Ny fijoroana vavolombelona no manome fanantenana ny hafa fa.

181. marozevo ( 13/07/2007 18:19)
Za kosa dia sahy milaza fa mitsara anao, ry Nyrina, na dia fantatro aza fa mbola hotsaraina koa aho. Inona moa no hadisoako, rehefa hitako fa misy diso izay lazainao, ka ahitsiko ? Izaho tsy mbola nilaza hoe "diso aby izay lazainao". Hitanao tsara fa matetika aho milaza hoe d'accord aminao... Ohatra, tena hitako fa diso tanteraka ny filazanao fa nosoratana tamin'ny 1445 BC ny Genezy. Dia inona no atahorako milaza fa diso izany.

Nyrina, izaho koa tsy mbola mandà mihitsy izay fanitsiana atolotrao, rehefa hitako fa mitombina izany. Ary na oviana na oviana tsy mbola nanozona anao aho, ary tsy hanozona hoe "Aza mitsara fa samy mbola hotsaraina", na hoe "rehefa samy any an-danitra sns...". Miangavy anao aho, aza mamerina izany intsony fa mavesatra loatra izany, ary tsy misy na iray aza amintsika manana zo hilaza izany.

Dia amafisiko, fa conseil d'ami ny ahy... satria namako ianao....
182. ikaretsaka ( 14/07/2007 20:24)
dia atsipy ny atody ... vaky
dia atsipy ny anatra.. handinihan-tena e
ataoko fa vavolombelona daholo isika izay (temoins)! tsy de jeovah fa de ce qui s'est passe ici!:wink: fotsiny no naha samihafa azy!
sangisangy ny ahy iny ka izay voa aza tezitra an
183. marozevo ( 14/07/2007 21:18)
OK !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078