Mopera manao sipa!!!

181. yonikafopl ( 25/05/2005 08:36)
182. sorom ( 26/05/2005 06:39)
Malalaka ny tsirairay amin'ny safidiny.
Nisafidy ny ho mopera ny olona iray noho ny antso sy ny safidy niara-niasa tao anatiny. Manaiky ny fiantraikan'izay safidy izay eo amin'ny fiainany izy na dia nofo aman-dra aza. Raha lavo izy noho ny amin'ny nofo, ny anjarany dia mandray fepetra mifanitsy amin'izay nampianjera azy ary mandini-tena, na dia tsy misy lalan'ny Filazantsara aza mandrara na mamporisika azy ho amin'ny fanambadiana.
Ho antsika vahoakan'Andriamanitra indray dia mangataka antsika tsy hijery an'ilay nofo mba tsy hahatafintohina antsika fa hijery kosa ny lafiny maha-mpitondra fivavahana azy sy ny andraikitra napetrak'Andriamanitra taminy satria Andriamanitra irery no tokony hobanjinitsika fa tsy izy olombelona toa antsika miloloha lanitra ka mety ho lena... Sa tsy izay?:-o
bibizzzz daholo e
183. dadabe ( 26/05/2005 09:29)
amiko aloha na manao izy na tsy manao sipa tsy blem amiko zany ,lehilahy hoa izy,de aleo mba hitady zay mahasoa azy e,fa le lalana fototra kato angamba no tokony hovana de zay,fa isika rehetra anie ry zalahy efa samy nanaota daholo e,na Kristy aza nilaza hoe zay tsy mbola nanota taminareo no aoka hitora bato azy , de tsika indray ve no te haka tahaka an\'i Kristy hoe tsy nanota :-@:-@ ca va pas non

tsy hoe miaro ny mipera manao sipa aho fa le situation no lazaiko hoe \"zay tsy nanota taminareo no aoka hitora bato 1er\"tenin\'i Kristy io de araho raha manaradia an\'i Kristy ianao
184. pitchou ( 26/05/2005 20:24)
marozevo> tsy hoe "tsy fitovian-jo nisy t@izany andro izany", fa ny tsy fitovian-jo teo @ io firenena io! satria dia betsaka ny firenena t@izany andro izany no nifanohitra t@io ny azy, ary tsy vitsy no nampitovy zo ny olona rehetra! Marina any tsy mbola otran'izay ihany??? ka izay izany le contexte tokony avahana @ le fampianarana e!

sorom> nisafidy ny ho mompera ve izy? sa nisafidy ny hanompo an4andriamanitra satria voaantso? angamba tsy io ihany no fomba azo anompoana an'Andriamanitra, ary tsy misy koa resaka hoe izay manambady d tsy afaka ... Tsy aleo ve miverina @ilay voeu de chasteté d manambady ara-dalana toy izay hialokaloka ao ambadik'ilay hoe "solafaka fa nofo sy rà"? dia mety hampihen-danja ny fanompoana ataony tokoa ve izany?
185. marozevo ( 27/05/2005 00:10)
pitchou > Tena marina ny voalazanao fa izaho no tsy nahavita nanao precision. Misaotra e. Fa ankehitriny toa ohatran'ny tsy misy an'izany intsony any koa!!! Asa anefa? Any Inde hono mbola misy.
186. sorom ( 27/05/2005 08:57)
pitchou> marina ny anao fa tsy lalan-tokana no hahafahana manompo an'Andriamanitra fa izay ange ilay hoe zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana e. Ny tiako ho nambara dia hoe mopera no hitany fa lalana nahafahany nanompo an'Andriamanitra na dia betsaka aza ny fomba hafa. Ka io indray dia safidiny io...
Ny ahy izany tsy any amin'ny maha-mopera na pasitera na evanjelisitra na inona amin'ny olona iray manahirana ahy amin'izay ataony na tsy ataony fa ny fifandraisako amin'ny Tompo no zava-dehibe. Olona "napetraka ho mpitondra fivavahana" fotsiny izy no eo ka tsy avelako hanafintohina ahy kely akory izay ataony na tsy ataony, sa ahoana ny hevitrao?
Mampihen-danja ny Christianisme mihitsy aza ny fitazanan'ny hafa azy "solafaka" fa tsy hoe ny fanompoany satria ireo mbola hotratrarina "any ivelan'ny vala" no naratran'ilay nofo. Tadidin'ise le I Kor. 8?

Mazotoa r'ise fa tsara izany adihevitra izany a!

:lol:
187. pitchou ( 27/05/2005 13:21)
marozevo> dia manana namana avy any aho fa d kivy mihitsy! izy moa rehefa itantarako ny fomba malagasy dia toa mihaino angano sy arira satria tsy azony veroka mihitsy hoe mety atao ary misy izany!
sorom> ie! izaho aloha dia tena tsy mankasitra ilay mpitondra fivavahna mandika ny lalana apetraka e! ka izany indrindra no ilazako hoe raha izay no safidy nefa hita fa tsy zaka dia tsy maninona raha miova safidy ! raha nisafidy ny ho mompera na pasitera izy nefa tena tsy zakany ilay fifehezan-tena dia tsara kokoa izy, raha izaho no anontaniana, miala tsy ho mompera mba ahafahany miaina ao anatin'ny mangarahara! tsy mampihena velively ny finoana izany! fa araka ny teninao hoe ny tsy misy aza foronina koa maika fa hitan'ny olona hoe façade kay ny an-drizareo kristiana? ny fitsitokotokoana aza efa loza sy fifampitsikerana ao @ samy kristiana aza efa tsy hita ze anaovana azy!
188. JobeTDM ( 30/05/2005 01:19)
eh eh eh ireny vehivavy manaraka mompera ireny aloha dia kely saina miohatrany mompera. Arytena tsy fantatr'izy ireo ny zavatra ataony fa manaonaofoana.

Misaotra
Marozevo, :*
Methode,:-*
Isambilo :-*
189. pitchou ( 30/05/2005 19:36)
jobe> izaho indray dia tsy hitsara an'iza na iza ho marina kokoa na diso kokoa! ilay vehivavy angaha moa nanao voady tsy ho tia olona? sa ilay mompera olona tsisy fo? ilay vehivavy angaha moa no nandrebireby mompera ka lery no tsy nahatan-damba zany hoe tsy mafy orina ny finoany, sa le mompera no tsy naharitra nahita le vehivavy ka nanadala olona @ zavatra nivoadiany? tsy misy tombo sy hala izy 2, ary sady samy tsy diso no samy diso!
190. marozevo ( 01/06/2005 00:33)
Avy any Israel ve ilay naman'i pitchou sa avy any Inde ? Dia mba ilazao santionany amin'izay hetahetany hoe !..
Tena marina izany eh... Na iza na iza kosa mandika lalàna dia tokony tsy hankasitrahana eh, fa tsy hoe ny mpitondra fivavahana ihany. Tsy olana tokoa ny manova ny safidy rehefa tsy zaka intsony, fa ny mety ho olana koa angamba ( angamba hoy aho) dia ilay hoe vidin-kaja vidim-boninahitra koa !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1598