Ny baiboly: Ilay boky nampisara-bazana ny kristianina
101. soanja
(
04/09/2009 05:58)
Mandefitra:
Romana 9 : 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
Ka moa va tsy mampatsiahy ilay Andriamanitra dradradraina matetika eto izany resaka izany hoe hisy ny hovonjena ary hisy ny haringana. Raha handringana ianao dia notsinotsinoavinao ireo olona haringanao amiko.... Ny tiany tsy mba haringana.
Ilay Andriamanitra hinoako kosa dia tsy handringana velively ary hizara Fitiavana lalandava amin'ireo izay namboariny sy novolavolaina hatramin'izay nisian'ny tontolo rehetra.
102. soanja
(
04/09/2009 06:04)
ni81:
Dia inona fotsiny izany no dikan'ilay fanekem-pinoana atao iny manao hoe: "avy any no hiaviany indray, hitsara ny velona sy ny maty"?
sy ny hoe: Apokalypsy 1:7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
Mbola misy tsimpona be dia be azo atao ao fa aleo aloha ireo ihany no ambara.
Tsy manana fiekem-pinoana aho aloha hatramin'ny nifohazako tao anaty torimaso maharevo.
Raha izaho no hi-interpreter io kitsipona nomenao io dia hiteny aho hoe " Hisy masom-panahy hifoha ka ahita ny famirapiratan' Andriamanitra ka na izay niaina na tao anaty ny fahalemen'ny nofo aza dia hahatsiaro sy hahatsapa fa mandrakizay tokoa ny fitiavan'Andriamanitra antsika." Amen.
103. ari.malala
(
04/09/2009 06:13)
razakarivola:It's none of your business.
3- Inoanao ve izany tenin'ny Baiboly izany ?
104. ari.malala
(
04/09/2009 06:18)
rzakarivola:
ari.malala:
Ny tena hitako olana d zao, maka verset 1 na 2 ao @ boky 1, d iny no interprété na araka izay mahametimety ny saina eo, d mody anaovana fanoharana mitovitovy cas @ iny d lasa amizay mandresy lahatra ny hafa fa hoe izay tokoa no nolazain'ny Fanahy Masina sns, d tonga amizay koa ny hevitra hanaratsiana izay tsy mitovy firehana @ tena...
==> hitako fa ireo lazainao mpaka versets 1 na 2 ao @ boky ireo dia olona tsy mitovy firehana aminao. Sa mitovy ?
Aminao, ahoana concrètement ny fiasan'izany Fanahy Masina izany ? Ahoana no anekena fa ny tenin'ny olona iray dia avy @ Fanahy Masina ary ny an'ny anakiray dia tsia ?
ari.malala:
d refa tratran'ny fanontaniana manohintohina d mandrahona hoe manohitra an'Andriamanitra
==> Mety ho fanoherana an' Andriamanitra ve ny fakàna ny toeran' Andriamanitra ry ari.malala sa tsia ?
Izaho matetika dia voalaza fa maka ny toeran' Andriamanitra
ari.malala:
nefa ilay Jesoa toriana ao anatin'ilay baibioly malaza fa 'Fitiavana', nampianatra ary nandidy akory aza hoe 'Mifankatiava'
==> Araka ilay voalazan'i Jesoa, voasoratra ao anaty Baiboly io :
1- Iza no tokony hifankatia araka ilay Didy ?
2- Fitiavana toy ny ahoana no ifankatiavana ?
3- Inoanao ve izany tenin'ny Baiboly izany ?
tsara mintsy refa mahatsapa tena d tsarovy tsara fa olombelona enao, créature namboarin'Andriamanitra fa tsy Andriamanitra akory ka hiseho hitsaratsara sy hahay haminany zay eritreretin'ny olona, ny ahy en particlier.
105. ni81
(
04/09/2009 06:19)
Tsy manana fiekem-pinoana aho aloha hatramin'ny nifohazako tao anaty torimaso maharevo.Ianao moa izany tsy mino ka tsy ho anao ity tsimpona ity:
16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha;
17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
106. soanja
(
04/09/2009 06:42)

Mino aho fa misy Andriamanitra ka. Fa hiaiky kosa hoe ny hevitry ny hafa no hahatonga ahy hino dia marina izany. Tsy hisy ny fanekem-pinoana zary tsianjery eo ambavako fa tsy ao ampoko no sady tsy fantatro na hitranga na tsia. Ny Androany ihany no fantatro ny ahy izay androany mandrakizay!
