Ny sampy no voarara fa tsy ny sarivongana sy ny sary akory

181. Fody ( 19/03/2008 09:46)


Efa nipetraka tany Nosibe aho, ary isan'andro dia mahita vehivavy miaraka amin'ny silipo kely sy kitapo nono fotsiny, mandehahandeha eran'ny tanana fa tsy mbola nisy nilaza mihitsy fa adala ireny, satria tsy adala izy. Ary raha hanontaniana izy hoe: adala angaha ianareo? Dia ianao manontany indray no holazain'ny olona fa tsy ara-dalana.
Ny tiana holazaina dia izao: mba misokafa amin'ny hafa, fantaro tsara ny fomba amam-panaony izay vao mitsara azy, fa aza mitsaratsara fahatany.

Ianao dia efa novokisana ny hevitra hoe: mpanompo sampy ny katolika, ary sampy rehefa ho sary sy sarivongana ka na inona lazainay na inona dia mpanompo sampy izahay! Ny fanontaniana apetraka aminao tsy misy valianao na iray aza, ary izahay no nolazainao fa tsy mba mamaly fanontanina. Nefa ianao ihany no milaza eo ambony eo fa mahita havaly foana izahay.

Hanampiako an'ireo voalazan'i pissoa ireo dia averiko koa ny hoe:
1 - Ny baiboly dia milaza fa nofatsihana tamin'ny hazofijaliana ho antsika i Kristy, ny sarivongana koa dia maneho an'izany.
Ny baiboly dia milaza fa Fitiavana izy, ny sarivongana koa dia maneho an'izany, ary manome fanazavana misimisy kokoa, sns...
Ka moa ve mifanohitra ny hafatra lazain'ny Baiboly sy ny hafatra hampitana amin'ny alan'ny sary sy sarivongana?

2 - Ity kosa fanontaniana vaovao: moa ve tena vatan'i Kristy sy Ràny ny Mofo sy ny Divay natolony ho antsika?

Ary mba valio e! Rehefa tsy mahita havaly dia atsaharo ny fanendrikendrehana, sy ny fitsaratsarana fahatany fa tsy fomba kristiana izany! Mba mandiniha ihany e!

Misaotra anao!
182. caprio ( 19/03/2008 09:56)
efa tsy mahita ambara tsony enao ra pissoa de mieritsereta tsara kaloa tahaka ireo namanao efa tsy mamaly itsony ireo,fa enao zany tsy resy lahatra mihintsy we Atra irery hiany no voasoratra handolihan'ny lohalika rehetra,fa tsy ny sarivongana sns....fa averiko @nao ndray fa na tsy mivavaka @sarivongana aza ny olona ,dia misy antony matoa mandohalika eo anoloan'iny izy, ka mba azavao tsara we inona ny antony ,ary raha tsy fantatrao tsara ny antony dia aza mandohalika eo anoloan'iny intsony fa manjary mandohalika @zavatra tsy fantatra nareo
183. Fody ( 19/03/2008 12:08)
[size=15px]Jereo ao ambony ao ny valiny racaprio fa efa voavaly efa elabe zany e!
Dia valio ilay fanontaniana napetrakay e!
[/size]

Ataoko fa hitanao io fa efa natao geza be sady matavy
184. pissoa ( 19/03/2008 15:14)
Caprio : iza izany namako tsy mamaly intsony izany ? :-D:-D:-D:-D:-D

Raha tsy nomarihin'i Caprio dia i Caprio izao no tsy mamaly ny fanontanianay mihitsy :-P

Rehefa izaho no mandohalika (raha izay no tianao ho fantatra) dia satria izay no hanehoako ny fitsahoako an'Andriamanitra - ary manampy ahy mifantoka amin'ny fivavahako amin'Andriamanitra io.

