Ny fijoroana vavolombelona no manome fanantenana ny hafa fa.
81. pissoa
(
23/06/2007 17:03)
niryna:
Hoy i hoy izy:
fa tsa mbola nandray an'i Jesosy aho
=))=))=))
Tsy mahagaga ahy raha mivilana daholo ny fandraisan'i Niryna ny baiboly ka lasa mampianatra diso !!! Eto aza zavatra fohy kely io aza tsy voavaky, na tsy hay ny mamaky azy sy mahazo azy, fa tapatapahina araka ze hitiavana azy fotsiny 8O
Efa io naveriko io nefa no noteneniny :
gasynamana:
Araho soa moa a.
Fanampin'io de hotaroniny fa tsa mbola nandray an'i Jeosy aho. etc...
Sa tsy mahazo teny gasy koa :?:
Efa hoe vakio tsara ho ny soratan'ny olona vao be sermon ianao :-D:-D:-D:-D:-D
82. ikaretsaka
(
23/06/2007 17:25)
Roa izay no nitenya sy nanao remarque! vao tato fotsiny io an (miampy ireo betsaka tsy voatanisa any@ hevitra sasany any ambadika rehetra any! !
83. marozevo
(
23/06/2007 21:33)
Ndao valiana ilay fanontaniana àry eh !
Eny, afaka mandray tokoa aho raha mitory ny fahamarinana ny fijoroany ho vavolombelona.
ny hafa dia manana projet hijoro vavolombelona ihany toa anareo koa. Ary tsy voatery ho Kristianina io. Ka moa ve afaka mba mandray izay avy aminy koa ve ianao ?
Eny, afaka mandray tokoa aho raha mitory ny fahamarinana ny fijoroany ho vavolombelona.
84. ikaretsaka
(
24/06/2007 04:25)
eny .. fa saintsainiko tsara aloha hoe inona no azo tsoahina @ izany..
fa tsy hoe emouvant be ilay lazainy dia iny aho fa ...omeo mosoara aho ry 'reto an!
fa tsy hoe emouvant be ilay lazainy dia iny aho fa ...omeo mosoara aho ry 'reto an!
88. niryna
(
27/06/2007 08:33)
gasynamana:
niryna: Film efa nandeha. Ho avy eo indray izy zao rehefa avy eo hitantara angano.
Inona no titren'ilay film mba ho jerevako:D
89. niryna
(
27/06/2007 08:38)
ikaretsaka:
izany ve tsy mitovy @ le fariseo sy poblikanina be (ilay ao am-piangonana io an)
tsy tonga
Ny hitako mahatonga ny olona manao an'io (amiko an) dia ilay "tsy ampy sakramenta" izy!
Azavaiko:
tsy misy an'izany mikonfesy izany ao aminy dia eo ampahibemaso eo no hanaovany izany, asa, mety ho diso aho!
Amiko manko dia azonnao atao ny tsy miteny mihitsy, sy tsy midehadehaka etsy sy eroa, nefa hitan'ny olona amin'ny asanao ilay fijoroana vavolombelona misy eo aminao .
ohatra hoe narary lasa sitrana na mpangalatra lasa tsy nangalatra intsony sns voalazan'i diam's ireo dia tsy ankiteny mihitsy hoe za ty anie... fa hita ho azy eny!
Ny tsapako sy hitenenan'ny olona hoe "tena olon'andriamanitra tokoa ilay zalahy iny" dia tsy amin'ny wawawa be fa amin'ny fanazavana tsotsotra sy amin'ny asa!
Tsy manao Pub aho fa za aloha tsy nahita an'i Pedro na i Masera Teresa nanao izany, fa rehefa miresaka aminy ianao sy mahita ny ataony, dia vaky vava hoe "tena olon'andriamanitra ity olona ity".
ary tsapako fa mandaitra lavitra noho le mitatatata hoe "tahaka zao za taloha ny "tsiky de ampy"
Mandehana hoy ny tompo ,ary ataovy ho mpianatro izao rehetra izao.Inona no maha kristiana ny kristiana raha mitovy ny olona tsy mba nandray fanomezana tamin'Atra izy.Dia ahoana no fomba hiresahanao ny olona fa misy Jesosy,atao any am-paosy fotsiny?Tsy afaka mba hiresaka aminy ve ianao?Maninona ianao ohatra no tsy mba tezitra mihitsy?
