Ny fijoroana vavolombelona no manome fanantenana ny hafa fa.

1. niryna ( 20/06/2007 07:06)
Rehefa tonga zanak'Andriamanitra isika noho ny fianoana an'i Kristy dia manana andraikitra ny hiteny amin'ny olona ny amin'i Kristy.
Tsy misy zavatra tsara sy mahafinaritra ny mizara izany fitiavan'Atra antsika izany amin'ny namana,havana, olom-pantatra ary ny manodidina.
Rehefa mahafantatra fa miaraka aminy isika dia mazava ho azy amintsika ny miresaka sy mitantara ny olona ny soa vitany tamintsika,ny famonjeny ary ny finoana Azy.
Izay avoakan'ny vavantsika dia avy ao am-pontsika avokoa.Fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanomezana ao anatinareo,nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. 1 Pet 3:15.

Noho ny finoana Azy,noho ny fianteherana ny fiainana iray manontolo Aminy,tapi-dalan-kaleha ka Izy no fara-fanantenana ary dia nanavotra antsika Izy.

Ilaina ve izany ny fijoroana vavolombelona?

Ahoana no hampiharanao izany amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao?Izany hoe rehefa nanolotra ny fiainanao manontolo ho tantanany ianao,nahita fihovana ve sady ny omaly tsy miova? Ahoana?

(l)niryna



répondu par marozevo le 14/07/2007 21:18
2. ari.malala ( 20/06/2007 07:49)
amiko manokana tsy ny fizahozahoana etsy sy eroa no atao hoe fijoroana vavolombelona fa nandray an'i Kritsy marina tokoa aho, fa ny fiainako andavanandro no itarafan'ny olona fa tena nandray Azy marina tokoa aho. Izay ilay hoe ianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Aoka hazava eo imason'ny olona ny fahazavanareo.
3. hery ( 20/06/2007 07:52)
Ilaina fa tsara atao
amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana


fotsiny.


Ho ahy izao io fahalemem-panahy sy fanajana io dia izao (ary izay no ataoko)

- Lazaiko ny olona fotsiny hoe sambatra aho manana an'Andriamanitra
- Lazaiko hoe mahazo tombony aho mivavaka
- Manana fanantenana aho eto amin'ity tany ity sy ny fiainana aorian'ny eto.

Izay ihany.

Tsy izaho mihitsy no hanery azy hoe mivavaha, na hoe tongava aty aminay. Mbola mahita hasambarana hafa izy matoa tsy miaraka amiko. Mety tsy maharesy lahatra azy koa ny hasambarana iainako.
4. diamondra27 ( 20/06/2007 08:39)



Ilaina ve izany ny fijoroana vavolombelona?

====> eny ilaina ny mijoro vavolombelona
Misy karazany maro ny fomba ijoroana vavolombelona fa tsy tokony andeha amin-kafanampo be fahatany fotsiny.
Ny fihetsika sy fombanao aty ivelany dia tokony ho hitan'olona fa olon'Atra ianao , efa nandray an'i Kristy. Tsy azo afenina izany fahazavana efa noraisinao izany.
Tsarovy fa ny tenanao dia tempolin'Atra

Raha toa kosa anefa misy témoinage tian'ny mpitarika fiangonana de azo aao izany any @ le fiangonana hilazàna hoe: zao no nanjo ahy de zao no nataon'i Tompo tamiko
na koa hoe: zao no fiainako taloha de ankehitriny niova aho etc...

Ahoana no hampiharanao izany amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao?

Arakaraka ny zava-misy manoloana anao io
fony mpianatra ny tena dia nanampotoana nijoroana vavolombelona nitory t@ hafa rehefa récréation na manao tafika masina rehefa vacances
Zay fotoana hanananao de tokony entina hanompona ny Tompo ankoatran'ny fianarana sy ny asa aman'andraikitrao.
Rehefa miasa kosa dia par rapport @ asa sy ny fotoana mampalalaka anao no entina hijoroana @ hafa

mijoro vavolombelona = mizara ny azonao, ny zavatra nataon'i Tompo anao(zay le action)fa afaka mijoro vavolombelona @ fihetsika sy fiteny...


Izany hoe rehefa nanolotra ny fiainanao manontolo ho tantanany ianao,nahita fihovana ve sady ny omaly tsy miova?



Raha misy olona ao @ Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha....

Raha tena nandray an'i JK enao de tsy maintsy miova ary misy fiovana
Raha tsy nisy de tokony handinin-tena

Ahoana?

Amin'ny alalan'ny vavaka
fianarana ny SM
fiaraha-mivavaka
Fanarahana ny SM



[/quote]


5. diamondra27 ( 20/06/2007 08:47)

Izany hoe rehefa nanolotra ny fiainanao manontolo ho tantanany ianao,nahita fihovana ve sady ny omaly tsy miova?


II Korintiana 5:17
Raha misy olona ao @ Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha; indreo efa tonga vaovao ireo.
6. diamondra27 ( 20/06/2007 08:49)
Rehefa miasa kosa dia par rapport @ asa sy ny fotoana mampalalaka anao no entina hijoroana @ hafa

tsy midika akory izany hoe: sombitsombiny na sisa @ fiainanao no entina hanompoana ny Tompo fa omena toerana manokana Izy.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanmpy anareo izany rehetra izany.
7. gasynamana ( 20/06/2007 08:53)
niryna: Film efa nandeha. Ho avy eo indray izy zao rehefa avy eo hitantara angano.
8. diamondra27 ( 20/06/2007 09:33)
gasynamana:

niryna: Film efa nandeha. Ho avy eo indray izy zao rehefa avy eo hitantara angano.



