Ny sampy no voarara fa tsy ny sarivongana sy ny sary akory

141. pissoa ( 06/03/2008 13:11)
Hi hi hi - misy zavatra tsy mety azanao mihitsy, sa lany hevitra dia mody mandiso eto foana !

caprio:

ka efe mazava be anie ry pissoa,fa Atra ankehitriny de mila anao mivavaka mivantana aminy mintsy e,sady na isika aza mbola tsy valian'Atra ndrai2,maika va zavatra tsy miteny tsy misy fanahy tsy mihetsika,inona no hialan'Atra an-zany?


Toa efa novaliana ianao teo

Pissoa:

Zavatra roa no resahinao : ny iray hoe maniraka ny iray hoe manampy.

1 - Ilay hoe maniraka : Fa iza no miteny anao fa ny sary vongana no irahina ?
Aza mampime re olona a. :-D:-D:-D:-D:-D
Raha ny zavatra soratanao dia tena olona adala mihitsy ny katolika sy izay mampiasa karazana fitaovana anie e ! Heverinao ve fa miteny amin'ilay sary vongana ve ilay olona mandohalika eo hoe "Ry sary vongana o, mandehana any amin'Andriamanitra dia lazao izao sy izao Izy" ?

2 - Ilay hoe manampy : Fa zavatra miteny ve ny Baiboly ? Zavatra miteny ve ny fihirana ? Zavatra miteny ve ilay lakroa tsy misy Jesosy iny ? ... Dia fandaniana andro ve ny fampiasana azy ireny, sa mba tena manampy tokoa amin'ny fanatonana an'Andrimanitra.


:-D:-D:-D:-D:-D


caprio:
ary misy milaza ery ambony ery weny baiboly oa zany sampy)dia hoy aho we,raha ilay baiboly atao ao ambany ondana sy hiankohofanao refa mivavaka dia efa endrika sampy zay,fa ny baiboly dia averiko foana fa natao ahafantaranao ny zavabitan'Atra sy ny tantara nisy hatrizay fa tsy hiny akory no ampiasainao refa mivavaka fa antsoy izy dia amaly anao

Sao ny dikan'ny hoe "ampiasaina" mihitsy no fehezinao be loatra ! Sa rehefa mivavaka ianao dia atsipy atsy andefantrano aloha ny baiboly fa tsy azo ampiasaina ... dia mivavaka "mivantana" eo aloha ... dia rehefa avy eo mandeha ao andrefan-trano indray mitsindroka an'ilay Baiboly ? :-D:-D:-D:-D:-D

142. caprio ( 06/03/2008 20:04)
tena voalazanao mintsy ny marina ry pissoa,fa refa mivavaka dia apetraka aloha ny baiboly fa ny fanahy sy ny fo ary ny vava no mifantoka sy miresaka @Atra,ary tsy we adala akory ny katolika,fa nga refa misy zavatra kely tsy mety atao de adala zany no dikany?ary ny naman'i pissoa aza efa nangina fa nanaily sy resy lahatra angamba fa tsy mety ilay mivavaka @sarivongana
143. pissoa ( 06/03/2008 20:18)
Jeeez !!!

Mety leo angamba ireo "namako" amin'ny fiverimberin'ny zavatra lazainao ka ! Toa tsy misy hevitra vaovao intsony fa ny zavatra efa nahitsinay foana no inianao disoina !!! :wink:
caprio:
ary ny naman'i pissoa aza efa nangina fa nanaily sy resy lahatra angamba fa tsy mety ilay mivavaka @sarivongana

Fa angaha heverinao fa izao izahay vao mahafantatra fa tsy mety ny mivavaka amin'ny sarivongana ? Efa ela be izahay no nahafantatra, IZAY NO MAHATONGA ANAY TSY MIVAVAKA AMIN'NY SARY VONGANA.
Vakio ao ambony ao fa efa naverimberin'ireo namako imbetsaka io. Toa tsy mety azonao mihitsy nefa ... enga anie ho azo amin'izay fa efa nataoko sora-baventy ! :-D:-D:-D

Hi hi - izahay aloha rehefa mivavaka any ampiangonana dia mampiasa fihirana, mampiasa baiboly, mampiasa ny bokin-damesa sns. Aminay mantsy ny mivavaka dia tsy ilay manao Jesosy Jesosy be fangataka fotsiny, fa ilay mihaino ny Teniny koa, ilay mihira manome voninahitra Azy sns :-D:-D:-D