Dia hoy ve ny valiny hoe izany no toetrako!
Manome hery ny hafa ry ika no fijoroana vavolombelona iray a,izay no mahatonga ny fitenenana hoe mandehana mitory ny filazantsara.Zava-baovao,zava-baovao no ho lazaiko anareo......:D:D
90. niryna
(
27/06/2007 09:00)
diamondra27:
Ilaina ve izany ny fijoroana vavolombelona?
====> eny ilaina ny mijoro vavolombelona
Misy karazany maro ny fomba ijoroana vavolombelona fa tsy tokony andeha amin-kafanampo be fahatany fotsiny.
Ny fihetsika sy fombanao aty ivelany dia tokony ho hitan'olona fa olon'Atra ianao , efa nandray an'i Kristy. Tsy azo afenina izany fahazavana efa noraisinao izany.
Tsarovy fa ny tenanao dia tempolin'Atra
=D
Raha toa kosa anefa misy témoinage tian'ny mpitarika fiangonana de azo aao izany any @ le fiangonana hilazàna hoe: zao no nanjo ahy de zao no nataon'i Tompo tamiko
na koa hoe: zao no fiainako taloha de ankehitriny niova aho etc...
Ity aza misy tantara iray.Tany Haiti no nintranga io,noviravirain'ny olona telo lahy ity tovovavy tanora ary noentina nandositra nandritra ny andro maromaro.Nisy fivavahana taty aminay ary nanontany ny pasitera raha misy manana ho lazaina na misy olana tiany ho entina am-bavaka.Nijoro ity nenitoan'ity tovovavy ary nilaza ny zava-nisy izy.Niteny ilay pasitera fa hitrotro azy ambavaka isika.Andro vitsivitsy tao aorian'io dia nalefan'ireo olon-dratsy nody ilay tovovavy saingy tsy noratrany fa noviraviran'izy ireo.
Nitomany tao am-piangonana ity nenitoa ary nisaotra ny mpiara-miangona tamin'ny vavaka niarahana.
Inona no nitranga?Bevohoka ilay tovovavy ary niteraka lahy kely.Tsy afaka ny hitaiza azy ilay tanora(16 taona fa mbola mianatra) ary niangavy ny nenitoany izy mba hitaiza azy,mafy aminy izany,saingy izay no nitranga.
Natao batisa tao am-piangonana ilay zazalahy kely tsy manan-tsiny,ary no tantarainy tamin'ny rehetra ny antony nahatonga ity zazakely ity.:cry:
Vavolombelona nijoro ilay ramatoa fa namaly vavaka Atra.
Ahoana no hampiharanao izany amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao?[/b]
Arakaraka ny zava-misy manoloana anao io
fony mpianatra ny tena dia nanampotoana nijoroana vavolombelona nitory t@ hafa rehefa récréation na manao tafika masina rehefa vacances
Zay fotoana hanananao de tokony entina hanompona ny Tompo ankoatran'ny fianarana sy ny asa aman'andraikitrao.
Rehefa miasa kosa dia par rapport @ asa sy ny fotoana mampalalaka anao no entina hijoroana @ hafa
marina izany,hafafy foana ny voa fa tsy maitsy misy mitsimoka na vetivety na miandry kely saingy hitsimoka foana io.Izay hafafy ihany no ho jinjaina.
mijoro vavolombelona = mizara ny azonao, ny zavatra nataon'i Tompo anao(zay le action)fa afaka mijoro vavolombelona @ fihetsika sy fiteny...
