Ny sampy no voarara fa tsy ny sarivongana sy ny sary akory
43. LazaDaddy
(
20/02/2008 04:13)
Tsy mety misokatra fa efa mba "kitikitihiko" (clicker-ko) ihany ny anaran-dry =))
Mbola tsy nameno ny mombamomba anao ianao.Tsy afaka mijery ny mombamomba ny hafa ianao raha tsy mameno ny mombamomba anao.
Fenoy ny momba anao

45. LazaDaddy
(
20/02/2008 04:17)
sady aleo tonga dia indry mihitsy no atao bizoroka fa tsy atao eto @ serasera sao lasan'ny namana hafa le izy...ao fa tsy atao be rora e...dadarebe rehefa manoko sampy no toa mandrora: poa poa masina poa poa =))=))
47. niryna
(
20/02/2008 07:55)
caprio:
raha mino enao fa mihaino vavaka Atra,de inona no hilana sarivongana?eritsereto tsara we enao io aza olombelona manam-panahy, manan-tsaina ,mihetsika ,mihinana ,tsy mino fa afaka mivandray mivantana @Atra koa maika va fa sarivongana na zavatra hafa afaka hampifandray @nao @Atra?zay no hilazako we diniho tsara kaloha ny soratra masina vao miteny fa manjary lasa miteniteny foana nareo
=D=D^:^^:^
Andriamanitra dia fanahy ary ny fanahintsika no miantso Azy
23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. Jaona 4:23-24
Ny fanahy masina dia miaraka ny kristiana rehetra tsy ankanavaka izay mino an'i kristy ho Zanany,ho Mpanavotra,ho Mpanelanelana an'Atra Irery amin'ny olombelona ,ary ho Atra tokana sady saro-piaro ka tsy mamela antsika hinohino na ampiasa zavatra ampiasaintsika atao hendrika na hevitra hisitomana ny fandraisana an'Atra amintsika
Santionany fotsiny
2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.
Afaka manontany tena isika ,moa ve ampiasaiko amin'ny hafa izany fitiavana izany?
Rahoviana aho no handefitra,rahoviana aho no hamela?
Ny fampiasana ny tenin'Atra amin'ny fiainana no ilaina ary ny vava mitaraina sy mangataka ary mifona aminy no tadiaviny fa tsy ireny teny averimberina ireny na sarisary eo andoham-pandrina heverina fa i kristy na koa ny croix manaraka any aminin'ny tena ,lasa iny indray no solon'i kristy fa tsy ilay kristy Fanahy.
4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. 1 Kor 13
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Gal 5
Ireo dia tsy misy lalana manohitra fa ny mivavaka na miankohana na manao sarin-javatra na manao an'Atra hafa na mivavaka ny sarivongana dia misy lalana nomen'Atra
3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; Eks 20
http://baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=115&andininy=3-9&dika=
24 Aza miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitr'ireny hianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
25 Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina. Eks 23
Safidy io ka rehefa izay no fantatrao fa mety dia ataovy,atsimpy ihany ny teny ka tsy afaka ny hisy ilaza intsony hoe tsy naheno izahay rehefa tonga ny fitsarana.
48. prime
(
20/02/2008 11:05)
Io Eksodosy 20:4-5 io no fototra...
Ny atao hoe sampy angamba no handeha hofaritana vetivety, ny sampy dia izay rehetra zavatra mety hasolo ny toeran'Andriamanitra rehetra na eo amin'ny fiainana andavanandro na eo amin'ny fifandraisana aminy na eo amin'ny fampianarany...
Tsy resaka sary sy sarivongana ihany fa na zavaboahary tsotra aza, toy ny hazo, vato, rano, tany... sns ary tsy mitsahatra eo fa na ny fanahy na ny olona na ny harena rehefa maka ny toeran'Andriamanitra eo amin'ny olona na ao ampon'ny olona dia efa sampy avokoa. Ny fankatoavana sy ny fitiavana mihoatra noho Andriamanitra ny artista, ny mpanao fanatanjahan-tena fanta-daza, ny olomangam-pirenena, ny olomangam-piangonana, ny martiora...sns dia maneho mivantana ny endrika vaovaon'ny fanompoan-tsampy (idolatrie des jouissances et de la jeunesse)...
