FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA

81. Hajarilala7 ( 01/09/2015 16:09)
RBNIR:

Fampianarana tsy misy kilema = fampianaran'i Kristy
1- « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)
Tsy nandrava ny lalàna i Kristy fa nanantanteraka azy...
Fanamafisana
« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)
Tsy nofoanana fa vao maika naorina tsara.....

2- Koa inona daholo ary izany ny dikan'ny hoe? « ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kol.2:14)
Talohan'i Kristy ny lalàna dia soratra ivelany novakiana sy norenesina ary nohezahina tanterahina tamin'ny alalan'i herin'ny tena...

Rehefa tonga kosa i Kristy dia novaina ho : « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb. 8:10)
Lasa soratra ao am-po tsy soratanana ivelany intsony fa ilay olona mihitsy no efa novaina ny fony handeha araka ny lalàna (iny lalàna iny ihany fa tsy hoe lasa lalàna hafa akory)...
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezek.36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)

« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Gal.2:20)

Tsy misy ezaka atao intsony fa ilay olona dia efa lasa olombaovao ary tsy izy taloha intsony no velona fa efa KRISTY no velona ao anatiny ary lasa mpanompon'ny fahamarinana fa tsy mpanota (mpandika ny lalàn'Andriamanitra) intsony.

Misy mahafantatra an'io nefa dia mahasahy tsy mitandrina didy sasany koa hafatra ho azy ireny « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jak.2:10)
« Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jak.2:11)

Ny dikan'io teny io dia mila tandremana avokoa ny lalàna rehetra mba tsy hahadiso anao amin'ny iray loha....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....

Galatiana 3/ 10-11 : Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hœ: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26). Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona
< Vitanareo izany ny mankato ny lalàna rehetra??? Paoly Apostoly, Hebreo, tsy nana-tsiny tamin'ny lalàna no miteny an'io !!!! Ianareo izay mbola mitandrina ny lalàn'i Mosesy sy mpamitandrina lalàna ve tsy mana-tsiny raha ny lalàna???

Eo ambanin'ny lalàna ianareo ary isan'ny mpanora-dalàna. Fanekena tamin'ny ràm-biby no itokianareo ary fisoronana araka ny fanaon'ny tarak'i Levy no mbola tianareo ho tanana. Tsy ho avy handrava ny lalàna Aho hoy i Kristy fa hanatanteraka. Tena marina izany!
Izao no izy :

- Testamenta taloha > Ràm-biby (Oh ondry). Testamenta vaovao dia notanterahany tamin'ny ràn'i Kristy. Ianareo izany mbola mamono biby, zanak'ondry, araka ny lalàn'i Mosesy ve amin'ny Paska sa ianareo tsy mahatsiaro ny famonoana ny Paska koa?
- Ny fanatitra noho n'ny ota dia biby no atao fanatitra arakan'ny lalàn'i Mosesy fa notanterahina tamin'i Kristy.
- Testamenta taloha dia trano vato naorin'i Solomona mpanjaka no tempoly fa ankehitriny dia ny tenan'i Kristy sy ny Fiangonany no tempoly. Sa ianreo mbola mankany Jerosalema manao izay nadidian'ny lalàn'i Mosesy??

Hebreo 7/ 12 : Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
Hebreo 7/ 14 : Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
Taloha avy tamin'ny taranak'i Lesy ary tonga i Kristy avy tamin'ny taranak'i Joda!

Natao ho anareo izay tsy manana ny Fanahy Masina ny lalàna satria MADITRA, MPANOTA, VETAVETA, MPAMONO OLONA ary tena mamitaka fanhin'olona tokoa ianareo! Sakananareo ny olona tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra! : 1 Timoty 1/ 9 : ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,

Galatiana 5/ 18 : Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

Efa tonga anie Kristy é! Izay ilay hoe ANTI-KRISTY, satria ianareo izay mapitandrina lalàna (izay mpitaiza) dia tsy manaiky fa efa tonga izany i Kristy. Galatiana 3/ 24-25 : Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. (25) Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.

Hoy ianao : Tsy misy ezaka atao intsony fa ilay olona dia efa lasa olombaovao ary tsy izy taloha intsony no velona fa efa KRISTY no velona ao anatiny ary lasa mpanompon'ny fahamarinana fa tsy mpanota (mpandika ny lalàn'Andriamanitra) intsony.

82. RBNIR ( 01/09/2015 22:58)

Hajarilala7:

[/quote]
Izaho ange tsy mandà ny zavatra rehetra voalazanao e!
fa mba vakio tsara ilay zavatra lazaiko ! tsy ilay lalàna (amin'ny maha lalàna tokony hotandremana azy akory no rava) fa ilay mahasoratanana ivelany azy fahiny Kol.2:14 nanjary lasa soratra anatiny voasoratra ao am-po sy ao an-tsaina araka ilay Heb.8:10 (noho i Kristy (ilay Fanahy Masina ihany 2 Kor.3:17) velona ao anatiny araka ny Gal.2:20 dia lasa fiainana vaovao ho an'ilay olona ny mandeha araka ilay lalàna (tanteraka taminy ilay teny fikasana ao amin'ny Eze.36:26,27)

Ny fanamarihako eto dia tsotra iana(re)o milaza ho tsy mitandrina ilay lalàna io anie ka diso amin'ny 1 loha satria mitandrina ihany ianareo (noho ilay Fanahy Masina hoy ianao) matoa misy amin'ireo lalàna ireo tsy sahinareo dikaina) eto ohatra dia tsindrinao tsara ilay hoe ianao tsy vetaveta (voatandrinao tsara izany ny didy fahafito) sady mpanoa Ray sy Reny (voatandrinao tsara izany ny didy faha dimy) tsy mpamono olona koa ianao (voatandrinao tsara izany ny didy faha enina)....

