FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA

1. RBNIR ( 20/08/2015 21:13)
2000 taona lasa izay Jesosy dia tonga tety an-tany nampianatra....
Tamin'izany no nilazany fa « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Araka io teny io, ny fampianarana nampianarin'i Jesosy dia fampianarana avy tamin'i Andriamanitra mivantana...Tsy nanampiany (satria tsy nitondra ny Azy Jesosy araka io teny io, tsy nanalany ihany koa satria izay no maha tsy misy kilema azy (ny teny hoe kilemaina dia manambara olona tsy ampy kely ny tongony ilany matetika (kapila kapa hoy ny olona)....

Betsaka ankehitriny no milaza fa manana an'io fampianarana tsy misy kilema io....

Saingy izaho kosa te hanaitra ny sainao hoe amin'izao fotoana izao Iza re no azo antoka fa tena mahafantatra tsara an'io fampianaranao io e????

TSY MISY AFA-TSY JESOSY IRERY IHANY SISA NAMANA!!!!!

Koa raha misy ankehitriny milaza fa manana an'io fampianarana tsy misy kilema io nefa tsy nandray izany mivantana avy tamin'i Jesosy dia mpieboebo sy mpandainga ihany izany olona izany fa tsy manana ny tena marina akory izy......

Taloha tokoa mantsy Jesosy dia nifidy olona 12 lahy mivantana (ireo apostoly) izay nampianariny mivantana ihany koa mba hampianatra ny olona rehetra tamin'izany fotoana izany....
Voamarina hatrany araka ny baiboly fa ireo apostoly ireo dia tsy olona nanandrantena nanantona an'i Jesosy akory fa dia i Jesosy mihitsy no nanantona sy nifidy azireo (ary ny ankamaroan'izireo aza dia tsy nanampo akory izay ho lasa apostoly toy an'i petera izay mpanarato, matio izay mpamory hetra ary i paoly apostoly izay olona nanenjika Azy sy ny mpianany tamin'ny fotoan'androny)

Ary voamarina hatrany koa fa ireo 12 lahy ireo dia tsy nampianan-tena na nampianarin'olona fa Jesosy mivantana hatrany no nampianatra azireo tsy nisy mpanelanelana eny fa na dia ilay voafidy farany taty aorian'ny nahafatesan'i Jesosy aza dia i paoly apostoly Hoy tokoa mantsy i paoly apostoly hoe « Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Ankehitriny dia 1 ihany aloha raha ny eto Madagascar no azoko antoka tanteraka fa manana an'io fampianarana tsy misy kilema io (ARAHO ATO FA HO HITANAO HOE IZA.....)

Izaho tsy nahita azy nofidin'i Jesosy ary tsy nahita azy koa nampianarin'i JEsosy saingy araka ny soratra masina
« Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. » (Mat.7:20)
Ny voany no hamantarana azy....

« .......Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. » (Lio.8:11)

Ilay tenin'Andriamanitra toriany ankehitriny dia mitovy 100% amin'ny teny izay notorian'i JEsosy fahiny.....
Ny fampianarana izay ampianariny ankehitriny dia mitovy 100% amin'ny fampianarana izay nampianarin'i JEsosy fahiny....

Amiko raha tena nampianarin'i JEsosy marina izy dia tsotra tsy mampianatra zavatra hafa fa ilay fampianarana fahiny ihany no tokony ho fampianarany ankehitriny.....

Ary ny baiboly no hanamarinao izany.....

Raha nanontany an'i JEsosy ireo mpianatra ny amin'ny izay ho famantarana ny fihavian'ny farany « Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Mat.24:3)

Dia hoy i Jesosy hoe « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)

Araka io teny io dia ny hamantarana fa ho tonga marina ny farany dia hohitantsika sy horentsika hotoriana indray "ILAY FILAZAN-TSARA" notorian'i JEsosy 2000 taona lasa izay (tsy filazan-tsara hafa satria hoy i Jesosy hoe "ity filazantsara ity".......TSY INONA IZANY FA ILAY FAMPIANARANA TSY NISY KILEMA FAHINY IHANY....

EFA AKAIKY NY FOTOANA RY NAMANA ISANY KOA HO ANAO IZAY MANGETAHETA FAMONJENA MARINA SY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA ASAINA IANAO HIANATRA IZANY FAMPIANARANA IZANY MBA HAHAFANTARANAO NY MARINA REHETRA MOMBA NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA....
ARAHO ARY NY FANDAHARANA AO AMIN'NY KOLO TV ISA-MARAINA AMIN'NY 5 ORA SY SASANY KA HATRAMIN'NY 6 ORA NY ALATSINAINY KA HATRAMIN'NY ZOMA ARY HO HITANAO IHANY KOA ANY AMIN'NY FARITANY AMIN'NY ALALAN'NY CANAL SAT.....

