FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA

141. RBNIR ( 02/11/2015 05:05)
Namana tealala,
Porofo tamin'ny TT?
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isa.7:14)

Angamba ataoko fa mbola tsy nisy virijiny (tsy niray tamin'ny lehilahy) nefa nanana anaka namana!!!
142. tealala ( 02/11/2015 05:10)

RBNIR:

Namana tealala,
Porofo tamin'ny TT?
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isa.7:14)

Angamba ataoko fa mbola tsy nisy virijiny (tsy niray tamin'ny lehilahy) nefa nanana anaka namana!!!

Misaotra namaly, ny TT mo zany dia azo atao ihany hoe dikatenin'ny Torah, fa indrisy efa "falcifié" be, ao am Torah izy alma=jeune fille, or ny jeune fille tsy oe tsy maintsy virijiny.
143. RBNIR ( 02/11/2015 05:56)
tealala:

Misaotra namaly, ny TT mo zany dia azo atao ihany hoe dikatenin'ny Torah, fa indrisy efa "falcifié" be, ao am Torah izy alma=jeune fille, or ny jeune fille tsy oe tsy maintsy virijiny.

Ianao mahafantatra tsara fa fahavatavetana eo amin'ny jiosy ny jeune fille manao firaisana alohan'ny fotoana fanambadiany......
144. RBNIR ( 02/11/2015 05:58)
Noho izany raha miresaka jeune fille Andriamanitra dia mazava ho azy, fa tovovavy "madio" no ao an-tsainy fa tsy hafa akory....
145. tealala ( 02/11/2015 05:59)
Dia taranak'iza izany ilay Messi raha toa ka tsy taranak'i Davida ny rainy fa ny fanahy masina?
146. RBNIR ( 02/11/2015 06:12)
tealala:

Dia taranak'iza izany ilay Messi raha toa ka tsy taranak'i Davida ny rainy fa ny fanahy masina?

Izay no nifidianan'Andriamanitra an'i Josefa mba hahatanteraka ny soratra masina....
« [Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy] Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama. » (Matio 1:1)
« Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy; » (Matio 1:2)
« ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama*; » (Matio 1:3)
« ary Rama* niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; [*Gr. Arama] » (Matio 1:4)
« ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese; » (Matio 1:5)
« ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria; » (Matio 1:6)
« ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa*; [*Gr. Asafa] » (Matio 1:7)
« ary Asa* niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia; [*Gr. Asafa] » (Matio 1:8)
« ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia; » (Matio 1:9)
« ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona*; ary Amona* niteraka an'i Josia; [*Gr. Amosa] » (Matio 1:10)
« ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona. » (Matio 1:11)
« Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela*; ary Sealtiela* niteraka an'i Zerobabela; [*Gr. Salatiela] » (Matio 1:12)
« ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora; » (Matio 1:13)
« ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda; » (Matio 1:14)
« ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba; » (Matio 1:15)
« ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy. » (Matio 1:16)

Eo imason'ny "tsy mpino" dia zanak'i Josefa foana ihany i Jesosy, fa izay rehetra "mino" kosa dia efa nampahafantarina azireo ny tena marina...

Porofo « Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra? » (Jao.6:42)

147. tealala ( 02/11/2015 06:29)
Omeko rohy ianao dia mba vakio : http://www.aish.fr/print/?contentID=158387155§ion=/israel/monde_juif
148. RBNIR ( 02/11/2015 06:50)
Namana, tealala, dia tena mampalahelo marina tokoa fa dia natao ho jamba ireo olona tsy nino Azy (Jesosy) ireo....
Ny olona rehetra tsy nino dia niandrandra zavatra hotanteraka tety an-tany...Nefa hoy IZY (Jesosy)....« Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jao.18:36)
149. tealala ( 02/11/2015 06:54)
ahoana mo no mahajamba anay raha izany? Izahay anie ka mino Andriamanitra tokana fa tsy 3 e
150. tealala ( 02/11/2015 06:59)
Izao ary no anontaniko anao, Ijesosy ve zanak'Andriamanitra?
151. RBNIR ( 02/11/2015 07:02)
tealala:

ahoana mo no mahajamba anay raha izany? Izahay anie ka mino Andriamanitra tokana fa tsy 3 e

Satria nandalo teo aminy (nareo) ilay fahasoavana fa tsy fantatrareo nefa ianao (ianareo) no nahatongavany, « Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. » (Jao.1:11)

« mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). » (Mar.4:12)

Mampalahelo anie izany e!!!

Nolaviny (nareo) ilay vato nefa iny no ilay efa natao fehizoro...

« Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; » (Marka 12:10)
« Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro? (Sal. 118. 22). » (Lioka 20:17)
152. tealala ( 02/11/2015 07:06)
Izao ary no anontaniko anao, Ijesosy ve zanak'Andriamanitra?
153. RBNIR ( 02/11/2015 07:23)
tealala:

Izao ary no anontaniko anao, Ijesosy ve zanak'Andriamanitra?

Voalazanao namana, ary tsy izaho no niteny an'izay fa ny Rainy....
« Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako. » (Mat.3:17)

Ary Izy (Jesosy) kosa dia nanamafy izany ihany koa...
« Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy. » (Lio.22:70)
154. tealala ( 02/11/2015 07:31)
Dia iza ary no anaran'io Rainy io?
155. RBNIR ( 02/11/2015 07:36)
« Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? » (Eks.3:13)

Dia izay nasainy naviny Mosesy no avaliko aminao namana....

« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. .... » (Eks.3:14)
156. Tealala ( 02/11/2015 07:44)
Marina izany, dia ao ve misy hoe sady zanako aho no izaho?
157. Tealala ( 02/11/2015 07:46)
Io valiteninao io anie ka valiteny Jiosy e, izay tsy mino izany jesosy izany e, milaza ianao porofo ao amin TT fa niteny izy hoe manan'janaka aho.
158. RBNIR ( 02/11/2015 07:47)
Tealala:

Marina izany, dia ao ve misy hoe sady zanako aho no izaho?

Ny olana dia hoe Marina tokoa v fa azo ivavahana i Jesosy? dia efa nentiko teto ny porofo rehetra namana fa tena azo atao tsara satria ilay teny hoe Izaho ihany (ao amin'ny didy voalohany) dia tsy IZA akory fa...RAY=Zanaka=Fanahy Masina....
159. tealala ( 02/11/2015 07:53)
Iza ary no nanome ny didy folo?
160. RBNIR ( 02/11/2015 08:01)
Tealala:

Io valiteninao io anie ka valiteny Jiosy e, izay tsy mino izany jesosy izany e, milaza ianao porofo ao amin TT fa niteny izy hoe manan'janaka aho.

Tany ampiandohana dia efa niteny izy hoe : « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; .....» (Genesisy 1:26)

1- Mpamorona = Andriamanitra = tsy 1 fa maro satria hoy ny teny hoe "isika"
2- Ilay endrika dia tsy endrika ho an'ny Andriamanitra tokana fa Andriamanitra maromaro,
3- Ilay tarehy dia tsy tarehin'Andriamanitra tokana fa tarehin'Andriamanitra maromaro...

Iza ary io nitovy endrika tamin'Andriamanitra io??
« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Fil.2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Fil.2:6)

Ary ity no manamafy tena teo IZY raha niteny Andriamanitra hoe "andeha isika"
Hoy Jesosy « Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. » (Jao.8:58)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3713