Mopera manao sipa!!!

61. betty ( 14/04/2005 10:14)
Ary ny fimailo atao aiza ry Mifenty ? :)
62. haingo23 ( 14/04/2005 11:03)
Ariana rehefa vita ny ampiasana azy
63. hery ( 14/04/2005 12:17)
welie> zah contre-n'ny hoe tokony hanambady ny mompera. Rehefa te hanambady dia miala fotsiny tao dia ok e... tsy hoe rehefa tsy mahavita ianao dia ny fototra iray manontolo no ovainao. Tahaka ny hoe manao baolina dia hoe te handray tànana foana enao kanefa foot no atao. Misy ny goal, ka raha afaka manao goal ianao dia manja... raha tsy afaka manao goal enao kanefa te handray dia tsy manao baolina fotsiny fa manao basket... fa tsy hoe andao rangaha asaina mandray tanana daholo indray ny mpilalao a... na dia manana tànana daholo aza.
64. dily ( 14/04/2005 13:22)
tsy blem ko io. Ny sakramenta nomen'i Kristy azy jerena e. Iny tsy hay kosehina. Aleo izy mba hananona kely e. Na masera na mopera tsa manahy. Ny finoanao an'i Jesoa hamafisina. Izay angamba no mety fa aza mijery ny mahaolona azy e.
65. dadabe ( 14/04/2005 14:40)
"vive le manao oo ",ashio ashio ashio rehefa tratra :roll:
66. Mifenty ( 14/04/2005 14:53)
taranja samy hafa le izy kle. Samy baolina iany io e

refa tanana de volley zay k, na skety sy ny sisa

rafa tongotra de foot fa samy baolina iany.



>>Yonika ah, fa ny propestà anie ka tsy mipataloha ny sipa refa mivavaka eh. Ny kato no ahitana an'ilay manao pataloha fotsiny tanterak'azavana izay iniana anaovana miaraka amin'ny sisika anti-doko.

dray hummm
67. welie ( 14/04/2005 15:11)
tafita sy Mifenty> Fa aiza ny misy anareo reo? Fanotaniana kely fotsiny ka! Hihihi.....

hery> Fa angaha kay hery mahazo miala ho mopera ny mopera?

Oely> Tsy aleo ve tonga dia vadiana ry toi fa tsy sipaina a! :-D :-D :-D Hummm.... dia aiza zao ny papan'i rafotsy kely aza e! :-P Tena hita hoe natahotra ny tsy ho zanaky ny dadany... hahahaha.... :-P (milay be aloha ilay ps e! hihihi... iza zao no manao resa-jaza eto? Hahahhah.... bizou mamy be mihitsy na izany aza dia ho hitako eny ihany rehefa mifanena sy tafaresaka hoe iza le miafina ao ambadiky ny ps e! Tonga manko dia hiova be ny fihetsika amiko... :lol: nefa zà hanao mody fann beeeee :-P )

Tsiky dia ampy hoy ny serasera :-)
68. welie ( 14/04/2005 15:18)
Narilala> Weeeeeeeeeeeeee..... ka izay le resaka koa! Ny Mopera matoa manao sipa koa dia ny sipa koa no te hiaraka @Mopera anie e! Surtout raha Mopera bogosy... sa tsy izany ry Oely kely malalan'ny foko? :-P
69. yonikafopl ( 14/04/2005 20:18)
hery, izay koa ka, aleo miala rehefa tsy mahatanty, fa njainjay ange rehefa miala toa ailikiliky zareo ny sasany araka ilay emission omaly hono e( manjakely nitantara an'io an), de iny ilay atahoran'ny sasany dia aleony miafina ngamba.Dia aleon'i hery ve zany mahita mopera manao sipa(tsy handa ngamba i Hery ny fisian'izany) sa ny hieritreritra we aleo manambady, raha tsy hiala mopera zareo, dia hiafinafina ho ohitan'Atra sy ny vahoaka eny?