Izay ilay izy,izay kely sy fantatra mikasika ny fahasoavana nomen'ny Tompo antsika no zaraina fa angaha hamorona.Fifaliana, fahoriana,fijaliana nianjady tamin'ny fiainana kanefa afaka nitraka na nisy aza izany noho ny fahasoavana sy ny fitiavan'Atra antsika.
Izany hoe rehefa nanolotra ny fiainanao manontolo ho tantanany ianao,nahita fihovana ve sady ny omaly tsy miova?[/b]
Marina izany fa misaotra anao hatrany aho manoro anay.
Raha misy olona ao @ Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha....
Raha tena nandray an'i JK enao de tsy maintsy miova ary misy fiovana
Raha tsy nisy de tokony handinin-tena
=D=D=D
Ahoana?
Amin'ny alalan'ny vavaka
fianarana ny SM
fiaraha-mivavaka
Fanarahana ny SM
Ary hiezahana sy ampiarina amin'ny fiainana isan'andro izay voasoratra ao anatin'ny tenin'Atra :*
Andramo ka zahao fa tsara Izy.:D
91. niryna
(
27/06/2007 09:02)
xxx:
Aleo hazavaiko bebe kokoa : ny hafa dia manana projet hijoro vavolombelona ihany toa anareo koa. Ary tsy voatery ho Kristianina io. Ka moa ve afaka mba mandray izay avy aminy koa ve ianao ?
Afaka hihaino anao aho fa tantarao izay hijoroana ho vavolombelona izany.:D
92. niryna
(
27/06/2007 09:06)
xxx:
Rehefa tsy ampy ny fihainona dia manjary tsy misy fivoarana intsony ilay olona. Izay dia nomarihan'i Ikaretsaka ao ambadika. Ary hita taratra eto amin'ny dinika io tsy fahampian'ny fihainoana io.
Tsy nanilika na iza na iza ianao ry Jesoa fa nandray sy nihaino izay rehetra nanatona anao, koa ampianaro anay hatrany ny hahay hihaino sy handray ny hafa, ary indrindra hahay handray anao sy hihaino anao. Amen.
Ka izay no maha olombelona antsika.Tsy misy ny ho tonga lafatra ary tsy maitsy misy foana ny fitsikerana.Anjaran'ny tsirairay io,mety ho diso amintsika kanefa ny ahy aloha tsy mba hitsara olona aho.Tsy ahy tsinona no fitsarana.
Efa novaliana io koa ilay izy fa tsy nanilika Jesoa fa isika olombelona no be siasia.
93. niryna
(
27/06/2007 09:13)
pissoa:
Ilaina ny fijoroana vavolombelona ! Cf ari.malala =D=D=D
Fa za aloha tsorina fa tsy tia (ary tsy hitako ze ilana azy) ny vavolombelona publicitaire be ireny e ! toy ilay hoe nahantra za taloha ... mpanankarena zah amizao, Aleloia tehaka ho an'i Jesosy ! :lol::lol::lol:
Ndry mampalahelo i pissoa izany.Tsy mbola anao tokoa ny lelo ka hainao ny manisina!
Tsy mbola nahita fihovana teo amin'ny fiainanao mihitsy izany ianao hatramin'izay nandraisanao an'i Jesoa izay?
Izay anie no atao hoe vavolombelona e.:D:D:D
Fahoriana,fifaliana,fahakiviana,toetra tsy mendrika kanefa novainy ho hafa,sns.Maro ary tsy voasoratra ato daholo.
Ahoana izany no hitorianao ny olona raha misy miteny hoe kristiana ianao ?
Inona no nahatonga anao ho mpanaradia an'i Kristy?
Ahoana no hamalianao an'izany ?
Fiainana andavanandro sy ampiarina mihitsy anie io voalaza ao anaty baiboly io e.
94. niryna
(
27/06/2007 09:24)
ari.malala:
Inona le tantaraina ry niryna? milazà karazana olana hoe de ilay zavatra tantaraina refa mitantara le olona?
Ohatra omeko io.Misy namana mitantara ny fiainany aminao.Na mihaino,mandany fotoana kely fotsiny aza hianao amin'ilay olona dia tena efa zava-dehibe aminy izany.
