Batisan'ny fibebahana vs Batisa (kristiana) vs Batisan'ny Fanahy Masina 
Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Re: dia fitenenana ratsy ny Fanahy Masina ihany koa ny...
Valiny : 0
Fitohizan'ny hafatra : Re: dia fitenenana ratsy ny Fanahy Masina ihany koa ny...
Valiny : 0
RBNIR - 26/01/2023 09:38
|
![]() |
gasy1zay - 26/01/2023 15:13
|
![]() |
RBNIR - 27/01/2023 22:36
|
![]() |
gasy1zay - 30/01/2023 14:36
|
![]() Averiko indray, taiza ary ankoatry ireo fariseo sy mpanoradalana nilaza fa nisy demonia Jesoa no nisy référence hoe olona nanohitra Fanahy Masina? T@ pentekoty ohatra nisy nilaza fa mamon'ny divay ny mpianatra dia naninona no tsy nisy hoe izay nilaza izany dia tsy hahazo famonjena intsony? |
RBNIR - 31/01/2023 11:41
|
![]() Otran'izay ilay izy ka azonao amin'izay v? |
gasy1zay - 31/01/2023 18:02
|
![]() ka izay no teneniko an'i RBNIR hoe fampitahoran'ny mpitondra fivavahana izany fa tsy mifanaraka velively amin'ny voalazan'ny baiboly, raha misy milaza amiko fa misy demonia aho dia tsy miteny ratsy ny Fanahy Masina akory izy fa mitsara ahy fotsiny. |
RBNIR - 05/02/2023 01:00
|
![]() |
RBNIR - 08/02/2023 11:56
|
![]() Raha olona tsy mpino ianao dia taomiko ianao mba hino an'Andriamanitra amin'izay... Raha mino an'Andriamanitra ianao nefa mbola tsy manaiky an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy anao dia taomiko ianao mba handray Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao... Raha efa Mino Azy ianao nefa mbola misalasala ny hatao batisa dia hoy aho hoe mirosoa atao batisa mba ho teraka amin'izay ianao fa tsy ho zazakely ao ambohoka ao foana... Raha hanaiky hatao batisa ihany anefa ianao dia aoka mba ilay batisa avy any an-danitra no ataonao mba hotanteraka aminao avokoa ireo teny fikasana momba ny batisa dia ireto avy (1-fibebahana mba hahafahan'ilay Avo indrindra handroso sy hiditra ary hanjaka ao amponao 2- Ho faty marina tokoa ny tenan'ny ota ka dia ho tonga olona afaka ianao fa tsy handevozin'ny fahotana intsony 3- Mba ho teraka marina tokoa ilay fanahy izay hatsangan'Andriamanitra ho zanany ka dia ho voasoratra any an-danitra marina tokoa ny anaranao) Ny atao hoe batisa avy any an-danitra dia misy IRAY avy any an-danitra any naniraka ilay mpanao batisa (mety hoe ny RAY, mety hoe ny ZANAKA na koa ny FANAHY MASINA) no naniraka azy... Rehefa teraka indray kosa ianao dia aza mionona amin'ny ronono foana fa mihezaha mihinana ventin-kanina amin'izay mba ho lehibe ianao ka mba hamoa be ho an'Andriamanitra... Tsarovy fa ny olona rehefa tsy mandroso dia mety hihemotra izy ary ny hafarany dia mety hiala amin'ny finoana mihitsy izy.... MAHEREZA DAHLO!!! MIROSOA AMIN'NY LALINA FA TIAN'ANDRIAMANITRA IANAO MBA HAMOHA BEBE KOKOA HATRANY HO AZY!!! MANEKE NY FITARIHAN'NY FANAHY MASINA MBA HO TONGA ZANANY MARINA TOKOA IANAO FA TSY HO ANDEVO!!! |
gasy1zay - 10/02/2023 17:27
|
![]() Jesoa RBNIR efa naniraka ny mpianany hanao ho mpianany ny olona rehetra sy hanao batisa a! asa raha azonao izany, ka raha mahatsiaro tena ho mpianany ianao dia afaka manao batisa fa tsy hoe olona voatokana ihany no mahazo manao batisa. Paoly izao nanao batisa olona nefa tsy nataony batisa daoly ny olona nampianariny sy notoriany filazantsara. |
gasy1zay - 10/02/2023 17:30
|
![]() Ny marina RBNIR dia manahy aho hoe nofitahin'i pasteranareo indray ianao fa tsy mbola nandray ny batisan'ny Fanahy Masina akory dia mba adiadiko hoe aona no ilazanao fa TENA nandray ny batisan'ny Fanahy Masina tokoa ianao. Fa tsy mety milaza moa ianao dia tsy maninona fa hajaiko ny safidinao. |
RBNIR - 12/02/2023 04:41
|
