ny sampy no voarara fa tsy ny sary sy sarivongana akory (3)

101. Fody ( 28/03/2008 10:28)


majesty:
Fony aho tao anatin'ny finoana katolika dia resy lahatra fa maro ny zvt tsy araky ny S.M natao tao.

Koa maninona moa raha valiana ny fanontaniana mipetra aminao ireo ambony ireo e?
Ianao milaza fa manaraka ny SM ary izahay tsy manaraka an'izany, nefa apetraka aminao ny fanontaniana toa tsy misy avaly ianao, fa izahay no lazainao miaro-tena!
Valio ilay fanontaniana azafady!
Fody:mba omeo ahy hoe raha tsy mahadiso,inona no nosoratan'i Jesoa t@ ratsan-tanany ary tamin'iny fotoana iny dia omeo ahy ny porofo fa ho porofoiko amin'isé io valin-teniko eo ambony io.

Ny porofo omeko an'ise dia tsy misy afatsy izay voasoratra ao amin'ny Evanjely ihany.
Mba vakio amin'ny teny GRIKA ny Jn8, 8 raha mahay ise, dia hazava amin'ise fa tsy nanoratra (soratra hay vakina) izy.
Ny dikatenin'ny TOB no manakaiky indrindra izay voalaza, ary manambara hoe:
John 8:8 Et s'inclinant à nouveau, il se remit à tracer des traits sur le sol.

Dia omeo ny porofon'ise àry.

Miandry!

Misaotra.


102. ikaretsaka ( 28/03/2008 15:48)
John 8:8 Et s'inclinant à nouveau, il se remit à tracer des traits sur le sol.

tsy nanoratra re izy izany fa "nanipika" e
mino aho fa azon'i majesty @ izay hoe inona no atao hoe "tsipika" an (sary sa soratra)
misaotra
:wink:
103. fijo ( 28/03/2008 22:08)
kisarisary no manome ny soratra,ka tsipika iray no nataony sa tsipika manome soratra?
104. ikaretsaka ( 28/03/2008 22:09)
tsy voatery manome soratra ny ktsipitsipika ka.. sa soratra ny plan ko le
105. fijo ( 28/03/2008 22:17)
azo lazaina fa soratra ny plan,satria azo vakiana.
106. Rasiligaoma ( 29/03/2008 07:40)
eo amin'ilay fanekena ilay fihevitra hoe "na sary na soratra dia fitaovana natao hitondra hafatra" no hitako olana raha izany

raha io plan resak'i Ika sy i fijo io mantsy dia ny hampita hafatra amin''ireo mpanao trano rehetra no ilaina ilay plan: "hoe izao no ho endriky ny zavatra haorinareo sy hanaovanareo azy"

Dia tokony ho toy izany koa no andraisana ny Soratra masina sy ny sary masina raha ny hevitro:
" Hampita hafatra amin'ireo mpino hoe izao no nataon'izany Jesoa izany, raha mijery Crucifix ohatra, na izao izany alahelon-dreny izany raha mijery pieta"

sa ve vao asiana ilay hoe "masina" dia miova tanteraka ny fijery azy?

