ny sampy no voarara fa tsy ny sary sy sarivongana akory (3)
1. Fody
(
21/03/2008 14:20)
I Jesoa dia manao sarin-teny matetika, ilazana zavatra marina, mba hanampiny ny olona hahazo izay zavatra lazainy.
Ohatra: I Jesoa dia nilaza fa ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny voantsinapy http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/13 ... Io kisarisary io dia manampy antsika hahazo izay hafatra tiany lazaina amintsika, fa tsy midika mihitsy hoe: voantsinapy izany ny fanjakan'ny lanitra.
Voalaza koa fa i Jesoa dia nanao kisarisary tamin'ny tany, rehefa nanameloka an'ilay vehivavy janga tra-tehaka ireo jody maromaro, ary naka ny hevitr'i Jesoa ny momba an'izany. "Izay tsy nanota taminareo hoy izy no aoka hitora-bato azy" dia nanao kisarisary tamin'ny tany izy. Io kisarisary nataony io dia nanampy ireo tonga nanameloka an'ilay vehivavy hahazo izay tian'i Jesoa lazaina, ka niala tsikelikely ry zareo sady menatra, tsy nisy sahy nanameloka.
Ny Kristiana voalohany dia tamin'ny alalan'ny sary no nifankalalany (sarin-trondro). Io sarin-trondro io dia milaza ny momba an'i Kristy, saingy tsy io kosa no i Kristy, fa nanampy ireo kristiana io hahalala an'i Kristy
Rehefa avy mamaky sy mandinika izay voasoratra ao anaty Baiboly isika dia miha mahalala an'Andriamanitra. Izany hoe, ny Baiboly dia manampy antsika koa hahalala an'Andriamanitra sy hifantoka aminy, fa tsy ny Baiboly akory no Andriamanitra, fa milaza ny aminy fotsiny ny Baiboly.
Eo am-pibanjinana ny sarin'i Kristy mifantsika amin'ny hazofijaliana koa ny tena, dia miha mahalala bebe kokoa ny haben'ny fitiavan'i Kristy, ary manandrana ny fo any aminy. Izany hoe, ny sary (na sarivongana) dia manampy ny tena koa hahalala sy hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra, fa tsy midika hoe iny sary iny akory no Andriamanitra (na i Kristy).
Koa satria samy fitaovana na ny Baiboly na ny sarivongana, noho izany samy tsy Andriamanitra izy roa ireo; fa samy mitory azy kosa amin'ny fomba roa samihafa, nefa milaza zavatra iray ihany.
répondu par ikaretsaka le 10/04/2008 16:37
2. cutie
(
21/03/2008 14:28)
na hanazava impolo aman-jato aza
tsy miala tsony le sterotype we ny katolika mivavaka @ sary :-D
miala tsiny raha diso mivantana loatra ny teniko :)a
tsy miala tsony le sterotype we ny katolika mivavaka @ sary :-D
miala tsiny raha diso mivantana loatra ny teniko :)a
3. Fody
(
21/03/2008 14:45)
I Jesoa koa dia nilaza mazava tamintsika fa tsy maintsy ampiasaina izay talenta azontsika avy amin'Andriamanitra. Noho izany ny tsy fampiasana izany dia heloka eo anatrehany.
Samy talenta na ny mihira, na ny manoratra, na ny miteny, na ny manao sary. Samy talenta azo ampiasaina hitoriana an'Andriamanitra sy ny fitiavany ireo, ary samy azo hampiasaina hanampiana ny olona hahalala bebe kokoa an'Andriamanitra. Noho izany tsy voarara ny manao sy mampiasa sary sy sarivongana. Ny voarara ao amin'ny Baiboly (ao amin'ny Testamenta Vaovao sy Taloha) dia ny fanompoan-tsampy.
Miandry ny fanazavan'ilay olona milaza fa mpanompo sampy i pissoa sy katolika namana, ka tokony handinika.
(tsy i cutie no lazaiko amin'io)
Misaotra!
