Ny fijoroana vavolombelona no manome fanantenana ny hafa fa.

61. cutie ( 21/06/2007 22:54)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 21-06-2007 18:03:54
Lohateny : Re : Ny fijoroana vavolombelona no manome fanantenana ny hafa fa.
haha io mihitsy ilay izy ry cutie

handeha henoiko njay aza le izy ry IKa
saika hampidiriko eto fa atao ahoan ny mampiditra azy avy @itunes?:roll:
62. cutie ( 21/06/2007 23:05)
diso kely le tetsy ambony fa ty no marina :-D
"de mandritra an'za mitori teny iny njy de mitaty rakitra hivianam-bary , de ao arinaan'ny toriteny iny misy hirahira kely , tsy haiko , avia ary mino , sa ........":-D:-D:-D:-D
63. kelly13 ( 22/06/2007 05:56)
niryna:

xxx:

Aleo hazavaiko bebe kokoa : ny hafa dia manana projet hijoro vavolombelona ihany toa anareo koa. Ary tsy voatery ho Kristianina io. Ka moa ve afaka mba mandray izay avy aminy koa ve ianao ?

Tsy ho voatery ho kristiana vao misy olana ary tsy ho voatery ho kristiana ihany koa no hovonjena fa ny rehetra ka




tsy mamaly ilay fanontanian'i xxx iray io i nyrina e


64. ari.malala ( 22/06/2007 07:40)
fa tena necessaire ve ilay fitantarana etsy sy eroa hoe toy izao sy toy izao za talo,(sady amzay le points negatifs daolo no tantaraina eo) de nony nandray an'i JEsosy za de lasa zao sy zao, de eo ndray resaka materialy fona no tantaraina...tena tsy maintsy zay tokoa ve le fijoroana vavolombelona? fanga Andriamanitra mila atao pub? Amiko hoa de ny olona ety ivelany no mahatsapa fa za talo jolambavy ohatra, de ankehitriny za ts toy izay tsony fa efa nihamaotina... de eo ny olona manapakevitra hoe hay refa mivavaka zany de na jolambavy takin'ny in aza mety lasa mihamaotina refa mivavaka sy mandray an'i Jesoa, fa tsy ny toetra ratsiko fahiny no ndeha hireharehako hoe za talo zao sy zao sy zao... na ny hiteny anzany aza v ts hahamenatra?
65. marozevo ( 22/06/2007 09:19)
Tsy necessaire io, fa tsara ny manambara azy raha tena marina, sy raha tsy afo mololo.

Misy teny izay milaza mitovitovy amin'izao : "Raha miala amin'olona iray ny fanahy ratsy, dia lasa mivezivezy any rehetra any, nony miverina izy, ka hitany fa voadio tsara ilay toerana, dia mitady fanahy ratsiratsy kokoa noho ny teo izy honina ao..". Evagile io fa tsy tadidiko ny referansy.
66. diamondra27 ( 22/06/2007 12:04)
Raha mijoro vavolombelona de tokony ny asa nataon'i Tompo no hita taratra sy asandratra ary lazaina fa raha @ maha-anao anao no asandratrao de tsy fijoroana vavombelona izany amiko fa fieboheboana

oh: misy olona miteny aminao we ary ianao wa toa mitsiky lava foana e? Dia azonao lazaina sy tantaraina ny antony nahatonga izany

oh/ Ary ianao toa mavitrika be mihintsy manana courage: de afaka mijoro ianao fa raha tsy teo Kristy mety tsy navitrika toy izany ianao satria...

Nohon'ny fahasoavan'Atra no maha-toy izaho ahy...

Raha ny mpitarika ny fiangonana indray no mangataka fijoroana vavolombelona de azonao lazaina ze nataon'i Tompo taminao we:
oh: za narary de zao sy zao ankehitriny

oh: za taloha de mpangalatra , mpamono olona etc fa hatr@ nihaonako t@ Tompo de niova aho satri ...

Mety hisy aza ny manodidina anao hametra-panontaniana satria nahita fiovàna tao aminao.

