Ny baiboly: Ilay boky nampisara-bazana ny kristianina

81. ari.malala ( 03/09/2009 13:39)
waking up is unpleasant hoy ilay olomasina izay
d'accord 100% @nao zà fa ts midika izany hoe traiteo de tous les noms ny olona, na ambanio hoe béte na ts haiko e! raha hita fa mivily lalana ilay olona (raha izay tokoa ny cas) d ts ny fandetehanao anazy akory no hampitraka anazy ndray, fa ny fisintonanao anazy hiverina am lala-mahitsy, saingy raha mivatravatra enao mitarika anazy vao maika izy handositra fa ts hanatona anao eo. Zay mints no hitako blem ny mpitarika katolika, ny ankabeazany tsy mba manao teny manitona fa mivatravatra sy masika vel! d refaveo amizay ny kristianina katolika ts mahazaka ilay teny mahery mifindra lasy any @ izay mahay manambitamby anazy d arahina vava be! nefa ny nataon'iza! mandiniha tena kely fa tena ts lasa! ts vao androany ah no nanao io fanamarihana io an, tsy in 1 ts in2 fa efa imbetsaka!
82. rzakarivola ( 03/09/2009 13:40)
ikaretsaka:
ka tsy tsimpona ao amin'ny baiboly ve no mody ampiasaina rehefa iny izy fa hisaraka? mody hoe 'Jesoa no torianay' io foana no tsimponina...

==> Ilay resaka Md. Joany io ve izany no tsy itovizanao hevitra @i RijaDolly sy ny hafa mitovy hevitra aminy?

ikaretsaka:
Ny zavatra feno sy lafatra izany dia parfait.. tsy anapiana izany ary tsy analana ,

==> Raha azoko tsara, ny antony hitadiavanao fanampiny @ Baiboly sy itelemanao zvt sasantsasany voasoratra ao dia satria tsy lafatra izy io ? Raha izaho no teo @ toeranao dia tsy ho nitombina ny finoako, ary efa teo tokoa aho. Fa isaorako an' Andriamanitra fa izaho dia izaho no nandre an'i Jesoa Kristy namaly ny fanontaniako, koa tsy misy antony tsy hinoako azy intsony, araka izay anambaran'ny Baiboly Azy.

ikaretsaka:
za tsy mino hoe soratra de maha voafehy izany satria Atra tsy azo fehezina. mbola misy ny tohiny matoa izy (Md Joany) niaiky hoe mbola bedebe lavitra... fa anjaranao no mitady ... izay no invitation nataony sy nisintonany hatr@ nanoratany ny Evanjeliny sy izay nosoratany rehetra na pistily izany na pokalipsa na ireo maro be tsy nalain'i Md Augustin sy i Md Jerome ka narafiny ho ao anaty baiboly.. ka nahatonga azy tsy ho hitanao!

==> Indraindray tsara ihany ilay manao copier/coller satria misy sombiny hitako voasoratra ao io teneninao io ary misy sombiny tsy hitako ao mihitsy, misy @izay voasoratr'i Md. Joany (na ny sekreterany ngamba) ihany koa tsy voapetraka eto, hainao ihany le efa teneninao iny e : samatsamahana d ampiana d analana d ...
Fa mamelà ahy ianao hanao ity fanamarihana ity, tsikaritro anio fa matetika ianao no milaza hoe "misy antony ao" ... izany no antsoiko hoe finoana, ary raha fantatrao mihitsy ilay antony, ary azonao antoka, dia tsy an-jambany ilay finoana. Raha tsy diso aho eto dia hoy ny Apostoly Jaona : "fa nosoratana izao mba hinoanareo (hitohizan'ny finoanareo)", raha ny fandraisako izany tenin'ny Md. Joany izany dia ts ilay fanoratana akory no zava-dehibe, fa ilay finoana ho voatazona. Asa, mety ho diso araka ny finoan'ny maro izany, saingy ny tenin'i Jesoa no fantatro sy ekeko, satria Izy no reko
83. rzakarivola ( 03/09/2009 13:42)
ikaretsaka:

zay ry cutie de sarotra @ "freako rite wing " an.. mitady kil aza izy hanakona ny "vay" fa tsy hihaiky mihitsy hoe ok...misy vay io

==> Mitady ravin'aviavy hanakonana ny fahamenarana ?
84. rzakarivola ( 03/09/2009 14:04)
soanja:
Tsy inoako hoe ity Andriamanitra voalaza manaraka ireto ilay Andriamanitra tompoiko. TSY EKEKO NY FAMONOANA INDRINDRA NY TSY MANANTSINY NY FAMALIANA FATY NY HAFA. GOAVANA NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA FA TSY MIFIKITRA AMIN'NY ZAVATRY NY TANY FOTSINY.