Ny fananana an'Andriamanitra anie Ni81 tsapa ao anaty e. Na tsy misy aza boky manoro sy ny hafa hanoro dia Andriamanitra afaka mifandray aminao direkta tsy misy elanelana. Io fifandraisana io afaka amin'ny alalan'ny hira, natiora, aingam-panahy, arts sns... Io no tsapan'i Abrahama sy ny hafa tamin'izany fotoana taloha elabe tsy nisy ny soratra. Nahoana isika no tsy hahatsapa an'Andriamanitra toy ireo hafa?
Zah tsy miteny mihitsy hoe tsy mamely ny tenin'Andriamanitra. N'inona n'inona soratana momba an'Andriamanitra ka mitory fitiavana dia ekeko avokoa na avy amin'ny baiboly, Coran sy ny hafa maro. Ny ankoatr'izay tokoa raha hiresaka fandringana sy fanilikiliana ny hafa dia taimboraka tokoa eo anatrehako.
107. Mandefitra
(
04/09/2009 06:53)
Vakio ny Lioka 12 ... http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Lioka&Toko=12
Fampianaran 'i Kristy no ao raha tahiny ka milaza tena ho Kristianina ianao ...
santionany kely :
4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.

108. soanja
(
04/09/2009 07:04)

Mino aho Mandefitra fa ny mahaXtianina ny tenako sy ianao aloha mety tsy hitovy. Izay no anekeko ny resak'i Rakapy momba ity lohahevitra ity.
Efa voavakiko ny baiboly ary efa nianarako akaiky. Milaza aminao aho fa tiako io boky io na tsy lafatra aza saingy tsy ampy hanovozako ny firesahako amin'Andriamanitra sy hahafantarako an'Andriamanitra. Misy filazan'i Cutie azy izay eto hoe" God is too big to fit in one religion" angamba izy izay raha tsy diso aho. Mpampianatra i Jesoa, Andriamanitra Izy ary efa lasana. Efa ny Fanahy no eto amintsika. Io no mamelona antsika. Ho avy ny andro hihaona aminy isika any an-danitra. Amiko Universe io lanitra io.
Tsy vonona hamaky resa-kelo aloha aho azafady fa dia mirary anao hahazo torimaso sambatra raha hatory ary raha atoandro any aminareo dia manana andro tony.
Homba antsika lalandava anie ny Tompo!
109. ari.malala
(
04/09/2009 07:19)
Soanja:Miombon-kevitra tanteraka! ary tsy azon'izan'iza itsabahana ny fifandraisan'ny olona 1 @ Andriamanitra
Ny fananana an'Andriamanitra anie tsapa ao anaty e. Na tsy misy aza boky manoro sy ny hafa hanoro dia Andriamanitra afaka mifandray aminao direkta tsy misy elanelana
110. ni81
(
04/09/2009 07:24)
Mino aho fa misy Andriamanitra ka. Fa hiaiky kosa hoe ny hevitry ny hafa no hahatonga ahy hino dia marina izany. Tsy hisy ny fanekem-pinoana zary tsianjery eo ambavako fa tsy ao ampoko no sady tsy fantatro na hitranga na tsia. Ny Androany ihany no fantatro ny ahy izay androany mandrakizayFa ilay fiverenan'ny zanany izany no tsy inoanao?
111. rzakarivola
(
04/09/2009 07:47)
soanja:
Tsy mampamono ny hafa ny hafa na mandringana ny Fitiavan'Andriamanitra antsika na eto an-tany izany na any an-danitra tsy fantatra any. Io no inoako na hiorika na hivalana ianao Razaka...