Dia ambarako aminao ary namana fa izaho koa mba torak'izany noho ilay FANAHY MASINA (tsy ianao irery no manana AZY fa aza miteniteny foana namana!!!! tsy fantatrao izay ambaranao ka lasa miteny ratsy ny FANAHINY ianao)
Saingy noho ity teny ity « Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jak.2:10)
« Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jak.2:11)
Dia io FANAHY MASINA io ihany koa no mbola nitarika ahy "tsy ho mpanitsakitsaka ny Sabatany namana.....« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb. 4:9) Vakio ny dikan-teny DIEM fa ny andro fahafito no Sabata resahina eto fa tsy Sabata hafa akory namana........
Averina hatrany ho FAMPIANARANA, sy ho FANITSIANA IZAY DISO fa tsy fanenjehana na fanaratsiana akory!!!!
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!
83. Hajarilala7 ( 02/09/2015 05:54)

[/quote]Tsy andro intsony no tandremanay fa ny Tenin'Andriamanitra ary tsy mifidy andro na fotoana na taona na volana hitandremana izany izahay Galatiana 4 : 10-11" Andro sy volana sy vanim-potoana ary taona no tandremanareo fatratra. Matahotra ny aminareo aho sao dia sasa-poana+ taminareo." Raha i Paoly Apostoly dia nisasatra foana taminareo raha mpianany ianareo! Diso koa izay rehetra manao ny Alahady na andro hafa ho fitsaharana! Efa niala tamin'ny fahasoavana izany olona izany raha efa tao amin'ny fahasoavana.

Hoy ianao : Ny fanamarihako eto dia tsotra iana(re)o milaza ho tsy mitandrina ilay lalàna io anie ka diso amin'ny 1 loha satria mitandrina ihany ianareo (noho ilay Fanahy Masina hoy ianao) matoa misy amin'ireo lalàna ireo tsy sahinareo dikaina) eto ohatra dia tsindrinao tsara ilay hoe ianao tsy vetaveta (voatandrinao tsara izany ny didy fahafito) sady mpanoa Ray sy Reny (voatandrinao tsara izany ny didy faha dimy) tsy mpamono olona koa ianao (voatandrinao tsara izany ny didy faha enina)....

Izahay hoy aho aminareo tsy mitandrina izany fa ny Fanahy Masina no mitarika anay! Tsy ambanin'ny lalàna izahay! AVERIKO indray noho ny fitiavako anareo : Galatiana 5/ 18 : Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna

Ianareo mampitandrina olona ny lalàn'i Mosesy fa izahay kosa manao izay handraisin'ny olona ny Fanahy Masina! Ary tsy ny asan'ny lalàna no ahazoana izany fa ny finoana an'i Kristy izay nateraka teo ambanin'ny lalàna mba hanavotany izay eo ambanin'ny lalàna! Ianareo izany mbola tsy avotra!
84. ranthson ( 02/09/2015 06:10)
Hajarilala7:

Ranthoson < Galatiana 2/ 16 : nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
Galatiana 5/ 4 : Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.

Ianareo dia mitady hohamarinana amin'ny fitandremanareo ny lalàna fa tsy amin'ny fahasoavana izay tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompo.

Mibebaha ianareo! Galatiana 5/ 18 : Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. Ny finoana an'i Kristy Jesosy no ahazoana ny Fanahy Masina.

Tsy misy tokony hanampiana ny tenin'i RBNIR fa somary tsindriko kely fotsiny dia ity: tsy misy olona hamarinina amin'ny lalàna, marina izany fa amin'ny finoana an'i Jesosy kanefa notsindrin'i Apostoly Paoly mazava tsara mihintsy hoe :
"Romana 3 : 31
"Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika."
Ny lalàna tsy foana fa ny Fanahy masina no nametraka azy ao anatin'ny fonao ka mahatonga anao tsy tia manota intsony.
Isa 31-33 "33 Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko."

Ka ny sabata dia efa nosoratan'ny Fanahy Masina ao am-pon'ny olony. Izaho tsy mitandrina be ohatran'y andevozin'ny sabata fa ny sabata no efa ato anatiko. izay ilay hoe ambany fahasoavana.
85. RBNIR ( 02/09/2015 06:59)
Hajarilala,
Vakio ny baiboly Diem, fa voasoratra mazava ny hoe mbola hisy ny sabata fitsaharana (na ny andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra......

