Ny sampy no voarara fa tsy ny sarivongana sy ny sary akory
81. prime
(
26/02/2008 12:44)
pissoa:... inona ilay fiainana maha-kristiana tianao ambara eto?
Dia rehefa miteny an'izany ve ny mpanaraka fomban-drazana dia tokony ahena ny fiainana ny mahaKristiaina sns ?
pissoa:... fa izaho ve no resahina eto sa ilay hevitra no hazavaina? nefa hovaliako ihany...
Ka maninona koa ary i Prime no mivavaka sy mino an'Andriamanitra nefa i Prime ihany no efa milaza eo fa inoan'ireo mpino ny fomban-drazana ireo fa mihaino kokoa ny razany ?
fanamarihana : ny Malagasy rehefa mivavaka dia tena mandray izany ho fivavahana amin'Andriamanitra saingy ilay mpanalalana no raisiny ho ny razana ary Andriamanitra raisiny ho Zanahary... (izany no mahatonga azy miteny rehefa manome tsodrano hoe, hotahian'Andriamanitra sy ny razana anie ianareo...)
Raha ny finoako no anontanianao dia ambarako indray, izaho mino an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ahy ary Izy irery ihany no Andriamanitra marina sy tanteraka...
Izaho nefa tsy mandà ny lalana nodiaviko satria anisan'ny tontolo fiainana nandalovako izany... fa izaho fahiny fony mbola tsy nahafantatra an'i Kristy dia nino ihany koa fa Andriamanitra dia mitahy amin'ny alalan'ny razana... ary tena hitan'ny masoko ny fiantefan'izany teo amin'ny fiainana saingy indrisy rehefa nampahiratin'Andriamanitra ny masoko dia nazava tamiko ny fitaka goavana ataon'i Satàna ao ambadik'izany finoana izany...
pissoa:... itoviako hevitra tanteraka eto ilay hoe mila mandini-tena lalina...
Ireo lazainareo fa tsy mety na sampy ataon'ny Katolika hoa dia ataonareo amin'ny fomba samihafa ihany, saingy sarotra aminareo ny manaiky izany. Diniho lalina ny fiainanareo ny mahaKristianina amin'ny lafiny maro
Marihiko eto fa tsy ny fivavahana katolika loatra no tiana ampiambenana eto raha miteny ny momba ny sampy fa ny fivavahana kristiana rehetra mbola mihazona ny fomba rehetra mampifandrafy an'Andriamanitra amin'ny olona... voakasik'izany avokoa na ny protestanta nohavaozina, na ny protestanta loteràna, na ny anglikàna na ny fiangonana evanjelika maro...
Ny tenin'Andriamanitra dia miantefa amin'ny rehetra rehefa miteny Izy hoe mialà amin'ny fanompoan-tsampy fa tsy amin'ny antoko vitsivitsy na fiangonana vitsivitsy...
82. ikaretsaka
(
26/02/2008 13:19)
Hoy i pissoa:
Ireo lazainareo fa tsy mety na sampy ataon'ny Katolika hoa dia ataonareo amin'ny fomba samihafa ihany, saingy sarotra aminareo ny manaiky izany. Diniho lalina ny fiainanareo ny mahaKristianina amin'ny lafiny maro
fa maninona tokao no hoe sarotra amianreo no manaiky izany e?
83. pissoa
(
26/02/2008 16:53)
caprio:
nahazo vahana ndray ry ikaretsaka fa nohamafisin'i pissoa t@ evitra diso,ka enoy tsara fa averiko indray fa za anie tsy milaza we diso ny maniraka olona na mitady panompon'Atra anampy anao mba hanatonana azy,fa kosa raha sary vongana na zavatra tsy miteny de fandaniana andro zany fa isika olom-belona mihintsy no tian'Atra hanantona azy,ary misy fanontaniana ity mba tiako hovalian'i ikaretsaka we:raha miantso Atra ve enao dia tsy mihaino izy raha tsy misy sarivongana ampiasainao?
Zavatra roa no resahinao : ny iray hoe maniraka ny iray hoe manampy.
1 - Ilay hoe maniraka : Fa iza no miteny anao fa ny sary vongana no irahina ?
Aza mampime re olona a. :-D:-D:-D:-D:-D
Raha ny zavatra soratanao dia tena olona adala mihitsy ny katolika sy izay mampiasa karazana fitaovana anie e ! Heverinao ve fa miteny amin'ilay sary vongana ve ilay olona mandohalika eo hoe "Ry sary vongana o, mandehana any amin'Andriamanitra dia lazao izao sy izao Izy" ?