144. caprio ( 07/03/2008 10:07)
hi hi hi hi aleo za mba hiomehy @izay ra pissoa kely malala fa hay na ny mivavaka aza tsy fantatrao we:inona no atao we mivavaka ,de inona ny atao we mianatra ny tenin'Atra
145. caprio ( 07/03/2008 10:09)
fa efa mahafinaritra kaloa refa resy lahatra enao we tsy mety ilay mampiasa sary vongana refa mivavaka
146. pissoa ( 07/03/2008 14:56)
:-D:-D:-D:-D:-D

Ary izaho mba efa nandeha nivavaka tany amin'ny protesta ihany fa dia tena mampiasa baiboly tokoa anie ilay pasitera rehefa alahady e, dia misy fihirana kely blitany izay koa nentin'ilay ranamana !
ny fahitako azy dia ianao no tsy mahafantatra ny hoe mivavaka. aminao dia ilay be fangataka ihany no mivavaka :-D:-D:-D

Io indray ianao fa tsisy afitsoka dia mamadika ny teniko a ! Sao hoe mivavaka amin'ny sary vongana no resako hoe tsy atao fa tsy hoe mampiasa !

Rehefa tsisy ambara intsony dia mangina fa aza mamadibabika tenin'olona, na minia mandiso izay efa nahitsy hatry ny ela.
147. Fody ( 07/03/2008 15:52)
Hay ve mbola mitohy ity resaka ity e!

Raha ny fahitako azy dia izao: na dia hanazava in-jato sy arivo eto aza isika ry pissoa, ry zareo ireo efa manana préjugé hoe mivavaka amin'ny sary ny katolika ka sarotra aminy ny handray ny zava-marina.

Nefa mba jereo ery ambony ery ny hevitra nolazain'i mandefitra, milaza fa antidote ny sarina bibilava (izany hoe ody faty). Katolika iza no hanana hevitra, na hihevitra toy izany?

Jereo koa ny fomba fanaon-dry zareo rehefa mandroaka demony, moa ve tsy Baiboly sy Lakro no eny an-tanany? Dia inona ireny? Atao inona ireny? Marihana fa tsy vakina ilay Baiboly fa hikopahana amin-kery ilay demony angamba.

Raha ity resaka sary ity dia aleo manao an'izao: :)
148. ikaretsaka ( 07/03/2008 16:40)
aoka re ry fody an..
ilay lazainy fa tsy ataony dia ataony @ fomba hafa..
nefa tsy ekeny hoe ataony
izay ilay ilazako lalandava hoa mandiniha tena
149. pissoa ( 07/03/2008 16:43)
:-D:-D:-D:-D:-D

dia mody ovaovainy eo ze noteneniko ...

vraiment ... pfffff ....
150. caprio ( 07/03/2008 20:46)
averiko indray fa ny lohateny ery ambony ery we:ny sampy no voarara fa tsy ny sarivongana sy ny sary akory,de raha hiteny koa ny sasany we:ny sampy no voarara fa tsy ny tapakaso sy ny taniravo akory,de hoy aho we:raha samy hiteny zany doly de tsy misy anie zany ny panompo sampy e,satria ireo zay tratra @ marina de samy mahita ambara doly,fa nga tena sarotra be @nareo mintsy ilay tsy mampiasa sarivongana saaaaa
151. pissoa ( 08/03/2008 08:55)
:-D:-D:-D:-D:-D

mba tena hafa mihitsy hoa ny lohanao ity e. mbetika mahazo, mbetika tsia. mbetika manaiky, mbetika manda ... ahoana no tokony andraisanay ny teninao ?

tena hainao tokoa ny namaky ny lohateny ... fa toa tsy azonao angamba ilay izy. Tsy voarara ny sarivongana sy ny sary hafa rehetra rehefa tsy atao sampy ! Toa lojika be ilay izy ... ary ao ambonimbony ao ianao dia efa manaiky anie e :wink:
152. caprio ( 08/03/2008 22:38)
fa nahoana ary pissoa no tsy mamaly mintsy refa anotaniako we:mety ve ilay mivavaka @sarivongana sa tsia? tsy mila kabary be io fa eny na tsia fotsiny no tokony ho valinio de avy eo hita eo ndray ny tohiny
153. pissoa ( 09/03/2008 20:14)
Refa tsisy ambara tsony hoa dia mangina fa aza mody tsy mahita izay efa voasoratra eto foana ... lany ankra eo ny ordi-nao nge e :-D:-D:-D
pissoa:
Fa angaha heverinao fa izao izahay vao mahafantatra fa tsy mety ny mivavaka amin'ny sarivongana ? Efa ela be izahay no nahafantatra, IZAY NO MAHATONGA ANAY TSY MIVAVAKA AMIN'NY SARY VONGANA.