Inona no maha-zavadehibe ny sabata?
« Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. » (Eks.31:13)
« Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. » (Ezek.20:12)
« Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Ezek.20:20)

Vakio tsara fa ny fanamasinana ny Sabatany no famantarana Aminy sy amin'ny olony, koa izay manamasina ny Sabatany no manana ilay marika famantarany Aminy,

Na dia mahavita 99% ny sitrapon'Andriamanitra aza ny olona iray nefa tsy nanamasina ny Sabatany dia tsy hofantany akory.....« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Mat.7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Mat.7:23)

Izay no mahazavadehibe ny fanamasinana ny Sabatan'i Jehovah namana!!! Tena lakile tokana hidirana ny fanjakan'Andriamanitra.......
86. RBNIR ( 03/09/2015 05:23)
Ary ny fahafantaran'ny devoly io fahamarinana io (manisy marika ahafantarany ny mpanompony Jehovah), no hahatonga ny devoly (ao aoriana kely ao) hifidy olona 1 hitarika ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao hanohitra ny fampianarana tsy misy kilema izay hitaona ny olona hanamasina ny andro Sabata (na ny andro fahafito)...
Hisy mihitsy didy avoaka (eran-tany na mondiale) amin'izany fotoana izany izay hanerena ny olona eran-tany hivavaka amin'ny andro alahady fa tsy ny andro Asabotsy....
Mety ho velom-panontaniana ianao hoe ahoana moa no hahantateraka an'izany?
VAKIO ATO AMIN'ITY ROHY ITY FA HO FANTATRAO NY MARINA REHETRA TSY MAINTSY HO AVY TSY HO ELA AKORY!!!!
http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588
87. Hajarilala7 ( 03/09/2015 05:34)

Hoy ianao RBNIR : Vakio ny baiboly Diem, fa voasoratra mazava ny hoe mbola hisy ny sabata fitsaharana (na ny andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra......

Taiza no FITSAHARANA tsy nidiran'ny ireo izay tsy nino?? Ampahafantarina anareo fa sao tsy fantatrareo fa ny TANY KANANA, tsy andro no resaka amin'io ary sabata fitsaharana fa tsy andro sabata. Ny andronao rehetra dia tokony ho fitsaharana daholo raha ao antinao Jesosy Kristy, mitsahatra amin'ny asan'ny nofo sy ny ota rehetra => Maty ny amin'ny ota. Fa tsy andro iray no asainareo tandremana.

Ary izay ilay nilazan'i Mesia fa tsy avy andrava ny lalàna Aho fa hanatanteraka. Ny tamin'ny fanekena izay tamin'ny ràm-biby dia andro iray no nomena notandremana. Ny fanekena vaovao, tamin'ny ràn'i Kristy, kosa dia tsy andro Sabata intsony fa ny Tompon'ny Sabata no tokony ho ao anatin'ny olona. => Tsy foana ny Sabata, didy fahefatra.

Tsy rava ny didy folo fa no tanterahin'i Kristy. Ny didy fahefatra. dia ny andro sabata no mpanalalana ny Zanak'Israely amin'i Jehovah, didy telo voalohany momban'Andriamanitra ary didy 6 farany ho an'ny olona. Fa amin'ny fanekena vaovao kosa dia i Kristy, no Mpanalalana ny olona amin'i Jehovah fa tsy andro intsony.

Ianreo mpitandrina lalàna dia sady asainareo tandremana ny lalàna tamin'ny fanekena voalohany sy ny lalàna aty amin'ny fanekena vaovao. => Sady te ho ambanin'ny fahasoavana ianareo no tsy mety miala eo ambanin'ny lalàna.

88. ranthson ( 03/09/2015 05:41)

Raha sabata daholo ny andro rehetra dia aza miasa aza ianao mandritra ny herinandro fa hisy vola ilatsaka avy an-danitra ho avy eo aminao e! satria ny sabata andro fitsaharana tsy tokony hiasana :-) Aiza ho aiza ao anaty baiboly no misy hoe lasa sabata ny andro rehetra? mba omeo kely oe azafady?
89. Hajarilala7 ( 03/09/2015 05:41)

RBNIR:

Ary ny fahafantaran'ny devoly io fahamarinana io (manisy marika ahafantarany ny mpanompony Jehovah), no hahatonga ny devoly (ao aoriana kely ao) hifidy olona 1 hitarika ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao hanohitra ny fampianarana tsy misy kilema izay hitaona ny olona hanamasina ny andro Sabata (na ny andro fahafito)...
Hisy mihitsy didy avoaka (eran-tany na mondiale) amin'izany fotoana izany izay hanerena ny olona eran-tany hivavaka amin'ny andro alahady fa tsy ny andro Asabotsy....
Mety ho velom-panontaniana ianao hoe ahoana moa no hahantateraka an'izany?
VAKIO ATO AMIN'ITY ROHY ITY FA HO FANTATRAO NY MARINA REHETRA TSY MAINTSY HO AVY TSY HO ELA AKORY!!!!
http://forum.serasera.org/forum/message/m514aa208c1588
Izany indray dia problème-nareo izay manaja andro izany fa izahay dia ny andro rehetra amin'ny herinandro dia hivavahanay amin'Andriamanitra daholo. Tsy mahasakana ny famonjena izany didy izany!!! Raha ny fitoriana ny finoana an'i Jesosy Kristy no vaoasakana na ny finoana Azy dia eo no problème ho anay!

Andro no tandremanareo fa tsy ny Tenin'Andriamanitra.