67. ikaretsaka ( 22/06/2007 15:24)
izany ve tsy mitovy @ le fariseo sy poblikanina be (ilay ao am-piangonana io an)
tsy tonga

Ny hitako mahatonga ny olona manao an'io (amiko an) dia ilay "tsy ampy sakramenta" izy!
Azavaiko:
tsy misy an'izany mikonfesy izany ao aminy dia eo ampahibemaso eo no hanaovany izany, asa, mety ho diso aho!

Amiko manko dia azonnao atao ny tsy miteny mihitsy, sy tsy midehadehaka etsy sy eroa, nefa hitan'ny olona amin'ny asanao ilay fijoroana vavolombelona misy eo aminao .
ohatra hoe narary lasa sitrana na mpangalatra lasa tsy nangalatra intsony sns voalazan'i diam's ireo dia tsy ankiteny mihitsy hoe za ty anie... fa hita ho azy eny!

Ny tsapako sy hitenenan'ny olona hoe "tena olon'andriamanitra tokoa ilay zalahy iny" dia tsy amin'ny wawawa be fa amin'ny fanazavana tsotsotra sy amin'ny asa!
Tsy manao Pub aho fa za aloha tsy nahita an'i Pedro na i Masera Teresa nanao izany, fa rehefa miresaka aminy ianao sy mahita ny ataony, dia vaky vava hoe "tena olon'andriamanitra ity olona ity".
ary tsapako fa mandaitra lavitra noho le mitatatata hoe "tahaka zao za taloha ny "tsiky de ampy"
68. xxx ( 22/06/2007 15:45)
tsy misy an'izany mikonfesy izany ao aminy dia eo ampahibemaso eo no hanaovany izany, asa, mety ho diso aho!

Ity dia tena efa hitako ary henoko mihitsy. Tao amin'ny fiangonana Jesosy mamonjy (sa mpamonjy). Indray andro raha mba nijery izay tena zava-misy marina tao izahay dia tena nahita.

Izao, sady mahatsikaiky ilay izy aloha e. Tonga izany ny fotoana hoe fotoana hivavahana. Vao vita ny fanentanana hoe hivavaka isika, nataon'ilay mpitarika tery aloha, avy hatrany dia samy nanao ny azy ny rehetra. Tabataba tsy ifandrenesana tao am-piangonana. Tsy misy koa hoe mitodika ary no mivavaka fa samy manao ny azy araka izay hahazoany azy. Misy ny mitodika any afara, nisy ny nandohalika, nisy ny nipetraka, nisy ny nandeha naka zoron-trano de teo no nanovokovoka,nisy ny mitomany, sns... Fa teo akaikinay ilay rangahy izay dia tena nolazainy mazava fa nanao kapoaka tapaka izy fahiny rehefa nivarotra vary, dia izay no averimberiny eo, sy ifonany amin'ny jesosy. Mbola misy zavatra nataony koa moa fa tsy hary holazaina eto daholo.

Zava-misy io fa tsy fanaratsina akory, ary hitan'ny masoko.

Ho amintsika hatrany anie ny fahasoavan'i Kristy!
69. ikaretsaka ( 22/06/2007 15:58)
=))
70. marozevo ( 22/06/2007 17:54)
Samihafa tokoa ve moa ny "Jesosy Mamonjy" sy ny "Jesosy Mpamonjy" ? Iza amin'ireo ilay eny Ankorondrano ?

71. ikaretsaka ( 22/06/2007 20:14)
tena tsy voamariko indray izay ry marozevo
72. rakaroka ( 23/06/2007 05:28)
Io dia samy manana ny fomba "fijoroana" ny tsi1/1
fa ny tsapa dia miako sy mivela ary voarakitra ao @mpon'ny maro kokoa ireo nijoro tamin'ny asa sy ny fitondratena fa tsy kabary fotsiny!:wink:
73. niryna ( 23/06/2007 05:28)
niryna:

gasynamana:

niryna: Film efa nandeha. Ho avy eo indray izy zao rehefa avy eo hitantara angano.

Tsy angano ity gasynamana fa tena fiainana a.Hoy ny tompo hoe mankanesa aty amiko ianareo rehetra ,izay miasa fatratra sy mavesatr'etana.
Efa nanome toky antsika Izy raha manantona azy isika,ahoana no hampiarinao izany amin'ny fiainana?



