FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA

161. RBNIR ( 02/11/2015 08:41)
tealala:

Iza ary no nanome ny didy folo?

Andriamaintra (Ray) no nanome ny didy folo...Eksodosy 20

Ireto nisy vanim-potoana 3 :
1- Famoronana ka hatramin'i Jesosy Kristy : Andriamanitra (Ray) no niditra an-tsehatra mivantana, miseho sy mifidy izay olona tiany hitondra sy hitondra hafatra ho an'ny vahoakany,

2- Nahaterahan'i Jesosy ka hatramin'ny hazo fijaliana: Jesosy (Zanaka) indray no nanohy ny asa ary tsy nandrava ilay teo aloha fa kosa nilaza fa hanantanteraka izany...
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

3- Hajo fijaliana no mankaty : ny Fanahy Masina indray no miasa ary tsy asa afa fa fanantanterahana ilay lalàna tany aloha iny ihany....

« [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe.3:1)
« Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. » (Joe.3:2)

Ity no porofo fa ny Fanahy Masina koa dia tsy hanova fa ilay lalàna sy ilay fitsipika taloha ihany no hitondrany ny olona...
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezek.36:27)

162. tealala ( 02/11/2015 16:40)

RBNIR:

Hitanao mibaribary tsara amin'izao zavatra lazainao izao fa 3 ireo lazainao ireo :D, mety tsy ilay nanome ny didy folo akory fa tsy manaraka ny Det 5: 7 akory ianareo
163. RBNIR ( 03/11/2015 07:02)
Namana tealala 3 izay 1 = trinité....
164. RBNIR ( 03/11/2015 07:03)
« Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jao.14:9)
165. tealala ( 03/11/2015 13:44)
Telo mazava tsara mints izao io itako lazainao io, raha a taoko ny fandinihana dia very any ianareo raha hanompo ilay zanaka, ny anay manko tokana ihany dia mijanona eo, ary tsy vao 2000 taona tahaka ilay zanak'Andriamanitrareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4317