Ireo zavatra roa lazainao ireo dia :Kotozafy ihany no Alexis!
90. RBNIR ( 03/09/2015 05:51)
Na dia tsy haka baiboly DIEM aza isika dia efa voalaza mazava ery amin'ny andininy faha efatra fa andro fahafito no resahina eto « Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3). » (Heb.4:4)

Ary nohamafisina ao amin'ny andininy faha valo fa tsy nilaza andro hafa ankoatran'io (andro fahafito io) tamin'i Josoa Izy : « Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. » (Heb. 4:8)

Anjaran'ny tsi11 sisa mandinika fa hamafisana hatrany !!!
« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

91. Hajarilala7 ( 03/09/2015 11:27)

Mba vakio tsara ary diniho tsara milaza inona ny fitsaharana izay ndirinan'i Josoa sy ny Zanak'Israely???? Ny tany Kanana io fa tsy andro! tany izay nampanantenaina hatramin'ny andron'i Abrahama. Koa dia tsy tafiditra tao izay tsy nino izany.

Ny Tanàna masina dia Jerosalema vaovao izao fitsaharana, fa TSY ANDRO, ary tsy mba hiditra ao izay tsy masina dia ireo izay tsy nateraky ny rano sy ny Fanahy.

Matio 12 dia ahitana fa tamin'ny andro sabatananoty salohim-bary teny an-tanimbary ny mpianatr'i Kristy ary nanakiana ny Fariseo (toa anareo).Sa zavatra tsy mampaninona ve izany raha ny lalàna tamin'ny fanekena taloha? Ahoana ny tenin'i Kristy?? Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.

Raha ny lalàna no handovana Fiainana Mandrakizay dia teny foana ny teny fikasana ary foana ihany koa ny finoana izay tao amin'i Abrahama. Ny lalàna nomena ny zanak'Israely tany an'efitra dia no entina nitaiza azy mandra-pahatonga ny FINOANA fotsiny, rehefa tonga indray ny finoana tamin'ny fanekena vaovao dia tsy fehezin'ny mpitaiza intsony ny zanak'Andriamanitra (Galatiana 3)
92. RBNIR ( 04/09/2015 02:02)
Hajarilala7:

Mba vakio tsara ary diniho tsara milaza inona ny fitsaharana izay ndirinan'i Josoa sy ny Zanak'Israely???? Ny tany Kanana io fa tsy andro! tany izay nampanantenaina hatramin'ny andron'i Abrahama. Koa dia tsy tafiditra tao izay tsy nino izany.
Ny Tanàna masina dia Jerosalema vaovao izao fitsaharana, fa TSY ANDRO, ary tsy mba hiditra ao izay tsy masina dia ireo izay tsy nateraky ny rano sy ny Fanahy.

Izay ilay hoe "manolana teny namana", ao amin'ny hebreo 4 tsy misy firesahana "tany kanana sns " fa efa mazava be ny resaka fa fanazavana ny momba ny resaka "andro fahafito" nefa mbola mahita teny "hafa ihany ny sasany....
93. RBNIR ( 04/09/2015 06:40)
Efa voalazako fa ilay fampianarana tsy misy kilema dia na nampianarin'i Jesosy na nataon'i Jesosy ary koa hita taratra fa notanterahin'ireo mpianatra ihany koa...
Sabata moa ny resaka eto:

1- Nitandrina ny Sabata v i Jesosy?
« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lio. 4:16)
Isaky ny Sabata ny fanaon'i Jesosy dia miditra any amin'ny sinagoga (fiangonana)....
====>Mamonjy fitoerana fivavahana (synagoga) i Jesosy rehefa tonga ny Sabata,

2 - Ireo mpianatra koa v mba nanao toy izany sa tsia?

« Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asa.16:13)

Tonga ny Sabata dia nivoaka ireo mpianatra nitady fitoerana fivavahana (tahaka ilay fanaon'i Jesosy)

Ankoatran'ireo dia ity misy porofo fa ireo mpianatr'i Jesosy vavy dia nitandrina ny Sabata marina tokoa...

« Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. » (Lio. 23:56)
Ireo vehivavy ireo dia mpanaradia an'i Jesosy tany Galilia ary nahafantatra tsara ny fampianarany sy ny zavatra nataony fony fahavelony (hevero tsara fa tsy possible mihitsy hoe vao maty Jesosy dia indro fa nivadika indray koa izy ireo).
Vakio ato amin'ny bokin'ny Marka anisan'ireo vehivavy ireo Maria Magdalena sy Salome ary Maria renin'i Jakoba ary vakio tsara fa nitsahatra marina izireo rehefa Sabata dia niverina indray rehefa andro voalohany.
Izany hoe notandreman'izireo tsara ny Sabata ry namana isany.....
VAKIO ATO MAR.15:38-44;MAR.16/1,2

Vakio tsara : rehefa tonga ny andro sabata dia nitsahatra ry zareo Lio.23:56 ary rehefa afaka kosa ny andro Sabata vao lasa nividy zava-manitra ry zareo
1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’ i Jesosy.
2 Ary nony maraina koa tamin’ ny voalohan’ andro amin’ ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ ny fasana izy ireo.....
94. RBNIR ( 04/09/2015 07:20)
Matio 12 VAKIO ATO
Io dia tsy mandrava ny Sabata fa namahana ny Sabata.....
Ary fitinina amin'ity tenin'i Jesosy ity hoe : « Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. » (Mat.12:12)

METY NY MANAO SOA AMIN'Y SABATA!!!!