Miala tsiny fa entana no tiako ho tenenina oops:cry:

74. niryna ( 23/06/2007 05:38)
pissoa:

:-D:-D:-D

misy teoria mahatsikaiky ... fa angaha kay rehefa tsy mitovy hevitra amin'ny tena dia hoe mbola tsy nandray an'i Jesosy e ?

:roll:Izany ve dia mampihomehy andry,izy no niteny fa tsy mbola nandray Azy.Dia novaliako ny teniny.Izay mbola tsy nandray an'i Jesosy tao am-pony dia afaka mandray Azy tanteraka tokoa fa izay no faniriany dia ny ahavonjy ny rehetra.Tsy ho voatery ho nahantra dia lasa mpanan-karena na hafa.Na mifoha fontsiny aza ianao dia efa misaotra Azy fa nomeny tombon'Atra iray indray.Faly sy mirana lava ianao?Manontany ny olona fa maninona ianao no falifaly lalandava,lazao azy ny fahasoavana nomen'ny Tompo anao.:D

Ny fihetsika,ny fiteny,ny fanoratra,ny toetra rehetra dia afaka hijoroana ho vavolombelona an'i Kristy.Araka ny voalazan'ny namana teo ambony raha ianao tsy nahalala an'i Kristy fahiny kanefa nahalala Azy ankehitriny tsy nahita fihovana tsara teo amin'ny fiainana dia angamba hafahafa ihany izany.Izay miaraka aminy dia manana fahasambarana lalandava.Vavolombelona koa izany amiko.
75. pissoa ( 23/06/2007 06:20)
:-D:-D:-D

izy tsy niteny hoe mbola tsy nandray an'i Jesosy fa ozizy hoe
Araho soa moa a.
Fanampin'io de hotaroniny fa tsa mbola nandray an'i Jeosy aho. etc...


Vakio tsara aloha vao manoratra lava be otra'nio ! efa notenenin'i gasynamana ianao tsatsy ambadika dia mbola naverinao teto ka tsy hampime ahy :-D:-D:-D:-D:-D
76. xxx ( 23/06/2007 07:19)
[quote=xxx]
Aleo hazavaiko bebe kokoa : ny hafa dia manana projet hijoro vavolombelona ihany toa anareo koa. Ary tsy voatery ho Kristianina io. Ka moa ve afaka mba mandray izay avy aminy koa ve ianao ?



tsy voavaly hatrany ry nyrina
77. ikaretsaka ( 23/06/2007 12:56)
tsy novakian'i niryna indray ny olona fa ny azy ihany no nasesiny.
78. niryna ( 23/06/2007 15:31)
pissoa:

:-D:-D:-D

izy tsy niteny hoe mbola tsy nandray an'i Jesosy fa ozizy hoe
Araho soa moa a.
Fanampin'io de hotaroniny fa tsa mbola nandray an'i Jeosy aho. etc...


Vakio tsara aloha vao manoratra lava be otra'nio ! efa notenenin'i gasynamana ianao tsatsy ambadika dia mbola naverinao teto ka tsy hampime ahy :-D:-D:-D:-D:-D

Safidin'ny tsirairay hoy cutie izay io,rehefa mahafinaritra ahy ny mizara dia zaraiko fa raha tsy te-hamaky dia tsy maninona,tsy voatery.
Na isika tsirairay kristiana ato amin'ny sera2 aza dia efa samy mijoro vavolombelona daholo:mizara,mifanitsy,milaza ny fahasoavana nomen'i Jesosy antsika.Fijoroana vavolombelona izany amiko.
hoy izy:

fa tsa mbola nandray an'i Jesosy aho

I did not receive Jesus,yet.:roll:
79. diamondra27 ( 23/06/2007 16:19)
ikaretsaka:

tsy novakian'i niryna indray ny olona fa ny azy ihany no nasesiny.



:-D:-D:-D tsy tantinao mintsy a!
80. ikaretsaka ( 23/06/2007 17:02)
tsy hoe tsy mahatanty fa mba mampatsiahy anao hatrany hoe mba mila vakiana ihany ireny nosoratan'ny olona alohan'ny hitenenana be fahatany manjary hors sujet sy hanaovan'ny olona remarques!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0803