FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA

101. Hajarilala7 ( 06/09/2015 15:01)

RBNIR:

Efa nambarako fa Diso ny filazana fa hoe rehefa tonga ny Fanahy Masina dia tsy notandremana intsony ireo lalàna satria hoy ny voasoratra hoe : « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)
Araka io teny io ny antony nanomezana ny Fanahy Masina dia ny mba handehanan'ilay olona araka ilay lalàny sy "hitandreman'ny olona ny fitsipikany....
Ilay lalàna sy fitsipika teo aloha iny ihany fa tsy hafa akory (anisany ny Sabata)

Tsy ilay lalàna amin'ny maha lalàna tokony hotandremana azy no novonoina hoy aho fa ilay soratanana tety ivelany no novaina ho soratra anatiny....

Iza moa no nilatsahan'ny Fanahy Masina voalohany indrindra? « Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. » (Mat.3:16)

Rehefa tonga tao amin'i Jesosy io Fanahy Masina io dia nitondra Azy....« Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] » (Mat.4:1)

Dia izao ny tohiny (Jesosy efa Manana ny Fanahy Masina sy efa "vita batisa") no resahina eto amin'io fotoana io):

« Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. » (Mat.4:3)
« Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). » (Mat.4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, » (Mat.4:5)
« dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Mat.4:6)
« Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Mat.4:7)
« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Matio 4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Mat.4:9)
« Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). » (Mat.4:10)

Ireo no porofo ry namana isany fa ny Fanahy Masina dia tsy mitaona ny olona hanao tsinontsinona ireo lalàna voasoratra tany aloha mihitsy fa vao maika aza mitaona ilay olona hanantanteraka sy hitandrina ilay lalàna.......

Marina tokoa fa nisy ireo lalàna izay nampianarin'i Jesosy fa tsy tokony hotandremana intsony ohatra ireo karazan-dalàna izay ateraky ny fandikan-dalàna (toy ny fitoraham-bato ny olona izay tratra nanota sns.....) sy ireo lalàna momba ny fisoronana rehetra satria ny mpisorona be teto an-tany dia efa nofoanana tsy hisy intsony (satria ny tabernakely teto an-tany efa nafindra any an-danitra) fa mpisorona be 1 vaovao sisa no misy dia i Jesosy izay mpisorona be any an-danitra any amin'ilay tabernakely vaovao tsy natao tanana....

Fa mikasika ny Sabata kosa dia notsindriny paoly manokana ao amin'ny hebreo 4 fa raha ny andro fahafito dia tena mbola misy ho an'ny olon'Andriamanitra....« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] » (1 Jao.2:6)

Efa voalaza fa ilay fampianarana tsy misy kilema hoy aho dia na nampianarin'i Jesosy , na natao tamin'i Jesosy ary tokony ho hita taratra ihany koa fa notandreman'ireo mpianatra fahiny............

Izay fa dia hanazava ny sain-tsika anie IZY ry namana isany,

Averina hatrany fa tsy fankahalana an'iza na iza, tsy fanenjehana an'iza na iza, tsy fanaratsiana an'iza na iza fa HO FAMPIANARANA, HO FIFAMPITAIZANA, HO FANITSIANA IZAY DISO araka izay voasoratra ihany......« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Mahafaly anay raha hisy ny hanetry tena hanaraka ny fahamarinana ho famonjena ny fanahiny ary koa hampitombo isa "ireo fanasina" mba ho hanasina izao tontolo izao ka ho tonga famonjena ho an'ny hafa koa....
Izahay dia tarihin'ny Fanahy Masina = zanak'Andriamanitra ka tsy manota.
Izaho anie tsy manome tsiny ny olona izay mitandrina lalàna é!
sao dia mikorontana ny fiaraha-monina, tsy ny olona marina mantsy no nanaovanaa ny lalàna, satria voasoratra mantsy ao amin'ny 1 Timoty 1/ 9-10 : Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy araka an' Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy masina sy ny olom-betaveta, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, "Ny mpivarotena, ny mpanao fahavetavetana, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò ary na inona na inona manohitra ny foto-pampianarana tsy misy kilema;"
Ka raha tsy mitandrina ny lalàna ianareo dia mety ho vao maika zava-doza bebe kokoa. sady ianareo manohitra ny fampianarana tsy misy kilema!