==>
Raha izao teninao izao dia na dia moka aza tsy vonoinao, tsy mampiasa odimoka ianao, tsy mampiasa lay ianao hanakana ireo moka @ fifaliana kely mba azony @ fitsentsefana ny ran'ny olona, tsy mihinana hena koa ianao izany satria izy ireny dia manana aina no novonoina, fa raha mihinana ianao dia efa miombona @ mpamono. Raha toa ka marary ny tenanao (ohatra hoe tazo), dia tsy hitsabo tena ianao, fa hihinana fampitonena aretina an-doha fotsiny, satria ny microba mahatonga ny tazo ao anatinao dia mba manana aina ihany koa ka tsy tokony haringana.
Hajaiko ny finoanao ry namana, saingy azoko antoka fa raha tahaka izany fihevitrao izany ilay Andriamanitra dia efa tsy nisy na inona na inona tavela intsony mihitsy na kely aza, fa ny ratsy tanteraka no nanjaka.
Tsy fantatro ianao na manan-janaka na tsia, fa ny vadiko aloha dia onena mahita ny fijalian'ny zanako kely lanin'ny parasy, ka na iaretany tory aza ikaroahana ireny tsirairay ary izay azony dia vonoiny. Nefa ilay Andriamanitra inoako dia mihoatra lavitra noho iznay ny fitiavaNy sy ny fahaizaNy, ary tsy fantatro ny fiheviNy raha tsy tao amin' i Jesoa.
112. ravonjison
(
04/09/2009 09:01)
Misy hevitra somary misavoamboana hafahafa izany ato ka manahirana no manao ilay ady hevitra.
Aleo aloha mitazana.
Aleo aloha mitazana.
113. ni81
(
04/09/2009 10:44)
Mino aho Mandefitra fa ny mahaXtianina ny tenako sy ianao aloha mety tsy hitovy. Izay no anekeko ny resak'i Rakapy momba ity lohahevitra ity.:roll: fa ny kristiana ve tsy mpanara-dia an'i Kristy e? Dia ny lalany no ezahina hizorana!
114. fidinirina
(
04/09/2009 10:48)
rakapy:
Ny zavatra hita maso sy tsapa, na dia eto @ serasera fotsiny aza dia azo tsapain-tanana fa mizarazara sy mifanipaka fijery ny xana ny momba ny voalaza ao @ baiboly.
Na handa ianao na hanaiky dia zava-misy hita maso sy azo tsapain-tanana io!
Io [rakapy] ilay mandeha @ fahitana fotsiny, tsy mandeha @ finoana. Ny fomba fijery mankany @ ratsy sy ny forongoniny foana, lany andro manome tsiny sy mitsikera ny hafa (Xana) eo. Mba zarao sy ento izay heverinao fampianarana marina ankoatry ny baiboly hokianina e!
Amiko ny mbola asan'ny devoly foana ny mampikorontana ny olona ary ekena fa tsy izay rehetra manonona hoe kristianina dia izy avokoa. Ny devoly aza mety ahasahy hiteny an'izany. Fa azafaday fa tsy midika koa izany hoe tsy misy mihitsy ny tena Krisitiana Mpino sy Manaiky ny Baiboly hatra@ farany.
Efa nisy nosoratako indray mandeha tany hoe : ianao tsy mahita an'ireo fiangonana mitombo be dia be sy olona mandray baiboly maro be ireo dia ianao irery no mahita fa mampisara-bazana ny baiboly. Ianao no tsy mino dia ny hafa no omen-tsiny.
115. cutie
(
04/09/2009 12:59)
Ianao no tsy mino dia ny hafa no omen-tsiny.
tsy mino ny baiboly ve zany??/ i Rakapy toa mino an'Atra koa, sa tsy zany ry Rakapy??? :wink:
116. cutie
(
04/09/2009 13:00)
Mpandefa : ravonjison [ Valio ] 04-09-2009 11:01:30
Lohateny : Re : Ny baiboly: Ilay boky nampisara-bazana ny kristianina
Misy hevitra somary misavoamboana hafahafa izany ato ka manahirana no manao ilay ady hevitra.