Ny tena sampy lehibe mamitaka ankehitriny dia tsy ilay sampy toy ny fahiny intsony mivaingana (idoles) fa ilay fanahy sandoka mamitaka amin'ny mahafanahy azy... Kristy efa niteny fa Izy irery ihany no mpanalalana amin'Andriamanitra Ray sy ny olombelona, dia maro no mbola manamafy hoe misy mpanalalana hafa, ny razana ohatra, ny olomasina ohatra, ny fitaovana isankarazany ohatra (eto amin'ny resaka fitaovana ampiasaina io dia miverina tanteraka mihitsy amin'ny paganisma ka mampiasa zavatra hita maso toy ny sary, ny sarivongana, ny tapakazo, ny vovoka isankarazany ho mpampita vavaka...sns)
Hafa ny hoe manaja ny mpanompon'Andriamanitra noho ny fampianarany ho avy amin'Andriamanitra ka mankato ny soratra masina sy ny tenin'Andriamanitra nambarany... sy ny hoe, miankohoka eo anoloan'ny sariny ohatra satria mpanompon'Andriamanitra... efa lasa sampy izy eo...
Ka eo indrindra no mipetraka ny olana... mitombina avokoa ny fanamarihana hoe ilay fo anaty tena mivavaka mifandray amin'Andriamanitra no tena izy fa tsy ilay fitaovana... raha izay no tena izy dia ataovy mivantana ary... fa na hanazava toa inona aza isika ny fiankohofana sy ny fandoalehana eo anatrehana sary sy sarivongana dia mampiseho mazava foto-pinoana miainga amin'ny fankatoavana ilay sary sy ilay sarivongana...
Tsy mahagaga ny mpino fivavahan-drazana avy eo raha miteny hoe raha samy hiankohoka sy handohalika ihany tsy aleonay miankohoka sy mandohalika amin'ny razanay, fantatray sy inoanay fa mihaino anay kokoa toa izay hiankohoka amina razam-bazaha any???

49. ikaretsaka
(
20/02/2008 13:30)
Ka io arakaraka ny ampiasanao an'ilay sary vongana na ilay sampilé. Raha tompoinao ho tena Andriamanitra io dia anao ny olana. Fa raha ataonao fomba hahalalana na hampahalalana Azy dia tsy hitako ny olana.
Tadidio fa ny olombelona dia mila Symbole mandrakariva hanakarana an'ilay Mistery. Isan'izany na sary miloko ao anaty boky na sary vongana.
io amiko no tena izy
Ka eo indrindra no mipetraka ny olana... mitombina avokoa ny fanamarihana hoe ilay fo anaty tena mivavaka mifandray amin'Andriamanitra no tena izy fa tsy ilay fitaovana... raha izay no tena izy dia ataovy mivantana ary... fa na hanazava toa inona aza isika ny fiankohofana sy ny fandoalehana eo anatrehana sary sy sarivongana dia mampiseho mazava foto-pinoana miainga amin'ny fankatoavana ilay sary sy ilay sarivongana...
io indray fa tsy mahay ny differencen'ny venerer sy ny adorer
mila zavatra azony tsaoaina sy hita maso foana ny olona matetika.. amin'io firesahana io
ianao aza miresaka aman'olona mila micro indraindray..
fa tsy mbola nisy namaly ilay fanontaniako:
ny baiboly dia soratra. ny soratra dia karazana pictogramme, mampiasa sary kao ange zany ny mpamaky baiboly e:-D:-D:-D:-D sa ahoana?
nareo hoa mba honette.. avantano rehefa te hivantana ihany dia mba mandiniha tena de tsory ny marina fa aza mihatsaravelatsihy... tsy manao e tsy manao... nefa manao... misaotra tompoko o
50. pissoa
(
20/02/2008 18:41)
Prime :
Amiko manokana dia misy karazana fihatsarambelatsihy be dia be ny zavatra resahinao.