Galatiana 5:18 Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna. Ka raha misakana anareo eo ambanin'ny lalàna aho dia tsy mety, fa TANDREMONAREO mpanot[[b]/b]a ny lalàna é! . Aleo izahay tarihin'ny Fanahy Masina ry namana!
102. RBNIR ( 06/09/2015 18:23)
1- Raha tarihin'ny Fanahy Masina marina ny olona iray dia tokony hotanteraka ao amin'ilay olona ilay teny ao amin'ny Ezekiela « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy » (Ezek.36:27)
Mazava B io : hataony ao anaty ilay Fanahy =====> lasa mandeha araka ilay lalàny sy "mitandrina" ilay fitsipikany ilay olona ary manaraka izany.....Ilay lalàna fahiny ihany fa tsy lalàna vaovao akory

2- Inona moa no dikan'ny hoe manota?
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao.3:4)
Araka io teny io ny "ota" = fandikana ny lalàna (ilay lalàn'Andriamanitra)
Ny atao hoe manota dia izay mandika ny lalàn'Andriamanitra
Ary ny atao hoa mpanota, dia izay mpandika ny lalàn'Andriamanitra
Matoa izany ny olona iray milaza fa tsy manota izy na koa hoe tsy mpanota izy dia tokony voamariny tsara fa izy dia tsy mandika na mpandika ny lalàn'Andriamanitra....

3- Hiverenako kely ity tenin'i Jesosy ity « Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Mat.5:20)
Efa nambarako fa ny hoe manana fahamarinana mihoatra noho ny an'ny fariseo dia olona sady mahatandrina ilay lalàna any anatiny no mahatandrina izany ety ivelany satria ny fariseo hoy aho dia madio ivelany.....« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Mat.23:25)
Raha jerena ety ivelany dia "voatandrin'ny fariseo ihany ilay lalàna" nefa rehefa Andriamanitra no mijery dia hitany fa mandika ilay lalàna ao ampony ireo fariseo....
« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Mat.5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Mat.5:28)

Fa ankoatran'izay misy fahamarinana izay tsy nananan'ny fariseo koa mila ananana dia ilay "finoana an'i JEsosy....

Izany hoe raha tian'ny olona iray izany ny hotafiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia
1- Mila mahatandrina ny lalàna (na ny didy) mihoatra noho ny an'ny fariseo izy (mahatandrina hatrany anatiny fa tsy ety ivelany fotsiny) Ilay lalàna taloha iny ihany fa tsy lalàna hafa akory
2- Mila mino an'i JEsosy Izy

Tena marina v izany? Aiza ny porofo?
« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)

Tsy afa-misaraka fa tsy maintsy eo foana ny fitandremana ny didy (amin'ny endriny vaovao nampianarany JEsosy azy : ilay lalàna tsy soratanana ivelany intsony fa nosoloina soratra anatiny araka ilay fanekena vaovao ka ilay olona dia mahatandrina tsara ilay lalàna hatrany anatiny fa tsy endrika ivelany fotsiny ) sy ilay finoana an'i Jesosy....

« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)
103. Hajarilala7 ( 07/09/2015 07:03)

Hoy ny voalazanao :

< Valiny : Io mihitsy no tonga amin'ilay tenin'i Kristy hoe "efa nilaza taminareo ihany Aho fa tsy mino ianareo" Jaona 10/25-26.
Galatiana 5/ 18 : Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
1 Korint 14/ 27 : Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo. Sady efa manazava sahady ny Apokalypsy 14/ 12 ny amin'ny didin'Andriamanitra io

Hoy ianao 2- Inona moa no dikan'ny hoe manota?
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jao.3:4)
Araka io teny io ny "ota" = fandikana ny lalàna (ilay lalàn'Andriamanitra)
Ny atao hoe manota dia izay mandika ny lalàn'Andriamanitra
Ary ny atao hoa mpanota, dia izay mpandika ny lalàn'Andriamanitra

Ianareo mpandika lalàna, hoy ny Soratra Masina, no nanaovana ny lalàna fa tsy ny olona tarihin'ny Fanahy Masina Timoty 1/ 9-10 : Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy araka an' Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy masina sy ny olom-betaveta, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, "Ny mpivarotena, ny mpanao fahavetavetana, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò ary na inona na inona manohitra ny foto-pampianarana tsy misy kilema;"