Misy olona miresaka ny tsy fifankatiavan'ny rar.Ny fitongilanan'ny fitiavana eo amin'ny samy zanaka,niantsoa vonjy tamin'ny hafa izy ka namaly azy ilay olona.Nahatsapa izy fa hay misy olona hafa mbola afaka mamonjy azy ihany koa na dia kamboty sy tsy misy miraharaha aza izy.
Maro fa tsy ho voatanisa daholo ny fifanampiana sy fanomezana hery sy fanantenana an'ireo olona maro izay mila vonjy.
Misy olona izay miresaka olana eo amin'ny zanany,ianao mihaino azy koa dia efa mandray an'iny hoe izao izany no tokony hitondrako ny zanako sns.
Izay no tiako ho tenenina.
Fanomezana hery,fanantenana,famonjena,fankaherezana sns dia efa fijoroana vavolombelona azo ampiarina amin'ny fiainana daholo.
95. niryna
(
27/06/2007 09:26)
xxx:
Ary Niryna angah tsy mba afaka mamaly.
Ity aho ary efa nihezaka namaly izay vitako(lany teo ny adin'ny roa- ko):D:D
96. ikaretsaka
(
27/06/2007 11:35)
niryna:
Mandehana hoy ny tompo ,ary ataovy ho mpianatro izao rehetra izao.Inona no maha kristiana ny kristiana raha mitovy ny olona tsy mba nandray fanomezana tamin'Atra izy.Dia ahoana no fomba hiresahanao ny olona fa misy Jesosy,atao any am-paosy fotsiny?
@ alalan'ny asako, ny toetrako, sns fa tsy ny fitatatako hoe toy izaho aho taloha, na nanao an'izao aho taloha dia lasa izao!
Matetika dia izay foana anefa ny atao @ fijoroana vavolombelona...
lasa publicitaire!
"mahantra aho taloha, manana harena aho ankehitriny.... ratsy toetra aho taloha, tsara toetra aho ankehitriny, mamolava aho taloha, tsy mamolava intsony aho "
soanja taloha:
...raha izaho no asainao mitoriteny na mijoro vavolombelona dia tsyhoe andriamanitra mpanasazy na hoe mibebaha no voiziko voalohany fa ny fitiavan'Andriamanitra antsika amin'ny mahaolombelona antsika : zany hoe ny fanovany ny fiainantsika hisy zavatra positive eo anivontsika, ny fampaherezana antsika amin'ny fiainan-tsarotra, ny fahatsapana fa tiany isaka na manana kilema aza saingy afaka mila tanteraka izany kilema izany raha manana ny Fanahin'Andriamanitra ianao ka mandray azy ao am-po. Dia izay olona mandray an'Andriamanitra no mahalala ny otany rehefa avy eo dia miezaka mibebaka fa tsy izaho mihitsy ny hanizingizina aminy vao manomboka ny toriteny hoe : isika dia mpanota, io otanao io antony nahatonga na'Andriamanitra nandefa ny zanany sns....
Ka rehefa maheno ny positive outcomes ny fandraisana an'Andriamanitra izy dia manontany izy hoe ahoana ny fomba hamojeko sy handraisako an'Andriamanitra satria toa mahalina sy tsara izy izany dia eo amin'izay ianao manome ny hoe:
-Tiavo amin'ny fonao iray manontolo Andriamanitra
-Atokano aminy ny fanahinao sy ny vatanao ary ny asa ataonao; ampiseho amin'ny alalan'ny fitondran-tena sy asasoa ary fihetsiak mendrika ny zavatra ataonao rehetra.
- Tsinjovy ny namanao zany hoe ny hafa ary toroy ny lalana mahitsy izy sns
-Miala amin'ny ota mety manasaraka antsika amin'ilay Ray.
