Mopera manao sipa!!!

81. routa ( 15/04/2005 12:55)
:roll: :roll: :roll:
82. jooko ( 15/04/2005 13:11)
Mifenty sao mba zanaka mopera ianao io ? :-*
83. Mifenty ( 17/04/2005 12:30)


>>jooko

ndraso anontaniako i mamanay fa raha i dadanay klu de tsy mompera velively eh.
84. dadabe ( 17/04/2005 13:07)
zah lesy no mopera fa ionona ny olan'ilaisany fa hovahako a :wink:
85. yonikafopl ( 18/04/2005 00:57)
isambilokely hummm :-w

dadabe hihiiihihihi za kou hilatsaka masera raha mopera se kleee :-P
86. dadabe ( 18/04/2005 14:10)
yonika> :wink: ny antsika 2 tsy ankirotsaka damopra zany fa avy hatrany denatoraly ihany ka hehe,ela ne zah tsy nahita andry :cry: :cry: :cry:
isambilokely> :?: :?: :?:
mifenty>ngah saika mopera lety dadalaisany ??=))=))=))
87. Mifenty ( 18/04/2005 16:59)
hahaha, saika fa le damopra manambady ka. hihii


malatsaka kou le izy kle.

Misy fanatika lty le katolika ah. Manoatra no miresaka am sekta le.
88. Veloo ( 18/04/2005 21:31)
Tssssssss inn ary no edinareo hevitra amin'izany. Tsy misy olona parfait eto an-tany. Rehefa tonga i Jesosy @ fiaviany fandroany dia tsy ho hisy intsony zany rehetra rehetra lazainareo zany .... :lol: :lol: :lol:
89. sipagasy ( 18/04/2005 22:19)
miarahaba e!

Nga tsy i welie ihany moa ny nahaizako an'ilay we "cekezem" hihih tsy hoe mandray ankila aho na inona fa katolika moa izany e! misy ny solafaka fa atao ahoana fa samy olombelona mandia tany isika rehetra e!.
Ary hoy ny ao @ baiboly milaza we( tsy haiko moa na aiza tsara izy izay we )aoka izay tsy nanota no hitora-bato... ilay vehivavy sendra solafaka iny e!! :-* daholo na mpanona na olo-masina e!
90. sipagasy ( 18/04/2005 22:20)
miarahaba e!

Nga tsy i welie ihany moa ny nahaizako an'ilay we "cekezem" hihih tsy hoe mandray ankila aho na inona fa katolika moa izany e! misy ny solafaka fa atao ahoana fa samy olombelona mandia tany isika rehetra e!.
Ary hoy ny ao @ baiboly milaza we( tsy haiko moa na aiza tsara izy izay we )aoka izay tsy nanota no hitora-bato... ilay vehivavy sendra solafaka iny e!! :-* daholo na mpanona na olo-masina e!
91. methode ( 18/04/2005 23:09)
Variana za mamaky ny resaka rehetra ato! De manontany tena za hoe inona no tanjona amin\'izy ity? Tsy nahita valiny za hatramin\'ny farany fa toa fandanian\'andro fotsiny!!!
welie> Mba tiako ho fantatra mazava aloha hoe inona no tanjon-jy amin\'izy ity? Raha fantatro mazava fa mitombina ny tanjona de mety mahita hevitra be da be za!!!
Ny zavatra marihiko aloha amin\'ny olona mamaly eto dia saika olona tsy manana fahalalana momba ny firafitry ny Fiangonana katolika daholo no miteny eto amin\'ny akapobeny, fa honohono fotsiny (Na katolika io na protestanta)! Ny mahafantatra tsy dia manome hevitra satria fantany fa ho lany fotoana fotsiny izy eto!!!
Raha ohatra tena te-hahafantatra ny marina momba ny fiainan\'ny mopera ianao dia tsara izy miaina no anontanianao mivantana fa tsy mianona amin\'ny honohono fotsiny e!!! Ny ankoatra izay dia hoe te-hampiresaka fotsiny angamba dia izay ^:^
92. yonikafopl ( 18/04/2005 23:29)
methode hummmmm misy mopera efa antitra izay aty aminay aty tena cool lery an, de tena miresaka be sy mitantara le fiainana, fa misy tsy lazainy kosa kalou e :( misy secret hono kou


93. Mifenty ( 19/04/2005 10:03)
>>Methode, ka tairo kely ary le methode Cauet eh.

De ampenaro ny katolika sy ny tsy katolika ilay firafitry ny fiangonana e.


Possible v le teninao oe misy katolika tsy mahay ny firafitry ny fiangonana ato. Satria otrany miteny ianao oe ilay katolika mba mamaly ato ireo lazainao ireo.
94. welie ( 19/04/2005 10:40)
methode a... tsy misy tanjoko eto hoe inn fa mba kestio io ka!
95. hery ( 19/04/2005 11:21)
ampiako kely ny tenin'i Methode. Saika namaly ihany mantsy aho tamin'ny voalohany... satria mahalala tsara ny firafitry ny Fiangonana... saingy raha tsy misy fisokafan-tsaina sy fisokafan'ny fo ho an'izay mandray dia ho sarotra ihany. Ny sasany mantsy vao mahita mompera manao sipa dia wawawa, tahakan'ireny hoe tsy mba nisy fahotana kely natao ireny. Inona no efa nanampianao azy? Sa takoritsika etsy sy eroa fotsiny? Ny nanontaniako an'i Welie ery ambony hoe raha i Dadanao no manao sipa dia inona no ataonao? dia satria toa izany koa ny faharatrana sy ny alahelo rehefa mahita mompera (Ray am-panahy) manao sipa. Tsy te hiresaka an'izany matetika ny katolika satria vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra... misy kosa anefa ny resaka matotra kokoa izay handraisana sosokevitra momba ny hanampiana azy ireny.