Vakio any amin'ny testameta taloha fa tsy niteny mihitsy Andriamanitra hoe aza manasitrana na aza manao Soa amin'ny andro Sabata fa didy nentiny fariseo sy ny mpanoradalàna ireny dia "novahan'i JEsosy fa tsy noravany!!! « Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jao.5:18)
Vakio tsara io teny io hoe ny namahany ny amin'ny Sabata fa tsy hoe ny nandravany ny Sabata.....

95. Hajarilala7 ( 04/09/2015 07:27)
RBNIR:

Efa voalazako fa ilay fampianarana tsy misy kilema dia na nampianarin'i Jesosy na nataon'i Jesosy ary koa hita taratra fa notanterahin'ireo mpianatra ihany koa...
Sabata moa ny resaka eto:

1- Nitandrina ny Sabata v i Jesosy?
« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lio. 4:16)
Isaky ny Sabata ny fanaon'i Jesosy dia miditra any amin'ny sinagoga (fiangonana)....
====>Mamonjy fitoerana fivavahana (synagoga) i Jesosy rehefa tonga ny Sabata,

2 - Ireo mpianatra koa v mba nanao toy izany sa tsia?

« Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asa.16:13)

Tonga ny Sabata dia nivoaka ireo mpianatra nitady fitoerana fivavahana (tahaka ilay fanaon'i Jesosy)

Ankoatran'ireo dia ity misy porofo fa ireo mpianatr'i Jesosy vavy dia nitandrina ny Sabata marina tokoa...

« Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. » (Lio. 23:56)
Ireo vehivavy ireo dia mpanaradia an'i Jesosy tany Galilia ary nahafantatra tsara ny fampianarany sy ny zavatra nataony fony fahavelony (hevero tsara fa tsy possible mihitsy hoe vao maty Jesosy dia indro fa nivadika indray koa izy ireo).
Vakio ato amin'ny bokin'ny Marka anisan'ireo vehivavy ireo Maria Magdalena sy Salome ary Maria renin'i Jakoba ary vakio tsara fa nitsahatra marina izireo rehefa Sabata dia niverina indray rehefa andro voalohany.
Izany hoe notandreman'izireo tsara ny Sabata ry namana isany.....
VAKIO ATO MAR.15:38-44;MAR.16/1,2

Vakio tsara : rehefa tonga ny andro sabata dia nitsahatra ry zareo Lio.23:56 ary rehefa afaka kosa ny andro Sabata vao lasa nividy zava-manitra ry zareo
1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’ i Jesosy.
2 Ary nony maraina koa tamin’ ny voalohan’ andro amin’ ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ ny fasana izy ireo.....

Hoy ny voalazanao RBNIR / 1- Nitandrina ny Sabata v i Jesosy?
« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lio. 4:16)
Isaky ny Sabata ny fanaon'i Jesosy dia miditra any amin'ny sinagoga (fiangonana)....
====>Mamonjy fitoerana fivavahana (synagoga) i Jesosy rehefa tonga ny Sabata,

VALINY
Mahatsara anareo raha mety ianareo ny TENY AVERIMBERINA :
Isaky ny andro sabata i Kristy mankany amin'ny synagoga. Eny , tompoko, MARINA IZANY, fa tsy mbola fanekena vaovao anie tamin'i Jesosy Kristy tsy nandatsaka ny ràny (fanekena vaovao) é! Nateraka teo ambanin'ny lalàna anie Izy mba hanavotany izay mbola eo ambanin'ny lalàna é! Araka ny Galatiana 4:4-5 Fa rehefa tonga tokoa ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, Hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’anaka. Mila fanavotany koa ianareo izay mbola mitandrina ny lalàna.

Hoy indray ny voalazanao :
2 - Ireo mpianatra koa v mba nanao toy izany sa tsia?

« Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo. » (Asa.16:13)

Marina izany fa Soratra Masina : Raha hitady olona izay ambanin'ny lalàna havotana dia aiza no hitadiavana azy??? fa tsy izay eo ambanin'ny lalàna no tadiavina ve? Raha hitady olona maro misotro toaka ianao aiza no hitadiavana azy ireny? Any am-piangonana ve? Hitady rano ho sotroina any amin'ny trano fivoahana ve ny olona? Ianareo ihany dia afaka mamaly azy araka ny Galatiana 4/ 5 : Hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’anaka.
96. RBNIR ( 04/09/2015 07:34)
Tsy mitombina an, lasa niova ilay antony , tamin'ny voalohany ny antony nitadiavana fitoerana fivavahana dia ekenao fa fitandremana ny Sabata, ny faharoa lasa antony hafa????

Ary ireo vehivavy anie efa nilatsaka ny rà tamin'izireo nitandrina ny Sabata e!!!!
97. Hajarilala7 ( 04/09/2015 15:37)

RBNIR:

Tsy mitombina an, lasa niova ilay antony , tamin'ny voalohany ny antony nitadiavana fitoerana fivavahana dia ekenao fa fitandremana ny Sabata, ny faharoa lasa antony hafa????

Ary ireo vehivavy anie efa nilatsaka ny rà tamin'izireo nitandrina ny Sabata e!!!!

Hoy ny voalazanao : Tsy mitombina an, lasa niova ilay antony , tamin'ny voalohany ny antony nitadiavana fitoerana fivavahana dia ekenao fa fitandremana ny Sabata, ny faharoa lasa antony hafa????