==> Somary tsy azoko tsara ilay teninao. Ilay Andriamanitra inoanao dia
1- tsy mpamono olona
2- tsy mifikitra @ zavatry ny tany fotsiny
izay ve? Raha izay mantsy dia tsy hitako mihitsy ny olanao ny @ resaka nalavo t@ sabatra, ianao ihany no mpiteny fa ny nofo dia fitafian'ny fanahy fotsiny eto an-tany. Tsy famonoan' olona mihitsy araka ilay eritreretinao izany ilay voalazan'ny baiboly hoe "vonoy, aringano".

soanja:
Ilay Andriamanitra hinoako dia Andriamanitra Fitiavana. Tsy lafatra ny baiboly satria afaka manasaratsaraka antsika olombelona noho izy nosoratan' olombelona mitovy amintsika ihany,

==> Raha fitiavana araka ny teninao ilay Andriamanitra inoanao, kanefa dia mbola misy ihany ireny soratra heverinao fa mamitaka ireny, dia roa ihany no possibilité (misy hafa ve ?), na :
1- Tsy manana hery sy fahefana hanao izay sitrapoNy ilay Andriamanitra io, tsy mahasakana na dia kely aza izay tian'ny olombelona atao, na
2- Manana hery tsy takatra sy ambony indrindra Izy, saingy tena tafiditra ao anatin'ny fitiavaNy daholo ireny zava-mitranga ireny, ny Soratra mipetraka ihany koa, sy ny fisian'ny fitaka rehetra, na iza manao izany na iza.
Ka iza amin'ireo no heverinao fa marina, sa misy possibilité hafa ?


soanja:
izay tia tokoa an'Andriamanitra tiaviko saingy tsy nahalala hoe ny fomba ilazany izany amin'ny namany.

==> Tsy azoko ity.

[center]Ny famonoana olona ao amin'ny baiboly
[/center]
1- Isaia 13:15-18 : avy @ mpanafika
==> azonao antoka ve ny famaritan'ny Baiboly ny hoe famonoana olona teo @ io contexte iray io ? Ampitahao @ famaritanao ny atao hoe "famonoana olona"

2- I SAMOELA 15:2-3 : ny amalekita
==> Moa ve tsy fanehoan' Andriamanitra indrindra eto fa izay nofidiaNy ho ZanaNy, navotaNy avy t@ fanandevozana, dia tiaNy, ka andringanaNy ny ratsy rehetra mba hahavelona azy ireo ?

3- EKSAODOSY 32:26-29 : ny fandringanana ny ao @ toby
==> Rehefa nisy faharatrana ny tananao, andro vitsy taty aoriana nivonto sy namoro-nana ilay izy, moa ve havelanao eo ny nana fa tsy hofongoranao (diovina), satria hoe "cellules sy globules blanc-ko ihany ireo ka tsy ekeko ny andringanana azy" ? ataoko fa mamono tena ianao raha izany. Mba toy izany ny fitiavan' Andriamanitra ny FiangonaNy, tsy tiaNy ny lo hanimba ny tena iray manontolo.

Ary ity farany ity ve inoanao sa tsia ? raha voalaza fa naringan' Andriamanitra ireny olona ireny, moa ve Izy tsy manana fitiavana sy hery ampy hi-recyclena azy ireo ? Izany hoe, hamerenana azy ireo indray ? Ka ahoana no ilazanao fa tsy marina izany rehetra izany ?
85. rzakarivola ( 03/09/2009 14:07)
rakapy:

Soanja, Ika> Misaotra anareo mbola mahita ny fahamarinana. Ny sasany mantsy dia manao toy ny ondry ka raha vao mitsambikina anaty ranomasina ny mpitarika dia lasa daholo ny rehetra. Soa fa mbola misy xana manana saina sy fanahy mamakafaka.