Tsy azoko tokoa mantsy ilay tanjon'i welie. Raha manontany fotsiny hoe ahoana ireny Mompera manao sipa ireny... dia hoe ahoana ahoana anefa? Mba ireny ary izy kou. Inona no azonao atao? Tsy mbola niteny mihtisy ny fiangonana hoe tsara ny ataon'izy ireny.

Raha manontany hoe misy mompera manao sipa fantatrao dia inona no ataonao dia efa novaliako io hoe raha misy havanao na ray amandreninao manao ratsy dia inona no ataonao? Dia aleo ianao ihany no mamaly azy.

Ny hamintinako azy dia izao. Tsy mety, ary tsy tokony hanao sipa izany ny mompera. Fantany izany. Anjarany sisa sy Andriamanitra no mijery izay zavatra tokony atao. Na izy miova, na izy tsy miova, na izy miala na izy mijanona ao ihany... dia tsy misy azontsika hanaovana intervention... fa olona nianatra mihoatra ny 10 taona vao tonga mompera ary olona nivavaka ihany koa.

Dia ampio tahaka ny olombelona hafa rehetra mila fanampiana izy raha sendra hitanao... fa aza ihomehezana fotsiny... raha toa ka manam-pitiavana (fahavalo) marina ianao.
96. dadabe ( 19/04/2005 11:54)
zah kounkou mahalala pasitera misipa @mpiandry :cry: :cry:
97. Mifenty ( 19/04/2005 12:40)
>>Hery

misy tsy azoko kle.

i Oely ve mira Hery iany eh. SAtria i Oely no nanontany an'i Welie anle oe inona no ataonao ra manao sipa ny dadanao sns. (jereo eo ambony)


fa na izany aza klou de ny ahy ankoatra ilay hoe nianatra folo taona sy nivavaka ary olombelona iany le mopera dia mbola ampiako hoe sady malagasy io mompera io .

donc ny malagasy afaka manana vadibe, vadikely, vady tsindranondranony, vady sy ny sisa eh.

Tsy blem le damopra manao sipa kou. Kitapo latsaka kosa ve io ozy kou, ny angalatra aza atao hihihi.
98. pitchou ( 19/04/2005 19:09)
)hery> d eo aza isika! nankaiza le rafitra misy ilay mompera @izany no tsy mandray andraikitra? satria raha mpiangona izany no nanao an'izay, na ataoko hoe nisaraka am-panambadiana fotsiny ( :roll: ) aza, d efa fahotana be d bla bla bla no ataon'ny fiangonana (raha tsy diso aho), fa rehefa ny mpitarika indray d impunité ve ny azy?
satria koa tsy ny mpiangona no anao ny lalana (@ fiangonana katolika) fa teny midina d ahoana no hidiran'ny mpivavaka tsotra na olon-tsotra @zany? sao rehefa mikonfesy d tsy mahazo famelan-keloka avy aminy (satria tsy maintsy mompera ihany no hikonfesena!) d direkta any @ afobe! ny mpiangona moa ve afaka mampikonfesy mompera? maso mijery sy komantera ivealny ihany no azony atao!
99. hery ( 20/04/2005 05:41)
pitchou> zavatra roa no mitranga.
- Na tsy fantatry ny rafitra misy azy akory ny tena toetran'ilay mompera. Tsarovy fa mandritra io folo taona io dia misy évaluation sy reévaluation isantaona. Azon'ny mompera atao tsara ny manafina ny toetrany (mety hoe tena mba te hiova ho tsara izy).
- Fa ny olana matetika mitranga koa dia ireo olona manodidina izay ianteheran'ny Fiangonana hanitsy ilay mompera no miara-manafina aminy izany toetra ratsy izany. Mety hoe mieritreritra ry zareo hoe hiova io... na koa mety malahelo hoe vitsy ny pretra sns.

Tsy misy afa-bela amin'io tsy misy hoe impunité izany. Na mpiangona manao fahotana ny mompera manao scandal. Ny olana fotsiny dia rehefa mpiangona no manao ny ataony dia be dia be ny olona mitory azy sns... fa ny mompera araka ireo voalazako ireo dia matetika tsy fantatry ny lehibeny ny zavatra ataony. Mazava ho azy fa ny ao Madagasikara no anisan'ny mbola olana... fa ny mompera any Amerika sns raha vao mikivalavala dia indray manitsy azy daholo ny olona.

100. yonikafopl ( 20/04/2005 09:13)
hoy hery>
Fa ny olana matetika mitranga koa dia ireo olona manodidina izay ianteheran'ny Fiangonana hanitsy ilay mompera no miara-manafina aminy izany toetra ratsy izany. Mety hoe mieritreritra ry zareo hoe hiova io... na koa mety malahelo hoe vitsy ny pretra sns.

fa nga fahotana wa ny manao sipa e :?: :?: fahotana ve ny mitia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1537