Dia omeko fanontaniana hafa ianao na dia tsy mbola nisy novalianao aza ny fanontaniana rehetra napetraka taminao (iza tsara moa ilay tsy mahita avaly teo ? ) : tena mino ve ianao fa OMNIPRESENT Andriamanitra ?!
Raha mino io fahefana sy toetra ananan'Andriamanitra io ianao dia tsy tokony misy olana aminao mihitsy ny sarivongana ... satria rehefa amin'Andriamanitra ilay olona no mivavaka dia midika izany fa amin'Andriamanitra koa no miantefa ny fandohalihany na dia tsy hitan'ny masonao caprio aza i Andriamanitra !
185. caprio ( 19/03/2008 20:35)
io zao pissoa fa nilaza ny marina we manampy ahy hifantoka @Atra ny sarivongana,kanefa teo aloha nilaza we zay mahay mifantoka sy mivavaka @Atra na misy sarivingana na tsy misy,tsarovy fa efa voasoratra ao anaty baiboly doly ny zavatra tokony hampifandray amintsika @Atra fa tsy zavatra tsy miteny akory,koa hoy aho we mieritsereta fa aza menatra mintsy ny miala refa hita fa tsy mety
186. pissoa ( 20/03/2008 12:03)
:-D:-D:-D

Caprio : dia inona ny olana amin’ilay mifantoka ?!

Hitanao be hoe tsy mamaky mihitsy ianao !!! Efa tamin'ny 20 Fevrie aho no nilaza hoe :
pissoa tamin'ny 20-02-2008 19:41:15:

2 - Ny resaka miankohoka. Fa inona no olana amin'ny mandohalika na dia misy sary aza eo anoloana ? Amiko manokana dia fomba fifantohana koa izany. Fa maninona moa no mitady fahanginana rehefa hivavaka ? Satria izay no mampifantoka. Sao lasa sampy koa ilay "fahanginana" fa odian-tsy hita ?


Fa toa tsy mbola nisy valiny hatramin’izao hoe fa maninona no afaka mitady fahanginana rehetra te hifantoka – fa rehefa zavatra hafa no manampy hifantoka dia tsy mety tampoka ? :-D:-D:-D

Tamin'ny 4 Marsa aho efa nilaza hoe :
pissoa t@ 04-03-2008 11:33:47:
Tsy mitovy mihitsy ny zavatra ao an-tsainao rehefa mahita film ianao, na mahita vehivavy miboridandrida eny anoloan'ny INDRA sy ny ao an-tsainao rehefa mahita ny sary mampiseho an'i Jesoa nofantsihana teo amin'ny Hazofijaliana ohatra ! ...



Io resaka mampifandray lazainao io koa dia efa voavaly !!!
pissoa t@ 04-03-2008 11:33:47:

Raha ny fahitako azy, ianao rehefa mahita hoe manampy amin'ny fifandraisana na fanatonana dia tonga dia mieritreritra karazana fanahy hafahafa foana


Ary aiza ny valin'ny fanontaniana rehetra e ! :-D:-D:-D
187. caprio ( 20/03/2008 19:24)
efa voasoratra we:mankanesa ao anefitrano mangina hianao,dia arindrino ny varavarana,refa mivavaka amiko hianao.zany we raha tin'i pissoa hazavatsara dia baikon'Atra ilay fahanginana ka tsy sampy zany ny fahanginana raha tianao ho fantatra,ary Atra mintsy no nilaza we:aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao,ary averiko foana raha mbola tsy mazava tsara fa efa voasoratra we Atra irery hiany no voatokana andohalian'ny lohalika rehetra.mbola vonona foana aho ra-pissoa ny hamaly raha mbola misy tohiny de antsoy koa ny akamanao fa resy lahatra angamba ry zareo dia nangina
188. ikaretsaka ( 20/03/2008 20:49)
Fa tena mamaky baiboly ve i caprio ty sa mitsimpona ihany fotsiny eeee??

aza adino fa voasoratra tsara ao koa hoe ohatran'izao ny pozin'ny kerobima sy serafima.. zao sokirina sia anaovana ny endriky ny tempoly sy ny sary atao @ izany .....(1 mpanjaka 6:23-28, 7:23-26) ohatran'izao ny azo hanaovana ny fiaran'ny fanekena... sns..(Eksodosy 26:11)


voasoratra ao koa ny hoe tsy fahanginana ihany fa azo atao koa ny midera an'andriamanitra @ lokanga sy ny tambourine sns ka ...

aza ze andalana toiatiana ihany wa no tsimponina ao anaty baiboly fa tsary mety...

189. Fody ( 21/03/2008 12:51)

Ary tsy hitan-dracaprio angaha ireo zavatra soratanay ireo?
Ahoana moa raha valina ilay fanontaniana e?

Ary rehefa mandray andalan-tsoratra ao amin\'ny Baiboly dia raiso feno fa aza tapahana.

Ary tsy mahagaga kay raha raisinao amin\'izay itiavanao azy ny andalan-tsoratra masina koa: eto amin\'ny forum àry odinao tsy hita ny zavatra soratanay dia hoe tsy mamaly.

