Ny sampy no voarara fa tsy ny sarivongana sy ny sary akory
61. soanja
(
22/02/2008 04:52)
Fody:
Nisy resaka tsy vita hatramin'ny farany moa teto ka tiana mba hotohizina, satria miverimberina foana. Tsy inona izany fa ny resaka sampy sy ny fampiasana sary.
Tsy izay rehetra mampiasa sary akory dia mpanompo sampy. Ary Andriamanitra dia tsy nandrara ny fampiasana sary (na sary vongana). Ny fanompoan-tsampy sy ny fanaovana sampy no norarany mafy.
Ahoana ny hevitrao?
Marina izany ry Fody. Tsy mitovy ny fanomezan'Andriamanitra ny fomba handraisana fahalalana amintsika isanisany avy. Ireo tsapa rehetra izay ananantsika dia nataon'Andriamanitra tokoa hanamorana ny hilantsika ny saintsika sy ny vatana, indrindra moa ny hikolokoloina sy hanatsarana azy ary indrindra hanompoana azy ara-panahy.
Betsaka ny tsy mahalala ny fisian'ireo tsapa na senses ireo (retsinkandre) fa mihevitra fa vita amin'izao ny olombelona ary mitovy avokoa. Diso anefa izany. Aza omena tsiny anefa izireo fa tsy fantany izany satria mety tsy nampianarina azy. Miaina fe miaina ny olona iray ary maka izay tandrify azy saingy tsy mahalala ny hatsaran'ireo ananany ka hiderany an'Andriamanitra.
Aleo valiako amzay ary. Ny fahalalana an'Andriamanitra dia miankina amin'ny tsirairay avy ka raha ny sary na sarivongana n'inona n'inona manampy anao hahalala Azy dia isaory Izy fa mbola misy an'ireo tsapa ireo nomeny antsika hianarantsika ny fitiavana Azy sy ny hatsaraNy. Ny boky izao dia betsaka ny mampiasa azy. Dia io baiboly io izay amin'ny alalan'ny maso no tena miasa. Ao ny mihira isa-maraina sy mihaona gospel songs sns ... ka mahatsapa fa miditra Andriamanitra ary milentika any anaty. Ny tenako moa dia aoka hilaza fa ny miaina moramora sy ny meditation no ifandraisako aminy.
Betsaka no azo lazaina fa manompo io baiboly io. Koa miankina tokoa amin'ilay teny hoe fanompoana ny zava-drehetra. Raha Manompo ianao, Iza no tompoinao? Ny tenanao irery ihany no afaka hamaly izany fa tsy ny hafa akory.
Ny tsy fahalalana misy eo amin'olombelona dia fahalemana raha toa ka nosokafina ny sainy ary efa nomena azy ny fahaizana nefa odiany tsy hita. Ny ankoatra'izay dia tsy haratsiana akory fa izay ny momba azy. Tadidio lalandava fa biby isika olombelona izay vao olona.
Tiavo lalandava ny namana na amin'ny tsara na amin'ny ratsy satria tsy anjarantsika ny hitsara ny momba azy ireo fa izay nanamaboatra azy no aoka hahalala azy ireo!
64. ikaretsaka
(
22/02/2008 23:02)
tsy misy sasy hamaritra an'io..indrindra ireo olona le manao heo" izay voasoratra ato ihany"... fantany anefa ilay izy an!
satria raha voafaritra miharihary io dia tampitra ho azy ilay accusation lazain'i Fody!
tsy misy sahy hiteny intsony hoe nareo manompo sampy! dia tsy misy hamelezana intsony
fomba fiady letsy io ry fijo an
satria raha voafaritra miharihary io dia tampitra ho azy ilay accusation lazain'i Fody!
tsy misy sahy hiteny intsony hoe nareo manompo sampy! dia tsy misy hamelezana intsony
fomba fiady letsy io ry fijo an
65. LazaDaddy
(
23/02/2008 05:30)
fijo:nitohy lavabe leresaka sampyle
tsara le fanazavana,fa tsy mbola voafaritra tsara le teny hoe "sampy"
66. Rasiligaoma
(
23/02/2008 06:46)
tsara faritanatokoa hoe inona aloha no atao hoe sampy.