==> Ny mahagaga eto ry rakapy dia izao, na dia manana saina sy fanahy araka ilay lazainao aza izy ireo dia mbola mifikitra @ maha kristiana azy ihany, fa nahoana ary ?
86. rzakarivola ( 03/09/2009 14:12)
ari.malala:
Ny tena hitako olana d zao, maka verset 1 na 2 ao @ boky 1, d iny no interprété na araka izay mahametimety ny saina eo, d mody anaovana fanoharana mitovitovy cas @ iny d lasa amizay mandresy lahatra ny hafa fa hoe izay tokoa no nolazain'ny Fanahy Masina sns, d tonga amizay koa ny hevitra hanaratsiana izay tsy mitovy firehana @ tena...

==> hitako fa ireo lazainao mpaka versets 1 na 2 ao @ boky ireo dia olona tsy mitovy firehana aminao. Sa mitovy ?
Aminao, ahoana concrètement ny fiasan'izany Fanahy Masina izany ? Ahoana no anekena fa ny tenin'ny olona iray dia avy @ Fanahy Masina ary ny an'ny anakiray dia tsia ?


ari.malala:
d refa tratran'ny fanontaniana manohintohina d mandrahona hoe manohitra an'Andriamanitra

==> Mety ho fanoherana an' Andriamanitra ve ny fakàna ny toeran' Andriamanitra ry ari.malala sa tsia ?
Izaho matetika dia voalaza fa maka ny toeran' Andriamanitra

ari.malala:
nefa ilay Jesoa toriana ao anatin'ilay baibioly malaza fa 'Fitiavana', nampianatra ary nandidy akory aza hoe 'Mifankatiava'

==> Araka ilay voalazan'i Jesoa, voasoratra ao anaty Baiboly io :
1- Iza no tokony hifankatia araka ilay Didy ?
2- Fitiavana toy ny ahoana no ifankatiavana ?
3- Inoanao ve izany tenin'ny Baiboly izany ?
87. bor2lais ( 03/09/2009 14:52)
Voalazan'i ari ery ambony ery (valinteny 80) :

"d'accord 100% @nao zà fa ts midika izany hoe traiteo de tous les noms ny olona, na ambanio hoe béte na ts haiko e! raha hita fa mivily lalana ilay olona (raha izay tokoa ny cas) d ts ny fandetehanao anazy akory no hampitraka anazy ndray, fa ny fisintonanao anazy hiverina am lala-mahitsy, saingy raha mivatravatra enao mitarika anazy vao maika izy handositra fa ts hanatona anao eo. Zay mints no hitako blem ny mpitarika katolika, ny ankabeazany tsy mba manao teny manitona fa mivatravatra sy masika vel! d refaveo amizay ny kristianina katolika ts mahazaka ilay teny mahery mifindra lasy any @ izay mahay manambitamby anazy d arahina vava be! nefa ny nataon'iza! mandiniha tena kely fa tena ts lasa! ts vao androany ah no nanao io fanamarihana io an, tsy in 1 ts in2 fa efa imbetsaka!"

------------
^:^
88. rijadolly ( 03/09/2009 15:52)
Soanja >>>>> Ra dinihina sy miheritreritra tokoa isika dia hoe tsy tokony hamono olona Andriamanitra.Tokony ho tia ny Fahavalony Andriamanitra.Fanotaniana maromaro no apetrako an\'se
1) Inona ny tombony ho an\' ny Mpino(tena mino) amin\' tsy mpino na minomino fotsiny amin\'andro farany?
2) Ra tsy naringana ny ratsy fanahy izay naniry ny ain\'ireo olona tsara sy voafidy,Ireo olona tsara izay tsy nisy akory ny isa notakiana na dia niady varotra mafy aza ny Mpanompon\'Andriamanitra,Nisy ve ny Mino an\'Andriamanitra taty amin\'taonjato niainan-tsika.
3) Efa fantantsika fa ilay anjely izay nanana ny 1/3 ny miaramilany ny fahavalon\'Andriamanitra.Izay mbola mirihariha eto an-tany.Samy te hanjaka Mandrakizay izy roa ireo satria efa nahita sy nahay ny fomba ny fanjakana Ambony koa ilay mpamadika,ny fahavalon\'Andriamanitra dia tsy hitsitsy ny mpomba an\'Andriamanitra.Fitiavana ve Andriamanitra ra mamela ny olony hanjakan\'izany fanjakana ratsy izany?
4) Fitiavana ve Andriamanitra raha tsy hanala ny tsiparifary izay tsy manana hevitra afatsy ny hamingana ny olony ka ahavery azy.
89. simplex ( 03/09/2009 16:11)
razaka:

==> Ity koa misy version anakiray manazava ny fisaraham-bazan'ny kristiana : ny tilikambon'i Babela.
aleo ihany le antoko politika kle.
Sa za ve dondrona na tsy maharaka tendance :lol:

razaka:

Hoy i simplex:
Ny tena marina koa, i jesoa no somary nanao folaitra kely @ zavatra nolazainy. Tokony tonga dia izay hafatra tiana ampitaina no noteneniny fa tsy izao fanoharana sy resaka lava be tsy hay takarina izao.


==> Mba tsy azoko indray ity lazainao ity. Ny hafatra tiana ampitaina avy hatrany no nampitaiNy. Izany no ilazaNy fa "miafina @ manam-pahalalana izany fa miseho @ zaza sy ny tsy manam-pahalalana"
ka zay no itenenako hoe ra tian'lery ho azon'ny olona rehetra tokony tsy naolakolany ny resaka fa tonga dia ny voamasony no nopotsiriny :P

razaka:

==> Natony re ry simplex ah. Jereo anie e:
1- izao no tokony hinoana : "Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana, fa izay tsy mety mino tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran' Andriamanitra no mitoetra eo aminy"
2- izao no fomba fivavahana : "Minoa ahy, fa avy ny andro, ary tonga ankehitriny, tsy any Jerosalema intsony na eto @ity tendrombohitra ity no hivavahana @ Ray, fa ... amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana"
3- izao no vaki-teny : (ity vaki-teny ity tsy azoko no tianao tenenina fa inoako fa i Jesosy ihany dia hanazava aminao, ary rehefa mazava aminao dia mba lazao @nay)
4- izao avy no didy : "Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an'i Jesosy, sy ny hifankatiavantsika araka ny nandidian'i Jesosy". Ny détails dia omen'ny : 1- Ny Fanahy Masina, 2- ny Fiangonana masina eto @izao tontolo izao, 3- olo-masina
eto zao tsara ra manisy toko sy andininy toi satria ra tsy mametraka citations d lasa raisiko hoe hevitr'i toi ireo.
Mais bon, ra niteny an'reo izy nahoana no mbola lany andro manao interpretation ihany ny pokona?

ny vakiteny dia ilay tenin'A/tra vakiana rehefa alahady iny. Tokony tonga dia notsorin'i jesoa hoe rehefa krismasy dia izao no vakiteny. Rehefa karemy dia izao...

razaka:

==> Ny isan'ny Fiangonana ve no tianao tenenina ? Iray ihany ny Fiangonana.
kozy ve le?
koa in no mankary andoha an'i rakapy eto? :)

le hoe vitsy ny mpanara dia an'i jesoa dia fehezan-teny sarkastika @ le hoe omeo felahiny koa ny takolaka havia... asa, za rery ve no mieritreritra fa adala ze mamonjy manome ny takolakany havia ho felahina koa? :-w
asa anefa


razaka:

==> Tsy dia azoko loatra ilay niasa loatra. Maro tokoa ny kristiana, soa ihany fa misy vitsy mino marina an'i Jesoa Kristy, ary ireo no vavolombelon'i Jesoa Kristy eto @izao tontolo izao, omban'ny herin'ny Fanahy Masina. Marina ny tenin'i Jesoa Kristy hoe : "misisiha hiditra @ lalana tery ianareo, fa malalaka sy migodana ny lalana mankany @ fahaverezana ka maro no mankany ..."
non, tsy azon'i toi ny tiako lazaina.