2 - Ilay hoe manampy : Fa zavatra miteny ve ny Baiboly ? Zavatra miteny ve ny fihirana ? Zavatra miteny ve ilay lakroa tsy misy Jesosy iny ? ... Dia fandaniana andro ve ny fampiasana azy ireny, sa mba tena manampy tokoa amin'ny fanatonana an'Andrimanitra.
Averiko foana : ireo lazainareo fa tsy mety ireo dia ataonareo ihany.
84. ikaretsaka
(
26/02/2008 17:01)
Heverinao ve fa miteny amin'ilay sary vongana ve ilay olona mandohalika eo hoe "Ry sary vongana o, mandehana any amin'Andriamanitra dia lazao izao sy izao Izy" ?
ka ny hieritreretiny azy dia handeha physically tokoa rasarivongana dia handeha kao rasaple de handeha hanidika koa rabaiboly sy rafihirana hanao planton...
Averiko foana : ireo lazainareo fa tsy mety ireo dia ataonareo ihany. fa @ fomba hafa fotsiny
Tena sarotra be aminareo mihitsy ve ny hihaiky an'izay
85. caprio
(
26/02/2008 19:03)
fa tena sarotra be @ karetsaka sy pissoa mintsy koa ve ilay mivavaka mivantana @Atra tsy misy zavatra hafa sa tsy mety mintsy raha tsy ampiasaina ireny?
86. ikaretsaka
(
26/02/2008 20:36)
ka le mivavaka mivantana amin'Atra ange ka mila fitaovana foana ramose e!
inona no vakianao sy hirainao rehefa mivavaka aminy ianao ohatra??? hmmm?
inona no vakianao sy hirainao rehefa mivavaka aminy ianao ohatra??? hmmm?
87. pissoa
(
26/02/2008 20:57)
caprio:
fa tena sarotra be @ karetsaka sy pissoa mintsy koa ve ilay mivavaka mivantana @Atra tsy misy zavatra hafa sa tsy mety mintsy raha tsy ampiasaina ireny?
valio ny fanontaniana eo ambony
dia ny arguments alefa ...
fa aza misahirana mahalala izay sarotra sy tsy sarotra amin'i pissoa ! tsy resaka sarotra sy mora ny ady hevitra eto mantsy fa resaka hoe azo atao ve sa tsia !
:-D:-D:-D:-D:-D
88. ikaretsaka
(
26/02/2008 21:20)
izay indrindra.. alefaso ny arguments dia ny fanontaniana valiana mazava
90. ikaretsaka
(
27/02/2008 14:12)
Averiko foana : ireo lazainareo fa tsy mety ireo dia ataonareo ihany. fa @ fomba hafa fotsiny
ny fanekena fa manao an'io ianareo fa amin'ny fomba hafa rehefa dinihina
le honesty sy self realization amin'ny fahadisoana ramose an..
izay le hoe mandiniha tena ... tsy maninona anie e.. tsy misy bedy anie ny milaza ny marina e
raha diso dia alefaso ny arguments manaporofo azy... ohatran'ny mahazatra
91. caprio
(
27/02/2008 19:58)
ikaretsaka milaza we ilay mivavaka @Atra mila fitaovana foana,raha fitaovana no resahina dia ny baiboly no fitaovana ahafantarana sy nahafantarana ny fisian'Atra,fa raha mivavaka kosa dia ataoko angamba fa hianao hiany dia afaka miantso an'Atra,ary tsy mila miakohoka eo anoloan'ny sarivongana zany fa ny feonao no hilain'Atra fa tsy ny fitaovana ampiasaina akory,ary raha eny an-dalana zany enao no mila an'Atra dia aiza no ahitana sary hiankohofana,zany we @nareo zany tsy maintsy misy zavatra hafa foana vao mamaly vavaka Atra saaaaa?
92. ikaretsaka
(
27/02/2008 20:36)
"samy manana ny fitaovany" io firesahana sy fahafantarana sy fivavahana am,in'Atra io ka...
raha hamaky baiboly ny an'ny sasany, ny sasnay eo alohana sarivongana... azy sy an' Atra izany.
sa nahita ilay miakohoka eo @ sarivongana tafita vavaka kokoa dia ... (tsetsatsetra ny ahy iny)
amiko io fomba fivavaka io dia ohariko @ hoe samy handeha ho ahamonjy zavatra iray ohatra,, ny sasnay mandeha posy, ny sasany mandeha tongotra, ny sasany mandeha biskleta, ny sasany mandeha fiara... ny sasany nandeha elakelatrano, ny sasany nandeha tohatohabato..
ny tonga no mikaoty fa na sarety no notengenanao na kalesa na rolls na avion... tsy olako loatra..
fa amiko tsara ny "vavaka arahin-tosika" sy ny lalana misy balises na izany aza... raha raisiko hoe ireny fitaovana ireny no karazana ballises, jiro, hanampy ahy hi focus kokoa hahatongavako any... inona ny olana?