4. niryna
(
21/03/2008 18:09)
cutie:
na hanazava impolo aman-jato aza
tsy miala tsony le sterotype we ny katolika mivavaka @ sary :-D
miala tsiny raha diso mivantana loatra ny teniko :)a
:D
tsy fantatro izay mbola hanohizany azy eto,izay izy izany dia izay,vita tompoko.sa ahoana aky ry cutie?
-----------------------------
Isika rehetra dia tsy hiova velively raha tsy mangataka ny fanahy masina hanampy antsika amin'izany.Anjaran'ny tsirairay io na hino na tsia raha tsy mila famonjena moa dia izay .Efa resaka lava io izay tsy mandray tsy mandray intsony aleo ny hafa no hihaino fa ny efa mahalala dia efa miandry ny fitsarana fa efa nampahafantarina fa tsy mino.
caprio:
raha mino enao fa mihaino vavaka Atra ,de inona no hilana sarivongana?
izay indrindra mantsy,safidy io ry caprio a.
vita tompoko ,no more comment about worshiping idols,statues...vita a,vita ny adidy ,vita hoy i kristy ny famonjena izay nomeny,an'ny tsirairay sisa no mitsakotsako ny tenin'Atra .Na mandohalika io ,na miankohoka,na mivavaka,na mampiasa fitaovana hiantsoany an'Atra,na mampiasa sampankazo rehefa sampy dia sampy+le na sarivongana,rehefa mampiasa zavatra hiantsoana ny fanahy masina dia sampy izay hoy ny tenin'Atra ary tsy nisy namorona na mitsongoloka fa izay no voasoratra ao anaty baiboly.Dia izay izy izany fa aza mandany andro aminy eo ,mbola maro ny olona mila vonjy.
sa inona no tena mbola mampiahiahy an'i fody? izay izy dia izay. Tohizo ny fivavahanao amin'ireo sarisary fa anao ireo ka
5. ikaretsaka
(
21/03/2008 18:13)
Hoy i caprio:
raha mino enao fa mihaino vavaka Atra ,de inona no hilana sarivongana?
hanampy anao hi focus amin'ilay vavakaka kokoa ka
ohatran'y hoe raha mino ianoa fa misy fanahin'Atra ao aminao raha nandray ny Fanahy masina ianao t@ batemy na batisa, de inona no hilana baioly??
le izy hoa rehefa dinihina de marina ilay lazain'i pissoa hoe le zavatra mody lavinareo anie ataonareo ihany fa @ fomba hafa fotsiny e!!
tsory ny marina hoa
6. pissoa
(
21/03/2008 18:33)
niryna:
tsy fantatro izay mbola hanohizany azy eto,izay izy izany dia izay,vita tompoko.sa ahoana aky ry cutie?
ajanony ony fa efa hevi-draikitra ny an'ny sasany e :-D:-D:-D
Niryna : ndana aloha valio daholo ilay fanontanianay bobaka be tsy mety valian'i Caprio atsy ambadika atsy e
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47bb280c2532f
:-D:-D:-D
Ika : bedy ireo raha manaiky an'io "fanompoan-tsampiny" io koa na dia efa miharihary aza !
7. fijo
(
21/03/2008 20:38)
raha za manokana ry zareo,dia tsy manenjika anareo amin'ireo sary ampiasainareo ireo,fa ny tsy azoko,dia nahoana ianareo no manenjika ny finoana gasy mampiasa ny sarivongany??????
8. pissoa
(
21/03/2008 20:58)
Fijo : tsy afaka manenjika anay ianao amin'ny fampiasanay sary sy izay talenta hafa rehetra satria ianao aza tsy mino an'Andriamanitra akory ! :wink::-D:-D:-D
Ankoatra izay dia tsy mitovy ny toeran'ny tapa-kazo sns amin'ny gasy sasany sy amin'ny Katolika. Tsy izay rehetra mampiasa tapa-kazo akory dia hoe manompo sampy fa izany akory tsy midika hoe tsy misy manompo sampy mihitsy. Ka io manompo sampy io no tsy Kristianina. Raha heverin'i Fijo hoe fanenjehana moa ny filazana hoe tsy Kristianina dia hafahafa ihany :°):-D:-D:-D

9. fijo
(
21/03/2008 21:17)
ka aza manaratsy ny azy koa raha tsy tianareo ny hanaratsiana ny anareo.samy mampiasa "zavatra"ianareo.