:-D:-D:-D

sao de tsy angano fa tena izy kosa e!
9. gasynamana ( 20/06/2007 09:37)
sao de tsy angano fa tena izy kosa e!
Araho soa moa a.
Fanampin'io de hotaroniny fa tsa mbola nandray an'i Jeosy aho. etc...
10. diamondra27 ( 20/06/2007 09:47)
gasynamana: f'angah izy no mandidy an'io
choix-nao anie io na mandray na tsia e!
Aza manaiky forcé-na zany @ fiainana fa malalaka ny famonjena fa tsy ankanery.


Ny miaraka @ JK dia manana fahalalahana tanteraka
Afaka manao ny zavatra rehetra fa saingy tsy ny zavatra rehetra no mahasoa . Dia ianao ihany no manao ny tri
11. gasynamana ( 20/06/2007 09:58)
diamondra: ok
12. xxx ( 20/06/2007 10:32)
Ary ianareo ireo ve mba afaka mandray avy @ hafa izay tsy voatery mitovy finoana aminareo ?
13. diamondra27 ( 20/06/2007 10:38)
mandray ahoana aloha izany e!
efa hoe: raisina daholo ny olona rehetra fa Jesosy aza nandray ny vhv janga tsy nanameloka de zinona ze zahay madinika kely ity?

Mnadray anao antanandroa tompoko ary te-hahalala bebe kokoa ny finoanao
mazotoa mi-forum de aza kivy
arosoy ny hevitrao , aza forcéna hanaraka anao ny olona fa omeo safidy izy.
14. xxx ( 20/06/2007 10:43)
Aleo hazavaiko bebe kokoa : ny hafa dia manana projet hijoro vavolombelona ihany toa anareo koa. Ary tsy voatery ho Kristianina io. Ka moa ve afaka mba mandray izay avy aminy koa ve ianao ?
15. gasynamana ( 20/06/2007 10:44)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 20-06-2007 12:32:35
Lohateny : Re : Ny fijoroana vavolombelona no manome fanantenana ny haf
Ary ianareo ireo ve mba afaka mandray avy @ hafa izay tsy voatery mitovy finoana aminareo ?

Ary ianao io ve mba afaka handray izay avy amin'ny hafa izay tsy mitovy hevitra aminao sy tsy mitovy finoana aminao?
16. diamondra27 ( 20/06/2007 10:48)
xxx:

Aleo hazavaiko bebe kokoa : ny hafa dia manana projet hijoro vavolombelona ihany toa anareo koa. Ary tsy voatery ho Kristianina io. Ka moa ve afaka mba mandray izay avy aminy koa ve ianao ?

_________________________

ka afaka mihaino anao aho fa ny hoe: ho raisiko na tsia dia safidiko manokana izay

dia azonao lazaina ho'aho izay tianao lazaina fa alefaso

ahoana koa zany mandrara olona sy feperana @ finoany izany? Tsy mety zany


17. cristal ( 20/06/2007 11:12)
(l)(l)(l)Manahoana ianareo!
Marina daholo ary izay no tokony hifampiresahana noho ny maha ao @ Kristy ny olony!
XXX a,sanatria tsy hoe ianao tsy mitovy @ hafa dia na izho tsy tahaka azy ireo no lehibe sy olana,fa iza moa no sakaizan'i Kristy betsaka indrindra tsy iza fa ireo azo lazaina fa hoe tany ivelan'ny valany,ny zava-dehibe dia ny hizarantsika ny fahazavan'i Kristy izay azontsika sy izay hinoantsika fa raha misy tsy mitovy hevitra @zay dia tsy hifanaratsy fa hain'ny Ray no manova ny tsirairay avy koa tsy antsika ny hifampitsara fa devoirantsika kosa ny mifampivavaka,mifamela heloka,koa na @ fiteny na amin'ny atao dia aoka ho vavolombelon'i Kristy isika ,hitory ny alebehan'Andriamanitra sy hidera ny Fanahy Masina!Tandremo ny fisehoana be loatra fa miteraka fizahozahoana sy fatokisan-tena ireny ka araraotin'ilay ratsy hidirana!Mirary soa ho antsika!(l)(l)(l)
18. gasynamana ( 20/06/2007 11:44)
cristal: toa ohatra ny tsy azonao izay lazain'i xxx koa. Ny azy dia fijorona vavolombelona amin'ny tsy finoany no hataony ka manontany izy raha afaka handray an'izany ianao sy ny kristiana eto na tsia.
Ataoko fa fahendrena tena tsara ny ananany. tsy manaratsy izy, ary manontany aloha hoe: ekenareo ve raha mba hijoro vavolombelona amin'ny tsy finoako aho.
teny am-pahendrena koa ny navalin'i diamanondra azy hoe: alefaso fa vonona ny hihaino anao izahay, nefa ny handray na tsia ny zavara lazainao de safidinay manokana izany.
diamondra: ok
19. diamondra27 ( 20/06/2007 12:16)
GN: sady mety azo ifanampiana koa

tantara ilay zanaka adala
tantara ilay vhv janga

tsy ny salama no mila dokotera
tsy tonga hiantso ny marina JK fa ny mpanota mba hibebaka
etc etc
20. xxx ( 20/06/2007 13:49)
Tsy niteny aho hoe: tsy mpino, fa tsy voatery ho kristianina.
Amiko, anisan'ny fijoroana vavolombelona lehibe dia ny fihainoana ny hafa (tsy anavahana an'iza an'iza, na finoana inona na finoana inona). Fihainona izay mitarika antsika hanana souci manokana ho azy ireo indrindra moa ireo tsy misy mpihaino sy tsy misy mpitia. Diniho ny fihetsik'i Jesoa t@ ireo Poblikana, samaritanina, vehivavy janga, sns.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0931