< Naninona ho an'ny amin'ny synagoga moa Jesosy raha ny eritreritrao? fa tsy hitoriteny sy hampianatra tao mba hitady ireo ondry very ao amin'ny zanak'Israely sa mba hihaino ny fampianarana ny lalàna indray ve no nalehany tany ??? Izy no nitoriteny sy hamonjy ireo izay ao ambanin'ny lalàna ary izay no nahatonga ny ady hevitra henjana teo amin'i Kristy sy ireo Fariseo sy mpanora-dalàna, ary nitenenan'i Mesia mafy ireny ho bibilava taranaky ny menarana, mpamono olona sy mpandainga no rain'ireny fa tsy Abrahama izay rain'ny mino. Ohatra Jaona 8/ 32-57.

Hoy indray ianao : Ary ireo vehivavy anie efa nilatsaka ny rà tamin'izireo nitandrina ny Sabata e!!!!

Efa nalatsaka tokoa ny ràn'i Kristy, saingy mila ny Fanahy Masina izay nomena ireo Apostoly, hanao ny fanorenana, ary ny Tompo Jesosy aza namepetra ny mpianatra tsy hiala tao Jerosalema mandra-panafiana hery avy amin'ny Avo an'ireo Asan'ny Apostoly 1/6-8. Ny Fanahy no mitarika ho amin'ny marina rehetra fa ny olona izay tsy mbola manana ny Fanahy Masina dia ny lalàna (mpitaiza) no mifehy azy . Tsy hoe latsaka ny rà dia efa nahafantatra ny tokony ataony ny mpianatry ny Tompo ary isan'izany ireo vehivavy izay voalazanao nitandrina ny andro sabata, raha tsy izany dia tsy nilaina loatra ny Fanahy Masina.
Ary ny Tompo koa niteny ao amin'ny Jaona 16 fa mahatsara anareo ny fialàko fa raha tsy izany dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra dia ny Fanahy Masina izay hitarika ho amin'ny marina rehetra. Eo koa dia mbola mazava fa raha nahavonjy ny fitandremana ny lalàna tamin'ny fanekena taloha izay nohamasinina tamin'ny ràm-biby (Hebreo 9/ 15-22) dia tsy nilaina ny FANEKENA VAOVAO nohamasinina tamin'ny ràn'i Jesosy Kristy sy ny Fanahy Masina.

Zavatra telo no ilaina manamasina ao amin'Andriamanitra, isan'izany ny olon'Andriamanitra (Fiangonana) dia RANO+RA+FANAHY MASINA = JESOSY TOMPO
1 Jaona 5/ 5-8 : Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra? "Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy avy tamin’ny rano ihany, fa avy tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana." "Ary misy telo izay mitondra fanambarana ety an-tany, dia ny Fanahy sy ny Rano ary ny Rà; ary mifanaraka ho iray izy telo ireo." "Raha mandray ny fanambaran’olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’Andriamanitra; fa ny fanambaran’Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany."

Io Jesosy io no Ilay nambaran'i Paoly Apostolin'i Kristy 2 Korintiana 13/ 5.

98. RBNIR ( 05/09/2015 00:13)
Diso ny filazana fa hoe rehefa tonga ny Fanahy Masina dia tsy notandremana intsony ireo lalàna satria hoy ny voasoratra hoe : « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)
Araka io teny io ny antony nanomezana ny Fanahy Masina dia ny mba handehanan'ilay olona araka ilay lalàny sy "hitandreman'ny olona ny fitsipikany....
Ilay lalàna sy fitsipika teo aloha iny ihany fa tsy hafa akory (anisany ny Sabata)

Jesosy koa dia nampianatra ny olona hitandrina ny didy (indrindra ny didy folo) fa tsy ny mifanohitra amin'izany:

Ireto ny porofo

1/- « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Mat.19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Mat.19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Mat.19:19)

Ireto didy ao amin'ny didy folo ireo asain'i Jesosy "TANDREMANA" ireo

2- « Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe: » (Mat.23:1)
« Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Mat. 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)

Izay "rehetra" lazain'ny fariseo sy mpanora-dalàna hoy i JESOSY (fa tsy izaho) dia "ATAOVY KA TANDREMO"....
Ny lalàna no lazain'ny fariseo (anisany ny sabata) ka araka io tenin'i JEsosy io (fa tsy teniko) dia mila ATAO SY TANDREMANA.......

3- « Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Mat; 5:20)
Raha mahavita mitandrina ny lalàna rehetra ny olona iray dia azo lazaina fa efa mitovy amin'ny an'ny fariseo ny fahamarinany, raha latsaka kosa (oh tsy mitandrina sabata) dia latsaka fa tsy azo lazaina hoe mihoatra noho ny an'ny fariseo ny fahamarinany......

Ny hoe mihoatra noho ny an'ny fariseo dia tsy hoe raha 10 ny lalàna dia lasa 11 fa izao:

Ny an'ny fariseo dia izao no fahitan'Andriamanitra azy : « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Mat.23:25)
Raha ety ivelany dia hita fa mahatandrina ny lalàna ny fariseo saingy raha ny ao anatiny no jerevan'Andriamanitra dia hitany fa tsy mahatandrina izireo....