i mopera izao,dia ny "croix" no asetriny rehefa hoe manala devoly.
ny gasy koa"kely malaza"no ampiasainy raha hiady amin'ny vazaha izy.samy mampiasa izany ka mifanaja.fa tsy misy ambony sy ambany ianareo

11. fijo
(
21/03/2008 21:30)
manaratsy ny filazana hoe "mpanompo sampy"
rah atsy nanaratsy dia niteny hoe"manana finoana hafa noho isika" na koa hoe "manarak any finoan'ny razana"
nyfampisongadinana io teny hoe "sampy" io dia fanambaniana sy fanaratsiana.
rah atsy nanaratsy dia niteny hoe"manana finoana hafa noho isika" na koa hoe "manarak any finoan'ny razana"
nyfampisongadinana io teny hoe "sampy" io dia fanambaniana sy fanaratsiana.
12. pissoa
(
21/03/2008 21:34)
Fa inona no dikan'ny hoe sampy amin'i Fijo ?!
Ary rehefa miteny hoe manaraka lalan-diso izahay, na hoe mpandainga sy mpananihany fotsiny ny Andriamanitray, na hoe mpandrava tsena Jesosy etc ve ry Fijo dia manaratsy sa tsia ?!
:-D:-D:-D
Ary rehefa miteny hoe manaraka lalan-diso izahay, na hoe mpandainga sy mpananihany fotsiny ny Andriamanitray, na hoe mpandrava tsena Jesosy etc ve ry Fijo dia manaratsy sa tsia ?!
:-D:-D:-D
13. ikaretsaka
(
21/03/2008 21:52)
fa ny tsy azoko..
raha ekena ilay fisainana hoe fitaovana manampy ilay fivavahana hifantoka amin'Atra no iantsoana ny hoe sampy: (io definition io no novoizina t@ nanontany hoe inona ny dikan'ny sampy amin'ny fijery sasany)
dia maninona no tsy ekena sy tsy atao hoe "manompo sampy" ny mamaky baiboly nefa iny baiboly iny koa anie ka fitaovana ampiasaina hifantoka amin'atra. ohatry ny sary rehetra ihany e
dia maninona no tsy ekena hoe ny soratra koa anie ka sary
tsy mitovy ve ny dikan'izao

sy hoe
io dia BAOLINA BASKETY???

14. cutie
(
22/03/2008 05:11)
raha ekena ilay fisainana hoe fitaovana manampy ilay fivavahana hifantoka amin'Atra no iantsoana ny hoe sampy: (io definition io no novoizina t@ nanontany hoe inona ny dikan'ny sampy amin'ny fijery sasany)
tsy izy zany fa aza itarina any :-D
15. cutie
(
22/03/2008 05:13)
dia maninona no tsy ekena sy tsy atao hoe "manompo sampy" ny mamaky baiboly nefa iny baiboly iny koa anie ka fitaovana ampiasaina hifantoka amin'atra. ohatry ny sary rehetra ihany e
efa diso hatrany am-potony i Ika :-D:-D:-D:-D:-D
16. Rasiligaoma
(
22/03/2008 05:44)
Idirako kely: Izay hiatsoana azy na sampy na sarivongana amiko tsy asiako olana loatra ,
fa ilay sarivongana sy baiboly amiko raha samy hoe tanjona iray = dia ny hanampy anao hivavaka sy hataonao aide memoire no ilavana azy, dia amiko dia mitovy ihany!
mitovy hevitra amin'io voalaza eo ambony io aho hoe hevitra iray no tian'ilay baolina basikety (sary) sy ilay baolina basikety (soratra) ampitaina
Zavatra iray ihany no tian'ireo sary amin'ny chemin de croix ao amin'ny pilones ao am-piangonana katolika , sy ny voalaza ao amin'ny baiboly ao amin'ny passion: samy mitantara sy mampatsiahy ny fijaliana sy ny nahafatesan'ny Tompo.