ra vitsivitsy ny mpino kristianina poinsa mety tsy samy naka ny lalany. Zay le izy.
Sady lasa otran'ny hoe zavatra fondamental be le eglizy. Ra tsy nieritreritra ny ol fa tena zavatra important be io dia tsy dia nanana influence t@ fianana le izy. Zany hoe tsy lasa objet de convoitise... dia mety tsy nisara-bazana ny kristianina avy eo.
Jereo @ le film moyen age ireny fa tena otran'ny hoe institution eo @ fanjakana mintsy ny fiangonana. Matetika aza moa dia i monsenera no tena mpanao conspiracy @ fifandimbiasana eo @ fiandrianana.
Ra tsy nisy an'zany mety tsy nisy ol nitonatonana namorona ny fiangonany koa :)

razaka:

==> Inona no solution hampiraisana ny mpino raha araka ny finoan'i simplex?
tsotra fotsiny lesy e. Misaotra anao aloha nametraka ny fanotaniana.
Inona no tokony hatao hampiraisana ny kristianina?
governemanta d'union nationaly... any Maputo no atao ny fizarana seza.
Dieny zao dia efa milaza ah fa tsy azo atao iray finoana ny filoha sy ny praiminisitra ;-)

homba antsika A/tra!

oe oe oe oe,


^:^
90. soanja ( 03/09/2009 16:40)
ari.malala:

" Emancipate yourself from mental slavery 'cause none but yourself can free your mind"
marina tanteraka!

Ny tena hitako olana d zao, maka verset 1 na 2 ao @ boky 1, d iny no interprété na araka izay mahametimety ny saina eo, d mody anaovana fanoharana mitovitovy cas @ iny d lasa amizay mandresy lahatra ny hafa fa hoe izay tokoa no nolazain'ny Fanahy Masina sns, d tonga amizay koa ny hevitra hanaratsiana izay tsy mitovy firehana @ tena... d refa tratran'ny fanontaniana manohintohina d mandrahona hoe manohitra an'Andriamanitra ilay mpanontany satria io olona mitory sy miteny io d irak'Andriamanitra :roll: sinon manambany ny hafa ho béte refa tsy mahatakatra izay tiany ambara... nefa ilay Jesoa toriana ao anatin'ilay baibioly malaza fa 'Fitiavana', nampianatra ary nandidy akory aza hoe 'Mifankatiava'


Tahian'Andriamanitra indry! Tena voalazanao mihitsy ny marina.

I Jesoa amiko dia tsy nitory afa tsy FITIAVANA. Io no tiany haparitaka eran'izao tontolo izao. Fitiavana fitiavana ny rehetra.


91. soanja ( 03/09/2009 16:54)
Mandefitra:

Soanja> raha ekena fa Andriamanitra dia mpamorona (Createur) ... tsy tokony hahagaga loatra raha mananjo handripaka zay noharian ny tanany Izy, araky zay sitrapoNy.

Vao ny olombelona fotsiny aza napetraka ho mpanjakan ny zavaboahary, firifiry no efa naripany?

Zay mahasamihafa antsika, @ izy Andriamanitra, dia ny Izy manao izany @ fitiavana sy fahamorampo foana, ary afaka manome fiadanana ho an ireo lazainao tsy manantsiny nasaiNy novonoina, na novonoiNy mitsy aza (safo-drano ohatra) ...
Satria @ Andriamanitra ny tena fiainana tsy eto antany fa any andanitra ...

Ka raha hatao hoe fitiavana fotsiny Andriamanitra, dia ny ampahaNy ihany @ maha Izy Azy no ho voajery, ka handiso ny tantara.


Andriamanitra dia Fitiavana ka izay tiany atao amintsika amiko dia ampitiavana avokoa. Tsy manan-jo handripaka ny hafa izany. Tsy Fitiavana izany. Sa ahoana ny fahitanao izany??? Fitiavana ve ny hananao zo handripaka ny hafa raha sanatria ka Andriamanitra nanome anao fahefana araky ny fihevitrao satria niresaka taminao izy na niseho taminao tao anaty ny torimaso na nanindry anao tamin'ny Fanahy Masina dia niteny hoe " Alefa Aripaho Ireto..."