Raha tsy hampitandremana ny lalàna mantsy ianareo tsy tarihin'ny Fanahy, dia mbola "GRAVE" noho izao ny faharatsiana misy eto ammin'ity tany ity, ny dahalo izao mila mitandrina ny lalàna, ary tokony hampitandremanareo ny lalàna hoe "Aza mangalatra sy aza mamono olona". Eny amoron-dalana amin'ny alina ianareo tokony mampianatra ny lalàna amin'ireny olona mivaro-tena ireny. Amin'ny olona tsy mety mivavaka ianreo no tokony mitory hoe mila miankohoka anie amin'ny andro anankiray mba sao dia mba hovonjena ihany izy. Ianareo koa izao mba efa misy andro iray mba hivavahanareo dia ny andro sabata, EFA TSARA FA TSY AMPY!!! Fa aza andro iray no tandremana hivavahana FA mivavaha mandrakariva ka tsy reraka! Raha olona tsy mifoka rongony no rarànareo tsy hifoka rongony dia hafahafa an! Raha olona tarihin'ny Fanahy Masina no asainareo mitandrina ny hoe "Aza mijangajanga" dia hafahafa an!

Hoy indray ianao : 3- Hiverenako kely ity tenin'i Jesosy ity « Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo. » (Mat.5:20)

Efa mihoatra noho ny fahamarinana'ny Fariseo sy ianareo tokoa ny fahamarinany satria, ohatra, ny an'ny Fariseo (toa anareo) dia andro iray no tandremanareo, dia ny andro sabata, fa ny anay ny Fanahy Masina no mitarika anay ka manana sabata ho an'ny fanahinay izahay amin'ny andro rehetra 7j/7, 24h/24, 365j/365, 52semaines/52. Ny anareo sy ny Fariseo 1j/7, 52j/365 , ary ny Tompo izany Fanahy izany, dia Ilay Tompon'ny Sabata! 1 Korint 3/ 17.

Hoy koa ianao : Tena marina v izany? Aiza ny porofo?
« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)

< Didin'Andriamanitra anie ny tenin'ny Soratra Masina izay nomeko anao é! 1 Korint 14/ 27 : Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.

Ianareo mantsy voafitak'ilay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka tonga mpijangajanga. Apok 2/ 20bold text : Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy.
Ahoana no ahafahana miteny fa mpijangajanga ianareo noho ilay fampianaran'ilay mpaminanivavy ( Ellen White) :
Romana 7/ 3 : Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hœ mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza."
Ianareo tsy maty akory ny fitandremanareo ny lalàna kanefa ianareo mitady ho vadin'ny lehilahy hafa dia i Kristy.
Romana 7/ 4 : Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.

Toerana aiza no nanomezana an'i Mosesy ny lalàna??? Tsy tao tendrombohitra Sinay va???
Galatiana 4/ 24 : Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany.
Ary marina izany satria izay manota dia andevon'ny ota, ary ny lalàna izay nomena tao tendrombohitra Sinay dia natao ho an'ny mpanota.

Ary Galatiana 4/ 25 : Ary* ny hœ Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany.
Dia izao isika mifamaly izao: Izaho, Fiangonana, Jerosalema, vadin'ny Zanak'ondry, Ianareo sy ny Fariseo dia Hagara.

Hoy ny Soratra Masina : « Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Rom.3:31)

Ho anay tarihin'ny Fanahy Masina dia marina io satria mampiorina tsara ny lalàna izahay, satria izay tsy vitan'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'i Jesosy Kristy tamin'ny nampidinany ny Fanahy Masina izay nahavita izay tsy vitan'ny lalàna ho fanamarinana ny olon'Andriamanitra!
104. RBNIR ( 07/09/2015 07:13)
Ato ny rohy hahafahana mijery ny momba ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao ,
http://forum.serasera.org/forum/message/m54cc29c680e1f#m54e2e835c5f81

Ao no hahafantarana tsara ny tena dikan'ny hoe "ambany lalàna" sy ny hoe ambany fahasoavana" araka ny voasotra ao anaty baiboly....
105. tealala ( 18/10/2015 19:36)
Ary ahoana ko izany mis en scène t@ le fotoan-dehibe tao aminareo izany ry RBNIR? Ilay rangahy tsy mba afaka nanao afatsy pataloha malalaka na atin akanjo malaladalaka... tampotampoka teo toa lasa nanao pataloha tery sy atin'akanjo teritery, kanefa toa vao t@ io andro io i pasitera noho nivavaka ho azy, ary izy nilaza fa vao avy nantsoin'ny vadiny tany an tokotany raha araka ny filazany nandritry ny fotoana nivavahan'i pasitera momba ny aretiny...efa tany an trano ve izy no niafy nanao akanjo manara-batana sa :D?
106. RBNIR ( 19/10/2015 06:50)
tealala:

??? : ny mahafaly aloha dia ny mandre fa hoe tonga tany ianao ry namana!!! ny mety tsy aleho v ilay olona mihitsy no resahinao mivantana izy toa eo foana ihany matetika sa?? satria otran'ny very kely aho amin'ilay fomba hanazavanao azy!!! Sady tsy misy afenina koa ange e!
107. tealala ( 19/10/2015 15:31)

RBNIR:

[quote=tealala]
??? : ny mahafaly aloha dia ny mandre fa hoe tonga tany ianao ry namana!!! ny mety tsy aleho v ilay olona mihitsy no resahinao mivantana izy toa eo foana ihany matetika sa?? satria otran'ny very kely aho amin'ilay fomba hanazavanao azy!!! Sady tsy misy afenina koa ange e!

Tena miala tsiny fa izaho tsy nandeha tany, sady tsy mahazo mihiditra ao koa za fa nisy olona mba te ahita no nisy nitaona tany kanjo zay no hitany..mbola betsaka ny olona fatatro nahita zavatra nomanin'ireo mijoro vavolombelona tao aminareo ka.
108. tealala ( 19/10/2015 16:09)

109. RBNIR ( 19/10/2015 17:22)
tealala:

Tena miala tsiny fa izaho tsy nandeha tany, sady tsy mahazo mihiditra ao koa za fa nisy olona mba te ahita no nisy nitaona tany kanjo zay no hitany..mbola betsaka ny olona fatatro nahita zavatra nomanin'ireo mijoro vavolombelona tao aminareo ka.

Ay v e? ka tsy mahagaga ahy indray izany ny fanontanianao raha izany satria kay ianao tsy tany akory fa lazan'olona no tanterinao koa...
Asaivo manontany tsara ary ilay olona e, tsy misy hafenina ange hoy aho e!
110. tealala ( 19/10/2015 18:29)

Marihiko fa io olona io nitantara io dia olona tena nitady ny marina, fa tean diso fanantenana izy noho ny tonga tany.
111. RBNIR ( 19/10/2015 18:38)
tealala:

Marihiko fa io olona io nitantara io dia olona tena nitady ny marina, fa tean diso fanantenana izy noho ny tonga tany.

Eny e, fa ilay olona fa tsy ianao (lazan'olona) fa tsy nahita maso ianao....
112. tealala ( 20/10/2015 04:46)

RBNIR:

tealala:

Marihiko fa io olona io nitantara io dia olona tena nitady ny marina, fa tean diso fanantenana izy noho ny tonga tany.

Eny e, fa ilay olona fa tsy ianao (lazan'olona) fa tsy nahita maso ianao....

ie tahaka ilay nolazain'i Pasitera hoe niresaka t@ jesoa izy..izaho anie efa nisy fotoana nanatrika batisa anareo e, maromaro izahay no voasa anatrika, fa na mino enao na tsia, tena nahita maso an le olona mijoro vavolombelona ireny mifampizara izay ho tantarainy hoe zava mahagaga nanjo azy tery amin'ny sisiny tery.. fampianarana tsy misy kilema 2000 taona ny anareo anefa feno fitaka.
113. RBNIR ( 20/10/2015 05:09)

Koa dia tandremo ary namana sao dia tafiditra tao anatin'ny fandrika nahazo an'i satana koa ianao namana:
Tonga teo anantrehan'Andriamanitra ihany saingy tsy tonga mba "hitady ny tavany tahaka ireo zanak'Andriamanitra" fa tonga mba "hizahazaha" tahaka ny fanaony fotsiny ihany....

« Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy. » (Job.1:6)
« Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny. » (Job.1:7)

Dia tanteraka tamin'i satana marina tokoa ity teny ity....

« mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). » (Mar.4:12)

IZY ANIE HANOKATRA NY MASON-TSIKA REHETRA NAMANA!!!!
114. tealala ( 20/10/2015 16:02)

Hono hoa ry namana, iza mo izany satana aminao raha tsy mahadiso?
115. tealala ( 20/10/2015 16:54)

Ny masonao anie izao no tsy misokatra eo e
116. RBNIR ( 20/10/2015 19:46)
tealala:

Ny masonao anie izao no tsy misokatra eo e

Ny mampalahelo dia ity, (raha tena tao marina ianao) nefa tsy nahita ny fahatsaran'ny Tompo fa zavatra hafa no hitanao tao???

Tahaka an'ireo olona nitady Azy ihany, saingy nampalahelo fa tsy nahatsapa ILAY FITIAVANY (Jao.3:16) fa zavatra hafa no hitany...

Porofo: aza maka alavitra fa eto ange dia misy mahavita mandalina baiboly mihitsy nefa zavatra hafa no "natao" hitany tao e!!! Lasa satana indray no tsara fa tsy IZY SNS SNS????

Izaho nefa mino fa tsy dia izay loatra fa tsy ampy (na tsy nety) ilay fomba nitadiavana Azy namana!!!

Koa ity misy torohevitra namana: « Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. » (Jer.29:13)

Amin'ny manaraka (raha mbola ho avy ianao na koa mbola hampaniraka olona hafa) dia aza variana "mizahazaha" toy ny fanaon'i satana fa "tena mikatsaha amin'ny fonao rehetra" dia ho hitanao ny fahatsaran'Andriamanitra!!!

Hitahy an-tsika anie IZY namana!!!
117. tealala ( 21/10/2015 05:09)

Aminao ary hoy aho "iza izany satana?"
118. RBNIR ( 21/10/2015 05:33)
tealala:

Aminao ary hoy aho "iza izany satana?"

satana dia anjely mpiodina tany ambony tany,
Otran'izao ny zava-misy,
Etsy ankilany Andriamanitra
Etsy andaniny satana,

Etsy ankilany ny Fanahy Masin'Andriamanitra
Etsy andalininy ny fanahy maloton'i satana,

Izay hanjakan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia handeha araka ny sitrapon'Andriamanitra,

Izay manaiky hanjakan'ny fanahy maloton'i satana kosa sia handeha araka ny sitrapon'i satana...

Izay tarihin'ny Fanahimasin'Andriamanitra dia handeha araka an'i JEsosy Kristy,

Izay manaiky tarihan'ilay fanahy maloton'i satana kosa dia tsy maintsy handeha otran'i satana ihany...

Ireto avy ny toetran'i satana : MPANDAINGA- MPAMONO OLONA - MPAMITAKA - MANANA FAHATEZERANA MIREHITRA- MPIZAHAZAHA - BE LOLOM-PO - TSY TIA NY ZANAK'ANDRIAMANITRA SY NY MPANARA-DIA AZY.....

Dia otran'izay koa ireo rehetra manaiky hiasan'ny fanahy malotony dia tsy maintsy hanana ireo toetra ireo....

Ny tanjon'ny FANAHY MASINA dia ny hahatonga ny olona iray ho tanteraka tahaka an'Andriamanitra

Ny tanjon'ny fanahy maloton'i satana kosa dia ny hahatonga ny olona iray ho faran'izay ratsy tahaka azy ihany....

KOA SAFIDY IO E!!! ANDRIAMANITRA SA satana, FANAHY MASINA sa fanahy maloto, HOTANTERAKA TAHAKA AZY sa ho faran'izay ratsy tahakan'i satana????
119. tealala ( 21/10/2015 06:32)

Izany hoe na ianao an Andriamanitra na ianao an'i satana? => misy ny fanjakan Andriamanitra dia misy ny an'i satana?
120. RBNIR ( 21/10/2015 07:32)
tealala:

Izany hoe na ianao an Andriamanitra na ianao an'i satana? => misy ny fanjakan Andriamanitra dia misy ny an'i satana?

Voalazanao namana,
Fanjakan'Andriamanitra ilay mbola ho avy (Apok.21:1,2) ary natolony ho an'ny Zanany dia i Jesosy kristy
Fanjakan'i satana kosa dia eto amin'ity izao tontolo izao ity (Lio.4:6)....« Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, » (Mat.4:8)
« dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. » (Mat.4:9)

Hanokatra ny mason-tsika hatrany anie IZY namana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1414