![]() Jaona mpanao batisa izao nandray iraka mivantana avy amin ny RAY Jao.1:33. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. Sokafana manontolo Ireo mpianatra indray dia nandray iraka mivantana avy amin ny Zanaka (Jesosy) 28:19. koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina Ankoatran IZY ROA ireo dia afaka maniraka ihany koa ny Fanahy Masina hampanao batisa... Asa.8:29. Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy i29. Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. Tahaka an i filipo izay nandray iraka avy amin ny Fanahy Masina hanao batisa ilay tandapa etiopiana (vakio Asa 8) Azo antoka fa ny Fanahy Masina no naniraka an i paoly, dia toy izany koa izaho sy ianao...raha mbola tsy nirahin ny Fanahy Masina dia tsy tokony hanao batisa...satria batisa avy any an danitra no takian Andriamanitra hatao amin ny olona... Hoy i Jesosy hoe... Lio.20:4. Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ireo no.porofo ara baiboly.... |
RBNIR - 12/02/2023 06:50
|
![]() |
RBNIR - 13/02/2023 14:00
|
![]() Paoly apostoly dia nahafantatra tsara ny mission nataony, tsy nirahana hanao batisa izy fa hitory ny filazantsara.... Izay no nahatonga azy tsy nanao batisa ireo olona marobe notoriany teny (satria anjaran'olonkafa ny manao batisa ireny olona ireny) Nisy vitsy vitsy anefa nataon'i paoly batisa....(azo antoka fa nitranga tamin'ny paoly ihany koa izay nitranga tamin'i filipo tao amin'ny asan'ny apostoly 8 (nirahan'ny Fanahy Masina izy)... Satria averina ihany raha ny tenin'i JEsosy no dinihina dia batisa avy any an-danitra no tena takian'Andriamanitra....Lio.20:4. Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Batisa avy any an-danitra = misy IRAY avy any an-danitra naniraka ilay olona hanao batisa (mety ho ny RAY io maniraka io na ny ZANAKA (Jesosy) na ny Fanahy Masina) |
gasy1zay - 20/02/2023 19:38
|
![]() io ndray RBNIR fa manao interprétation, fa naninona i Paoly nanao batisa olona sasany ary nisy tsy nataony raha nahazo iraka manokana izy? Nanoratra epistily firy i Paoly RBNIR? Ka naninona izy tsy nilaza hoe nirahan'i Fanahy Masina hanao batisa raha izay no nitranga? toa saika adinony aza hoe iza avy no nataony batisa tao korinto |
gasy1zay - 20/02/2023 19:42
|
![]() tena mba hafa mihintsy ny fandraisanao ny baiboly izany RBNIR an! amin'i RBNIR izany dia Jesoa maniraka ny mpianany hanao batisa ny olona rehetra Fanahy Masina maniraka olona hanao batisa olona voatokana fa sao dia tsy Andrimanitra tokana aminao RBNIR ny Zanaka sy ny Fanahy Masina? |
RBNIR - 22/02/2023 07:03
|
![]() Asa.10:19; Asa.11:12; Asa.13:2; Asa.16:6;Asa.21:11;Asa.8:29 |
gasy1zay - 22/02/2023 14:50
|
![]() Asan'ny apostoly 8 : 12 Ary rehefa nino an’i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. ka tsy haiko hoe aiza ho aiza eo no misy milaza fa nirahin'ny Fanahy Masina izy vao nanao batisa ary tsy hoe ny olona voatendry ihany no nataony batisa |
RBNIR - 23/02/2023 09:10
|
![]() Tsy tokony ho olana sy hahagaga satria i Filipo dia mandray iraka avy amin'ny Fanahy Masina hatrany.... Tsy voatery ho voasoratra ny zavatra rehetra.... |
RBNIR - 23/02/2023 09:13
|
![]() Asa.10:19; Asa.11:12; Asa.13:2; Asa.16:6;Asa.21:11;Asa.8:29 |
gasy1zay - 23/02/2023 16:47
|
![]() Tsy azon'i RBNIR mintsy hoe aiza no mipetraka ny olana, diso ianao RBNIR a! any no mipetraka ny olana, ianao milaza fa ilay tandapa irery no nataon'i Filipo batisa nefa tsy marina izany, ianao milaza fa nahazo baiko t@ Fanahy Masina izy matoa nanao batisa olona hafa nefa tsy voasoratra izany, izay ny olana RBNIR ianao milaza zavatra tsy voasoratra fa eritrerertinao ho marina nefa tsy voatery ho marina. |