Ahoana hozy ianao? ndeha ve ianao haka baomba dia lasa izao. Dia hilaza ianao fa Andriamanitra no naniraka ary izy manana zo handripaka? Miandry ny valinteninao ary.


92. soanja ( 03/09/2009 19:34)
cutie:

. Mpandefa : soanja [ Valio ] 03-09-2009 04:30:10
Lohateny : Re : Ny baiboly: Ilay boky nampisara-bazana ny kristianina
Koa ambava homana am-po mieritreritra!

Tahak'izao ataoko izao no maharatsy ny kitsipotsipona resahin'i Ika mantsy.

Betsaka ny tenin'Andriamanitra LAFATRA ao anaty baiboly ary ireo no mbola ifikirako aminy satria mahasoa sy mahavelona, afaka hiodinako eo amin'ny fiainana.

Ny saonjo iray lohasaha hoy ny Ntaolo tsy ilaozan'izay hamarara.

misy fanontaniana ty:
Ny xstiana nga tsy natao ho hamaky ny testamenta vao2 ihany?? sady tsy io ve no tokony harahina raha hanaradia an'i kristy???
le resaka famonoana bdb ary @ testamenta taloha manko tao tsy mbola nisy resaka kristy tao sa za no diso ??? Za koa moa tsy mamaky baiboly rahateo ka tsy mahay n'inin :-D


Io boky io mihitsy no azo lazaina fa tsy arifomba ka. Tokony navela ho scrolls toy ny nahazatra hatramin'izay namakian'i Jiosy azy sy tamin'ny andron'i Jesoa ilay izy dia samy manoratra daholo izay nanoratra. Fa tsy hoe fa nofantimpantenana ny soratr'olona momba an'Andriamanitra avy eo amin'izay natambatra nanome ny boky. I Jesoa tsy niteny hoe aravony ho iray ny momba an'Andriamanitra ao anaty boky iray.

Ny literatiora rehetra dia tokony hovakiana daholo raha mahavita momba an'Andriamanitra. Nanomboka izay taona nanoratana izany ka hatramin'izao. Tsy misy fotoana anie Andriamanitra fa Izy no Alfa sy Omega. Zany hoe mandrakizay sy tsy manm-petra ny asany.

Ny hamaliako ny tenindry izany dia azo vakiana daholo na ny TT na TV saingy tsy natao hoe izay voasoratra ao dia tenin'Andriamanitra daholo fa azo atao hoe tantara momba ny foko Jiosy sy ny nandalovany ary ireto ny niafarany sns... i Jesoa dia nipoitra avy tamin'io foko io. Toy ny hoe mamaky ny boky tantaran'Andriana e. Iny akory tsy finoantsika fa ahafantarantsika ny momba antsika Malagasy.

Mbola hitohy


93. soanja ( 03/09/2009 22:23)
Ireo teny faminaniana avy tamin'ny TT no maha zanak'Andriamanitra an'i Jesoa satria any amin'ny TT dia efa manomana antsika Andriamanitra ny ho fahatongavan'ilay Teny Tonga Nofo.

Koa ilaina tokoa ny famakiana ny TT raha te ho Xtianina saingy tsy raisina ara-bakiteny ny voalaza ary tsy izay rehetra voalaza ao dia ho tenin'Andriamanitra avokoa. Ny TT kosa dia manome antsika ny fipetraky ny fiainan'ny Jiosy sy ny ady nandalovan'izy ireo nahatonga andry zareo ho amin'izao fotoana izao. Tantara toy ny tantara rehetra izany, tsara ho fantatra ary manome fomba fijery isan-karazany tokoa ny fiainana. Tsy ratsy saingy tsy tenin'Andriamanitra velively akory.

Hitandry fotsiny izao hoe samy avy amin'ny baiboly ihany dia hisy hiteny hoe tsy hihinana henakisoa izahay satria biby maloto io araky ny voalazan'i Jehovah, dia ao ny miteny hoe an an hano amzay ary afaka hihinana isika fa efa nodiovin'i Jehovah, zoma hariva mankany Asabotsy ny andro sabata, ny hafa mihevitra fa ny alahady no sabata dia iny dia efa hampisaraka satria samy manana izay fandraisany azy.

