikomandy ny fiangonana hampiasa an'ireny,(Mahay tantara isé dia mino aho fa hain'isé tsara ny zava-nisy ara-pivavahana nanodidina ny taona 321 AD teo ho eo ny nanombohana nampiasa an'ireny sary vongana ireny tany ampiangonana):D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086