Efa any amin'ny farany ilay olona vao mety hanontany hoe inona avy kay izany ny ota mety ananako tokony hanaovako tena mba hampadio ahy dia eo ianao mi-list ny zavatra mety tazanao mila fiovanana any aminy. Dia aleo izy handini-tena fa tsy hoe io fahotany io no asesinao voalohany aminy fa amiko tsy truthful ny zavatra tenenina amin'izany fa ampitahorona ny olona hanantona an'Andriamaniatra ka hoe AFOBE ny hiafaranao sns sady mampitahotra ao anaty baiboly ao.
Ny zavadehibe dia tokony hijery izy fa tsy vitan'ny vatana ny fiainana fa misy ny Fanahy ary io Fanahy io no mahaolombelona anao sy hitovizanao amin'Andrimanitra izy nanamboatra anao.
Raha manontany izy hoe aiza no tokony hivavaka dia hiteny aho hoe aiza ny tianao fa ny zavadehibe dia mifandray amin'ilay ao anatinao ianao ary tokony hita taratra ety ivelany izany hatsarana ao anatinao izany. Ka n'aiza n'aiza efa fantatrao ny hafatra fa Fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa sns tsy voatanisako eto intsony. Tsara anefa ny mandray matetika sy maheno matetika izany teny mahasoa izany.
Io ny finoako ary io no ho voiziko hatramin'ny farany.
97. ikaretsaka
(
27/06/2007 11:45)
Ohatra omeko io.Misy namana mitantara ny fiainany aminao.Na mihaino,mandany fotoana kely fotsiny aza hianao amin'ilay olona dia tena efa zava-dehibe aminy izany.
Misy olona miresaka ny tsy fifankatiavan'ny rar.Ny fitongilanan'ny fitiavana eo amin'ny samy zanaka,niantsoa vonjy tamin'ny hafa izy ka namaly azy ilay olona.Nahatsapa izy fa hay misy olona hafa mbola afaka mamonjy azy ihany koa na dia kamboty sy tsy misy miraharaha aza izy.
Maro fa tsy ho voatanisa daholo ny fifanampiana sy fanomezana hery sy fanantenana an'ireo olona maro izay mila vonjy.
Misy olona izay miresaka olana eo amin'ny zanany,ianao mihaino azy koa dia efa mandray an'iny hoe izao izany no tokony hitondrako ny zanako sns.
Izay no tiako ho tenenina.
Fanomezana hery,fanantenana,famonjena,fankaherezana sns dia efa fijoroana vavolombelona azo ampiarina amin'ny fiainana daholo.
izao ange no mikonfesy ry niryna e
fa @ katolika io dia ianao sy mompera sy Andriamanitra fa tsy wawawa be
98. marozevo
(
27/06/2007 18:29)
Misaotra an'i Nyrina nandany adiny roa... Izaho koa nandany 20 mn namaky izay voasoratrao.
Ny iangaviana fotsiny, ankoatra ny fanazavana (izay tena tsara dia tsara), dia mba valio mivantana fotsiny aloha raha misy fanontaniana mipetraka aminao eh.
En tout cas ! ... tsy misy fijoroana ho vavolombelona lehibe noho ireo voalazanao ireo, saingy tsy diso koa raha misy hafa fiseho toy io lazain'ikaretsaka io.

99. niryna
(
28/06/2007 05:27)
Ny fomba fanazavana azy no tsy mitovy ry ika a.
Hoy ianao hoe publicite,dia tsy maninona izany fa manao publicite ilay olona milaza sy mitantara ny fahasoavana nomen'ny Tompo azy.
Izao ary:
Narary ilay olona dia sitrana
Mamolava dia tsy nisotra intsony
Mpijangajanga dia lasa niova
Naditra dia lasa hendry
Sns sy ny sisa
1-Inona no nahatonga azy lasa hendry?
2-Iza no nanome hery azy ka lasa hendry izy?
3-Moa ve tonga dia lasa hendry fotsiny izy fa tsy nisy antony?Inona ilay antony,avy aiza no nipoiran'ilay antony?
Nisy fihovana izany tamin'ireo fiainan'ireo olona marobe ireo,taiza ny source?
Tonga ho azy?