Tandremo manao Plan "masina" raha izany fa tsy hisy hamaky ny anareo
107. yonikafopl ( 29/03/2008 09:53)
rasili miombonkevitra :wink:
108. majesty ( 31/03/2008 08:24)
Hery: :D io fanazavana entinao io efa mipetraka foana hatrizay,fa ny tena marina tsy voafehy izy io ka matetika no mivoana,ohatra:betsaka amin\'ireo mpino katolika anie no mino fa manana hery majika ny sary masina sy ny sary vongana e,ka zay no antony manesika azy ireo hampiasa izany amin\'ny fivavahany.Ary mety ho izany no nandrarana azy ao anatin\'ny didy folo araka ny baiboly hoe:aza manao sarin-javatra voasikotra....izay didy niniana novaina ao anaty boky katesizy ka nofoanana mihitsy ary nosoloina didy hafa,mino aho fa hainao io :D
Ikaretsaka: nanome didy Atra,t@ nanamboarana ny sambo fiara,ny fanamboarana tempoly,ny fiaran\'ny fanekena (+kerobima sy serafima hoy isé),araka ny testamenta taloha.Fa aty amin\'ny testamenta vaovao dia tsy nisy intsony izay mandraka androany,ny antony dia izao raha tsy hanazava hafa tsy ny nanamboarana ny Tempoly aho:
azo zaraina telo ny fifandraisan\'Atra @ olony
1)ny fitoerana masina: (testamenta taloha) tsy nisy afa tsy ny mpisorona ihany no nahazo niditra tao,fa ny mpivory rehetra dia eny an-kianja,ary ny nanamboarana azy dia araka ny baikon\'Atra irery ihany.(anisany ny fisian\'ireo kerobima voalazan\'isé ireo)
2)Niova ho Synagoga izy io t@ andron\'i Jesosy,ary azo idiran\'ny olona rehetra afa tsy ny vehivavy ihany.(izay efa tsy nisy baiko manokana avy @ Atra intsony ny fanamboarana azy na ny fanaingoana azy )
3)rehefa maty Jesosy dia nanjary Tempoly @ zay izy io \"fa tempolin\'ny fanahy masina ny tenanareo\" ary ny olona rehetra tsy misy ankanavaka no mahazo miditra ao,
Raha jerena fohifohy ireo dia eo @ ilay karazana fiangonana fahatelo no misy antsika izao dia ny Tempoly,izay tsy nilàna kerobima,serafima,....ary anisany ireo sary vongana sy sary masina rehetra satria ao anaty didy folo ireny izay nolazainy fa tsy misy ho foana mandra-pahatanterany na dia tendron-tsoratra iray aza.
109. majesty ( 31/03/2008 08:51)
Fody : tandremo io tsimpona baibolista io hozy ika zay ato :D
Nijanona teo @ andininy faha:8 fotsiny isé fa tsy notohizan'isé ilay izy.(ny fandinihana baiboly ihany koa na dia dikan-teny originale aza no ampiasaina dia tsy maintsy jerena foana ny contexte manontolo,miampy ny fandinihana ny zava-nisy ara-kolontsaina,na ny fotoana,na ny toe-javatra nisy t@ fanoratana azy .... Izay inoako fa hain'isé tsara fa mety adino fotsiny angamba teto.Fa tsy maninona fa aleo aloha jerena ny andikan'ny baiboly hafa an'io and 8 nomen'isé io:
...And wrote on the ground (NIV)
... Il écrivait sur la terre (Louis Segond)
Raha ampifandraisany amin'ilay nolazain'isé etsy ambony dia na nanipika izy na nanao inona dia nisy soratra zany aloha teo.
Niondrika Jesoa ary nanoratra dia niteny hoe: hoe "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany" ary niverina nanoratra.
Dia arahon'isé tsara io fihetsika io,fa misarika an'ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo izay nitondra an'ilay vehivavy azo nijangajanga mba hijery an'ilay soratra.
Nanao ahoana ny fihetsik'ireo rehefa nahita an'ilay soratra nosoratan'i Jesoa t@ tany:...niala tsikelikely hoy ny and 9.Fa inona no nosoratan'i Jesoa tao ka nampiala azy ireo tsikelikely nanomboka t@ zokinjokiny ?
mino aho fa nanampy an'isé ireo
Raha manam-potoana isé dia jereo ny "bible commentary" fa ao no tena manazava azy.

:D
110. Fody ( 31/03/2008 14:10)
Hery: io fanazavana entinao io efa mipetraka foana hatrizay,fa ny tena marina tsy voafehy izy io ka matetika no mivoana,ohatra:betsaka amin'ireo mpino katolika anie no mino fa manana hery majika ny sary masina sy ny sary vongana e,ka zay no antony manesika azy ireo hampiasa izany amin'ny fivavahany.

Sao mba ianao no mihevitra toy izany fa tsy ny katolika?
Tiako ny manamarika fa rehefa manana an'io fomba fandinikao io ny olona iray mitonona ho kristiana katolika, dia tsy mba maharitra ela amin'ny finoana katolika izy satria diso lalana: Izany hoe miala tsy ho katolika izy satria tsy mahazo izay notadiaviny. Ary lasa mankahala tanteraka ny finoana katolika, milaza etsy sy eroa fa mpanompo sampy ny katolika, nefa izy no nanompo sampy fa tsy ny kristiana katolika akory.