Tsy misy jamba mihoatra ny minia tsy mahita ry namana, ary tsy misy marenina mihotra ny minia tsy maheno. Ianao izao no minia tsy mahita eto, minia tsy maheno, satria efa notsetsenana hevitra ny sofinao hoe: mpanompo sampy ireo. ka na ilaza ny marina izay iainanay aza izahay dia tsy hihaino ianao. Raha hanazava an\'izao sy izao, tsy hihaino ianao, fa hanao toton\'omby bory fotsiny, amin\'ny resaka tsy misy tohan-kevitra na kely aza. ka mbola misy adihevitra ve ny amin\'izany e?

izao e, tsotra fotsiny, raha hiady hevitra no hatongavanao eto dia valio ilay fanontaniana e! Aza ahodikodina amin\'ny zavatra hafa, fa valio!
190. pissoa ( 21/03/2008 14:50)
caprio:

efa voasoratra we:mankanesa ao anefitrano mangina hianao,dia arindrino ny varavarana,refa mivavaka amiko hianao.zany we raha tin'i pissoa hazavatsara dia baikon'Atra ilay fahanginana ka tsy sampy zany ny fahanginana raha tianao ho fantatra,

Vao nametraka fanontaniana aho dia efa fantatro fa hitsimpona io andalana io ianao !

Raha tena mamaky baiboly tokoa nefa ianao dia ho fantatrao fa ny resaka fisehosehoana hoe izaho mivavaka no nilazan'i Jesoa io resaka fahanginana lazainao io ! Ary tsy izay no anontaniako anao !!! Raha tsy azonao ny fanontaniana dia maninona moa na ry Pasitera aza ... sady mivavaka eny ankalamanjana no mbola mangina vao afaka mivavaka ?

Raha tiano ampiako dia maninona kay ny Protesta booobaaakaaa be no mikipy rehefa mivavaka ? Mitady ilay maizina ve ? Fa ianareo izany mivavaka amin'ny maizina ?! :-D:-D:-D

I Kristy dia niteny hoe Andriamanitra no aoka ahita ! Dia Andriamanitra tokoa no mahita ireo Katolika mivavaka amin'Andriamanitra ireo ... fa i Caprio no tsy mahita an'Andriamanitra :-D:-D:-D

caprio:
ary Atra mintsy no nilaza we:aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao,ary averiko foana raha mbola tsy mazava tsara fa efa voasoratra we Atra irery hiany no voatokana andohalian'ny lohalika rehetra.

Fa maninona moa no tsy novalianao ny fanontaniako mikasika ny hoe tena mino ve ianao fa OMNIPRESENT Andriamanitra ?
Pissoa:

Dia omeko fanontaniana hafa ianao na dia tsy mbola nisy novalianao aza ny fanontaniana rehetra napetraka taminao (iza tsara moa ilay tsy mahita avaly teo ? ) : tena mino ve ianao fa OMNIPRESENT Andriamanitra ?!
Raha mino io fahefana sy toetra ananan'Andriamanitra io ianao dia tsy tokony misy olana aminao mihitsy ny sarivongana ... satria rehefa amin'Andriamanitra ilay olona no mivavaka dia midika izany fa amin'Andriamanitra koa no miantefa ny fandohalihany na dia tsy hitan'ny masonao caprio aza i Andriamanitra !

Valio ny fanontaniana raha toa ianao ka tena manan-kavaly sy manan-kazavaina tokoa e !!!

caprio:
mbola vonona foana aho ra-pissoa ny hamaly raha mbola misy tohiny de antsoy koa ny akamanao fa resy lahatra angamba ry zareo dia nangina


:-D:-D:-D
Raha tena vonona hiresaka tokoa i Caprio dia atomboy amin'ny famaliana ireo fanontaniana be dia be tsy novaliana ireo !
Ohatra hoe ary iza hoa izany namako tsy mamaly izany intsony fa mangina e ? Averiko indray fa i Caprio izao no tsy mamaly ny fanontanian'ny olona.
191. pissoa ( 21/03/2008 14:56)
Caprio : Raha jerena isika mbola miresaka eto dia i Fody, Pissoa ary i Ikaretsaka dia samy Katolika ary milaza hoe tsy vaotery ho sampy ny sary vongana. I Caprio irery no tsy Katolika ary milaza hoe mpanompo sampy ny toa anay ...

ka ny naman'iza no tena tokony antsoina ? Ny naman'iza no efa resy lahatra dia nangina ?!