Tsy mandaha mihitsy aho ny hoe ny toetra asehonao ny olona dia efa fijoroana vavolombelona fa tsy mbola anao ny lelo ka hainao ny manisina,misaora Azy raha mbola tsy nandalo fiainana sarotra ianao.Raha mitovy ny omaly ihany ny fiainana hiainako dia tsy ho kristiana mihitsy no fiheverako ny tenako.Satria toy ny fiainana isan'andro dia mitady sy manatsara ary mikatsaka ny marina mandrakariva no ezaka ataoko ka izay dia efa hijoroaka ho vavolombelona.
Ianareo moa izany tsy afaka ny hitory teny ny fahasoavana nomen'i kristy dia izay koa izy izany.Sy ny hoe inona no nahasamy hafa ahy fony mbola tsy nandray an'i kristy aho ary inona kosa no mahasamy hafa azy amin'izao nandraisako azy izao.
Raha mitovy fa tsy misy fiovana tsy aleo tsy mamaky baiboly na mianatra soratra masina intsony aho fa tsy misy fihovany koa maninona aho no andany andro amin'ny tsy misy dikany.Tsy ahavonjy na hanavotra ny namana na hizara izay fahasoavana noheveriko fa tsara ho zaraina.Dia mitovy ny tsy mpino ihany izany.:D

100. niryna
(
28/06/2007 05:50)
Ho an'izay mangetaheta ity fa mino aho fa misy manana olana mitovitovy aminy koa:
Herintaona lasa izay dia nanantona ahy ity mpiara-miasa fa misy olana ny fiainany.
Ny vadiny lasa nanaraka lehilahy noho ny vokatry ny fifohana zavatra mahadomelina.
Ny rainy maty.
Mba hivavaho aho hoy izy fa tena misy olana be mihitsy ny fiainako.Ary dia nanampy azy aho sy nanome hery azy koa aho mba hivavaka ny tokan-tranony izy.
Tsy niteny izy hoe nisy zavatra telo tao anatin'ny lohany izany eritreritra adala!Raha tsy vao androany nitantara ny nampiova ny fiainan'izy mivady tamiko izy.Ataoko hoe adala ilay izy satria nanana eritreritra tsy ampy fiheverana izy:
Hamono tena,ho fatin'ny aretim-po no faniriana,ary ny hamaly faty ilay fahavalony.
Tamin'ireo fotoana nianjadian'ny adin-tsaina ireo izy no niantso ity vadiny fa nisy nandona ny tranony ary camion lehibe no nandona azy,mpamily natory ka tsy nahatandrina dia lasa nivily lalana.
Nijanona ny saina ratsiny ary teo izy no nifona sy nandohalika ary nisaotra an'ATra fa tsy manome zavatra sy olana tsy zakantsika hoy izy Atra.
Tsy nisy simba ilay trano,tsy naninona ilay mpitondra camion,ilay vadiny niverina ny tokan-tranony.Ary dia niverina niangona indray izy mivady ary toy ireny mpivady vao ireny indray ny tokan-tranony.Nanomboka niaraka namaky baiboly izy mivady,mijery fandaharana fivavahana miaraka,mamaky boky mikasika ny fivavahana mifandimby.Niala tsy nandray ilay zavatra mahadomelina intsony ilay ramatoa.Niverina indray ilay fanambadiana sainga rava.Mora ny mihaino fa lalana sy fotoana ary andro aman'alina no nianjeran'ny fahoriana ity namana.
Hoy aho hoe tsy maninona anao ve raha zaraiko ny namako ny tantaranao?Tsy maninona hoy izy ary ity koa misy sarin'ilay tranonay izay tsy nisy simba na kely aza noho ny fahasoavan'Atra lehibe.:D
Na inona na inona fiainana mahazo antsika raha manantona sy miantso Azy isika dia mihaino sy mamaly vavaka foana Izy.
Vavolombelona tena lehibe izany amiko.Ary hisaorako ny Tompo izay nanome hery azy mivady ka namerina indray ilay tokantrano izay potikin'ny satana.