Ary mety ho izany no nandrarana azy ao anatin'ny didy folo araka ny baiboly hoe:aza manao sarin-javatra voasikotra....izay didy niniana novaina ao anaty boky katesizy ka nofoanana mihitsy ary nosoloina didy hafa,mino aho fa hainao io

Mba vakio ny Baiboly ry namana dia hahazava aminao ny antony nandraran'Andriamanitra ny olona "tsy hanompo sampy". Ary aza afangaro ny sampy sy ny fanaovana sarivongana. Aza tapahana izay voalazan'Andriamanitra fa misy tohiny io voalazanao io.
Ny sampy dia tsy ny sarivongana na ny sary fa izay zavatra rehetra apetraka eo amin'ny toeran'Andriamanitra, ka anoloana Azy.
izay didy niniana novaina ao anaty boky katesizy ka nofoanana mihitsy ary nosoloina didy hafa,mino aho fa hainao io

Lazao hoe izay nanovaina azy?
Novaina hoe ahoana?

Nijanona teo @ andininy faha:8 fotsiny isé fa tsy notohizan'isé ilay izy.(ny fandinihana baiboly ihany koa na dia dikan-teny originale aza no ampiasaina dia tsy maintsy jerena foana ny contexte manontolo,miampy ny fandinihana ny zava-nisy ara-kolontsaina,na ny fotoana,na ny toe-javatra nisy t@ fanoratana azy .... Izay inoako fa hain'isé tsara fa mety adino fotsiny angamba teto.Fa tsy maninona fa aleo aloha jerena ny andikan'ny baiboly hafa an'io and 8 nomen'isé io:
...And wrote on the ground (NIV)
... Il écrivait sur la terre (Louis Segond)

Tsy ny andiny fahavalo ihany ry namana fa misy koa ny andininy fahaenina.

Ary ny fametrahana azy io ao anatin'ny zava-nitranga dia manafy izay voalaza fa tsy nanoratra ny anaran'ireo olona ireo, araka ny dika vilana nolazain'ise izy. Ary tsy nanoratra soratra hay vakina koa.


Manaraka an'izay dia izao: ahoana moa no iezahana hamarinina amin'ny zavatra hafa ivelan'izay voasotra ny hevitra ambaran'ise e? Ise izay milaza fa tena manaraka ny Soratra Masina, manaja ny Tenin'Andriamanitra, nefa rehefa averina hijery sy handinika izay voasoratra marina toa mandà tsy te hanaiky. Lazaina fa tsy izy io, fa zavatra hafa izay efa nidiran'ny kolon-tsaina samihafa any indray no ambara fa izy. Dia ahoana izany? Iza izao no manova ny Soratra Masina, izahay sa ianareo? Valio azafady !

111. majesty ( 31/03/2008 14:47)

1) tsy mbola nampiasa voam-bolana milaza fa mankahala katolika aho na izay aza fa avereno vakina izay nosoratako :D
2) ny hevitra naroson'i Hery no novaliako tetsy ambony io satria mipetraka tsara ny raisonnement nitondrany azy,fa aza diso mafana fo be loatra isé fa manjary tsy hitan'isé ireo olona manodidina an'isé,zava-misy ireo fa mila manao solo-maso hafa isé dia hitan'isé ireo,ary raha mandinika isé dia noho izay antony izay no mahabetsaka an'ireo mpino avy ao aminareo lasa athé raha tsy hijery afa tsy ireo namako maromaro ato aho :D
3)tsy ilaina hazavaina fa raha manana boky katesizy isé,dia ataovy ny fampitahana eo @ fampianarana misy ny didy folo ary ampitahao amin'ny baiboly ao @ eksaody 20.
4)mba avereno vakina ilay nosoratako ery ambony ery raha tsy hitan'isé sahady satria hoy aho hoe,eo @ lah 62 eo hoe "tsy rehefa sary vongana akory dia sampy fa na tsy sary vongana aza mety ho lasa sampy"


Manaraka an'izay dia izao: ahoana moa no iezahana hamarinina amin'ny zavatra hafa ivelan'izay voasotra ny hevitra ambaran'ise e? Ise izay milaza fa tena manaraka ny Soratra Masina, manaja ny Tenin'Andriamanitra, nefa rehefa averina hijery sy handinika izay voasoratra marina toa mandà tsy te hanaiky. Lazaina fa tsy izy io, fa zavatra hafa izay efa nidiran'ny kolon-tsaina samihafa any indray no ambara fa izy. Dia ahoana izany? Iza izao no manova ny Soratra Masina, izahay sa ianareo? Valio azafady !