95. pissoa
(
28/02/2008 09:40)
caprio:
ikaretsaka milaza we ilay mivavaka @Atra mila fitaovana foana,raha fitaovana no resahina dia ny baiboly no fitaovana ahafantarana sy nahafantarana ny fisian'Atra,fa raha mivavaka kosa dia ataoko angamba fa hianao hiany dia afaka miantso an'Atra,ary tsy mila miakohoka eo anoloan'ny sarivongana zany fa ny feonao no hilain'Atra fa tsy ny fitaovana ampiasaina akory,ary raha eny an-dalana zany enao no mila an'Atra dia aiza no ahitana sary hiankohofana,zany we @nareo zany tsy maintsy misy zavatra hafa foana vao mamaly vavaka Atra saaaaa?
Raha mbola resaka hoe "ilaina" sy "tsy ilaina" no hitondranao azy dia karazan'ny hors sujet foana. Iny mantsy ny tsirairay no mahafantatra ny tenany sy ny fifandraisany amin'Andriamanitra ka rehefa mbola tafiditra ao amin'ny "azo atao" ny zavatra ataony dia tsy olana na heverin'i caprio fa tsy ilaina aza (tsy anjaran'i caprio ny mamaritra izany) ! Ny ady hevitra izany dia hoe azo atao ve sa tsia ? Voarara ve sa tsy voarara ? (Toa efa izay rahateo no eo amin'ny lohateny : ny sampy no voarara fa tsy ny sary ... )
Saingy raha arahiko ilay dinika dia nanomboka tamin'ny hoe tsy azo atao ny hevitry ny sasantsasany dia mifarana amin'ny hoe tsy ilaina ... mihamalefaka izany e :°):°):°)
96. caprio
(
28/02/2008 09:52)
tsy voavalin'i pissoa sy karetsaka mintsy ilay fanotaniako we:tsy mamaly vavaka ve Atra raha atsoina mivantana tsy misy fangarony saaaa?
97. Mandefitra
(
28/02/2008 09:55)
ary sao de le fampianaran'ny fiangonana mitsy no lasa sampy ... rehefa tsy mifototra @ fampianaran'i Kristy?
98. pissoa
(
28/02/2008 10:21)
caprio:
tsy voavalin'i pissoa sy karetsaka mintsy ilay fanotaniako we:tsy mamaly vavaka ve Atra raha atsoina mivantana tsy misy fangarony saaaa?
Ary tsy azonao angamba ny nolazaiko :-D:-D:-D
Tsy amin'ny hoe ilaina na tsy ilaina ny resaka ... fa hoe voarara ve sa tsy voarara. Io fanontanianao io mantsy dia mirakitra ilay hoe "ilaina" fa tsy mirakitra ny hoe "voarara" !
Ho valin'ny fanontanianao nefa dia tena mamaly tokoa Andriamanitra rehefa miantso isika. Na mampiasa na tsy mampiasa fitaovana isika dia mamaly izy. Fa averiko indray fa tsy izay ilay ady hevitra eto. Ny fitaovana mantsy dia natao handrisika antsika hiantso sy hahatsiaro Azy bebe kokoa. Ohatra mazava : isaky ny adiny firy ianao ohatra no mahatsiaro fa tian'Andriamanitra i Madagasikara dia nanirahany olona tahaka an-dry Victoire Rasoamanarivo hitarika sy hiaro ny olona amin'ny finoana ? Fa misy ny olona rehefa mahita ny sarin'i Victoire dia mahatsiaro sy misaotra hoe : Kristy o, misaotra Anao izahay fa notiavinao ny tanindrazanay ! Nanirahanao olona tahaka azy (Victoire) izahay hampiroborobo ny finoana Anao eto an-tanindrazanay sns ! Dia mangataka anao izahay mba ho sns ...
Io fampatsiahivana ny asa soa nataon'Andriamanitra ho antsika io no ilana ny fitaovana sy ny sary amin'ny lafiny iray. Mbola misy hafa.
99. pissoa
(
28/02/2008 10:26)
Fanontaniana : voarara ve io sary sy fahatsiarovana ny soa nataon'Andriamanitra io ? :-D:-D:-D
100. prime
(
28/02/2008 11:23)
mandefitra> Io mihitsy no fototra nefa indrisy tsy misy mahadinika...