Aleo aloha mitazana.
hita fa misavoritaka mitsy izy ato fa za koa alou hamaky fotsiny de mitsimpona ze azoko tsimpoinina eny ihany :-D :-D :-D
117. soanja
(
04/09/2009 13:15)
ni81:
Mino aho fa misy Andriamanitra ka. Fa hiaiky kosa hoe ny hevitry ny hafa no hahatonga ahy hino dia marina izany. Tsy hisy ny fanekem-pinoana zary tsianjery eo ambavako fa tsy ao ampoko no sady tsy fantatro na hitranga na tsia. Ny Androany ihany no fantatro ny ahy izay androany mandrakizayFa ilay fiverenan'ny zanany izany no tsy inoanao?
i Jesoa amiko dia efa lasana. Ny Fanahin'Andriamanitra no indro mitoetra eto amintsika, izay narotsany avy any tamin'ny Pantekoty ary mahatonga antsika miombona sy miaina Fitiavana mihoatra lavitra tamin'ny Fitiavana tsapan'ny olona talohan'ny nahafatesany. Io Fanahin'Andriamanitra io no niverina efa eto amintsika. Io dia Fanahy Mpampiombona/ Masina no anarany. Mirotsaka ao aminao rehefa misokatra ny masom-panahinao handray azy sy hino azy. Rehefa izany no mitranga dia tsy hisy intsony ny fiandrasana fa efa "ampoka" ianao.
Na androany na rahampitso na oviana ianao no hofaty dia efa vonona satria ny Fanahy Izay mampiray anao amin'ny rehetra dia tsy mety maty ary hanana fitoniana mandrakizay!
118. ni81
(
04/09/2009 13:19)
Na androany na rahampitso na oviana ianao no hofaty dia efa vonona satria ny Fanahy Izay mampiray anao amin'ny rehetra dia tsy mety maty ary hanana fitoniana mandrakizay!ka tsy hoe rehefa maty ianao no voalazan'ny Baiboly ka! Misy maty hatsangana, ary misy ny velona hovàna
119. soanja
(
04/09/2009 13:43)
rzakarivola:
soanja:
Tsy mampamono ny hafa ny hafa na mandringana ny Fitiavan'Andriamanitra antsika na eto an-tany izany na any an-danitra tsy fantatra any. Io no inoako na hiorika na hivalana ianao Razaka...
==>
Raha izao teninao izao dia na dia moka aza tsy vonoinao, tsy mampiasa odimoka ianao, tsy mampiasa lay ianao hanakana ireo moka @ fifaliana kely mba azony @ fitsentsefana ny ran'ny olona, tsy mihinana hena koa ianao izany satria izy ireny dia manana aina no novonoina, fa raha mihinana ianao dia efa miombona @ mpamono. Raha toa ka marary ny tenanao (ohatra hoe tazo), dia tsy hitsabo tena ianao, fa hihinana fampitonena aretina an-doha fotsiny, satria ny microba mahatonga ny tazo ao anatinao dia mba manana aina ihany koa ka tsy tokony haringana.
Hajaiko ny finoanao ry namana, saingy azoko antoka fa raha tahaka izany fihevitrao izany ilay Andriamanitra dia efa tsy nisy na inona na inona tavela intsony mihitsy na kely aza, fa ny ratsy tanteraka no nanjaka.
Tsy fantatro ianao na manan-janaka na tsia, fa ny vadiko aloha dia onena mahita ny fijalian'ny zanako kely lanin'ny parasy, ka na iaretany tory aza ikaroahana ireny tsirairay ary izay azony dia vonoiny. Nefa ilay Andriamanitra inoako dia mihoatra lavitra noho iznay ny fitiavaNy sy ny fahaizaNy, ary tsy fantatro ny fiheviNy raha tsy tao amin' i Jesoa.
Efa be no resahiko momba ireto zavatra teneninao ireto saingy aleo fintiniko.
Eny, Fitiavan'Andriamanitra antsika dia tsy amintsika olombelona irery no mihanaka fa amin'ny zavatra rehetra namboariny na miaina na tsy miaina. Adidintsika olombelona nomeny ny saina ny miezaka mikajy izany araka ny nanamboarany azy sy ireo izay azontsika ampiasaina mba hamelomana sy hanampiantsika ny aintsika tsy harary na simba. Fahatsapna ny atonona sy ampy dia isan'ny Fitiavana izany. Tsy mpandova ny tany tamin'ny razana isika mpindrana ny tany amin'ireo taranaka hifandimby eo. Tsinjovy ny ho avy.