Ireo mpandinika sy mpandalina ny soratra masina no manao an'io rehefa te ahazo ny hevitry ny teny iray ao amin'ny S.M,na i Môpera aza,anontanio izy raha tsy matoky ahy isé.
Nb: tsy aleon'isé mba tsy atao bold ilay soratra fa ny masoko anie mbola mahita tsara e :D
Dia aza mora entim-po fa mifampidinika anie isika fa tsy miady e!
misaotra an'isé :-*
112. ikaretsaka ( 31/03/2008 14:54)
miandry ny valin'ny 109 aloha..


fia entre pas..
ahoana ilay misy manao sary sikotra de andalana soratra masina le izy amidy eny madagasikara ireny..
ahoana ny @ ireny? tsy "mivongana " ve ireny
113. pissoa ( 31/03/2008 17:31)
Eny tokoa hoa ry Ikaretsaka ! Sady 'zay eny Analagam raha tsy diso aho toa Jesosy na Jehovah no bobaka amin'ireny fa toa tsy Jesoa Jesoa ... :-D :-D :-D
114. caprio ( 31/03/2008 18:00)
ny sampy no voarara fa tsy ny sarivongana,fa ny sarivongana kosa dia voarara sy lasa sampy refa hivavahanao sy handohalihanao,mazava be angamba io teniko io,de manontany ndray ikaretsaka we:ahoana zany ilay andala-tsoratra masina vita sikotra amidy reny?de valiako mazava tsara ny teninao,fa tsy sampy reny raha vidinao de ataonao ao an-trano,fa kosa raha ataonao fitaovana hifandraisana sy atoa ao ambany hondana ary hivavahanao foana dia izay izy no mivadika ho sampy.De raha mbola misy fanontaniana dia apetraho fa mbola vonona ny hamaly anareo i caprio na dia voafafa doly aza ny heviny
115. pissoa ( 31/03/2008 22:13)
Miala any indray koa ny resaka "voafafa" lol :-D :-D :-D :-D :-D
116. ikaretsaka ( 01/04/2008 01:16)
dia ahoana raha misy olona mamantsika ireny eo andoha fandrianany?

ity koa moa miha mifangaro ihany le sampy sy sarivongana nony vao nipoitra io resaka eo @ 111 io :-D
117. majesty ( 01/04/2008 05:49)
fa le mifantsika eo andoham-pandriana angah r'ika ampiasainy rehefa hivavaka izy.
Le 109 efa voavaly ao @ 110.
Tokony hanokafana hevitra vaovao indray fa efa lava loatra :D

hoy pissoa:
Eny tokoa hoa ry Ikaretsaka ! Sady 'zay eny Analagam raha tsy diso aho toa Jesosy na Jehovah no bobaka amin'ireny fa toa tsy Jesoa Jesoa ...

Rehefa katôlisena izy d lasa hoe Jesoa :)
118. Fody ( 01/04/2008 16:13)


Majesty:
1) tsy mbola nampiasa voam-bolana milaza fa mankahala katolika aho na izay aza fa avereno vakina izay nosoratako

Angaha mila mampiasa voambola milaza milaza hoe: halako ny katolika raha mankahala azy? Ataoko fa ny zavatra lazaina feno hendrikendrika dia efa mitory an’izany.
Dia hanontany indray angamba hoe: oviana ianao no nanendrikendrika. Dia hoy aho hoe: ivereno vakina ny zavatra rehetra voalazanao fa tsy misy zava-marina, tsy misy tohan-kevitra tena mipetraka, fa lazaina fotsiny any. Aveo ametrahana fanontaniana ny amin’iny tsy misy valiny, na misy ihany fa zavatra mifandaka atsimo sy avaratra. Dia ametrahana fanontaniana hafa indray dia sahala amin'izay foana....

Ohatra: Lazainao fa tsy manaraka ny SM izahay, na manova ny SM, rehefa hanontaniana anefa hoe: aiza no novaina, inona no novaina dia novaina ahoana, toa tsy sahy milaza hoe izao na izao.
Tombotomboka no betsaka. Ary rehefa tsy hitanao izay hamaliana ahy dia lazaina fa tezitra aho. Aiza àry izy izany. Hevitra lazaina raha misy e!