Izay no nahatonga an'i Jesosy niteny an'ity teny ity : « Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Mat.5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Mat.5:28)

Izay ihany koa no nahatonga Azy niteny hoe : « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Mat.23:27)

Izay ihany koa no nahatonga Azy hanova ilay fanekena satria hita fa nisy tsiny ilay fanekena teo aloha « Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. » (Heb.8:7)

TSY TANTERAKA ARAKA NY TAKIAN'ANDRIAMANITRA ILAY LALANA FA IVELANY FOTSINY NO HITANDREMAN'NY OLONA AZY FA TSY ANATIN'NY FONY......

Ka dia nanao fanekena vaovao Izy : « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb.8:10)

TSY LALANA HAFA FA ILAY LALANA TEO ALOHA IHANY (ANISANY NY SABATA) NO NOLAZAINY FA HATAO AO AN-TSAINY ARY HOSORATANA AO AM-PONY......

Ny fampianarana tsy misy kilema hoy aho dia izay rehetra nampianarin'i Jesosy ka dia ireo ny fampianaran'i Jesosy ry namana isany NITAONA NY OLONA HITANDRINA NY DIDY SY NY LALANA IZY......SAINGY TSY AMIN'NY FOMBAN'NY FARISEO SY MPANORA-DALANA FA KOSA ARAKA ILAY FANEKENA VAOVAO.....

Hofitiniko amin'ity ny fampianarany : « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Koa anjaran'ny tsi11 no misafidy na anaraka ilay fampianarana tsy misy kilema nampianarin'i JESOSY na hanaraka ny fampianarana ankehitriny izay TSY AVY TAMINY fa avy amin'NY FISAINAN'NY OLONA FOTSINY IHANY.....

IREO NY POROFO FA JESOSY NO NAMPITANDRINA NY OLONA NY LALANA (ANISANY NY SABATA).......

99. Hajarilala7 ( 05/09/2015 07:17)

Hoy ny voalazanao : Diso ny filazana fa hoe rehefa tonga ny Fanahy Masina dia tsy notandremana intsony ireo lalàna satria hoy ny voasoratra hoe : « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)

Hoy ihany koa ianao : 1/- « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.[*Na: (Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany dia Andriamanitra.)] » (Mat.19:17)
« Hoy ralehilahy taminy: Inona avy moa? Dia hoy Jesosy: Ny hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, » (Mat.19:18)
« Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). » (Mat.19:19)

Ireto didy ao amin'ny didy folo ireo asain'i Jesosy "TANDREMANA" ireo

< Vakio tsara fa tsy ny didy folo rehetra nolazainy eto fa ny fitandremana ny andro sabata tsy nolazainy. Raha ny Didy Folo no tiany ho lazaina dia tsotra be ny hoe : Tandremo ny Didy Folo.
Mbola haveriko ihany tsy maninona izao :
1 -Mbola teo ambaninin'ny lalàna izay nomena tamin'ny alalan'i Mosesy no miseho ny tantara eo.
2- Tsy Mbola nomena ny Fanahy Masina dia lalàna no mpitaiza. Galatiana 5/ 18 : Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
3- Mbola fanekena taloha no niseho ny tantara noresahin'ny Soratra Masina eto.

< Galatiana 3/ 17 : Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.

Ny dikany tsy tsoahan'ny lalàna izay natao taty aoriana (430 taona) ny fanekena izay nataon'Andriamanitra izay nataony tamin'i Abrahama, dia ny finoana. Tsy mbola nisy lalàna tompoko izay tandremanareo tamin'ny andro nifidianana an'i Abrahama. Tsy zanak'i Abrahama ianareo raha ny lalàna no tandremanareo rehefa tonga indray ilay finoana. Ary rehefa tsy zanak'i Abrahama dia voalazan'i Kristy Jesosy fa zanaky ny devoly. Jaona 8:39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak' i Abrahama ianareo, dia ny asan' i Abrahama no ho nataonareo.
Romana 4/ 14 : Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;

Hoy ianao : 2- « Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe: » (Mat.23:1)
« Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Mat. 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Mat.23:3)
Inona no ahavonjy ny olona tamin'ny fanekena taloha tamin'ny ràm-biby fa tsy ny lalàna nomena an'i Mosesy ve? Ka raha tsy mbola tao amin'ny fanekena vaovao dia TSY MAINTSY ny fanekena izay nomena tamin'ny alalàn'i Mosesy no arahina raha te ho vonjena.
Mbola omeko andin-tsoratra Masina koa aza ianao mbola manamafy izany, Lioka 5:14 "Ary nandrara azy Jesosy tsy hilaza amin' ny olona na dia iray akory aza; fa mandehana, ka misehoa amin' ny mpisorona, dia manatera ny fanadiovana anao, araka ny nandidian' i Mosesy, ho vavolombelona amin' ireo."

Hoy ianao : 3- « Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Mat; 5:20)
Raha mahavita mitandrina ny lalàna rehetra ny olona iray dia azo lazaina fa efa mitovy amin'ny an'ny fariseo ny fahamarinany, raha latsaka kosa (oh tsy mitandrina sabata) dia latsaka fa tsy azo lazaina hoe mihoatra noho ny an'ny fariseo ny fahamarinany......