HITAHY AN-TSIKA ANIE ANDRIAMANITRA!!!!!

novalian'i tealala ny 03/11/2015 13:44
2. rhaj0 ( 21/08/2015 01:33)
RBNIR:
... azoko antoka tanteraka ..

tsy hitanao ve ry RBNIR fa samy miteny an'io daholo izay rehetra eto..
- i Strong3 na ry Hajarilala7 ohatra, dia "azony antoka tanteraka" ny fandalinany ny ao anaty Baibl ao...
- i Bor2lais ohatra dia "azony antoka tanteraka" ny revirevin'ny 3eme etage-ny ao, na ao anaty Baibl io na tsy ao anaty Baibl...
- ny Kakolika dia "azony antoka tanteraka" ny fampianaran'i Fransoa (na ao anaty Baibl koa io na tsy ao anaty Baibl)
- ny atheista, na izaho ohatra, dia "azoko antoka tanteraka" ny fahalalan-draolombelona (TSY ao anaty Baibl) @ izao taona 2015 izao, h@ izao aloha..

Fa dia samia mandroso ny azy izany, ary samia mifaly sy mirehareha ny revireviny ao, dia ... samia mivanitika mijery ny an'ny andaniny eeee... izaho k'lou dia mivanitikabe foana eto eee...

Fa dia tohizo fa mampivanitika ho'a... :-)
3. RBNIR ( 21/08/2015 05:06)

rhaj0:

Fijoroana vavolombelona no ataoko namana adidiko izany satria nampahafantarina ny marina aho...
Iriko mba ho maro no hino izao hafatra izao....
4. tealala ( 21/08/2015 06:57)
Salama daholo isika rehetra, izaho dia sahy miteny fa diso io fampianarana io
5. Strong3 ( 21/08/2015 07:12)
ireto telo na roa ireto izao no mipoitra eto:

RBNIR # RAFIERITRERETANA # ....

ireo dia misoratena fa izy hono no ilay irak'Atra manokana ho mpitory eto amin'ity nosy ity

ary amin'ny alalany irery ihany no azahoan'ity nosy ity (sy izao tontolo izao) famonjena

KA RAHA SAMY MITOMPOTENY FATATRA IREO fa izy irery ihany, NAHOANA NO OLONA ROA SAMY HAFA???

noho izany MBA TONGA SAINA IANAREO MITENITENY FOANA IO HOE avy aminao irery ny famonjena ...

izay ilay lazaiko hoe : mandoto rano ny fitoriana eto amin'ity nosy ity ianareo fa tsy mba mitondra famonjena

midokatena tao vorondo...

« mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala an'Andriamanitra] » (Romana 1:30)
« Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy*, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3] » (2 Timoty 3:2)
« Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. » (Matio 24:5)
« Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. » (Marka 13:6)
6. RBNIR ( 21/08/2015 07:38)
Enga anie ka tsy ho isan'ny marobe ianao namana....ka tsy mba hahita ilay famonjena efa natolotra eo ampelatananao....
Efa voasoratra fa hoe « Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: » (Lio.17:26)
7. ranthson ( 21/08/2015 07:52)
Raha misy an'ireto ny fiangonana dia marina izay :
- mitandrina ny didy, lalàna ao amin'ny baiboly (tafiditra ao ny tsy fihinana biby maloto)
- mino an'i Jesosy ho A/tra, zanak'A/tra, mpamonjy anao
- Manana Fanahy Masina, misy ny hetsiky ny fanahy : fahagagana, faminaniana nefa tanteraka , teny @teny tsy fantatra, fahitana, nofy sns...)
- batisan'ny rano asitrika fa tsy atete oh amin'izao ftoana izao.
Marina izay ny fiangonanao.
8. tealala ( 21/08/2015 08:05)
Dia aiza avy izany le apostoly 11 ambiny?
9. RBNIR ( 21/08/2015 08:07)
tealala:

Dia aiza avy izany le apostoly 11 ambiny?

Efa voalaza fa misy 1 any ivelany, ny ambiny mbola mety tsy voafidy, Jesosy no mifidy Izy no mahalala namana....
10. RBNIR ( 21/08/2015 08:08)
Fa averiko hatrany raha ny eto MADAGASCAR aloha dia tsy mbola nahita ankoatran'io aho!!!
11. Strong3 ( 21/08/2015 08:11)
hahahah!!!

ka iza aminareo sy ny episkopo no tena marina eh???

samy mpampihorohoro eto hoe tompony

fa ny ahy dia fanatatro izay inoako
12. RBNIR ( 21/08/2015 08:17)

Strong3:

hahahah!!!

ka iza aminareo sy ny episkopo no tena marina eh???

samy mpampihorohoro eto hoe tompony

fa ny ahy dia fanatatro izay inoako

Fantatro tsara ny fampianaran'i episkopo (tsy ny azy irery fa efa maro no narahiko tsara alohan'ny nanapahako hevitra ) fa tsy misy mitovy amin'ilay hitako iry namana....
Tsy misy tombotsoako ny hilazana izany satria izaho tsy pasitera (ary tsy mitady ho pasitera) fa manana ny antompivelomako aho!!! Fantatro fotsiny fa izy irery no manana ny marina dia izay, ny marina marina ihany!!!!!
13. bor2lais ( 21/08/2015 08:20)
strong3:

ireto telo na roa ireto izao no mipoitra eto:

RBNIR # RAFIERITRERETANA # ....

ireo dia misoratena fa izy hono no ilay irak'Atra manokana ho mpitory eto amin'ity nosy ity

ary amin'ny alalany irery ihany no azahoan'ity nosy ity (sy izao tontolo izao) famonjena

Ary (niverina) maniry tahaka ny anana indray izy (ato amin'ity sehatra ity) tato ho ato a ! :-)
14. ranthson ( 21/08/2015 08:31)
Valio raha misy an'ireo voalazako teo ao aminareo e! sahia miteny e!
15. Strong3 ( 21/08/2015 08:33)
hitanao izay, i episkopo izany dia 0 eo imason'ny vitao ny asan'ny fahamarinana :-)

ary i vitao ny asan'ny fahamarinana dia 0 eo anatrehan'i episkopo :-)

de iza koa no mbola fiangonana miseho hotopony ato???? :-)

fa maninona moa raha mitory fotsiny dia manaiky ny fihasamihafana dia manaiky ny marina ara-baiboly ; ary izay hita fa tsy izy ao anaty fampianaran'ny baiboly dia foanana ao anaty fiangonana
indrindra izay tsy maharaka mise a jour dia mila manaraka...

ireo toetsaina miseho hotompony izay no tena olana. hoe ianareo irery no marina sy nomena fahefana hitory ... mdr :-) xptdr hihihih :-) :-) :-)
16. RBNIR ( 21/08/2015 08:37)

ranthson:

Valio raha misy an'ireo voalazako teo ao aminareo e! sahia miteny e!

Mbola tsy ampy ireo an!
« Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, » (Efe.2:19)
« natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)

Ny atao hoe apostoly dia olona iray nofidian'i Jesosy mivantana ary nampianariny mivantana ihany koa.....
17. RBNIR ( 21/08/2015 08:41)

Strong3:

hitanao izay, i episkopo izany dia 0 eo imason'ny vitao ny asan'ny fahamarinana :-)

ary i vitao ny asan'ny fahamarinana dia 0 eo anatrehan'i episkopo :-)

de iza koa no mbola fiangonana miseho hotopony ato???? :-)

fa maninona moa raha mitory fotsiny dia manaiky ny fihasamihafana dia manaiky ny marina ara-baiboly ; ary izay hita fa tsy izy ao anaty fampianaran'ny baiboly dia foanana ao anaty fiangonana
indrindra izay tsy maharaka mise a jour dia mila manaraka...

ireo toetsaina miseho hotompony izay no tena olana. hoe ianareo irery no marina sy nomena fahefana hitory ... mdr :-) xptdr hihihih :-) :-) :-)

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Efa naverimberina fa tsy fanenjehana fa ho fampianarana, fifampitaizana amin'ny fahamarinana ary koa ho fanitsiana izay diso......
Tsy lavina anefa fa mety hisy ny olona diso fandray otranao namana dia mihevitra fa fandokafantena no anton'izao...mino anefa aho fa misy hatrany ny hahatsapa ilay hafatra na dia tsy miteny aza izireo....
18. ranthson ( 21/08/2015 08:52)

RBNIR:

Strong3:

hahahah!!!

ka iza aminareo sy ny episkopo no tena marina eh???

samy mpampihorohoro eto hoe tompony

fa ny ahy dia fanatatro izay inoako

Fantatro tsara ny fampianaran'i episkopo (tsy ny azy irery fa efa maro no narahiko tsara alohan'ny nanapahako hevitra ) fa tsy misy mitovy amin'ilay hitako iry namana....
Tsy misy tombotsoako ny hilazana izany satria izaho tsy pasitera (ary tsy mitady ho pasitera) fa manana ny antompivelomako aho!!! Fantatro fotsiny fa izy irery no manana ny marina dia izay, ny marina marina ihany!!!!!

Mba te hanontany aho ry RBNIR, fantatro nareo fa mitandrina ny didy, mino an'i Jesosy, fa mba ao aminareo ko ve ny tombokase dia ny Fanahy Masina? misy batisan'ny Fanahy Masina ve ao aminareo araky ny voateny ao @ Matio 3:11 Jesosy hanao batisan'i Fanahy Masina? raha misy inona ny porofo?
19. RBNIR ( 21/08/2015 08:59)

Izay voalaza ao amin'ny baiboly dia misy ao namana!!!!! Araka ny nampianaran'i Jesosy azy fahiny fa tsy araka ny fampianarana ankehitriny....
20. RBNIR ( 21/08/2015 09:04)
>>>rantson tsy tiako ny miady hevitra amin'ny resaka Fanahy Masina eto noho ity teny ity « fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Mar.3:29)
fa raha mety aminao mba harao ilay fandaharana fa hohitanao ao ny MARINA rehetra e!
Izaho mino fa hohitanao ao ilay tianao anontaniana ery ambony (satria hitako sy tsapako fa avy amin'ilay marina tokoa ianao raha araka ilay fomba firesakao ery ambony namana....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1874