Zavatra iray ihany no tian'ny tranon'omby sy ny ao amin'ny baiboly : ny nahaterahan'ny tompo!
Zavatra iray ihany no ambaran'ny soratra mitantara ny momban'i Masina Maria sy ny sariny : manaova ohatra azy, ny oham-piainany atao modely!

17. Fody
(
22/03/2008 09:59)
Ho an'i nyrina:
Raha misy izay hevitra hahafahanao manohitra izay voalazako dia asehoy.
Raha misy izay hevitra na andalan-tsoratra masina mandiso ireo zavatra voalazanay ireo dia ambarao.
Raha misy "arguments" matanjaka ahafahanao milaza fa ny sary sy sarivongana dia sampy avokoa, lazao!
Farany: ampio ilay namanao iray ato hamaly ny fanontanianay fa kofona.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47bb280c2532f
Ho an'i fijo
Ny mahasamihafa ny mpanompo sampy Malagasy sy ny Kristiana Katolika rafijo dia izao:
1 - Ny mpanompo sampy dia miantso mivantana ny sarivongana ao aminy hoe: sampiny. Ny sasany dia miteny hoe: ireo no andriamaniny. Ny sasany indray miantso azy hoe: Ny Masina.
Ny Kristiana kosa dia tsy toy izany: ho anay dia sary iny, fitaovana.
2 - Ny mpanompo sampy dia manantena famonjena avy amin'ny sampiny, izay no antony anasivany tantely, taoka, bonbon, sns eo anoloan'ireny sampiny ireny. Ary raha manao sorona izy dia atolony an'iny sampiny iny ny ràn'ny biby (na olona) nataony sorona.
Ny Kristiana kosa dia tsy mba manantena famonjena avy amin'ny sary na ovina na ovina, eny fa na dia manisy voninkazo eo anoloan'ireny sary ireny aza, izay mariky ny fitiavana manokana an'ilay olona asehon'ilay sary. Ary tsy mbola nisy Kristiana nanao sorona ho an' ny sary na sarivongana mihitsy.
3 - Ny vavaka sy fangatahana ataon'ny mpanompo sampy dia mivantana amin'ilay sampiny. Izany hoe iny no hivavahany.
Ho an'ny Kristiana katolika kosa dia fitaovana ny sary sy sarivongana, ary tsy ivavahana mihitsy. Ny vavaka ataony dia miantefa mivantana amin'Andriamanitra.
Misaotra!
18. ikaretsaka
(
22/03/2008 15:13)
Fody:
Ho an'i nyrina:
-Raha misy izay hevitra hahafahanao manohitra izay voalazako dia asehoy.
-Raha misy izay hevitra na andalan-tsoratra masina mandiso ireo zavatra voalazanay ireo dia ambarao.
-Raha misy "arguments" matanjaka ahafahanao milaza fa ny sary sy sarivongana dia sampy avokoa, lazao!
Farany: ampio ilay namanao iray ato hamaly ny fanontanianay fa kofona.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47bb280c2532f
niryna
raha azoo atao dia mba tsy amin'i fody ihany ianao no tokony hanao ireo fa fa aminay rehetra miady hevitra aminao
misaotra mialoha
19. pissoa
(
22/03/2008 18:37)
mianjy an'i niryna sy cutie hamaly an'le fanontaniana atsy ambadika koa :-D:-D:-D
20. cutie
(
22/03/2008 19:06)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 21-03-2008 15:28:17
Lohateny : Re : ny sampy no voarara fa tsy ny sary sy sarivongana akory (3)
na hanazava impolo aman-jato aza
tsy miala tsony le sterotype we ny katolika mivavaka @ sary
miala tsiny raha diso mivantana loatra ny teniko a
tsy mahita an'zany fanontaniana zany sady tsy mi interesser @ zany:-D