< Ianao aza milaza fa efa mitovy amin'ny an'ny fariseo ny fahamarinany DISO => Mihoatra no ilaina. Ny Fariseo ny fitandremana lalàna no heveriny fa entin'Andriamanitra manamarina azy.
Galatiana 5/ 4 : Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
Galatiana 2/ 16 : nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.

Hoy indray ianao : Ny fampianarana tsy misy kilema hoy aho dia izay rehetra nampianarin'i Jesosy ka dia ireo ny fampianaran'i Jesosy ry namana isany NITAONA NY OLONA HITANDRINA NY DIDY SY NY LALANA IZY......SAINGY TSY AMIN'NY FOMBAN'NY FARISEO SY MPANORA-DALANA FA KOSA ARAKA ILAY FANEKENA VAOVAO.....

Na zavatra nosoratanao eto aza dia hita ny toe-panahina(re)o : Sady mbola ao amin'ny fanekena taloha, lalàna (Ràm-biby) sy mitady ho ao amin'ny fanekena vaovao, fahasoavana sy fahamarinana (Ràn'i Kristy). Manao gisalahy homam-boatseva mamy ny etsy , fy ny eroa. Fanekena iray ihany no hamonjena amin'ny vanim-potoana iray fa tsy roa. Ianareo izany raha azoko sady mahazo famelan-keloka amin'ny ràm-biby no mahazo famelan-keloka amin'ny ràn'i Kristy???

Ianareo ve izany mbola manao izao :
Mba vakio svp :

Nomery 15:22-24 = 22 Ary raha nanao fahadisoana ianareo, ka tsy nankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy, 23"Dia izay rehetra nandidian' i Jehovah anareo tamin' ny alalan' i Mosesy, hatramin' ny andro izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ka hatramin' ny taranakareo mifandimby;" 24 Koa izao no hisy, raha natao tsy nahy izany, ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanolotra vantotr' ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah, mbamin' ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.

Nomery 15/ 30-31 : Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.

Sa rehefa henjana ve ny lalàna dia hialanareo fa rehefa tsotsotra dia arahinareo???
100. RBNIR ( 06/09/2015 03:25)
Efa nambarako fa Diso ny filazana fa hoe rehefa tonga ny Fanahy Masina dia tsy notandremana intsony ireo lalàna satria hoy ny voasoratra hoe : « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)
Araka io teny io ny antony nanomezana ny Fanahy Masina dia ny mba handehanan'ilay olona araka ilay lalàny sy "hitandreman'ny olona ny fitsipikany....
Ilay lalàna sy fitsipika teo aloha iny ihany fa tsy hafa akory (anisany ny Sabata)

Tsy ilay lalàna amin'ny maha lalàna tokony hotandremana azy no novonoina hoy aho fa ilay soratanana tety ivelany no novaina ho soratra anatiny....

Iza moa no nilatsahan'ny Fanahy Masina voalohany indrindra? « Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. » (Mat.3:16)

Rehefa tonga tao amin'i Jesosy io Fanahy Masina io dia nitondra Azy....« Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] » (Mat.4:1)

Dia izao ny tohiny (Jesosy efa Manana ny Fanahy Masina sy efa "vita batisa") no resahina eto amin'io fotoana io):

« Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. » (Mat.4:3)
« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Mat.4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Mat.4:5)
« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Mat.4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Mat.4:7)
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Mat.4:9)
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Mat.4:10)

Ireo no porofo ry namana isany fa ny Fanahy Masina dia tsy mitaona ny olona hanao tsinontsinona ireo lalàna voasoratra tany aloha mihitsy fa vao maika aza mitaona ilay olona hanantanteraka sy hitandrina ilay lalàna.......

Marina tokoa fa nisy ireo lalàna izay nampianarin'i Jesosy fa tsy tokony hotandremana intsony ohatra ireo karazan-dalàna izay ateraky ny fandikan-dalàna (toy ny fitoraham-bato ny olona izay tratra nanota sns.....) sy ireo lalàna momba ny fisoronana rehetra satria ny mpisorona be teto an-tany dia efa nofoanana tsy hisy intsony (satria ny tabernakely teto an-tany efa nafindra any an-danitra) fa mpisorona be 1 vaovao sisa no misy dia i Jesosy izay mpisorona be any an-danitra any amin'ilay tabernakely vaovao tsy natao tanana....

Fa mikasika ny Sabata kosa dia notsindriny paoly manokana ao amin'ny hebreo 4 fa raha ny andro fahafito dia tena mbola misy ho an'ny olon'Andriamanitra....« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] » (1 Jao.2:6)

Efa voalaza fa ilay fampianarana tsy misy kilema hoy aho dia na nampianarin'i Jesosy , na natao tamin'i Jesosy ary tokony ho hita taratra ihany koa fa notandreman'ireo mpianatra fahiny............

Izay fa dia hanazava ny sain-tsika anie IZY ry namana isany,

Averina hatrany fa tsy fankahalana an'iza na iza, tsy fanenjehana an'iza na iza, tsy fanaratsiana an'iza na iza fa HO FAMPIANARANA, HO FIFAMPITAIZANA, HO FANITSIANA IZAY DISO araka izay voasoratra ihany......« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Mahafaly anay raha hisy ny hanetry tena hanaraka ny fahamarinana ho famonjena ny fanahiny ary koa hampitombo isa "ireo fanasina" mba ho hanasina izao tontolo izao ka ho tonga famonjena ho an'ny hafa koa....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0141