Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.
164. xxx
(
27/06/2007 09:25)
I Jesosy dia tsy andriamanitra fa zanak'andriamanitra.
Izany dia araka izay voasoratra ao amin'ny baiboly ihany. Ao amin'ny bokin'ny ohabolana 8 (indrindra ny andininy 22) no manambara mazava fa noharian'andriamanitra mialohan'ny zavatra rehetra izy fa tsy andriamanitra akory. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=OHABOLANA&toko=8&andininy=20-36&dika=
Ny filazana koa fa zanak'andriamanitra izy dia tsy midika velively fa andriamanitra izy satria isika koa dia zanak'andriamanitra, ao amin'ny TV dia maro ny filazana fa zanak'andriamanitra isika rehetra nohariany. Misy koa ao amin'ny TT milaza izany, ohatra Isaia 1, Deotoronomia 14 http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=DEOTORONOMIA&toko=14&andininy=1-29&dika= . Ireo no milaza fa tsy andriamanitra i jesosy, fa nohariana mialohan'ny zavatra rehetra fotsiny.

165. xxx
(
27/06/2007 09:32)
Deotoronomia 14, 1: Zanak'i Jehovah Andriamanitrareo hianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin'ny handrinareo[Heb. ambonin'ny elanela-masonareo.] noho ny amin'ny maty. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=DEOTORONOMIA&toko=14&andininy=1-1&dika=
166. bosista
(
27/06/2007 12:32)
manaona daoly,
tsy marina ranoray zao tompoko fa sady Andriamanitra jesosy no zanany, sady ray no zanaka,ny baiboly no tena manakorontana ny sain'olona, ny teny tonga nofo.. nefa jesosy mbola miantso vonjy amin'Andriamanitra fa tsy miantso ny tenany,? ka aiza koa ANDRIAMANITRA ho sahala amzany? mbola nangataka koa Izy tamin'i jaona ny hanao batisa Azy, aiza koa nisy A/TRA MANGATAKA SY MIANGAVY amin'olombelona? dia raha tsy nataon'i Jaona batisa zany de tsy ho niditra ny paradisa? fa an'iza marina moa ty paradisa????
ary lesaka tary ambony ndray le we afo avy @ afo... izao rehetra izao de avy amin'A/TRA AVOKOA ,tsy midika izany fa Andriamnitra izao rehetra izao, mba ovay kely le formule fa tsy mety!!
iza no tena anaran'A/TRA JEHOVAH sa JESOSY????
Izaho no jehovah izany no anarako ka ny voninahitrako tsy homeko ny hafa....(isaia42/8)
hataon'A/TRA inona moa ny zanaka??? Izy tsy ho faty ka ho lovaina? Izy mbola ho eo mandrakizay,isika no mila zanaka ,hitondra ny anaran-tsika ho velona mndrakizay mba tsy ho faty na ahalevona ny anaran-tsika , ary ireo tsy manan-janaka tomany fatratra ery mba hanana nohon'io anton'io,mba handova sy hitondra ny anarana tsy ho faty fa A/TRA KOA VE SAHALA AMZANY?
Andriamanitra dia tokana , fa aza manompo sampy, raha tsy hoe novaina angah ny didy folo fa efa lany daty!! nefa JESOSY tsy tonga hanova ny didy folo!

167. marozevo
(
27/06/2007 18:40)
Izaho sy ny Ray dia iray ihany. hoy Jesosy.
Mbola tsy nisy Abrahama, dia efa nisy aho. Hoy Jesosy.
Ataon'ny olona ho iza moa ny zanak'olona ? Ny sasany milaza hoe.... na hoe .... Fa ho anareo kosa, ataonareo ho iza aho ? "Ianao no KRISTY Zanak'Andriamanitra velona". "Sambatra ianao ry Piera, satria tsy ny nofo aman-drà no nilaza izany taminao, fa ny raiko izay any an-danitra".
Batemin'i Joany : "Izaho manao Batemy anareo amin'ny rano... fa ilay avy aoriako kosa, hanao Batemy anareo amin'ny fanahy masina sy ny afo...". Lc 3,16. Ny Batemy nataon'i Joany (Jaona mpanao Batisa), dia tsy fananganana ho zanaka, fa Batemim-pibebahana (Methanoià). Misy mahay grika tsara eto afaka manazava an'io.
Jesoa natao Batemy : "Laisse faire maintenant, c'est ainsi qu'il nous convient d'accomplir toute justice".