1 - Ny resaka olomasina. Fa maninona moa no azo atao ny mivavaka ho an'ny olona hafa (Ohatra i Prime mivavaka ho an'i Pissoa :-P ), ary azo atao ny mangataka ny olona hafa hivavaka (Ohatra i Pissoa mangataka an'i Prime hivavaka) fa tsy azo atao izany amin'ireo havana ef maty ? Amiko manokana dia tsy resaka mpanalalana no olana eto fa resaka "maty sy velona".
2 - Ny resaka miankohoka. Fa inona no olana amin'ny mandohalika na dia misy sary aza eo anoloana ? Amiko manokana dia fomba fifantohana koa izany. Fa maninona moa no mitady fahanginana rehefa hivavaka ? Satria izay no mampifantoka. Sao lasa sampy koa ilay "fahanginana" fa odian-tsy hita ?
3 - Ny fitaovana. Fa maninona moa no tsy notanisaina ho "fitaovana" ny Baiboly ? Tsy ny Baiboly anie no tenin'Andriamanitra e. Vakio ny tohiny sao hitsambikina sao io fotsiny indray no holazaina hoe notenenin'i Pissoa. Ny "Teny" amin'ny maha-teny azy dia zavatra tsy azo tsapain-tanana. Ny Baiboly kosa dia "fomba" na "fitaovana" nentina niraiketana ilay teny. Tsy sampy ve izany ? Maninona no azo atao ny manao boky misy sary ho an'ny ankizy, fa tsy azo atao ny manao sary amin'ny rindrina ?
4 - Etsetra etsetra. Mety hisy tetsy sy teroa version 4 indray ato ho ato.
:-D:-D:-D
Singaniko manokana !
Araka ireo 1 - 4 ireo, amiko manokana dia tsy hoe mampiseho mazava foto-pinoana ilay na hanazava toa inona na hanazava toa inona ... fa hoe na hanazava toa inona na hanazava toa inona rehefa tsy te hahalala izay hanazavana dia tsy hisy vokany. Rehef mba mijery aho mantsy dia mahita fa ireo zavatra lazainareo fa "sampy" ireo dia ataonareo amin'ny fomba hafa isan-karazany, saingy sarotra aminareo fotsny ny manaiky azy. Tahaka ny resaka traditions sy sola scriptura ihany. :-D:-D:-D
Amiko manokana dia misy karazana fihatsarambelatsihy be dia be ny zavatra resahinao.
1 - Ny resaka olomasina. Fa maninona moa no azo atao ny mivavaka ho an'ny olona hafa (Ohatra i Prime mivavaka ho an'i Pissoa :-P ), ary azo atao ny mangataka ny olona hafa hivavaka (Ohatra i Pissoa mangataka an'i Prime hivavaka) fa tsy azo atao izany amin'ireo havana ef maty ? Amiko manokana dia tsy resaka mpanalalana no olana eto fa resaka "maty sy velona".
2 - Ny resaka miankohoka. Fa inona no olana amin'ny mandohalika na dia misy sary aza eo anoloana ? Amiko manokana dia fomba fifantohana koa izany. Fa maninona moa no mitady fahanginana rehefa hivavaka ? Satria izay no mampifantoka. Sao lasa sampy koa ilay "fahanginana" fa odian-tsy hita ?