welie hihihhihh :D
70. dadabe ( 15/04/2005 02:56)
ka revy io r'izareo a,zay tsy mirevy ihany no drodroka :?
71. naritsimba ( 15/04/2005 07:12)
Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hanao sipa ny Môpera @ maha Môpera azy, fa raha ny maha olona kosa no jerena dia izay no mety amin'ny fahasalamany angamba fa dia anjaran'ny sipa no miaritreritra raha hiaraka @ olona efa fantany fa Môpera izy.
Raha jerena araka ny soratra masina indray dia izao:
raha ny Môpera @ Katolika Romana no dinihana @ foto-pinoany izay mifantoka @ Petera dia mazava ange fa i Petera nanambady e! satria voalaza fa nositranin'ny Jesoa ny rafozam-baviny.
Raha io izany no dinihana dia tokony hahazo manambady ny Môpera.
Misaotra e!
72. haingo23 ( 15/04/2005 07:38)
Raha ny fahafantarako azy dia tsy mahazo manambady ny mopera (rafitra misy izany), fa tsy voasoratra ao kosa angamba (ahitsio ry hery raha diso) ny hoe tsy mahazo manao sipa fa afaka mampiasa ilay zavatra izy.
73. yonikafopl ( 15/04/2005 08:14)
hahahahahahaha haingo23 , tsy mahazo manambady izany fa mahazo manao firaisana, mahazo mijangajanga :roll:
74. Mifenty ( 15/04/2005 08:34)
Fa sady kristiana no malagasy koa anie ilay mopera eh. aoka tsy ho adino ny maha malagasy azy.

Ny dikany mbola afaka mihitatra izany io : vady be, vadikely, vady tsindranondranony, vady an'elakelantrano, vady mpikonfesy, vady tsy aiko tsony eh.

Mety ahafaly ny damopra iany reo a.
75. yonikafopl ( 15/04/2005 08:59)
mifenty tsssssssssss :twisted:
76. dadabe ( 15/04/2005 09:22)
hhmmm ka resaka sipa io kou,rehefa mijangajanga ve tsy hikonfesy kely indray klou e
77. isambilokely ( 15/04/2005 09:32)
Ka izao io ry Welie .. ity resaka ity dia toa malaza be any ambadika any fa efa naheno siondresaka teto ihany ny tenanay.

Ireny mompera manao sipa ireny anie dia ilay azo atao hoe mompera fetsifetsy e. Sady te-hisonenika amin'ilay fiainana mompera eo amin'ny sakafo, fitaovana, mipetraka amin'ny trano tsara sy ary fitaovana isan'karazany. Nefa tsy mahafoy ilay hena no sady te hanan-davaka hoy ny fiteny ka te hitovy amin'ireo laika manam-bady na ireo manana sipa tsotra.

Izaho izao dia mahalala mompera roa ato amin'ny serasera izay tena fantatra hoe manao sipa araka ny hita sy re. :lol:

take time to be friendly, it's the road to happiness
78. haingo23 ( 15/04/2005 10:04)
Tsy ny mopera ihany fa ny masera koa !
79. Narilala ( 15/04/2005 12:00)
Fiangonana dia naorin'i Kristy ho an'ny mpanota fa tsy ho an'ny olomasina na natao ho an'ny olo-marina. Kristy raha niantso ny mpianany tsy nifidy izay masina sy izay tsara fitondran-tena fa hatr@ mpangalatra sy mpanao kolikoly aza nofidiny. Jereo ry Davida sy ry Joba , olona samy voafidin'Andriamanitra manokana kanefa dia latsaka t@ fahotana goavana, nefa izany tsy nanarian'Andriamanitra azy. Jereo koa i Abrahama fa ny zanany voalohany dia azony t@ fijangajangana (Ismaely) kanefa dia mbola nanaovan'Andriamnitra fampanantenana ihany sy nataony tonga rain'ny mpino. Vakio ny tetiaran'i Jesoa fa nisy vehivavy janga ny razam-beny, nisy lehilahy mpangala-badin'olona koa tao. Olona nofidian'Andriamanitra avokoa ireny. Fa dia naninona re Andriamanitra no nifidy olona mpijangajanga ho renin'i Jesoa e! Izany anefa tsy mahasakana ny maha Andriamanitra an'i Jesoa satria natao ho an'ny mpanota izy.
Ka tsy ny fahotana na ny kileman'ny olona velively no itsarana ny olona, fa na i Kristy aza namela ny helok'ilay vehivavy janga.
Ka ho anareo mpanenjika Mompera na katolika ireo, raha izaho no amin'ny toeranareo dia tsy mivavaka intsony aho, satria i Kristy izay arahinareo io anie ka taranak'olona mpijangajanga e. Na iza na iza mpitondra fivavahana dia tsy misy olo-marina tsy akory tsy misy tsy manan-kilema. I Md Paoly dia nirehareha fatratra noho ny fahalemeny, satria ao anatin'ny fahalemeko, hoy izy, no iamparan'ny heriko.
Tsy mahasakana ny maha masina ny Fiangonan'i Kristy akory ny fahotan'ny zanany.
80. Mifenty ( 15/04/2005 12:01)


>>hango23

zay no maha betsaka ny zaza kambot ngamba ary izay koa no mahatonga an-dry zareo reo ho tena à fond am fikolokoloana ny "zaza kamboty"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.215