Valio ny fanontaniana eeeee :-D:-D:-D:-D:-D
192. caprio ( 21/03/2008 20:56)
kirobima,fiaran'ny fanekena sns...averiko ndray fa baiko nomen'Atra ireny,fa aiza ao @ baiboly no misy we mandohaliha hianareo eo anatrehan'ny sarivongana,fa angaha refa katolika na protesta de tsy maintsy hiaro na hanaiky ny zavatra tsy mety ao anatin'ny fangonana misy anao foana,ary ny fanotaniako wa tsy voavalinareo mintsy we aiza ato no misy an'i caprio nanonona we ny katolika mandohalika @sarivongana?fa nareo no efa mahana
193. pissoa ( 21/03/2008 21:08)
Valio aloha ireo fanontaniana ireo ry Caprio raha misy havaly a ! Raha tsisy avaly dia mangina ! Toa efa maro ihany ireo fanontaniana ireo - ary efa imbetsaka ianao no nolazaina hoe valio ny fanontanianay ary ... fa tsisy valiny !!!

Valio ito dia ho hitanao ny valin'io resakao io :
Pissoa:

Dia omeko fanontaniana hafa ianao na dia tsy mbola nisy novalianao aza ny fanontaniana rehetra napetraka taminao (iza tsara moa ilay tsy mahita avaly teo ? ) : tena mino ve ianao fa OMNIPRESENT Andriamanitra ?!
Raha mino io fahefana sy toetra ananan'Andriamanitra io ianao dia tsy tokony misy olana aminao mihitsy ny sarivongana ... satria rehefa amin'Andriamanitra ilay olona no mivavaka dia midika izany fa amin'Andriamanitra koa no miantefa ny fandohalihany na dia tsy hitan'ny masonao caprio aza i Andriamanitra !
194. caprio ( 24/03/2008 18:10)
asainao mangina sisa za satria resy lahatra enao angamba fa we tsy mety ilay mandohalika eo anatrehan'ny sarivongana,ary za terenao hamaly ny fanotanianareo izay efa voavaliko fa ny fanotaniako koa tsy voavalinareo,ary raha misy fanotaniako izay efa voavalinareo aza dia ny valiteninareo tsy mifanaraka @fanotaniako mintsy fa fiarovan-tena no betsaka
195. pissoa ( 27/03/2008 10:50)
:-D:-D:-D:-D:-D

1 - Jereo ao ambony ao fa ianao dia efa ela no niteny ahy hoe mangina, mba tahaka ny namako tsy namaly ... Nefa ny namako namaly tsara ! Ary mbola manohy ny dinika atsy ambadika hatramin'izao !

Nefa jereo ity ianao vao teneniko hoe mangina rehefa tsisy avaly ! (Izaho tsy niteny hoe mangina fotsiny - fa rehefa tsisy avaly hoa, satria ianao efa hita fa tsy mamaly fanontaniana !!!) :wink:

2 - Ary maninona moa raha mba mamaly fanontaniana fotsiny fa tsy mody be resaka eo e ! Jereo fa efa iray volana mahery ny fanontanianao no efa voavaly ... Sarotra be angaha ny mamaly ilay hoe : Mino ve ianao fa OMNIPRESENT Andriamanitra ? Sa sao dia resy lahatra ianao raha mamaly an'io dia tsy azo atao ... manjary miala amin'ny lalan'i Pasitera ?

Eisy eee :-D:-D:-D:-D:-D
196. caprio ( 11/04/2008 19:55)
pissoa efa fantatrao ny valin'io fanotanianao io,ary hita mintsy enao we mieritreritra lalina mintsy vao mahita tenenina,sady tsy mety mazava @nao mihintsy ilay we:tsy mety ilay mivavaka @ sarivongana,ary efa namaly enao we izahay anie tsy mivavaka @sarivongana e!ka tiako ho fantatrao tsara ry pissoa fa raha tsy mivavaka @sarivongana hianao dia inona no mahatonga anao ho be adihevitra eto fa aleo izay mivavaka @sarivongana no hamaly sy hiditra eto mba anazava ny antony hivavahana @sarivongana,fa ny mety @nao dia ny tsy mamaly raha tena tsy mivavaka @sarivongana marina enao,mazava be aminao @izay angmba saaaaa mbola mila fanazavana fanampiny hianao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1737