- Ny aretina dia azo arovana tsy hitranga matetika raha ohatra ka koloinao ny vatanao ary kajianao ny fahasalamana. Raha io fikajiana io no resahina dia efa ampianarina antsika any am-pianarana tany amin'ny CM1 angamba Fiarovana ny Fahasalamana dia ny atao hiarovana amin'ny moka tsy hanatody manakaiky ny tranonao. Esorina ny lobolobo sy ny honahona ary ezahina diovina ny manodidina. Mampaisa lay. Efa betsaka izao ny fanafody azo ahosotra amin'ny tena rehefa mankany an'ala ianao mba tsy hanekeran'ny moka na biby hafa anao.
-Raha ny resaka hena indray dia aza araraotina ny biby. Hano izay ilainao ihany ary aza ampijaliana izay velona. Aoka ny dia ho biby dia, hiriaria fa ny nokoloinao na ny hafa no niompy azy hamelomana anao no hano. Miasa mafy mba afaka hanao izany ianao hikajiana ny aina. Izay ho vonoinao sy efa maty ary masaka ka hohaninao dia isaory Andriamanitra namela azy hampiasainao hanome hery anao hiasa indray hanasoavana ny tenanao sy ny hafa. Efa betsaka ny fahalalana omena amin'ny boky sy ny isan-karzany momba ny fampiasana ny zavamisy eto ambonin'ny tany ilainao ho anao nefa tsy atao mihoatra mba tsy hanimba. Raha hihinan-kena ianao dia ny indray tanana mivonkina-totohondry iray dia ampy indray andro ho anao, izay ihany miankina amin'ny taona sy hangeza.
- Rehefa marary dia mitsabo ary raha azo atao dia fanafody voajanahary no ezahana ampiasaina aloha. Rehefa hita fa tsy mahasitrana dia izay vao mampiasa ny ara-tsimika, Izay vokatry ny fahaizan'olombelona izay fahasoavana avy amin'Andriamanitra avokoa.
Fahalalana ny onona no fianarana fahendrena goavana indrindra atolotra ny zanaka raha mitaiza.
- Ny hoe hamono biby na moka aza aloha dia tsy matiko. Ny miaro ny tenako no ataoko. Tsy hamono biby eo imason-jaza aho fa adidiko ny mikarakara ny zanako tsy ho lanin'ny biby. Arovy ny tenanao sy ny hafa!
I Jesoa no filamatro amin'ny fiainana. Saingy ny voalaza momba azy kosa dia sivaniko satria misy ny tsy mitombina ary misy ny mitombina. Izay mitombina izay dia TSAPAKO isanandro iainako. Modely tsara arahina ny fiainan'ny Jesoa. Ny teny nivoaka ny vavany momba ny Fahasambarana sy ny Fitiavana. Raha ireo no arako dia milamina aho. Tsy mitaky zavatra hafa. Ampy ahy ny Fitiavany.
Aza manahy ny amiko fa raha hitory teny ianareo, izay isaorako an'Andriamanitra ny fisianareo, dia faly aho raha any ankafa. Ny tenin'i Jesoa dia nitory Fitiavana tanteraka. Io no aparitaho eran'io ary isika no ho modely voalohany amin'izany. Rehefa feno ny Fitiavana eto an-tany raha hisy izay dia ho tony ny tany. Tsy hisy ny tomany sy fijaliana ao anaty izay manimba tokoa ny fanahy maro mivenjika tsy manana toerana hialofana.
120. soanja
(
04/09/2009 13:49)
ni81:
Na androany na rahampitso na oviana ianao no hofaty dia efa vonona satria ny Fanahy Izay mampiray anao amin'ny rehetra dia tsy mety maty ary hanana fitoniana mandrakizay!ka tsy hoe rehefa maty ianao no voalazan'ny Baiboly ka! Misy maty hatsangana, ary misy ny velona hovàna
Dia hisy ireo haringana hoy ny baiboly sa tsy izay?..... ireo nanao ratsy....