Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

141. diamondra27 ( 22/06/2007 11:55)
ary za kay tsy naharaka tsara an!:-D:-D

toa misy resaka mitora-bato le izy?:oops::oops:

Za zao te-hitoraka de ahoana no ataoko nefa eto @ net?:-P:-P

Fa inona doly aza zany? Fa nareo zanak'iza e?
Zanak'Atra sa zanak'olombelona? Sa izy 2

:-*:-*:-*
142. marozevo ( 22/06/2007 17:25)
Tena tsy kristianina ny Témoins de Jehovah ka ! Izy manko tsy manaiky an'i Jesoa Kristy ho Andriamanitra.
143. rakaroka ( 22/06/2007 20:46)
diamondra27:



Fa inona doly aza zany? Fa nareo zanak'iza e?
Zanak'Atra sa zanak'olombelona? Sa izy 2

:-*:-*:-*


I Jesoa koa 'gné tera-behivavy no zanak'Atra koa, raha manatanteraka ireo hafatra "aoka ho tanteraka ianareo" sns dia ho zanaka mendrika toa azy koa isika! sa tsy natao ho @ izany mihitsy?...

144. niryna ( 23/06/2007 05:12)
xxx:

niryna:
Izy ilay avy amin'ny rano sy ny ra,dia Jesosy Kristy,tsy tamin'ny rano ihany ,fa tamin'ny rano sy ny ra.Ary ny Fanahy no manambara,satria ny Fanahy no fahamarinana. 1 Jaona 6.
Manambara fa maty Izy ary ny Fanahy no mijoro vavolombelona.
Jesosy= Fanahy.


DISO, TENA DISO.

Andriamanitra dia telo izay iray.Atra,Zanaka ary Fanahy Masina .Trinity izy aminay.Ny anareo tsy mino an'io ka inona no azoko hambara?
Ianareo moa izany tsy mino fa Atra Izy,fa zanaka fotsiny dia izay tazomy fa tsy maninona ka.

145. pissoa ( 23/06/2007 05:17)
Tsy ny mahaIray an'Andriamanitra angamba no disoina eo ry Niryna fa ny filazanao fa Jesosy = Fanahy ! Tsy i Jesosy mihitsy no Fanahy Masina.
Raha Jesoa = Fanahy Masina dia tsisy "telo izay iray" izany fa lasa "Roa izay iray" :-D:-D:-D
(Andriamanitra Ray sy Jesosy = Fanahy sisa fa tsisy Andriamanitra Ray sy Jesosy ary ny Fanahy)
146. xxx ( 23/06/2007 05:19)
bozyboleta:

Mpandefa : marozevo [ Valio ] 20-06-2007 23:06:03
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.
Misy secte tsy kristianina ka... fa tsy izy rehetra.
Ohatra : Temoins de Jehovah...

Marozevo a! zao ny temoins de jehovah efa manao azy ho kristiana. Ny anaran'i Jesoa no entiny mitory sy ataony @ reny boky kely zarainy isan-trano reny.

Any amin'ny pejy farany no asiany ny tenin'ny soratra masina mikasika sy mifandraika ny an'i Jesoa fa tsy miresaka an'i Jesoa izany izy ka.
Jereo anie ireny boky kely ireny e,Efa mba namaky ireny bokiny ireny ihany aho fa Atra ihany no resahiny matetika.Tsy manaiky ho resy lahatra mihitsy izy na adin'ny dimy aza no miresaka eo.:roll:

147. marozevo ( 23/06/2007 21:37)
Araka ny hitako, tamin'io 1988 io, dia manaiky ny Témoins de Jehovah fa nisy ny "Jesoa", fa tsy ekeny ho Kristy le izy.
Ho an'ny Témoins de Jehovah dia:
Jésus de l'histoire : OUI
Jésus Christ, Fils de Dieu : NON


148. ikaretsaka ( 24/06/2007 04:27)
dia ahoana kay no hitompoany tena hoe "kristianina " raha izany?
nefa ny fiekem-pinoana kristianina dia misy ilay hoe Andriamanitra avy amin'andriamanitra"
149. marozevo ( 24/06/2007 16:49)
Efa hoe tsy kristianina izy koo... Raha milaza izy fa Kristianina dia mifanohitra ny finoany sy ny lazainy.
150. gasynamana ( 24/06/2007 19:58)
Fa i niryna ve infaillibile rehefa mampianatra e? Toa izay manitsy azy sy milaza ny hadisoany dia lazainy fa tsy mbola nandray an'i Jesosy aby, na tsy mino.

Nefa ny zavatra lazainy ve mba tena araka ny tokony ho izy e? Ohatra fotsiny ireo ambony ireo:
Jesosy=Fanahy
Nofo=Fanahy=Atra

Dia vakio ary hamarino raha marina ireo, izay vao mitabataba hoe izao sy izao.
151. xxx ( 25/06/2007 20:17)
niryna:

Izy ilay avy amin'ny rano sy ny ra,dia Jesosy Kristy,tsy tamin'ny rano ihany ,fa tamin'ny rano sy ny ra.Ary ny Fanahy no manambara,satria ny Fanahy no fahamarinana. 1 Jaona 6.
Manambara fa maty Izy ary ny Fanahy no mijoro vavolombelona.
Jesosy= Fanahy.

DISO, TENA DISO.


De mba manontany koa hoe: Misy ve ry niryna izany 1 Jaona 6 izany?

De ekeo io fanamarihana io hoe : DISO, TENA DISO.

NY REFERANCE DISO, NY NANDIKANA AZY KOA DISO, IZAY NO NILAZANA FA TENA DISO BE IO.
152. marozevo ( 25/06/2007 20:27)
Soa fa maranitra Ra xxx fa vitsy no nahatsikaritra fa tena tsy misy tokoa ilay 1 Jaona 6. Porofo tsy misy afaka mandà io....
153. cutie ( 25/06/2007 20:32)
mbola tsy vita ihany ve ty resak ty :roll:
154. marozevo ( 25/06/2007 20:40)
ka mbola manana holazaina ny olona kooo
155. cutie ( 25/06/2007 20:51)
hay ve e:lol::oops:
156. marozevo ( 25/06/2007 20:59)
Zay de menatra ery....:oops:
Toa ohatran'ny tsy misy lazaina intsony tokoa oh !:)
157. cutie ( 25/06/2007 21:01)
hihihihi
158. marozevo ( 25/06/2007 21:04)
Tsofy amin'izay àry ny jiro dia ndao hatory rehefa tsy misy holazaina intsony é...:-$
159. cutie ( 25/06/2007 21:08)
mbola tsy lera :lol:
160. marozevo ( 26/06/2007 16:01)
Za efa nandeha natory dia tsy hitako tsony ity. Fa am firy vao lera.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0106