Aiza anefa no nakana izany rehetra izany, inona fa tsy ny baiboly??? Samy voalaza ao avokoa ireo ary i Andriamanitra tsy nanoratra na Jesosy niteny hoe hano ny kisoa fa ny olona dia hihinana satria te hihinana izy ireo avy eo izy hitady ilay antony kitsimpona ao amin'i bible hoe io fa efa voalaza fa azo hanina le raha..... dia eo mifanditra eo.

Tsy misy diso tsy misy hoe marina fa samy manana ny fandraisany azy saingy ny mampalahelo dia lasa misarantsaraka ka zary hanao ilay ery ambony ery hoe " alefa aripao fa ratsy... " Mampalahelo ny raharaha. :cry:
94. soanja ( 03/09/2009 22:27)
rzakarivola:

soanja:
Tsy lafatra ny baiboly satria olombelona toa antsika ihany no nanoratra azy. Samy mandray izay tandrify azy no betsaka ary izay tokoa dia mitondra amin'ny fisarantsarahana.

==> Tsy mino ve i Soanja fa hain'i Jesoa Kristy, ilay Fitiavana sady mahery no miasa ao anatin'ny sain'ny olona hanoratra izay tiaNy ? Nefa, hajaiko raha izay no tandrify anao ka raisinao.
Ohatra ny mampieritreritra ahy io hoe :"samy mandray izay tandrify azy" io. Raha io no marina dia hifanaja tokoa ka hitoetra ho iray, fa ny fahalalako azy, toa mandray izay tsy tandrify azy ny tsirairay fa te hi-domine @ zava-drehetra. Izaho koa mety ho isan'izany. Kanefa Izy ambony noho izaho, sady mahery noho izaho.


Ny hoe " marina" resahiko eto aleo hazava fa ianao mantsy tsy mahazo resaka foana dia ny zavatra voaporofo.

Aiza ny porofo?

Dia ny isan'ny anaram-piangonana eto an-tany milaza azy hoe Xtianina. Firy ny isany????? Inona no mahasamihafa ny anarany???? ireo aloha jerena vao miresaka isika.


95. cutie ( 03/09/2009 22:32)
Koa ilaina tokoa ny famakiana ny TT raha te ho Xtianina saingy tsy raisina ara-bakiteny ny voalaza ary tsy izay rehetra voalaza ao dia ho tenin'Andriamanitra avokoa.

ka ahona ny ahalalana we ty tenin'Atra de ty tsy teniny?
96. soanja ( 03/09/2009 22:35)
rzakarivola:

Raha izay mantsy dia tsy hitako mihitsy ny olanao ny @ resaka nalavo t@ sabatra, ianao ihany no mpiteny fa ny nofo dia fitafian'ny fanahy fotsiny eto an-tany. Tsy famonoan' olona mihitsy araka ilay eritreretinao izany ilay voalazan'ny baiboly hoe "vonoy, aringano".

[==> Raha fitiavana araka ny teninao ilay Andriamanitra inoanao, kanefa dia mbola misy ihany ireny soratra heverinao fa mamitaka ireny, dia roa ihany no possibilité (misy hafa ve ?), na :
1- Tsy manana hery sy fahefana hanao izay sitrapoNy ilay Andriamanitra io, tsy mahasakana na dia kely aza izay tian'ny olombelona atao, na
2- Manana hery tsy takatra sy ambony indrindra Izy, saingy tena tafiditra ao anatin'ny fitiavaNy daholo ireny zava-mitranga ireny, ny Soratra mipetraka ihany koa, sy ny fisian'ny fitaka rehetra, na iza manao izany na iza.
Ka iza amin'ireo no heverinao fa marina, sa misy possibilité hafa ?




Tsy mampamono ny hafa ny hafa na mandringana ny Fitiavan'Andriamanitra antsika na eto an-tany izany na any an-danitra tsy fantatra any. Io no inoako na hiorika na hivalana ianao Razaka...