amin'i LD izao, inona aminao no atao hoe sampy?
aoka mba tsy havilana fa IANAO no ametrahana ny fanontaniana!:^)
amin'i LD izao, inona aminao no atao hoe sampy?
aoka mba tsy havilana fa IANAO no ametrahana ny fanontaniana!:^)
68. Rasiligaoma
(
23/02/2008 07:08)
ie.. fa angaha tsy azo anontaniana sampyle ianao da baibdevoly ihany?
69. soanja
(
24/02/2008 22:17)
fijo:
tsara le fanazavana,fa tsy mbola voafaritra tsara le teny hoe "sampy"
Misaotra. Aleo hazavaiko ny sampy raha vao malalaka aho an. Ampatsiahivo raha sanatria ka hadinoko. Zah be fanadinoana izay!:)
71. niryna
(
25/02/2008 05:03)
kantokoely:
Mafana kousa izy zany an!
zao foutsiny e amiko aloha ny Baiboly dia teny nomen'andriamanitra sy ny momba azy rehetra karazana lesona harahina sy hianarana ra te ho afaka amin'ilay FANADINANA refa tonga lay andro IRAY
Ka ao anatiny ao ary efa misy hoe mbola averiko indray:Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
dia hazavaina ahoana tsouny ary io teny gasy mazava b lay mivavaka amin'Andriamanitra anie otran'ny mangataka zavatra am Dada sy Neny eh!tsy ilaina mpanelanelana za zao raha hangataka zavatra am dadanay tsy handeha ho any am mopera sy pastera na sanatria ny hazo sy ny vato no ande hiteny hoe mba teneno kely anie dadanay mba hanome ana an'izao sy izao fa za no mila dia za no mangataka direct hafa ndray lay hoe andao isika sy ianao hiara hitolona am bavaka zany problèmenao zany miaraka ho aho fa tsy mampita hafatra an! mila ezaka avy
amintsika mivantana anie Andriamanitra aza matahotra mresaka aminy mivantana fa tsy manda anao izy ny mpanota sy mpanoso dratsy ny anarany ireny no nahatongavany tsy manaikitra izy fa andriamanitra fitiavana
=D=D tsy misy ampiana intsony,samy ho adinina avy isika rehetra rehefa tonga ny fotoana.
72. prime
(
25/02/2008 11:17)
Tsy mahagaga ny mpino fivavahan-drazana avy eo raha miteny hoe raha samy hiankohoka sy handohalika ihany tsy aleonay miankohoka sy mandohalika amin'ny razanay, fantatray sy inoanay fa mihaino anay kokoa toa izay hiankohoka amina razam-bazaha any???
73. ikaretsaka
(
25/02/2008 14:14)
fa ity anie tsy mbola voavaly hatr@ izao e
inona no atao hoe sampy?
ny soratra kao ange sary ampiasaina hahatafitana message e?
inona no atao hoe sampy?
ny soratra kao ange sary ampiasaina hahatafitana message e?
74. pissoa
(
25/02/2008 15:15)
prime:
Tsy mahagaga ny mpino fivavahan-drazana avy eo raha miteny hoe raha samy hiankohoka sy handohalika ihany tsy aleonay miankohoka sy mandohalika amin'ny razanay, fantatray sy inoanay fa mihaino anay kokoa toa izay hiankohoka amina razam-bazaha any???
:-D:-D:-D
Dia rehefa miteny an'izany ve ny mpanaraka fomban-drazana dia tokony ahena ny fiainana ny mahaKristiaina sns ?
Ka maninona koa ary i Prime no mivavaka sy mino an'Andriamanitra nefa i Prime ihany no efa milaza eo fa inoan'ireo mpino ny fomban-drazana ireo fa mihaino kokoa ny razany ?