3 - Ny fitaovana. Fa maninona moa no tsy notanisaina ho "fitaovana" ny Baiboly ? Tsy ny Baiboly anie no tenin'Andriamanitra e. Vakio ny tohiny sao hitsambikina sao io fotsiny indray no holazaina hoe notenenin'i Pissoa. Ny "Teny" amin'ny maha-teny azy dia zavatra tsy azo tsapain-tanana. Ny Baiboly kosa dia "fomba" na "fitaovana" nentina niraiketana ilay teny. Tsy sampy ve izany ? Maninona no azo atao ny manao boky misy sary ho an'ny ankizy, fa tsy azo atao ny manao sary amin'ny rindrina ?
4 - Etsetra etsetra. Mety hisy tetsy sy teroa version 4 indray ato ho ato.
:-D:-D:-D
Ka eo indrindra no mipetraka ny olana... mitombina avokoa ny fanamarihana hoe ilay fo anaty tena mivavaka mifandray amin'Andriamanitra no tena izy fa tsy ilay fitaovana... raha izay no tena izy dia ataovy mivantana ary... fa na hanazava toa inona aza isika ny fiankohofana sy ny fandoalehana eo anatrehana sary sy sarivongana dia mampiseho mazava foto-pinoana miainga amin'ny fankatoavana ilay sary sy ilay sarivongana...
Singaniko manokana !
Araka ireo 1 - 4 ireo, amiko manokana dia tsy hoe mampiseho mazava foto-pinoana ilay na hanazava toa inona na hanazava toa inona ... fa hoe na hanazava toa inona na hanazava toa inona rehefa tsy te hahalala izay hanazavana dia tsy hisy vokany. Rehef mba mijery aho mantsy dia mahita fa ireo zavatra lazainareo fa "sampy" ireo dia ataonareo amin'ny fomba hafa isan-karazany, saingy sarotra aminareo fotsny ny manaiky azy. Tahaka ny resaka traditions sy sola scriptura ihany. :-D:-D:-D
51. ikaretsaka
(
20/02/2008 19:18)
izay! mba honette de avantano tokoa rehefa hiresaka mivantana ihany.. diniho tsara dia jereo fa marina io tenin'i pissoa ambony io hoe indraindray ilay izy rehefa rebna jerena dia misy fiatsarambelatsihy be ihany fa odiana fanina na tena tsy tsapa
.
re.... mivantana!
.
Rehef mba mijery aho mantsy dia mahita fa ireo zavatra lazainareo fa "sampy" ireo dia ataonareo amin'ny fomba hafa isan-karazany, saingy sarotra aminareo fotsny ny manaiky azy.
re.... mivantana!
52. fijo
(
20/02/2008 21:51)
raha raisina ity voalazan'i prime ity:"Ny atao hoe sampy angamba no handeha hofaritana vetivety, ny sampy dia izay rehetra zavatra mety hasolo ny toeran'Andriamanitra rehetra na eo amin'ny fiainana andavanandro na eo amin'ny fifandraisana aminy na eo amin'ny fampianarany..."
na eo amin'ny fifandraisana aminy.... ny baiboly dia fifandraisanareo aminy koa ,ka sampy ve io???

53. ikaretsaka
(
20/02/2008 22:54)
Le context an'ilay sampy mihitsy izany no misy mibirioka kely e..
raha io lazain'i fijo sy i pissoa io hoe raha raisina fitaovana manampy na manamora ny fifandraisanao amin'A/tra sy ny fahalalanao Azy bebe kokoa izany ilay izy .
Dia tsy mbola nisy "mpamaky soratra" nanaiky foana ilay nolazaiko ary hoe ny soratra koa anie ka sary e

pissoa:
Ny fitaovana. Fa maninona moa no tsy notanisaina ho "fitaovana" ny Baiboly ? Tsy ny Baiboly anie no tenin'Andriamanitra e. Vakio ny tohiny sao hitsambikina sao io fotsiny indray no holazaina hoe notenenin'i Pissoa. Ny "Teny" amin'ny maha-teny azy dia zavatra tsy azo tsapain-tanana. Ny Baiboly kosa dia "fomba" na "fitaovana" nentina niraiketana ilay teny. Tsy sampy ve izany ? Maninona no azo atao ny manao boky misy sary ho an'ny ankizy, fa tsy azo atao ny manao sary amin'ny rindrina ?