168. niryna
(
28/06/2007 05:09)
marovezo >misaotra nanazava.
bosista > manankorontana ny baiboly ?Koa maninona no arahina raha izany?Sa efa novaina ny anareo?
Dia aleo rehefa tsy marina dia izay izy izany.:cry:
Tsy ekenareo ka dia izay izy izany fa tsy hisy hifandirana.Fitsaran'olona ity fa tsy Atra tsinona isika.
Aminay Atra:arrow:Ray=zanaka=Fanahy Masina.
Raha mahita ahy ianareo hoy izy dia mahita ny raiko,Izy ao amiko ary izaho ao aminy.Mazava be toy ny volan-tantely io.Miaraka ireo ary mifameno fa tsy misaraka.

169. soanja
(
28/06/2007 06:09)
Ny hevitra tian'i baiboly nomena antsika hatramin'izay raha bangoina dia hoe "Andriamanitra tonga nofo i Jesoa Kristy."
Zany hoe Andriamanitra Izy.
Io (maha-Andriamanitra) no tian'i baiboly naseho antsika hatramin'ny testamenta taloha, izay milaza ny antony, ny fanomanana ny fahatongavany ary ny Testameta vaovao milaza ny mahaIzy Andriamanitra Azy.
Mampalahelo anefa fa noho ny tsy mahalavorary ny fandikan-teny sy ny soratra betsaka ao anaty baiboly dia lasa misarantsaraka isika Kristianina ary lasa mianatra zavatra samihafa.
Atao akory fa olombelona no nanoratra ireo teny ireo ary olombelona isika mandray azy.
Fa io ilay HAFATRA: ANDRIAMANITRA I JESOA KRISTY. NIDINA TETY AN-TANY MIHITSY IZY (ilay teny tonga nofo) MBA HANAVOTANY ANTSIKA.