2) ny hevitra naroson'i Hery no novaliako tetsy ambony io satria mipetraka tsara ny raisonnement nitondrany azy,fa aza diso mafana fo be loatra isé fa manjary tsy hitan'isé ireo olona manodidina an'isé,zava-misy ireo fa mila manao solo-maso hafa isé dia hitan'isé ireo,ary raha mandinika isé dia noho izay antony izay no mahabetsaka an'ireo mpino avy ao aminareo lasa athé raha tsy hijery afa tsy ireo namako maromaro ato aho

Noho ny katolika mampiasa sary sy sarivongana ve no mahatonga ny sasany ho athée? Mba mandinika rakoto fa mitavozavoza be izany fomba fijerinareo izany e! Ary raha izay no izy tokony tsy hisy protestante ho lasa athée mihitsy. Nefa jereo eto amin’ny forum fotsiny: ny 90 % ny athée eto dia saika protestante daholo (mba tsy hilazako hoe izy rehetra). Akoatra an’izay ry Nietzsche, Sartre sy ny hafa tsy voatanisa dia protestante aby.

Ary lazainao moa aho hoe entim-po nefa izay zavatra efa voalazako ihany no averinao lazaina avy eo, saingy sarotra ny manaiky izay voalazako na marina aza, dia aleo atao entim-po izy


3)tsy ilaina hazavaina fa raha manana boky katesizy isé,dia ataovy ny fampitahana eo @ fampianarana misy ny didy folo ary ampitahao amin'ny baiboly ao @ eksaody 20.

Lazao izay voasoratra ao amin’ny Exode sy izay voambara ao amin’ny didy folo (araka ny fampianaran’ny katesizy io). Raha misy mifanohitra dia ambarao eto ho hita mazava. Lazao ankarihary iaraha-mahita, dia ho hita eo izay manendrikendrika sy izay milaza ny marina.
Ireo mpandinika sy mpandalina ny soratra masina no manao an'io rehefa te ahazo ny hevitry ny teny iray ao amin'ny S.M,na i Môpera aza,anontanio izy raha tsy matoky ahy isé.

Hatramin’izao izay zavatra voalazanao dia tsy misy tohan-kevitra na kely aza, fa lazaina fotsiny any. Anontaniana avy eo dia valy boraingina no azo. Ohatra ny hoe: Andriamanitra no mahalala an’izany… Eto zao dia hoe anontanio mopera… Nefa mba manao fanamarihana hoe: ady hevitra no atao.
Ary miseho majana ny SM nefa tenin’olona hafa no samborina fa tsy SM no ifotorana rehefa tena anontaniana mikasika ny Soratra Masina. Aiza àry nareo izany?

Nb: tsy aleon'isé mba tsy atao bold ilay soratra fa ny masoko anie mbola mahita tsara e
Dia aza mora entim-po fa mifampidinika anie isika fa tsy miady e!

Ataoko an’io aza izy tsy hitan’ise koa!

Ary izaho tsy entim-po fa raha tena iady hevitra ise lazao ny hevitra fa ny hevitra no ampiadiana eto.


Misaotra!
119. ikaretsaka ( 01/04/2008 16:29)
majesty:

hoy pissoa:
Eny tokoa hoa ry Ikaretsaka ! Sady 'zay eny Analagam raha tsy diso aho toa Jesosy na Jehovah no bobaka amin'ireny fa toa tsy Jesoa Jesoa ...

Rehefa katôlisena izy d lasa hoe Jesoa :)


Fanamarihana kely:
1-tsy hoe katoliser-na ilay izy dia lasa hoe Jesoa fa rehefa no DIEM isena (Dikanteny Iombonana Eran'i Madagasikara)
Zezo ny an'ny Kato:wink:
nanaiky an'io koa ny protestanta tamin'ny nanao Diem... saingy tsy ampihariny! :-D :-D :-D :-D

2-Inona no maha samihafa ny Lakroa atao eo andoham-parafara sy ny soratra @ plaque hoe "Maty ho anao i Kristy"?? fatsihana eo an-doham-parafara???
120. pissoa ( 01/04/2008 17:32)
majesty:

hoy pissoa:
Eny tokoa hoa ry Ikaretsaka ! Sady 'zay eny Analagam raha tsy diso aho toa Jesosy na Jehovah no bobaka amin'ireny fa toa tsy Jesoa Jesoa ...

Rehefa katôlisena izy d lasa hoe Jesoa :)


Fantatrao tsara angamba ny tiako notenenina e : ny tsy Katolika no manamboatra sy azoko antoka te tena hividy azy ...
:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6527