97. soanja ( 03/09/2009 22:42)
rijadolly:

Soanja >>>>> Ra dinihina sy miheritreritra tokoa isika dia hoe tsy tokony hamono olona Andriamanitra.Tokony ho tia ny Fahavalony Andriamanitra.Fanotaniana maromaro no apetrako an\'se
1) Inona ny tombony ho an\' ny Mpino(tena mino) amin\' tsy mpino na minomino fotsiny amin\'andro farany?
2) Ra tsy naringana ny ratsy fanahy izay naniry ny ain\'ireo olona tsara sy voafidy,Ireo olona tsara izay tsy nisy akory ny isa notakiana na dia niady varotra mafy aza ny Mpanompon\'Andriamanitra,Nisy ve ny Mino an\'Andriamanitra taty amin\'taonjato niainan-tsika.
3) Efa fantantsika fa ilay anjely izay nanana ny 1/3 ny miaramilany ny fahavalon\'Andriamanitra.Izay mbola mirihariha eto an-tany.Samy te hanjaka Mandrakizay izy roa ireo satria efa nahita sy nahay ny fomba ny fanjakana Ambony koa ilay mpamadika,ny fahavalon\'Andriamanitra dia tsy hitsitsy ny mpomba an\'Andriamanitra.Fitiavana ve Andriamanitra ra mamela ny olony hanjakan\'izany fanjakana ratsy izany?
4) Fitiavana ve Andriamanitra raha tsy hanala ny tsiparifary izay tsy manana hevitra afatsy ny hamingana ny olony ka ahavery azy.


Ka moa va tsy tian'Andriamanitra intsony isika izany amin'izao fotoana izao raha toa ka manjaka tsy misy ohatr'izany ny ratsy eto ambonin'ny tany sa ve leo nandringana indray Andriamanitra sa ahoana hoy ianao no dia raha misy ny ratsy eo imasontsika dia amin'izao fotoana izao??? aiza ilay Andriamanitra no tsy mandringana intsony azy ireo? Sa ve hoe tsy tian'Andriamanitra hitohy intsony ny fahalalana azy amin'ireo taranaka ho avy izay mbola tsy teraka?? aiza ny lojika ?

Nahoana moa raha mba tonga dia izany SATANA voaizana lava eto izany no tonga dia fongorana dia tsy nisy ny fifamonoana lava eo amin'ny samy olombelona amin'ny anaran'Andriamanitra.

Azonao valiana ve aho vonona hamono ny namanao ianao amin'ny Anaran'Andriamanitra????


98. soanja ( 03/09/2009 22:46)
rijadolly:

1) Inona ny tombony ho an\' ny Mpino(tena mino) amin\' tsy mpino na minomino fotsiny amin\'andro farany?


Miala tsiny aho ry Rija fa tsy hinoako ny hoe hiverina i Jesoa amin'ny andro farany. Amiko dia efa eto anivontsika Izy. Efa ao anatintsika ary ny fisiany ao amintsika dia mandrakizay. Fanahy velona mandrakizay ary samy hanana ny andraikiny avy na ety an-tany na any ankoatra.

Ny hoe iza no mifoha mahatsapa Azy sy ny mbola matory no resaka mety resahina amiko momba izany...

Misaotra anao nanontany.


99. Mandefitra ( 04/09/2009 04:35)
Ka ny an i Soanja moa izy ihany no mamorona andriamanitra ho azy ...
"ny olona ihany no misary andriamanitra na misary ho devoly ..." hoy ianao.

Fa raha ekenao hoe Andriamanitra no Mpamorona, dia hiara hiteny @ Paoly toy izao ianao :
Romana 9 : 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?

Misaotra
100. ni81 ( 04/09/2009 05:36)
Miala tsiny aho ry Rija fa tsy hinoako ny hoe hiverina i Jesoa amin'ny andro farany. Amiko dia efa eto anivontsika Izy. Efa ao anatintsika ary ny fisiany ao amintsika dia mandrakizay. Fanahy velona mandrakizay ary samy hanana ny andraikiny avy na ety an-tany na any ankoatra.
Eo anivontsika foana tokoa Izy, fa tsy mbola ilay fiverenana fanindroany voalaza sy nambara.
Dia inona fotsiny izany no dikan'ilay fanekem-pinoana atao iny manao hoe: "avy any no hiaviany indray, hitsara ny velona sy ny maty"?
sy ny hoe: Apokalypsy 1:7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
Mbola misy tsimpona be dia be azo atao ao fa aleo aloha ireo ihany no ambara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4619