170. xxx
(
28/06/2007 09:54)
Mbola tsy nisy Abrahama, dia efa nisy aho. Hoy Jesosy.
Marina io, ary tsy manda an'io aho, satria efa voasoratra ao amin'ny ohabolana 8, 22 fa noharian'andriamanitra mialohan'ny zavatra rehetra izy. Nefa noho izy nohariana dia tsy andriamanitra izy.
Ataon'ny olona ho iza moa ny zanak'olona ? Ny sasany milaza hoe.... na hoe .... Fa ho anareo kosa, ataonareo ho iza aho ? "Ianao no KRISTY Zanak'Andriamanitra velona".
Mba vakio tsara hatramin'ny farany ity: http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=OHABOLANA&toko=8&andininy=20-36&dika=
Ny hoe zanak'andriamanitra dia isika rehetra no zanak'andriamanitra. Ny ilazana fa zanak'andriamanitra i jesosy dia tsy milaza fa andriamanitra izy. Tsy ny TV ihany no milaza fa zanak'andriamanitra isika fa na ny TT koa aza.
Aiza koa no misy an'izany hoe: ray=zanaka=fanahy masina? Nefa i jesosy rehefa nivavaka dia mbola niantso ny ray ihany. Niteny irery ve izy izany:-D:-D:-D
Rehefa ialana teto an-tany koa izy dia nilaza fa haniraka ny fanahy masina, dia naniran-tena ve izy izany? Toa misavoritaka be ihany anie izany filazanareo azy izany e.
Olombelona i Jesosy, zava-boary toa ny rehetra fa tsy andriamanitra, eny fa na dia nohariana nialohan'ny zavatra rehetra aza. Ianareo dia samy miezaka manamarina ny maha andriamanitra azy nefa toa mifanohitra be ihany:-D:-D:-D
Niantso vonjy tamin'andriamanitra i jesosy satria tsy andriamanitra. Aiza koa no misy andriamanitra mijaly sy maty izany? Betsaka ny zavatra azo ilazana fa tsy andriamanitra izy ao e.
171. xxx
(
28/06/2007 10:57)
Misy tokoa ny zavatra mbola tsy mazava ka mila fanazavana misimisy koa. Ny konsily natao tany Nisea tamin'ny taona 325 dia nanome fanazavana mazava tsara.
1 - Araka ny fanazavana nomen'io konsily io dia izao: toy ny olona iray miteraka olona iray mitovy "substance" (ousia amin'ny teny grika) no niterahan'Andriamanitra Ray an'Andriamanitra Zanaka. Izany hoe toy ny maha olombelona an'ilay zanaka naterak'olombelona, no maha Andriamanitra an'Andriamanitra Zanaka naterak'Andriamanitra Ray.
2 - Ny voambolana hoe: logos (Teny) dia nampiasan'ireo filozofy greka tamin'izany andro izany koa. Araka ny fanazavana nomen'ny konsilin'i Nisea dia samy hafa amin'ilay logos fandre any amin'ny filozofia ity logos lazaina ao amin'ny Soratra Masina ity. Ilay logos ambaran'ireo filozofy dia an-tsaina ihany (intellectuel) fa ilay Logos ambaran'ny Soratra Masina kosa dia tena Réel ihany koa. Ny fifandraisany amin'izy Andriamanitra Ray no ezahan'ny konsily hazavaina.
3 - Misy verba roa tsy mitovy nefa mifanakaiky ny heviny hazavain'ny konsily ny mahasamihafa azy: "gennaò" (generer) sy "poieò" (faire). Ny zanaka dia nateraka fa tsy natao. Izany hoe: substance iray amin'Andriamanitra Ray. Tena Andriamanitra izy izany.
4 - Raha nahary ny olona andriamanitra dia nataony nitovy endrika aminy ny olona. Mba ilazana izany dia mampiasa ny voambolana hoe: "homosios" ny ao anaty baiboly (jenezy 1, 26). Eto kosa raha niresaka an'Andriamanitra Zanaka dia tsy hoe mitovy endrika amin'Andriamanitra, fa hoe substance iray amin'izy Ray. Iray fomba amin'ny Ray. Ny Konsily dia nampiasa ny voambolana hoe: "omousios" ilazana izay.
I Jesoa raha nilaza hoe: izay mahita ahy dia mahita ny Ray, ny tiany hambara dia tsy hoe: ny endriko dia mitovy amin'ny endriky ny Ray (ohatra ny nambara tao amin'ny jenezy 1, 26). Ny tiany hambara amin'io dia hoe: izaho sy ny iray dia iray ihany. Izany hoe i Jesoa dia avy amin'ny Ray. Tsy namboarina toa antsika izy mba hitovy endrika amin'Andriamanitra, fa avy amin'Andriamanitra mihitsy noho izany Andriamanitra.
5 - Ny filazana anefa fa Andriamanitra izy dia tsy midika fa: Ray = Zanaka = Fanahy Masina. Io aloha dia diso. Ary efa nahitsy efa im-betsaka nefa moa ilay olona milaza azy tsy afaka handray ny fahamarinana lazaina azy ka tsy hita izay hanaovana azy.
Ny Ray tsy Zanaka ary ny Zanaka tsy Fanahy Masina, saingy iray ihany izy ireo. Izay no atao hoe Trinite Masina.
Ho antsika Malagasy dia mora ny mahazo an'io satria izao : toy ny hoe: i Dada tsy mama, ary i mama tsy zanaka nefa iray ihany izy ireo. Fiteny ny hoe: izy roa iray ihany, ilazana ny olona mivady izany. Toy ny ladim-boatavo ny malagasy ka raha fotorona iray ihany. Ilazana fa isika dia iray ihany noho ny fihavanana. Saingy Izy Andriamanitra Trinite Masna kosa dia Iray ihany noho ny FITIAVANA.
Azafady fa lava be ny fanazavana, ary misy koa ny voambolana tsy haiko ny mandika azy amin'ny teny malagasy.
Hampitombo ny finoantsika hatrany anie i Kristy. Amen!
172. soanja
(
28/06/2007 13:29)
Mino aho fa le xxx alohan'ny farany tsy olona iray ihany tamin'io xxx farany io e.
Samihafa mantsy ireo hevitra ireo.
Ny teny hoe TRINITE MASINA mihitsy no mahatonga ny fahasavoritahana tsy ahazoana ny hevitry ny hoe ANDRIAMANITRA.
Raha tsy nisy io teny io dia tsy nisy ny fisalasalana.
Ny baiboly dia tsy azo alaina arabakiteny.
Iza moa Andriamanitra? Tsy olona vatana toa antsika anie izy tany amboalohany e. Afaka mandray endrika isan-karazany Izy mba hiresahany amintsika olombelona taloha: Afo, kotrobaratra, sns.
Ny mba ahafantsika mandray azy sy azahoantsika ny heviny "amin'ny asa fanavotana" no nahatonga azy tety an-tany ary nisalotra ny vatan'olombelona.
Raha izay dia tsy maintsy nateraka Izy. Ary niterahana azy no mahaZanaka azy.
Amiko manokana dia tsy fotoana fiadian-kevitra momba ny hoe Andriamanitra sa inona i Jesoa Kristy.
Ny finoana fa tia anao Andriamaniatra, izay sarotakarina ny heriny, no zava-dehibe. Aza mandany andro misalasala akory. Tadiavo Izy fa tsy lavitra antsika fa eo afovoantsika lalandava.