Ireo lazainareo fa tsy mety na sampy ataon'ny Katolika hoa dia ataonareo amin'ny fomba samihafa ihany, saingy sarotra aminareo ny manaiky izany. Diniho lalina ny fiainanareo ny mahaKristianina amin'ny lafiny maro :-D:-D:-D
75. ikaretsaka
(
25/02/2008 15:41)
Ireo lazainareo fa tsy mety na sampy ataon'ny Katolika hoa dia ataonareo amin'ny fomba samihafa ihany, saingy sarotra aminareo ny manaiky izany. Diniho lalina ny fiainanareo ny mahaKristianina amin'ny lafiny maro
diniho akaiky tokoa anie io raha tsy marina e
rahefa avy mandinka any ka misy fanontaniana dia aza misalasala mametraka iznay eto...
fa mandiniha aloha an
mazotoa
76. caprio
(
25/02/2008 20:13)
raha kisarisary fotsiny tsy maninona,fa vakio tsara ery ambony ery fa nohamafisin'i ikaretsaka mintsy we:entina hifandraisana @Atra ireny sarivongana ireny,ka izay no hilazako we efa atomotra ny andro fa antsoy mivantana Atra fa aza mampiasa zavatra hafa fa hamaly anao izy,ary mba manandrama enao mangataka zavatra aman'olona dia aza mipoitra any mintsy fa olon-kafa foana hirahina angataka ho anao any dia inona no mety hitranga?dia tsy misy valaka @izany no mety hitranga raha mangataka @Atra hianao ka mampiasa zavatra hafa foana
77. ikaretsaka
(
25/02/2008 20:20)
dia aza mampiasa baiboly koa izany fa ny soratra anie ka sary codee koa e!:wink:
78. pissoa
(
25/02/2008 20:47)
caprio:
raha kisarisary fotsiny tsy maninona,fa vakio tsara ery ambony ery fa nohamafisin'i ikaretsaka mintsy we:entina hifandraisana @Atra ireny sarivongana ireny,ka izay no hilazako we efa atomotra ny andro fa antsoy mivantana Atra fa aza mampiasa zavatra hafa fa hamaly anao izy,ary mba manandrama enao mangataka zavatra aman'olona dia aza mipoitra any mintsy fa olon-kafa foana hirahina angataka ho anao any dia inona no mety hitranga?dia tsy misy valaka @izany no mety hitranga raha mangataka @Atra hianao ka mampiasa zavatra hafa foana
Fa iza moa no niteny tamin'i Caprio hoe ny olona hafa fotsiny no irahin'ny Katolika hivavaka fa izy tsy mivavaka ? Na hoe ny karazana fitaovana fotsiny no ampiasainy fa izy tsy manao na inona na inona ?
Ny fanoharana ataonao dia tsy mitombina noho izany. :-D:-D:-D
Ampiasao ny mahafiangonana ny fiangonana e. Raha efa atomotra zany tokoa ny fotoana dia sao tokony mifanampy sy mampiasa izay nomen'Andriamanitra antsika hanatonana Azy, na ny Fanahiny, na ny zava-boariny na ny Olony sns ! Raha ny eto amin'ny forum mantsy no jerena dia misy finoana sasantsasany - anarany fotsiny no hoe fiangonana fa dia samy maka ho azy be ny fifampitondrana.
80. caprio
(
26/02/2008 10:03)
nahazo vahana ndray ry ikaretsaka fa nohamafisin'i pissoa t@ evitra diso,ka enoy tsara fa averiko indray fa za anie tsy milaza we diso ny maniraka olona na mitady panompon'Atra anampy anao mba hanatonana azy,fa kosa raha sary vongana na zavatra tsy miteny de fandaniana andro zany fa isika olom-belona mihintsy no tian'Atra hanantona azy,ary misy fanontaniana ity mba tiako hovalian'i ikaretsaka we:raha miantso Atra ve enao dia tsy mihaino izy raha tsy misy sarivongana ampiasainao?