154. caprio ( 10/03/2008 19:45)
sady tsy hitako koa anie izay mahasarotra ny miala @mahazatra e!refa tsy mety dia tsy hatao,fa tsy we rehefa tratra @ marina dia asiana resaka lavabe we:ka tsy mivavaka @sarivongana anie zay e,ka tsy zao anie e,ka makatry e,makaroa e
155. pissoa ( 10/03/2008 19:55)
:-D:-D:-D

Ianao ihany anie no mbola manohy sy miovaova hevitra eo e ! Jereo fa hevitray ihany izao io teneninao io ... Toa efa ela ihany mantsy izahay no niteny teto fa tsy mety ny mivavaka amin'ny sary vongana dia tsy ataonay ! :wink:
156. Fody ( 11/03/2008 13:36)

capiro: inona hono ilay marina tratranao àry, toa ohatra an'izay foana mantsy no averimberina eo.

Sa ianao Andriamanitra ka maheno izay lazainay rehefa mivavaka, ary maheno anay milaza hoe: ry sarivongana omeo an'izao aho, ataovy an'izao aho, mifona aminao aho....?

Ny préjugé ry namana dia avy amin'ny Demony, ary manakana ny olona tsy hahalala ny marina, ka mba mandiniha ihany.

Misaotra anao!
157. caprio ( 11/03/2008 20:24)
fody, enao angamba no tokony hieritreritra we fa maninona refa mivavaka raha tsy asiana aniny sary iny eo anoloana na we asiana lakroa eo anoloana,misy antony anie zany iny matoa ataonareo eo e,
158. ikaretsaka ( 11/03/2008 20:33)
rehefa tena dinihina tokoa ry caprio dia tena tsy azo ny tianao hahatongavana...
eo ianao fa tsy azo atao de azo atao dia tsy azo atao dia azo atao

dia efa azavaina fa tsy mivavaka @ sarivongana ilay izy, ohatranao hoe tsy mivavaka amin'ny baiboly, fa mampiasa ny sarivongana (sy ny baiboly fihirana sns.. juste ohatranao ihany ) mba hanampy hivavaka

.. fe e e e.. inona @ izay no sarotra azo kay??


159. caprio ( 12/03/2008 09:51)
ikaretsaka no tsy mahazo resaka fa ny baiboly dia hiarahan'ny rehetra manaiky fa hampiasaina mba hianaran'ny rehetra ny teninin'Atra sy ahafantarana izay tokony hatao sy tsy tokony hatao ,ary efa miverimberina foana io we: aza ampitovina ny sarivongana sy ny baiboly ,fa ilay asan'ny sarivongana mintsy no tsy mazava satria amiko raha isaky ny mivavaka dia asiana zavatra eo anoloana misy antony zay ka azavao tsara mintsy
160. Fody ( 12/03/2008 13:16)
capiro: Misy sary vongana eo alohako afaka mivavaka aho, tsy misy sarivongana eo alohako, afaka mivavaka koa aho.

aza ampitovina ny sarivongana sy ny baiboly

Ny Baiboly dia boky, mampitana amintsika ny Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny soratra.
Ny sary kosa dia fampitana ny Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny sary.
Ny Baiboly dia milaza fa nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana i Jesoa.
Ny sarivongana dia maneho an'izany koa fa tsy zavatra hafa akory.
Ny Baiboly dia milaza fa i Maria no niteraka an'i Jesoa tao an-tranon'omby.
Ny sary koa dia mampiseho fa teraka tao an-tranon'omby i Jesoa. I Maria no reniny, Josefa no ray nitaiza azy. Nisy Majy tonga nitsaoka azy, nisy mpiandry ondry, sns....

Moa misy mifanohitra ve izay hafatra ampitain'ny Sary sy Baiboly?
Aza adino fa misy olona tsy mahalala akory ny atao hoe: omby satria mbola tsy nahita omby.
Ny taranaka ankehitriny koa dia betsaka no tsy mahalala intsony ny atao hoe: Mpanajaka izany, nefa izany resahana ao anaty Baiboly. De ahoana?


Ataoko fa mazava be izay, ka tsy misy tokony hodinihako.

Fa izao: inona ilay marina tratranao? Mba valio azafady ilay fanontaniana fa aza ahodikodina.

Misaotra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0095