173. xxx
(
28/06/2007 15:51)
soanja: marina ny fanamarihanao fa tsy izaho io xxx iray io.
Ho aminao hatrany anie ny fahasoavan'i Kristy. Amen!
174. marozevo
(
28/06/2007 15:57)
Io lazain'i xxx io no tena théologie mahakasika an'i Kristy Zanak'Andriamanitra, sady mahakasika ny Trinité Masina. I xxx ilay miresaka momba ny Konsily tany Nisea.
175. cutie
(
28/06/2007 20:15)
Ny mba ahafantsika mandray azy sy azahoantsika ny heviny "amin'ny asa fanavotana" no nahatonga azy tety an-tany ary nisalotra ny vatan'olombelona.
Raha izay dia tsy maintsy nateraka Izy. Ary niterahana azy no mahaZanaka azy.
=D=D=D=D=D
elaela tsy hita njay njy ry soanja :lol:
176. marozevo
(
28/06/2007 21:07)
Tandremo aloha fa sao dia misy diso izany. Tsy tamin'ny nahaterahany ho tonga olombelona akory vao Zanaka i Kristy. Fahatongavana ho nofo iny, fa ny maha Zanaka Azy dia efa hatrizay ka ho mandrakizay.
Misy teny hoe "Nateraka Izy fa tsy natao, iray fomba amin'ny Ray". Amin'ny teny Frantsay io teny io dia hoe "engendré et non créé, de la même nature (substance) du Père".

177. cutie
(
28/06/2007 21:10)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 28-06-2007 23:07:07
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.
Tandremo aloha fa sao dia misy diso izany. Tsy tamin'ny nahaterahany ho tonga olombelona akory vao Zanaka i Kristy. Fahatongavana ho nofo iny, fa ny maha Zanaka Azy dia efa hatrizay ka ho mandrakizay.
lasa misavoritaka izy zany :roll::roll::roll:
tsy hay tsony ze tena marina :-D
178. marozevo
(
28/06/2007 21:16)
Misavoritaka ahoana indray àry ?
Marina eh.... Zanaka hatramin'izay ka ho mandrakizay i Kristy. Angaha adinonao ilay hoe : "Nateraky ny Ray talohan'ny taona rehetra".

180. marozevo
(
28/06/2007 21:26)
Asa na misy boki-na Litorjia ao aminao ao...
Eo alohan'ilay hoe :"Andriamanitra avy amin'Andriamanitra", ao amin'ny fiekem-pinoana (profession de Foi) no misy an'io. Tsy haiko ny filaza azy amin'ny Anglais.
Fa tsy maha:oops: ny tsy fahenoanao izany ka !...