Dia tsy mbola nisy "mpamaky soratra" nanaiky foana ilay nolazaiko ary hoe ny soratra koa anie ka sary e
54. kantokoely
(
21/02/2008 21:00)
Mafana kousa izy zany an!
zao foutsiny e amiko aloha ny Baiboly dia teny nomen'andriamanitra sy ny momba azy rehetra karazana lesona harahina sy hianarana ra te ho afaka amin'ilay FANADINANA refa tonga lay andro IRAY
Ka ao anatiny ao ary efa misy hoe mbola averiko indray:Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
dia hazavaina ahoana tsouny ary io teny gasy mazava b lay mivavaka amin'Andriamanitra anie otran'ny mangataka zavatra am Dada sy Neny eh!tsy ilaina mpanelanelana za zao raha hangataka zavatra am dadanay tsy handeha ho any am mopera sy pastera na sanatria ny hazo sy ny vato no ande hiteny hoe mba teneno kely anie dadanay mba hanome ana an'izao sy izao fa za no mila dia za no mangataka direct hafa ndray lay hoe andao isika sy ianao hiara hitolona am bavaka zany problèmenao zany miaraka ho aho fa tsy mampita hafatra an! mila ezaka avy
amintsika mivantana anie Andriamanitra aza matahotra mresaka aminy mivantana fa tsy manda anao izy ny mpanota sy mpanoso dratsy ny anarany ireny no nahatongavany tsy manaikitra izy fa andriamanitra fitiavana

55. fijo
(
21/02/2008 21:22)
za manaiky le hoe soratra koa sary ka.rehefa mampianatra manoratra zaza aza anie ka ampianarina manao sary boribory izy de asiana rambo na sanga e;sary ny soratra ary sampy koa ve iny?
raha tsy mazava sy hiaraha mihaiky ny hoe "sampy"tsy ho vita ity resak'i fody ity

56. ikaretsaka
(
21/02/2008 21:23)
nga ko misy fanadinana baiboly any andro iray?
fanadinana ny nataonao teto an-tany no misy fa tsy fanadinana hoe akombony ny baiboly de tsimpony kely hoe ny voalazan'i koto ao @ toko faha 18 kosa e.. tsy mahay ty? any amin'ny afobe!:wink:
fa ity ange ry kantokoely tsy mety valianao e.. ny soratra ve sary?
ny soratra mivoitra ve sary sa tsy sary.. inona no antony ananana ireny ? tsy ny hanaovana azy ho karazana aide memoire? ny fiaran'ny fanekena kao izao karazana aide memoire, ny fiangonana etsy sy eroa koa sns....
tsy misy miteny @ hazo sy ny vato ange heo omeo an'izao e... mety possible kosa anefa heo misy miteny @ alalan'ny boky hoe omeo an zao sy zao anefa!
dia eritrereto amin'izay

58. ikaretsaka
(
21/02/2008 21:43)
izay koa ny mahavoa ato.. le zavatra tsy voafaritra sy tsy hay akory dia ny hanohy ilay idee preconcue hoe "ny azy ihany" no masaka ao andohan'ny sasany
59. fijo
(
21/02/2008 21:47)
izay,io teny hoe sampy io mantsy ,misy fofona politika.
nampiasaina io mba hanalana ny olona tsy hino ilay ninoany.
nefa "ny vazaha dia efa nahalala fa ny mainty koa dia efa nino izany nahary izany"
ka eto dia teny entina hanaratsiana fotsiny ilay teny hoe sampy,fa tsy misy famaritana azy akory.

60. ikaretsaka
(
21/02/2008 22:05)
dia miandry ny eritreritry ny tsirairay @ izay heveriny hoe sampy ary!
"inona no atao hoe sampy" @ hevitrao?
"inona no atao hoe sampy" @ hevitrao?